Avia, hanaraka Ahy
02–08 martsa. 2 Nefia 31–33: “Izany no lalana”


“02–08 martsa. 2 Nefia 31–33: -Izany no lalana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“02–08 martsa. 2 Nefia 31–33,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
I Jesoa mampianatra ny mpianany

I Kristy mampianatra ny mpianany, nataon’i Justin Kunz

2–8 martsa

2 Nefia 31–33

“Izany no lalana”

Rehefa mandalina ny 2 Nefia 31–33 ianao dia ataovy an-tsaina ireo olona ao amin’ny kilasinao ary eritrereto ny zavatra mety efa niainan’izy ireo momba ireo fahamarinana nampianarin’i Nefia. Ahoana no hanasanao azy ireo hifampianatra ny zavatra nianarany sy tsapany momba ireo fotopampianarana ireo?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Misy olona ve ao amin’ny kilasinao niaina zavatra manan-danja tamin’ity herinandro ity tamin’ireo sosokevitra momba ny fandalinana ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana? Omeo fahafahana hizara ny zavatra niainany ireo olona ao amin’ny kilasy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

2 Nefia 31–32

I Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany no hany lalana makany amin’ny fiainana mandrakizay.

  • Mety ho tsara ho an’ny kilasinao angamba ny mahita ny fomba mampifandray ny finoana, ny fibebahana, ny batisa, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany sy ny ifandraisan’ireo amin’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy. Mba hanaovana izany dia afaka manao sarina lalana eny amin’ny solaitrabe ianao ary hanasa ireo olona ao amin’ny kilasy mba hanoratra eo amin’ilay lalana ireo fitsipika sasany hita ao amin’ny 2 Nefia 31. Afaka maka iray amin’ireo fitsipika ireo ny olona tsirairay ao amin’ny kilasy ary hikaroka ao amin’ny 2 Nefia 31–32 ny zavatra ampianarin’i Nefia momba izany. Dia afaka mifampizara ny zavatra hitany izy ireo ary hifanakalo hevitra ny fomba hanampian’izany azy ireo hahatakatra tsara kokoa ireo fitsipika ireo. Amin’ny fomba ahoana ny fiainana ireo fitsipika ireo no mitondra ireo fitahian’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika?

  • Ahoana no mety hanombohanao fifanakalozan-kevitra momba ny fanoritsoritan’i Nefia madio sy tsotra ny “lalana” mankany amin’ny famonjena? (2 Nefia 31:21). Angamba azonao anontaniana ireo olona ao amin’ny kilasy hoe inona no holazain’izy ireo raha toa ka nanana 60 segaondra monja izy ireo hanazavana ny zavatra tsy maintsy ataon’ny olona iray mba hahazoana ny famonjena. Dia afaka mikaroka ao amin’ny 2 Nefia 31–32 avy eo ireo olona ao amin’ny kilasy hitadiavana filazana izay mety hanampy. Inona no ianarantsika avy amin’ireo toko ireo momba ny anjara asa fototry ny Mpamonjy ao amin’ny famonjena antsika? Ireo filazana ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mety hanampy amin’io fifanakalozan-kevitra io.

  • Indraindray isika dia mahita ireo fitsipiky ny filazantsara ho mitokana sy misaraka, kanefa raha ny tena marina dia mifandray izy ireo. Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hahita ny fifandraisan’ireo fitsipika ao amin’ny 2 Nefia 31 dia asao ireo olona ao amin’ny kilasy mba hamaky manokana na ao anatina vondrona kely ny andininy 4–21 ary hanao kisary izay maneho ny fomba ifandraisan’ny finoana an’i Kristy sy ny fibebahana sy ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina sy ny faharetana hatramin’ny farany. Amporisiho izy ireo ho tia mamorona. Eo am-pizaran’izy ireo ny kisariny amin’ny iray kilasy dia angataho izy ireo mba hizara ny zavatra nianarany momba ireo fitsipika ireo. Ahoana no ahafahantsika mampiditra azy ireo ao amin’ny fiainantsika?

2 Nefia 31:15–20

“Izay maharitra hatramin’ ny farany no hovonjena.”

  • Fantatr’ireo olona ao amin’ny kilasy ve ny dikan’ny hoe maharitra hatramin’ny farany? Ity misy asa atao izay afaka manampy. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Ahoana no ahafantarako fa maharitra hatramin’ny farany aho? Dia asao ireo olona ao amin’ny kilasy mba hikaroka ao amin’ny 2 Nefia 31:15–20 hahitana ny mety ho valin’io fanontaniana io. Asaivo soratan’ireo olona ao amin’ny kilasy eny amin’ny solaitrabe izay teny na andian-teny manampy hitan’izy ireo. Nahoana ny faharetana hatramin’ny farany no ampahany iray manan-danja amin’ny fotopampianaran’i Kristy? Azonao zaraina ihany koa ny teny nolazain’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” na ilay teny nambara momba ny faharetana hatramin’ny farany ao amin’ny pejy 7 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako.

  • Mahafantatra olona izay ohatra amin’ny faharetana hatramin’ny farany ve ireo olona ao amin’ny kilasy? Inona no nanampy io olona io “hibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy”? (andininy 20). Mizarà tantaran’ireo olona hafa voalaza ao amin’ny soratra masina izay naharitra hatramin’ny farany.

2 Nefia 32:1–6

Haneho antsika izay tokony hataontsika ny Fanahy Masina.

