Seminera
Mosesy 1:12–26: “Mialà eto ry Satana”


“Mosesy 1:12–26: ‘Mialà eto ry Satana,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Mosesy 1:12–26: Mialà eto ry Satana,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Mosesy 1; Abrahama 3: Lesona 5

Mosesy 1:12–26

“Mialà eto ry Satana”

Samy efa nahatsapa ny fakam-panahy avy amin’i Satana avokoa isika rehetra. Tahaka an’i Mosesy anefa, rehefa tsaroantsika hoe iza marina isika, dia afaka mandray hery avy amin’ Andriamanitra handresena an’i Satana sy ireo fakam-panahiny eo amin’ny fiainantsika isika. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampiana ny mpianatra handray hery avy amin’ Andriamanitra mba handresena ny fakam-panahy atrehin’izy ireo manokana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hisaintsaina ny iray amin’ireo fakam-panahy atrehin’izy ireo manokana ny mpianatra ary ho vonona hianatra ny fomba handresena izany rehefa tonga ao an-dakilasy.

Sahanasa fianarana azo atao

Fiatrehana fakam-panahy

Mba hanomanana ny mpianatra hianatra ny fomba handresena ny fakam-panahy, dia ampiasao ireto teny nambara sy fanontaniana manaraka ireto.

Nampianatra toy izao ny Filoha Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy:

Filoha Jeffrey R. Holland

Miresaka amim-pahasahiana izahay satria tena misy i Satana ary vonona ny handrava anareo ary mbola tena tanora fanahy ianareo dia efa miatrika sahady ny fitaomany. (“Mpandray Anjara Avokoa Isika,” Liahona, nôv. 2011, 45)

  • Inona no tsapanao momba an’io tenin’i Filoha Holland io?

  • Inona avy ireo fakam-panahy atrehin’ny tanora Olomasin’ny Andro Farany?

Mety hanampy ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fakam-panahy resahin’ny mpianatra. Hangataka ny mpianatra hisaintsaina an’ireo ianao any amin’ny faramparan’ny lesona.

Ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto dia azonao asaina ny mpianatra hanoratra ny valinteniny ao anaty diary fandalinana.

Saintsaino ny fakam-panahy natrehinao na mety nitolomanao. Hevero ireto manaraka ireto:

  • Inona no maha sarotra aminao ny miatrika an’io fakam-panahy io?

  • Inona no ataonao mba hahazoana fanampiana sy tanjaka hanoherana azy?

  • Manao ahoana ny fahatsapanao ny fahombiazanao mandresy ilay fakam-panahinao?

Rehefa manadalina ny Mosesy 1:1–26 ianao androany, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahita ireo fahamarinana izay afaka manome hery anao rehefa miatrika fakam-panahy.

Maka fanahy an’i Mosesy i Satana

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra tadidin’izy ireo tamin’ny lesona teo aloha, na afaka mamerina mijery kely ny Mosesy 1:1–10 izy ireo, dia misaintsaina ny zavatra nianaran’izy ireo. Raha ilaina, dia ampahatsiahivo azy ireo fa “nahita an’ Andriamanitra nifanatrika [i Mosesy] ary niresaka Taminy,” (Mosesy 1:2) ary nampianatra an’i Mosesy intelo Andriamanitra fa zananilahy izy (jereo ny andininy 4, 6, ary 7).

Na dia mpaminany mahery aza i Mosesy, dia niatrika fakam-panahy lehibe ihany koa izy. Fotoana fohy taorian’ny nahitan’i Mosesy an’ Andriamanitra, dia niaina zavatra tena sarotra izy satria “naka fanahy azy i Satana” (Mosesy 1:12). Noho ny zavatra fantatr’i Mosesy sy nataony, dia afaka nandresy izy. Vakio ny Mosesy 1:12–22, mba hahitanao ny zavatra nanampy an’i Mosesy handresy ireo fakam-panahin’i Satana. Hevero ny hanisiana marika ny zavatra hitanao.

Azonao aseho ilay horonantsary hoe “I Am a Son of God” manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:50 hatramin’ny 6:30, na ilay horonantsary manontolo raha tsy nasehonao ny mpianatra ny tapany voalohany tamin’ny lesona teo aloha. Rehefa tapitra ilay horonantsary, dia asao ny mpianatra hamaky ireo andinin-teny, mba hahitany ny zavatra nanampy an’i Mosesy handresy ireo fakam-panahin’i Satana. Afaka mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto tsiroaroa na ao anatina vondrona kely ny mpianatra avy eo:

6:31
  • Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’i Mosesy ka afaka manampy antsika handresy ny fakam-panahy atrehintsika?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika misy banga ity: Afaka mahazo ny fanampian’ Andriamanitra isika handresena fakam-panahy amin’ny alalan’ny … Asao ny mpianatra ho eny amin’ny solaitrabe ary hameno ilay fitsipika amin’ny teniny manokana. Raha mila fanampiana ny mpianatra, dia tariho izy ireo amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Ahoana no fomba niantsoan’i Satana an’i Mosesy ao amin’ny andininy 12, ary ahoana no fomba namalian’i Mosesy ao amin’ny andininy 13?

  • Inona no zavatra tsaroan’i Mosesy tamin’ny zavatra ara-panahy niainany niaraka tamin’ Andriamanitra, izay nanampy azy rehefa niatrika fakam-panahy?

