Avia, hanaraka Ahy
30 martsa–12 aprily. Paska: “Hitsangana … [Izy] miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany”


“30 martsa–12 aprily. Paska: -Hitsangana … [Izy] miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“30 martsa–12 aprily. Paska,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty miaraka amin’ireo Apôstôliny

I Kristy sy ireo Apôstôly, nataon’i Del Parson

30 martsa–12 aprily

Paska

“Hitsangana … [Izy] miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany”

Mandritra ireo andro mialoha ny alahadin’ny Paska dia azonao atao ny mampifantoka ny fandalinanao manokana sy ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina amin’ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaikan’ny Bokin’i Môrmôna momba ny fiainana, ny fahafatesana, sy ny Fitsanganana amin’ny maty, ary ny herin’ny fanavotan’i Jesoa Kristy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ireo Apôstôly fahiny dia sahy tamin’ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. An-tapitrisany no nino an’i Jesoa Kristy sy niezaka nanaraka Azy noho ny tenin’izy ireo izay voarakitra ao amin’ny Baiboly. Kanefa mety hanontany tena ny sasany hoe raha i Jesoa Kristy no Mpamonjy ny tany manontolo dia nahoana no voafetra ho olom-bitsy avy amin’ny faritra kely iray no vavolombelona nanatri-maso Azy?

Ny Bokin’ i Môrmôna dia vavolombelona mandresy lahatra iray fanampiny fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo “izay maneho ny tenany amin’ny firenena rehetra” (pejin-dohatenin’ Ny Bokin’ i Môrmôna) ary manolotra famonjena ho an’ireo rehetra izay manatona Azy. Ankoatra izany ity vavolombelona faharoa ity koa dia manazava ny dikan’ny hoe famonjena. Izany no antony nahatonga an’i Nefia, sy i Jakôba, sy i Môrmôna ary ireo mpaminany rehetra niasa “[t]amim-pahazotoana tokoa mba hisokitra ireo teny ireo eo amin’ny takelaka”—mba hitoriana amin’ny taranaka ho avy fa izy ireo koa dia “nahalala an’i Kristy, ary … nanana[ny] ny fanantenana ny voninahiny” (Jakôba 4:3–4). Mandritra ireo herinandro vitsy mialoha sy aorian’ity Paska ity dia saintsaino ireo tenivavolombelona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay maneho fa ny Sorompanavotan’i Kristy dia ho an’izao rehetra izao no sady ho an’ny olona iray manokana, eny manavotra ny tany manontolo ary manavotra anao.

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

2 Nefia 9:6–15, 22; Almà 11:41–45; 40:21–23; 3 Nefia 26:4–5

Noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty avokoa ny olona rehetra.

Fanao mandritra ny Paska ny misaintsaina ny amin’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty kanefa inona no tena dikan’ny hoe mitsangana amin’ny maty? Inona no fahatakarana omen’ny Bokin’i Môrmôna ho antsika mikasika ny fitsanganana amin’ny maty? Mba ho anisan’ny fankalazanao ny Paska dia mety azonao hatao lisitra ireo fahamarinana mikasika ny fitsanganana amin’ny maty izay hitanao ao amin’ny 2 Nefia 9:6–15, 22; Almà 11:41–45; 40:21–23; sy ny 3 Nefia 26:4–5. Azonao atao koa ny manoratra ny antony hiheveranao ny maha-manan-danja ny mahafantatra ny tsirairay avy amin’ireo fahamarinana ireo.

Mety ho tsikaritrao fa matetika ireo fahamarinana momba ny Fitsanganana amin’ny maty no ampianarina miaraka amin’ireo fahamarinana mikasika ny Fitsarana Farany. Saintsaintsaino ny zavatra ampianarin’izany anao mahakasika ny lanjan’ny Fitsanganana amin’ny maty eo amin’ny drafitry ny famonjena.

Jereo koa ny Lioka 24:36–43; Asan’ny Apostoly 24:15; 1 Korintiana 15:12–23.

Môzià 3:7; 15:5-9; Almà 41:13–11

Nentin’i Jesoa Kristy teo Aminy ny fahotako, sy ny fanaintainako ary ny rofiko.

Mampianatra mazava tsara ny Baiboly fa nanao sorona fanavotana noho ny fahotantsika i Jesoa Kristy. Ny Bokin’i Môrmôna anefa dia mampivelatra tokoa ny fahatakarantsika ny amin’ny sorona nataon’i Kristy sy ny fijaliana niaretany. Ny sasantsasany amin’ireo fampianarana ireo dia azonao jerena ao amin’ny Môzià 3:7; 15:5-9; sy ny Almà 41:13–11. Rehefa avy mamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao dia azonao atao ny mirakitra ny zavatra hitanao ao anatina tabilao tahaka ity iray ity:

Inona no zavatra niaretan’ny Mpamonjy?

Nahoana Izy no nijaly?

Midika inona ho ahy izany?

Inona no zavatra niaretan’ny Mpamonjy?

