Avia, hanaraka Ahy
9–15 martsa. Jakôba 1–4: “Tokony hihavana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny sorompanavotan’ i Kristy”


“9–15 martsa. Jakôba 1–4: -Tokony hihavana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny sorompanavotan’ i Kristy- Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“9–15 martsa. Jakôba 1–4,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
vehivavy mandohalika eo an-tongotr’i Jesoa

Voavela, nataon’i Greg K. Olsen

9–15 martsa

Jakôba 1–4

Tokony hihavana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny sorompanavotan’ i Kristy

Ny Jakôba 1–4 dia ahitana fampianarana maro izay mihatra amin’izao androntsika izao. Rehefa mamaky ireto toko ireto ianao dia saintsaino ny fomba ahafahanao manampy ireo izay ampianarinao mba hiaina ny fotopampianarana nampianarin’i Jakôba.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mba hanampiana ireo olona ao amin’ny kilasy hizara hevi-baovao avy ao amin’ny Jakôba 1–4, dia azonao atao ny mizara tapa-taratasy ary manasa ny olona ao amin’ny kilasy mba hanoratra andalan-tsoratra masina iray izay hitan’izy ireo fa manan-danja avy ao amin’ireo toko ireo. Ataovy ao anaty fitoeran-javatra iray ireo tapa-taratasy, makà vitsivitsy avy ao, ary asao ireo olona izay nanoratra ireo andalan-tsoratra masina mba hizara ny hevitr’izy ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Jakôba 1:6–8, 15–19; 2:1–11; 4:18

Miasa am-pahazotoana ho tombontsoan’ireo fanahy ireo mpitarika marina.

  • Afaka atombokao ny fifanakalozan-kevitra momba ny asa nataon’i Jakôba tamim-pahazotoana teo anivon’ny vahoakany amin’ny alalan’ny fangatahana amin’ny olona ao amin’ny kilasy mba hizara ireo fotoana naha-voatahy azy ireo noho ny asa fanompoan’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana. Angataho ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana—na taloha na ankehitriny—mba hiresaka momba ny fotoana iray nahatsapany ho notaomim-panahy hanompo olona iray. Ireo olona ao amin’ny kilasy dia afaka mahita teny na andian-teny ao amin’ny Jakôba 1:6–8, 15–19; 2:1–11; ary 4:18 izay manampy antsika hahatakatra ny fahatsapan’i Jakôba momba ny antsony sy ireo olona notompoiny. Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny mpitarika antsika nanandriana ny antson’izy ireo? Inona no lazain’ireo andininy ireo mikasika ny fomba tokony hanohanantsika ireo mpitarika antsika?

Sary
lehilahy roa mifandray tanana eo ambony latabatra

Tahaka an’i Jakôba, ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ankehitriny dia “manandriana ny antson’izy ireo.”

Jakôba 2:12–21

Tokony hisoroka ny avonavona sy hanolo-tanana ireo izay sahirana isika.

  • Nanao fampitandremana mafy ho an’ny Nefita mikasika ny avonavona Andriamanitra. Mba hanombohana ny fifanakalozan-kevitra momba ity lohahevitra ity dia antsoy mialoha ny olona sasany ao amin’ny kilasy ary angataho izy ireo mba hitady ireo fomba handrisihan’ny fahavalo ny fitiavana ireo harena ao amin’izao tontolo izao ankehitriny. Avy eo dia asao izy ireo mba hizara amin’ny mpiara-mianatra ny zavatra tsikaritr’izy ireo. Afaka miasa tsiroaroa ny olona ao amin’ny kilasy mba hamakiana ny Jakôba 2:12–21 ary hitady izay nampianarin’ny Tompo momba ny fomba tokony handraisantsika ny harena ara-nofo. Dia afaka mamorona na mizara sary izay mandrisika io fitsipika io izy ireo. Omeo fotoana ireo olona ao amin’ny kilasy mba hisaintsaina manokana ny zavatra azon’izy ireo atao mba hampiharana izay nianarany avy tao amin’ny hafatr’i Jakôba.

