Avia, hanaraka Ahy
27 janoary–02 febroary. 1 Nefia 16–22: “Izaho no hanomana ny lalana eo anoloanareo”


“27 janoary–02 febroary. 1 Nefia 16–22: -Izaho no hanomana ny lalana eo anoloanareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“27 janoary–02 febroary. 1 Nefia 16–22,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Lehia nijery ny Liahônà

I Lehia sy ny Liahônà, nataon’i Joseph Brickey

27 janoary–02 febroary

1 Nefia 16–22

“Izaho no hanomana ny lalana eo anoloanareo”

Ireo tantara manentana ny fanahy ao amin’ny 1 Nefia 16–22 dia mampianatra fahamarinana izay afaka mitahy ny ankizy ao amin’ny kilasinao. Vakio ireto toko ireto ary raketo ireo zavatra tsapanao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto na mampisehoa sary ahitana azy ireo: ny Liahônà ny tsipika ary ny sambo. Asao ny ankizy anankitelo mba samy hisafidy iray amin’ireo teny na sary ary hizara ny ampahan’ny tantaran’i Nefia izay ahitana izany zavatra izany. Manolora fanampiana raha ilaina izany.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

1 Nefia 16:10, 28–29; 18:8–13, 20–22

Afaka mitarika sy mitantana ahy ny Tompo.

Ampianaro ny ankizy fa na dia amin’ny fotoana hiatrehan’izy ireo olana sarotra aza dia afaka mitarika azy ireo ny Tompo (jereo ny 1 Nefia 16:29).

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa kompà na sarintany na zavatra hafa amin’ny ankizy izay manampy antsika hahita ny lalantsika ary hazavao ny fomba hampiasana ireo fitaovana ireo. Ampitahao amin’ny Liahônà ireo fitaovana ireo rehefa fintininao ny tantara ao amin’ny 1 Nefia 16:10, 28–29 ary 18:9–13, 20–22. Hamafiso fa rehefa tsy nankatò ny fianakavian’i Lehia dia tsy nandeha ny Liahônà (jereo koa ny 1 Nefia 18:9–12, 20–22). Inona avy ireo zavatra izay manampy antsika hahita ny lalana miverina any amin’ny Ray any An-danitra?

  • Mitondrà baoritra iray ahitana famantarana maromaro izay mamaritra toerana iray ao amin’ny trano fiangonana na manodidina ny trano fiangonana. Ampiasao ilay baoritra sy ireo famantarana hoy toy ny Liahônà ary avelao ny ankizy hifandimby hifidy famantarana ary hamantatra hoe inona ilay toerana. Dia miaraha mandeha any amin’ilay toerana avy eo. Hazavao fa rehefa mampiseho finoana isika ary manaraka ny lalana itarihan’ny Tompo antsika, dia hanampy antsika hiverina any Aminy Izy. (jereo ny Almà 37:38–42). Ahoana no fomba itarihan’ny Ray any An-danitra antsika ao anatin’ilay lalana diavintsika mba hiverenana any Aminy?

1 Nefia 16:14–32

Afaka ny ho ohatra tsara amin’ny fianakaviako aho.

Ny fifandraisan’i Nefia tamin’ny fianakaviany nandritra ny fotoan-tsarotra iray dia afaka manampy ny ankizy hahita fa na dia mbola kely aza izy ireo dia afaka ny ho ohatra ho an’ireo fianakaviany.

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo manao sarin-javatra anankiray avy ao amin’ilay tantaran’ny tsipikan’i Nefia izay tapaka ny ankizy tsirairay (jereo ny 1 Nefia 16:14–32), toy ny hoe Nefia, na tsipika na Liahônà. Ampiasao avy eo ireo sary mba hitantarana ilay tantara amin’ny iray kilasy ary avelao ny ankizy hifandimby hanao izany koa. Ahoana no fomba ahafahantsika ho toa an’i Nefia rehefa mandalo fotoan-tsarotra ny fianakaviantsika?

