Avia, hanaraka Ahy
9–15 martsa. Jakôba 1–4: “Mihavàna amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny sorompanavotan’ i Kristy”


“9–15 martsa. Jakôba 1–4: -Mihavàna amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny sorompanavotan’ i Kristy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“9–15 martsa. Jakôba 1–4,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020

Sary
vehivavy mandohalika eo an-tongotr’i Jesoa

Voavela heloka, nataon’i Greg K. Olsen

9–15 martsa

Jakôba 1–4

Mihavàna amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy

Rehefa mirakitra an-tsoratra ireo fahatsapana ara-panahy ianao dia maneho fa tianao hampianatra anao ny Fanahy Masina. Eo am-pamakianao ny Jakôba 1–4, dia azonao atao ny mandray an-tsoratra ireo hevi-baovao azonao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Noraisin’ny Nefita ho “mpiahy lehibe” azy ireo i Nefia (Jakôba 1:10). Niaro azy ireo tamin’ny fanafihan’ny fahavalon’izy ireo izy ary nampitandrina azy ireo ny amin’ireo loza ara-panahy. Ankehitriny rehefa lasa izy dia niandraiketan’i Jakôba, izay natokan’i Nefia ho mpisorana sy mpampianatra ny olona, ny fitarihana ara-panahy ny Nefita (jereo ny Jakôba 1:18). Takatr’i Jakôba tamin’ny alalan’ny fitaomam-panahy fa nila nampianarina tamin’ny “fahasiaham-pitenenana” ny olony noho ny “[n]anombohan[izy ireo] [n]iaina [t]ao amin’ny fahotana” (Jakôba 2:7, 5). Ireo fahotana ireo dia mitovy be amin’ny zavatra manahirana ny olona amin’izao andro izao: fitiavan-karena sy tsy fahadiovam-pitondrantena. Na dia teo aza anefa ny fahatsapan’i Jakôba ny tsy maintsy hanamelohany izany faharatsiana izany dia nangoraka ireo izay niharan’ny tsindry hazo lena koa ny fony, dia ireo izay “voatrobaky ny ratra lalina” ny fony (Jakôba 2:35). Nijoro ho vavolombelona i Jakôba fa ny fanasitranana ho an’ireo vondron’olona roa ireo, izany hoe ny mpanota sy ireo maratra ara-panahy izany, dia tonga amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Ny hafatr’i Jakôba, sahala amin’ny hafatr’i Nefia izay nialoha azy, dia ny didy mba “[hihavana] amin’ [Andriamanitra] amin’ny alalan’ny sorompanavotan’ i Kristy” (Jakôba 4:11).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Jakôba 1:6–8, 15–19; 2:1–11

Tian’ny Tompo hanandriana ny antsoko aho.

Ho an’i Jakôba ny fampianarana ny tenin’ Andriamanitra dia mihoatra ny andraikitra izay nomen’ny rahalahiny—izany dia “fanendrena avy amin’ny Tompo,” noho izany dia niasa tamin’ny zotom-po izy “nanandrian[a] ny adidi[ny]” (Jakôba 1:17, 19). Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley fa manandriana ny antsontsika isika “rehefa manompo amin’ny zotom-po…, rehefa mampianatra am-pinoana miampy fijoroana ho vavolombelana…, rehefa mampitraka sy manatanjaka ary manorina faharesen-dahatra ny hanao ny tsara ao amin’ireo izay voakasitsika ny fiainany…” (“Magnify Your Calling,” Ensign, mey 1989, 47). Eritrereto ireo “fanendrena [anao manokana] avy amin’ny Tompo” eo am-pamakianao ny Jakôba 1:6–8, 15–19 sy ny 2:1–11. Nahoana i Jakôba no nanompo tamim-pahatokiana toy izany? Mitaona anao hanao inona ny ohatra nasehony mba hanandriananao ny antsonao ao am-piangonana sy ireo andraikitrao ao an-tokantrano?

Jereo ihany koa ny “Rise to Your Call” (horonan-tsary, ChurchofJesusChrist.org).

Jakôba 2:23–3:12

Finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantena ny Tompo.

Misy fiantraikany eo amin’ny isam-batan’olona sy ny fiarahamonina ny fahotana. Rehefa niresaka momba ny fahotana mifandray amin’ny firaisana ara-nofo i Jakôba dia nampitandrina ny amin’ny vokatr’izany eo amin’ny roa tonta izy. Eo am-pamakianao ny Jakôba 2:31–35 sy ny 3:10, dia tadiavo ireo fomba niantraikan’ny fahalotoam-pitondrantena teo amin’ny Nefita iray manontolo sy teo amin’ny isam-batan’olona. Inona no mampitovy an’ireo fomba ireo amin’ny vokatry ny fahalotoam-pitondrantena hitanao eo amin’ny tontolo misy antsika amin’izao? Inona no hitanao ao amin’ny tenin’i Jakôba ka afaka manampy anao hampianatra ny olon-tiana iray mikasika ny maha-zava-dehibe ny fahadiovam-pitondrantena? Inona no fitahiana azonao tamin’ireo ezaka nataonao mba ho madio fitondrantena?

Mariho fa i Jakôba ihany koa dia niresaka mikasika ny fomba fanao amin’ny fananana vady mihoatra ny iray. Inona no zavatra hitanao ao amin’ny Jakôba 2:23–30 ka manampy anao hahatakatra ny antony handidian’ny Tompo ny olony, ao anatin’ny toe-javatra voafetra, mba hanao ny fanambadiana maro? Inona no zavatra tsapany momba ireo izay manao izany kanefa tsy nahazo lalana avy Aminy?

