Avia, hanaraka Ahy
3–9 febroary. 2 Nefia 1–5: “Niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana izahay”


“3–9 febroary. 2 Nefia 1–5: -Niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana izahay,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“3–9 febroary. 2 Nefia 1–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
Nandao ny saha Edena i Adama sy i Eva

I Adama sy Eva, nataon’i Douglas Fryer

3–9 febroary

2 Nefia 1–5

“Niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana izahay”

Afaka manokatra ny varavarana hahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana ny soratra masina. Eo am-pamakianao ny 2 Nefia 1–5, dia mety hahita ianao fa ny Tompo dia manana zavatra manokana tiany hampianarina anao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Raha toa ka fantatrao mialoha fa ho faty tsy ho ela ianao, dia inona no hafatra farany tianao hozaraina amin’ireo olona tianao indrindra? Rehefa nahatsapa ny mpaminany Lehia fa efa nanakaiky ny fahafatesany dia namory farany ny zanany izy mba haminany sy hizara ireo fahamarinan’ny filazantsara nolalainy tamin’ireo olona nolalainy. Nampianatra momba ny fahafahana, ny fankatoavana, ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva, sy ny fanavotana izay tonga amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ary ny fifaliana izy. Tsy ny zanany rehetra no nanaiky ny fijoroana ho vavolombelona nataony farany, kanefa ireo izay nanaiky izany, miaraka amin’ireo an-tapitrisany izay mamaky izany ankehitriny, dia nahita fitsipika tao amin’ny fijoroany ho vavolombelona mba hahafahana miaina “ao amin’ny toetry ny fahasambarana” (2 Nefia 5:27).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

2 Nefia 2

Afaka misafidy an-kalalahana ny fiainana mandrakizay aho.

Nilaza ny Loholona D. Todd Christofferson fa “ny tanjon’ Andrimanitra dia ny hiasan’ireo zanany araka ny fahafahana misafidy izay nomeny azy ireo. … Ny tanjony sy ny faniriany dia ny mba hihazonantsika ilay anjara milalao ny mpandray fanapahan-kevitra voalohany eo amin’ny tantaran’ny fiainantsika” (“Afaka mandrakizay, hihetsika ho azy,” Liahona, nôv. 2014,16). Ao anatin’ny fampianarany momba ny fahafahana misafidy, i Lehia dia namantatra ireo fepetra ilaina mba hahatanteraka ny fahafahana misafidy ka hanome fahafahana antsika hanatratra ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Tafiditra ao anatin’izany izao manaraka izao:

  1. Fahalalana ny tsara amin’ny ratsy (2 Nefia 2:5)

  2. Lalàna nomena ny olona (2 Nefia 2:5)

  3. Safidy mifanohitra, manintona (2 Nefia 2:11)

  4. Fahafahana hanao araka ny safidy (2 Nefia 2:16)

Mandritra ny famakianao ny 2 Nefia 2, dia inona no zavatra ianaranao momba ny tsirairay avy amin’ireo fepetran’ny fahafahana misafidy ireo ary ny fifandraisan’ny tsirairay avy aminy? Inona no zavatra hitranga amin’ny fahafahantsika misafidy raha toa ka tsy eo ny iray na ny maro amin’ireo fepetra ireo? Inona ihany koa no zavatra ianaranao momba ny fahafahana misafidy avy amin’ny tenin’i Lehia?

2 Nefia 2:22–29

Ny Fahalavoana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia ampahany manan-danja amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Maro ny olona no mandray ny Fahalavoan’i Adama sy Eva ho toy ny tranga nampidi-doza. Kanefa ny fampianaran’i Lehia momba ny Fahalavoana dia manambara ny antony naha-ampahany manan-danja izany eo amin’ny drafitry ny Ray ho an’ny fivoarantsika mandrakizay. Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia tadiavo ny antony nilana ny nitrangan’ny Fahalavoana mba hahafahantsika zanaky ny Ray any An-danitra hivoatra. Nanavotra antsika tamin’ny Fahalavoana tamin’ny fomba ahoana ny sorona manavotra nataon’ny Mpamonjy?