  • Asao ny ankizy mba samy hanety taratasy iray atao miendrika faribolana ary hanao sarina endrika malahelo eo amin’ny lafiny iray ary sarina endrika faly eo amin’ilay lafiny iray hafa. Rehefa mitantara ny tantaran’ny tsipikan’i Nefia izay tapaka ianao, dia asao izy ireo mba hampiasa ireo sarina endrika mba hampisehoana ny zavatra tsapan’ny fianakavian’i Nefia nandritra ireo toe-javatra samihafa tao anatin’ilay tantara. Ahoana no fomba nataon’i Nefia mba hitondrana fifaliana ho an’ny fianakaviany? Inona no azontsika atao mba hitondrana fifaliana ho an’ny fianakaviantsika?

1 Nefia 17:7–19; 18:1–4

Afaka manampy ahy hanao zavatra sarotra ny Ray any An-danitra.

Ireo ankizy ampianarinao dia mianatra manao zavatra toa sarotra tahaka an’i Nefia. Ny zavatra niainan’i Nefia dia afaka manampy azy ireo hahafantatra fa hanampy azy ireo ny Ray any An-danitra rehefa mangataka izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Tantarao amin’ny ankizy ny tantaran’i Nefia izay nodidina mba hanamboatra sambo amin’ny alalan’ny fampiasana ny 1 Nefia 17:7–19 sy ny 18:1–4. Azonao ampiasaina koa ny “Toko 7: Ny fanamboarana ny sambo” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 21–22) na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny andiana horonan-tsary momba ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity dia afaka manamafy ilay fitsipika fa nampian’ny Ray any An-danitra i Nefia ary hanampy antsika koa Izy.

  • Iaraho mihira ny andininy faharoan’ny “Le courage de Néphi” (Chants pour les enfants, 64). Inona no nanampy an’i Nefia mba hanana herim-po rehefa nanesoeso azy ireo rahalahiny noho izy niezaka nanamboatra sambo?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

1 Nefia 16:10, 28–29; 17:13–15; 18:8–13, 20–22

Rehefa mitandrina ny didy aho dia mitarika ahy ny Tompo.

Ampiasao ny tantaran’ny fianakavian’i Lehia izay notarihin’ny Liahônà mba hampisehoana ny ankizy ny fomba hitahian’ Andriamanitra azy ireo rehefa miezaka manao ny sitrapony izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Misafidiana iray na maromaro amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto mba hiarahana mamaky amin’ny ankizy: 1 Nefia 16:10, 28–29; 17:13–15; sy 18:8–13, 20–22. Angataho izy ireo mba hitady ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoana fitarihana sy fitantanana avy amin’ Andriamanitra ary ifanakalozy hevitra ny zavatra nianaran’izy ireo.

  • Aorian’ny famerenana nandinika ireo tantara ao anatin’ny 1 Nefia 16–18, dia azonao atao dinidinika manokana ny ankizy maromaro toy ireny hoe niaraka nanao dia lavitra niaraka tamin’ny fianakavian’i Lehia ireny izy ireo. Afaka mametraka fanontaniana toy izao koa ianao: Nahoana no feno fankasitrahana ianao noho ilay Liahônà? Inona no nilainao natao mba hampandeha an’ilay Liahônà? (jereo ny 1 Nefia 16:28–29). Asao ny mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ireo zavatra nomen’ny Tompo mba hitarihana antsika amin’izao androntsika izao.

  • Angataho ny ankizy mba hieritreritra ny fomba mety ahafahan’izy ireo mampiasa ny tantaran’ilay Liahônà mba hanampiana namana iray izay mila mandray fanapahan-kevitra manan-danja iray. Manolora hevitra hoe ankoatra ny 1 Nefia 16:10, 26–31 ary ny 18:9–22, dia afaka mampiasa ny Almà 37:38–44 koa izy ireo. Mizarà zavatra niainana iray izay nanampy anao nandritra ny fotoan-tsarotra iray, na asao ny ankizy mba hizara iray. Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny fanampiany?

