“Genesisy 12–17; Abrahama 1–2: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Genesisy 12– 17; Abrahama 1– 2: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Genesisy 12–17; Abrahama 1–2
Genesisy 12–17; Abrahama 1–2
Topimaso
Nikatsaka ny Tompo i Abrahama ary naniry ny ho mpandala ny fahamarinana. Nanao fanekempihavanana ny Tompo fa hanome tany sy taranaka ary ireo fitahian’ny fisoronana an’i Abrahama. Hanana andraikitra hitahy ny firenena rehetra ambonin’ny tany amin’ny alalan’ireo fitahian’ny filazantsaran’ny Mpamonjy ny taranak’i Abrahama. Fantatra amin’ny hoe ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama io fanekempihavanana io. Afaka mandray ireo fitahiana sy andraikitra entin’ny fanekempihavana natao tamin’i Abrahama isika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy antsika.
Ampio ireo mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary hanao zavatra mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Afaka manampy ireo mpianatra hamantatra sy hanao asa araka ny fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina ny mpampianatra. Fomba iray hanaovana izany ny fametrahana fanontaniana izay manampy ireo mpianatra hanao zavatra araka ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Nanampy ireo mpianatra koa ny Mpamonjy hanao zavatra mifanaraka amin’ny fanambarana amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana amin’izy ireo. Hita ao amin’ny Lesona 24 ny ohatra iray amin’ny fomba hanampiana ny hafa hanao zavatra araka ny fanambarana: “Abrahama 2:9–11.” Jereo ny “Ny Mpamonjy dia nanampy ny hafa hikatsaka sy hamantatra ny fanambarana ho an’ny tena manokana ary handray andraikitra eo anatrehan’izany” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 18) raha te hianatra misimisy kokoa.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Abrahama 1
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa fanantenana fa ny Ray any An-danitra dia afaka manampy azy ireo hahazo fitahiana izay tiany horaisin’izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hanao ny lisitr’ireo zavatra irian’izy ireo indrindra eo amin’ny fiainana ary hieritreritra ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra momba ny zavatra irian’izy ireo indrindra.
-
Horonan-tsary: “Deliverance of Abraham” (1:38); “Fanantenana mamirapiratra tonga lafatra” (17:45) manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 11:09 hatramin’ny 11:38
Genesisy 12, 17
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hanazava ny fanekempihavana natao tamin’i Abrahama sy ny fifandraisan’izany amin’izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hikaroka ny “Fanekempihavanan’i Abrahama” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile na Torolalana ho an’ny Soratra Masina ka ho vonona hizara ny zavatra hitany.
-
Votoatin-javatra haseho: Ny tabilao misy tsanganana roa eo ambanin’ny lohateny hoe “Inona no atao hoe fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama?”; ireo andalan-tsoratra masina mifandray amin’ny tsanganana tsirairay
Abrahama 2:9–11
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hanao asa araka ny andraikitra nomen’ny Tompo azy ireo amin’ny maha-taranak’i Abrahama azy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ireto fanontaniana manaraka ireto ary hifanakalo hevitra momba izany amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana: Nahoana no manan-danja aminao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Nahoana araka ny eritreritrao no ilain’ny olona rehetra izany?”
-
Horonan-tsary: “Becoming a Missionary” (17:07) manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 15:00 hatramin’ny 15:27
-
Taratasy zaraina: “Manatanteraka ireo andraikitra ao anatin’ny Fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama”