Seminera
Tombano ny fianaranao 1: Mosesy 1– Genesisy 11


“Tombano ny fianaranao 1: Mosesy 1–Genesisy 11,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Tombano ny fianaranao 1: Mosesy 1–Genesisy 11,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Genesisy 6–11; Mosesy 8: Lesona 21

Tombano ny fianaranao 1

Mosesy 1Genesisy 11

Payson High School Seminary

Ny fisaintsainana sy ny fanombanana ny fianarantsika ara-panahy dia afaka manampy antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hisaintsaina ireo tanjona napetrak’izy ireo sy ny fivoarana niainany nandritra ny fandalinany ny Mosesy 1 hatramin’ny Genesisy 11.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra ho tonga vonona hizara ny zavatra nianarany na ny fomba nitomboany ara-panahy hatramin’ny nanombohan’ny fandalinana ny Testamenta Taloha sy ny Voahangy Lafo Vidy tamin’ity taona ity. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hamerina hijery ny diary fandalinany na ireo fanamarihana ao amin’ny soratra masiny mba hanampiana azy ireo hahatsikaritra ny fitomboany sy ny fianarany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny fandalinan’ny iray kilasy momba ny Mosesy 1 hatramin’ny Genesisy 11 dia mety nifantoka tamin’ny vokatra hafa noho ireo izay nodinihina tamin’ity lesona ity. Raha izany no izy, dia ampifanaraho ireo sahanasa mba hanombanana ny fivoaran’ireo mpianatra avy amin’ny vokatra nifantohany.

Hanana fahafahana hanombana ny fivoarany ireo mpianatra amin’ity lesona ity, eo amin’ny lafiny:

  1. Fampiorenana lalina ny fiovam-pon’izy ireo ho an’i Jesoa Kristy sy ny fahatongavany ho mpianany.

  2. Fandalinana ny soratra masina isan’andro.

  3. Fanazavana ny vokatry ny Fahalavoana sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpanavotra antsika Azy. (Fanamarihana: ity sahanasa ity dia mifototra amin’ny Lesona 11: “Mosesy 4:5–32; 5:1–15, Tapany 1” sy ny lesona 12: “Mosesy 4:5–32; 5:1–15, Tapany 2.”)

  4. Fampitomboana ny fanirian’izy ireo hanatanteraka ny fahafahany ho lasa tahaka an’ Andriamanitra sy ny tanjony eo anatrehan’izany. (Fanamarihana: ity sahanasa ity dia mifototra amin’ny lesona 3: “Abrahama 3,” ny lesona 4: “Mosesy 1:1–11,” ny lesona 5: “Mosesy 1:12–26,” ary ny Lesona 8: “Genesisy 1:26–27.”)

Fampiorenana lalina ny fiovam-po ho an’i Jesoa Kristy sy ny fahatongavany ho mpianany

Asehoy ity sarin’ny vahoakan’i Enoka manaraka ity mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa mitaky fotoana ny fitomboana ara-panahy.

Asao ireo mpianatra hamaky ny Mosesy 7:18–21 mba hampahatsiahivana azy ireo ny fivoarana ara-panahin’ny vahoakan’i Enoka talohan’ny nampiakaran’i Tompo azy ireo tany an-danitra.

The Old Testament prophet Enoch and people from the City of Zion being translated.  The people are depicted kneeling on a cloud.  Enoch has his arms raised in the air.
  • Inona no manaitra anao avy amin’io famariparitana ny vahoakan’i Enoka io?

Voalaza ao amin’ny andininy 21 fa “rehefa afaka elaela, [dia] nakarina ho any an-danitra [izy ireo].” Vakio ny Mosesy 7:68 hahitana hoe hafiriana izany “afaka elaela” izany.

  • Inona no azon’izany ampianarina antsika mikasika ny fitomboana ara-panahy amin’ny maha-mpanara-dia an’ny Mpamonjy antsika?

    Amporisiho ireo mpianatra mba hankalaza ny fandrosoan’izy ireo amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy azy ireo, na dia maharitra kokoa noho izay niriany aza izany. Hitarika ho amin’ny fifandraisana amin’ny Mpamonjy tahaka ny nitomboan’ny vahoakan’i Enoka Taminy ny fandrosoana miadana sy matotra amin’ny farany, rehefa mandeha ny fotoana.

