Avia, hanaraka Ahy
27 janoary–02 febroary. 1 Nefia 16–22: “Izaho no hanomana ny lalana eo anoloanareo”


“27 janoary–02 febroary. 1 Nefia 16–22: -Izaho no hanomana ny lalana eo anoloanareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“27 janoary–02 febroary. 1 Nefia 16–22,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
i Lehia nijery ny Liahônà

I Lehia sy ny Liahônà, nataon’i Joseph Brickey

27 janoary–02 febroary

1 Nefia 16–22

“Izaho no hanomana ny lalana eo anoloanareo”

Eo am-pamakianao ny 1 Nefia 16–22 dia eritrereto hoe amin’ny fomba ahoana ny ohatra nasehon’i Nefia tamin’ny fanatrehany ireo fanamby no mety hanampy ny olona ao amin’ny kilasinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Hitan’i Nefia ny lanjan’ny fampiharana ny soratra masina tamin’ny tenany sy ny olony (jereo ny 1 Nefia 19:23). Asao ireo olona ao amin’ny kilasy hizara ireo fitsipika izay nianarany avy tamin’ny tantaran’ny dian’i Nefia ho any amin’ny tany nampanantenana izay misy ifandraisany amin’ny fiainan’izy ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

1 Nefia 16:10–16, 23–31; 18:10–13, 20–22

Mampiasa ireo zava-madinika Andriamanitra mba hanatanterahana zava-dehibe.

  • Afaka mieritreritra zava-madinika izay afaka mitondra zava-dehibe ve ianao na ny olona iray ao amin’ny kilasinao? (jereo ny 1 Nefia 16:29). Azonao atao ny manasa ireo olona ao amin’ny kilasy mba hifanakalo hevitra ny zavatra ianaran’izy ireo momba io fitsipika io rehefa avy mamaky manokana na ao anatina vondrona ireto soratra masina ireto izy ireo: 1 Nefia 16:25–31; Almà 37:3–8; ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33; 123:12–17. Tamin’ny fomba ahoana Andriamanitra no nampiasa zava-madinika mba hanatanterahana zava-dehibe teo amin’ny fiainanantsika?

  • Mety hitondra tombontsoa ho an’ny olona ao amin’ny kilasinao ny mifanakalo hevitra momba ny fomba itarihan’ny Ray any An-danitra ny lalantsika. Mba hanombohana izany dia azonao atao ny mangataka ny olona ao amin’ny kilasy mba hifanakalo hevitra momba ireo fitsipika izay nampandeha ny Liahona (jereo ny 1 Nefia 16:10–16, 23–31; 18:10–13, 20–22; jereo ihany koa ny Almà 37:38–47). Ahoana no mety handraisana ireo fitsipika ireo ho “zava-madinika”? Azon’olona ao amin’ny kilasy tanisaina eny amin’ny solaitrabe ireo zavatra izay nomen’ Andriamanitra mba hitarihana antsika (jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” hijerena hevitra). Inona no zavatra azontsika atao mba handraisana ny fitarihan’ Andriamanitra?

Sary
Lehia mampiasa ny Liahona

Raha efa miomana ianareo dia tsy hatahotra, nataon’i Clark Kelley Price

1 Nefia 16:18–32; 17:7–16; 18:1–4

Rehefa mitandrina ny didy isika dia hanampy antsika hiatrika ireo fanamby Andriamanitra.

  • Mety miatrika zavatra atao na fanamby izay toa tsy ho vita ny ao amin’ny kilasinao. Ahoana no ahafahanao mampiasa ny zavatra niainan’i Nefia sy ireo zavatra atao toa tsy ho vita (manome sakafo ny fianakaviany tany an-tany foana sy fanamboarana sambo) mba hanampiana azy ireo? Azon’ireo olona ao amin’ny kilasy atao angamba ny mamaky ny 1 Nefia 16:18–32; 17:7–16; ary 18:1–4 mba hitadiavana fitsipika izay afaka manampy azy ireo rehefa miatrika fanamby sarotra izy ireo (ohatra, ny 1 Nefia 16:24–26 dia mampianatra fa ny vavaka sy ny fanetrentena dia mahatonga antsika handray fitaomam-panahy sy fitarihana avy amin’ Andriamanitra). Azonao atomboka amin’ny fanomezana ohatra azy ireo momba ny fitsipika iray izay hitanao tao amin’ireo andininy ireo izany. Rehefa mizara ny zavatra hitany izy ireo dia mety hizara zavatra niainana manokana ihany koa.

