Avia, hanaraka Ahy
Lamina hitondrana ny fampianarana


“Lamina hitondra ny fampianarana,” ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“Lamina hitondra ny fampianarana,” ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
kilasin’ny Sekoly Alahady ho an’ny tanora

Lamina hitondrana ny fampianarana

Ato amin’ity loharanom-pitaovana ity ianao dia hahita ity lamina misy dingana telo manaraka ity miverimberina ao amin’ny rindran-damina tsirairay: asao mba hizara, ampianaro ny fotopampianarana, ary amporisiho ny fianarana any an-tokantrano. Rehefa mampianatra ianao, dia mety hifanindry na hitranga tsy manaraka ny filaharany ireo singa ao amin’io lamina io. Ohatra, andeha raisina toy ny hoe fahafahana mampianatra ny fotopampianarana ny fizarana zavatra, ary ny fampiananarana ny fotopampianarana dia tokony ahitana fanasana mba hizara hevitra. Toy izany ihany, ny famporisihana hianatra any an-tokantrano dia afaka mitranga mandritra ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny mpianatra. Avelao handeha ho azy ireo fiovana ato amin’ity lamina ity, amin’ny alalan’ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy mba hanomezana izay ilain’ireo olona ampianarinao.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mandritra ny fotoam-pianarana rehetra, dia asao ny mpianatra hizara hevi-baovao sy zavatra niainan’izy ireo nandritra ny herinandro lasa rehefa nandalina samirery ny soratra masina sy niaraka tamin’ny fianakaviany izy ireo, ary nampihatra ny zavatra nianarany. Ampio ny mpianatra hahita fa manan-danja ny fianaran’izy ireo manokana ivelan’ny fotoam-pianarana. Tsy ho amin’ny alalan’ny fianarana isaky ny alahady ihany no hitrangan’ny fiovam-pon’izy ireo manokana fa amin’ny alalan’ny zavatra iainan’izy ireo isan’andro ihany koa. Rehefa mahare ny zavatra niainan’ny tsirairay ny mpianatra, dia ho moramora kokoa ny hikatsahan’izy ireo zavatra efa niainany mitovy amin’izany.

Tsy voatery ho namaky ireo toko ho an’ny lesona tsirairay daholo ny rehetra, ary na ireo vitsivitsy izay namaky aza dia mety hahatsapa ho tsy mahazo aina rehefa asaina mizara hevitra. Ataovy izay hahatsapan’ny mpianatra rehetra fa singa manan-danja ao anatin’ilay kilasy izy, na manana zavatra hozaraina izy na tsia.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Na ianao na ny mpianatrao dia tokony hifantoka amin’ny fotopampianarana, dia ireo fahamarinana mandrakizain’ny filazantsara, izay hita ao amin’ireo andalan-tsoratra masina asaina vakina. Eo am-pifanakalozanareo hevitra momba ireo fotopampianarana avy amin’ny soratra masina ianareo, dia inona avy ireo andinin-tsoratra masina, teny nindramina, zavatra niainana, ary loharanom-pitaovana fanampiny mety hozarainao? Ahoana no mety hampiasanao an’ireo loharanom-pitaovana ireo mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra sy hahatakatra ireo fitsipiky ny filazantsara? Inona no azonao atao mba hamporisihana ny mpianatra handray an-tsoratra sy hamadika ho asa ireo eritreriny sy ireo fitaomam-panahy voarainy?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Rehefa mifarana ny lesona dia makà fotoana hanaovana topimaso kely ny fifanakalozan-kevitra hatao amin’ny herinandro manaraka. Eritrereto ny fomba hanampiana ny mpianatra hahazo fitaomam-panahy mba hanohy hianatra ny Bokin’i Môrmôna any an-trano, na fandalinana manokana izany na miaraka amin’ny fianakaviany.