Avia, hanaraka Ahy
10–16 febroary. 2 Nefia 6–10: “Ô endrey ny halehiben’ny drafitry ny Andriamanitsika!”


“10–16 febroary. 2 Nefia 6–10: -Ô endrey ny halehiben’ny drafitry ny Andriamanitsika!-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“10–16 febroary. 2 Nefia 6–10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Jesoa nivavaka tao Getsemane

Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao, nataon’i Harry Anderson

10–16 febroary

2 Nefia 6–10

“Ô Endrey ny halehiben’ ny drafitry ny Andriamanitsika!”

Eo am-pamakianao ny 2 Nefia 6–10, dia saintsaino hoe inona no tian’ny Tompo hampianarina anao. Eo am-pamantaranao ireny fahamarinana ireny dia raketo ireny, ary mieritrereta ombam-bavaka hoe ahoana no hahafahanao mampihatra ny zavatra ianaranao amin’izao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Efa ho 40 taona tamin’izay no lasana, farafahakeliny, hatramin’ny fotoana nandaozan’i Lehia an’i Jerosalema. Tany amin’ny tany iray vaovao tsy misy mpahalala izy ireo; lavitra be an’i Jerosalema sy ny sisa amin’ireo vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra. Efa maty i Lehia ary efa nanomboka nifanditra sahady ny taranany, fifandirana izay naharitra an-jatotaonany maro teo amin’ny Nefita, “izay nino ny fampitandremana sy ny fanambaran’ Andriamanitra,” sy ny Lamanita izay tsy nino izany (2 Nefia 5:6). Tao anatin’ireo toe-javatra ireo i Jakôba zandrin’i Nefia, izay natokana ho mpampianatra ny Nefita tamin’izany, dia naniry ny mba hahafantaran’ny vahoakan’ Andriamanitra fa Andriamanitra dia tsy hanadino azy ireo na oviana na oviana, ka noho izany dia tsy tokony hanadino Azy na oviana na oviana izy ireo. Izany dia hafatra iray izay tena ilaintsika tokoa eto amin’ity tontolo misy antsika ity, izay ahitana ny fanaovana tsinontsinona ireo fanekempihavanana ary fandavana ny fanambarana. “Aoka hotsarovantsika, … satria tsy ariana isika. … Lehibe ny fampanantenan’ny Tompo” hoy izy (2 Nefia 10:20–21). Eo anivon’ireo fampanantenana ireo dia tsy misy lehibe mihoatra noho ilay fampanantenana “sorompanavotana tsy misy fetra” mba handresena ny fahafatesana sy ny helo (2 Nefia 9:7). “Noho izany,” hoy i Jakôba namarana, dia “herezo ny fonareo”! (2 Nefia 10:23).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

2 Nefia 6–8

Mamindra fo amin’ny olony ny Tompo ary hanatanteraka ny fampanantenany.

Mba hanampiana ny olony hahatakatra fa izy ireo dia isan’ny mpianakavin’ i Isiraely ary afaka ny hahatoky an’ Andriamanitra sy ireo fampanantenany, dia nindrana ireo faminanian’i Isaia izay voarakitra ao amin’ny 2 Nefia 6–8 i Jakôba. Nitantara ny fielezan’ i Isiraely i Isaia ary ny Mpamonjy dia nampanantena ny hanangona sy hanavotra ny olony. Eo am-pamakianao izany dia saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra ianarako mikasika ny fitiavana manavotry ny Mpamonjy ho ahy?

  • Inona no fampanantenana omen’ny Mpamonjy ireo izay mikatsaka Azy?

  • Inona no azoko atao mba “hiandrandra[ko]” amim-pahatokiana ny Mpamonjy sy ireo fitahiana nampanantenainy?

2 Nefia 9:1–26

Manafaka ny olon-drehetra amin’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany i Jesoa Kristy.

Inona no teny na sary hampiasainao mba hampitana amin’ny olona iray ny filantsika fatratra Mpanavotra iray mba hanafaka antsika amin’ny fahafatesana sy ny fahotana? Nampiasa ny teny hoe “biby” sy “mahatsiravina” i Jakôba. Inona no zavatra nampianarin’i Jakôba momba “ilay biby, fahafatesana sy helo” sy ny “lalana” izay nomanin’ Andriamanitra ho antsika? (2 Nefia 9:10). Eo am-pamakianao ny 2 Nefia 9:1–26, dia hevero ny hanisy marika amin’ny loko iray ny zavatra mety nanjò antsika raha tsy nisy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Avy eo dia azonao marihina amin’ny loko iray hafa ny zavatra izay afaka ny ho azontsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Inona ireo fahamarinana hitanao momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ka mahatonga anao hidera ny “fahendren’ Andriamanitra, ny famindram-pony sy ny fahasoavany”? (2 Nefia 9:8).

Jereo koa ny “Atonement of Jesus Christ,” Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org.

2 Nefia 9:27–54

Afaka manatona an’i Kristy aho ka handray ireo fitahiana lehibe avy amin’ny Sorompanavotany.

