“Mosesy 1; Abrahama 3: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Mosesy 1; Abrahama 3: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Mosesy 1: Abrahama 3
Mosesy 1; Abrahama 3
Topimaso
Mitantara ny zavatra niainan’ny mpaminany niaraka tamin’ny Tompo ny Mosesy 1 sy ny Abrahama 3. Nasehon’ny Tompo tamin’i Abrahama fa tamin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, dia niantso mpanapaka maro Izy mba hanampy antsika. Nampianatra an’i Mosesy ny Tompo fa Izy dia zanak’ Andriamanitra izay manana asa hatao, ary “asa sy voninahitry ny Tompo ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Nandresy ny fakam-panahy nataon’i Satana koa i Mosesy.
Mamoròna tontolo azo antoka izay hanajana ny rehetra sy hahafantaran’izy ireo fa sarobidy ny anjara biriky entin’izy ireo. Ny midera amin-kitsimpo sy mankasitraka ny fandraisan’ny mpianatra anjara ao an-dakilasy dia mety hampitombo ny fahavononan’izy ireo handray anjara amin’ny lesona. Mba hianarana misimisy kokoa, dia jereo ny “Tiavo ireo izay ampianarinao” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Azo jerena ao amin’ny lesona “Abrahama 3” ny ohatra iray azo anaovana izany.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Abrahama 3
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa afaka manampy azy ireo ny fahalalana momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany namana na havana iray ny zavatra hainy momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana sy ny fomba ahafahan’ny fahalalana momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana manampy azy ireo.
Mosesy 1:1–11
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa fa zanak’ Andriamanitra izy ireo ary manana asa hampanaovina azy ireo Izy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina na hanoratra ny zavatra inoan’izy ireo ho tanjon’izy ireo eo amin’ny fiainana.
-
Sary: Sarin’i Mosesy manasaraka ny Ranomasina Mena ohatra.
-
Horonantsary: “I Am a Son of God” (6:30) manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 2:49; “Manana Asa ho Anao Aho” (10:25) manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:18 hatramin’ny 1:12.
Mosesy 1:12–26
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra haka hery avy amin’ Andriamanitra mba handresena ny fakam-panahy atrehiny manokana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao hisaintsaina ny iray amin’ireo fakam-panahy atrehin’izy ireo manokana ny mpianatra ary ho vonona hianatra ny fomba handresena izany rehefa tonga ao an-dakilasy.
-
Horonantsary: “I Am a Son of God” (6:30) manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:50 hatramin’ny 6:30.
Mosesy 1:27–42
Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra hahatsapa fankasitrahana ny Ray any An-danitra sy ny asany izay mitondra ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay ho an’ny zanany rehetra.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny halehiben’ny zavaboarin’ny Ray any An-danitra sy ny fitiavana ananan’ny Ray any An-danitra ho an’ny tsirairay amin’izy ireo. Fomba iray ahafahan’izy ireo manao izany ny fijerena ny lanitra amin’ny alina mazava ka hieritreritra ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra momba azy ireo eo anivon’ireo kintana sy planeta ary vahindanitra marobe noforoniny ireo.
-
Zavatra azo tsapain-tanana entina mampianatra: Boaty kely misy fasika kely sy tavoahangy kely misy rano na sarina fasika.
-
Horonantsary: “Izao no Asako sy Voninahitro,” (17:11) manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:53 hatramin’ny 1:31; “Manan-danja Aminy Ianao” (19:30) manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:56 hatramin’ny 4:46.