Avia, hanaraka Ahy
16–22 martsa. Jakôba 5–7: “Miara-miasa amintsika ny Tompo”


“16–22 martsa. Jakôba 5–7: -Miara-miasa amintsika ny Tompo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“16–22 martsa. Jakôba 5–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
lehilahy miasa ao anaty alan’oliva

Fanoharana momba ny hazo oliva, nataon’i Brad Teare

16–22 martsa

Jakôba 5–7

Miara-miasa amintsika ny Tompo

Manasa ny fanambarana ho tonga ny famakiana ny soratra masina. Ka noho izany, rehefa mamaky ny Jakôba 5–7 ianao dia mikatsaha fitarihana avy amin’ny Fanahy mba hanampy anao sy ny fianakavianao. Inona no hafatra tian’ny Tompo omena anao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Marobe tokoa ireo olona tsy mbola nahare ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha sendra mahatsapa ho tototry ny habetsahan’ny asa amin’ny fanangonana azy ireo ho ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo ianao dia ahitana fampahatsiahivana manome toky ao amin’ny fanoharana momba ny hazo oliva ao amin’ny Jakôba 5 manao hoe: an’ny Tompo ilay tanimboly. Nomeny faritra kely avy ny tsirairay amintsika mba hanampy amin’ny asany, dia ny fianakaviantsika, ireo namantsika, ary ny olona sy ny zavatra hananantsika fahefana. Ary indraindray dia ny tenantsika ihany no olona voalohany ampiantsika mba ho voangona. Tsy irery mihitsy anefa isika ao anatin’io asa io, satria miara-miasa amin’ireo mpanompony ny Tompon’ny tanimboly (jereo ny Jakôba 5:72). Fantatr’ Andriamanitra sy tiany ireo zanany, ary hanomana lalana ho an’ny tsirairay avy amin’izy ireo Izy mba handrenesany ny filazantsara, eny fa na dia ireo izay efa nandà Azy taloha aza (jereo ny Jakôba 4:15–18). Ary aorian’izay rehefa vita ny asa, ireo rehetra izay efa “nazoto niasa niaraka tami[ny] … dia … hiaraka hanana fifaliana ami[ny] noho ny voa avy amin’ ny tanimboli[ny]” (Jakôba 5:75).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Jakôba 5–6

Inona no atao hoe fanoharana?

Ny fanoharana dia tantara mampianatra fahamarinana ara-panahy amin’ny alalan’ny tandindona. Ao amin’ny fanoharana momba ny hazo oliva ohatra, ny tanimboly iray dia maneho an’izao tontolo izao, ny oliva voajanahary dia maneho an’i Isiraely (ireo izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra), ary ireo hazo oliva dia dia maneho ny firenena jentilisa (ireo izay tsy nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra).

Rehefa mandalina ilay fanoharana ao amin’ny Jakôba 5 ianao dia mitadiava tandindona fanampiny ary saintsaino ny hevitr’izany. Ohatra, maneho inona ny voa tsara araka ny eritreritrao? Mety ho tandindon’ny inona ireo voa ratsy?

Jakôba 5; 6:3–5

I Jesoa Kristy no Tompon’ny tanimboly.

Alohan’ny hanombohanao ny fandalinanao an’ilay fanoharana momba ny hazo oliva ao amin’ny Jakôba 5, dia mety hanampy ny mamerina mijery ny Jakôba 4:10–18 mba hamantarana ny antony nahatsapan’i Jakôba fa tokony hizara io fanoharana io tamin’ny olony izy. Ao amin’ny Jakôba 6:3–5 ianao dia afaka mahita hafatra vitsivitsy fanampiny izay tian’i Jakôba hantitranterina. Tadiavo ao anatin’ilay fanoharana ireo hafatra ireo. Inona no hafatra hitanao fa manan-danja aminao ao amin’ny Jakôba 5?

Ny Jakôba 5 dia toko lava be, ny toko lava indrindra ao amin’ny Bokin’ i Môrmôna. Mety hanampy ny fitsinjarana izany araka ireto fizarana manaraka ireto, izay mitantara vanim-potoana teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao:

Andininy 3–14:Ny fampielezana an’i Isiraely talohan’ny andron’i Jesoa Kristy

Andininy 15–28:Ny asa fanompoan’i Kristy sy ny Apôstôliny

Andininy 29–49:Ny Apôstazia Lehibe

Andininy 50–76:Ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany

Andininy 76–77:Ny Arivotaona sy ny fiafaran’izao tontolo izao

Mba hijerena hevitra fanampiny momba ilay fanoharana dia jereo ilay kisary nampiarahana tamin’ity lesona ity.

Sary
mpivady zokiolona eo amin’ny solosaina miaraka amin’ny olona hafa

Afaka manompo an’ Andriamanitra daholo isika rehetra amin’ny fanampiana Azy hanangona ireo zanany.