1 Nefia 16:14–39; 18:1–5

Afaka ny hisy fiantraikany tsara eo amin’ny fianakaviako ny toetrako sy ireo safidy ataoko.

Fitahiana lehibe ny finoana nananan’i Nefia rehefa niatrika fitsapana ny fianakaviany. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hianatra avy amin’ny ohatra nasehony?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hanao sarin-javatra izay mampiseho ny tantaran’ny tsipikan’i Nefia izay tapaka (jereo ny 1 Nefia 16:14-39). Avereno dinihina miaraka amin’izy ireo ilay tantara raha ilaina. Rehefa mizara ny sarin’izy ireo izy ireo dia ampio izy ireo hitady ireo fomba nitondran’ny fahatokian’i Nefia fitahiana ho an’ny fianakaviany. Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ireo olana atrehan’izy ireo na atrehan’ny fianakavian’izy ireo. Inona no azon’izy ireo atao mba hanarahana ny ohatra nasehon’i Nefia?

  • Iaraho mamaky ireo andininy sasantsasany avy ao amin’ny 1 Nefia 16:21–32. Ifampiresaho ireo tanjona sasany izay mety ananan’ny fianakavian’ireo ankizy, toy ny fanaovana takarivan’ny mpianakavy na vavaky ny mpianakavy. Ahoana no ahafahan’ireo ankizy manampy ireo fianakavian’izy ireo hahatratra ireo tanjona ireo? Asao izy ireo hanao drafitra mba hanatanteraka zavatra iray mba hanampiana ny fianakavian’izy ireo hahatratra ireo tanjon’izy ireo amin’ity herinandro ity.

1 Nefia 19:22–24

Afaka mampitaha ny soratra masina amin’ny fiainako aho.

Ampio ny ankizy hahita fa ireo tantara ao amin’ny soratra masina dia mihoatra noho ny maha-tantara azy fotsiny. Ahitana fitsipika izay afaka mitahy ny fiainan’izy ireo izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy iray mba hamaky mafy ny 1 Nefia 19:22–24 ary anontanio ny ankizy ny dikan’ny hoe “mampitaha ny soratra masina rehetra” amin’ny tenantsika. Ampio ny ankizy hahita ny fomba nampitahan’i Nefia ny tantara iray ao amin’ny soratra masina tamin’ny zavatra niainany rehefa naka ireo takela-barahina izy (jereo ny 1 Nefia 4:1–4; jereo koa ny Eksodosy 14). Nahoana no nanampy an’i Nefia sy ireo rahalahiny ny fahatsiarovana izany tantara izany?

  • Avereno vakina ny sasany amin’ireo tantara momba an’i Lehia sy ny fianakaviany avy ao amin’ny 1 Nefia izay fantatry ny ankizy, ary asao izy ireo hizara ny zavatra fantany avy amin’ireo tantara ireo. Ampio izy ireo hieritreritra ireo toe-javatra niainan’izy ireo izay mety mitovy amin’ireo tantara ireo. Ohatra, ny fangatahan’ny Tompo an’i Nefia mba hanamboatra sambo dia mety mampahatsiahy azy ireo ireo fotoana izay nilan’izy ireo nanao zavatra sarotra ka nitady ny fanampian’ny Tompo.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hisafidy tantara iray avy ao amin’ny 1 Nefia 16–22 ary hizara amin’ny fianakaviany ny fomba ahafahan’izy ireo “mampitaha” izany tantara izany amin’ny fiainan’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà tantara. Ny tantara dia manampy ny ankizy hahatakatra ireo fitsipiky ny filazantsara satria mampiseho ny fomba niainan’ny hafa ireo fitsipika ireo izany.