Avia, hanaraka Ahy
16–22 martsa. Jakôba 5–7: “Miara-miasa amintsika ny Tompo”


“16–22 martsa. Jakôba 5–7: -Miara-miasa amintsika ny Tompo-”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna (2020)

“16–22 martsa. Jakôba 5-7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
lehilahy miasa ao amin’ny alakelina hazo oliva

Fanoharana mikasika ny hazo oliva, nataon’i Brad Teare

16–22 martsa

Jakôba 5–7

Miara-miasa amintsika ny Tompo

Atombohy amin’ny famakiana ny Jakôba 5-7 ny fiomananao mba hampianatra. Inona no nianaranao ka tena ho tombontsoa ho an’ireo izay ampianarinao? Ity rindran-damina ity dia afaka manome hevitra fanampiny ho anao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Inona no hitan’ireo olona ao amin’ny kilasy tao amin’ny Jakôba 5–7 izay nitaona azy ireo “hiasa ao amin’ny tanimboaloboka” izay honenan’izy ireo? (Jakôba 5:15).

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Jakôba 5

Manasa ireo mpanompony mba hiaraka hiasa Aminy ao amin’ny tanimboalobony ny Tompo.

  • Satria lava sy somary sarotra ny fanoharana mikasika ilay hazo oliva, dia azonao atao ny miara-miasa mba hamoronana topimaso fohy momba ilay fanoharana. Ohatra, azonao atao sary eny amin’ny solaitrabe ireo singa fototra ao amin’ilay fanoharana na mamorona kisary maneho ny filaharan’ny zava-nitranga (ohatra amin’izany, jereo ny kisary any amin’ny fiafaran’ity rindran-damina ity). Ireo olona ao amin’ny kilasy dia afaka manampy andalan-tsoratra masina na famaritana an’ilay sary ary mifanakalo hevitra ny amin’izay mety ho hevitr’ireo famantarana, toy ireo hazo oliva voakolokolo sy malazo, ny Tompon’ny tanimboly, ny mpanompo, ary ny voa tsara sy ratsy. Manditra io fifanakalozan-kevitra io dia avereno jerena ny andininy 61–75, izay mamaritra ny asan’ny Tompo amin’izao androntsika izao. Amin’ny fomba ahoana no hanompoantsika ny Tompon’ny tanimboly? Ahoana no ifandraisan’ireo amin’ny asa izay ataontsika?

  • Ireo teny hoe “Tompon’ny tanimboly” dia afaka manolotra fankaherezana ho an’ny ray aman-dreny ny amin’ireo zanaka maditra. Ohatra, inona no soso-kevitra omen’ny Jakôba 5:41, 46–47 momba izay tsapan’ny Raintsika any An-danitra mikasika ireo zanany izay very? Amin’ny fomba ahoana no hiezahany manavotra azy ireo? (jereo ny andininy 61–75).

  • NyJakôba 5:61–75 dia mampianatra fa ny Tompo dia miasa miaraka amin’ireo mpanompony ao amin’ny tanimboly. Afaka mamaky ireo andininy ireo ao anatin’ny vondrona kely ny olona ao amin’ny kilasy ka hifanakalo hevitra momba ireo traikefa izay nampiseho azy ireo fa ny Tompo dia miasa miaraka amin’ny mpanompony mba hampandrosoana ny asany. Inona ireo hevi-baovao fanampiny izay azon’ny olona ao amin’ny kilasy ampiana avy ao amin’ny hafatry ny Filoha Henry B. Eyring: “Mitarika ny Fiangonany ny Tompo”? (Liahona, nôv. 2017, 81–84).

    Sary
    mpivady zokiolona eo anoloan’ny solosaina miaraka amin’ny hafa

    Afaka miasa miaraka amin’ny “Tompon’ny tanimboly” isika eto ambonin’ny tany.

Jakôba 6:3–13

Mahatsiaro ny vahoakany amim-pitiavana sy famindram-po ny Tompo.

  • Ny Avia, Hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia manasa antsika mba hamaky ny Jakôba 6:3–5 hahitana ireo hafatra tian’i Jakôba antitranterina sy hahitana ireo hafatra ao amin’ilay fanoharana momba ny hazo oliva avy eo (jereo ny Jakôba 5). Ny olona ao amin’ny kilasy dia mety hahazo tombontsoa avy amin’ny fihainoana ireo izay nanao an’io atrikasa io na amin’ny fiarahan’ny iray kilasy manao an’io atrikasa io. Azon’izy ireo atao ny mitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinan’ny filazantsara hitan’izy ireo ao amin’ny Jakôba 6. Dia, azon’izy ireo atao ny mitanisa, eo ambanin’ny fahamarinana tsirairay, ireo andininy avy ao amin’ilay fanoharana ao amin’ny Jakôba 5 izay mampita izany hafatra izany. Tamin’ny fomba ahoana no nahitan’ny olona ao amin’ny kilasy ireo hafatra ireo niseho teo amin’ny fiainan’izy ireo manokana?

