Avia, hanaraka Ahy
24 febroary–1 martsa. 2 Nefia 26–30: “Asa mahatalanjona sy mahagaga”


“24 febroary–1 martsa. 2 Nefia 26–30: -Asa mahatalanjona sy mahagaga,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“24 febroary–1 martsa. 2 Nefia 26–30,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Jesoa Kristy manolo-tanana vevivavy iray

Hitantana anao Izy, nataon’i Sandra Rast

24 febroary–1 martsa

2 Nefia 26–30

“Asa mahatalanjona sy mahagaga”

Nilaza ny Tompo hoe: “mandidy ny olon-drehetra Aho … hanoratany ny teny izay lazaiko azy” (2 Nefia 29:11). Hiteny aminao amin’ny alalan’ny Fanahy ny Tompo eo am-pandalinanao ny teniny. Raketo an-tsoratra ny zavatra voarainao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nanoratra i Nefia hoe: “maminany aminareo ny amin’ny andro farany aho” (2 Nefia 26:14). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nanoratra momba ny androntsika izy. Ary misy antony hitaintainana ny amin’ny zavatra hitany: olona mandà ny hery sy ny fahagagana ataon’ Andriamanitra, ny fihanaky ny fialonana sy ny fifandirana, ny devoly mamatotra ny olona amin’ny tady mahazaka. Ankoatra ireo “asan’ny maizina” amin’ny andro farany izay tarihin’ilay fahavalo ireo anefa (2 Nefia 26:10, 22) i Nefia ihany koa dia nilaza momba-na “asa mahatalanjona sy mahagaga” izay tarihin’ny Tompo Izy Tenany (2 Nefia 27:26). Boky iray no hifantohan’izany asa izany; boky iray izay hiteny avy ao amin’ny vovoka izay hampibaribary ny laingan’i Satana sy hanangona ireo marina toy ny faneva iray. Izany boky izany dia ny Bokin’i Môrmôna, ilay asa mahatalanjona dia ny asan’ny Tompo amin’ny andro farany, ary ny zava-mahagaga dia ny fanasany antsika rehetra mba handray anjara na dia eo aza ny fahalementsika.

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

2 Nefia 26:20–33

Manasa ny rehetra hanatona Azy i Jesoa Kristy.

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ny Ray any An-danitra dia “malalatanana [kokoa] amin’ny famindram-pony sy ny fandrotsahany fitahiana raha ampitahaina amin’ny fahavononantsika mba hino sy handray” (The Joseph Smith Papers,History, 1838–1856, volume D-1,” p. 4 [addenda], josephsmithpapers.org). Vakio ny zavatra hitan’i Nefia mialoha ao amin’ny 2 Nefia 26:20–22 sy ny zavatra nampianariny momba ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 23–33, ary ampitahao amin’io teny nambaran’i Joseph Smith io izany. Inona no nianaranao momba ny fahalalantanan’ny Tompo amin’ny famindram-pony? Inona no zavatra azonao atao amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy anao mba ho toa an’i Kristy bebe kokoa amin’ny fomba fitondranao ireo zanak’ Andriamanitra?

Jereo koa ny 3 Nefia 18:30–32.

2 Nefia 26–27

Inona ilay boky voalaza ao amin’ireo toko ireo?

Ny faminanian’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 26–27, izay voalaza im-betsaka ao amin’ny faminaniana taloha nataon’i Isaia (jereo ny Isaia 29), dia milaza mialoha ny amin’ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna. Io faminaniana io dia milazalaza an’izao:

Ankoatra an’i Isaia dia mpaminany hafa ao amin’ny Baiboly no miresaka momba ny Bokin’i Môrmôna na dia tsy manonona izany amin’ny anarany aza izy ireo. Ohatra, ny Ezekiela 37:15–20 dia miresaka momba ny “tapa-kazon’i Josefa,” izay azo hilazana ny rakitsoratry ny Nefita izay taranak’i Josefa. Io rakitsoratra io dia hakambana amin’ny “tapa-kazon’i Joda,” izany hoe ny Baiboly.

Azo jerena ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ireo ohatra hafa momba ny “Bokin’i Môrmôna” (scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

2 Nefia 28

Mikatsaka ny hamitaka i Satana.

Maro amin’ireo lainga sy paik’adin’i Satana no ampihariharian’ireo famariparitan’i Nefia ny andro farany ao amin’ny 2 Nefia 28. Jereo raha afaka mahita izany ianao (ohatra, jereo ny andininy 6, 8, 21–23, 29). Fa nahoana ianao no mila mahafantatra momba ireo laingan’i Satana? Inona no hataonao rehefa manandrana mamitaka anao ny fahavalo?

