“Genesisy 1:26–27: ‘Nahary ny olona araka ny endriny Andriamanitra,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Genesisy 1:26–27: ‘Nahary ny olona araka ny endriny Andriamanitra,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5: Lesona 8
Genesisy 1:26–27
“Nahary ny olona araka ny endriny Andriamanitra”
Tamin’ny andro fahenin’ny famoronana dia namorona ny lehilahy sy ny vehivavy Andriamanitra. Ny olona tsirairay eto an-tany dia zanakalahy na zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra avokoa ary manana toetra sy anjara masina. Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fiizin’izy ireo, sy ny hery anaty ananan’izy ireo amin’ny maha zanakalahy sy zanakavavin’ny ray aman-dreny any an-danitra azy ireo.
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitadidy na hamerina hijery ireo andalana voalohany amin’ny fanevan’ny Zatovovavy sy ny Fisoronana Aharôna ary hisaintsaina ny hevitry ny fanambarana tsirairay:
Sahanasa fianarana azo atao
Ny fiizina sy ny famantarana
Manaova sarina tetiandro eny amin’ny solaitrabe ary asao hamorona ny azy ireo manokana ny mpianatra ao amin’ny diary fandalinany. Misy tetiandro santionany omena eo ambany.
Manaova tsipika marindrano maneho ny fiainanao ary mariho eo ireo famantarana na anaram-boninahitra isan-karazany niantsoana anao taloha na amin’izao, na antenaina hiantsoana anao amin’ny hoavy. Mety ho tafiditra amin’izany ny hoe “namana”, “mpianatra”, na ny toeranao any am-piasana na anarana hafa niantsoana anao. Ity misy ohatra iray:
-
Inona avy ny famantarana na toerana notananao nosafidianao hosoratana eo amin’ny tetiandronao? Nahoana?
-
Amin’ny fomba ahoana no mety hisy vokany amin’ny safidinao ireo famantarana na toerana notananao ireo?
Nanazava ny mety ho fiantraikan’ny fomba hamantarana ny tenantsika amintsika ny Filoha Nelson M.
Mety mahafinaritra ireo famantarana ary manondro ny fanohananao ho amin’ny zavatra tsara maro dia maro. Sary famantarana maro no hiova ho anao rehefa mandeha eny ny fotoana. Tsy mitovy ny lanjan’ny sary famantarana rehetra. Saingy raha misy marika manolo ireo famantarana anao manan-danja indrindra, dia mety ho hanempotra ara-panahy ny vokatr’izany. (“Safidy ho an’ny mandrakizay” [Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 15 mey 2022], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)
-
Nahoana no mety hanimba ara-panahy ny famantarana sasany, araka ny hevitrao?
Zanaky ny ray aman-dreny any An-danitra
Vakio ny Genesisy 1:26–27 sy ity fanambarana manaraka ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” ity, ka tadiavo ny hevi-baovao azo ianarana momba ny fiizinao mandrakizay.
Ny Genesisy 1:26–27 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.
Ny olombelona rehetra—ny lahy sy ny vavy—dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra. Ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, sy amin’izao fiainana an-tany izao, ary any amin’ny mandrakizay. (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org)
-
Inona avy ireo hevi-baovao fantatrao mahakasika ny fiizinao mandrakizay?
Fahamarinana iray mety hitan’ny mpianatra ny hoe zanakalahy sy zanakavavin’ny ray aman-dreny any an-danitra isika, ary noforonina araka ny endrik’izy ireo. Raha mbola tsy nanao izany izy ireo, dia asao ny mpianatra hanoratra hoe “Zanak’ Andriamanitra” eo amin’ny tetiandro nataon’izy ireo.
-
Aminao manokana, inona no dikan’ny hoe nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra?
Nizara izao hevi-baovao manaraka izao momba ny famoronana araka ny endrik’ Andriamanitra ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018).
Andriamanitra Raintsika dia manana sofina hihainoana ny vavaka ataontsika. Manana maso hijerena ny asantsika Izy. Manana vava hiresahana amintsika Izy. Manana fo hahatsapana fangorahana sy fitiavana Izy. Tena misy Izy. Velona Izy. Zanany isika, nohariana araka ny endriny. Mitovy endrika Aminy isika ary Izy dia maka ny endritsika. (“I Know That My Redeemer Lives,” Ensign, Aprily 1990, 6)
-
Araka ny hevitrao, nahoana no zava-dehibe ny mametraka ny fiizinao amin’ny maha zanak’ Andriamanitra ho ambonin’ny famantarana hafa anananao?
