“Mosesy 4: 5-32; 5:1–15, Fizarana 2: -Toy ny efa nahalavo anao no ahazoana manavotra anao-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha (2026)
“Mosesy 4:5–32; 5:1–15, Fizarana 2: -Toy ny efa nahalavo anao no ahazoana manavotra anao-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha
Genesisy 3–4; Mosesy 4–5: Lesona 12
Mosesy 4:5–32; 5:1–15, Fizarana 2
“Toy ny efa nahalavo anao no ahazoana manavotra anao”
Ny Fahalavoan’i Adama sy Eva dia nampiditra fanamby izay tsy mbola niainan’izy ireo tao amin’ny Saha Edena. Nosarahana tamin’ny fanatrehan’ Andriamanitra izy ireo ary lasa nahafantatra ny fahotana nanomboka teo, ny fahafatesana ara-batana ary ireo zava-tsarotra hafa eto amin’ny fiainana an-tany. Kanefa ny Raintsika any An-danitra be fitiavana dia nanome Mpamonjy mba handresena ireo vokatry ny Fahalavoana. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny fifalian’ny fanavotana avy amin’ny Fahalavoana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady ny vokatry ny fahalavoan’i Adama sy Eva manodidina azy ireo. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fahaterahana, ny fahafatesana, ny vatana, ny fahotana, ny hanoanana, ny aretina, sy ny sisa. Angataho hisaintsaina ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manampy manoloana ny vokatra tsirairay hitan’izy ireo ny mpianatra.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny filantsika Mpanavotra iray
Atombohy amin’ny fanampiana ny mpianatra hahatakatra ny filantsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny fotoam-pianarana. Ny fomba iray ahafahanao manao izany dia amin’ny alalan’ny fampiasana ity hevitra manaraka ity, izay nampifanarahana tamin’ilay lahateny hoe “Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” (Tad R. Callister, Liahona, mey 2019, 85). Asehoy ny sarin’olona iray nianjera avy eny ambony fiaramanidina, ary asao hifanakalo hevitra momba ireto manaraka ireto ny mpianatra:
Alaovy sary an-tsaina hoe nianjera avy eny ambony fiaramanidina ianao, kilaometatra maromaro avy eny an-habakabaka, tsy misy elon’aina na fitaovana hafa.
-
Inona no azonao atao hanamorana ny fianjeranao?
-
Manana fanantenana mbola ho velona ve ianao?
Raha ny mifanohitra amin’izany kosa, alaivo sary an-tsaina hoe talohan’ny nianjeranao avy eny ambony fiaramanidina dia nisy namana iray afaka nametraka elon’aina teo aminao.
-
Ho hafa toy ny ahoana no tsapanao momba ny fianjeranao?
-
Inona no ho tsapanao momba an’io namanao io?
Mba hanampiana ny mpianatra hampifandray ny fifanakalozan-kevitra teo aloha amin’ny filantsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, dia azon’izy ireo atao ny mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny namana iray. Raha namorona bokikely momba ny vokatry ny Fahalavoana tao amin’ny lesona teo aloha ny mpianatra, dia azonao atao aloha ny manasa azy ireo hamerina hijery fohifohy ireo bokikely ireo. Raha tsy namorona bokikely ny mpianatra, dia azonao atao ny manova ireo sahanasa izay milaza izany.
-
Ahoana no ahafahantsika mampitaha ity fifanahafana ity amin’ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva sy ny anjara asan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?
-
Inona avy ireo vokatry ny Fahalavoana izay ilantsika ny fanampian’i Jesoa Kristy ny handresena azy?
Raha ilaina dia ampahatsiahivo ny mpianatra fa noho ny Fahalavoana dia samy miaina fahafatesana ara-panahy avokoa isika rehetra. Midika izany fa teraka ho ao amin’ny tontolo nosarahana tamin’ny fanatrehan’ Andriamanitra isika ary manota, izay mampisaraka antsika ara-panahy Aminy ihany koa. Noho ny Fahalavoana dia misedra zava-tsarotra ihany koa isika, aretina, fahalemena, ary miafara amin’ny fahafatesana ara-batana izany.
Asao hisaintsaina ireto manaraka ireto ny mpianatra:
-
Iza amin’ireto fehezan-teny manaraka ireto no marina aminao?
-
Tsy fantatro hoe nahoana aho no mila ny Mpamonjy.
-
Takatro ny antony ilako ny Mpamonjy, saingy heveriko fa tsy haiko ny hanazava izany amin’ny olon-kafa.
-
Afaka manazava ny filantsika ny Mpamonjy amin’ny olon-kafa aho.
-
Mahatsapa fitiavana sy fankasitrahana an’i Jesoa Kristy sy izay nataony ho ahy aho.
-
Amporisiho ny mpianatra hanasa ny fitaoman’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fandraisana anjara mavitrika mandritra ny lesona.
Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy
Zavatra iray tao anatin’ny Fahalavoana, dia tsy maintsy niala tao amin’ny Saha Edena i Adama sy i Eva. Nanohy nitahy azy ireo ny Tompo tamin’ny alalan’ny fanomezana fitafy (jereo ny Mosesy 4:27) sy ny fanomezana didy mba hanampiana azy ireo handresy ny Fahalavoana.
Hevero ny hampiseho ilay sary any am-piandohan’ity lesona ity sy hamaky ireto andininy manaraka ireto miaraka amin’ny iray kilasy. Miatoa kely indraindray mba hanasana ny mpianatra hizara ny zavatra ianaran’izy ireo. Ohatra, aorian’ny famakiana ny andininy 5–7, dia mety hifanakalo hevitra izy ireo fa tandindon’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny fanolorana ny voalohan-teraky ny biby fiompiny. Na azonao anontaniana momba ny zavatra ianarany avy amin’ny ohatra nasehon’i Adama tamin’ny fankatoavana sy ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra izany ohatra izany amin’ny fiainan’izy ireo manokana ny mpianatra.
Vakio ny Mosesy 5:5–9, ka tadiavo izay zavatra nandidian’ Andriamanitra.
-
Inona no nianaran’i Adama sy i Eva avy tamin’ilay anjely sy ny Fanahy Masina?
Mety namantatra ny mpianatra fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, afaka hovonjena amin’ny Fahalavoana isika. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika ireo teny na andian-teny ao amin’ny andininy 7 sy 9 izay mampianatra io fahamarinana io. Azonao atao ny manazava fa ny hoe navotana dia midika hoe voavonjy na nafahana.
Mba hanampiana ny mpianatra hanamafy ny fahatakarany momba io fahamarinana io, dia asehoy ireto torolalana manaraka ireto ary omeo ny mpianatra ny taratasy zaraina etsy ambany. Azonao hapetraka anaty vondron’olona telo ny mpianatra dia asao ny mpianatra tsirairay ao anaty vondrona handalina ny fizarana samihafa ao amin’ilay taratasy zaraina. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mizara amin’ny vondrona misy azy ny zavatra nianarany dia miara-mamorona ny pejy manaraka ao anatin’ny bokikeliny. (Fanamarihana: Ny Lesona 21: “Tombano ny fianaranao 1” dia mandroso amin’ny mpianatra ny hijereny ny bokikely noforonin’izy ireo ato amin’ity sahanasa ity mba hanampiana azy ireo hanazava ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpanavotra antsika Azy.)
-
Ao anatin’ny bokikelinao, asio andian-teny hoe “Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” ny pejy (banga) ankavanana.
-
Halalino ny ao anatin’ilay taratasy zaraina mba hianarana ny fomba hanavotan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy antsika amin’ny vokatry ny Fahalavoana. Mety efa notanisainao tao amin’ny pejy teo aloha tao amin’ny bokikelinao ny vokatry ny Fahalavoana.
-
Ao amin’ny pejy vaovao amin’ny bokikelinao, manorata fehezan-teny iray na roa mamintina izay nianaranao avy amin’ny fizarana tsirairay amin’ilay taratasy zaraina. Mikatsaha fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina mba hamantarana ny fomba ifandraisan’ireo fampianarana ireo aminao.
Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratin’izy ireo tao anatin’ilay bokikelin’izy ireo. Afaka manampy izay nianarany avy amin’ireo mpiara-mianatra aminy ao amin’ny bokikeliny ireo mpianatra hafa.
Ny fifaliana avy amin’ny fanavotana
Asao ny mpianatra hanisy soratra ny ao ambadiky ny bokikeliny hoe “Ny fifaliana avy amin’ny fanavotana ahy.” Amporisiho izy ireo handika ity teny nambara manaraka ity ao amin’io pejy io, ary hamela toerana malalaka hanoratana eo ambaniny.
Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson:
Rehefa afaka mahatsapa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy miasa eo amin’ny fiainantsika isika, dia ho vokim-pifaliana isika. (“Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 84)
Vakio ny Mosesy 5:10–11, ka tadiavo ny zavatra hitan’i Adama sy i Eva momba ny vokatry ny Fahalavoana ary koa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.
-
Inona no hevitra misongadina aminao tamin’ny tenin’izy ireo?
Omeo fotoana hamenoana ny pejy farany amin’ny bokikelin’izy ireo ny mpianatra, izay azon’izy ireo atao amin’ny alalan’ny fanoratana ny heviny manokana momba ny Mosesy 5:10–11. Tahaka an’i Adama sy i Eva, dia afaka manoratra ny antony mahatonga azy ireo hahatsapa fifaliana noho ny amin’ilay Mpanavotra azy ireo izy ireo.
Farano amin’ny alalan’ny fanasana mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany ny sahanasa.