2 Nefia 28:27–3129

Manohy manome fanambarana hitarihana ireo zanany Andriamanitra.

Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia nomena betsaka tamin’ny tenin’ Andriamanitra isika, noho izany dia mihatra amintsika ireo fampitandreman’i Nefia: ary tsy tokony hahatsapa tena hoe “manana ny ampy izahay!” izany mihitsy isika. Eo am-pamakianao ireo fampitandremana ao amin’ny 2 Nefia 28 sy ny 29, dia saintsaino ny fanontaniana toy ireto:

  • Inona no tian’ny Tompo ho tsapako momba ny teniny ary toy ny ahoana ny fihetsika tiany hasetriko izany?

  • Nahoana ny olona indraindray no “tezitra” ny amin’ny fandraisana fahamarinana fanampiny avy amin’ Andriamanitra? (2 Nefia 28:28). Manao ny toy izany ve aho? Raha izany no izy, dia ahoana no hahafahako ho lasa mora mandray fahamarinana bebe kokoa?

  • Inona no dikan’ny hoe mandray ny tenin’ Andriamanitra? Ahoana no ahafahako mampiseho Aminy fa te handray bebe kokoa amin’ny teniny aho?

Jereo koa ny Almà 12:10–11; 3 Nefia 26:6–10.

2 Nefia 29–30

Nanomana ny Bokin’i Môrmôna ho an’ny androntsika Andriamanitra.

Tamin’ny alalan’ny fanambarana, eny mialoha ny nahavitana tanteraka ny fanoratana ny Bokin’i Môrmôna mihitsy aza, no nahafantaran’i Nefia fa indray andro any izany dia “hanan-danja lehibe ho an’ny zanak’olombelona” (2 Nefia 28:2). Nahoana no manan-danja lehibe aminao ny Bokin’i Môrmôna? Eritrereto io fanontaniana io eo am-pamakianao ny 2 Nefia 29–30. Inona no sasany amin’ireo asa “mahatalanjona” izay tanterahin’ Andriamanitra ankehitriny eto amin’izao tontolo izao sy eo amin’ny fiainanao amin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna?

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

2 Nefia 26:12–13

Nampianatra i Nefia fa i Jesoa Kristy dia maneho ny Tenany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Inona ireo zavatra niainana izay azon’ny olona ao amin’ny fianakavianao hifampizarana momba ny fotoana izay nampatanjahan’ny Fanahy Masina ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Mpamonjy?

2 Nefia 26:22; 28:19–22

Mety ho tian’ny fianakavianao ny fampiasana zavatra azo tsapain-tanana enti-mampianatra izay maneho ny zavatra ampianarin’ny 2 Nefia 26:22 momba ny devoly. Rehefa mamaky momba ny paik’adin’i Satana ianao ao amin’ny 2 Nefia 28:19–22, dia azonao atao ny manodinkodina kofehy manodidina ny hato-tanan’ny olona iray ho fanehoana “tadin-drongony malefaka.” Nahoana ny tadin-drongony malefaka no toy ny fakam-panahin’i Satana? Ahoana no ahafahan’izany ho lasa tady mahazaka? Ahoana no ahafahantsika mamantatra ireo laingan’i Satana?

Sary
ampahana tady mioringorina

Nampitahain’i Nefia tamin’ny “tadin-drongony malefaka” ireo fakam-panahin’ny devoly.

2 Nefia 27:20–21

Inona no mety ho tian’ny Tompo nolazaina rehefa nilaza Izy hoe: “Mahavita ny asako ihany Aho”? Amin’ny fomba ahoana no mety hiantraikan’io fahamarinana io amin’ny fomba fanompoantsika ao amin’ny Fiangonany?

2 Nefia 28:30–31

Misy zavatra azon’ny fianakavianao eritreretina ve, ka ny fomba tsara indrindra hahazoana azy dia amin’ny fomba tsikelikely isaky ny mandeha, tahaka ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra? Nahoana Andriamanitra no manambara ny fahamarinana amintsika “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely” fa tsy hoe tonga dia indray mandeha?

2 Nefia 29:7–9

Inona no kasain’ny Tompo hoporofoina na haseho amin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mizarà hevi-baovao. Manamafy ny fahatakaranao manokana ny fifanakalozan-kevitra amin’ny hafa momba ny zavatra ianaranao. Aorian’ny famakiana ny 2 Nefia 29:6–14, dia mety hahatsapa ho voataona hanazava amin’ny namana iray ny antony ilantsika ny Bokin’i Môrmôna ianao.

Sary
I Nefia manoratra eo amin’ireo takela-bolamena

Ireo asasoratr’i Nefia dia nanambara mialoha ny “asa mahatalanjona sy mahagaga” izay hitranga amin’ny andro farany (2 Nefia 27:26).