Avia, hanaraka Ahy
Hevitra handrisihana ny fandalinana manokana sy ny fandalinana ataon’ny mpianakavy


“Hevitra handrisihana ny fandalinana manokana sy ny fandalinana ataon’ny mpianakavy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“Hevitra handrisihana ny fandalinana manokana sy ny fandalinana ataon’ny mpianakavy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
fianakaviana manao kilalao

Hevitra handrisihana ny fandalinana manokana sy ny fandalinana ataon’ny mpianakavy

Ireto misy hevitra vitsivitsy hanampiana anao hamporisika ny mpianatra mba handalina ny tenin’ Andriamanitra any an-tokantrano, fandalinan’ny tena manokana ary fandalinana ataon’ny mpianakavy. Mitandrema tsara amin’ny hoe tsy ny mpianatra rehetra no afaka handalina ny soratra masina miaraka amin’ny fianakaviany (ohatra, misy mpikambana sasany mipetra-drery na anatina fianakaviana misy tsy mpikambana).

  • Asao ireo olona ao amin’ny kilasy mba hizara traikefa azony tamin’ny fandalinana ny soratra masina tany an-tokantrano. Ohatra, azonao atao ny mangataka azy ireo mba hizara andininy iray izay nanaitra azy ireo ary hanazava ny antony hahitany fa tena manan-danja ilay izy.

  • Angataho ireo mpianatra mba hanome ohatra ny amin’izay efa ataon’izy ireo mba hahatonga ny fandalinana manokana na ny fandalinan’ny mpianakavy ho manan-danja kokoa. (Misy hevitra vitsivitsy ao amin’ny “Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina” sy ao amin’ny “Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.)

  • Asao ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny hoe ahoana no nanarahan’izy ireo ny fahatsapana azony nandritra ny fandalinany manokana na ny fandalinana nataony niaraka tamin’ny fianakaviany.

  • Manokàna minitra vitsivitsy hanazavana ny fomba fampiasana ny application Bibliothèque de l’ Évangile mba handalinana ny soratra masina, anisan’izany ny fomba fanisiana marika ireo andinin-tsoratra masina sy firaketana ny zavatra tsapa.

  • Asao ny mpianatra iray na mihoatra hizara ny hoe ahoana no fomba nampianaran’izy ireo ny fianakaviany ny fitsipiky ny filazantsara iray manokana.