Avia, hanaraka Ahy
17–23 febroary. 2 Nefia 11–25: “Mifaly amin’i Kristy isika”


“17–23 febroary. 2 Nefia 11–25: -Mifaly amin’i Kristy isika,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“17–23 febroary. 2 Nefia 11–25,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Isaia manoratra amin’ny horonan-taratasy

17–23 febroary

2 Nefia 11–25

“Mifaly amin’i Kristy isika”

Nampianatra i Nefia fa ny tenin’i Isaia “dia mazava … amin’ireo rehetra izay heniky ny fanahin’ny faminaniana” (2 Nefia 25:4). Eo am-pamakianao izany dia katsaho ny fanahin’ny faminaniana amin’ny alalan’ny fanomananao ny tenanao ara-panahy, ny fihainoana ny Fanahy, ary ny fandraisana an-tsoratra ny zavatra tsapanao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tsy mora ny misokitra soratra amin’ny takela-by, ary voafetra ny toerana azo nanoratana tamin’ireo takelaka kelin’i Nefia. Koa nahoana ary i Nefia no nisahirana nanao ezaka goavana tamin’ny fandikana ampahany betsaka tamin’ny asa soratr’i Isaia ho ao amin’ny rakitsorany? Nanao izany izy ka amin’izay “na zovy na zovy … no hahita ireto teny ireto dia afaka hanandratra ny fony izy ka hifaly” (2 Nefia 11:8). Raha lazaina amin’ny fomba hafa, ny fanasana hamaky ny asa soratr’i Isaia dia fanasana mba hifaly. Afaka mifaly ianao, tahaka izay nataon’i Nefia, amin’ny faminanian’i Isaia momba ny fanangonana ny Isiraely, ny fahatongavan’ny Mesia, ary ny fiadanana mandritra ny arivo taona nampanantenaina an’ireo olo-marina. Afaka mifaly ianao fa na dia tamin’ny andron’ny “fahasahiranana sy haizina” aza dia “efa nahita hazavana lehibe” (2 Nefia 18:22; 19:2). Afaka mifaly ianao fa afaka “[mantsaka] rano ao amin’ny loharanom-pamonjena” (2 Nefia 22:3). Raha lazaina amin’ny teny hafa dia afaka “mifaly ao amin’i Kristy” (2 Nefia 25:26) ianao.

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

2 Nefia 11–25

Ahoana no ahafahako mahatakatra tsaratsara kokoa ny fampianaran’i Isaia?

Niaiky i Nefia fa ho an’ny sasany dia “tsy mazava … ny tenin’i Isaia” (2 Nefia 25:4). Tena mety ho marina izany ho an’ireo izay tsy mahafantatra tsara ny kolontsaina Jiosy fahiny sy ny jeôgrafia tahaka ny nahafantaran’i Nefia izany (jereo ny 2 Nefia 25:6). Fa nanome torohevitra ihany koa i Nefia mba hanampiana antsika hahatakatra zavatra ao anatin’ny asa soratr’i Isaia:

“[Mampihatra] ny teniny” amin’ny tenanao (2 Nefia 11:2).Maro amin’ireo fampianaran’i Isaia no manana heviny maro azo eritreretina sy fomba maro azo hampiharana azy. Ohatra, ny asasorany momba ny fampielezana sy ny fanangonana an’i Isiraely dia mety mitaona anao hieritreritra mikasika ny filanao mba “hangonina” hiverina any amin’ny Mpamonjy.

Nampianatra i Nefia fa ny tenin’i Isaia “dia mazava … amin’ireo rehetra izay heniky ny fanahin’ny faminaniana” (2 Nefia 25:4).Ny fomba tsara indrindra hahatakarana ny faminanian’i Isaia dia ny fikatsahana fitaomana avy amin’ny Fanahy. Mivavaha mba hahazo fitarihana ara-panahy. Mety tsy ho takatrao indray mandeha ny zavatra rehetra, kanefa ny Fanahy dia afaka manampy anao hianatra ny zavatra ilainao fantarina eo amin’ny fiainanao ankehitriny.

Mety ho hitanao ihany koa fa manampy ny mijery ireo fanampiana amin’ny fandalinana ao amin’ny soratra masina, ka anisan’izany ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy, ireo sasin-tenin’ny toko, ny Torolalana ho an’ny soratra masina, sy ny sisa.

2 Nefia 11:2–8; 25:19–29

“Ny lala-mahitsy dia ny mino an’i Kristy.”

I Nefia dia sady nampiditra no namarana ny findramany ny tenin’i Isaia tamin’ny alalan’ny filazany ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Nefia 11:2–8; 25:19–29). Inona no nanaitra anao amin’ny fijoroana ho vavolombelona nataony? Eo am-pandalinanao amin’ity herinandro ity dia eritrereto ny fanirian’i Nefia mba “handresy lahatra ny [zanany] … mba hinoany an’i Kristy sy hihavanany amin’ Andriamanitra” (2 Nefia 25:23), ary asio marika ireo andininy izay mandresy lahatra anao hino sy hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Mety hanampy ny mahatsiaro fa maro amin’ireo fampianaran’i Isaia momba ny Mpamonjy no ampitaina amin’ny alalan’ny tandindona. Ohatra, ianao dia mety hahita ny Mpamonjy amin’ny tandindona toy ny hoe tompon’ny tanimboly (jereo ny 2 Nefia 15:1–7), vato (jereo ny 2 Nefia 18:14), ary hazavana (jereo ny 2 Nefia 19:2). Inona no tandindona hafa maneho an’i Jesoa Kristy hitanao ao amin’ireo toko ireo? Inona no ampianarin’ireo tandindona ireo anao momba Azy?

