Seminera sy Institiota
Ho an’ireo mpitarika: Manampy ireo mpampianatra mba hahomby


“Ho an’ireo mpitarika: Manampy ireo mpampianatra mba hahomby” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy: Ho an’ireo rehetra izay mampianatra any an-tokantrano sy any am-piangonana (2022)

“Ho an’ireo mpitarika: Manampy ireo mpampianatra mba hahomby,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Sary
Kilasin’ny Sekoly Alahady

Ho an’ireo mpitarika: Manampy ireo mpampianatra mba hahomby

Fifanakalozana atao amin’ny tsirairay

Matetika ny fomba tena tsara mba hanomezana ireo zavatra ilain’ireo mpampianatra dia amin’ny alalan’ny fifampiresahana mitokana amin’ny tsirairay. Ohatra, amin’ny maha-mpitarika anao dia afaka miresaka vetivety amin’ny mpampianatra anankiray ianao alohan’ny fotoam-pianarana na aorian’izany mba hifanakalozana hevitra momba ireo fitsipika ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Afaka miomana amin’izany fifanakalozan-kevitra izany ianao amin’ny alalan’ny fijerena an’ilay mpampianatra mampianatra. Katsaho ny hahatakatra tsara kokoa ny tanjak’ireo mpampianatra sy hahita fomba hahafahanao manolotra fanohanana.

Ny fiankinana amin’ireo tanjaka ananan’ny mpampianatra iray dia manan-danja tahaka ny fitadiavana ireo fomba ahafahana mitondra fivoarana koa. Tsara ny manomboka ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo mpampianatra amin’ny alalan’ny fangatahana azy ireo mba handinika manokana izay zavatra efa mandeha tsara sy ny zavatra tsapan’izy ireo fa azo hatsaraina.

Rehefa mihaona amin’ireo mpampianatra ianao dia mitadiava fomba hampatanjahana sy hampaherezana azy ireo amin-katsaram-panahy sy amim-pankasitrahana ireo asa fanompoana ataon’izy ireo.

Fivoriana filankevitry ny mpampianatra

Ny paroasy tsirairay dia tokony hanao fivoriana filankevitry ny mpampianatra isan-telo volana izay ahafahan’ireo mpampianatra mifampaka hevitra mikasika ireo fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy. Azo tanterahina ho an’ireo ray aman-dreny koa ny fivoriana filankevitry ny mpampianatra (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 13.5, ChurchofJesusChrist.org).

Inona no fotoana tokony hanatanterahana ireo fivoriana ireo?

Ny fivoriana filankevitry ny mpampianatra dia atao mandritra ilay fotoam-pianarana 50 minitra ny alahady.

  • Ireo mpampianatra ao amin’ny Fisoronana sy ny Fikambanana Ifanampiana ary ny Zatovovavy dia afaka manatrika izany ny alahady voalohany na ny alahady fahatelo, araka izay tapak’ireo mpitarika eo an-toerana.

  • Ny mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady dia afaka manatrika izany na ny alahady faharoa na ny alahady fahaefatra, araka izay tapak’ireo mpitarika eo an-toerana.

  • Ny mpampianatra ao amin’ny Kilonga dia afaka manatrika izany amin’izay alahady safidin’izy ireo, araka izay tapak’ireo fiadidian’ny Kilonga sy ny Sekoly Alahady ao amin’ny paroasy. Raha tian’izy ireo, dia afaka mivory mitokana fa tsy miaraka amin’ireo mpampianatra hafa ny mpampianatra ao amin’ny Kilonga mba hifampila hevitra momba ireo lafiny miavaka eo amin’ny fampianarana ny ankizy. Azo tanterahina mandritra ilay 20 minitra hanaovana ny fotoam-pihirana izany, na alohan’ireo fivoriana mahazatra isaky ny alahady na aorian’izany, na amin’ny andro hafa ao anatin’ny herinandro. Azo atao ny manao fivoriana filankevitry ny mpampianatra mihoatra ny iray mandritra ny telo volana iray ho an’ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga mba tsy hisian’ny hoe miaraka tsy manatrika ny kilasin’ny Kilonga daholo ny mpampianatra rehetra ao amin’ny Kilonga. (Fanamarihana: Raha ilaina dia manendry mpampianatra mpisolo toerana, na manambatra ireo kilasy, na manao fandaminana hafa ny fiadidian’ny Kilonga mba hanomezana fahafahana an’ireo mpampianatra hanatrika ireo fivoriana filankevitry ny mpampianatra.)

