Avia, hanaraka Ahy
9–15 martsa. Jakôba 1–4: “[Aoka ianao] hihavana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy”


“9–15 martsa. “Jakôba 1–4: -[Aoka ianao] hihavana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“9–15 martsa. Jakôba 1–4,”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
vehivavy iray mandohalika eo an-tongotr’i Jesoa

Voavela heloka, nataon’i Greg K. Olsen

9-15 martsa

Jakôba 1–4

[Aoka ianao] hihavana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy

Rehefa mamaky ny Jakôba 1–4 ianao dia saintsaino hoe iza amin’ireo fitsipika ao amin’ireo toko ireo no tena zava-dehibe ny hianaran’ny ankizy azy. Mikatsaha fitarihana ara-panahy mba hahafantarana ny fomba tsara indrindra hampianarana ireo fitsipika ireo, ary raketo ireo zavatra tsapanao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ny ankizy mba hizara ny zavatra nataon’izy ireo na nataon’ny fianakavian’izy ireo tamin’ity herinandro ity mba hianarana avy ao amin’ny Jakôba 1–4. Azonao atao ihany koa ny mangataka azy ireo mba hizara ny zavatra tsaroany avy tamin’ny lesona tamin’ny herinandro lasa. Inona ireo fanontaniana azonao apetraka mba hanampiana azy ireo hahatsiaro?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Jakôba 1:6–8, 18; 2:1–11

Miantso mpitarika ao amin’ny Fiangonana Andriamanitra mba hanampiana ahy hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Ampio ny ankizy hahatakatra fa ho voatahy izy ireo amin’ny alalan’ny fanarahana ny torohevitr’ireo mpitarika ny Fiangonana.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova saribakoly taratasy mba hanehoana an’i Jakôba sy i Josefa, zandrin’i Nefia, izay mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Mizarà andininy avy ao amin’ny Jakôba 1 sy 2 mba hanazavana ny zavatra iantsoana ireo mpitarika ny Fiangonana mba hataon’izy ireo. Ohatra, ireo mpitarika dia mandresy lahatra antsika “hino an’i Kristy” (Jakôba 1:8), manasa antsika hibebaka (jereo ny Jakôba 2:5–6, 9–10), ary “manambara ny [tenin’ Andriamanitra]” (Jakôba 2:2, 11). Avelao hampiasa ireo saribakoly taratasy ny ankizy mba hilazana hoe mody manao ny sasany amin’ireo zavatra ireo izy ireo.

  • Asao ny ankizy hilaza ny anaran’ireo mpitarika sasany ato amin’ny Fiangonana izay fantatr’izy ireo, toy ireo mpitarika ny Kilonga, mpikambana ao amin’ny episkôpà ary ireo mpaminany sy apôstôly. Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fomba hitahian’ireo mpitarika ireo antsika.

Sary
lehilahy roa mifandray tanana eo an-databatra

Manampy antsika hanaraka an’i Jesoa Kristy ireo mpitarika ny Fiangonana.

Jakôba 2:12-14, 17–21

Afaka manampy ny hafa izay sahirana aho amin’ny alalan’ny fizarana zavatra amin’izy ireo.

Takatr’ireo ankizy ampianarinao ve ireo fitahiana izay tonga rehefa mizara amin’ny hafa izay sahirana izy ireo? Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hahafantatra fa tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa hanampy ny hafa izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao fa nanan-karena ny sasany amin’ireo olona tamin’ny andron’i Jakôba, saingy tsy te hizara ny zavatra nananany tamin’ireo mahantra izy ireo. Vakio ny Jakôba 2:17–19 mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ireo fampianaran’i Jakôba ho an’ireo olona ireo. Eo am-panaovanao izany dia omeo sary na zavatra mba hazonina izay mifanaraka amin’ireo teny na andian-teny ao amin’ireo andininy ireo ny ankizy.