  • Heviny iray handikana ny teny hoe mifikitra ny mihazona mafy, akaiky ny zavatra iray, ka tsy voahozongozona. Azonao atao ny mizara io famaritana io amin’ny iray kilasy sy manontany ireo hevi-baovao omen’izany azy ireo momba ny Jakôba 6:5.

Jakôba 7:1–23

Afaka mijoro matanjaka isika rehefa mitsapa ny finoantsika ny hafa.

  • Ny ankamaroantsika dia efa niaina fanoherana ny finoantsika toy ny natrehan’i Jakôba rehefa nihaona tamin’i Serema izy. Fomba iray hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hiomana amin’ny fanoherana toy izany ny fangatahana azy ireo mba hamaky ny Jakôba 7:1–23 hitadiavana ireo fitsipika izay nanampy an’i Jakôba hijoro ho matanjaka. Inona koa ireo ohatra hafa momba ny fijoroana ho matanjaka ao amin’ny finoantsika ka azontsika zaraina—avy ao amin’ny soratra masina, ny tantaram-pianakaviantsika, na ny fiainantsika manokana? Mety misy hafatra avy amin’ireo mpitarika ny Fiangonana izay nanampy antsika rehefa nikatsaka ny hanozongozona antsika amin’ny finoantsika ny hafa (jereo, ohatra, ny Loholona Quentin L. Cook “Maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa” (Liahona, nôv. 2016, 40–43). Amporisiho ny olona ao amin’ny kilasy mba hizara ireo hafatra hitan’izy ireo fa manampy.

  • Rehefa nifanehatra tamin’i Serema i Jakôba dia nanantena ny hanozongozona ny finoan’i Jakôba i Serema, kanefa tsy azo nohozongozonina ny finoan’i Jakôba (jereo ny Jakôba 7:5). Mety ho tian’ny olona ao amin’ny kilasy ny milalao an-tsehatra ny fifanakalozan-kevitra teo amin’i Jakôba sy i Serema, amin’ny alalan’ny fampiasana ny Jakôba 7:1–23 ho lahatsoratra ampiasaina. Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny tetik’ady sy fampianaran’ireo izay manohitra ny asan’ Andriamanitra? Inona no ianarantsika avy amin’i Jakôba momba ny fomba hahatongavana ho tsy voahozogozona kokoa amin’ny finoantsika>

Jakôba 7:24–25

Afaka matoky an’ Andriamanitra isika.

  • Niaina tao amin’ny tahotra tsy tapaka ny hotafihin’ny Lamanita ny Nefita. Na dia tsy miatrika tahotra ny hisian’ny ady ara-batana isan’andro aza isika, dia inona avy ireo loza ara-panahy atrehantsika? Inona no ianarantsika avy amin’ny nasetrin’ny Nefita ny toe-javatra niainan’izy ireo, izay voafariparitra ao amin’ny Jakôba 7:24–25? Azonareo atao ny mihira na mamaky ny tononkiran’ireo hira izay mampiasa ny ady ho sarin-teny, toy ny “La luttte suprême” na “Behold! A Royal Army” (Cantiques, no. 157, sy Hymns no. 251) ary hifanakalo hevitra momba izany avy eo.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ny olona ao amin’ny kilasy hamaky ny bokin’i Enôsa dia lazao amin’izy ireo fa izany dia afaka mampianatra azy ireo ny fomba hanovana ny vavaka ataon’izy ireo ho misy heviny kokoa.

Manatsara ny fampianarantsika

Ataovy mifototra amin’ny fotopampianarana ny fampianaranao. Ataovy izay hifantohan’ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny olona ao amin’ny kilasinao amin’ny fotopampianarana fototra ao amin’ny soratra masina. Azonao atao izany amin’ny alalan’ny fangatahana ny olona ao amin’ny kilasy mba hamaky soratra masina ary hizara ireo fahamarinana hitan’izy ireo avy eo, torak’izany koa ireo traikefan’izy ireo tamin’ny fiainana ireo fahamarinana ireo. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 20–21.)