“Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5
Genesisy 1–2Mosesy 2–3Abrahama 4–5
Topimaso
Nahary ny tany teo ambanin’ny fitarihan’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy. Tamin’ny andro fahenin’ny famoronana dia noforonina tahaka ny endrik’ Andriamanitra i Adama sy Eva. Nampiray an’i Adama sy Eva tamin’ny alalan’ny fanambadiana ny Tompo ary nandidy azy ireo hihabetsaka sy hameno ny tany.
Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo. Afaka manasa ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy mamorona fahatsapana feno fanajana ao an-dakilasy ny hira mamoha aingam-panahy. Raha te hamantatra bebe kokoa momba izany dia jereo ny “Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo,” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny Mpampianatra. Hita ao amin’ny Lesona 7: “Genesisy 1:1–25” ny ohatra iray amin’ny fomba hanaovana izany.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Genesisy 1:1–25
Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra hahatsapa fitiavana sy fankasitrahana ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mandalina ny Fahariana ny tany izy ireo.
-
Fiomanan’ny mpianatra: Asao hisaintsaina ny hakanton’ny tany sy ny zavaboarin’ Andriamanitra rehetra ny mpianatra. Asao izy ireo hitondra sary na ho vonona hiresaka momba ny zavatra iray eto amin’izao tontolo izao izay ankafizin’izy ireo.
-
Sary: Tranobe tsara tarehy izay malaza ao amin’ny faritra misy anao; tontolo manodidina mahafinaritra akaiky ny faritra misy anao
-
Votoatin-kevitra haseho: Tabilao mampiseho ny andro miisa enina voalohany amin’ny Fahariana; soratra masina ho an’ny mpianatra hohalalinina notanisaina eo ambanin’ny lohateny hoe “Ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha-Mpahary Azy”; safidy ho an’ny mpianatra notanisaina eo ambanin’ny lohateny hoe “Fanehoana fankasitrahana ho an’ny Mpahary”
-
Horonantsary: “Niaina niaraka tamin’ Andriamanitra isika” (4:00)
Genesisy 1:26–27
Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe nyfiiziny sy ny hery anaty ananan’izy ireo amin’ny maha zanakalahy sy zanakavavin’ny ray aman-dreny any an-danitra azy ireo.
-
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitadidy na hamerina hijery ireo andalana voalohany amin’ny fanevan’ny Zatovovavy sy ny Fisoronana Aharôna ary hisaintsaina ny hevitry ny fanambarana tsirairay:
-
“Zanakavavy tian’ny ray aman-dreny any An-danitra izay manana toetra araka an’ Andriamanitra sy anjara mandrakizay aho.”
-
“Zanakalahy malalan’ Andriamanitra aho ary manana asa hampanaovina ahy Izy.”
-
-
Votoatin-kevitra haseho: Tetiandro manomboka amin’ny fiandohan’ny lesona
-
Horonantsary: “Safidy ho an’ny Mandrakizay” (31:24; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 13:21 hatramin’ny 13:52); “Running Toward the Light” (17:34; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 11:00 hatramin’ny 15:18)
-
Taratasy zaraina: “Zanaky ny Ray aho”
Genesisy 1:28–31; 2:1–25
Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny anjara asa fototra ananan’ny fanambadiana sy ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra.
-
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra handalina ilay hoe “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ka hitady fampianarana izay mamaritra ny antony maha-ivon’ny fianakaviana amin’ny drafitry ny famonjenan’ ny Ray any An-danitra.
-
Votoatin-kevitra haseho: Fehezant-eny tsy feno tany am-piandohan’ny lesona; fanambarana avy amin’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”; toromarika, fanambarana, ary soratra masina ho an’ny sahanasa fandalinana eo ambanin’ny lohateny hoe “Mampianatra avy amin’ny soratra masina”; toromarika ho an’ny mpianatra mba hamoronana valiny any amin’ny faran’ny lesona