Jakôba 4

Afaka mihavana amin’ Andriamanitra aho amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Nitalaho tamin’ny olony i Jakôba mba “[hihavana] amin[’ Andriamanitra] amin’ny alalan’ny sorompanavotan’ i Kristy” (Jakôba 4:11). Inona no dikan’izany araka ny eritreritrao? Mety hanampy ve ny fijerena ny hoe mihavana ao amin’ny rakibolana? Mety hahita teny na andian-teny ato amin’ity toko ity ianao izay mety handroso aminao ny fomba hahafahanao manatona an’i Kristy mba hahafahanao mihavana amin’ Andriamanitra. Ohatra, i Jakôba dia nampianatra fa ny lalàn’i Mosesy dia nomena mba hampitodihana ny olona any amin’i Jesoa Kristy (jereo ny Jakôba 4:5). Inona no zavatra nomen’ Andriamanitra mba hampitodihana anao any amin’i Kristy? Ahoana no hampiasanao ireny zavatra ireny mba hanakaikezana an’ Andriamanitra?

Jereo ihany koa ny 2 Nefia 10:24.

Jakôba 4:8–18

Afaka miala amin’ny fahajambana ara-panahy aho amin’ny alalan’ny fifantohana amin’ny Mpamonjy.

Teo am-pikatsahan’i Jakôba ny hitarika bebe kokoa ny olony tamin’ny Tompo dia nampitandremany izy ireo mba tsy ho jamba ara-panahy sy tsy hanao tsinontsinona ireo “tenin’ny fahatsoran[‘ny]” filazantsara (jereo ny Jakôba 4:13–14). Ny Loholona Quentin L. Cook dia nampitandrina mikasika ny olana mitovy amin’izany amin’izao androntsika izao: “Misy fironana eo anivon’ny sasantsasany amintsika ny -[h]ibanjina ivelan’ny tanjona- raha toa ka tokony hifikitra amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ireo zavatra tsotra ao amin’ny filazantsara. Manao izany isika rehefa atakalontsika ireo tsangan-kevitr’olombelona ireo fahamarinan’ny filazantsara, rehefa mandray anjara amin’ny fanindrahindrana diso tafahoatra ny lafiny sasantsasany amin’ny filazantsara, … na rehefa mihevitra ny lalàna ho manan-danja kokoa noho ny fotopampianarana. Ny fanalavirana ireny fihetsika ireny dia hanampy antsika hiala amin’ny fahajambana ara-pinoana sy ny fahatafintohinana izay nofariparitan’i Jakôba” (“Looking beyond the Mark,” Ensign, mar. 2003, 42).

Araka ny voalaza ao amin’ny Jakôba 4:8–18, dia inona no azontsika atao mba hifantohana amin’ny Mpamonjy ka hialana amin’ny fahajambana ara-panahy?

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Jakôba 1:6–8, 15–19; 2:1–11; 4:18

Inona no teny na andian-teny ao amin’ireo andininy ireo izay mampita ny fitiavana nananan’i Jakôba ho an’ireo olona notarihiny? Inona no zavatra nataon’ireo mpitarika antsika ato amin’ny Fiangonana mba hanampiana antsika hahatsapa ny “faniriana sy fanahian’ [izy ireo] betsaka ho an’ny fiadanan’ny fanahin[tsika]-? (Jakôba 2:3). Mety ho afaka mizara fomba azontsika hanohanana ireo mpitarika antsika ato am-piangonana ireo olona ao amin’ny fianakavianao. Azonareo atao ihany koa ny manao drafitra mba hiara-hanao zavatra ho an’ireo mpitarika eo an-toerana toy ny manoratra firariantsoa ho fisaorana azy ireo noho ny fanompoan’izy ireo na fahatsiarovana azy ireo sy ny fianakaviany ao amin’ny vavaka ataonareo.

Jakôba 2:8

Ahoana no hanasitranan’ny tenin’ Andriamanitra “ny fanahy maratra”?

Jakôba 2:12–21

Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba tokony hahitantsika ny harena? Inona no efa ataontsika mba hiezahana hanampy ny hafa izay mila ny fanampiantsika?

Jakôba 3:1–2

Inona no dikan’ny hoe “madio am-po” sy ny hoe “miandrandra an’ Andriamanitra amin’ny fiorenan’ny saina”?

Jakôba 4:4–11

Mety ho fomba iray entina hanampiana ny fianakavianao hahatakatra ny dikan’ny hoe “tsy voahozongozona” amin’ny finoan’izy ireo ny mitady hazo lehibe iray eny akaikinareo dia mangataka ny olona ao amin’ny fianakaviana hanozongozona ny sampana tsirairay. Avy eo dia avelao izy ireo hiezaka ny hanozongozona ny vataben’ny hazo. Nahoana no sarotra kokoa ny manozongozona ny vataben’ny hazo? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fampianaran’i Jakôba momba ny fananana finoana izay “tsy voahozongozona”?

Sary
hazo lehibe ao amin’ny valan-javaboary iray

Afaka ny ho “tsy voahozongozona” tahaka ny vataben’ny hazo iray ny finoantsika an’i Kristy.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mihaino ny Fanahy. Rehefa mandalina ianao dia mifantoha amin’ireo eritreritra sy fahatsapana anananao (jereo ny FF 8:2–3), na dia toa tsy mifanaraka amin’izay vakinao aza izany. Ireo fahatsapana ireo no mety ho tena ireo zavatra tian’ Andriamanitra ho fantatrao sy hataonao.

Sary
I Jakôba manoratra eo amin’ireo takela-bolamena

Ho alefako ny teniny (Jakôba Mpampianatra), nataon’i Elspeth Caitlin Young