Seminera
Mosesy 6:1–39: Ny niantsoana an’i Enoka


“Mosesy 6:1–39: Ny niantsoana an’i Enoka,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha (2026)

“Mosesy 6:1–39: Ny niantsoana an’i Enoka,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha

Genesisy 5; Mosesy 6: Lesona 13

Mosesy 6:1–39

Ny niantsoana an’i Enoka

I Enoka mitory fibebahana

Rehefa nantsoina hitory fibebahana tamina vondron’olona ratsy fanahy i Enoka dia nahatsapa tena ho votsa. Nanampy sy nampahery azy ny Tompo mba hanatanteraka izay noheveriny fa tsy ho vitany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa fahatokisana ao amin’ny Tompo sy ny heriny mba hanampiana sy hankaherezana azy ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fotoana niainan’ny olona ny herin’ny Tompo tamin’ny fanampiany azy ireo handresy zava-tsarotra. Amporisiho izy ireo hitady ohatra ao amin’ny soratra masina.

Sahanasa fianarana azo atao

Fahatsapana ho votsa

Asehoy eny amin’ny solaitrabe ny fanambarana toy ity manaraka ity: Tsy vitako. Tsy ampy fahalalana aho. Sarotra loatra izany.

  • Inona avy ireo toe-javatra izay mety ahitana ny zatovo miaina ireo karazana fahatsapana ireo?

Azonao atao ny manao lisitra eny amin’ny solaitrabe ahitana ireo toe-javatra izay zarain’ny mpianatra.

Saintsaino ny toe-javatra iray eo amin’ny fiainanao izay mety hahatonga anao ho votsa na ho novesarina. Makà fotoana dia saintsaino ireto fanontaniana ireto:

  • Toy ny ahoana ny fahatokisanao ny Tompo hanampy anao ao anatin’izany toe-javatra izany?

Amporisiho ny mpianatra hieritreritra ny toe-javatra iainan’izy ireo manokana eo am-pandalinana ny niantsoana an’i Enoka ho mpaminany. Asao izy ireo hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hampitombo ny fahatokisan’izy ireo amin’ny fahafahan’ny Tompo manampy sy manome hery azy ireo.

Miaina ny herin’ny Tompo i Enoka

Taranaka vitsy taorian’i Adama, i Enoka izay iray tamin’ireo taranany, dia niaina teo anivona olona mafy fo sy ratsy fanahy. Vakio ny Mosesy 6:26–28, ka tadiavo hoe inona no zavatra niantsoan’ny Tompo mba ho ataon’i Enoka.

  • Inona no mety tsapanao raha teo amin’ny toeran’i Enoka ianao? Nahoana?

sary famantarana ny taratasy zaraina Mba hanampiana ny mpianatra handalina ny zavatra niainan’i Enoka niaraka tamin’ny Tompo, dia hampiasao ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Miaina ny herin’ny Tompo i Enoka.” Azon’ny mpianatra atao ny miasa amin’ilay taratasy zaraina miaraka amina mpiara-mianatra iray. Mba hisian’ny vokatra isan-karazany dia azon’izy ireo atao ny mifanakalo mpiara-mianatra aorian’ny sahanasa fandalinana tsirairay. Azonao atao ihany koa ny mampiasa ireo hevitra ao amin’ny taratasy zaraina mba hanampiana ny mpianatra rehetra hiara-handalina ny zavatra niainan’i Enoka.

sary famantarana ny fanofanana Ny mpianatra sasany dia manana olana amin’ny fahafantarana ny fomba hanombohana resadresaka miompana amin’ny filazantsara. Nampidirina tao amin’ilay taratasy zaraina ny fanontaniana sasantsasany izay manampy amin’ireo resadresaka. Ny fanomezana fanontaniana hoenti-manomboka resadresaka toy ireto dia afaka manampy ny mpianatra hanao fanazaran-tena hizara ny eritreriny sy ny fahatsapany momba ny zavatra nohalalininy tao amin’ny soratra masina na ny tenin’ireo mpaminany. (Ho an’ny fanofanana fanampiny momba ny resadresaka dia jereo ny “Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.)

taratasy zaraina 1

Omeo fotoana ny mpianatra hizarana ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny fandalinany sy ny fifanakalozan-kevitra nataony, anisan’izany ireo fahamarinana izay hitan’izy ireo tao amin’ny Sahanasa fandalinana 4. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’izy ireo manokana, mety hahita fahamarinana iray mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Raha manatanteraka amim-pahatokiana ny zavatra handidian’ny Tompo antsika isika, dia hanome fanampiana sy hery ho antsika Izy.

Ny fanampian’ny Tompo sy ny heriny eo amin’ny fiainanao

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ilay fitsipika voalaza etsy ambony, dia azonao atao ny mampiseho ohatra vitsivitsy ara-tsoratra masina na maoderina. Asao ny mpianatra hamaky (na hijery) ilay ohatra ary hiomana hizara ny fomba nanampian’ny Tompo sy nanomezany hery ny olona tao amin’ilay ohatra. Mety ho hita ao anatin’ilay ohatra i Nefia sy ny fianakaviany tany an-tany efitra (jereo ny 1 Nefia 5:7–8; 7:16–18; 17:1–3; 18:1–4), i Almà sy ny vahoakany voageja (jereo ny Môzià 24:10–22), na ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ny Fonjan’i Liberty (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–10; 122:7–9). Azonao atao ihany koa ny mampiseho ny ohatra nozarain’ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny fiainany ao amin’ny “Ho tena zanaky ny Arivo Taona” (manomboka eo amin’ny mari-potoana 9:05 hatramin’ny 12:29). Io horonan-tsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org

30:35
  • Amin’ny fomba ahoana no nahitanao na niainanao ny herin’ny Tompo mba hanome fanampiana sy hery eo amin’ny fiainanao?

Hevero ny hizara ny ny zavatra niainanao manokana momba ny herin’ny Tompo.

Diniho ny zavatra nianaranao

Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra nianarany sy tsapany androany avy ao amin’ny soratra masina, avy amin’izy samy izy, ary avy amin’ny Fanahy. Fomba iray ahafahana manao izany ny fampisehoana ireto fanontaniana manaraka ireto sy ny fanomezana azy ireo fotoana hiraketana ny valiny ao anatin’ny diary fandalinan’izy ireo.

  • Inona no nianarako na tsapako androany momba ny Tompo ka afaka manampy ahy rehefa mahatsapa ho votsa, kivy, na tsy ampy tanjaka aho?

Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy izay manolo-tena hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo amin’ny iray kilasy. Mijoroa ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny heriny hanome hery sy fanampiana antsika.