Avia, hanaraka Ahy
27 janoary–2 febroary. 1 Nefia 16–22: “Izaho no hanomana ny lalana eo anoloanareo”


“27 janoary–2 febroary. 1 Nefia 16–22: -Izaho no hanomana ny lalana eo anoloanareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“27 janoary–2 febroary. 1 Nefia 16–22,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Lehia mijery ny Liahônà

I Lehia sy ny Liahônà, nataon’i Joseph Brickey

27 janoary–2 febroary

1 Nefia 16–22

“Izaho no hanomana ny lalana eo anoloanareo”

Rehefa mandalina ny 1 Nefia 16–22 ianao dia tadiavo ireo andinin-tsoratra masina manaitra anao. Ny olona sasany dia tia manisy marika ny andininy toy izany ao amin’ny soratra masiny. Ny hafa dia manoratra zavatra eo amin’ny sisin’ny pejy. Eritrereto ny fomba hiraketanao ireo fitaomam-panahy voarainao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Rehefa nandeha nankany amin’ny tany nampanantenaina ny fianakavian’i Lehia dia nanao ity fampanantenana ity tamin’izy ireo ny Tompo: “Izaho no hanomana ny lalana eo anoloanareo raha toa ka mitandrina ny didiko ianareo” (1 Nefia 17:13). Hita mazava tsara fa izany fampanantenana izany dia tsy nidika fa ho mora ilay dia: mbola tsy nitovy hevitra ireo olona tao amin’ny fianakaviana, tapaka ny tsipìka, ary niady sy maty ny olona, ary mbola tsy maintsy nanamboatra sambo avy tamin’ny akora voa-janahary tsy mbola vita omana izy ireo. Na izany aza, rehefa niaina fahoriana na nanao asa toa tsy azo tanterahina ilay fianakaviana dia niaiky i Nefia fa tsy lavitra izany mihitsy ny Tompo. Fantany fa Andriamanitra dia “mamelona sy mampahery [ireo mahatoky] ary manomana lalana hahazoany manatanteraka ny zavatra izay efa nandidiany azy” (1 Nefia 17:3). Raha efa nanontany tena ianao hoe nahoana no misy zavatra ratsy mitranga amin’ny olona tsara tahaka an’i Nefia sy ny fianakaviany dia mety hahita hevi-baovao ato amin’ireto toko ireto ianao. Kanefa ny manan-danja kokoa noho izay angamba, ianao dia hahita ny zavatra ataon’ ny olona tsara rehefa misy zavatra ratsy mitranga.

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

1 Nefia 16–18

Rehefa mitandrina ny didin’ Andriamanitra aho dia hanampy ahy hiatrika ireo olana Andriamanitra.

Ny toko 16–18 an’ny 1 Nefia dia mitantara ny maromaro amin’ireo olana natrehan’ny fianakavian’i Nefia, ka anisan’izany ny famahana ny olana noho ny tsipìka tapaka (jereo ny 1 Nefia 16:17–32), ny fahafatesan’i Ismaela (jereo ny 1 Nefia 16:34–39), ny fanamboarana sambo iray (jereo ny 1 Nefia 17:7–16; 18:1–4), ary ny fifandiran’ny mpianakavy (jereo ny 1 Nefia 18:9–22). Inona no maha-samy hafa ny fihetsika nasetrin’i Nefia an’ireo olana ireo tamin’ny fihetsika nasetrin’ny sasany tamin’ireo olona tao amin’ny fianakaviany an’izany? Inona no vokatr’ireo fihetsika ireo?

Mety hanampy ny mirakitra ny zavatra hitanao ao anatina tabilao ahitana lohateny tahaka ireto: “Olana,” “Ny fihetsika nasetrin’i Nefia,” “Ny fihetsika nasetrin’ny hafa,” ary “Ireo vokany.” Araka ny eritreritrao, nahoana i Nefia no afaka nijanona ho tena mahatoky toy izany kanefa tsy toy izany kosa ny hafa? Eritrereto ny fomba ahafahan’ny ohatra nasehon’i Nefia sy ny fianakaviany manampy anao amin’ny olanao.

Jereo koa ireo horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny Book of Mormon Videos collection ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ny application Bibliothèque de l’Évangile.

1 Nefia 16:10–16, 23–31; 18:11–22

Mitarika ahy amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra ny Tompo.

Rehefa nitarika ny fianakavian’i Lehia ho any an-tany foana Andriamanitra dia tsy nomeny azy ireo tamin’ny antsipiriany ny drafitra arahana hanaovana ny dia mankany amin’ny tany nampanantenaina. Nomeny ny Liahônà anefa i Lehia mba hitarika ny fianakaviany isan’andro mankany amin’ny toerana tokony hahatongavan’izy ireo. Inona no nomen’ny Ray any An-danitra anao mba hanome fitarihana sy torolalana? Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe “afaka manatanteraka zava-dehibe amin’ny alalan’ ny zava-madinika ny Tompo”? (1 Nefia 16:29).

Rehefa mamaky ny 1 Nefia 16:10–16, 23–31 sy ny 18:11–22 ianao dia hevero ny hanao lisitra ireo fitsipika izay maneho ny fomba hitarihan’ Andriamanitra ny zanany (ohatra, ny 1 Nefia 16:10 dia afaka mampianatra fa indraindray Andriamanitra dia mitarika antsika amin’ny fomba tsy ampoizintsika). Inona no zavatra efa niainanao tamin’ireo fitsipika ireo?