1 Nefia 16:18–32; 17:7–22

Mitarika amin’ny fanaovana zavatra ny finoana.

  • Ny zavatra niainan’i Lehia sy ny fianakaviany tany an-tany foana dia maneho ny herin’ny finoana sy ny vokatry ny tsy finoana. Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hahita ireo fahamarinana ireo dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana ireto: Tamin’ny fomba ahoana no nanaovan’i Nefia zavatra araka ny finoany? Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana azy vokatr’izany? Inona avy ny vokatry ny tsy finoan’i Lamana sy i Lemoela? Zarao ho vondrona maromaro ireo olona ao amin’ny kilasy mba hitady ny valin’ireo fanontaniana ireo ao amin’ny 1 Nefia 16:18–32 na 17:7–22 ary hizara ny zavatra hitany.

1 Nefia 19:22–24

Azontsika ampiharina amin’ny tenantsika ny soratra masina.

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hianatra ny fomba hampiharana ny soratra masina amin’ny tenan’izy ireo dia afaka mamaky ohatra momba ny nanaovan’i Nefia izany izy ireo. Ohatra, ao amin’ny 1 Nefia 4:1–3 sy ny 17:23–32, 41–45 dia fitsipika inona no nampianarin’i Nefia tamin’ny fampiharana ny soratra masina tamin’ny toe-javatra niainan’ny fianakaviany? Ny tantara nataon’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia maneho ny fomba hahafahan’ny fampiharana ny soratra masina amin’ny tenantsika mitahy antsika. Asao ireo olona ao amin’ny kilasy mba hamantatra ireo fanamby atrehan’izy ireo na ny fianakaviany ary hitady tantara ao amin’ny soratra masina izay mety hanome hevitra sy fanampiana azy ireo amin’izany toe-javatra izany. Araka ny ao amin’ny 1 Nefia 19:22–24, mitahy antsika amin’ny fomba ahoana ny fampiharana ny soratra masina amin’ny tenantsika?

  • Ny fifanakalozan-kevitra momba ny 1 Nefia 19:22–24 dia afaka ny ho fahafahana lehibe ho an’ireo olona ao amin’ny kilasy mba hizarana ny fomba nampiharan’izy ireo tamin’ny tenany sy ny fianakaviany ny soratra masina, ary koa ireo fitahiana azon’izy ireo tamin’ny fanaovana izany. Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny hevitr’ireo olona ao amin’ny kilasy momba ny fomba fampiharana ny soratra masina amin’ny tenan’izy ireo (mba hijerena sosokevitra dia jereo ny lisitra ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Mandritra ny fotoam-pianarana any aoriana dia afaka manasa ireo olona ao amin’ny kilasy mba hizara ny zavatra niainan’izy ireo ianao rehefa nampiasa ny hevitra eo amin’ilay lisitra izy ireo.

1 Nefia 20–21

Hanangona ny mpianakavin’i Isiraely ny Tompo amin’ny andro farany.

  • Mba hamporisihana ny olona ao amin’ny kilasy hizara ireo fampianarana manan-danja izay hitany ao amin’ny 1 Nefia 20–21 dia manoràta lohateny tahaka ireto eny amin’ny solaitrabe: Zanak’I siraely, Fianakavian’i Lehia, ary Vahoaka amin’izao androntsika izao. Omeo fotoana izy ireo hijerena ny 1 Nefia 20–21 ary hitanisana eo ambanin’ny lohateny tsirairay ny fomba ampiharana ny faminanian’i Isaia amin’ny vondrona tsirairay.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ny olona ao amin’ny kilasy hamaky ny 2 Nefia 1–5 dia asao izy ireo hieritreritra ny zavatra holazain’izy ireo amin’ny fianakaviany raha toa ka efa fohy ny fotoana hiainany eto an-tany. Hazavao fa ireo toko vitsivitsy voalohany ao amin’ny 2 Nefia dia ahitana ny hafatra farany nomen’i Lehia ny fianakaviany.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Horonan-tsary mikasika ny Bokin’i Môrmôna.

