“Genesisy 1:1–25: Ny Fahariana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha (2026)
“Genesisy 1:1–25: Ny Fahariana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha
Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5: Lesona 7
Genesisy 1:1–25
Ny Fahariana
Ny fahamboniana sy hatsaran’ny tontolontsika dia mijoro ho vavolombelona momba ireo Mpahary be voninahitra izay afaka manova ny zavatra “tsy misy endrika sy foana,” (jereo ny Genesisy 1:2) ho lasa zava-mahatalanjona eto amin’ity tany ity. Hanampy ny mpianatra hahatsapa fitiavana sy fankasitrahana ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ity lesona momba ny fandalinana ny Fahariana ny tany ity.
Fiomanan’ny mpianatra: Asao hisaintsaina ny hakanton’ny tany sy ny zavaboarin’ Andriamanitra rehetra ny mpianatra. Asao izy ireo hitondra sary na ho vonona hiresaka momba ny zavatra iray eto amin’izao tontolo izao izay ankafizin’izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Fanamarihana: Na dia hita ihany koa ao amin’ny Mosesy 2 sy ny Abrahama 4 aza ny fitantarana ny Fahariana ny tany dia hifantoka amin’ny fitantarana voarakitra ao amin’ny Genesisy 1 ity lesona ity.
Ireo Mpahary sy zavatra nohariana lehibe
Ho fanombohana ny fotoam-pianarana, dia asehoy ny sarina tranobe tsara tarehy iray izay toerana faleha malaza ao amin’ny faritra misy anareo. Azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ity manaraka ity:
-
Inona no mahatonga ny olona haniry hitsidika tranobe toy ito araka ny eritreritrao?
-
Araka ny eritreritrao, inona no zavatra tsapan’ireo mpamorona tranobe tsara tarehy rehefa mankafy ny asany ny olona?
Avy eo dia azonao atao ny mampiseho sarin’ny tontolo manodidina mahafinaritra akaikin’ny faritra misy anareo. Asao ny mpianatra hanao ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo hiomana ho amin’ny lesona anio.
Eritrereto ny zavatra tsapanao na ny zavatra tonga ao an-tsainao rehefa mahita ny hatsarana sy ny hakanton’ny tany ianao. Hevero hoe impiry ianao no maka fotoana hankafizana na hankasitrahana ireo zava-mahatalanjon’ny tany ireo. Rehefa mandalina ny lesona ianao anio, dia asao am-bavaka ny Fanahy Masina hanampy anao hahatsapa fitiavana sy fankasitrahana ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy noho ny Fahariana izao tontolo izao.
Ny Fahariana
Mialoha ny hampidirana ity sahanasa fianarana manaraka ity, dia asao ny mpianatra hizara ny zavatra fantatr’izy ireo momba ny fahariana ny tany. Avy eo, resaho amin’ny mpianatra ity fehezan-teny manaraka avy amin’ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” ity. Asao ny mpianatra hanoratra ity fahamarinana ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo na ho toy ny fanamarihana ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Azonao atao koa ny manoratra izany eny amin’ny solaitrabe.
Ao amin’ny “Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” dia nianarantsika fa:
Teo ambany fitarihan’ny Rainy i [Jesoa Kristy] no nahary ny tany. (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org)
Ny Genesisy 1 dia mirakitra antsipiriany maromaro momba ny naharian’i Jesoa Kristy ny tany. Vakio ny fitantarana momba ireo vanim-potoan’ny fahariana miisa enina voalohany avy ao amin’ny Genesisy 1, ka tadiavo ny zavatra ianarantsika momba ny Mpahary sy ny fahariana.
Rehefa mandalina ireto andininy manaraka ireto ny mpianatra, dia azonao atao ny manasa azy ireo hamantatra sy hanisy marika ao amin’ny soratra masin’izy ireo ny “andron’” ny Fahariana tsirairay avy. Fomba iray hanaovana izany ny fandikana ity tabilao manaraka ity eny amin’ny solaitrabe sy ny fanomezana fotoana ny mpianatra hameno izany. Azonao atao ny mandamina ny mpianatra ho vondrona kely kokoa ary manome andian-tsoratra masina avy amin’ilay tabilao ho an’ny vondrona tsirairay mba hohalalinina.
Mety hanampy ny fanazavana fa ny teny hoe “andro” dia manondro ny vanim-potoana fahariana, fa tsy ampaham-potoana voatondro manokana (jereo ny Abrahama 4, izay hanamarihana ny vanim-potoan’ny fahariana ho “fotoana”). Fanamarihana: Ny famoronana ny lehilahy sy ny vehivavy dia hodinihina lalina kokoa ao amin’ny lesona “Genesisy 1:26–27” sy “Genesisy 1:28–2:25.”
Aza atao maharitra ela io ampahany amin’ny lesona io mba hananan’ny mpianatra fotoana ampy hifantohana amin’ilay fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha-Mpahary Azy.”
|
Andro 1: Genesisy 1:1–5 |
Nampisaraka ny hazavana sy ny haizina |
|---|---|
|
Andro 2: Genesisy 1:6–8 | |
|
Andro 3: Genesisy 1:9–13 | |
|
Andro 4: Genesisy 1:14–19 | |
|
Andro 5: Genesisy 1:20–23 | |
|
Andro 7: Genesisy 1:24–27 |
-
Inona avy ireo eritreritra na fahatsapana anananao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa nandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao?