Jereo koa ny Almà 37:7, 38–47; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33–34.

Sary
I Lehia mampiasa ny Liahônà

Raha efa niomana ianareo dia tsy hatahotra, nataon’i Clark Kelley Price

1 Nefia 19:23–24; 20–22

Afaka “[mampihatra] ny tenin’ny soratra masina rehetra” amiko aho.

Nanoratra ho an’ny zanak’ Isiraely rehetra i Isaia, ary i Nefia dia nahita fa tafiditra tao anatin’izany manokana ny fianakaviany, ary tafiditra ao anatin’izany ianao (jereo ny 1 Nefia 19:23–24). Hoy ny Filoha Henry B. Eyring mahakasika ny findraman’i Nefia ny tenin’i Isaia hoe: “Namaky ny tenin’i Isaia aho … ka heveriko fa nisafidy ireo ampahany amin’ny Isaia ireo i Nefia mba hahafahako, na dia tsy mahatakatra ireo sarin-teny aza, mandray izany mivantana ao am-poko toy ireny hoe miresaka amiko mivantana ireny ny Tompo” (“The Book of Mormon Will Change Your Life,” Ensign, Feb. 2004, 10).

Mieritrereta fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto, sady eritrereto ny tenin’ny Filoha Eyring, eo am-pamakianao ny toko 20–22:

1 Nefia 20:1–9.Andian-teny inona ao amin’ireo andininy ireo no mamariparitra ny zanak’ Isiraely? Ahoana no hamaritan’izy ireo an’i Lamàna sy i Lemoela? Inona no fampitandremana sy fampiharana hitanao ho an’ny tenanao?

1 Nefia 20:17–22.Ahoana no nitarihan’ny Tompo ny zanak’ Isiraely? Ahoana no nitarihany ny fianakavian’i Lehia? Ahoana no hitarihany anao?

Inona koa no hitanao ao amin’ny 1 Nefia 20–22 ka mahatonga anao hahatsapa fa toy ny hoe miresaka aminao ny Tompo? Ahoana no hanampian’ny fanamarihana nataon’i Nefia ao amin’ny toko 22 anao hahatakatra ny faminanian’i Isaia?

1 Nefia 21

Iza ireo mpianakavin’i Isiraely sy ireo Jentilisa?

Ny mpianakavin’i Isiraely dia ireo taranak’i Jakoba mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha, izay nomen’ny Tompo anarana hoe Isiraely (jereo ny Genesisy 32:28; 35:10; jereo koa ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Isiraely”). Nanao fanekempihavanana vitsivitsy tamin’i Isiraely ny Tompo, ary ireo taranany dia raisina ho toy ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra. Kanefa taty aoriana rehefa maro ireo taranaka nifandimby, dia maro tamin’izy ireo no niala tamin’ny Tompo ka dia naely patrana manerana ny tany.

Ny teny hoe Jentilisa ao amin’ireo andininy ireo dia entina ilazana ireo olona izay tsy mbola manana ny filazantsara (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Jentilisa”). Nampianatra i Isaia fa amin’ny andro farany dia homena ny filazantsara ny Jentilisa ary ho fitaovana amin’ny fampianarana sy ny fanangonana ny mpianakavin’i Isiraely (jereo ny 1 Nefia 21:22; 22:8–12; jereo koa ny Isaia 60; 66:18–20).

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

1 Nefia 17:1–6, 17–22

Azon’ny fianakavianao atao ny mampitaha ny fitantaran’i Nefia ny fandehanana tany an-tany foana (jereo ny 1 Nefia 17:1–6) amin’ny fitantarana nataon’ny rahalahiny (jereo ny 1 Nefia 17:17–22). Araka ny eritreritrao, nahoana no samy hafa toy izany ny fahitan’izy ireo ireo zava-nitranga niarahana niaina ihany? Inona no zavatra azontsika ianarana avy amin’i Nefia mikasika ny fananana fomba fijery feno fahatokiana?

1 Nefia 17:17–22; 18:9–16

Inona avy no vokatry ny fialonana, ny fifandirana, ary ny fimonomononana ao amin’ny fianakaviana iray? Ahoana no ahafahantsika mandresy ireo olana ireo?

1 Nefia 19:22–24

Nampiharin’i Nefia tamin’ny fianakaviany ny soratra masina “mba ho tombontsoan[’izy ireo] sy ho fianarana ho [azy ireo]” (1 Nefia 19:23). Misy tantara vitsivitsy ao amin’ny 1 Nefia 16–18 izay azon’ny fianakavianao ampiharina amin’ny tenanareo. Azonareo atao ny milalao an-tsehatra ny iray amin’ireo tantara ireo ary miresadresaka ny fomba hampiharana izany amin’ny fianakavianareo.

1 Nefia 21:14–16

Ahoana no mety hanampian’ny hafatra ao amin’ireo andininy ireo ny olona iray izay mahatsapa fa tsy misy miraharaha?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mangataha fanampiana amin’ny Tompo. Ny soratra masina dia nomena tamin’ny alalan’ny fanambarana, ary mila fanambarana isika mba hahatakarana marina azy ireny. Nampanantena ny Tompo fa “Raha … mangataka Amiko amin’ ny finoana [ianareo], … dia hampahafantarina anareo marimarina tokoa ireo zavatra ireo” (1 Nefia 15:11).

Sary
I Nefia sy ny fianakaviany mitaingina ilay sambo

Henjana be ny fitondrany ahy, nataon’i Walter Rane