Avia, hanaraka Ahy
6–12 janoary. 1 Nefia 1–7: “Handeha aho ary hanao”


“6–12 janoary. 1 Nefia 1–7: -Handeha aho ary hanao,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“6–12 janoary. 1 Nefia 1–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020

Sary
ny fianakavian’i Lehia nanao dia tany an-tany foana

I Lehia nanao dia tany akaikin’ny Ranomasina Mena, nataon’i Gary Smith

6–12 janoary

1 Nefia 1–7

“Handeha aho ary hanao”

Ny fiomananao amin’ny maha-mpampianatra Sekoly Alahady anao dia manomboka amin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina. Henoy tsara ary raketo an-tsoratra ny bitsiky ny Fanahy voarainao. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka mifameno amin’ny fandalinanao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mety efa mahafantatra ny 1 Nefia 1–7 ny ao amin’ny kilasinao, saingy isaky ny mamaky soratra masina isika dia afaka mianatra fahamarinana izay mihatra amin’ny toe-javatra iainantsika amin’izao. Mba hanombohana ny fifanakalozan-kevitra dia azonao angatahina ny ao amin’ny kilasinao angamba ny zavatra nianarany na ny zavatra tsaroany rehefa nandalina izy ireo nandritra ity herinandro ity.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

1 Nefia 1; 3–6

Manan-danja lehibe ny soratra masina

  • Hafatra iray lehiba ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny lanja lehiben’ny tenin’ Andriamanitra. Afaka ny ho hafatra tsara zaraina izany rehefa manomboka mandalina ny Bokin’i Môrmôna ny kilasinao. Azonao atomboka amin’ny fangatahana ny olona tsirairay ao amin’ny kilasinao mba hisafidy toko iray amin’ny 1 Nefia 1; 3–6 izany ary hamaky izany haingana hitadiavana ny fomba nitahian’ny tenin’ Andriamanitra mivantana na tsy mivantana ny fianakavian’i Lehia. (Mety hahazo tombontsoa amin’ny fanaovana ity asa atao ity ao anatina vondrona ny olona ao amin’ny kilasy.) Dia asao avy eo ny olona tsirairay hizara ny zavatra hitany. Inona no ampianarin’ireo tantara ireo antsika momba ny lanjan’ny soratra masina?

  • Ny iray amin’ireo tanjonao amin’ny maha-mpampianatra anao dia ny mamporisika ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana handalina ny filazantsara ivelan’ny kilasy. Angamba azonao atao ny manasa ny ao amin’ny kilasinao mba handinika ny fomba nandalinan’i Lehia ireo takela-barahana (jereo ny 1 Nefia 5:10–19) ary avy eo dia afaka mametraka fanontaniana toy izao manaraka izao ianao: Nanao ahoana ny fihetsik’i Lehia nanoloana ny soratra masina? Inona no hitany manan-danja tao anatin’izy ireny? Ny mpianatra dia afaka mamakafaka ihany koa ny hafatry ny Loholona Richard G. Scott hoe “Ny herin’ ny soratra masina” (Liahona, nôv. 2011, 6–8) na mamaky ny ampahany amin’io hafatra io ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Ahoana no ahafahantsika mampihatra ny fampianaran’ny Loholona Scott rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna isika amin’ity taona ity?

  • Azonao iarahana ao anatin’ny kilasy ny mihira ny fihirana momba ny soratra masina toy ny “Pour sonder tes écritures” (Cantiques, no. 163). Azonao asaina avy eo ny ao amin’ny kilasinao mba hizara ny fomba nitahiana ny fiainan’izy ireo noho ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina . Azon’izy ireo zaraina ihany koa ny fomba nanentanan’ny soratra masina fanahy azy ireo mba “hanatona [an’] Andriamanitra … mba hovonjena” (1 Nefia 6:4).

1 Nefia 2:11–19; 3:28–31

Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tenantsika manokana isika rehefa manalefaka ny fontsika.

  • I Nefia dia fantatra amin’ny finoany ny Tompo izay mahery vaika, saingy mety hanampy ny ao amin’ny kilasy ny mahafantatra fa nila nanao asa izy mba hahazoana ny fijoroana ho vavolombelona nananany, tahaka ny ataontsika rehetra. Mety ho hitan’ireo olona ao amin’ny kilasy ao amin’ny 1 Nefia 2:16–19 ny nahatonga an’i Nefia hahazo ny fijoroana ho vavolombelona nananany. Azon’izy ireo jerena ihany koa ny andininy 11–14 hahitana ny antony nahatonga an’i Lamana sy Lemoela tsy nahazo fijoroana ho vavolombelona. Mety ho fotoana tsara hanasana ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny fomba nahazoany fijoroana ho vavolombelona izany.

  • Indraindray isika dia mety hila miaina fahagagana mba hahazoana na hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. I Lamana sy Lemoela anefa dia nahita anjely saingy toa tsy niantraika tamin’ny finoan’izy ireo akory izany. Inona no azon’ireo mpianatra ianarana avy amin’io zavatra niainana izay tantaraina ao amin’ny 1 Nefia 3:28–31 io momba ny zavatra mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika? (Jereo koa ny 1 Nefia 2:16). Hevero ny hizara ilay teny nambaran’ny Filoha Harold B. Lee ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Inona no azontsika atao mba hihazonana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika ho matanjaka?

1 Nefia 3–4

Hanomana lalana ho antsika Andriamanitra hanaovana ny sitrapony.

  • Mety hiavaka ny zavatra niainan’ireo zanak’i Lehia ao amin’ny 1 Nefia 3–4 saingy maro amintsika no efa niaina an’izany hoe nanaraka ny sitrapon’ Andriamanitra na dia toa sarotra aza. Raha namaky ny 1 Nefia 3–4 ireo olona ao amin’ny kilasy tamin’ity herinandro ity dia inona no fahamarinana hitan’izy ireo izay nampahatsiahy azy ireo zavatra niainana manokana iray? Azonao atao angamba ny mangataka ireo olona ao amin’ny kilasy mba hizara andininy izay mampianatra ireo fahamarinana ireo, ary asao izy ireo hizara ny zavatra niainany. Amin’ny fomba ahoana ireo fahamarinana ireo no manampy antsika rehefa andrasan’ Andriamanitra hanao zavatra izay toa sarotra isika?

  • Azonao zaraina ho vondrona telo ny kilasy ary asaivo mandalina ny iray amin’ireo ezaka mba hahazoana ny takela-barahina tamin’i Labana ny vondrona tsirairay (jereo ny 1 Nefia 3:9–21; 1 Nefia 3:22–31; 4:1–4; ary ny 1 Nefia 4:5–38). Dia azonao asaina avy eo ny vondrona tsirairay mba hizara ny zavatra ampianarin’ireo ezaka ireo antsika momba ny fanatanterahana ny sitrapon’ Andriamanitra. Ahoana no ampiharana ireo ohatra ireo amin’ny ezaka ataontsika hanao ny sitrapon’ Andriamanitra?

Sary
I Lehia sy i Saria miarahaba an’i Nefia sy ireo rahalahiny

Feno ny hafaliany, nataon’i Walter Rane

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ny mpianatra hamaky ny 1 Nefia 8–10, dia azonao zaraina amin’izy ireo ity teny nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ity: “Miaraka amin’ireo hery maro be izay miezaka mitarika antsika hiala lavitra, ahoana no hihazonantsika ny fijerintsika mba hifantoka amin’ilay fahasambarana be voninahitra izay nampanantenaina ho an’ny mahatoky? Mino aho fa ny valin’izany dia hita ao amin’ny nofy iray izay nananan’ny mpaminany iray, arivo taona maro lasa izay. Ny anaran’ilay mpaminany dia Lehia, ary ny nofiny dia voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay boky tena sarobidy no mahavariana tokoa” (“Telo mirahavavy,” Liahona, nôv. 2017, 18–19).

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Horonan-tsary mikasika ny Bokin’i Môrmôna

Mitadiava horonan-tsary izay maneho ireo tantara ao amin’ny 1 Nefia 1–7 ao amin’ny amboarana horonan-tsary mikasika ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ny application Bibliothèque de l’Evangile.

Manana hery lehibe ny soratra masina.

Ny Loholona Richard G. Scott dia nijoro ho vavolombelona momba ny lanjan’ny soratra masina:

“Ny soratra masina dia toy ny fonosam-pahazavana izay manazava ny saintsika ary manome toerana ho an’ ny fitarihana sy ny fanentanam-panahy avy any ambony. Afaka ny ho tonga fanalahidy izy ireo izay hanokatra ny lalam-pifandraisana amin’ ny Raintsika any An-danitra sy amin’ilay Zanaka Malalany, i Jesoa Kristy.

“Afaka ny ho tonga namana mahatoky izay azo atonona izy ireo na aiza na aiza, na oviana na oviana. Eo foana izy ireo rehefa ilaina. Ny fampiasana azy ireo dia manome fototry ny fahamarinana izay azon’ny Fanahy Masina hamafisina. Sahala amin’ny mameno fitoerana antontan-taratasy amin’ny alalan’ny namana, ny soatoavina ary ny fahamarinana, izay azo antsoina amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra manerana izao tontolo izao ny fianarana, ny fisaintsainana, ny fandalinana ary ny fanaovana tsianjery ny soratra masina. …

“Afaka ho tonga fanalahidy hahazoana fanambarana sy fitarihana ary fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina ny fisaintsainana ny andalan-tsoratra masina iray. Afaka mampitony ny fanahy mikorontana, manome fiadanana, sy fanantenana ary famerenana ny fahatokian-tena amin’ny fahaiza-manao ananan’ny tena hanoherana ny fanambin’ny fiainana ny soratra masina. Manana hery mahery vaika manasitrana ny fanamby ara-pihetseham-po koa izy ireny rehefa mifototra amin’ny finoana ny Mpamonjy. Afaka manafaingana ny fanasitranana ara-batana koa izy ireny” (“Ny herin’ny soratra masina,” Liahona, nôv. 2011, 6).

Tokony havaozina isan’andro ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika.

Nampianatra ny Filoha Harold B. Lee hoe: “Izay anananao androany ao amin’ny fijoroana ho vavolombelonao dia tsy ho anao intsony rahampitso raha tsy manao zavatra momba izany ianao” (Teachings of Presidents of the Church: Harold B. Lee Lee [2000], 43).

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà tantara sy ohatra mba hampianarana fitsipiky ny filazantsara. Maro amin’ireo fahamarinana mandrakizay ao amin’ny soratra masina no ampianarina amin’ny alalan’ny zavatra niainan’ny olona na ireo tantara ao anatin’izany. Rehefa miomana hampianatra ianao dia eritrereto ireo zavatra niainanao izay azonao ampiana ho fijoroana ho vavolombelona faharoa amin’ireo tantara ao amin’ny soratra masina sy ireo fitsipika ampianarin’izany. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 22