Avia, hanaraka Ahy
24 febroary–1 martsa. 2 Nefia 26–30: “Asa mahatalanjona sy mahagaga iray”


“24 febroary–1 martsa. 2 Nefia 26–30: -Asa mahatalanjona sy mahagaga iray,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“24 febroary–1 martsa. 2 Nefia 26–30” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
I Jesoa nanampy vehivavy iray

Hitantana anao Izy nataon’i Sandra Rast

24 febroary–1 martsa

2 Nefia 26–30

“Asa mahatalanjona sy mahagaga iray”

Tsarovy fa ny tokantrano no tokony ho ivontoerana hianarana ny filazantsara. Ny fandalinanao manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana ny 2 Nefia 26–30 no tokony ho fototry ny fiomananao hampianatra. Manaova drafitra ny amin’ireo fomba hiorenana eo amin’ny fandalinan’ireo olona ao amin’ny kilasy manokana sy miaraka amin’ny fianakaviany sy hanamafisana ary hamporisihana ny fanaovana izany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Eo am-piandohan’ny lesona dia omeo fahafahana ny olona ao amin’ny kilasy hizara zavatra avy amin’ny 2 Nefia 26–30 izay hitan’izy ireo ho manan-danja rehefa nandalina tany an-trano izy ireo. Ohatra, azonao angatahana izy ireo mba hizara andininy fohy iray izay nanampy azy ireo hahatakatra izao androntsika izao sy ny fanamby atrehantsika.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

2 Nefia 26:24–28, 33

Ny zavatra rehetra ataon’ny Tompo dia entanin’ny fitiavany antsika.

  • Raha entanim-panahy hifanakalo hevitra momba ny fampianaran’i Nefia momba ny fitiavan’ny Tompo ianao dia azonao andramana izao: Rehefa avy niaraka namaky ny 2 Nefia 26:24 ny olona ao amin’ny kilasy dia asao izy ireo hitanisa ireo zavatra izay nataon’i Jesoa Kristy tamin’izy ireo noho ny fitiavana. Ahoana no “hisarihany ny olona rehetra hanatona Azy”? Voataona hanao inona isika ho setrin’ny fanehoany fitiavana?

  • Ny fanasan’ny Tompo ao amin’ny 2 Nefia 26:24–28, 33 dia porofo mahery vaikan’ny fitiavany. Fomba iray azonao hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy mba hahita ireo fanasana ireo ny mangataka azy ireo hanambatra ny hafatry ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo ho fehezan-teny famintinana iray. Mety hazoto hizara ny famintinany angamba ny olona vitsivitsy ao amin’ny kilasy. Ahoana no mety ho fiantraikan’ireo andininy ireo amin’ny fomba fanasantsika ny hafa hanatona an’i Kritsy? Amporisiho ny kilasy mba hirakitra ny eritreriny sy ny fahatsapany. Mba hanasana ny Fanahy dia mandefasa rakipeon’ny fihirana momba ny fitiavan’ny Mpamonjy, toy ny “Venez à Jésus! Il vous appelle” (Cantiques, no. 62), eo am-pisaintsainan’ny olona ao amin’ny kilasy izany.

2 Nefia 27; 29; 30:3–8

Manan-danja amin’ny asan’ Andriamanitra amin’ny andro farany ny Bokin’i Môrmôna.

  • Mety mila fanampiana kely ny olona ao amin’ny kilasinao amin’ny fahatakarana ny faminaniana ao amin’ny 2 Nefia 27 momba ny boky iray voafehin’ ny tombo-kase sy ny olo-mahay iray. Mety hanampy ilay tantara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Mety ho an’ny kilasinao ve raha toa ka milalao an-tsehatra ireo tranga voafaritra ao amin’io tantara io sy ao amin’ny 2 Nefia 27:15–22 ny olona ao amin’ny kilasy? Inona no mety antony nanehoana tamin’i Nefia ireo tranga ireo taona marobe mialoha? Inona no ampianarin’ny faminanian’i Nefia antsika momba ny maha-zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna? Amporisiho ireo olona ao amin’ny kilasy mba hifampizara ny fomba nahazoany fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna.

  • Misy olona ao amin’ny kilasinao ve manana traikefa izay nanasany olona hamaky ny Bokin’i Môrmôna ka azony zaraina? Inona avy ireo antony sasany mety hahatonga ny olona iray tsy hanaiky ny fanasana hamaky ny Bokin’i Môrmôna? Ny valitenin’ny Tompo ho an’ny iray amin’ireo antony ireo dia hita ao amin’ny 2 Nefia 29:6–11. Azonao asaina ireo olona ao amin’ny kilasy mba hamaky ireo andininy ireo ka hilalao an-tsehatra ny fomba azon’izy ireo hamaliana am-pitiavana ny olona iray izay milaza fa tsy ilaina ny Bokin’i Môrmôna. Inona no hevitra hafa ananan’ireo olona ao amin’ny kilasy momba ny fomba ahafahan’izy ireo manampy ny hafa “[hahafantatra fa ny Bokin’i Môrmôna dia] fitahiana iray avy eo am-pelatanan’ Andriamanitra ho azy”? (2 Nefia 30:6).

