Avia, hanaraka Ahy
23–29 martsa. Enôsa–Tenin’i Môrmôna: Miasa ato amiko Izy mba hanaovako araka ny sitrapony


“23–29 martsa. Enôsa–Tenin’i Môrmôna: Miasa ato amiko Izy mba hanaovako araka ny sitrapony,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“23–29 martsa. Enôsa–Tenin’i Môrmôna,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
I Enôsa fony izy zazalahikely miaraka amin’i Jakôba rainy sy ny reniny

I Jakôba sy i Enôsa, nataon’i Scott Snow

23–29 martsa

EnôsaTenin’ i Môrmôna

Miasa ato amiko Izy mba hanaovako araka ny sitrapony

Rehefa mamaky ny Enôsa ka hatramin’ny Tenin’i Môrmôna ianao dia tadiavo ireo hafatra izay hanan-danja lehibe ho anao na ny fianakavianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nandeha tany an’ala i Enôsa mba hiaza biby, kanefa niafara tamin’ny fijanonany tany mba hivavaka “nandritra ny manontolo andro … ary rehefa tonga ny alina” (Enôsa 1:3–4) izany. Koa satria tena mosarena tokoa ny fanahiny mba handray ny famelana ny fahotany, dia vonona ny hivavaka faran’izay ela araka izay nilaina i Enôsa, eny fa na dia “[hi]tolona” teo anoloan’ Andriamanitra aza (Enôsa 1:2). Izany no atao hoe vavaka avy amin’ny fo: tsy fangatahana zavatra be dia be amin’izay mety ho ilaintsika fa ezaka amin-kitsimpo hiresaka amin’ Andriamanitra sy hampifanaraka ny sitrapontsika amin’ny Azy. Rehefa mivavaka toy izany ianao, rehefa “[m]ahatakatra ny lanitra” ny feonao, dia ho fantatrao, tahaka ny nahafantaran’i Enôsa izany, fa mandre anao Andriamanitra, ary tena miraharaha anao sy ireo olon-tianao Izy, ary eny fa na dia ireo fahavalonao aza (jereo ny Enôsa 1:4–17). Amin’ireny fotoana ireny dia afaka mampahafantatra anao ny sitrapony Andriamanitra, ary ho vonona sy ho afaka bebe kokoa ny hanao ny sitrapony ianao satria miray Aminy. Tahaka an’i Môrmôna, ianao dia mety “tsy mahalala ny zava-drehetra … [ary] miasa [ao aminao] Izy mba hanaova[nao] araka ny sitrapony” (Tenin’i Môrmôna 1:7).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Enôsa 1:1–3

Afaka manana fiantraikany maharitra ny tenin’ny ray na reny iray.

Inona no hafatra entin’ireo andininy ireo ho an’ny ray aman-dreny sy ho an’ny zanaka?

Enôsa 1:4–27

Hovalin’ Andriamanitra ny vavaka izay ataoko amin-kitsimpo.

Anisan’ireo traikefa faran’izay tsy hay hadinoina ao amin’ny soratra masina ny traikefa azon’i Enôsa tamin’ny vavaka. Mety ho tsy dia goavana tahaka izany ny zavatra iainanao, kanefa tsy voatery ho latsa-danja amin’izay ilay izy. Mety hampahafantatra fomba entina hanatsarana ny vavaka ataonao ny zavatra niainan’i Enôsa. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hosaintsainina:

  • Inona ireo teny mamaritra ny ezaka nataon’i Enôsa nandritra ny fotoana nivavahany?

  • Inona no nangatahan’i Enôsa tany am-piandohana? (Jereo ny Enôsa 1:4). Inona no azonao ianarana avy amin’ny valintenin’i Enôsa taorian’ny nahazoany valim-bavaka? (Jereo ny Enôsa 1:5–7).

  • Inona no nataon’i Enôsa noho ny valim-bavaka izay voarainy?

  • Inona no azonao ianarana avy amin’i Enôsa mikasika ny fomba hananana finoana ny Tompo izay “tsy azo hozongozonina”? (Enôsa 1:11).

JarômaÔmnia

Hitahy ahy ny Tompo rehefa mitandrina ny didy aho.

Anisan’ireo fampanantenana naverin’ Andriamanitra im-betsaka indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny hoe raha mitandrina ny didy ny Nefita dia hiroborobo izy ireo (jereo ny 2 Nefia 1:20; Jarôma 1:9–12; Ômnia 1:6). Ny bokin’i Jarôma sy Ômnia dia maneho fomba vitsivitsy izay nahatanterahan’io fampanantenana io. Inona no ianaranao avy amin’ireo tantara ireo ka afaka manampy anao “[hiroborobo] eo amin’ny tany”?

Ômnia 1:14, 21

Iza ireo vahoakan’i Zarahemlà?

Rehefa avy nandositra niala ny tanin’i Nefia ireo Nefita dia nahita olona marobe niaina tao amin’ny toerana iray nantsoina hoe Zarahemlà izy ireo. Ny vahoakan’i Zarahemlà dia taranaky ny vondrona Isiraelita, izay nandao an’i Jerosalema, tahaka ny fianakavian’i Lehia, ary notarihin’ Andriamanitra tany amin’ny tany nampanantenaina. Tao anatin’izany vondrona izany i Mioleka, izay iray tamin’ireo zanakalahin’i Zedekia, ilay mpanjakan’i Joda izay voasambotr’ireo Babylôniana tokotokony ho tamin’ny 587 talohan’i J.K (jereo ny Jeremia 52:1–11; Môzià 25:2; Helamàna 8:21).

