Avia, hanaraka Ahy
2–8 martsa. 2 Nefia 31–33: “Izany no lalana”


2–8 martsa. 2 Nefia 31–33: -Izany no lalana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

2–8 martsa. 2 Nefia 31–33: “Izany no lalana” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Jesoa mampianatra ny mpianany

I Kristy mampianatra ny mpianany, nataon’i Justin Kunz

2–8 martsa

2 Nefia 31–33

“Izany no lalana”

Ity lesona ity dia mandroso fitsipika mety ho tsapanao fa manan-danja ao amin’ny 2 Nefia 31–33. Fa ny zavatra manan-danja indrindra hianaranao mandritra ny fandalinanao dia ho tonga avy amin’ny bitsiky ny Fanahy. Katsaho izany fitarihana izany, ary raiso an-tsoratra ireo bitsika izay tonga.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Hitantsika ao amin’ireo teny farany noraketin’i Nefia ity fanambarana ity hoe: “Izany no efa nandidian’ny Tompo ahy ka dia tsy maintsy mankatò aho” (2 Nefia 33:15). Toy ny famintinana mety tsara momba ny fiainan’i Nefia izany. Nikatsaka ny sitrapon’ny Tompo izy ary niezaka tamin-kerimpo ny hankatò izany, na dia midika aza izany hoe mety hamoy ny ainy izy mba hahazoana ireo takela-barahina avy amin’i Labàna, na hanamboatra sambo dia hiampita ny ranomasina, na hampianatra amim-pahatokiana ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny fomba mazava tsara sy amin-kery. I Nefia dia afaka niresaka tamim-pandresen-dahatra ny ilàna “mibosesika handroso amin’ ny fiorenana ao amin’ i Kristy,” sy ny fanarahana ny “lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ ny fiainana mandrakizay” (2 Nefia 31:20, 18), satria izany no lalana narahany. Fantany avy amin’ny zavatra niainany fa io lalana io, na dia nitaky asa mafy aza indraindray, dia mitondra fifaliana ihany koa, ary “tsy misy lalana na anarana hafa nomena ambanin’ny lanitra, izay ahazoana mamonjy ny olona ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra” (2 Nefia 31:21).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

2 Nefia 31–32

I Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany no hany lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Raha tsy maintsy mamintina ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny teny vitsy monja ianao, dia inona no holazainao? I Nefia, noho izy manana fahatsorana miavaka, dia nanao izany tahaka izao: ny finoana an’i Kristy, ny fibebahana, ny batisa, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ny faharetana hatramin’ny farany. Rehefa avy mandalina ny fampianaran’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 31–32 ianao dia eritrereto ny fomba hanazavanao izany amin’ny teninao manokana amin’ny olona iray. Eritrereto ny fitahiana azonao noho ny fiainana ireo fampianarana ireo. Azonao atao ny mandinika ny fampianaran’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 31:18–20 ary mandrefy ny ezaka vitanao mba “[h]ibosesika handroso” eo amin’ny lalan’ny filazantsara.

Jereo koa ny 3 Nefia 11:32–39; 27:13–22; D. Todd Christofferson, “Ny fotopampianaran’i Kristy,” Liahona, mey 2012, 86–90; Brian K. Ashton, “Ny fotopampianaran’i Kristy,” Liahona, nôv. 2016, 106–9.

Sary
fianakaviana miara-mivavaka

Mitondra antsika ho any amin’ny fiainana mandrakizay ny fanarahana ny fampianaran’i Jesoa Kristy.

2 Nefia 31:4–13

Naneho ny ohatra tonga lafatra ho antsika mikasika ny fankatoavana i Jesoa Kristy rehefa natao batisa.

Na omaly ny batisanao no natao, na 80 taona lasa izay, dia fotoana tena manan-danja nanova zavatra izany: nanao fanekempihavanana mandritra ny fiainana mba hanaraka an’i Kristy ianao. Eritrereto ny batisanao rehefa mamaky momba ny batisan’ny Mpamonjy ao amin’ny 2 Nefia 31:4–13 ianao. Nahoana no natao batisa ny Mpamonjy? Inona no mampitovy ny antony nanaovana batisa Azy amin’ny antony nanaovana batisa anao? Inona no ataonao amin’izao fotoana izao mba hanohizana manaraka ny ohatry ny Mpamonjy tamin’ny fankatoavana?

Ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo dia fahafahana ho anao isan-kerinandro mba hanolo-tena indray hanaraka an’i Jesoa Kristy. Amin’ny fotoana manaraka handraisanao ny fanasan’ny Tompo dia azonao atao ny mamaky ny 2 Nefia 31:13 sy ny misaintsaina ny fahatapahan-kevitrao “[h]anara-dia ny Zanaka …, amin’ ny finiavan’ ny fo[nao] manontolo” sy ny fahavononanao “hitondra ny anaran’i Kristy.”