  • Asao ny ankizy hilalao an-tsehatra ireo fomba ahafahan’izy ireo mizara izay ananany amin’ny olona iray izay sahirana. Mijoroa ho vavolombelona fa voatahy isika rehefa mizara amin’ny hafa.

  • Mitondrà zavatra ao an-dakilasy izay azonao zaraina amin’ny ankizy. Omeo amin’izany ny ankizy tsirairay, ary hazavao fa mizara zavatra ianao izao. Anontanio azy ireo izay zavatra tsapany rehefa mizara amin’izy ireo ianao. Inona no zavatra tsapan’izy ireo rehefa mizara amin’ny hafa izy ireo? Ampio izy ireo hieritreritra zavatra izay azon’izy ireo zaraina mba hanampiana ny hafa hahatsapa ho faly.

Jakôba 4:6

Afaka mampatanjaka ny finoako an’i Jesoa Kristy aho.

Satria niaina tamim-pahamarinana i Jakôba na dia teo aza ny faharatsiana manodidina azy dia nanjary tena natanjaka ny finoany ka tsy azo nohozongozonina izany. Saintsaino ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra ny atao hoe manana finoana tsy azo hozongozonina.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hieritreritra ireo zavatra izay ataon’izy ireo mba hahatonga ny vatany ho matanjaka kokoa. Inona no azontsika atao mba hahatonga ny finoantsika ho matanjaka kokoa? Sokafy ao amin’ny Jakôba 4:6 ny soratra masina ary ampio ny ankizy hahita izay nataon’i Jakôba sy ny vahoakany mba hahatonga ny finoan’izy ireo ho “tsy voahozongozona.”

  • Iaraho manao amin’ny ankizy ilay hira “Le sage et le fou” (Chants pour les enfants, 132) Manaova sarina trano iray miorina eo ambony fasika eo amin’ny ilany iray eo amin’ny solaitrabe. Manaova sarina trano iray miorina eo ambony vato kosa eo amin’ilay ilany hafa eo amin’ny solaitrabe. Raha azo atao dia mitondrà fasika sy vato any am-pianarana. Iza amin’ireo no mora ahontsana na hetsehina? Tiantsika hitovy amin’ny inona ny finoantsika, amin’ny fasika sa amin’ny vato?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Jakôba 1:6–8, 18; 2:1–6, 11

Miantso mpitarika ao amin’ny Fiangonana Andriamanitra mba hanampiana ahy hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Ny ankizy ampianarinao dia ho voatahy rehefa matoky sy manaraka ny torohevitr’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny Jakôba 1:6-8; sy 2:1–6, 11, ka ampio izy ireo hitady ireo fehezan-teny izay mamariparitra ny fomba fitarihan’ireo mpanompon’ Andriamanitra ny Fiangonana. Angataho izy ireo mba hanoratra ireo fehezan-teny ireo amin’ny taratasy iray ary ampisehoy eny amin’ny solaitrabe ireo taratasy avy eo. Nahoana Andriamanitra no miantso mpitarika ny Fiangonana mba hitarika antsika? Angataho ny ankizy mba hizara zavatra nianarany na ny fitarihana noraisiny avy amin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana na mpampianatra iray sy ireo fitahiana noraisin’izy ireo.

  • Asaivo ataon’ny ankizy ny sarin’ny mpitarika iray ato amin’ny Fiangonana izay fantatr’izy ireo, ary asaivo mamantatra ilay olona nataon’izy ireo sary ny iray kilasy. Inona no ataon’ireo mpitarika ireo mba hanampiana antsika hanaraka an’i Jesoa Kristy? Asao ny ankizy mba hanoratra taratasy kely fisaorana an’ireo mpitarika ny Fiangonana, hisaotra azy ireo noho ny asa fanompoana ataon’izy ireo.

  • Asao ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana mba hilaza amin’ny ankizy izay ataony mba hanatanterahana ny antsony. Angataho ny ankizy hilaza ireo zavatra vitsivitsy izay azon’izy ireo atao mba hanohanana ny mpitarika azy ireo.