Jakôba 5:61–75

Manasa ahy Andriamanitra hanampy Azy hanangona ireo zanany.

Ireo “mpanompo hafa” (Jakôba 5:70) izay antsoina ho ao amin’ny tanimbolin’ny Tompo dia ahitana olona tahaka anao. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia tompon’andraikitra avokoa isika amin’ny fanampiana an’ Andriamanitra hanangona ireo zanany. Inona no fitsipika hitanao ao amin’ny Jakôba 5, indrindra fa ny andininy 61–62 sy 70–75, momba ny fiasana ao amin’ny tanimbolin’ny Tompo? Ahoana no nahatsapanao fa niantso anao Izy mba hanompo ao amin’ny tanimboliny? Inona no traikefa azonao rehefa nandray anjara tamin’ny fanaovana ny asany ianao?

Jereo koa ny ; “Old Testament Olive Vineyard,” “Help the Church Grow” (horonan-tsary, ChurchofJesusChrist.org).

Jakôba 7:1–23

Afaka mijanona ho mahatoky aho rehefa mitsapa ny finoako ny hafa.

Misy zavatra mitovy amin’ny zavatra niainan’ny Nefita niaraka tamin’i Serema mitranga matetika amin’izao fotoana izao: mety hisy olona mahay fianarana sy tsara laza izay miezaka manimba ny finoanao. Saingy “tsy azo hozongozonina” i Jakôba (Jakôba 7:5). Inona no navalin’i Jakôba rehefa nisy nanozongozona ny finoany? Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny valin-teniny? Inona no azonao atao amin’izao mba hiomanana amin’ireo fotoana izay hisedrana ny finoanao?

Jereo koa ny Jeffrey R. Holland, “Ny sarany efaina—sy ireo fitahiana azo—amin’ny maha-mpianatr’i Kristy,” Liahona, mey 2014, 6–9.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Jakôba 5

Ny fianakaviana sasany dia nahita fa manampy ny manao sary ireo tandindona ao amin’ilay fanoharana momba ny hazo oliva teo am-pamakian’izy ireo izany. Mety hahafinaritra ny fianakavianao izany fomba fianarana izany, na mety misy fomba hafa azonao hanampiana ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hahazo an-tsaina ireo tandindona ao amin’ilay fanoharana. Azonao atao ny manoritra faritra iray eo amin’ny latabatra iray na eo amin’ny gorodona mba hanehoana ny tanimboly (na izao tontolo izao) ary maneho ilay hazo oliva voajanahary (na ny mpianakavin’i Isiraely) amin’ny alalan’ny zavatra iray, toy ny piozila, izay azo zarazaraina ho ampahany kely maromaro (mba hanehoana ny fampielezana an’i Isiraely), ary avy eo dia atambatra (mba hanehoana ny fanangonana an’i Isiraely). Inona no ampianarin’izany fanoharana izany antsika momba ny Tompo? Momba ireo mpanompony?

Jakôba 5:70–77

Rehefa mamaky mikasika ny “fotoana farany” izay hiasan’ny Tompo ao amin’ny tanimboliny ianareo, dia inona no mitaona anao sy ny fianakavianao hanompo ny Tompo “amin’ny heri[nareo]”? (Jakôba 5:71). Azonao atao ny manasa ny olona ao amin’ny fianakaviana mba hampihatra amin’ny tenany ny andininy 75 amin’ny alalan’ny fampidirana ny anarany ao amin’io andininy io. Ohatra hoe: “Hotahiana anie ianareo [ry anarana].” Mety afaka mizara zavatra niainana izy ireo tamin’ny fotoana nahatsapany fifaliana rehefa nanompo ny Tompon’ny tanimboly, ohatra hoe tamin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara, ny fanompoana tao amin’ny tempoly, na ny fanamafisana orina ireo mpikamban’ny Fiangonana. (Jereo koa ny M. Russell Ballard, “Matokia an’i Jehovah,” Liahona, nôv. 2013, 43–45.)

Jakôba 6:4–7

Ahoana no hanoloran’ny Tompo ny sandrin’ny famindrampony amintsika? Inona no dikan’ny teny hoe “[mamikitra]” ao anatin’ireo andininy ireo? Ahoana no hifikiran’ny Tompo amintsika? Ahoana no hifikirantsika Aminy?

Jakôba 7:1–12

Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba hiezahan’ny olona mitarika ny hafa hania? Ahoana ho hahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’i Jakôba sy mijanona ho tsy voahozongozona amin’ny finoantsika an’i kristy?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Manaova tsianjery soratra masina. Misafidiana andinin-tsoratra masina iray izay tena manan-danja manokana amin’ny fianakavianao, dia miaraha manao tsianjery izany. Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Ny soratra masina anankiray notadidiana dia lasa namana maharitra izay tsy mety lefin’ny fotoana mandalo” (Ny herin’ny soratra masina,”Liahona, nôv. 2011, 6).