    Asao ireo mpianatra hanao jery todika ny fivoaran’izy ireo ara-panahy sy ny fianarany nandritra ny volana vitsivitsy lasa. Azon’izy ireo atao ny manandrana mamantatra na dia ny fandrosoana toa kely aza eo amin’ny fahalalany sy ny faniriany ary ny zavatra nataony izay nanampy azy ireo ho tonga mpanara-dia an’i Jesoa Kristy manolo-tena kokoa. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hijery ny diary fandalinany na ny fanamarihana ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Azonao atao ny maneho na mametraka fanontaniana toy izao manaraka izao, raha toa ka manampy ireo mpianatrao hahatsikaritra ny fivoarany izany:

  • Inona no nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay manan-danja aminao?

  • Inona avy ireo fomba nahafahanao nanakaiky kokoa Azy Ireo?

  • Inona no zavatra nampiharinao avy tamin’ny fandalinanao soratra masina mba hanampiana anao amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy anao?

Asao ireo izay manolo-tena hizara ny fandrosoana izay hitan’izy ireo amin’ny tenany, aorian’ny fotoana hisaintsainana.

Fandalinana ny soratra masina isan’andro

Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa ny famakiana ny Mosesy 1–5; Abrahama 1–3; ary ny Genesisy 37, 39, 41 dia takina mba hahazoana ny isa tratrarina ho an’ny seminera amin’ity enim-bolana ity. Nofantenana tamim-pitandremana ireo toko ireo noho ny halalin’ny fotopampianarana sy ny hevitra feno fonosiny.

Fanampin’izany, entanina ireo mpianatra mba hanao tanjona manokana amin’ny fandalinana ny soratra masina. Tsy takina mba hahazoana isa tratrarina io tanjona io, fa hanampy azy ireo hahazo hery isan’andro ao amin’ny tenin’ Andriamanitra. Amporisiho izy ireo hametraka tanjona anio, raha tsy mbola nanao izany. Afaka manitsy io tanjona io izy ireo amin’ny fotoana rehetra.

Omeo taratasy kely ireo mpianatra tsirairay mba hanampiana azy ireo amin’ny fanatontosana ny tanjon’izy ireo amin’ny famakiana sy ny fianarana samirery. Hatolotr’izy ireo io taratasy io any amin’ny faran’ny fotoam-pianarana. Azonao atao ny mampiasa ny fampahalalana omeny ao amin’ny taratasiny mba hamporisihana araka ny tokony ho izy ireo mpianatra tsirairay amin’ny tanjony. Azonao atao ny mampiseho ireto manaraka ireto ho soso-kevitra momba ny zavatra tokony hampidirina ao amin’ny taratasiny.

  1. Ny anaranao.

  2. Ireo toko takiana efa novakianao.

Raha misafidy ny hizara ny tanjonao amin’ny fianarana samirery amin’ny mpampianatra ianao dia ampidiro koa hoe:

  1. Inona no tanjonao ary ahoana ny fandrosoanao amin’izany.

  2. Ahoana no hanampian’ny tanjonao anao hianatra ny filazantsara sy hahafantatra an’i Jesoa Kristy.

Azonao atao ny mangataka ireo izay manolo-tena hizara ny valim-panontanian’izy ireo amin’ireo fanontaniana roa farany amin’ny iray kilasy, na asaivo mizara ao anatina vondrona kely kokoa ireo mpianatra. Raha manao izany ianao dia makà antoka fa fantatr’ireo mpianatra fa tsy voatery mizara ny tanjony amin’ny fandalinany soratra masina izy ireo raha tsy te hanao izany. Tsy tokony hahatsiaro ho voatery hizara mihitsy ireo mpianatra.

Fanazavana ny vokatry ny Fahalavoana sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpanavotra antsika Azy

Zava-dehibe amin’ny fahatakarana ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fahatakarana ny vokatry ny Fahalavoana sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpanavotra antsika amin’ny Fahalavoana Azy Kanefa ireo fahamarinana manan-danja ireo dia mety ho sarotra takarina sy hazavaina azy amin’ny hafa.

Hevero ny hanome fotoana ireo mpianatra hanaovany topimaso ireo kiboky noforoniny ao amin’ny lesona 11: “Mosesy 4:5–32; 5:1–15, Tapany 1” sy ny lesona 12: “Mosesy 4:5–32; 5:1–15, Tapny 2.” (Eritrereto ny mampiseho voankazo singany iray sy ny sarin’i Jesoa Kristy ho fomba tsotra hita maso hampahatsiahivana ireo mpianatra ireo tantara ao amin’ny soratra masina ireo, raha toa ka tsy nanao kiboky ireo mpianatra. Afaka manao topimaso vetivety ny Mosesy 4:6–13, 22–25; 5:8–12 ireo mpianatra avy eo mba hiomanana amin’ny fifanakalozan-kevitra etsy ambany.)

Miomàna hanazava ireto manaraka ireto amin’ny alalan’ny teninao manokana:

  1. Ny safidin’i Adama sy i Eva izay nahatonga ny Fahalavoana

  2. Ny vokatry ny Fahalavoana teo amin’i Adama sy i Eva, ary ny fiantraikan’ireo vokatra ireo amintsika rehetra hatramin’izao

  3. Ny nilana ny Fahalavoana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra

  4. Ny zavatra nataon’ny Mpamonjy mba hanavotana antsika amina zavatra voafaritra manokana nateraky ny Fahalavoana

Asao ireo mpianatra hisafidy namana iray. Asaivo manazava amin’ilay namany ny teboka 1 sy 2 ny mpianatra iray. Asao ilay mpianatra iray hafa avy eo hanazava ny teboka 3 sy 4.

Rehefa vitany izany dia mety hanasa azy ireo ianao hanao ilay sahanasa indray mandeha, ary amin’ity indray mitoraka ity dia mifamadika hoe iza no manazava ny teboka faha firy.

Fampitomboana ny faniriantsika hanatanteraka ny fahafahantsika ho lasa tahaka an’ Andriamanitra sy ny tanjona eo anatrehan’izany

Mety nanana traikefa fianarana maromaro mifantoka amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra azy sy ny tanjony ho lasa tahaka an’ Andriamanitra ireo mpianatra nandritra ny fandalinany vao haingana ny Testamenta Taloha. Omeo fahafahana ireo mpianatra hisaintsaina ny fiantraikan’ireo fahamarinana nianarany tamin’ny faniriany hanatratra ny fahafahan’izy ireo ho lasa tahaka an’ Andriamanitra.

Old Testament Lesson 21 - Identity

Manaova sarin’olona tsotsotra iray afaka maneho anao. Soraty ao anatin’io sarin’olona tsotsotra io na eo akaikiny ireo fahamarinana momba ny fahafahanao ho lasa tahaka an’ Andriamanitra izay nianaranao vao haingana tao amin’ny Testamenta Taloha. Ataovy manondro ny tenanao manokana ireo teny ireo amin’ny fampiasana “izaho” na “aho” raha azo atao. Ireto misy soratra masina vitsivitsy azonao ampiasaina:

Abrahama 3:22–23

Mosesy 1:1–11

Mosesy 1:12–24

Genesisy 1:26–27

Ireto manaraka ireto dia fahamarinana sasantsasany mety ho soratan’ireo mpianatra: Notsoahina avy amin’ny lesona 3, 4, 5, ary 8 izy ireto.

Andriamanitra dia nifidy ahy tamin’ireo fanahy ambony sy lehibe izay teraka ankehitriny (Abrahama 3:22–23).

Amin’ny maha zanak’ Andriamanitra ahy dia manana asa hampanaovina ahy manokana Izy (Mosesy 1:6).

Satria aho zanakavavy na zanakalahin’ Andriamanitra dia afaka mahita hery ao Aminy hanoherana ny fakam-panahy (Mosesy 1:13, 16).

Satria nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra aho dia afaka ny ho tonga tahaka Azy (Genesisy 1:26–27).

Azonao atao ny misafidy ny iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto mba hataon’ireo mpianatra iray kilasy na ao anatina vondrona kely vitsivitsy, mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra ny fomba hanampian’ireo fahamarinana ireo azy ireo. Na azonao atao koa ny manasa ireo mpianatra hisafidy izay sahanasa tiany hatao.

Safidy A: Mamariparitra toe-javatra vitsivitsy ka ny fahalalana ireo fahamarinana ireo dia mety hanampy anao eo am-piatrehana izany. Fantaro ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana ireo manampy olona iray amin’ny toe-javatra tsirairay.

Safidy B: Fenoy ireto andian-teny manaraka ireto:

Manampy ahy ny fahafantarana ireo fahamarinana ireo rehefa

  • Mieritreritra ny momba ny tenako aho satria …

  • Miatrika fakam-panahy aho satria …

  • Mifandray amin’ny hafa aho satria …

  • Manapa-kevitra aho satria …

Rehefa vitan’ireo mpianatra izany dia asao ireo mpianatra hirakitra ao amin’ny diary fandalinany izay eritreritra na zavatra niainany mikasika ny fiantraikan’ireo fahamarinana ireo tamin’ny faniriany hanatanteraka ny fahafahany ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Mety hanasa ireo mpianatra koa ianao hirakitra ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana ireo mitaona azy ireo amin’ny toe-javatra ho avy izay hatrehiny.

Asao izay mpianatra vonona hizara avy amin’ny zavatra nosoratany, rehefa vitan’izy ireo izany.