Avia, hanaraka Ahy
Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady


“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady,Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady,Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
vehivavy mandray fitenenana ao an-dakilasy

Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady

Miomana hampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady

Ny fandalinana manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana ao an-tokantrano no tokony ho ivon-toerana hianarana ny filazantsara. Marina izany ho anao sy ireo izay ampianarinao. Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia atombohy amin’ny fananana ny traikefanao manokana amin’ny soratra masina. Ny fiomananao manan-danja indrindra dia hitranga rehefa manadihady ny soratra masina sy mikatsaka ny fitaoman’ny Fanahy Masina ianao.

Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia sady ampahany manan-danja amin’ny fandalinanao manokana no ampahany manan-danja amin’ny fiomananao hampianatra. Izy io dia hanampy anao hahatakatra lalindalina kokoa ireo fitsipika ara-potopampianarana izay hita ao amin’ny soratra masina. Izy io dia hanome fahafahana anao hitaona sy hanasa ireo mpianatra mba hampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba hanatsarana ny fandalinana soratra masina ataon’ny tena manokana sy ataon’ny mpianakavy (ho fanampiana amin’ny fanaovana izany dia jereo ny “Hevitra handrisihana ny fandalinana manokana sy ny fandalinan’ny fianakaviana” ao anatin’ity fitaovana ity). Eo am-panaovana izany, dia tadidio ny mitandrina tsara ny amin’ireo mpianatra izay anaty fianakaviana tsy afaka miara-mandalina ny soratra masina sy manao takarivan’ny mpianakavy matetika noho ny toe-javatra misy azy.

Mandritra ny fiomananao, dia hisy hevitra sy eritreritra tonga ao aminao momba ny olona ampianarinao, sy ny fomba hitahian’ny fitsipika ao amin’ny soratra masina azy ireo ary ny fomba ahafahanao mankahery azy ireo mba hahita ireo fitsipika ireo rehefa mandalina ny soratra masina samirery izy ireo.

Hevitra hoenti-mampianatra

Eo am-piomanana mba hampianatra dia mety hahazo fitaomana fanampiny ianao amin’ny alalan’ny fizahana ireo rindran-damina hoenti-mampianatra ato anatin’ity loharanom-pitaovana ity. Aza heverina ho toy ny torolalana arahana amin’ny antsipiriany ireo tolo-kevitra ireo fa hevero kosa ho toy ny sosokevitra hahazoanao fanentanam-panahy ho anao manokana. Fantatrao ireo olona ao amin’ny kilasinao, ary hanana fahafahana hahafantatra azy ireo kokoa ianao rehefa miara-mianatra ao an-dakilasy ianareo. Fantatry ny Tompo ihany koa izy ireo, ary hanome fitaomam-panahy anao Izy amin’ny fomba tsara indrindra mba hanampiana ireo mpianatra hiorina eo amin’ny fianarana ny filazantsara izay ataon’izy ireo any an-tokantranony.

Loharanom-pitaovana maro no misy mba hampiasainao eo am-panomananao, tafiditra amin’izany ireo hevitra ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana sy ireo gazetibokin’ny Fiangonana. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ireo sy loharanom-pitaovana hafa, dia jereo ilay fizarana mitondra ny lohateny hoe “Loharanom-pitaovana fanampiny” ao amin’ity loharanom-pitaovana ity.

Zavatra tsara tadidiana

  • Ny tokantrano no tontolo tsara indrindra hianarana ny filazantsara. Amin’ny maha mpampianatra anao, dia manana andraikitra lehibe ianao ny hanohana sy hamporisika ary hiainga avy amin’ny fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano ataon’ny olona ao amin’ny kilasy.

  • Ny fiovam-pon’ireo mpianatra ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia hihalalina kokoa rehefa takatr’izy ireo sy ampihariny ny fotopampianarana marina. Amporisiho izy ireo mba hirakitra sy hanaraka ireo bitsika azon’izy ireo avy amin’ny Fanahy Masina.

  • Ny mampianatra dia tsy vitan’ny hoe manome lesona fotsiny, kanefa izany koa dia tsy vitan’ny hoe mitarika fifanakalozan-kevitra fotsiny. Anisan’ny anjara asanao ny mamporisika ny fandraisana anjara izay mankahery sy mifototra amin’ny soratra masina. Tokony hizara hevitra entanim-panahy izay azonao rehefa nandalina ny soratra masina ihany koa ianao.

  • Tian’ny Ray any An-danitra ho mpampianatra mahomby ianao. Nanome loharanom-pitaovana maro Izy mba hanampiana anao, anisan’izany ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra. Amin’ireny fivoriana ireny no ahafahanao mifanolotra hevitra miaraka amin’ny mpampianatra hafa momba ireo olana izay atrehinao. Azonao atao koa ny mifanakalo hevitra sy mampihatra fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy.

  • Tena mianatra zavatra ny olona rehefa manana fahafahana hampianatra. Azonao atao indraindray ny mamela mpianatra iray, anisan’izany ireo tanora, mba hampianatra ampahany iray amin’ny lesona. Ataovy arakaraka ireo zavatra ilaina sy fahaiza-manaon’ny mpianatrao ny fandraisana izany fanapahan-kevitra izany. Raha manasa mpianatra iray ianao hampianatra, dia makà fotoana hanampiana azy hiomana mialoha amin’ny fampiasana ireo hevitra hita ao amin’ity loharanom-pitaovana ity sy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’ olona sy ny fianakaviana. Tsarovy fa amin’ny maha mpampianatra voantso anao, dia ianao ihany amin’ny farany no tompon’andraikitra amin’izay zavatra ampianarina ao an-dakilasy.

  • Ity loharanom-pitaovana ity dia ahitana rindran-damina hoenti-mampianatra ho an’ny herinandro rehetra anatin’ny taona ankoatra ireo alahady anankiroa hanaovana fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Amin’ny alahady izay tsy misy Sekoly Alahady noho ny fihaonamben’ny tsatòka na noho ny antony hafa, dia azon’ireo fianakaviana atao ny manohy mamaky ny Bokin’i Môrmôna any an-tokantrano araka ny fandaharam-potoana efa napetraka ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Mba hanarahan’ny kilasin’ny Sekoly Alahadinao hatrany ny fandaharam-potoana dia afaka misafidy ianao ny handingana lesona iray na hanambatra lesona anankiroa. Mba hisorohana ny fisafotofotoana, dia azon’ireo filohan’ny Sekoly Alahady atao ny manoro hevitra mialoha an’ireo mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady, momba ireo fanamboarana ireo.