  • Afaka mamerina mijery ny Jakôba 2:12–21 ny olona ao amin’ny kilasinao ary manoratra ny fanontanian’izy ireo hanampiana ilay lisitra nataon’ny Loholona Perry. Manampy inona amin’ny fahatakarantsika ireo fampianaran’i Jakôba ny teny nataon’ny Loholona Perry ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”?

Jakôba 2:23–28

Mifaly amin’ny fahadiovam-pitondrantena ny Tompo.

  • Ny Loholona David A. Bednar dia nampianatra fa isika dia miaina “ao anatin’ny tontolo izay tsy mitsaha-maneso ny fahamasinan’ny fananan-janaka ary mampihena ny lanjan’ny fiainan’ny olombelona” (“Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 41–44). Ahoana no ahafahanao manampy ny olona ao amin’ny kilasy hampiasa ny Jakôba 2:23–35 mba hanoherana ny hafatr’izao tontolo izao mikasika ny fahadiovam-pitondrantena? Fomba iray hanaovana izany ny fanoratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Inona no tsapan’ny Tompo mikasika ny fahadiovam-pitondrantena? ary manasa ireo olona ao amin’ny kilasy mba hitady valinteny ho an’io fanontaniana io. Ny sasany amin’izy ireo dia afaka mamaky ny Jakôba 2:23–35, ary ny hafa kosa afaka mamaky ny lahatenin’ny Loholona Bednar izay voalaza etsy ambony. Azon’izy ireo tanisaina eny amin’ny solaitrabe ireo valinteny hitan’izy ireo. Mba hifanakalozana hevitra mikasika ireo fitsipika sy fitahiana mifandraika amin’ny fiainana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia avereno jerena ny “Fahadiovam-pitondrantena” (Ry tanora mahereza,) na ampisehoy ny iray amin’ireo horonan-tsary voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Inona ireo fitahiana avy amin’ny fananana fiainana madio ara-pitondrantena?

Jakôba 4:4–11

Nino an’i Jesoa Kristy ny Nefita.

  • Tian’i Jakôba ho fantatsika fa na dia niaina an-jato taonany maro talohan’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto ambonin’ny tany aza izy sy ny vahoakany, dia nahafantatra Azy izy ireo ary nitodika tany Aminy ho famonjena. Araka ny voalazan’ny Jakôba 4:4-5, nahoana no nitandrina ny lalàn’i Mosesy ny Nefita? Inona no ananantsika amin’izao androntsika izao ka manondro ny fanahintsika amin’ny Mpamonjy? Inona ireo tandindona na fanoharana nampiasan’i Jakôba mba hampianarana momba an’i Jesoa Kristy? (Jereo koa ny Genesisy 22:1–13).

Jakôba 4:8–18

Afaka misoroka ny fahajambana ara-panahy aho amin’ny alalan’ny fifantohana amin’ny Mpamonjy.

  • Moa ve misy olona ao amin’ny kilasinao nanao fizahana maso vao haingana? Raha misy izany, dia angataho io olona io mba hamariparitra ny fomba nijeren’ilay dokotera ny fahitany. Afaka mizara izay eritreretiny ho dikan’ny hoe jamba ara-panahy ireo olona ao amin’ny kilasy. Ahoana no mampitovy ny fahajambana ara-panahy sy ny fahajambana ara-batana? Asao ny olona ao amin’ny kilasy hanolotra hevitra ny amin’ireo fomba ahafahantsika mijery raha toa ka jamba ara-panahy isika. Afaka mamerina mijery ny Jakôba 4:8–18 ihany koa izy ireo ary manolotra ireo zavatra sasany azontsika atao mba hampitomboana ny fahafahantsika “mahita” ireo zavatra ara-panahy.

