Avia, hanaraka Ahy
30 desambra–5 janoary. Ireo pejy fampidirana ny Bokin’i Môrmôna: “Testamenta Iray Hafa Momba an’ i Jesoa Kristy”


“30 desambra–5 janoary. Ireo pejy fampidirana ny Bokin’i Môrmôna: –Testamenta Iray Hafa Momba an’ i Jesoa Kristy,–” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“30 desambra–5 janoary. Ireo pejy fampidirana ny Bokin’i Môrmôna,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
ireo takela-bolamena

30 desambra–5 janoary

Ireo pejy fampidirana ny Bokin’i Môrmôna

“Testamenta Iray Hafa momba an’ i Jesoa Kristy”

Halalino ny Pejin-dohateny sy ny Teny Fanolorana ny Bokin’i Môrmôna, ny Teny Vavolombelon’ireo Vavolombelona telo, ny an’ireo Vavolombelona valo, sy ny an’ny Mpaminany Joseph Smith, ary ny Fanazavana Fohy momba ny Bokin’i Môrmôna.” Rehefa manao izany ianao dia katsaho ny fitaoman’ny Fanahy Masina momba ny fomba ahafahanao manentana ny kilasinao hanomboka hanao fandalinana manan-danja ny Bokin’i Môrmôna.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Hanombohana izany dia azonao atao ny manasa olona vitsivitsy mba hizara avy amin’ireo pejy fampidirana ny Bokin’i Môrmôna izay nampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’io boky masina io.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna

Ny Bokin’i Môrmôna dia afaka mampatanjaka ny finoantsika an’i Jesoa Kristy

  • Ny famakiana ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna, izay nosoratan’i Môrônia, dia afaka manampy ireo olona ao amin’ny kilasinao handalina ny Bokin’i Môrmôna amin’ity taona ity, Amin’ny fomba ahoana ireo hafatra ao amin’ny pejin-dohanteny no afaka manatsara ny fandalinan’izy ireo? Angamba azonao atao ny manoratra fanontaniana iray na maromaro eny amin’ny solaitrabe—toy ny hoe Nahoana isika no manana ny Bokin’i Môrmôna? na Ahoana no maha-samy hafa ny Bokin’i Môrmôna amin’ny boky hafa?—ary asao ireo olona ao amin’ny kilasy mba hitady valinteny rehefa mamerina mijery mitokana na miaraka tsiroaroa ny pejin-dohateny izy ireo. Dia afaka mizara ireo fahatsapana tonga aminy izy ireo avy eo. Azonao atao ihany koa ny mamporisika ireo olona ao amin’ny kilasy mba hifanakalo hevitra momba ny drafitr’izy ireo amin’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna amin’ity taona ity. Ohatra: inona no handrandrain’izy ireo? Ahoana no hianaran’izy ireo avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mandalina?

  • Voasoratra ao amin’ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna ny iray amin’ireo tanjona lehibeny: dia ny handresen-dahatra ny “Jiosy sy ny Jentilisa fa i Jesoa no Kristy.” Azonao atao ihany koa ny manasa ireo olona ao amin’ny kilasy mba hizara andalan-tsoratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mampatanjaka ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy (azon’izy ireo atao ihany koa ny mamaky andalana vitsivitsy voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ihany koa ny mamaky ny sasany amin’ireo andininy ireo miaraka amin’ny olona mipetraka eo akaikiny ka mizara ny fomba niantefan’ny Bokin’i Môrmôna teo amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Mpamonjy.

Fampahafantarana ny Bokin’i Môrmôna

Ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manampy antsika “hanakaiky bebe kokoa an’ Andriamanitra.”

  • Ny fampahafantarana ny Bokin’i Môrmôna dia manolotra fampahalalana izay manan-danja ny hahatakaran’ny mpamaky azy. Ireo olona ao amin’ny kilasinao dia afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny fanaovana topimaso ny teny fanolorana ka hitady teboka telo hatramin’ny dimy izay tsara hozaraina amin’ny olona iray izay vao voalohany no hamaky ny Bokin’i Môrmôna. Dia afaka mizara ny zavatra hitany ireo olona ao amin’ny kilasy. Azon’izy ireo atao ihany koa aza ny milalao an-tsehatra ny fampahafantarana momba ny Bokin’i Môrmôna amin’ny olona iray. Ireo horonan-tsary naroso ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mety manampy ihany koa.

  • Ny sasany amin’ireo olona ao amin’ny kilasinao dia mety efa nanana traikefa izay manamarina ny fahamarinan’ireo tenin’i Joseph Smith hoe: “hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny olona iray amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatin[’ny Bokin’i Môrmôna] toy izay ny ao anatin’ny boky hafa.” Azonao atao ny mangataka ireo olona ao amin’ny kilasy mba hizara ny fomba nanampian’ny fiainana ireo fahamarinana nianarany tao amin’ny Bokin’i Môrmôna mba hampanakaiky azy ireo an’ Andriamanitra. Azonao atao ihany koa ny manasa ireo olona ao amin’ny kilasy mba hizara valinteny ho an’ireto fanontaniana telo naroson’ny Filoha Russsell M. Nelson ireto: “Hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna? Faharoa, inona ny zavatra tsy ho fantatrao? Ary farany, inona ny zavatra tsy ho nanananao? (“Ny Bokin’i Môrmôna: Hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?” (Liahona,nôv. 2017, 62).

  • Moa ve nisy tamin’ireo olona ao amin’ny kilasinao namaky ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay ahitana ireo karazana anarana hiantsoana ny drafitry ny famonjena, araka ny soso-kevitra ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana? Raha nisy, dia asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany.

Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo”; “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Valo

Afaka ny ho vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna avokoa isika rehetra.

  • Ny fandalinana ireo tenivavolombelon’ireo vavolombelona telo sy valo dia afaka mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo olona ao amin’ny kilasinao sy manampy azy ireo hisaintsaina ny fomba ahafahany mizara ny tenivavolombelona azy ireo manokana. Azonao atao ny manasa ny antsasaky ny kilasy mba hamaky “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo” ary ny antsasany hafa hamaky “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Valo” ary hizara ny fahatsapana na ny antsipirian-javatra nanaitra azy ireo. Inona no maha-samy hafa ireo tenivavolombelona roa ireo? Inona no mampitovy azy ireo? Inona no ianarantsika avy amin’ireo tenivavolombelona ireo momba ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika? Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny antony maha-manan-danja ireo Vavolombelona Telo, dia azonao atao ny mizara ny teny nataon’ny Filoha Dallin H. Oaks na ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i John Whitmer ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny,” na azonao atao ny mampiseho ilay horonan-tsary hoe “The Testimony of the Three Witnesses” (ChurchofJesusChrist.org).

Sary
I Joseph Smith sy ireo Vavolombelona Telo miaraka mivavaka

Nizara fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna ireo Vavolombelona Telo.

Ny Fanambaran’ ny Mpaminany Joseph Smith

Fitaovana teo am-pelatanan’ Andriamanitra mba hamoahana ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith.

  • Ireo olona ao amin’ny kilasy dia mety efa mahafantatra ireo zava-nitranga voafariparitra ao amin’ny “Ny Fanambaran’ ny Mpaminany Joseph Smith,” kanefa mety afaka manampy azy ireo hahita hevi-baovao ianao. Ohatra, azonao atao ny manasa azy ireo hitanisa ireo zava-nitranga manan-danja ao amin’ny fitantaran’i Joseph Smith. Inona no azontsika tsoahina avy ao amin’ny zavatra niainany momba ny lanjan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny Tompo?

  • Ny hira “Un ange saint de Dieu” (Cantiques, no. 8) dia milaza momba ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa avy mihira na mihaino io hira io ny olona ao amin’ny kilasy dia afaka mitady teny ao amin’ny “Fanambaran’ ny Mpaminany Joseph Smith” izay mifandray na manamafy ireo fehezan-teny ao amin’ilay hira izy ireo.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanentanana ny olona ao amin’ny kilasy hamaky ny 1 Nefia 1–7, dia asao izy ireo mba hitady hevitra na fahamarinana izay manampy azy ireo amin’ny toe-javatra miseho eo amin’ny fiainan’izy ireo amin’izao fotoana izao—ohatra, ny olana iray atrehan’ny fianakaviana na ny antso iray ao am-piangonana.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

 

  •  

  •    

  •  

 

Ny lanjan’ireo Vavolombelona Telo.

Ny Filoha Dallin H. Oaks dia nanazava ny antony mahatonga ny tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo ho tena mandresy lahatra:

“Ny tenivavolombelon’ny Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna dia mijoro amin-kery lehibe. Ny tsirairay tamin’izy telo dia nanana antony ampy sy fahafahana nandà ny tenivavolombelony raha toa ka diso izany, na nilaza tamin’ny antsipiriany raha toa ka tsy marina izany. Tena fantatra tokoa fa, noho ny tsy fifankahazoana na ny fialonana izay nisy teo amin’ny mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana, dia nesorina tsy ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny tsirairay amin’ny vavolombelona telo, teo amin’ny valo taona taorian’ny namoahana ny tenivavolombelona nomen’izy ireo teo. Samy nandeha tamin’ny lalany izy ireo, tsy nanana finiavana iraisana hanohana tanjona iombonana. Na dia teo aza izany ary na hihatra amin’ny fahafatesan’izy ireo—vanim-potoana teo amin’ny 12 ka hatramin’ny 50 dimampolo taona taorian’ny fanesorana azy ireo tsy ho mpikambana intsony—dia tsy nisy na iray aza no nivadika tamin’ny tenivavolombelona nomeny na nilaza zavatra izay mety niteraka ahiahy mikasika ny fahamarinany” (“The Witness: Martin Harris,” Ensign, mey 1999, 36).

Ny Tenivavolombelon’ i John Whitmer.

I John Whitmer, izay anisan’ireo Vavolombelona Valon’ny Bokin’i Môrmôna dia nanambara hoe: “Tsy mbola naheno velively na iza na iza tamin’ireo vavolombelona telo na valo ka nandà ny fijoroana ho vavolombelona nozarain’izy ireo aho. … Ny anaranay dia niely patrana manerana ny firenena sy fiteny ary vahoaka rehetra ho fanambarana masina avy amin’ Andriamanitra. Ary namoaka ireo tanjon’ Andriamanitra izany araka ny fanambarana voarakitra ao” (ao amin’ny Noel B. Reynolds, ed., Book of Mormon Authorship Revisited: The Evidence for Ancient Origins [1997], 55–56).

Manatsara ny fampianarantsika

Mikatsaha aingam-panahy avy aminao manokana. Ho solon’ny fandraisana ireto rindran-damina ireto ho torolalana tsy maintsy arahinao dia ampiasao kosa itony mba hakana hevitra hampitsiry ny aingam-panahinao manokana rehefa misaintsaina ireo zavatra ilain’ny olona ampianarinao ianao.