Omeo fotoana hisaintsainana ny maha-zava-dehibe ny fiiziny amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra azy ireo amin’izao fotoana izao ny mpianatra. Ny fanaovana izany dia afaka manasa ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana na manampy amin’ny fanomanana ny saina sy ny fon’ny mpianatra mba ho ampianarina.
-
Inona avy ireo sakana mety hanasarotra ny finoana na fitadidiana ny fiizinao amin’ny maha zanak’ Andriamanitra, nohariana araka ny endriny anao?
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra tamin’ilay fanontaniana teo aloha. Mety ho hita amin’ny valitenin’izy ireo fa tsy takatry ny olona sasany ny antony maha-zava-dehibe ny hoe zanak’ Andriamanitra, na sarotra amin’izy ireo ny mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra, na mety variana amin’ny famantarana hafa tsy dia manan-danja loatra izy ireo. Raha manana fanontaniana momba ny maha-lahy na ny maha-vavy ny mpianatra, dia araho ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy rehefa mampianatra ny fotopampianarany ianao, izany hoe amin’ny fomba iray izay mitondra fahatakarana sy fanantenana ary fanasitranana. Mijoroa ho vavolombelona fa tia ny zanany rehetra Andriamanitra ary hanampy ny mpianatra hamaly ny fanontanian’izy ireo rehefa mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy izy ireo.
Mba hahitana hevitra iray momba ny fomba hanampiana ny mpianatra amin’ny fanontaniana momba ny maha-lahy na ny maha-vavy, dia jereo ny Sahanasa Fianarana Fanampiny.
Tenin’ny soratra masina sy ny mpaminany
Omeo an’ilay taratasy zaraina mitondra lohateny hoe “Zanaky ny Ray aho” ny mpianatra. Asao hikatsaka aingam-panahy avy amin’ Andriamanitra ny mpianatra rehefa mandalina, mba hanampiana azy ireo hamantatra ny lanjan’ny fiizin’izy ireo araka an’ Andriamanitra. Ankoatra ilay taratasy zaraina, dia azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hamerina hijery ireo fampianarana hita ao amin’ireo fanevan’ny Zatovovavy sy ny Fisoronana Aharôna. Afaka manao izany samirery na anatina vondrona kely ny mpianatra.
Rehefa nahavita ny fandalinana ny mpianatra, dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny zavatra nianarany amin’ny iray kilasy na amin’ny vondrona kely. Azonao atao koa ny mametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto:
-
Inona ny zavatra nianaranao tamin’ny loharanom-pitaovana nohalalininao, ka tena nisy heviny taminao?
-
Amin’ny fomba ahoana no miantraika amin’ny fomba fahitanao ny tenanao sy ny hafa ny fahafantarana ny fiizinao amin’ny maha zanak’ Andriamanitra anao?
-
Amin’ny fomba ahoana no miantraika amin’ny fiainanao ny fahafantarana ny fiizinao sy ny hery anaty anananao araka an’ Andriamanitra?
Raha mahazo tombony amin’ny fahitana ohatra iray amin’ny fomba fiantraikan’ny fahafantarana ny fiiziny mandrakizay ireo ny mpianatra, dia jereo ny “Running Toward the Light” (17:34), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 11:00 hatramin’ny 15:19. Ao amin’ity horonantsary ity, ny Loholona Peter M. Johnson ao amin’ny Fitopololahy dia nizara ny zavatra niainany tamin’ny fianarana fa zanak’ Andriamanitra izy sy ny vokatry ny fahalalàna izany teo amin’ny fiainany. Aorian’ny horonantsary, dia azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nanaitra azy ireo tamin’ny hafatry ny Loholona Johnson.
Saintsaino ny fiizinao
Omeo fotoana hisaintsainana ny zavatra nianarany momba ny fiiziny sy ny hery anaty ananany amin’ny maha zanakalahy sy zanakavavin’ny ray aman-dreny any an-danitra azy ireo ny mpianatra. Asao izy ireo hanoratra ao amin’ny diary fandalinany izay fahatsapana na hevi-baovao azon’izy ireo ka tian’izy ireo hotadidina. Farano ny lesona amin’ny fihiran’ny iray kilasy ny hoe “Zanaky ny Ray aho”, ary zarao avy eo ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny maha-zanak’ Andriamanitra anao.
Manao tsianjery
Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary mamerin mijery izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Genesisy 1:26–27 dia hoe “Nahary ny olona araka ny endriny Andriamanitra.” Ireo hevitra ho an’ny asa fitadidiana dia ao amin’ireo fitaovana ao amin’ny tovana etsy ambany “Asa famerenana ny fifehezana fotopampianarana