  • Ny Loholona Quentin L. Cook dia namintina fomba efatra izay mety hibanjinan’ny olona “any ivelan’ny tanjona” amin’izao androntsika izao (jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Manampy inona izay mampitombo ny fahatakarantsika ny Jakôba 4:13–15 ny teniny? Inona no dikan’ny hoe mibanjina any ivelan’ny tanjona? Ahoana no ahafahantsika misoroka ny fibanjinana any ivelan’ny tanjona?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanentanana ny olona ao amin’ny kilasy hamaky ny Jakôba 5–7, dia lazao amin’izy ireo fa hahita ny valin’ilay fanontaniana ao amin’ny Jakôba 4:17 izy ireo rehefa mamaky ombam-bavaka ireo toko telo manaraka.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny fihetsitsika manoloana ny harena ara-nofo

Raha niresaka momba ny Jakôba 2:13–19 ny Loholona L. Tom Perry dia nampianatra hoe: “Tokony horaisintsika ao am-po ny torohevitr’i Jakôba. Tokony hamaky ny soratra masina isika toy ireny hoe nosoratana manokana ho antsika amin’izao andro farany izao mihitsy izany, satria nosoratana ho antsika izany. Tokony hahatonga antsika hametra-panontaniana avy ao amin’ny aty fanahy ireo teniny. Mametraka izay manan-danja ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika ve isika? Moa ve isika, ambonin’ny zava-drehetra, manao ireo zavatra izay manana toetra mandrakizay? Moa ve isika manana fijery mibanjina ny mandrakizay? Sa ve isika tafalatsaka tao amin’ny fandriky ny fanaovana ireo zavatra izay an’ity izao tontolo izao ity aloha ka manadino ny Tompo?” (“United in Building the Kingdom of God,” Ensign, May 1987, 34).

Horonan-tsary momba ny fahadiovam-pitondrantena (ChurchofJesusChrist.org)

  • “Je choisis d’être pur”

  • “La chasteté: quelles sont les limites?”

Mibanjina any ivelan’ny tanjona

Ny Loholona Quentin L. Cook dia nampianatra ny fomba mety hibanjinantsika “any ivelan’ny tanjona”:

“Manolo ny firehan-kevitry ny olona amin’ny fahamarinan’ny filazantsara”

“Ny olona sasany dia toa menatra amin’ny fahatsoran’ny hafatry ny Mpamonjy. Te hanampy fahasarotana, eny fahamaizinana amin’ny fahamarinana izy ireo mba hahatonga izany ho sarotra takarin’ny saina na hifanaraka bebe kokoa amin’ny lamaody ara-pianarana misy ankehitriny. … Mibanjina any ivelan’ny tanjona isika rehefa tsy manaiky ireo fahamarinana tsotran’ny filazantsara araka ny maha-izy azy ireo.”

“Fankafizana diso toerana ny filazantsara”

“Mibanjina any ivelan’ny tanjona isika rehefa mampitombo fitsipika iray na inona na inona izany, na manan-danja toy ny ahoana aza izany, mba ho lohalaharana ka nampihena ny fanoloran-tenantsika amin’ireo fitsipika hafa mitovy lanja aminy, na rehefa maka toerana mifanohitra amin’ireo fampianaran’ireo Rahalahy isika.”

“Fihetsika maneho herim-po ho solon’ny fanoloran-tena isan’andro”

“Ny mpikambana sasany dia milaza fa hanolo-tena amim-pientanentanana raha toa ka omena karazana antso lehibe, kanefa tsy mahita ny fampianarana isan-tokantrano na famangiana isan-tokantrano [izay antsoina hoe fanompoana ankehitriny] ho mendrika na ampy hanaovana ezaky ny maherifo tsy tapaka tokony ataon’izy ireo.

“Manandratra ny fitsipika mifehy ho ambonin’ny fotopampianarana’

“Ireo izay manolo-tena hanaraka ireo fitsipika mifehy ka tsy mijery ny fotopampianarana sy fitsipika dia mety hibanjina ivelan’ny tanjona” (“Looking beyond the Mark,” Ensign na Liahona, mar. 2003, 42–44).