Jakôba 2:12-14, 17–21

Afaka manampy ny hafa mba hahatsapa fifaliana amin’ny alalan’ny fizarana zavatra amin’izy ireo aho.

Vonona hizara ny zavatra ananany amin’ny hafa ireo mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy. Amporisiho ny ankizy hitondra fifaliana amin’ireo izay sahirana amin’ny alalan’ny fizarana zavatra amin’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ny mpianatra fa olona maro tamin’ny andron’i Jakôba ho nanjary niavonavona sy ratsy fanahy satria tia ny hareny izy ireo (jereo ny Jakôba 2:12–14, 17–21). Asao ny ankizy vitsivitsy mba hamaky mafy ny Jakôba 2:17–19 ary ampio izy ireo hahatakatra izay mety ho teny sarotra. Inona no tokony hokatsahintsika mialoha ny hikatsahantsika harena? Inona no tokony hokatsahintsika mba hatao amin’izay harena azontsika?

  • Vakio amin’ny ankizy ny Jakôba 2:17. Inona ireo fitahiana nozarain’ny Ray any An-danitra tamintsika? Nahoana Izy no maniry ny hizarantsika amin’ny hafa? Asao ny ankizy mba hitantara ireo fotoana izay nizarany zavatra tamin’ny olona hafa, ary tafiditra ao anatin’ilay zavatra tantaraina koa ireo zavatra tsapan’izy ireo sy ireo zavatra tsapan’ilay olona hafa.

Jakôba 4:4–13, 17

Afaka mampatanjaka ny finoako an’i Jesoa Kristy aho.

Nanjary tsy voahozongozona ny finoan’i Jakôba rehefa nandinika ny tenin’ireo mpaminany izy sy nahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tenany manokana (jereo ny Jakôba 4:6). Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy haniry ny hanorina finoana izay tsy azo hozongozonina?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hieritreritra ireo zavatra izay lasa matanjaka sy azo antoka rehefa mandeha ny fotoana, toy ny hazo lehibe iray. Ahoana no mampitovy ny finoana amin’ireo zavatra izay neritreretin’izy ireo? Fehezan-teny inona ao amin’ny Jakôba 4:6, 10–11 no mamariparitra izay azontsika atao mba hahatonga ny finoantsika ho tsy voahozongozona? Angataho ny ankizy hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo fomba ahafahan’izy ireo mampatanjaka ny finoany an’i Jesoa Kristy.

  • Zarao ny fanoharana nataon’ny Loholona Neil L. Andersen mikasika ny hazo iray izay mitombo ao anatin’ny tontolo mandrivotra be, izay hita ao amin’ny hafany “Tadio ara-panahy” ( Liahona,mey 2014, 18–21), na ampisehoy ilay horonan-tsary “Spiritual Whirlwinds” (ChurchofJesusChrist.org). Nahoana no zava-dehibe ho an’ny finoantsika ny tsy ho voahozongozona sy ho matanjaka tahaka ny vatan-kazo? Maneho inona ireo tadio? Inona no azontsika atao mba hanorenana finoana tsy voahozongozona? Ampio ny ankizy hieritreritra fanoharana hafa izay mampianatra momba ny finoana tsy azo hozongozonina.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy hieritreritra zavatra iray azony zaraina amin’ny fianakaviany, anisan’izany ny zavatra nianarany tao an-dakilasy androany. Omeo fahafahana hiresaka mikasika ny zavatra nozarainy izy ireo amin’ny lesona manaraka.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny fanehoam-panajana. Ampio ny ankizy hahatakatra fa ny lafiny iray manan-danja ao anatin’ny fanehoana fanajana dia ny fieritreretana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mampahatsiahy azy ireo mba haneho fanajana am-pahanginana amin’ny alalan’ny fihirana moramora na any anaty ny hira iray na amin’ny alalan’ny fampisehoana sarin’i Jesoa anankiray.