“Fanazaran-tena Fifehezana fotopampianarana 1: Manao tsianjery sy mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha (2026)
“Fanazaran-tena Fifehezana fotopampianarana 1: Manao tsianjery sy mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha
Mosesy 6: Lesona 15
Fanazaran-tena Fifehezana fotompampianarana 1
Mianatra tsianjery sy mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy
Ny fifehezana fotopampianarana dia ahafahana manampy ireo mpianatra hanorina ny fototra iorenan’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ity lesona ity dia manome fahafahana ireo mpianatra hanao tsianjery ireo toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina mifandray amin’izy ireo ary hianatra sy hampihatra ireo fitsipika masin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy.
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hifantina andalan-tsoratra masina fifehezana ara-potopampianarana iray na roa ary hiezaka hitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Azon’izy ireo saintsainina avy eo ny maha-zava-dehibe ny fanaovana tsianjery izany.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny maha-zava-dehibe ny fanaovana tsianjery
Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ny maha-zava-dehibe ny fanaovana tsianjery ny soratra masina, dia hevero ny hizara ireto manaraka ireto:
Alaovy sary an-tsaina hoe misy namana iray maneho hevitra aorian’ny kilasin’ny seminera fa tsy misy dikany ny hanaovana tsianjery soratra masina satria afaka mijery fotsiny azy ireo ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile ianao.
-
Amin’ny fomba ahoana ny fanaovana tsianjery ireo toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina no afaka mitondra fitahiana ho anao?
Mety hilaza ny mpianatra fa mazava amin’izy ireo kokoa ny zavatra ao amin’ny soratra masina, mahita soratra masina rehefa tsy misy fitaovana elektrônika, ary mahatadidy ny tenin’i Jesoa Kristy amin’ny fotoana ilana izany. Mety tianao ny milaza ireo ohatra ao amin’ny soratra masina momba ny olona izay afaka nahatsiaro ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny fotoan-tsarotra. Ohatra amin’izany ny Mpamonjy (jereo ny Matio 4:1–11), i Nefia (jereo ny 1 Nefia 4:1–6), ary i Abinadia (jereo ny Môzià 12:27–37).
Famerenana Fifehezana fotopampianarana: Ataovy tsianjery
Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hamerina ny fanaovany tsianjery ny toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nianaran’izy ireo hatreto tao amin’ny Testamenta Taloha tamin’ity taona ity. Ny hevitra fanampiny ho an’ny sahanasa fanaovana tsianjery dia ao amin’ny tovana eo ambanin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana.”
Hevero ny handamina tsiroaroa ny mpianatra ary hanome tapa-taratasy lavalava kely betsaka ho an’ny mpianatra tsirairay izay isan’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nianaranareo hatramin’izao. Asehoy ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ireo. Ny lisitr’ireo toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao amin’ny Testamenta Taloha dia hita ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).
Asao ny mpiara-mianatra iray hitanisa ireo toko sy andinin-tsoratra fifehezana fotopampianarana ao amin’ireo tapa-taratasy lavalava kely ary ny namany iray hafa kosa hitanisa ireo andian-teny manan-danja ao amin’ireo tapa-taratasin’izy ireo. Rehefa vitan’izy ireo izany, dia tokony hanana tapa-taratasy misy ny toko sy andinin-tsoratra masina tsirairay ilay mpiara-mianatra iray ary tapa-taratasy misy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina mifandray amin’izany ny mpiara-mianatra iray hafa.
Rehefa avy nanamboatra ny taratasiny ny mpianatra, dia omeo ireto torolalana manaraka ireto:
-
Tazony ny taratasy kelinareo mba hahafahanareo mahita izany fa tsy aseho ny namanareo.
-
Hametraka taratasy miaraka amin’ny iray amin’ireo toko sy andinin-tsoratra masina eo amin’ny latabatra ny mpiara-mianatra voalohany.
