Avia, hanaraka Ahy
10–16 febroary. 2 Nefia 6–10: “Ô Endrey ny halehiben’ny drafitry ny Andriamanitsika!”


“10–16 febroary. 2 Nefia 6–10: -Ô Endrey ny halehiben’ny drafitry ny Andriamanitsika!-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna (2020)

“10–16 febroary. 2 Nefia 6–10:,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
I Jesoa nivavaka tao Getsemane

Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao, nataon’i Harry Anderson

10–16 febroary

2 Nefia 6–10

“Ô Endrey ny halehiben’ ny drafitry ny Andriamanitsika!”

Fomba tsara iray hanomanana ny tenanao mba hampianatra ny famakianao manokana ny 2 Nefia 6–10 aloha. Raketo an-tsoratra izay fahatsapana voarainao, dia ampiasao ity rindran-damina ity mba hahitana hevi-baovao fanampiny.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Nampianatra ny vahoakany i Jakôba fa ireo fampianaran’i Isaia dia “azonareo ampiharina amin’ny tenanareo” (2 Nefia 6:5). Azonao atomboka amin’ny fangatahana ireo olona ao amin’ny kilasy mba hizara izay fampianaran’i Jakôba ao amin’ny 2 Nefia 6–10 tsapan’izy ireo fa azo ampitahaina amin’ny fiainan’izy ireo ny fampianarana. Azon’izy ireo atao ny manazava ny antony ahitan’izy ireo ny maha-manan-danja ilay fampianarana.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

2 Nefia 6–8

Ny Tompo dia mamindra fo amin’ny vahoakany ary hanatanterka ireo fampanantenany.

  • Mba hanomezana sahan-kevitra amin’ireo hafatra ao amin’ny 2 Nefia 6–8, dia mety hanampy ny kilasinao ny mamorona kisary tsotra maneho ny filaharan’ny vanim-potoana ahitana ireo zava-nitranga voafariparitra ao amin’ny 2 Nefia 6:8–15. Inona no lazain’ireo zava-nitranga ireo mikasika ny Tompo sy ny fahatsapany ho an’ny olony? (jereo ihany koa ny 2 Nefia 7:1–3; 8:3). Azonao atao ny manazava fa amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra isika ankehitriny, ary angonina hivoaka izao tontolo izao mankao amin’ny fiarovana avy amin’ny filazantsara. Inona no hafatr’ireo toko ireo ho antsika amin’izao fotoana izao?

2 Nefia 9

Manafaka ny olona rehetra amin’ny fahafatesana ara-nofo sy ara-panahy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

  • Fomba iray hahalalim-paka ny fankasitrahantsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny mieritreritra izay mety hitranga amintsika raha toa ka tsy nisy ny Sorompanavotana. Afaka mieritreritra ireo fanontaniana ireo ny olona ao amin’ny kilasy rehefa mandalina ny 2 Nefia 9. Azonao atao ny manasa ireo olona ao amin’ny kilasy hanomboka amin’ny fandalinana ny andininy 4–9 ary avy eo hitanisa eny amin’ny solaitrabe izay hitranga raha toa ka tsy nisy ny Sorompanavotan’i Kristy. Araka ny voalazan’ny andininy 10–14, ahoana no nanavotan’ny Mpamonjy antsika tamin’izany lahatra izany? Ny hafatry ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manampy ny olona ao amin’ny kilasinao mba hahatakatra ny antony ilàna ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.   Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mizara izay eritreritra na fahatsapana izay taomin’ny hafatry ny Loholona Holland mikasika ny Mpamonjy.

  • Asaivo eritreretin’ny olona ao amin’ny kilasy ny fomba hanazavan’izy ireo ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy amin’ny olona iray izay tsy mahafantatra izany sy ny antony ilàna izany. Afaka manampy ny olona ao amin’ny kilasy amin’ny fifanakalozan-kevitra toy izany ireo fahamarinana hita ao amin’ny 2 Nefia 9. Azon’izy ireo atao ohatra ny mamaky ny andininy 4–12, ka hitady ny fomba handresen’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy. Araka ny ianarantsika avy amin’ireo soratra masina ireo dia nahoana no nantsoina hoe “sorompanavotana tsisy fetra” ny sorona nataon’ny Mpamonjy? (2 Nefia 9:7).

