Avia, hanaraka Ahy
Loharanom-pitaovana fanampiny


Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“Loharanom-pitaovana fanampiny,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ireto loharanom-pitaovana ireto dia azo jerena ao amin’ny application Bibliothèque de l’évangile sy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana

Azonao amboarina mba ampiasaina ao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady misy anao ity loharanom-pitaovana ity. Raha efa nampiasa ireto asa ampanaovina ireto nandritra ny fandalinany manokana ny soratra masina na ataony miaraka amin’ny fianakaviany ny mpianatra dia amporisiho izy ireo hizara ny traikefany na ny hevi-baovaony.

Gazetibokin’ny Fiangonana

Ireo gazetiboky New Era, Ensign, ary Liahona dia ahitana lahatsoratra sy fitaovana hafa izay afaka manampy ireo fitsipika ampianarinao avy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady.

Cantiques sy Bokin-kiran’ny ankizy

Ny hira masina dia manasa ny Fanahy ary mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny fomba tena miavaka. Ankoatra ny Cantiques sy ny Bokin-kiran’ny ankizy amin’ny endrika vita printy dia afaka mahita ny raki-peon’ny hira sy hira ho an’ny ankizy maro ao amin’ny music.ChurchofJesusChrist.org sy ao amin’ny application LDS Music sy LDS Media Library ianao.

Tahirin-kevitra ara-pifandraisana

Ny zava-kanto sy ny horonan-tsary ary ireo haino aman-jery hafa dia afaka manampy ireo izay ampianarinao haka sary ao an-tsaina ilay fotopampianarana sy ireo tantara izay hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Tsidiho ny medialibrary.ChurchofJesusChrist.org mba hahitana ireo andiana loharanom-pitaovana amin’ny endriny haino aman-jery, anisan’izany ireo andiana horonan-tsary momba ny Bokin’i Môrmôna, izay mampiseho ireo zava-nitranga tao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ahitana loharanom-pitaovana amin’ny endriny haino aman-jery ihany koa ao amin’ny application LDS Media Library.

Sary mikasika ny filazantsara

Ny zava-kanto dia afaka manampy ireo izay ampianarinao haka sary ao an-tsaina ilay fotopampianarana sy ireo tantara izay hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Sary maro izay azonao ampiasaina ao an-dakilasy no hita ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara sy ao amin’ny medialibrary.ChurchofJesusChrist.org, ary ao amin’ny application LDS Music sy LDS Media Library.

Boky torolalana ho an’ny seminera sy institiota

Ireo boky torolalana ho an’ny seminera sy institiota dia manome ny zava-nitranga ara-tantara sy fanamarihana ara-potopampianarana ho an’ireo fitsipika hita ao amin’ny soratra masina. Mety hanome hevitra enti-mampianatra ho an’ny kilasin’ny Sekoly Alahady ihany koa izany.

Ireo lohahevitra mikasika ny filazantsara

Ao amin’ny topics.ChurchofJesusChrist.org ianao dia afaka mahita fampahalalana ankapobeny momba ny lohahevitra mikasika ny filazantsara isan-karazany, miaraka amin’ireo rohy mankany amin’ireo loharanom-pitaovana manampy toy ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, lahatsoratra, soratra masina, ary horonan-tsary izay mifandray amin’izany. Ao ihany koa ny Gospel Topics Essays izay manome valiny lalina kokoa an’ireo fanontaniana momba ny fotopampianarana sy ny tantara.

Miorim-paka ao amin’ny finoana

Ity loharanom-pitaovana ity dia manome fanazavana tsotra ny amin’ireo lohahevitra momba ny filazantsara, izay milahatra araka ny abidia.

Torio ny Filazantsarako

Ity boky torolalana ho an’ny misiônera ity dia manome topimaso momba ireo fitsipika fototry ny filazantsara.

Jeunes soyez forts

Ity loharanom-pitaovana ity dia mandravona ireo fitsipiky ny Fiangonana izay afaka manampy antsika hijanona ho mendrika ireo fitahian’ny Tompo. Jereo matetika izany, indrindra fa rehefa mampianatra tanora ianao.

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ity loharanom-pitaovana ity dia afaka manampy anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny fampianarana araka ny an’i Kristy. Ireo fitsipika ireo dia ifanakalozana hevitra sy ampiharina ao amin’ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra.

Sary
tablette maneho ny Bibliothèque de l’Évangile