Jereo ihany koa ny Mosesy 5:9–12; 6:51–62; “Chute d’Adam,” Sujets de l’Évangile, topics.ChurchofJesusChrist.org.

2 Nefia 3:6–24

Voatendry mialoha i Joseph Smith mba hamerina amin’ny laoniny ny filazantsara.

Ny tapany farany amin’ny 2 Nefia 3 dia mirakitra ny faminaniana nomen’i Josefa avy any Egypta momba ny mpahita iray amin’ny ho avy izay hitovy anarana aminy (jereo ny andininy 14–15), dia i Joseph Smith izany. Milaza betsaka momba ny iraka nampanaovina an’i Joseph Smith ihany koa izany. Inona no ambaran’ny andininy 6–24 momba ny zavatra hataon’i Joseph Smith amin’ny maha “mpahita nofinidy” azy mba hitahiana ny olon’ Andriamanitra? Tamin’ny fomba ahoana no naha “[na]nan-danja lehibe” taminao ny asa nataon’i Joseph Smith?

Ampahany manan-danja iray tamin’ny iraka nampanaovina an’i Joseph Smith ny namoaka ireo rakitsoratry ny taranak’i Josefa izay voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Inona no ianaranao avy amin’ity toko ity momba ny maha-zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna?

Jereo koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 50:24–35 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina).

Sary
ny mpaminany Joseph Smith

Mpaminanin’ny Tompo, nataon’i David Lindsley

2 Nefia 4:15–35

Afaka miantehitra amin’ Andriamanitra ao amin’ny fahalemeko aho.

Namoy ny rainy vao tsy ela i Nefia. Niankina taminy ny fiandraiketana ny fitarihana ny fianakaviany. Nahatsapa ny tenany ho voahodidin’ny fakam-panahy izy ary kivy noho ireo fahotany. Na dia samy hafa amin’ny an’i Nefia aza ny toe-javatra iainanao dia mety hisy hifandraisany aminao ny sasantsasany amin’ireo eritreriny sy ny fihetseham-pony voarakitra ao amin’ ny 2 Nefia 4:15–35. Inona no nanampy an’i Nefia tao anatin’ireo fahoriany? Hanampy anao hiatrika ireo olana atrehanao amin’ny fomba ahoana ny fihetsik’i Nefia nanoloana ireo olana natrehany?

2 Nefia 5

Ao amin’ny fiainana ny filazantsara no ahitana ny fahasambarana.

Ahoana no hamaritanao ny fahasambarana? Nanoratra i Nefia fa ny olony dia niaina “tao amin’ny toetry ny fahasambarana” (2 Nefia 5:27). Azonao atao ny mikaroka ireo safidy nataon’i Nefia sy ny olony ka nitondra azy ireo ho amin’ny fahasambarana; ireo fomba nifanohanan’izy ireo mbamin’ny fianakaviany, ny zavatra nomen’izy ireo lanja teo amin’ny fiarahamonina nisy azy, sy ny sisa. Inona no zavatra nianaranao ka afaka manampy anao hanorina fiainam-pahasambarana tahaka izay niseho tamin’ny vahoakan’i Nefia?

2 Nefia 5:20–21

Inona ilay “ozona” tonga teo amin’ny Lamanita?

Ilay ozona tonga teo amin’ny Lamanita tamin’ny vaninandron’i Nefia dia ny hoe “hoesorina tsy ho eo anatrehan’ny Tompo … noho ny helony” izy ireo (2 Nefia 5:20–21). Midika izany fa niala teo amin’ny fiainan’izy ireo ny Fanahin’ny Tompo. Taty aoriana, rehefa nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo Lamanita “dia tsy nomba azy ireo intsony [ny ozon’ Andriamanitra].” (Almà 23:18).

