Avia, hanaraka Ahy
13–19 aprily. Môzià 1–3: “Fenon’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra”


“13–19 aprily. Môzià 1–3: -Fenon’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“13–19 aprily. Môzià 1–3,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
I Benjamîna Mpanjaka mampianatra ny vahoakany

Ny lahateny fanaovam-beloma nataon’i Benjamîna Mpanjaka, nataon’i Minerva Teichert

13–19 aprily

Môzià 1–3

“Fenon’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra”

Nanome antony iray tokony hiraketana ireo zavatra tsapantsika ara-panahy i Benjamîna Mpanjaka: “Fa tsy ho vitan’i Lehia raintsika ny ho nitadidy ireny zavatra rehetra ireny ka ho nampianatra ireny an-janany, raha tsy noho ny fanampian’ireto takelaka ireto” (Môzià 1:4).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Rehefa mandre ny teny hoe mpanjaka ianao dia mety hieritreritra satro-boninahitra, rova, mpanompo, ary seza fiandrianana. Ao amin’ny Môzià 1–3 ianao dia hamaky mikasika ny mpanjaka iray izay tsy mitovy amin’izany. Naleon’i Benjamîna Mpanjaka “nampiasa ny tana[ny]” (Môzià 2:14) toy izay hivelona avy amin’ny asa ataon’ny vahoakany. Naleony nanompo ny vahoakany “[t]amin’ny hery sy saina ary tanjaka rehetra izay efa nomen’ny Tompo [azy]” (Môzià 2:11) toy izay nanao izay hanompoan’ny hafa azy. Tsy tian’ity mpanjaka ity hitsaoka azy ny vahoakany. Naleony kosa nampianatra azy ireo hitsaoka Mpanjaka iray lehibe kokoa noho izy, satria takany fa “ny Tompo Tsitoha [no] manjaka” (Môzià 3:5). Tahaka ny mpitarika lehibe rehetra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra, ny tenin’i Benjamîna Mpanjaka sy ny ohatra nasehony dia mitarika antsika ho any amin’ny Mpanjaka iray any An-danitra, dia i Jesoa Kristy Mpamonjy izany. Nijoro ho vavolombelona i Benjamîna Mpanjaka fa i Jesoa Kristy dia “[n]idina … avy any an-danitra” ary nandeha “[t]eo anivon’ ny olona ary [n]anao fahagagana lehibe. … Ary indro tonga any amin’ny azy Izy mba hahatongavan’ny famonjena amin’ ny zanak’olombelona, noho ny finoana ny anarany” (Môzià 3:5, 9).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Môzià 2:1–9

Mitaky fiomanana ny fandraisana ny tenin’ Andriamanitra.

Rehefa nampilaza i Benjamîna Mpanjaka fa te hiresaka tamin’ny vahoakany izy, dia marobe tokoa ny olona tonga “ka tsy nisainy izy” (Môzià 2:2). Anisan’ny antony nahatongavan’izy ireo ny fankasitrahany sy ny fitiavany ny mpitarika azy ireo. Fa manan-danja kokoa noho izany ny hoe tonga izy ireo mba hampianarina ny tenin’ Andriamanitra.

Eo am-pamakianao ny Môzià 2:1–9, dia tadiavo ny zavatra nataon’ny vahoaka mba hanehoana fa nanome lanja lehibe ny tenin’ Andriamanitra izy ireo. Inona no nasain’i Benjamîna Mpanjaka nataon’izy ireo mba hiomanana hihaino ny tenin’ Andriamanitra? (jereo ny andininy 9). Ahoana no ahafahanao manomana tsaratsara kokoa ny tenanao handray ny tenin’ Andriamanitra mandritra ny fandalinanao manokana sy ny fandalinan’ny mpianakavy ary mandritra ireo fivoriam-piangonana?

Jereo koa ny Matio 13:18–23; Almà 16:16–17.

Môzià 2:10–26

Rehefa manompo ny hafa aho, dia manompo an’ Andriamanitra koa.

Sahirana ve ianao mitady fotoana hanompoana, na maniry ny mba hitondran’ny asa fanompoana ataonao fifaliana bebe kokoa ho anao? Araka ny eritreritrao, dia inona no mety holazain’i Benjamîna Mpanjaka raha manontany azy ny antony nanompoany tamin’ny “hery sy saina ary tanjaka” rehetra nananany ianao? (Môzià 2:11). Eo am-pamakianao ny Môzià 2:10–26, dia tadiavo ireo fahamarinana izay nampianarin’i Benjamîna Mpanjaka momba ny asa fanompoana ary saintsaino ny fomba azonao hampiasana izany eo amin’ny fiainanao. Ohatra, midika inona aminao ny fahafantarana fa rehefa manompo olona hafa ianao dia manompo an’ Andriamanitra ihany koa? (jereo ny Môzià 2:27). Eritrereto ny fomba iray azonao hanompoana olona iray amin’ity herinandro ity!

Jereo koa ny Matio 25:40.