  • Ny fivoriana filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo ray aman-dreny dia azo tanterahina amin’izay andro alahady mampety izany, izay tapahan’ny filankevitry ny paroasy.

Iza avy no tokony hanatrika?

Ny olona rehetra mampianatra kôlejy iray na kilasy iray ao amin’ny paroasy dia tokony hanatrika izany miaraka amin’ny iray farafahakeliny amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana na mpitarika ao amin’ny rafitra izay manana andraikitra eo anivon’ireo kôlejy na ireo kilasy. Raha ilaina dia azo zaraina ho vondrona vitsivitsy ireo mpandray anjara araka izay zavatra ilain’ireo olona ampianarin’izy ireo. Ohatra, ireo mpampianatra ny zatovo na ny ankizy dia mety mahazo tombontsoa avy amin’ny fivoriana mitokana indraindray mba hifanakalozana hevitra mikasika ireo olana manokana mahakasika ny fampianarana ny zatovo na ny ankizy.

Ho an’ny fivoriana filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo ray aman-dreny, dia ny filankevitry ny paroasy no manapaka raha toa ka hanasa ray aman-dreny manokana na hanome fahafahana an’izay rehetra te handray anjara mba hanatrika izany.

Iza no mitarika ireo fivoriana ireo?

Ny filankevitry ny paroasy miaraka amin’ny fanampian’ny fiadidian’ny Sekoly Alahady no mandrindra ireo fivoriana filankevitry ny mpampianatra. Miara-mifampidinika izy ireo mikasika ny zavatra ilain’ireo mpampianatra izay mifototra amin’ny zavatra hitan’izy ireo tany amin’ireo kilasy sy fivoriana. Miara-miasa izy ireo mba hanapahana hoe inona avy ireo fitsipika sy fomba fanao avy ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy izay tena manolotra ireo zavatra ilaina izay hitan’izy ireo.

Raha ny tokony ho izy dia ny filohan’ny Sekoly Alahady no mitarika ireo fivoriana. Azo tendrena anefa ireo mpikambana hafa ao amin’ny paroasy mba hitarika ireo fivoriana indraindray. Hamafisin’ireo fiadidian’ny kôlejy sy ireo rafitra miaraka amin’ireo mpampianatra ao amin’izy ireo ireo fitsipika sy fomba fanao nifampiresahana nandritra ny fivoriana.

Inona no tokony hitranga mandritra ny fivoriana filankevitry ny mpampianatra?

Ny fivoriana filankevitry ny mpampianatra dia tokony hanaraka ity lamina ity:

  • Miaraha mizara sy maka hevitra. Asao ny mpampianatra mba hizara ireo zavatra niainany vao haingana teo amin’ny lafiny fampianarana, sy hametraka fanontaniana mifandray amin’ny fampianarana ary hizara hevitra momba ny fandresena ireo olana. Ity ampahany amin’ilay fivoriana ity dia azo ampidirana ny fanaovana jery todika an’ireo fitsipika noresahina tany amin’ireo fivoriana teo aloha.