Mitadiava horonan-tsary izay maneho ireo tranga ao amin’ny 1 Nefia 16–22 ao amin’ny amboarana horonan-tsary mikasika ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ny application Bibliothèque de l’Évangile.

Ny “Liahona” antsika.

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Miasa eo amin’ny fiainantsika tahaka ny niasan’ny Liahona ho an’ny fianakavian’i Lehia mihitsy ny Fanahy Masina arakaraka ny finoantsika sy ny fahazotoantsika ary ny fihainoantsika Azy” (“That We May Always Have His Spirit to Be with Us,” Ensign or Liahona, May 2006, 31).

Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ôktôbra 2005 ny Loholona Lowell M. Snow ao amin’ny Fitopololahy dia nilaza hoe: “Ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity dia Liahona maoderina, fotoana sy toerana handraisana fitarihana sy tari-dalana nentanim-panahy izay mampiroborobo antsika” (“Compass of the Lord,” Ensign or Liahona, Nov. 2005, 97).

Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Ilay Tompo izay nanome Liahona ho an’i Lehia dia nanome ho anareo sy ho an’ny tenako fanomezana tsy fahita firy sy sarobidy amin’izao fotoana izao mba hitarika antsika eo amin’ny fiainana. … Ilay fanomezana resahako dia fantatra amin’ny hoe tsodranon’ny patriarika anareo” (Thomas S. Monson, “Your Patriarchal Blessing: A Liahona of Light,” Ensign, Nov. 1986, 65).

Mampihatra ny soratra masina amin’ny tenantsika.

Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales hoe:

“Taona maro lasa izay dia nampianatra ny zanako lahy aho momba ny fiainana sy ny zavatra niainan’ny rahalahin’i Jareda. Na dia tena nahaliana aza ilay tantara dia tsy niraika izy. Dia nanontaniako azy avy eo ny dikan’ilay tantara taminy. Misy dikany betsaka rehefa manontany ny zanatsika isika hoe: –Inona no dikan’izany aminao?– Hoy izy: –Hitanao, tsy dia misy maha-samy hafa azy amin’ny zavatra nataon’i Joseph Smith tao anatin’ilay alakely izany rehefa nivavaka izy ka nahazo valim-bavaka.–

“Dia hoy aho: –Mitovitovy taona amin’i Joseph ianao izao. Mieritreritra ve ianao fa mety hanampy anao ny vavaka tahaka ny nataony?– Tampoka teo dia tsy niresaka momba ana tantara efa ela be tao amina tany lavitra be izahay. Niresaka momba ilay zanakay lahy izahay, momba ny fiainany sy ny filany ary ny fomba hanampian’ny vavaka azy.

“Amin’ny maha-ray aman-dreny antsika dia manana andraikitra hanampy ny zanatsika isika mba –hampihatra ny soratra masina rehetra [eny ny ampahany rehetra amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy] amintsika [sy amin’ny zanantsika], … mba ho tombontsoa sy fianarana [ho an’ny fianakaviantsika]–” (“With All the Feeling of a Tender Parent: A Message of Hope to Families,” Ensign or Liahona, May 2004, 90).

Sosokevitra amin’ny fampiharana ny soratra masina.

  • Eritrereto ireo trangan-javatra na toe-javatra amin’izao androntsika izao izay mitovy amin’ireo izay ao amin’ny soratra masina izay vakinao.

  • Tadiavo ny zavatra fantatra sy ianarana ary ataon’ny olona ao amin’ny soratra masina izay afaka manampy anao amin’ny olana manokana iray na fanontaniana anananao amin’izao.

  • Fantaro ireo fitsipika avy amin’izany tantara izany izay afaka manampy anao amin’ny toe-javatra iainanao manokana.