Avia, hanaraka Ahy
20–26 janoary.1 Nefia 11–15: “Nampirongoana ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra”


“20–26 janoary.1 Nefia 11–15: -Nampirongoana ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna (2020)

“20–26 janoary. 1 Nefia 11–15” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
olona mihinana ny voan’ny hazon’aina

Mamy noho ny mamy rehetra, nataon’i Miguel Ángel González Romero

20–26 janoary

1 Nefia 11–15

“Nampirongoana ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra”

Atombohy amin’ny famakiana ny 1 Nefia 11–15 ny fiomananao. Raketo an-tsoratra ny eritreritra sy ny fahatsapanao momba ireo andalana sy fitsipika izay hamporisihinao mba hifanakalozan’ny olona ao amin’ny kilasy hevitra. Afaka manampy ireto hevitra eto ambany ireto.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Ireto toko ireto dia ahitana fitsipika izay mety ho tian’ny olona ao amin’ny kilasy hosaintsainina rehefa mizara ny filazantsara amin’ny hafa izy ireo. Azonao atao ny manoratra fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe ary manasa ny olona ao amin’ny kilasy hizara ireo zavatra izay hitan’izy ireo ao amin’ny vakinteniny amin’ity herinandro ity ka afaka manampy amin’ny famaliana ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no atao hoe Apôstazia sy ny Famerenana amin’ ny Laoniny?

  • Nahoana no ilaina ny Bokin’i Môrmôna?

  • Ahoana no ahafahako mahafantatra ireo fahamarinan’ Andriamanitra amin’ny tenako manokana?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

1 Nefia 11:1–5, 13–33

Naniraka an’i Jesoa Kristy ho fanehoana ny fitiavany Andriamanitra.

  • Nasehon’ny anjely iray tamin’i Nefia ireo famantarana sy trangan-javatra avy tamin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay maneho ny fitiavan’ Andriamanitra. Mety ho hitanao fa hanampy ny fiarahan’ny iray kilasy mamakafaka ireo famantarana sy trangan-javatra ireo ka hifanakalo hevitra ny amin’ny fomba anehoan’izany ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Moa ve misy sary, na horonan-tsary, na zavatra hafa azonao haseho ka mampiseho ny sasany amin’ireo trangan-javatra ao amin’ireo andininy ireo? (Jereo ohatra ny, biblevideos.ChurchofJesusChrist.org). Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany anao mba hahatakatra ny fitiavan’ Andriamanitra anao?

1 Nefia 12–15

Hanampy antsika hanohitra ny fitaoman’i Satana Andriamanitra.

  • Ny ao amin’ny kilasinao dia mety hahatsapa ho toa ny vahoaka tao anatin’ny fahitan’i Nefia indraindray, izay nirenireny tao amin’ny zavon’ny haizina na niatrika ny fanesoesoan’ireo izay tao amin’ilay trano lehibe sy malalaka. Azonao atao ny manontany ny mpianatra hoe nahoana no fanehoana tsara entina hilazana ny fakam-panahy ny zavon’ny haizina (jereo ny 1 Nefia 12:17) ary nahoana no fanehoana tsara ireo hevi-dravina sy ny avonavon’izao tontolo izao ilay trano lehibe sy malalaka (jereo ny 1 Nefia 12:18). Dia azonao zarazaraina ka omena ny olona ao amin’ny kilasy ny toko 12–15 ka asao izy ireo mba hizara ireo andininy izay mampianatra ny fomba hanampian’ Andriamanitra antsika mba handresy ny fakam-panahy sy ny fieboeboana ary ny avonavona (jereo ohatra ny 1 Nefia 13:34–40; 14:14).

  • Ahoana no ahafahanao manampy ireo olona ao amin’ny kilasinao mba hahatakatra tsara kokoa ny hery avy amin’ny tenin’ Andriamanitra? (Jereo ny 1 Nefia 15:24). Azonao atao ny manasa azy ireo hifanakalo hevitra momba ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto: Inona no nianaran’i Nefia momba ny herin’ny tenin’ Andriamanitra? Ahoana no fomba iezahan’i Satana hanozongozonana ny tenin’ Andriamanitra? (Jereo ny 1 Nefia 13:26–29). Inona no nataon’ny Tompo sy ireo mpaminaniny mba hiarovana ny teniny? Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia azonao atao ny manontany olona vitsivitsy ao amin’ny kilasy mba hizara ny fomba fandalinan’izy ireo ny soratra masina sy ny zavatra ataony mba hanaovana ny tenin’ Andriamanitra ho ampahany amin’ny fiainany andavanandro.