Milaza ihany koa ny Bokin’i Môrmôna fa ny famantaran’ny fahamatrohan’ny fihodirana dia tonga teo amin’ny Lamanita taorian’ny nisarahan’ny Nefita tamin’izy ireo. Tsy feno ny fahatakarana momba ny toetra sy endrik’io famantarana io. Tamin’ny voalohany ilay famantarana dia nanavaka ny Lamanita tamin’ny Nefita. Taty aoriana, rehefa samy nandalo vanim-potoana feno haratsiam-panahy sy feno fahamarinana avokoa ny Nefita sy Lamanita, dia lasa tsy azo nampiasaina ho zavatra manambara ny toerana misy ireo Lamanita eo anatrehan’ Andriamanitra intsony ilay famantarana.

Ireo mpaminany amin’izao androntsika izao dia manamafy fa tsy famantarana ny hoe tsy ankasitrahan’ Andriamanitra na ozona ny fahamatrohan’ny fihodirana. Ny Fiangonana dia manohana ny fampianaran’i Nefia hoe ny Tompo dia “tsy mandà izay manatona Azy … na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka; na lahy na vavy” (2 Nefia 26:33). Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Nohamafisin’ny Tompo ny fotopampianarany manan-danja mikasika ny fahafahana mitovy lenta ho an’ireo zanany. … Tsy misy lanjany ny tsy fitoviana ara-kolontsaina, fiteny, ny maha-lahy sy ny maha-vavy, ary ny fiaviana rehefa miditra ao amin’ny lalan’ny fanekempihavanana sy manatona an’ilay Mpanavotra malalantsika ny mahatoky” (“Lahatenin’ny Filoha Nelson tamin’ny Fankalazana maneran-tany ny Fisoronana” [1 jona 2018], newsroom.ChurchofJesusChrist.org).

Jereo ihany koa ny “Till We All Come in the Unity of the Faith” (horonan-tsary, ChurchofJesusChrist.org).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

2 Nefia 1:13–25

Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika mikasika ny faniriana lehibe indrindra nananan’ny ray na reny marina iray ho an’ireo zanany?

2 Nefia 3:6

Hiaraho mamaky ny hoe “Mpahita” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Tamin’ny fomba ahoana no naha-mpahita an’i Joseph Smith? Nahoana isika no feno fankasitrana noho ny asa izay notontosain’i Joseph Smith? (jereo ny 2 Nefia 3:6–24).

2 Nefia 4:20–25

Rehefa miara-mamaky ny 2 Nefia 4:20–25 ianareo dia miatoa isaky ny andininy tsirairay, ka asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hizara zavatra mikasika ny fotoana izay niainan’izy ireo na nahatsapan’izy ireo ny zavatra fariparitan’i Nefia. Inona no zavatra nataon’ Andriamanitra ho an’ny fianakaviantsika?

2 Nefia 5

Inona avy ny sasany amin’ireo fomba izay iainan’ny fianakavianao “ao amin’ny toetry ny fahasambarana”? Rehefa mamaky ny 2 Nefia 5 ny fianakavianao dia azonao atao ny mifanakalo hevitra momba ireo zavatra notandrovan’ny Nefita: ny fianakaviana (andininy faha 6), ireo didy (andininy faha 10), ny soratra masina (andininy faha 12), ny fianarana (andininy faha 15), ny tempoly (andininy faha 16), sy ny asa (andininy faha 17), ary ireo antso ao am-piangonana (andininy faha 26). Fomba iray azo hanaovana izany ny mitady zavatra azo tsapain-tanana izay maneho ny sasantsasany amin’ireo zavatra ireo ka miresaka momba ny fomba hanehoantsika fa isika dia manome lanja ireny zavatra ireny tahaka ny Nefita.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mahaiza mandinika. Rehefa mandinika tsara ny zavatra miseho eo amin’ny fiainan’ireo zanakao ianao dia hahita fahafahana tena tsara hampianarana. Ireo fanamarihana ataon’ireo zanakao na ireo fanontaniana apetrany dia afaka miteraka fotoana azo ampianarana ihany koa. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 16.)

Sary
I Lehia sy ny fianakaviany mandohalika eo amin’ny tora-pasika

I Lehia sy ny olony tonga ao amin’ny Nouveau Monde, nataon’i Clark Kelley Price