Seminera
Abrahama 3 : Ny fiainana talohan’ny nahaterahana


“Abrahama 3: Ny Fiainana talohan’ny nahaterahana,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Abrahama 3: Ny Fiainana talohan’ny nahaterahana,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Mosesy 1; Abrahama 3: Lesona 3

Abrahama 3

Ny fiainana talohan’ny nahaterahana

Nahary ny tany i Jesoa Kristy

Tao anatin’ny fahitana no nanehoan’i Jehovah tamin’i Abrahama ny asany sy ny zavaboariny. Nasehony an’i Abrahama koa ny fisian’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, anisan’izany ireo fanahy ambony sy lehibe nofidina ho mpitarika amin’ny fiainana ety an-tany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fa ny fahalalan’izy ireo ny fiainana talohan’ny nahaterahana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra dia manampy azy ireo amin’ny fiainany.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany namana na havana iray ny zavatra hainy momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana sy ny fomba ahafahan’ny fahalalana momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana manampy azy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Firy taona ianao?

Manasà mpianatra maromaro hizara ny taonany.

Mariho fa ny taona nozarain’izy ireo dia ny faharetan’ny naha tao anatin’ny vatany azy ireo nandritra ny androm-piainany. Ny fanahintsika dia efa nisy hatry ny ela kokoa noho ny vatantsika. Talohan’ny nahaterahana dia niaina niaraka tamin’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy Mpamonjy isika . Izany no antsointsika hoe fiainana talohan’ny nahaterahana.

Asao ireo mpianatra mba hanoratra ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany.

  • Inona avy ireo zavatra fantatrao momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana?

  • Ahoana no hahafahan’ny fahalalana ny fiainana talohan’ny nahaterahana manampy anao amin’izao fotoana izao ?

Amporisiho ny mpianatra hanampy ny valinteniny rehefa manohy ity lesona ity izy ireo. Amporisiho izy ireo hikatsaka fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hianatra ny fomba ahafahan’ny fahalalana momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana manampy azy ireo.

Ny zavatra ianarantsika avy amin’i Abrahama

Mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra hoe avy aiza ny Bokin’i Abrahama, dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny zavatra fantatr’izy ireo, na hizara ny sasany amin’ireto manaraka ireto amin’ny filazanao azy manokana.

Noraketin’i Abrahama an-tsoratra ny zavatra niainany izay afaka manampy antsika hahatakatra bebe kokoa momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Tany ho any amin’ny 2.000 taona talohan’i Jesoa Kristy tany i Abrahama no teraka. I Abrahama dia nirakitra antsipiriany vitsivitsy tamin’ny fiainany niaraka tamin’ireo fahitana noraisiny avy tamin’ Andriamanitra izay hita ao amin’ny bokin’i Abrahama. Izany rakitsoratra masina izany dia azo avy amin’ny horonan-taratasy papirosy hita tany Egypta ary novidian’ny mpikamban’ny Fiangonana. Io rakitsoratra io dia nambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny alalan’ny fanomezana sy ny herin’ Andriamanitra.

Vakio ny Abrahama 3:11–12, 21 mba hahitana ny zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Abrahama.

  • Inona no zavatra nisongadina taminao tamin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Inona no fahamarinana nianaranao momba ny Tompo?

    Rehefa mizara izany ny mpianatra, dia asao izy ireo hanondro andian-teny na andininy izay niavian’ny hevi-baovao nomen’izy ireo mba hahafahan’ny mpianatra hafa manamarika izany raha tiany.

  • Ahoana no mety fiantraikan’ny fahatakarana ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy ireo aminao ankehitriny?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao maso na niainanao ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy ireo teo amin’ny fiainanao?

Ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana

Rehefa avy nianatra ny halehiben’i Jesoa Kristy tamin’ny fiainana talohan’ny nahaterahany (jereo ny Abrahama 3:16–21) i Abrahama dia nianatra momba ny fisiantsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ihany koa. Alohan’ny hamakianao ny zavatra nasehon’ny Tompo an’i Abrahama, dia alaovy sary an-tsaina hoe hanao ahoana izany raha afaka mijery ny fiainanao talohan’ny nahaterahana miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ianao. Eritrereto izay mety ho vokany aminao.

Omeo fotoana ampy ireo mpianatra hakany sary an-tsaina ny fiaintraikan’ny fandinihan-tenan’izy ireo tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana niaraka tamin’i Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana Ny Abrahama 3:22–23 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.

Vakio ny Abrahama 3:22–23 dia tadiavo ny zavatra nianaran’i Abrahama tao amin’ny fahitana azony mikasika ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny “faharanitan-tsaina” ao amin’ireo andininy ireo dia manondro ireo fanahy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.

  • Araka ny hevitrao, inona no fahamarinana mety voarain’i Abrahama na takany bebe kokoa noho io zavatra niainany io?

    Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana isan-karazany nozarain’ny mpianatra. Raha tsy milaza izany ny mpianatra dia ampio ireto manaraka ireto: Nisafidy ireo zanany ara-panahy ambony sy lehibe mba ho mpanapaka Andriamanitra talohan’ny nahaterahan’izy ireo. Matetika izany no antsoina hoe fanendrena mialoha.

  • Araka ny hevitrao, inona no mahasamihafa ny famaritan’izao tontolo izao ny hoe “ambony sy lehibe” amin’ny famaritan’ny Tompo izany?

Anisan’ireo izay ambony sy lehibe ve isika?

Tao anatin’ny fampaherezam-panahy maneran-tany iray ny Filoha Russell M. Nelson dia niresaka momba ny fomba ahafahan’ny fahamarinana ampianarina ao amin’i Abrahama 3 mihatra aminao.

Filoha Russell M. Nelson

Natokan’ny Raintsika any An-danitra ny maro amin’ireo fanahiny mahery indrindra—aleo angamba ataoko hoe ny ekipany mahery indrindra—ho an’ity dingana farany ity. Ireo fanahy mahery ireo—ireo mpilalao tena mahay ireo, ireo maherifo ireo—dia ianareo!… Anisan’ireo olona tsara indrindra nalefan’ny Tompo tety an-tany hatrizay ianareo. Manana fahafahana mba hahay kokoa sy hendry kokoa ary hiantraika kokoa amin’izao tontolo izao mihoatra noho ireo taranaka lasa rehetra ianareo! (“Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], 8, 16)

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika ny soratra masin’izy ireo amin’ny fomba izay hanampy azy ireo hahatsiaro ny zavatra nampianarin’ny Filoha Nelson. Aorian’ny andininy 22 dia azon’izy ireo soratana ny andian-teny hoe “anisan’izany aho” na azon’izy ireo soratana eo ambonin’ny anaran’i Abrahama ao amin’ny andininy 23, ny anarany na azon’izy ireo ampifandraisana ny Abrahama 3:22–23 sy ny teny nambaran’ny Filoha Nelson etsy ambony ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

Raha ilaina dia omeo fotoana ny mpianatra hianarana mismisy kokoa momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Afaka mandalina ny “fiainana talohan’ny nahaterahana” izy ireo ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Na azon’ny mpianatra atao ny manao soratra masina mifampitohy, mampifandray ireo andininy momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana toy ny Jeremia 1:4–5; Almà 13:3–4; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:55–56. Angataho ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany sy ny antony maha-manan-danja izany amin’izy ireo.

Ataovy ao anatin’ny vondrona kely ireto manaraka ireto ary lazao amin’ny iray kilasy ny zavatra sasany noeritreretin’izy ireo.

Alao sary an-tsaina hoe misy olona ao amin’ny kilasinao tsy mahazo antoka fa mihatra amin’izy ireo ny Abrahama 3:22–23.

Omano ireto manaraka ireto :

  • Famintinana ny zavatra nampianarin’i Abrahama 3:22–23 sy ny Filoha Nelson.

  • Hevitra momba ny mety hitaomanao na ny zatovo hafa ho amin’ ny tsara na hitondra azy ireo hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

  • Ny fahatsapanao ny fahatakaranao ny fiainana talohan’ny nahaterahana fa afaka manampy anao eo amin’ny fiainanao.

sary famantarana ny fanofanana semineraRehefa eo am-pizarana ny mpianatra dia mitadiava fomba mety hanasongadinana fa ny Ray any An-danitra dia naniraka azy ireo ho eto an-tany amin’izao fotoana izao mba hanampy ny hafa hanatona Azy bebe kokoa. Ary koa, manolora fankasitrahana avy amin’ny fo sy dera ho an’ireo mpianatra noho ny fahavononan’izy ireo handray anjara. Ny fanaovana izany dia manampy ireo mpianatra hahafantatra fa manome lanja ny fandraisan’izy ireo anjara ianao . Ny ezaka ataonao dia afaka mampitombo ny fahavitrihany hizara indray ny eritreritr’izy ireo amin’ny kilasy manontolo.

Ho an’ny fanofanana fanampiny, jereo ny “Mamoròna tontolo isian’ny fanajana ny rehetra sy hahafantarany fa sarobidy ny anjara biriky entiny” ao anatin’ny Fahaiza-manao ho Fampivoarana ny Mpampianatra.

Hevero ny mizaza fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana tamin’ity lesona ity.

Manao tsianjery

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary mamerin mijery izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina dia ny hoe “Fony mbola fanahy dia -nalamina isika talohan’ny nisian’izao tontolo izao.-” Ireo hevitra ho an’ny asa fitadidiana dia ao amin’ireo fitaovana ao amin’ny tovana etsy ambany “Asa famerenana ny fifehezana fotopampianarana.”