1 Nefia 13

Nanomana ny lalana ho an’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Fiangonany ny Tompo.

  • Mety hanampy ny olona ao amin’ny kilasy hahatakatra ny fahitan’i Nefia momba ireo tranga niseho tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny angamba ny kisary iray maneho ny filaharan’ny vanim-potoana. Afaka manasa ireo olona ao amin’ny kilasy ianao mba hamorona iray amin’izany eny amin’ny solaitrabe, miaraka amin’ireo zava-mitranga voafariparitra ao amin’ny 1 Nefia 13. Inona amin’ireo zavatra ireo no efa nitranga? Inona no mitranga amin’izao fotoana izao? Zarao ilay teny ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” izay nolazain’i George Washington, filohan’i Etazonia voalohany, izay mampiseho fa fantany ny fitaoman’ Andriamanitra tao amin’ny Revolisiona Amerikana, tranga iray izay nanomana ny lalana ho amin’ny Famerenana amin’ny laoniny.

  • Ahoana no hampiasan’ny olona ao amin’ny kilasy ny 1 Nefia 13 mba hanazavana amin’ny olona iray avy amin’ny finoana hafa ny antony nilàna ny Famerenana amin’ny laoniny? (Jereo ohatra ny 1 Nefia 13:26–29, 35–42). Inona ireo soratra masina hafa azon’ny olona ao amin’ny kilasy ampiasaina mba hanampiana ny hafa hahatakatra ny antony nilàna ny Famerenana amin’ny laoniny? (Jereo ohatra ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara”). Mety hahazo tombontsoa avy amin’ny filalaovana an-tsehatra ny fomba hanazavan’izy ireo amin’ny olona iray ny antony ilàna ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny fomba nitahian’izany azy ireo ny olona ao amin’ny kilasy.

1 Nefia 13:20–41

Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fahamarinana tsotra sy sarobidy.

  • Mety hanampy ny fampiasana ny 1 Nefia 13:20–41 hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny antony ilàntsika ny Bokin’i Môrmôna. Ireo olona ao amin’ny kilasy dia afaka mitanisa ny sasany amin’ireo “fahamarinana tsotra sy sarobidy” izay very tao amin’ny Baiboly ka naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna (ho ohatra sasany amin’izany, jereo ny andininy 26 sy 39 na ireo lisitra ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Azonao atao ihany koa ny manasa olona vitsivitsy ao amin’ny kilasy hizara ny fomba nanampian’ireo “fahamarinana tsotra sy sarobidy” naverina tamin’ny laoniny ireo azy ireo mba hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra.

    Sary
    fianakaviana mamaky ny soratra masina

    Ny Fanahy dia afaka manampy antsika hahita manokana ireo “fahamarinana tsotra sy sarobidy.”

  • Ampisehoy ilay horonan-tsary “Ny Bokin’i Môrmôna—boky iray avy amin’ Andriamanitra” (ChurchofJesusChrist.org, ary asao ny olona ao amin’ny kilasy mba hizara izay ampianarin’io horonan-tsary io momba ny antony ilantsika ny Bokin’i Môrmôna. Na azonao atao ihany koa ny manasa olona iray ao amin’ny kilasy mba hanao sary eo amin’ny solaitrabe ilay fanehoana an-tsary voafariparitra ao amin’ny teny nolazain’ny Loholona Tad R. Callister ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Dia azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao avy eo ny mizara ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna azy ireo mba hahatakatra tsara kokoa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ireo olona ao amin’ny kilasy hamaky ny 1 Nefia 16–22 mandritra ny herinandro ho avy dia azonao atao ny milaza fa izany dia ahitana tantara iray izay afaka mitaona fanahy azy ireo sy manampy azy ireo rehefa asaina hanao zavatra izay toa tsy ho tanteraka izy ireo.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Horonantsary mikasika ny Bokin’i Môrmôna.

Mitadiava horonan-tsary milaza ireo zava-nitranga ao amin’ny 1 Nefia 11–15 ao amin’ny Horonantsary mikasika ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ao amin’ny application Bibliothèque de L’Évangile.

Ny tanan’ Andriamanitra tao amin’ny Revolisiona Amerikana.

