Avia, hanaraka Ahy
17–23 febroary. 2 Nefia 11–25: “Mifaly amin’i Kristy isika”


“17–23 febroary. 2 Nefia 11–25: -Mifaly ao amin’i Kristy isika-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna (2020)

“17–23 febroary. 2 Nefia 11–25,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
I Isaia manoratra eo amin’ny horonan-taratasy

17–23 febroary

2 Nefia 11–25

“Mifaly amin’i Kristy isika”

Ankoatra ny fampiharana ny 2 Nefia 11–25 amin’ny tenanao dia saintsaino ny fomba hanampianao ny olona ampianarinao mba hampihatra ireo toko ireo amin’ny tenan’izy ireo (jero ny 2 Nefia 11:8). Rehefa mibitsika eritreritra na hevitra aminao ny Fanahy dia soraty izany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mialoha ny hifanakalozana hevitra mikasika ny andalana manokana avy ao amin’ny 2 Nefia 11–25, dia mety hanampy ny mangataka ireo olona ao amin’ny kilasy mba haka sary an-tsaina hoe manana namana iray izay tsy mahita zava-manan-danja na manentana fanahy ao amin’ireo rakitsoratr’i Isaia izy ireo. Inona avy ireo andininy hozarain’izy ireo amin’io namana io?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

2 Nefia 11–24

Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy i Isaia.

  • Ho mora kokoa ny mahatakatra ireo faminanian’i Isaia rehefa fantatsika ny antony nanoratana azy ireo. Entina hanombohana fifanakalozan-kevitra iray momba ireo faminanian’i Isaia ao amin’ny 2 Nefia, dia azonao atao ny manasa ireo olona ao amin’ny kilasy mba hamaky ny toko 11 ka hitanisa maromaro amin’ireo tanjon’i Nefia tamin’ny nanoratany betsaka tokoa ireo tenin’i Isaia. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mizara ireo andalana hitany nandritra ny fandalinany manokana na fandalinan’ny mpianakavy ny 2 Nefia 12–24 ka tsapan’izy ireo fa mahatontosa ireo tanjona ireo. Tamin’ny fomba ahoana no nanampy ny olona ao amin’ny kilasy hahatakatra bebe kokoa ireo rakitsoratr’i Isaia ny fahatakarana ireo tanjon’i Nefia? Amporisiho izy ireo mba hieritreritra ao an-tsainy ireo tanjona ireo rehefa mifanakalo hevitra momba ireo rakitsoratr’i Isaia ao an-dakilasy.

  • Satria nampiasa sarin-teny maro i Isaia dia mety ho mora ny manadino ny tenivavolombelony mahery vaika momba an’i Jesoa Kristy. Indro misy atrikasa iray izay afaka manampy ny kilasinao mba hifantoka amin’io tenivavolombelona io. Azonao atao ny manomana taratasy maromaro miaraka amin’ny andalan-tsoratra masina avy ao amin’ny 2 Nefia 12–24 voasoratra eo aminy izay mampianatra momba ny Mpamonjy (ohatra, 2 Nefia 13:13; 14:4–6; 15:1–7; 16:1–7; 17:14; 18:14–15; 19:6–7; 21:1–5; 22:2). Afaka misafidy taratasy iray ny olona tsirairay ao amin’ny kilasy, handalina ireo andininy voasoratra eo amin’izany, ary hanoratra eo amin’ilay taratasy izay nianarany momba an’i Jesoa Kristy. Dia afaka mifanakalo ny taratasy amin’ny olona hafa ireo olona ao amin’ny kilasy avy eo ka hanampy eritreritra na hevi-baovao bebe kokoa izay nianaran’izy ireo momba ny Mpamonjy ao anatin’ireo andininy ireo ihany. Azonao atao avy eo ny manome fahafahana olona ao amin’ny kilasy mba hizara ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’Isaia sy avy amin’izy samy izy izay hahatonga ny fankasitrahany an’i Jesoa Kristy ho lalim-paka kokoa.

  • Ilay faminaniana ao amin’ny 2 Nefia 19:6 dia mitanisa fiantsoana an’i Jesoa Kristy marobe. Angataho ny olona iray mba hitanisa azy ireo eny amin’ny solaitrabe ary asao ny olona ao amin’ny kilasy mba hifanakalo hevitra momba ny maha-tena famaritana mifanaraka amin’ny Mpamonjy ny tsirairay amin’ireo fiantsoana ireo. Tamin’ny fomba ahoana no nanatanterahany ireo anjara asa ireo teo amin’ny fiainantsika? Mba hianarana bebe kokoa momba ireo fiantsoana ireo dia mety hanampy ny fijerena ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ny fanamarihana eny ambanin’ny pejy ho an’ny 2 Nefia 19:6.

2 Nefia 12:2–5; 21:10–1222

Hangonina sy hankamamy fiadanana ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ny andro farany.

  • Manan-danja manokana ho antsika ny ampahany sasany amin’ireo faminanian’i Isaia satria mamariparitra ireo endriky ny asan’ Andriamanitra amin’ny andro farany izany. Ohatra, azonao atao ny mamakafaka ny 2 Nefia 21:10–12, izay mamariparitra ny “faneva” (saina) izay hatsangana mba hanangonana ny vahoakan’ Andriamanitra. Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny Tompo nanangona ara-panahy ny vahoakany? Azon’ny olona sasany ao amin’ny kilasy atao ny miresaka momba izay mahatonga azy ireo te hiangona na ho iray amin’ny vahoakan’ Andriamanitra ao am-piangonana. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manamboatra ny fanevan’izy ireo manokana izay hitanisana na ahitana ny sasany amin’ireo fahamarinan’ny filazantsara izay tsapan’izy ireo fa “hotadiavin’”ny olona sy hanampy “hanangona” sy “hamory” (andininy 10 sy 12) ny zanak’ Andriamanitra amin’izao androntsika izao. Inona no fanampiana entintsika amin’ilay fanangonana?

  • Fomba iray hafa hifanakalozana hevitra momba io fotopampianarana io ny manoratra ireto lohahevitra manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe: Fanaparitahana an’i Isiraely, Fanangonana an’i Isiraely, ary Faminaniana momba an’i Kristy. Azonao atao ny manome toko avy ao amin’ny 2 Nefia 12–24 amina vondron’olona ao amin’ny kilasy sy manasa azy ireo hitady ireo andininy izay mampianatra momba ireo zavatra ireo ary hanoratra ireo andininy ireo eo ambanin’ny lohateny mifanaraka amin’izany eny amin’ny solaitrabe. Inona no hafatra entin’ireo andininy ireo ho antsika? (Mety hanampy ny filazana amin’ny olona ao amin’ny kilasy fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:1–6 dia afaka manampy azy ireo hahatakatra ny 2 Nefia 21:1–5, 10.)

  • Ireo hira toa ny “An-tendrombohitra” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 5) na ny “Christ est ma lumière” (Cantiques, no. 89), izay mifototra amin’ireo faminaniana ao amin’ny 2 Nefia 12:2–5 sy 2 Nephi 22 ny ampahany, dia afaka manamafy ireo hafatra sy fanahin’ny tenin’i Isaia.

2 Nefia 14:4–6

Ny tokatranontsika sy ireo “fivorian’”i Ziona dia afaka ny ho toeram-piarovana sy fialofana.

  • Ao amin’ny 2 Nefia 14:4–6, i Isaia dia naminany momba ny fiarovana sy fiadanana izay hankamamian’ireo olo-marina rehefa “voasasa” sy “voadio” ny fahotan’izy ireo ny Tompo. Na dia mamariparitra ny toetoetra izay hisy amin’ny Arivotaona aza ireo andininy ireo, dia afaka manampy ireo olona ao amin’ny kilasy izany rehefa mikatsaka fiarovana ara-panahy izy ireo eo anivon’ireo faharatsian’ny andro farany. Asao izy ireo mba hisaintsaina sy hifanakalo hevitra ny dikan’ny hoe “rahona sy setroka” sy “afo miledaleda” ao amin’ny “fitoerana” sy “fivorian’” izy ireo (andininy 5; jereo ihany koa ny Eksodosy 13:21–22). Inona avy ireo zavatra sasany azo ampitahaina amin’ny hainandro, sy tafiotra, ary ranonorana ao amin’ny andininy 6? Ahoana no hahafahantsika mahita fialofana? (Jereo koa ny F&F 115:6). Mety afaka manome soso-kevitra angamba ny olona ao amin’ny kilasy ny amin’ireo fomba hahazoana antoka fa ny tokantranontsika sy ireo fivoriam-piangonantsika dia toerana ahitana fiarovana ara-panahy.