Taorian’ny nahatongavan’ireo vahoakan’i Zarahemlà tao amin’ny tany nampanantenaina dia nifankahalala tamin’i Kôriantomira izy ireo (jereo ny Ômnia 1:21), izay fantatra fa hany sisa velona tamin’ireo Jaredita, izay tantaraina ao amin’ny bokin’i Etera ny tantarany.

Tenin’ i Môrmôna

Inona moa ny Tenin’i Môrmôna?

Ny Tenin’i Môrmôna dia toy ny rohy mampifandray ireo takelaka roa karazana izay mandrafitra ny Bokin’i Môrmôna. Ato amin’ity i Môrmôna dia manome fanazavana momba ireo rakitsoratra roa ireo, ary ny teniny dia mampianatra hafatra iray manan-danja momba ny fametrahana fitokisana amin’ny Tompo, eny fa na dia amin’ny fotoana izay tsy hahatakarantsika tsara ny didy izay omeny aza.

Teo am-panoratan’i Nefia ny rakitsoratry ny olony dia nandidy azy Andriamanitra mba hanamboatra takelaka roa karazana, nantsoina hoe takelaka kely sy takelaka lehibe an’i Nefia. Tsy fantatr’i Nefia ny antony nandidina azy hanamboatra takelaka roa karazana, kanefa natoky izy fa ny Tompo dia nanana “fikasana hendry … , dia fikasana izay tsy fantatro” (1 Nefia 9:5; jereo koa ny “Fanazavana fohy momba ny Bokin’ i Môrmôna”).

Taonjato vitsivitsy taty aoriana, rehefa namintina ireo takelaka lehibe an’i Nefia i Môrmôna, dia nahita ireo takelaka kely izy. Nirakitra ny maro tamin’ireo zavatra nitranga notantaraina tao amin’ny takelaka lehibe izay efa nofintinin’i Môrmôna ireo takelaka kely, saingy nifantoka bebe kokoa tamin’ny zavatra ara-panahy sy ny asa fanompoana ary ny fampianaran’ireo mpaminany ireo takelaka kely. Nanome fitaomam-panahy an’i Môrmôna Andriamanitra mba hampiditra ireo takelaka kelin’i Nefia tao amin’ny rakitsorany ankoatra ireo takelaka lehibe. Tahaka an’i Nefia, i Môrmôna dia tsy nahatakatra ny fikasan’ Andriamanitra tamin’ny fanamboarana ireo takelaka roa karazana, kanefa natoky izy fa natao “noho ny fikasana hendry” (Tenin’i Môrmôna 1:7) izany.

Fantatsika ankehitriny hoe inona no fikasan’ Andriamanitra. Tamin’ny 1828, taorian’ny nandikan’i Joseph Smith ny ampahany tamin’ny famintinan’i Môrmôna ireo takelaka lehibe an’i Nefia (ireo sora-tanana 116 takila), dia narian’i Martin Harris ireo pejy ireo. Nandidy an’i Joseph Andriamanitra mba tsy hamerina handika io ampahany io satria hisy olon-dratsy hanova ireo teny ka hiezaka hanao izay tsy hampanan-kery an’izay nolazain’i Joseph (jereo ny FF 10, sasin-tenin’ny fizarana; FF 10:14–19, 30–45). Soa ihany fa efa hitan’ Andriamanitra mialoha izany ka dia nanome ireo takelaka kely Izy, izay nirakitra ireo tantara izay very niaraka tamin’ireo 116 takila. Ireo takelaka kely dia ahitana ireo boky ao alohan’ny Tenin’i Môrmôna, ary ny famintinan’i Môrmôna an’ireo takelaka lehibe dia manomboka aorian’ny Tenin’i Môrmôna.

Sary
i Môrmôna manambatra ireo takela-bolamena

I Môrmôna manambatra ireo takelaka, nataon’i Jorge Cocco

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Enôsa 1:1–17

Afaka mijery sarin’i Enôsa mivavaka ny fianakavianao dia manadihady ny Enôsa 1:1–17 mba hitady ireo andian-teny izay azo ampiasaina mba hatao anaran’ilay sary. Afaka mangataka ireo olona ao amin’ny fianakaviana koa ianao mba hanao sary maneho ny zavatra niainan’i Enôsa. Inona no zavatra ianarantsika avy amin’i Enôsa mikasika ny fikatsahana famelan-keloka?

Jarôma 1:2

“Nanambara ny drafitry ny famonjena” tamintsika tamin’ny fomba ahoana ny fandalinantsika ny Bokin’i Môrmôna?

Ômnia 1:12–22

Inona no ampianarin’ireo andininy ireo momba ny maha-zava-dehibe ny fananana ny tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika?

Tenin’i Môrmôna 1:3–9

Ahoana no hitahiana antsika amin’ny alalan’ny fihazonana rakitsoratra an’ny tena manokana sy an’ny fianakaviana? Ahoana no ahafahantsika mampifantoka bebe kokoa ny rakitsoratra ataontsika amin’i Kristy?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Miaraha mivory matetika. Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “[Aza avela] velively fotsiny amin’izao ny fahafahana iray hanangonana miaraka ny zanaka mba hianatra ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Ny fotoana toy izany dia mahalana raha oharina amin’ny ezaka ataon’ilay fahavalo” (“The Power of Teaching Doctrine,”Ensign,mey 1999, 74).

Sary
I Enôsa mivavaka

I Enôsa mivavaka, nataon’i Robert T. Barrett