Nilaza i George Washington hoe: “Tena adala tokoa izay olona afaka mijery ireo zava-nitranga mikasika ny Revolisiona Amerikana ka tsy hahatsapa fankasitrahana lalina amin’ilay Mpahary lehiben’izao tontolo izao izay nampiseho matetika ny fanampiany masina antsika” (Taratasy ho an’i Samuel Langdon, 28 sept. 1789, founders.archives.gov/documents/Washington/05-04-02-0070).

Lisitra nataon’ny Filoha Russell M. Nelson momba ny Bokin’i Môrmôna.

Nalaina tao amin’ny “Ny Bokin’i Môrmôna: Hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?” (Liahona, nôv. 2017, 60–63).

Ny Bokin’i Môrmôna dia mandiso ny fiheverana fa:

  • Nifarana tamin’ny Baiboly ny fanambarana.

  • Mila atao batisa ny zazakely.

  • Mety hita ao anatin’ny faharatsiam-panahy ny fahasambarana.

  • Ny fahatsaran’ny tena manokana dia ampy mba hahazoana ny fisandratana (ilaina ny ôrdônansy sy ny fanekempihavana).

  • Ny fahalavoan’i Adama dia mandoto ny olombelona amin’ilay “fahotana voalohany.”

Ny Bokin’i Môrmôna dia manazava ny fahatakarana momba ny:

  • Fiainana talohan’ny nahaterahana.

  • Fahafatesana. Singa ilaina amin’ny drafitry ny fahasambarana lehiben’ Andriamanitra izany.

  • Manomboka ao am-paradisa ny fiainana aorian’ny fahafatesana.

  • Ny mahatonga ny fitsanganan’ny vatana amin’ny maty, miaraka atambatra amin’ny fanahy indray, ho lasa olona tsy mety maty.

  • Ny fitsaran’ny Tompo antsika izay araka ny asa sy ny fanirian’ny fontsika.

  • Ireo fomba araka ny tokony ho izy hanatanterahana ireo ôrdônansy: ohatra, ny batisa, ny fanasan’ny Tompo, ny fanomezana ny Fanahy Masina.

  • Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Ny Fitsanganana tamin’ny maty.

  • Ny anjara asa manan-danjan’ireo anjely.

  • Ny maha-mandrakizay ny fisoronana.

  • Ny fitondrantenan’ny olombelona izay voataona kokoa amin’ny alalan’ny herin’ny teny noho ny amin’ny alalan’ny herin’ny sabatra.

Mila ny Bokin’i Môrmôna isika.

Nampianatra ny Loholona Tad R. Callister hoe:

“Ny Baiboly dia vavolombelona iray momba an’ i Jesoa Kristy, ary ny Bokin’ i Môrmôna dia anankiray hafa koa. Nahoana no zava-dehibe ilay vavolombelona faharoa? Ity ohatra manaraka ity dia mety hanampy: Firy ny isan’ ny tsipika mahitsy azonao atao miala avy amin’ ny teboka iray eo amin’ ny taratasy iray? Ny valiny dia hoe tsy manam-petra. Eritrereto mandritra ny fotoana fohy hoe, izany teboka iray monja izany dia maneho ny Baiboly ary ireo tsipika mahitsy an-jatony maro avy eo amin’ ilay teboka dia maneho ny fandikana samihafa ny Baiboly ary ireo dikanteny samihafa ireo dia samy maneho fiangonana iray hafa.

“Inona no mitranga, anefa, raha toa ka misy teboka faharoa eo amin’ izany taratasy izany izay maneho ny Bokin’i Môrmôna? Firy ny isan’ny tsipika mahitsy azonao faritana eo anelanelan’ireo teboka ifantohana ireo—ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna? Iray ihany. “Dikanteny iray ihany momba ireo fotopampianaran’i Kristy no afaka hisy noho ny fijoroana ho vavolombelon’ireo tenivavolombelona roa ireo” (“Ny Bokin’i Môrmôna—ilay boky iray avy amin’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2011, 75).

Manatsara ny fampianarantsika

Mitariha fifanakalozan-kevitra nentanim-panahy. Manana zavatra azo atolotra amin’ny fifanakalozan-kevitry ny olona ao amin’ny kilasy ny rehetra saingy indraindray tsy ny rehetra no manana fahafahana hanao izany. Mitadiava fomba ahafahana mampitombo ny fahafahan’ny olona ao amin’ny kilasy mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 33