Sary
vehivavy anankiroa mifamihina

Rehefa manompo ny hafa aho, dia manompo an’ Andriamanitra koa.

Môzià 3:1–20

Afaka mandresy ny olona araka ny nofo aho ary tonga olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

I Benjamîna Mpanjaka, tahaka ny mpaminany rehetra, dia nijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy mba hahafahan’ny olony “handray ny famelana ny fahotany … ary hifaly amim-pifaliana lehibe izaitsizy tokoa” (Môzià 3:13). Nampianatra ihany koa izy fa ny Mpamonjy, tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany, dia tsy vitan’ny hoe nanadio antsika fotsiny ihany, fa nanome hery antsika ihany koa mba handresy ny “olona araka ny nofo” ka ho tonga “olomasina” (Môzià 3:19; jereo koa ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Olona araka ny nofo,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Ny Loholona David A. Bednar dia nanazava hoe: “Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no manome fanadiovana sy herim-panavotana izay manampy antsika hiala amin’ny fahotana ary hery manamasina sy mampatanjaka izay manampy antsika ho tonga tsaratsara kokoa mihoatra lavitra noho ny takatry ny herintsika manokana. Ilay Sorompanavotana tsy misy fetra dia sady natao ho an’ny mpanota no natao ho an’ilay olomasina izay ao amintsika tsirairay avy ihany koa” (“Clean Hands and a Pure Heart,” Liahona, ôkt. 2007, 82).

Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hosaintsainina eo am-pamakianao ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy izay nataon’i Benjamîna Mpanjaka ao amin’ny Môzià 3:1–20:

  • Inona no ianarako avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy?

  • Ahoana no nanampian’i Jesoa Kristy ahy handresy ny fahotana? Ahoana no nanampiany ahy hanova ny toetra voajanahariko ka ho lasa olomasina bebe kokoa?

  • Inona no ianarako momba ny fahatongavana ho olomasina avy amin’ny Môzià 3:19?

Môzià 3:8

Nahoana i Benjamîna Mpanjaka no niantso an’i Jesoa hoe “ny Rain’ny lanitra sy ny tany”?

Nanazava ny Filoha Joseph F. Smith hoe: “I Jesoa Kristy, izay fantatsika ihany koa amin’ny hoe Jehovah, no mpanatanteraka ny didin’ny Ray, dia i Elôhima izany, tamin’ny asa tamin’ny fahariana. … I Jesoa Kristy, ilay Mpahary, dia antsoina tsy tapaka hoe ny Rain’ny lanitra sy ny tany … ; ary noho ireo zavatra nohariany izay manana toetra maharitra mandrakizay dia ny hoe Ray Mandrakizain’ny lanitra sy ny tany no tena tokony hiantsoana Azy” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph F. Smith [1998], 357).

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Môzià 1:1–7

Ahoana no nitahian’ireo takela-barahina sy ireo takelak’i Nefia an’ireo vahoakan’i Benjamîna Mpanjaka? Ahoana no hitahian’ny soratra masina ny fianakaviantsika?

Môzià 2–3

Mety hahafinaritra ny fianakavianao ny manangana ilay sehatra nanaovan’i Benjamîna Mpanjaka ny lahateniny. Afaka manamboatra tilikambo kely ianareo dia mamela ny olona ao amin’ny fianakaviana hifandimby hamaky ny tenin’i Benjamîna Mpanjaka sady mijoro eo ambonin’ilay izy. Afaka mihaino avy ao anatin’ny trano lay namboarina vonjy maika ny sisa amin’ny fianakaviana.

Môzià 2:9–19

Inona no ianarantsika momba ny asa fanompoana avy amin’ny fampianaran’i Benjamîna Mpanjaka sy ny ohatra nasehony? Tsapantsika fa taomin’ny Fanahy hanao inona isika?

Môzià 2:15–25

Hitondra tombontsoa ho an’ny fianakavianao ve ny hiresadresahana momba ny fanetrentena? Nahoana i Benjamîna Mpanjaka no tsy nieboebo momba ny zavatra rehetra nataony? Inona no zavatra azontsika ianarana avy amin’ny fampianarany momba ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra?

Môzià 2:36–41

Inona no nampianarin’i Benjamîna Mpanjaka mikasika ny vokatry ny fahafantarana ny fahamarinana kanefa tsy miaina izany? Inona no nampianariny mikasika ny fomba hahazoana fifaliana marina?

Môzià 3:19

Mila manao inona isika mba ho lasa olomasina? Toetoetra inona avy amin’io andininy io no azontsika hiezahana hananana amin’ny maha-fianakaviana antsika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mametraha tanjona azo tratrarina. Ny fanokanana fotoana na dia minitra vitsy monja aza isan’andro mba handalinana ny soratra masina dia afaka mitahy ny fiainanao. Manolora tena handalina isan’andro, ary mitadiava fomba hampahatsiahivana amin’ny tenanao ny fanolorantenanao.

Sary
I Benjamîna Mpanjaka mitory teny amin’ny vahoakany

Ny lahateny nataon’i Benjamîna Mpanjaka, nataon’i Jeremy Winborg