2 Nefia  28

Mikatsaka ny hamitaka i Satana.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mampitady ireo laingan’i Satana voafaritra ao amin’ny 2 Nefia 28. Afaka mizara ny zavatra hitan’izy ireo ny olona ao amin’ny kilasy, na afaka mamaky haingaina ao an-dakilasy ny 2 Nefia 28 izy ireo dia mitanisa ireo laingan’i Satana izay hitany. Mety hanampy ihany koa ny mamela azy ireo hiara-hiasa ao anaty vondrona kely mba hitady soratra masina izay manohitra ireo famitahana ireo (raha mila fanampiana izy ireo dia azonao zaraina ireo tolo-kevitra ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Dia afaka mifampizara ny zavatra hitany avy eo ireo vondrona ary hifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahany mahita ny “fotopampianarana diso sy tsy ilaina ary tsy misy heviny” izay an’ny fahavalo (2 Nefia 28:9).

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mety hoentanim-panahy hamaky ny 2 Nefia 31–33 ny olona ao amin’ny kilasy raha fantan’izy ireo fa ireo toko ireo dia misy ny tenin’i Nefia voarakitra farany, izay ahitana ny iray amin’ireo fanoritsoritana tsotra nefa mazava indrindra momba ny fotopampianaran’i Kristy.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

“Hiteny amin’ izany ilay olo-mahay hoe: Tsy afaka mamaky azy aho” (2 Nephi 27:18).

Tamin’ny febroary 1828 i Martin Harris, naman’i Joseph Smith, dia “niantsinanana nankany New York niaraka tamin’ny tahadikan’ny sasan’ny tamin’ireo tarehin-tsoratra teo amin’ny takelaka [volamena] mba hampiseho izany tamin’ireo manampahaizana. Mety nila toky bebe kokoa angamba izy hoe tena izy ireo takelaka, na mety nieritreritra izy fa hanampy azy ireo hindrana vola hamoahana ny fandikana ny fijoroana ho vavolombelona fanampiny. Na izany na tsy izany dia nanizingizina izy fa ny Tompo no nahatonga azy hanao ilay dia.

Tamin’izany fotoana izany dia tsy nahalala firy momba ny fiteny teo amin’ireo takelaka na i Joseph na i Martin. Ny hany fantatr’izy ireo dia ilay nolazain’ny anjely Môrônia tamin’i Joseph: fa izany dia tantara Amerikana fahiny. Noho izany dia tsy nitady manampahaizana momba ny Egyptiana i Martin (nianatra i Joseph taty aoriana fa ny fiteny teo amin’ireo takelaka dia nantsoina hoe –Egyptiana nohavaozina–), fa nitsidika manampahaizana maro izay liana tamin’ny zavatra tranainy izy, indrindra fa ny Amerika fahiny.

“… [Anisan’ireo manampahaizana notsidihan’i Martin] i Charles Anthon, mpampianatra fitsipiky ny teny sy fiteny tao amin’ny oniversiten’i Columbia. Efa nanangona tantara sy lahateny momba ireo Indiana Amerikana i Anthon mba havoaka ary efa te hijery ny antotan-taratasy nentin’i Martin taminy.

“Nilaza i Martin fa nambaran’i Anthon ho tena izy ireo tarehin-tsoratra mandrapahafantarany ny fomba nahazoan’i Joseph izany. Naniraka an’i Martin mba hitondra aminy ireo takelaka izy. Nandà i Martin ary namaly i Anthon, tamin’ny famerenana andininy iray ao amin’ny Isaia, hoe: –Tsy afaka mamaky boky voaisy tombo-kase aho.– Na dia nandà ny tantaran’i Martin momba ny fihaonan’izy ireo aza i Anthon taty aoriana, dia izao no fantatsika: Resy lahatra tanteraka i Martin rehefa avy nitsidika ireo manampahaizana tantsinana ireo fa i Joseph Smith dia nantsoin’ Andriamanitra ary ireo takelaka sy ireo tarehin-tsoratra dia tranainy. Izy sy i Joseph dia nandray ilay fitsidihana an’i Anthon ho fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia (izay voaresaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa) hoe –taratasy voaisy tombo-kase, izay atolotra olona mahavaky teny ka atao hoe: Masìna hianao, vakio ity; Fa hoy izy: Tsy azoko vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy– [Isaia 29:11; jereo koa ny 2 Nefia 27:15–18]” (“The Contributions of Martin Harris,” Revelations in Context [2016], 3–4, history.ChurchofJesusChrist.org).

Soratra masina izay manohitra ny fitak’i Satana.

Fotopampianarana diso

Fotopampianarana marina

“Tsy Andriamanitry ny fahagagana intsony Izy ankehitriny; efa nahatontosa ny asany Izy” (2 Nefia 28:6).

Môrônia 7:35–37

“Andriamanitra … [dia hanome rariny] ny fanaovana fahotana madinika” (2 Nefia 28:8).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:31

“Mandry fehizay ny rehetra ao Ziona” (2 Nefia 28:21).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana; 82:14

“Tsy devoly izany aho, satria tsy misy izany” (2 Nefia 28:22).

2 Nefia 2:17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:25–27

“Tsy mila intsony ny tenin’ Andriamanitra fa manana ny ampy izahay” (2 Nefia 28:29).

2 Nefia 28:30; Fanekem-pinoana 1:9

Manatsara ny fampianarantsika

Aza matahotra ny fahanginana. “Mitaky fotoana ny famaliana fanontaniana tsara. Mitaky fisaintsainana sy fikarohana ary fanentanam-panahy izany. Ny fotoana atokanao hiandrasana ireo valin’ny fanontaniana dia afaka ny ho fotoana masina hisaintsainana. Sorohy ny fakam-panahy hanapitra haingana izany fotoana izany amin’ny alalan’ny famaliana ny fanontaniana napetrakao ihany na amin’ny alalan’ny fiampitana any amin’ny zavatra hafa” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 31).