-
Avy eo dia hitady ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina mifandray amin’izany ilay mpiara-mianatra faharoa, ary hametraka izany eo amin’ny latabatra.
-
Ny mpiara-mianatra faharoa dia hametraka ny iray amin’ireo andian-teny manan-danja, ary ilay mpiara-mianatra voalohany dia hametraka ny toko sy andinin-tsoratra masina mifandraika amin’izany.
-
Avereno izany mandrapaha-vitanareo mampifanaraka ireo taratasinareo rehetra avokoa.
Azon’ireo mpiara-mianatra atao avy eo ny mifamadika hoe iza no mihazona ireo toko sy andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ary mamerina ilay sahanasa indray. Azon’ny mpianatra atao ny mandrefy ny fotoanany mba hahitana ny hafainganan’ny famitan’izy ireo ilay sahanasa.
Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hampiasa ny application Maîtrise de la doctrine mba hanohizana ny fanaovana tsianjery ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ny famerenana fohifohy ireo toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina mandritra ireo lesona manaraka dia hanampy ny mpianatra hanao tsianjery azy ireo.
Mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy
Ny ambin’ny lesona dia mifantoka amin’ny fanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Mialoha ny hanohizanao izany, dia mety ilain’ny mpianatra ny mamerina mijery ireo fitsipika ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny “Mahazo fahalalana ara-panahy” izay hita ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023). Ny torohevitra ho an’ny sahanasa famerenana dia hita ao amin’ny tovana eo ambanin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana.”
Mety hanampy ny fanazavana fohifohy fa ao anatin’ireo fitaomana maro samihafa atrehantsika sy ny rotoroton’ny fiainana andavanandro dia mety ho sarotra ny mampihazona ny fifantohantsika amin’ny Ray any An-danitra sy ny drafiny ho antsika. Mba hanehoana io olana io dia azonao atao ny mizara ny iray na izy roa amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto. Azonao ovaina ny antsipirian’ireo rafi-tantara mba hifanaraka tsara kokoa amin’ny filan’ny mpianatrao.
-
Nanana namana maro foana i Lea tao amin’ny faritra misy azy sy tany am-pianarany. Hitan’ny namany fa malaza izy, ary mahafinaritra azy ny fiheverana azy ho toy izany. Tamin’ny herintaona dia nifindra tany amin’ny tanàna vaovao ny fianakavian’i Lea. Tsy mora taminy ny fahatsapana ho manana ny toerany. Ny tsy fananan’i Lea namana akaiky ao amin’ny faritra vaovao misy azy no nahatonga azy hanontany tena momba ny lanjan’ny tenany manokana.
-
Mpilalao baolina kitra tena mahay i Collin. Matetika nidera azy noho ny fahaiza-manaony sy ny zava-bitany ara-panatanjahantena ny namany mpiray ekipa aminy sy ny mpanazatra azy ary ireo mpiara-mianatra aminy. Saingy tamin’ity taona ity, niova ny zava-drehetra rehefa niharan’ny ratra goavana tamin’ny lohalika i Collin talohan’ny nanombohan’ny vanim-potoana filalaovana. Ketraka izy raha nandre fa tsy ho afaka handray anjara amin’ny fifaninanana filalaovana farany ao amin’ny lisea. Tamin’ny voalohany dia nangoraka azy ny olona maro, ary niezaka nampiditra azy tamin’ireo hetsika ataon’ny ekipa ireo namany mpiray ekipa aminy. Saingy rehefa nandeha ny fotoana dia nahatsapa ho tsisy niraharaha kokoa hatrany i Collin. Nanomboka nanontany tena izy hoe mety hanao ahoana ny fiainany amin’izao noho izy tsy fantatra amin’ny maha-mpilalao baolina kitra manan-talenta azy izao intsony.
-
Inona avy ireo olana na fanamby tsapanao fa mila resahana ao anatin’ireo rafi-tantara ireo?