2 Nefia 31:17–2032

Haneho amiko izay tokony hataoko ny Fanahy Masina.

Raha ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana no “vavahady izay tokony hidira[ntsika]” eo amin’ny lalana ety sy tery (2 Nefia 31:17), dia inona no ataontsika raha vantany vao tonga eo amin’ilay lalana isika? Izany no fanontaniana napetrak’ireo vahoakan’i Nefia (jereo ny 2 Nefia 32:1). Inona no valinteny nomen’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 31:19–20 sy ny toko 32? Inona no valinteny hitanao ho an’ny tenanao?

Jereo koa ny David A. Bednar, “Raiso ny Fanahy masina,” Liahona, nôv. 2010, 94–97.

2 Nefia 33

Ny Bokin’i Môrmôna dia mandresy lahatra ny olon-drehetra mba hino an’i Kristy.

Ao amin’ny 2 Nefia 33, rehefa namarana ny asasorany i Nefia, dia nohazavainy ny antony nanoratany tany am-piandohana. Inona no antony hitanao ao amin’io toko io? Saintsaino ny zavatra efa novakinao hatreto ao amin’ny 1 Nefia sy 2 Nefia sy ireo fanamarihana izay mety nosoratanao. Ahoana no nanatanterahan’ireo tantara sy fampianarana ny tanjon’i Nefia ho anao? Ohatra, ahoana no nandresen’izany lahatra anao “hino [an’i Kristy] sy haharitra hatramin’ny farany”? (andininy 4). Hevero ny hanoratra ireo zavatra niainana ireo na ny hizara izany amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana na ny namana iray.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

2 Nefia 31:5–13

Misy olona ao amin’ny fianakaviana miomana ho amin’ny batisa ve, sa misy vao vita batisa vao tsy ela? Azon’izy ireo atao ny mizara ny antony nanapahany hevitra hatao batisa. Araka ny fampianaran’i Nefia dia inona avy ireo antony tokony hanaovantsika batisa? Inona avy ireo fitahiana raisintsika rehefa vita batisa isika?

2 Nefia 31:17–21

Ahoana no ahafahanao manampy ny fianakavianao hahatakatra ny fanoharana nataon’i Nefia momba ny “lalana ety sy tery”? (2 Nefia 31:18). Ohatra, afaka miara-miasa ianareo mba hanao ny sarin’ilay lalana nofariparitan’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 31:17–21, ary hanoratra eo akaikin’izany ireo zavatra tsy maintsy ataontsika mba hidirana eo amin’ilay lalana sy hanohy handroso eo amin’izany. Ahoana no hanampian’ny Mpamonjy antsika handroso eo amin’ilay lalana?

2 Nefia 31:20

Raha te hanampy ny fianakavianao ianao mba hahatakatra tsaratsara kokoa ny fomba haharetantsika hatramin’ny farany dia ahitana famaritana tena manampy ao amin’ny pejy 6 an’ny Torio ny filazantsarako, ary toy izany koa ny hafatra avy amin’ny Loholona Dale G. Renlund hoe “Manohy miezaka ny Olomasin’ny Andro Farany” (Liahona, mey 2015, 56–58).

2 Nefia 32:8–9

Mba hanampiana ny olona ao amin’ny fianakaviana hahatakatra fa afaka “mivavaka mandrakariva” isika, dia afaka manao lisitra ireo toe-javatra iainana izay azontsika hanaovana tonom-bavaka ianareo (na manao sary maneho izany). Aorian’izay ny fianakavianao dia afaka mihira hira iray mampianatra momba ny vavaka, toy ny “Moa nivavaka?” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 96), ary manolo ny teny sasany ao amin’ilay hira amin’ireo teny avy ao amin’ny lisitra nataony. Ahoana no hitahian’ny Tompo antsika rehefa mivavaka mandrakariva isika?

2 Nefia 33:1–2

Inona no mety hitarika ny olona “[h]anamafy ny fony amin’ny Fanahy Masina”? Ahoana no hakantsika antoka fa “manana toerana ao amin[tsika]” ny Fanahy Masina?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Alaivo tahaka ny Mpamonjy. Tena manampy ny mandalina ireo fomba nampianaran’ny Mpamonjy, ireo fomba nampiasainy sy ireo zavatra nolazainy. Saingy ilay herin’i Jesoa nentiny nampianatra sy nampitraka ny hafa dia avy amin’ny naha-Izy Azy sy ny fomba niainany. Arakaraka ny hiezahanao amim-pahavitrihana ny hiaina tahaka an’i Jesoa Kristy sy hianteheranao amin’ny heriny manavotra no hampandeha ho azy bebe kokoa ny fampianaranao araka ny fombany.

Sary
I Jaona Mpanao Batisa manao batisa an’i Jesoa

Mba hanatanteraka ny fahamarinana rehetra, nataon’i Liz Lemon Swindle