  • Variana tamin’ny drafitry ny fanavotan’ Andriamanitra i Jakôba ka voatarika izy hihiaka hoe “Ô Endrey ny halehibe” sy “Endrey ny fahalehibeazana” rehefa namariparitra ilay drafitra. Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hahatakatra bebe kokoa ireo fahatsapana momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanaavotany ireo dia asao izy ireo mba hamaky ny 2 Nefia 9 ka hijery ny fihikan’i Jakôba (ny ankamaroan’izany dia hita ao amin’ny andininy 8–20). Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika an’ Andriamanitra sy ny drafiny? Inona ireo traikefa izay nanampy antsika hahatsapa izay tsapan’i Jakôba momba ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny zanany? Azonareo atao ihany koa ny mihira mikasika ny halehiben’ Andriamanitra, toy ny “Seigneur mon Dieu” (Cantiques, no. 44), mba hanamafisana io fifanakalozan-kevitra io.

2 Nefia 9:27–54

Afaka manatona an’i Kristy isika sy mahazo ireo fitahiana mahagagan’ny Sorompanavotany.

  • Afaka manomboka fifanakalozan-kevitra momba ireo fampianaran’i Jakôba ao anatin’ireo andininy ireo ianao amin’ny alalan’ny fangatahana ny olona ao amin’ny kilasy mba haka sary an-tsaina ny fomba hanasan’izy ireo ny olona iray mba hibebaka sy hanatona an’i Kristy. Inona no nataon’i Jakôba ao amin’ny 2 Nefia 9:50–53? Inona ireo fitahiana nolazainy fa ho tonga eo amin’ny fiainantsika rehefa manaiky ireo fanasana ireo isika?

  • Ao amin’ny 2 Nefia 9, i Jakôba dia nampiasa fehezan-teny mahery vaika sy mifanohitra roa: “ny drafitra feno famindram-pon’ Ilay Mpahary lehibe,” sy “ny hafetsen’ ny tetikadin’ ilay ratsy” (2 Nefia 9:6, 28). Mba hanampiana ireo olona ao amin’ny kilasy hianatra avy amin’io fifampitahana io, dia azonao atao ny manao sarina lalana iray eo amin’ny solaitrabe ka hanome anarana izany hoe ny drafitry ny Ray any An-danitra. Asao ireo olona ao amin’ny kilasy mba hizaha ny 2 Nefia 9:27–52, ka hitady ny torohevitra nomen’i Jakôba mba hanampiana antsika hanaraka ny drafitry ny Ray any An-danitra. Asao izy ireo hanoratra ny zavatra hitan’izy ireo ankoatra ilay lalana. Inona no nampianarin’i Jakôba momba ny fomba hisarihan’i Satana antsika mba hanalavitra ny drafitry ny Ray any An-danitra? Inona no ianarantsika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny hoe hitondra antsika mankaiza ny fanarahana ny drafitry ny Ray any An-danitra ary hitondra antsika mankaiza ny fanarahana an’i Satana? (jereo ny 2 Nefia 9:9, 18). Inona araka ireo andininy ireo no azontsika atao mba hanarahana bebe kokoa ny drafitry ny Raintsika any An-danitra?

  • Nampitandrina antsika mikasika ireo fihetsika sy fitondrantena maro izay manakana antsika tsy hanaraka ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika i Jakôba ao amin’ny 2 Nefia 9:28–38. Asao ny olona ao amin’ny kilasy mba hitady izany. Inona amin’ireo fihetsika sy fitondrantena ireo no toa manjaka amin’izao fotoana izao? Inona no mahatonga azy ireo ho mampidi-doza? Inona no ianarantsika ao amin’ny 2 Nefia 9:50–53 mikasika ny fomba hisorohana ireo loza ireo?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Hanampiana ireo olona ao amin’ny kilasy hahatsapa fahatokisana momba ny famakiana ireo rakitsoratr’i Isaia izay voatanisa ao amin’ny 2 Nefia 11–24, dia azonao atao ny manazava fa Nampidirin’i Nefia ireo rakitsoratra ireo mba hampatanjahana ny finoan’ny vahoakany an’i Jesoa Kristy. Asao ireo olona ao amin’ny kilasy mba hijery ny famakiana manaraka ho fahafahana iray entina manorina ny finoan’izy ireo eo Aminy.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny filàntsika Mpamonjy iray

Ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nitantara ny tantaran’ny mpihanika haram-bato iray izay nihantona notandindomin-doza teo amin’ny moron’ny haram-bato avo dia avo iray, tsy nisy na inona na inona nihazona azy tsy ho latsaka ka ho faty. Raha iny nanomboka nibolisatra teo amin’ny morona feno fasika iny ny tanany dia tsapany ny tanan’ny zandriny lahy nisambotra ny atotanany ka nisintona azy mba ho voaro. Nampitahain’ny Loholona Holland amin’ny toetoetrantsika eto amin’ity izao tontolo izao feno fahalovana ity ny zavatra niainan’ilay mpihanika haram-bato.

“Tena nisy izany Adama sy i Eva izany izay lavo ka voaroaka tao amin’ny saha Edena izay tena nisy niaraka tamin’ireo vokatra izay nentin’ny fahalavoana tamin’izany. … Noho isika teraka ao anatin’izany tontolo lavo izany taorian’izay, ary noho isika handika ny lalàn’ Andriamanitra ihany koa dia voaheloka hahazo ireo sazy nihatra tamin’i Adama sy i Eva isika.

“Loza izany! Lavo tsy misy na inona na inona afaka manakana azy ny olombelona rehetra—ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra ao anatin’izany dia mikodiadia mankany amin’ny fahafatesan’ny vatana maharitra mandrakizay, ary mitsoraka mankany amin’ny fahoriana mandrakizay ara-panahy. Natao hizotra toy izany ve ny fiainana? Izay ve no vokatra farany andrasana avy amin’ny fiainan’ny olombelona? Mihantona fotsiny ao amin’ny lavaka be mangatsiaka iray ao amin’ny tontolo iray tsy miraharaha antsika ve isika rehetra, ary ny tsirairay avy amintsika dia mitady loharanom-panampiana kely, ny tsirairay avy amintsika dia mitady mafy zavatra iray hamikirana—kanefa tsy misy na inona na inona afa-tsy fahatsapana fasika misosa ao ambanin’ireo rantsan-tanantsika, tsy misy na inona na inona hamonjy antsika, tsy misy na inona na inona hitazonana, ary azo antoka fa tsy misy na inona na inona mitazona antsika? …

“Tsia mazava tsara sy mandrakizay no valin’ireo fanontaniana ireo! … [Ny] Sorompanavotana … dia handresy tanteraka ny fahafatesan’ny vatana, izay hanome tsy misy fepetra ny fitsanganana amin’ny maty ho an’ny olona rehetra izay efa teraka sy ho teraka eto amin’ity tontolo ity. Hanome famelan-keloka amin’ny alalan’ny famindram-pony ihany koa izany ho an’ireo fahotana nataon’ny tsirairay amin’ny olona rehetra manomboka amin’i Adama ka hatramin’ny fiafaran’izao tontolo izao, miankina amin’ny fibebahana sy ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra” ([Fahamarinana,] fitiavana, famindrampo, no tafaraka soa,”Liahona, mey 2015, 105–6).

Manatsara ny fampianarantsika

Zarao matetika ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Ny fijoroanao ho vavolombelona amin’ny fomba tsotra sy amin-kitsim-po mikasika ny fahamarinana, dia afaka ny hisy fiantraikany mahery vaika eo amin’ireo izay ampianarinao. Tsy ilaina ho be haingon-teny na atao lava be izany. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana momba ny Mpamonjy rehefa mifanakalo hevitra momba ny 2 Nefia 9 ianareo.