  • Ao amin’ny 2 Nefia 32 i Nefia dia niresaka ahiahy izay hitany fa nananan’ny vahoakany momba ny fampiharana ny fotopampianaran’i Kristy. Azonao asaina ireo olona ao amin’ny kilasy mba hijery io ahiahy io ao amin’ny 2 Nefia 32:1 ary avy eo dia hamaky ny valintenin’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 32:2–6. Ahoana no hilazan’ny mpianatra amin’ny tenin’izy ireo manokana ny zavatra nampianarin’i Nefia? Inona no traikefa nananan’ireo olona ao amin’ny kilasy rehefa naneho azy ireo ny zavatra tokony nataony ny Fanahy Masina na ny tenin’i Kristy?

2 Nefia 33

Mandresy lahatra antsika hino an’i Kristy ny Bokin’i Môrmôna.

  • Nanantena i Nefia fa handresy lahatra antsika “hanao ny tsara [sy] hino [an’i Kristy]” ny teniny (2 Nefia 33:4). Andalan-tsoratra masina sy tantara inona avy ao amin’ny 1 sy 2 Nefia no nandresy lahatra antsika hanao ny tsara sy hino an’i Kristy? Mitadiava fihirana izay azon’ny kilasinao hiraina na henoina izay manamafy ireo hafatra ireo, toy ny “Oui, je crois en ChristCantiques, no. 71).

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Fomba iray hamporisihana ny olona ao amin’ny kilasy hamaky ny Jakôba 1–4 amin’ny herinandro ambony ny manazava fa ao amin’ireo toko ireo izy ireo dia hahita an’i Jakôba mampitandrina ny amin’ny fahotana izay miparitaka manokana amin’izao androntsika izao.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny fotopampianaran’i Kristy.

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Ny -fotopampianaran’i Kristy- araka ny nampianarin’i Nefia tao anatin’ilay toriteny famintinana lehibe nataony dia mifantoka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, ny fibebahana, ny batisa asitrika, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ny faharetana hatramin’ny farany. Ao anatin’ity fanambarana ity dia tsy misy akory ny fikasana hivalampatra amin’ny drafitry ny famonjena iray manontolo, ny soatoavina rehetra ao anatin’ny fiainana Kristianina, na ireo valisoa izay miandry antsika ao anatin’ny ambaratongam-boninahitra samihafa any an-danitra. Ao anatin’ity fanambarana ity dia tsy misy akory ny firesahana mikasika ireo anjara fanompoan’ny fisoronana, ireo ôrdônansin’ny tempoly na ireo fotopampianarana marina maro hafa. Zava-dehibe daholo izy ireo saingy araka ny nampiasaina ao amin’ny Bokin’i Mormôna, dia tsotra sy mivantana -ny fotopampianaran’i Kristy.- Tsy mifantoka afa-tsy amin’ireo fitsipika voalohan’ny filazantsara ihany izany izay ahitana ny fanehoana famporisihana mba haharitra sy handroso hatrany. Mazava ho azy fa ao anatin’ny fahazavan’ny -fotopampianaran’i Kristy- sy ny fahatsorany no ahitana ny fiantraikany” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 49–50).

Hoy ny Loholona D. Todd Christofferson: “Miantso ny rehetra … aho mba hikatsaka amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana soratra masina [ny] fijoroana ho vavolombelona momba ilay toetra maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy izany sy momba ny Sorompanavotana ary ny Fitsanganany amin’ny maty. Ekeo ny fotopampianarany amin’ny alalan’ny fibebahana, ny fanaovana batisa ary ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina ary amin’ny alalan’ny fanajana ireo lalàna sy fanekempihavanan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mandritra ny fiainanareo” (“Ny fotopampianaran’ i Kristy,” Liahona, mey 2012, 89).

Faharetana hatramin’ny farany.

Nanazava ny Loholona Dieter F. Uchtdorf hoe:

“Fony aho mbola zazalahy ny hoe –maharitra hatramin’ny farany– dia nidika tamiko hoe nila niezaka mafy aho mba tsy hatory mandrapahatapitra ireo fivoriam-piangonanantsika. Taty aoriana rehefa zatovolahy aho … noho ny fitseran’ny tanora tato amiko dia nampifandraisiko tamin’ny ezaka ataon’ireo mpikambana zokinjokiny malalantsika mba hiaritra tsara eo mandrapahatapitry ny fiainany izany. …

“… Ny faharetana hatramin’ny farany dia tsy resaka famelana ny zava-tsarotra amin’ny fiainana handalo fotsiny na resaka -fiaretana tsara eo- fotsiny. Fivavahana manao zavatra ny antsika, manampy ireo zanak’ Andriamanitra eo amin’ilay lalana ety sy tery mba hampivelatra ny zavatra ny mety ho vitan’izy ireo mandritra ity fiainana ity ka hiverina any Aminy indray andro any. Raha jerena amin’io fomba fijery io ny faharetana hatramin’ny farany dia mampisandratra sy be voninahitra, fa tsy hoe mahakivy sy mahaketraka. Ity dia fivavahana feno hafaliana, manome fanantenana, hery ary fanafahana. …

“Ny faharetana hatramin’ny farany dia –maharitra manao soa mandrakariva– (Romana 2:7), miezaka mitandrina ny didy (jereo ny 2 Nefia 31:10), ary manao ny tenin’ny fahamarinana (jereo ny FF 59:23)” (“Have We Not Reason to Rejoice?Ensign or Liahona, Nov. 2007, 20).

Manatsara ny fampianarantsika

Miara-mianatra isika. Amin’ny maha-mpampianatra anao dia manao zavatra mihoatra ny hoe manome fampahalalana fotsiny ianao, miara-mianatra amin’ny kilasinao ianao. Zarao amin’izy ireo ny zavatra ataonao mba hianarana avy amin’ny soratra masina.