Mety hameno ilay fitsipika amin’ny fomba isan-karazany ireo mpianatra, anisan’izany ireto manaraka ireto:

… fahatsiarovana fa zanak’ Andriamanitra isika

… fahatsiarovana ireo zavatra niainana ara-panahy tany aloha

… fangatahana hery avy amin’ Andriamanitra

Rehefa nahita fitsipika maromaro, dia ampiasao ireto teny notsongaina sy fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra lalina kokoa ny fahamarinana hitan’izy ireo.

Nizara izao manaraka izao ny Filoha Russell M. Nelson momba ny herin’ny fahatsiarovana fa zanak’ Andriamanitra isika:

Filoha Russell M. Nelson

Ry namako malala, tena zanak’ Andriamanitra ara-bakiteny ianareo. Nihira io fahamarinana io ianao hatramin’ny nianaranao ny tonon’ny “Zanaky ny Ray aho.” Kanefa, moa ve izany fahamarinana mandrakizay izany miraikitra ao am-ponao? Moa ve namonjy anao io fahamarinana io rehefa tojo fakam-panahy ianao? (“Safidy ho an’ny mandrakizay” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora tokan-tena, 15 Mey 2022])

  • Ahoana no fiheveranao ny hevitry ny hoe fananana ny fahamarinana miorim-paka ao am-ponao fa zanak’ Andriamitra ianao?

  • Nahoana no manome hery antsika ny fahatsiarovana fa zanak’ Andriamanitra isika rehefa miatrika fakam-panahy?

  • Araka ny hevitrao, nahoana isika no mila ny fanampian’ Andriamanitra raha te handresy fakam-panahy?

Asao ny mpianatra hizara ohatra momba ny fomba nankaherezan’ Andriamanitra olona iray niatrika fakam-panahy? Mety avy amin’ny soratra masina izany, na olona akaiky azy, na tamin’ny fiainan’izy ireo manokana. Koa satria mahakasika ny tena manokana ny fakam-panahy, dia ampahatsiahivo mba tsy hiresaka fakam-panahy manokana loatra ny mpianatra.

Fandresena ireo fakam-panahy atrehin’ny tena manokana

Mba hanampiana ny mpianatrao hahatakatra ny fomba ahafahan’izy ireo miaina ireo fitsipika noresahina androany, dia asao izy ireo hisafidy fakam-panahy iray na roa voasoratra teo amin’ny solaitrabe tamin’ny lesona teo aloha. Asao ny iray kilasy na atambaro anaty vondrona kely izy ireo, dia asaivo mieritreritra fomba hampiharan’ny olona iray an’ireo fitsipika ireo rehefa miatrika fakam-panahy.

Asao ny mpianatra hanoratra ny hevitr’izy ireo eny amin’ny solaitrabe, na azonao aseho azy ireo ny sasany amin’ireto hevitra manaraka ireto.

Fomba hampiharana izay nianarantsika tao amin’ny Mosesy 1:12–26:

  • Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny fotoana nahatsapanao ny fitiavan’ny Tompo sy ny nahafantaranao fa zanak’ Andriamanitra ianao. Azonao averina jerena ity rehefa miatrika fakam-panahy ianao.

  • Tadidio sy averimbereno ny soratra masina manome aingam-panahy, na fihirana, na vavaky ny fanasan’ny Tompo rehefa tojo fakam-panahy ianao. (Io no paikady nampiasain’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 4:1–11.)

  • Mivavaha isan’andro mba hahazoana hery sy tanjaka avy amin’ny Tompo, mba handresena ilay fakam-panahy. Isaky ny hariva dia manaova tatitra amin’ny Ray any An-danitra ho fisaorana Azy, maneke ny fahalemena rehetra, mangataha famelan-keloka ary manomeza toky ny hiezaka hanohy hatrany (jereo ny 3 Nefia 18:15, 18).

  • Tsarovy ireo zavatra niainanao ara-panahy tany aloha ary soraty ao anaty diary izany. Avereno jerena izy ireo rehefa miseho ny fakam-panahy.

  • Mifanakaloza hevitra miaraka amin’ny ray aman-dreny na olon-dehibe azo itokisana na namana momba ny fomba nanampian’ireo fitsipika ireo azy ireo sy ny fomba nanomezany hevitra ho anao mba hampihatra izany.

Asao ny mpianatra hanao drafitra izay hanampy azy ireo amin’ny fandresena fakam-panahy hatrehany. Azonao atao izany amin’ny alalan’ny fanomezana ireto torolalana manaraka ireto:

Tadidio ireo fakam-panahy nosaintsaininao tany am-piandohan’ny lesona na fakam-panahy iray hafa izay nosedrainao.

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny hery sy tanjaky ny Tompo niainanao teo amin’ny fiainanao sy ny faniriany hanampy ny mpianatrao handresy ny fakam-panahin’izy ireo. Asehoy ny fatokisanao azy ireo sy ny fahafahany mandresy ny fakam-panahy miaraka amin’ny fanampian’ Andriamanitra.

Avy amin’ny alalan’ny fangataham-pitarihana amin’ny Ray any An-danitra dia fenoy ao amin’ny diary fandalinanao na ao an-tsainao ity teny manaraka ity: “Mba hanampiana ahy hiomana hiatrika io fakam-panahy io, izaho dia .”