  • Miaraha mianatra. Asao ireo mpampianatra hifanakalo hevitra mikasika ireto fitsipika manaraka ireto izay novelabelarina ao amin’ity loharanom-pitaovana ity: mifantoha amin’i Jesoa Kristy, tiavo ireo izay ampianarinao, mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy, ampianaro ny fotopampianarana ary ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana. Azo resahina araka izay filaharana tiana hanaovana azy ireo fitsipika ireo ary afaka misafidy izay fitsipika manaraka horesahina ireo mpandray anjara ao amin’ilay fivoriana raha tsy hoe ny filankevitry ny paroasy no mitarika izany. Afaka manokana fivoriana mihoatra ny anankiray ianao mba hifantohana amin’ny fitsipika iray raha ilaina izany.

  • Manaova drafitra ary manolora fanasana. Ampio ireo mpampianatra hanao drafitra ny fomba hampiharan’izy ireo ilay fitsipika nifanakalozanareo hevitra. Raha azo atao dia afaka miaraka manao fampiharana fahaiza-manao iray izay nifanakalozanareo hevitra ianareo. Asao izy ireo hirakitra izay fahatsapana voarainy mikasika ny fomba hampiharana ilay fitsipika ao anatin’ny fampianarany ary mba handray andraikitra eo anatrehan’izany, tafiditra ao anatin’izany koa ny mikasika ny fomba hampiharana ilay fitsipika ao anatin’ny ezaka ataon’izy ireo mba hampianatra any an-tokantranony. Amporisiho izy ireo mba hanomboka handalina ny fitsipika manaraka hifanakalozana hevitra.

Tokony hanao fampisehoana araham-panazavana araka izay azo atao an’ireo fitsipika nifanakalozan-kevitra ny fivoriana filankevitry ny mpampianatra.

Sary
zatovovavy mifamihina

Ity loharanom-pitaovana ity dia afaka manampy anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny fampianarana araka ny fomban’i Kristy.

Fanofanana ireo mpampianatra vao nantsoina

Amin’ny maha-mpitarika anao dia manana andraikitra ianao mba “hivory hiaraka amin’ireo mpampianatra vao nantsoina” ao amin’ny rafitra sahaninao ary mba “hanampy azy ireo hiomana amin’ny antson’izy ireo” (Boky torolalana maneran-tany, 17.3, ChurchofJesusChrist.org). Ireo fivoriana ireo dia fahafahana iray mba hampahafantarana an’ireo mpampianatra vaovao ny antso masin’izy ireo sy mba hitaomana azy ireo hahazo sary an-tsaina ny dikan’ny hoe mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Amin’ny maha-mpitarika anao dia afaka manampy ireo mpampianatra vaovao ianao mba hanompo amin’ny alalan’ny fanaovana ireto zavatra manaraka ireto:

  • Maneho fatokiana fa hanampy azy ireo ny Mpamonjy ao amin’ny antson’izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:74).

  • Omeo tahadikan’ity loharanom-pitaovana ity ireo mpampianatra vaovao ary ampirisiho izy ireo mba hitady fomba hampiharana ireo fitsipika ao anatiny mandritra ny fampianarana ataon’izy ireo.

  • Zarao amin’ireo mpampianatra vaovao izay zavatra momba ny rafitra sahaninao ka tsara ho fantatr’izy ireo.

  • Raha ilaina dia lazao amin’ireo mpampianatra vaovao ny efitrano hampianarana ary ny lesona voalohany ampianarina. Omeo azy ireo izay fampahalalana ilainy momba ny kilasin’izy ireo sy ireo olona ao amin’ny kilasiny.

  • Hazavao amin’ireo mpampianatra vaovao fa afaka manampy azy ireo ianao amin’ny antson’izy ireo. Manolora fanohanana ao an-dakilasy ary fahafahana mampiasa ireo loharanom-pitaovana raha ilaina.

  • Manolora hevitra ny mba hanatrehanao ny kilasin’ireo mpampianatra indraindray ary manomeza fanamarihana rehefa bitsihin’ny Fanahy ianao.

  • Asao ireo mpampianatra handray anjara amin’ny fivoriana filankevitry ny mpampianatra fanao isan-telo volana.