Nahoana Izy no nijaly?

Midika inona ho ahy izany?

Jereo koa ny Isaia 53; Hebreo 4:14–16.

Sary
I Kristy mivavaka ao amin’ny Sahan’i Getsemane

Getsemane, nataon’i Michael T. Malm

Môzià 5: 1 -2; 27:8–28; Almà 15 :3–12; 24:7–19

Manadio ahy sy manampy ahy ho tonga lafatra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Azo lazaina fa ny Bokin’i Môrmôna dia miompana amin’ny tantaran’ny olona izay niova noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Raha ny marina, ny sasantsasany amin’ireo olona ireo dia nahavita fahotana goavana ary nitsangana ho fahavalon’ny olon’ Andriamanitra mihitsy mialoha ny nahatongavan’ny fiovana mahery vaika teo amin’izy ireo tamin’ny alalan’ny herin’ny Mpamonjy arakaraka ny finoan’izy ireo Azy. Ny sasantsasany amin’ireo zavatra niainana ireo dia azonao vakiana ao amin’ny Môzià 5:1–2; 27:8–28; sy ny Almà 15:3–12; 24:7–19; afaka mieritreritra ohatra hafa hohalalinina ihany koa ianao. Inona no zavatra tsikaritrao fa iraisan’ny tsirairay avy amin’ireo zavatra niainana ireo? Inona no fahasamihafana tsikaritrao? Inona no ampianarin’ireo tantara ireo anao ny amin’ny fomba hahafahan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy manova anao?

Jereo koa ny Almà 5:6–14; 13:11–12; 18; 19:1–16; 22:1–26; 36:16–21; Etera 12:27; Môrônia 10:32–33.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Eo am-pankalazanao ny Paska miaraka amin’ny fianakavianao dia karohy ireo fomba hiarahana mianatra momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotana nataony; anisan’izany ny Fitsanganany tamin’ny maty. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

3 Nefia 1117

Mahita ny fianakaviana sasany fa ny fandalinana ny tantara momba ny fitsidihan’ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty tany Amerika dia manan-danja indrindra mandritra ny vanin’andron’ny Paska. Amporisiho ny olona ao amin’ny fianakavianao haka sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana izany nitsapa ireo holatra teny Aminy izany (jereo ny 3 Nefia 11:14–15) na koa hoe anisan’ireo ankizy notsofiny rano ianao (jereo ny 3 Nefia 17:21). Ahoana no hampitomboan’io tantara io ny fankasitrahanao ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty? Misy sary hosodoka iray maneho io tantara io nampiarahana tamin’ity lesona ity. Misy sary hafa azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Mety ho tian’ny olona ao amin’ny fianakavianao ihany koa ny manao sary vita tanana ny zavatra novakian’izy ireo.

Hafatra avy amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Any amin’ny faritra maro maneran-tany, ny fihaonambe maneran-tany amin’ny volana aprily amin’ity taona ity dia hatao mandritra ny faran’ny herinandro mialoha ny Paska. Amin’ity Paska ity, dia mety ho afaka ny hanampy ny fianakavianao hifantoka amin’ny Mpamonjy ny fihainoana hafatra avy amin’ny fihaonambe. Ohatra, azonao asaina ny olona ao amin’ny fianakavianao hihaino hafatra avy amin’ny fihaonam-be izay mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty—indrindra fa ireo avy amin’ireo Apôstôly izay vavolombelona manokana an’i Jesoa Kristy. Azonareo atao avy eo ny mamerina mandinika miaraka ireny hafatra ireny ka mamantatra ireo fampianarana izay manamafy ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba ny Mpamonjy.

Ilay Kristy velona: Ny tenivavolombelon’ny Apôstôly

Vakio miaraka amin’ny mpianakavy ny “Ilay Kristy velona: Ny tenivavolombelon’ny Apôstôly” (Liahona, mey 2017, ao anatin’ny fonony ivelany aloha; jereo koa ny ChurchofJesusChrist.org) ary asao ny tsirairay amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao hisafidy hafatra iray momba ny Paska avy amin’io tenivavolombelona io mba hozaraina amin’ny hafa. Ohatra, mety hamorona peta-drindrina haseho eny amin’ny tambazotra ifaneraserana na eo amin’ny varavarana fidirana na eo amin’ny varavaran-kely ianao.

 

     

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Iaino ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny zavatra tena manan-danja indrindra azonao atao amin’ny maha-ray aman-dreny anao dia ny miaina ny filazantsara amin’ny fonao manontolo. Io no fomba tsara indrindra hahafahanao ho mendrika ny hanana ny Fanahy Masina ho namana. Tsy ilaina hoe tonga lafatra ianao fa miezaha amim-pahavitrihana fotsiny ihany ny hanao ny tsara indrindra vitanao ary mangataha famelana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 13–14.)

Sary
I Kristy mandray tanana an’ireo Nefita

Sary maneho an’i Kristy teo anivon’ny Nefita nataon’i Ben Sowards