Mety hanana fanontaniana momba ny antsipiriany sasany momba ny Fahariana ny mpianatra. Ampio izy ireo hahatakatra fa ireo fitantarana ny Fahariana dia tsy natao hanomezana fanazavana ara-bakiteny, ara-tsiansa, momba ireo dingana manokana, ireo vanim-potoana, na tranga tafiditra manodidina izany. Mety hanampy ny famakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:32–34 ary manome toky ny mpianatra fa hanambara ny zava-drehetra amin’ny fotoanany ny Mpamonjy.
Ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha-Mpahary Azy
Omeo fahafahana hanamafy kokoa ny fankasitrahan’izy ireo an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpahary Azy ny mpianatra. Fomba iray hanantaterahana izany ny manao ny sarin’ny tany eny amin’ny solaitrabe sy mampiseho ireto toko sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto mba hohalalinin’ny mpianatra. Azonao asaina izy ireo handalina ny sasany na ny rehetra amin’ireo andininy ary hankeny amin’ny solaitrabe hanoratra andian-teny manan-danja hitan’izy ireo manodidina ny sarin’ilay tany.
Rehefa mandalina ireo andininy ireo ny mpianatra, dia asao izy ireo hifantoka tsara amin’ny fomba ahafahan’ny Fanahy mijoro ho vavolombelona amin’izy ireo momba ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha-Mpahary Azy.
Mifidiana iray na maromaro amin’ireto andininy manaraka ireto mba hianarana, hitadiavana fampianarana izay afaka mampitombo ny fahatakaranao sy ny fankasitrahanao an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpahary Azy.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:1–3
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:18-20
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22–24
Asao ireo mpianatra hizara ny eritreriny. Ny fomba iray ahafahanao manao izany dia amin’ny alalan’ny famoahana ireto fanontaniana manaraka ireto mba hifanakalozan’ny mpianatra hevitra.
-
Inona no teny na andian-teny manan-danja sasantsasany avy amin’ireo andininy nohalalininareo? Nahoana?
-
Nanampy anao hianatra sy hahatsapa inona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireto andininy ireto?
Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fiantraikan’ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha-Mpahary Azy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ao anatin’io fotoana fisaintsainana io dia azonao haseho ny “We Lived with God” (4:00), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Azonao ampiasaina ihany koa ilay tantara avy amin’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”
Fanehoana fankasitrahana ho an’ilay Mpahary
Ity ampahan-desona ity dia natao hanampiana ny mpianatra haneho ny fitiavany sy ny fankasitrahany an’i Jesoa Kristy noho ny anjara asany amin’ny maha-Mpahary Azy. Mba hanampiana azy ireo hanao izany dia hevero ny hampiasa sahanasa iray na maromaro avy amin’ireto manaraka ireto. Azonao atao ny mampiseho ireo safidy nalainao ary manasa ny mpianatra hisafidy iray izay hofenoiny.
-
Manorata tononkalo na firaketana an-tsoratra ao anaty diary izay maneho fankasitrahana an’i Jesoa Kristy sy ireo zavatra nohariany.
-
Manaova sary iray izay maneho ny fahatsapanao manoloana ny Mpamonjy sy ireo zavatra nohariany.
-
Misafidiana hira iray ao amin’ny fihirana momba ny Mpamonjy sy ireo zavatra nohariany. Halalino ny tonon’ilay hira. Azonao atao ny mikaroka ny hoe “Jesoa Kristy, Mpahary” ao amin’ny fizarana fitadiavana lohahevitra ao amin’ilay fihirana. Azonao atao ny manoratra andininy fanampiny amin’ilay fihirana izay hahitana taratra ny zavatra tsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fahariana.
Rehefa nomena fotoana ampy ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany sy tsapany avy amin’ilay sahanasa.
Mitadiava fahafahana azo araraotina hampiasana ny hira masina mba hanasana ny fitaoman’ny Fanahy. Ny hira mankahery ny fanahy dia afaka miteraka fahatsapana fanajana lalina sy manampy ny mpianatra hahatsapa ny herin’ny fahamarinana ianaran’izy ireo. Raha toa ny mpianatra ka nisafidy fihirana manan-danja aminy mba hanehoana ny fitiavany sy ny fankasitrahany an’i Jesoa Kristy, dia azon’ny iray kilasy atao ny miara-mihira ny iray na maromaro amin’izany, ary azon’ny mpianatra atao ny mizara ilay andininy fanampiny nosoratan’izy ireo.
(Ho an’ny fanofanana fanampiny ho an’ireo mpampianatra momba ny fampiasana ny hira mankahery ny fanahy, dia jereo ny “Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.)
Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hamaky ilay tononkalo na ilay zavatra nosoratana tao amin’ny diariny. Azonao atao ny mampiseho ireo zavakanto noforonin’ny mpianatra ary manasa azy ireo hizara ny zavatra asehon’izany sy ny antony. Farano ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fizarana ny fahatsapanao momba ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny Fahariana.