Seminera
Mosesy 7: Topimaso


“Mosesy 7: Topimaso,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha (2026)

“Mosesy 7: Topimaso,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha

Mosesy 7

Mosesy 7

Topimaso

Ary ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe i Ziona satria niray hina sy niaina tamim-pahamarinana ary niahy ny mahantra izy ireo. Nasehony an’i Enoka fa hakarina any an-danitra i Ziona, saingy hitomany ireo olona sisa tavela eto an-tany amin’ny faharatsiany Izy. Hisedra tondra-drano no hiafaran’ireo olona ireo. Nasehon’ny Tompo tamin’i Enoka ihany koa ny sorona hataon’ny Mpamonjy. Nampanantena ny Tompo fa amin’ny andro farany dia hanangona sy hiaro ny olona izay hanaraka azy Izy.

sary famantarana ny seminera Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindram-pony eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ny fanampiana ny mpianatra hamantatra ny zavatra nataon’ny Tompo ho azy ireo dia afaka manampy azy ireo hampihatra finoana Azy. Ohatra iray amin’ny fomba hanaovana izany ao ny ao amin’ny Lesona 18: “Mosesy 7:53–69.” Mba hianarana misimisy kokoa, dia jereo ny “Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindram-pony eo amin’ny fiainan’izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 8).

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Mosesy 7:1–21

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hampivelatra ny toetra tahaka ny an’i Kristy izay nananan’i Enoka sy ny vahoakany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny androny omaly sy ny mety ho fiantraikan’ny zavatra nataon’izy ireo tamin’ny olon-kafa.

  • Sary: Séquoia, fototra séquoia

  • Taratasy zaraina:Vahoakan’i Ziona

  • Horonan-tsary:Charity: An Example of the Believers” (4:50)

Mosesy 7:22–47

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny famindram-pon’ Andriamanitra sy ny fitiavany ny zanany rehetra.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra zavatra niainana sy soratra masina izay manampy azy ireo hahafantatra hoe manao ahoana ny Ray any An-danitra. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mangataka ny ray aman-dreny na mpitarika na namana mahatoky mba hizara zavatra niainana na soratra masina amin’izy ireo. Asao ireo mpianatra ho tonga vonona hizara momba izany.

  • Horonan-tsary:The Grandeur of God” (15:28) jereo manomboka amin’ny mari-potoana faha 6:35 hatramin’ny 9:52

Mosesy 7:53–69

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra sy hankasitraka ny zavatra nataon’ny Tompo tamin’ny fanampiana azy ireo handresy ireo fizahan-toetra amin’izao androntsika izao.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga efa vonona hizara andalan-tsoratra masina iray avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanampy azy ireo rehefa niatrika fitsapana izy ireo.

  • Sary: Tafio-drivotra; ny Fahitana Voalohany; Jaona Mpanao Batista manome an’i Joseph Smith ny Fisoronana Aharôna; Petera, Jakoba ary Jaona manome ny Fisoronana Melkizedeka an’i Joseph Smith; ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana; Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany; I Joseph Smith mandray ireo takela-bolamena; vondrona mpiangona ao am-piangonana