Seminera
Genesisy 5; Mosesy 6:Topimaso


“Genesisy 5; Mosesy 6: Topimaso,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha (2026)

“Genesisy 5; Mosesy 6: Topimaso,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha

Genesisy 5; Mosesy 6

Genesisy 5; Mosesy 6

Topimaso

Niantso an’i Enoka ny Tompo mba hitory fibebahana amina vondron’olona ratsy fanahy. Na dia nahatsapa tsy hahavita izany aza i Enoka dia nampahery azy ny Tompo. Nampianarin’i Enoka ny vahoakany ny antony nilan’izy ireo ny Mpamonjy sy ny fomba ahafahan’izy ireo manatona Azy sy mandray ireo fitahiana izay Izy ihany no afaka manolotra azy.

sary famantarana ny seminera Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany. Ny fanomezana fanontaniana tsara ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra dia afaka mahatonga ny mpianatra hatoky tena kokoa handray anjara amin’ny resadresaka momba ny filazantsara. Mba ianarana misimisy kokoa, dia jereo “Ny Mpamonjy dia namporisika ny hafa hizara ireo fahamarinana nianaran’izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 26). Azo jerena ao amin’ny Lesona 13 ny ohatra iray amin’ny fomba famporisihana ny hafa hizara: “Mosesy 6:1–39.”

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Mosesy 6:1–39

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa fatokisana ny Tompo sy ny heriny hanampy sy hanamafy orina azy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fotoana niainan’ny olona ny herin’ny Tompo tamin’ny fanampiany azy ireo handresy zava-tsarotra. Amporisiho izy ireo hitady ohatra ao amin’ny soratra masina.

  • Votoatin-kevitra haseho: Fanambarana hita eo ambanin’ny lohateny hoe “Fahatsapan-tena ho votsa”

  • Taratasy zaraina:Niaina ny herin’ny Tompo i Enoka

  • Horonan-tsary:Soyez de véritables jeunes du millénaire” (30:29; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana faha 9:05 hatramin’ny 12:29)

Mosesy 6:47–68

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba hanatonana an’i Jesoa Kristy sy handraisana fitahiana izay Izy ihany no afaka manome azy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray hoe nahoana i Jesoa Kristy no manan-danja amin’izy ireo sy ny dikan’ny fanatonana Azy amin’izy ireo.

  • Sary: Sarin’i Jesoa Kristy

  • Votoatin-kevitra haseho: Fanombantombanana ny tena manokana ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Manatona an’i Kristy”; tabilao ho an’ny sahanasa fianarana

Fanazaran-tena fifehezana fotompampianarana 1

Tanjon’ny lesona: Mba hanomezana fahafahana ireo mpianatra hanao tsianjery toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina mifandray amin’izy ireo ary hianatra sy hampihatra ireo fitsipika masin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hifantina andalan-tsoratra masina fifehezana ara-potopampianarana iray na roa ary hiezaka hitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Azon’izy ireo saintsainina avy eo ny maha-zava-dehibe ny fanaovana tsianjery izany.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tapa-taratasy ho an’ny sahanasa fanaovana tsianjery

  • Votoatin-kevitra haseho: Andalan-tsoratra masina fifehezana ara-potopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina; torolalana ho an’ny sahanasa fanaovana tsianjery; fanontaniana hifanakalozan-kevitra momba ny sahanasa fahazoana fahalalana ara-panahy.