2 Nefia 12–13

Haetry ny mpiavonavona sy ny olon’izao tontolo izao.

Hitan’i Nefia mialoha fa ny avonavona no hiteraka ny fahalavoan’ny olony (jereo ny 1 Nefia 12:19). Ka noho izany dia tsy mahagaga raha nizara tamin’ny olony ny fampitandremana miverimberina nataon’i Isaia momba ny avonavona i Nefia. Mitadiava teny izay nampiasain’i Isaia ao amin’ny toko 12 sy 13 mba hamaritana ny fiavonavonana. Avy eo ianao dia afaka miezaka milaza ireo fampitandremana ireo amin’ny teninao manokana, toy ny hoe manoratra hafatra amin’ny tenanao ianao mba hampitandrina amin’ny avonavona.

Jereo koa ny “Chapitre 18: Prenez garde à l’orgueil” (Enseignements des présidents de l’église: Ezra Taft Benson [2014], 229–40).

2 Nefia 12:2–5; 21:9–12; 22; 24:1–3

Amin’ny Arivotaona dia hianoka ny fiadanana ny vahoakan’ Andriamanitra.

Mety ho hitanao fa manampy ny maka sary an-tsaina ny tenanao hoe eo amin’ny toeran’i Nefia sy ny olony. Alaivo sary an-tsaina ianao nitsoaka avy tany Jerosalema mialoha indrindra ny nandravana izany (jereo ny 2 Nefia 25:10), ary ankehitriny ianao dia isan’i Isiraely naely patrana. Mety ho inona no tsapanao raha namaky ny fampianaran’i Isaia momba ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny hoavy sy ny Arivotaona feno fiadanana ianao? Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia nantsoina isika mba hanampy amin’ny fanangonana ny vahoakan’ Andriamanitra amin’izao andro farany izao mba hanomanana ny fanjakan’i Kristy mandritra ny arivotaona. Eo am-pamakianao an’ireo andininy ireo dia saintsaino ny fomba hanampianao amin’ny fanatanterahana ireo faminaniana tantarain’izany. Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba hanampiana amin’ny fanangonana ny vahoakan’ Andriamanitra?

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

2 Nefia 12:1–3

Raha efa tany amin’ny tempoly ianao, izay “ny tendrombohitry ny tranon’ny Tompo,” dia azonao atao ny mizara amin’ny fianakavianao ny fomba hanampian’ny fanekempihavanan’ny tempoly anao “handeha amin’ny lala[n’ny Tompo].” Raha tsy mbola tany amin’ny tempoly ianao dia mety hitarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny fomba ahafahanareo miomana handray ireo fitahian’ny tempoly ny fiarahana mamaky ireo andininy ireo.

2 Nefia 15:18–23

Afaka mieritreritra ohatra amin’ny andro maoderina amin’ireo hevitra ratsy fariparitan’ireo andininy ireo ve ny fianakavianao? Ahoana no hahafahantsika tsy ho voafitaky ny hevitra diso momba ny tsara sy ny ratsy?

2 Nefia 21

Raha mila fanampiana ny fianakavianao amin’ny fahatakarana ity toko ity (izay mifandraika amin’ny Isaia 11), dia afaka mahita hevitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:1–6 ianao, izay hamalian’ny Mpaminany Joseph Smith fanontaniana vitsivitsy momba ny Isaia 11. Inona no ianarantsika momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy ireo?

2 Nefia 21:9

Inona avy ireo zavatra manokana azontsika atao mba handraisana anjara amin’ny famenoana ny tany amin’ny “fahalalana ny Tompo”?

2 Nefia 25:23–26

Ahoana no ahafahanao manampy ny olona ao amin’ny fianakavianao mba “hifaly amin’i Kristy”? Azonao atao ny manasa azy ireo hanoratra amin’ny taratasy kely ireo zavatra momba ny Mpamonjy izay mitondra fifaliana ho azy ireo. Ary avy eo dia afaka mamaky taratasy kely iray ny olona iray mandritra ireo takarivan’ny mpianakavy manaraka na ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina. Afaka manampy taratasy kely ny olona ao amin’ny fianakaviana mandritra ny taona.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Tadiavo ireo fakan-tahaka. Afaka mahita fakan-tahaka maneho amintsika ny fomba hanaovan’ny Tompo ny asany isika ao amin’ny soratra masina. Ohatra, ao amin’ny 2 Nefia 11–25 ianao dia afaka mahita fakan-tahaka izay maneho ny fomba hampitandreman’ny Tompo sy hamelany heloka.

Sary
Tempolin’i Panama City Panama

Tempolin’i Panama City Panama. “Haorina eo an-tampon-tendrombohitra … ny tranon’ ny Tompo … ka hitanjozotra hankany ny firenen-drehetra” (2 Nefia 12:2).