-
Nahoana isika indraindray no mampiankina ny lanjan’ny tenantsika manokana amin’ireo lafin-javatra ivelany toy ny talentantsika na ny fomba fahitan’ny olona antsika?
Hazavao fa ny fotopampianaran’ny Mpamonjy sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia afaka manampy amin’ny toe-javatra toy ireo.
Mba hanampiana ny mpianatra hanomboka hampiasa ireo fitsipika ireo dia hevero ny hizara ny kilasy ho vondrona kely vitsivitsy. Omeo ny antsasaky ny vondrona ny fifantohana amin’ilay fitsipiky ny fanaovana asa amim-pinoana ary ny antsasany hafa hifantoka amin’ilay fitsipiky ny famakafakana ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireo fomba maro ahafahan’ilay fitsipika nomena azy manampy ny isam-batan’olona avy amin’ireo rafi-tantara ireo.
Ny fomba iray ahafahan’izy ireo manao izany dia amin’ny fanoratana ny fitsipika nomena azy ireo eo afovoan’ny taratasy iray. Manodidina ilay fitsipika, dia afaka manoratra fomba manokana mety hahafahan’ireo olona manao asa amim-pinoana na hevitra izay afaka manampy azy ireo handalina ny ahiahin’izy ireo amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ireo vondrona.
Azonao atao ihany koa ny mampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto mba hifanakalozan’ny vondrona hevitra.
Manao asa amim-pinoana
-
Inona no asa amim-pinoana azon’ity olona ity atao ka hanampy azy ireo hahita ny tenany amin’ny fomba fahitan’ Andriamanitra azy ireo?
-
Inona no mety ho fahasamihafana eo amin’ny fiainan’ity olona ity raha ataony laharam-pahamehana ny maha-zanak’ Andriamanitra azy?
Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.
-
Inona momba an’ Andriamanitra sy ny drafiny no mety hanampy an’io olona io? Amin’ny fomba ahoana no manampy azy ireo eo amin’ny fiainany andavanandro izany?
-
Inona no tianao ho takatr’ity olona ity momba ny maha-izy azy sy ny tanjony?
Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra
Rehefa avy nifanakalo hevitra ny vondrona, dia asao izy ireo hizara ny hevi-baovaon’izy ireo sasany amin’ny iray kilasy aminy. Avy eo dia ampahatsiahivo ny mpianatra ny fitsipika fahatelon’ny fahazoana fahalalana ara-panahy: mikatsaha fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ny loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra. Omeo fotoana ny mpianatra hitadiavana loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra izay afaka manampy ireo olona ao amin’ireo rafi-tantara ireo. Afaka manampy amin’izany ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Ahoana no ahafahan’ireo fampianarana ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manampy io olona io?
-
Inona avy ireo soratra masina hafa na teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana afaka manampy?
Raha ilaina dia azonao ampahatsiahivina ny mpianatra ireo soratra masina na ireo teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay nohalalinin’izy ireo tamin’ity taona ity ka mifandray amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika sy ny tanjontsika masina. Ohatra amin’izany ny Mosesy 1:2–6; Abrahama 3:22–23; Genesisy 1:26–27. Azonao atao ihany koa ny mampiseho amin’ny mpianatra ny teny nambara ao amin’ny taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Zanaky ny Ray aho,” izay hita ao amin’ny Lesona 8: “Genesisy 1:26–27.”
Rehefa mizara loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra ny mpianatra, dia asao izy ireo hifanakalo hevitra momba ny antony na ny fomba ahatsapan’izy ireo fa afaka manampy ireo olona ao amin’ireo rafi-tantara ireo ilay loharanom-pahalalana. Azonao anontaniana ny mpianatra ihany koa ny fomba nitahiana azy ireo tamin’ny alalan’ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy rehefa niatrika fanamby mifandray amin’ny maha-izy azy ireo manokana izy ireo.