2 Nefia 25:19–29

“Ny lala-mahitsy dia ny mino an’i Kristy.”

  • Ireo olona ao amin’ny kilasinao dia mety hanana faniriana mitovy amin’ny an’i Nefia “mba handresy lahatra ny zanatsika ary koa ny rahalahintsika mba hinoany an’ i Kristy.” Tamin’ny fomba ahoana no “niasa[n’i Nefia] araka ny zotom-po” mba hanatanterahana io tanjona io? (2 Nefia 25:23). Afaka mamaky ny 2 Nefia 25:19–29 ireo olona ao amin’ny kilasy mba hahitana ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany izay tian’i Nefia ho fantatry ny vahoakany. Avy eo dia afaka mizara izay efa nataony izy ireo mba hampianarana ireo fahamarinana ireo tamin’ny fianakaviany na ireo namany. Ohatra, tamin’ny fomba ahoana no nampianaran’izy ireo ilay fahamarinana fa “noho ny fahasoavany no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao”? (Ilay teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manolotra hevi-baovao momba io fahamarinana io. Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’izy ireo ny hafa “hifaly amin’i Kristy”?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mety hahaliana ny olona ao amin’ny kilasy ny mahafantatra fa ny 2 Nefia 26–30 dia afaka manampy azy ireo hamaly ireo olona izay miteny hoe: “Tsy mila ny Bokin’i Môrmôna izahay.”

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

“Fa zaza no teraka ho antsika.”

Mba hanampiana ny fifanakalozanareo hevitra momba ny 2 Nefia 19:6 dia jereo na henoy ny Amboaram-peon’ny Tabernakely ao Temple Square mihira ny “For unto Us a Child Is Born” (ChurchofJesusChrist.org).

“Noho ny fahasoavana no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.”

Raha naneho hevitra mikasika ny tenin’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 25:23 ny Filoha Dieter F. Uchtdorf dia nilaza hoe:

“Manontany tena aho indraindray sao diso ny fandraisantsika ny teny hoe -rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.- Tsy maintsy tokony ho takatsika fa ny hoe -rehefa- dia tsy mitovy amin’ny hoe -noho.-

“Tsy voavonjy isika -noho- ireo zavatra rehetra azontsika atao. Moa ve isika rehetra samy nahavita ny zavatra rehetra izay azontsika natao? Moa ve Andriamanitra miandry antsika hahavita ny ezaka rehetra alohan’ny hidirany an-tsehatra eo amin’ny fiainantsika miaraka amin’ny famindrampony mahavonjy? …

“Tena azoko antoka fa fantatr’i Nefia fa ny famindrampon’ny Mpamonjy no mamela antsika sy ahafahantsika mandresy ny fahotana [jereo ny 2 Nefia 4:19–35; Almà 34:31]. Izany no antony nahatonga an’i Nefia niasa mafy mba handresy lahatra ireo zanany sy rahalahiny -mba hinoany an’i Kristy sy hihavanany amin’ Andriamanitra” [2 Nefia 25:23].

“Rehefa dinihina tokoa dia, izany no azontsika atao! Ary izany no adidintsika eto amin’ny fiainana an-tany!” (“Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Liahona, mey 2015, 110.)

Manatsara ny fampianarantsika

Mametraha fanontaniana izay manasa ireo mpianatra hijoro ho vavolombelona. “Ny fametrahana fanontaniana izay mamporisika ny mpianatra mba hijoro ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika ampianarina dia afaka ny ho fomba mahery vaika iray hanasana ny Fanahy. … Ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo—sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny olona hafa ao amin’ny kilasy—dia hitombo rehefa mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana ny Fanahy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 32).