Avia, hanaraka Ahy
Ianao dia mpampianatra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy


“Ianao dia mpampianatra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“Ianao dia mpampianatra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
i Jesoa mampianatra ny vahoaka

Ianao dia mpampianatra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

Nantsoin’ Andriamanitra ianao mba hampianatra ireo zanany amin’ny fomban’ny Mpamonjy. Natokana ho amin’io antso io tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronany masina ianao. Na dia tsy mpampianatra efa za-draharaha aza ianao, rehefa miaina am-pahamendrehana sy mivavaka isan’andro ary mandalina ny soratra masina ianao, dia hanome anao ny fitaomana sy ny herin’ny Fanahy Masina ny Ray any An-danitra mba hampahomby anao (jereo ny 2 Nefia 33:1).

Zanaky ny Ray any An-danitra ireo izay ankinina aminao, ary fantany izay ilain’izy ireo sy ny fomba tsara indrindra hanampiana azy ireo. Hitarika anao mandritra ny fiomananao sy mandritra ny fotoana hampianaranao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra. Hanambara aminao izay tokony holazainao sy tokony hataonao Izy (jereo ny 2 Nefia 32:5).

Ny tanjona fototry ny fampianarana sy ny fianarana ny filazantsara dia ny hanova fiainana. Ny tanjonao amin’ny maha-mpampianatra anao dia ny hanampy ireo izay ampianarinao hanao izay rehetra azony atao mba hahatonga azy hiova fo kokoa amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izany dia ezaka tratrarina hatrany ivelan’ny fotoam-pianarana. Asao ireo izay ampianarinao mba handray anjara mavitrika amin’ny fianarana ny fitsipika sy ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy ary hanao araka izay zavatra ianarany. Amporisiho izy ireo mba hanao ny fandalinany manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana ivelan’ny kilasy ho loharano fototra amin’ny fianarany ny filazantsara. Rehefa manao asa am-pinoana izy ireo amin’ny fandalinana manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana, dia hanasa ny Fanahy ho eo amin’ny fiainany, ary izany ilay Fanahy izay mahatonga ny fiovam-po marina. Tokony hirona amin’io tanjona masina io avokoa izay rehetra ataonao amin’ny maha-mpampianatra anao.

Ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny izay hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany amin’ny andro farany ihany no ampianaro. Ny fotopampianarana madio, izay mandrakizay, sy fahamarinana tsy miova izay ampianarin’ Andriamanitra sy ireo mpanompony, dia manasa ny Fanahy ary manana ny hery hanova fiainana.

Ny antso mba hampianatra dia fametraham-pitokisana masina, ary tsy mahagaga raha mahatsapa ho tototra be indraindray. Tsarovy anefa fa niantso anao ny Ray any An-danitra ary tsy handao anao na oviana na oviana Izy. Asan’ny Tompo ity, ary rehefa manompo “amin’ny fo, ny hery, ny saina, ary ny tanjaka[o] rehetra” ianao (FF 4:2) dia hampitombo ny fahafaha-manaonao sy ny fanomezam-pahasoavana azonao ary ny talentanao Izy ary ny fanompoanao dia hitahy ny fiainan’ireo izay ampianarinao.