“Mosesy 1:1–11: ‘Manana asa ho anao Aho … Zanakalahiko,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Mosesy 1:1–11: ‘Manana asa ho anao aho … Zanakalahiko,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Mosesy 1; Abrahama 3: Lesona 4
Mosesy 1:1–11
“Manana asa ho anao Aho … Zanakalahiko”
“NNahita an’ Andriamanitra nifanatrika [i Mosesy] ary niresaka Taminy” teny an-tendrombohitra avo (Mosesy 1:2). Hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy, “Zanakalahiko ianao” (Mosesy 1:4) ary “Manana asa ho anao Aho” (Mosesy 1:6). Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy ny mpianatra hahatsapa fa zanak’ Andriamanitra izy ireo ary manana asa ampanaovina azy ireo Izy .
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina na hanoratra ny zavatra inoan’izy ireo ho tanjon’izy ireo eo amin’ny fiainana.
Sahanasa fianarana azo atao
Zavatra ho ataonao
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe: “ (Anaranao), manana zavatra tiako hampanaovina anao aho.” Anontanio ny mpianatra hoe ahoana no fahatsapan’izy ireo rehefa misy olona milaza aminy fa manana zavatra tiany hampanaovina azy ireo. Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Samy hafa ve ny fahatsapanao arakarak’ilay olona manontany anao? Nahoana no eny, na nahoana no tsia?
-
Ahoana ny ho mety fahatsapanao raha toa ka Andriamanitra no nilaza izany taminao? Nahoana?
Asao ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina.
-
Mino ve ianao fa manana asa ho anao Andriamanitra eto amin’ity fiainana ity? Nahoana no eny, na nahoana no tsia?
-
Hatraiza ny fahalalanao tsara ny zavatra tian’ Andriamanitra hampanaovina anao?
-
Araka ny hevitrao, inona no tokony ho fantatrao momba an’ Andriamanitra sy momba ny tenanao mba hahatonga an’io asa io mampazoto anao?
Rehefa mandalina ny lesona Mosesy 1 ny mpianatra dia entano izy ireo hitady fanampiana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hahalala misimisy kokoa momba ny tenany sy Andriamanitra ary ny zavatra Tiany hampanaovina azy ireo eto amin’ity fiainana ity.
Ny ohatr’i Mosesy
Entano ny mpianatra hikaroka ny bokin’i Mosesy ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy. Hazavao azy ireo fa Andriamanitra dia nanambara ny Bokin’i Mosesy tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith rehefa niasa tamin’ny fandikan-teny netanim-panahy ny Genesisy 1 ka hatramin’ny Genesisy 6:13 izy. Voarakitra ao ny teny izay nandidian’ Andriamanitra an’i Mosesy ho raketina ao amin’ny (Mosesy 1:40).
Hevero ny hampiseho sarin’i Mosesy iray toy ity manaraka ity.
-
Inona no fantatrao momba an’i Mosesy sy ny fiainany?
Raha ilaina dia hazavao fa talohan’ny nanaovan’ny Tompo fahagagana tamin’ny alalan’i Mosesy mba hitarika ny vahoakany hiala amin’ny fanandevozana dia teraka Isiraelita i Mosesy (anisan’ny vahoaka nanaovan’ Andriamanitra fanekena) saingy natsangan’ny fianakaviana mpanjaka Egyptiana. Tsy maintsy nandositra avy tany Egypta ho any amin’ny tany vaovao i Mosesy nony farany mba hiarovany ny ainy, ka nandao ilay hany fianakaviana izay mba fantany.
-
Raha teo amin’ny toeran’i Mosesy ianao, dia inona no mety ho neritreretinao momba ny tanjon’ny fiainanao?
Fotoana fohy taorian’ny nandosiran’i Mosesy an’i Egypta dia niseho tamin’i Mosesy “mivantana” ny Mpamonjy (Mosesy 1:2). Niresaka tamin’i Mosesy toy ny hoe Andriamanitra Ray i Jesoa Kristy, izay iray ao amin’ny Ray any An-danitra. Koa noho izany dia afaka mamaky ireo andininy ireo isika mba hahtakarantsika tsaratsara kokoa momba ny Ray sy ny Zanaka. Nianatra zavatra maro momba ny Ray any An-danitra sy ny fifandraisany taminy i Mosesy, izay nitarika azy hanantateraka asa lehibe. Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny zavatra nianaran’i Mosesy dia ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity. Ao anatin’ity sahanasa ity dia azon’ny mpianatra atao ny mandika ilay tabilao ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na mameno izany miaraka amin’ny iray kilasy eny amin’ny solaitrabe.
|
Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy |
Mosesy |
|---|---|
Vakio ny Mosesy 1:1–11, ka eritrereto hoe manao ahoana ny miaina izany zavatra izany. Soraty eo amin’ilay solaitrabe ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary i Mosesy.
Fomba iray hafa handalinana ireo andininy ireo ny fampisehoana ilay horonantsary hoe “I Am a Son of God” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 2:49. Aorian’ilay horonantsary dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky ireo andininy ireo, ka hitady fanambarana na antsipiriany manan-danja izay tsy tao amin’ilay horonantsary.
Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo ao amin’ny soratra masina rehefa nahavita ilay tabilao sy ny antony mety mahatonga izany ho zava-dehibe na manan-danja ho azy ireo. Raha ilaina dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no zavatra nanaitra anao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Nahoana?
Rehefa mizara ny valiny ny mpianatra dia mitadiava fomba hanazavana ny halehiben’ Andriamanitra. Azonao atao ny manontany ireo mpianatra mba hanamarika ireo andian-teny izay manasongadina ny heriny.
-
Inona no nolazain’ Andriamanitra tamin’i Mosesy ao amin’ny andininy 4, 6–7 izay mihatra aminao ihany koa?
Mety hahita fahamarinana toy izao ny mpianatra: Zanak’ Andriamanitra isika ary manana asa hampanaovina antsika Izy. Hevero ny manasa ny mpianatra hirakitra io fahamarinana io ao amin’ny soratra masin’izy ireo na hanisy marika ireo andian-teny izay mampianatra izany.
-
Amin’ny fomba ahoana ny fahalalana ny halehiben’ Andriamanitra no manome lanja kokoa ny maha zanany antsika?.
-
Amin’ny fomba ahoana ny fahatakarantsika hoe zanak’ Andriamanitra isika no mety hanampy antsika hahatakatra ny tanjontsika na ireo tanjontsika eto amin’ity fiainana ity?
Fanamarihana: Mety ilaina ny mahafantatra fa ao amin’ny lesona manaraka mahakasika ny Mosesy 1:12–26 ireo mpianatra dia hianatra ny fomba nanampian’ny fahatakaran’i Mosesy ny maha zanak’ Andriamanitra azy nanome hery azy hanoherany ny fakam-panahin’i Satana. Ankoatra izany, ny lesona momba ny Genesisy 1:26–27 amin’ny herinandro manaraka dia hanampy ny mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fiiziny sy ny hery anaty ananany amin’ny maha zanakalahy sy zanakavavin’ny ray aman-dreny any an-danitra azy ireo.
Ny asa natokan’ Andriamanitra ho antsika
Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina fa manana asa manan-danja ho an’ny zanany tsirairay Andriamanitra, dia ataovy ity sahanasa manaraka ity.
Manaova sarin’olona tsotsotra telo ao anaty diary fandalinanao soratra masina. Fantaro ny asa izay natokan’ Andriamanitra ho an’ny isam-batan’olona ao amin’ireto ohatra manaraka ireto ary asio marika ny sarin’olona tsotsotra. Avy eo dia soraty eo akaiky na eo ambanin’ny sarin’olona tsirairay ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Mosesy Tadiavo ny hoe “Mosesy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
-
Girish (lehilahy iray teraka sy lehibe tany Nepal izay nahita ny filazantsara ary nifindra tany Utah nony farany). Vakio ity manaraka ity na jereo ny “Manana asa ho anao Aho” (10:25) manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:18 ka hatramin’ny 1:12.
10:25
Taona maro taty aoriana, rehefa nafindra tao Utah ny mpitsoa-ponenana avy ao amin’ny tobin’i Népal miisa 1500, dia nentanim-panahy i Girish mba hanampy. Noho ny fahaizany miteny tsara ny tenim-pirenena sy ny fahatakarany ny kolontsaina, dia niasa ho mpandika teny sy mpampianatra ary mpampiofana i Girish. Natsangana ny sampana iray miteny Népalais, ary taty aoriana dia i Girish no filohan’io sampana io. Izy ihany koa dia navitrika nandray anjara tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fiteny Népalais. (John C. Pingree Jr., “Manana asa ho anao Aho” Liahona, Nôv. 2017, 32)
-
Rahavavy iray very hevitra. Vakio ity manaraka ity.
Indray andro ny rahavavy iray feno hakiviana dia nitalaho hoe: “Tompo ô! Inona no asa fanompoako manokana?” Ary novaliany hoe: “Jereo ny hafa.” … Nanomboka teo dia nahitany fifaliana ny mahatsikaritra ny fisian’ ireo izay adino matetika, ary niasa tamin’ny alalany Andriamanitra mba hitahiana olona maro. (John C. Pingree Jr., “Manana asa ho anao Aho,” Liahona, nôv. 2017, 33)
Azonao soloina amin’ny ohatra iray amin’izao andro ankehitriny izao ny tantaran’i Girish na ny an’ilay rahavavy very hevitra.
Mety hanampy ny mampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe.
-
Inona no nataon’ilay olona mba hanampiana ny hafa sy hitondrana azy ireo ho eo amin’i Jesoa Kristy?
-
Nahoana no tian’ Andriamanitra be fitiavana hanao izany asa izany izy ireo?
-
Tamin’ny fomba ahoana no niomanan’izy ireo tamin’ny fomba niavaka mba hanampy? Na tamin’ny fomba ahoana no nanampian’izy ireo tamin’ny fomba niavaka na manokana?
Rehefa mizara ny zavatra hitany ny mpianatra, dia mitadiava fomba hanazavana fa tsy ny asa rehetra tian’ny Tompo hataontsika no lehibe na goavana, nefa manan-danja mandrakariva ho an’ny Tompo sy ho an’ny zanany izay tompointsika izany. Ireo asa manokana sy andraikitra mety homen’ny Tompo antsika dia hanampy antsika handray anjara amin’ny asam-pamonjena ataony sy ny asa fisandratany (jereo ny Mosesy 1:39). Mety misy ihany koa asa betsaka tiany hifantohana amin’izao fotoana izao, nefa mety hangataka antsika hifantoka amin’ny zavatra hafa Izy amin’ny ho avy.
Asa ho anareo
Manaova sarin’olona tsotsotra fanampiny ary soraty eo ambaniny ny anaranao.
Nijoro ho vavolombelona ny Loholona John C. Pingree Jr. ao amin’ny Fitopololahy hoe:
Nanambara tamin’ i Mosesy Andriamanitra hoe: “Manana asa ho anao aho” (Mosesy 1:6). Efa nanontany tena ve ianao hoe manana asa ho anao ve ny Ray any An-danitra? Misy zavatra manan-danja ve nomaniny mba hovitainao, ary ianao manokana no nanomanany azy? Mijoro ho vavolombelona aho hoe “eny” ny valiny. (“Manana asa ho anao Aho,” Liahona, nôv 2017, 32)
Asao ny mpianatra hanao vavaka mangina sy hikatsaka fanambarana avy amin’ny Tompo rehefa mamaly ny sasany na ny rehetra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto manodidina ilay sarin’olona tsotsotra manondro azy ireo. Mety hanampy ny fanazavana fa mety tsy hahazo valiny feno amin’ireo fanontaniana ireo ny mpianatra ao an-dakilasy. Asao izy ireo hanohy hisaintsaina sy hivavaka momba azy ireo.
-
Inona no zavatra efa ataoko amin’izao fotoana izao izay mety ho anisan’ny asan’ Andriamanitra ho ahy eto amin’ity fiainana ity?
-
Inona no efa nambaran’ Andriamanitra tamiko momba ny zavatra tiany hataoko? (Mety ho ao anatin’izany ny tsodranon’ny fisoronana, ny antso, ny tsodranon’ny patriarika, ary ny fotoana hafa nahazoana fanambarana.)
-
Amin’ny fomba ahoana no hitiavan’ Andriamanitra ahy hanao ny asany ao amin’ny fianakaviako? ao amin’ny paroasy na sampana misy ahy?
-
Amin’ny fomba ahoana no hitiavan’ Andriamanitra ahy hiomana hanampy ny hafa amin’izao fotoana izao na amin’ny hoavy?
Raha tsy mahakasika ny fiainana manokana loatra, dia asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany na ny fihetsem-po nananan’izy ireo rehefa nandalina ny lesona androany izy ireo. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fihetsem-po anananao momba ireo fitsipika ao anatin’ity lesona ity.