Tonga teo “amin’izao tontolo izao [i Jesoa Kristy] hahazoany mamonjy ny olon-drehetra raha mety mihaino ny feony izy” (2 Nefia 9:21; nampiana sora-mandry). Izany hoe tsy maintsy vonona ny hanaiky ireo fitahiana manavotra atolony isika. Taorian’ny namariparitan’i Jakôba ny drafitra lehiben’ny fanavotana dia nanome ireo fampitandremana manan-danja sy fanasana hita ao amin’ny 2 Nefia 9:27–54 izy mba hanampiana antsika handray ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana. Azonao soratana eo amin’ny tabilao tahaka ity iray ity izany:

Fampitandremana

Fanasana

Fampitandremana

Fanasana

Fampitandremana

Fanasana

Inona no tsapanao fa bitsihin’ny Fanahy anao mba hataonao ho setrin’ireo fampitandremana sy ireo fanasana ireo?

2 Nefia 10:20, 23–25

Noho ny sorona nataon’i Jesoa Kristy dia afaka “h[ankahery] ny fo[ko]” aho.

Hafatra mitondra fifaliana ny hafatr’i Jakôba. “Teneniko anareo ireo zavatra ireo,” hoy izy, “mba hahazoanareo miravoravo sy manatraka mandrakizay ny lohanareo” (2 Nefia 9:3). Teo am-pamakianao ny 2 Nefia 10:20, 23-25, dia inona no zavatra hitanao izay manome fanantenana anao? Inona ihany koa no hitanao tao amin’ny 2 Nefia 9–10 ka nanome fanantenana anao? Inona no zavatra hataonao mba hahatsiarovana ireo zavatra ireo rehefa mahatsapa tena ho kivy ianao?

Jereo koa ny Jaona 16:33.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

2 Nefia 8:3–7

Eo am-pamakianao ny 2 Nefia 8:3, dia azonao atao ny mampiseho sarina tany foana iray sy saha iray. Ahoana no hanovan’ny Tompo ireo ratsy misy eo amin’ny fiainantsika ho tonga zava-tsoa ho antsika? Inona no toroan’ny Tompo mba hataontsika ao amin’ny andininy faha 4–7, mba hahazoantsika ilay fifaliana voasoritsoritra ao amin’ny andininy faha 3?

2 Nefia 8:24–25

Afaka ny hankahery antsika amin’ireo ezaka ataontsika mba ho lasa mpanara-dia mahatoky bebe kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ireo teny mankahery nataon’ i Isaia tamin’ny vahoakan’i Ziona? Ahoana no itovian’ny fifohazana maraina sy ny fiankanjoana amin’ny zavatra tian’ Andriamanitra mba ho ataontsika amin’ny lafiny ara-panahy?

2 Nefia 9:1–26

Inona no azon’ny fianakavianao atao mba hahatakarana tsaratsara kokoa ny halehiben’ny “sorompanavotana tsisy fetra” nataon’i Jesoa Kristy? (andininy 7). Azon’izy ireo atao ny mibanjina na mieritreritra momba-na zavatra izay toa tsy hita isa toy ny ravinahitra eny an-tsaha, ny voan’ny fasika eny amin’ny moron-dranomasina, na ny kintana eny amin’ny lanitra. Ahoana no maha-tsisy fetra ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy? Andian-teny inona ao amin’ny 2 Nefia 9 no nampitombo ny fankasitrahanao ny amin’ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika?

2 Nefia 9:27–44

Mety ho azon’ny fianakavianao tadiavina amin’ny andro iray mandritra ity herinandro ity ireo fampitandremana (hialohavan’ny hoe “lozan’ny”) ao amin’ny 2 Nefia 9:27–38. Inona amin’ireo no hita ho manan-danja indrindra mba horesahan’ny fianakavianao? Amin’ny andro iray hafa dia azonao halalinina ny 2 Nefia 9:39–44, hikarohana ny zavatra nanasan’i Jakôba ny olony mba hotsaroany.

2 Nefia 9:28–29, 50–51

Inona no sasantsasany amin’ireo ohatra amin’“ny mahatsinontsinona sy ny halemena ary ny adalan’ny olona”? (Andininy 28). Inona no azontsika hatao mba hanomezana lanja bebe kokoa ireo zavatr’ Andriamanitra ka hampihenana lanja ny zavatr’izao tontolo izao?

2 Nefia 9:45

Mety ho tian’ny fianakavianao ny hanao rojo vita amin’ny taratasy ka hifandimby hiambozona izany sy hanifikifika izany. Ahoana no maha-toy ny rojo ny fahotana? Ahoana hanampian’ny Mpamonjy antsika hanifika ireny?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Aoka ianao mba ho vonona ny hamaly fanontaniana. “Ny sasany amin’ireo fotoana tena tsara azo ampianarana dia manomboka amin’ny fanontaniana na olana ao am-pon’ilay [olona iray ao amin’ny fianakaviana]. … Ampahafantaro azy ireo amin’ny alalan’ny teninao sy ny fihetsikao fa maniry ny hihaino azy ireo ianao (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 16).

Sary
I Jesoa nanasitrana olona

Hamonjy ny zanak’ Andriamanitra rehetra ny Mpamonjy “raha mety mihaino ny feony izy” (2 Nefia 9:21). Nanasitrana karazana aretina maro Izy, nataon’i J. Kirk Richards