“Mosesy 4:5–32; 5:1–15, Fizarana 1: ‘Ary samy nahiratra ny masony’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Mosesy 4:5–32; 5:1–15, Fizarana 1: ‘Ary samy nahiratra ny masony’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Genesisy 3–4; Mosesy 4–5:Lesona 11
Mosesy 4:5–32; 5:1–15, Tapany 1
“Ary samy nahiratra ny masony”
Na tsapantsika izany na tsy tsapantsika dia miantraika amintsika rehetra mivantana isan’andro ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. Raha ny marina dia tsy teraka akory isika raha tsy nitranga izany. Natokana hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fiantraikan’ny Fahalavoana eo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra sy eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana ity lesona ity.
Fiomanan’ ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitadidy ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 2 Nefia 2:25 ary hanontany ny rainy na ny reniny na mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny hevitr’izany amin’izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Tsara ve sa ratsy?
Hanombohana ny lesona, dia ampio ny mpianatra hihevitra ny mahatonga ireo zavatra sarotra sasany mety ho lasa fitahiana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra. Fomba iray hanaovana izany ny fampiasana ity mari-drefy manaraka ity. Mety hisafidy ny hampiseho ny sary izay mampiseho ireo teny halahatry ny mpianatra ianao.
-
Eo amin’ny mari-drefy 1–10 (1 = ratsy, 10 = tsara), ahoana araka ny hevitrao no mety handaharan’ny ankamaroan’ny olona ireto zavatra manaraka ireto?
Asa mafy
Fitsapana
Alahelo
Fahafatesana
-
Raha raisina amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny drafitry ny Ray any An-danitra dia mety ho hafa ve ny handaharanao azy ireo? Raha eny, dia nahoana?
Asehoy ny sarin’i Adama sy Eva toy ilay iray tany am-piandohan’ny lesona. Azonao avela eo izany ho amin’ny ambin’ny lesona.
Maro amin’ireo zava-tsarotra atrehintsika eo amin’ny fiainana no vokatry ny safidy nataon’ireo ray aman-drenintsika voalohany dia i Adama sy i Eva.
-
Ahoana no mety handaharan’ny olona maro ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva amin’ny mari-drefy 1–10 raha ny eritreritrao? Nahoana?
Saintsaino hatraiza ny fahatakaranao tsara ny hevitry ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva sy ny dikan’izany eo amin’ny fiainanao. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Tsapanao ve na tsara na ratsy ilay Fahalavoana?
-
Amin’ny fomba ahoana no miantraika amin’ny valinteninao ny fahatakaranao ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?
Eo am-pandalinanao ny Mosesy 4–5 androany, dia mikatsaha aingam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. Ny Fanahy Masina no afaka manampy anao hahita fa tafiditra ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny Fahalavoana mba hanampiana antsika handroso sy ho tonga tahaka Azy bebe kokoa.
Ireo vokatry ny Fahalavoana
Asao ny mpianatra hamintina ny zavatra fantany momba ny Sahan’i Edena sy ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. Raha mila fanampiana izy ireo dia asao hikaroka ao amin’ny 2 Nefia 2:22–23; Mosesy 3:16–17; 4:6–12, ka hitady ny antsipiriany. Azonao atao ihany koa ny mamintina amin’ny alalan’ny fampisehoana ny horonantsary momba ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha “Adam and Eve” (1:53), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Ao aorian’izay dia ampio ny mpianatra hianatra momba ny vokatry ny Fahalavoana teo amin’i Adama sy i Eva, sy ny taranany. Hanampiana ny mpianatra handamina ny zavatra ianaran’izy ireo, dia omeo taratasy izy ireo ary asehoy ireto torolalana manaraka ireto. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hiara-hiasa tsiroroa hamitana ity sahanasa ity. (Fanamarihana: Ny Lesona 21: “Tombano ny fianaranao 1” dia manoro ny mpianatra mba hijery ireo bokikely noforonin’izy ireo tamin’ity sahanasa ity mba hanampiana azy ireo hanazava ny vokatry ny Fahalavoana.)
Asio fetrany ny fotoana lanin’ny mpianatra amin’ny famoronana ireo bokikely ireo mba hananan’izy ireo fotoana hiaina ny ambin’ny lesona.
Hanampiana anao handamina ny zavatra nianaranao momba ny Fahalavoana, dia mamoròna bokikely amin’ny fampiasana ireto torolalana manaraka ireto. Alaivo sary an-tsaina ny fampiasana ity bokikely ity hampianarana ny hafa momba ny Fahalavoana sy ny antony maha-zava-dehibe izany ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Mahaiza mamorona rehefa manamboatra ny bokikelinao.
-
Aforeto roa ilay taratasy. Mamoròna pejy fonony misy lohateny toy ny hoe “Ny Fahalavoana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.” Ampio kisarisary na sary mampahatsiahy anao ny Fahalavoana, toy ny hazo fihinam-boa na voankazo iray.
-
Ao anatin’ny bokikely, asivo lohateny hoe “Vokatry ny Fahalavoana” eo amin’ny pejy ankavia.
-
Halalino ny Mosesy 4:13–16, 22–25, 28–29; 5:1–4. Tanisao na ataovy sary ny vokatry ny Fahalavoana eo amin’ny zanak’ Andriamanitra. Ampidiro ao amin’ny bokikelinao ireo andininy izay nianaranao momba ny vokatra tsirairay.
Rehefa nanana fotoana ampy tsara dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny bokikelin’izy ireo amin’ny iray kilasy. Asao ireo mpianatra hampiditra ao amin’ny bokikelin’izy ireo ny zavatra izay tsy voasorany.
Ataovy azo antoka fa notanisain’ny mpianatra ny hoe i Adama sy i Eva sy ny taranany ankehitriny dia:
-
Hahatsapa tsy fahavononana rehefa eo anatrehan’ Andriamanitra (Mosesy 4:13–16).
-
Hanan-janaka (Mosesy 4:22; 5:2–3).
-
Hiaina alahelo sy hirifiry ary fahasahiranana (Mosesy 4:22–24).
-
Mila miasa mafy vao velona (Mosesy 4:25; 5:1–3).
-
Hahalala ny tsara sy ny ratsy (Mosesy 4:28).
-
Ho faty (Mosesy 4:25).
-
Nosarahina hiala teo anatrehan’ Andriamanitra (fahafatesana ara-panahy) (Mosesy 5:4).
Hazavao fa ny fisarahana amin’ Andriamanitra dia antsoina hoe “fahafatesana ara-panahy”, zavatra izay iainantsika rehetra.
Saintsaino fa ny fiantraikany manokana tamin’ny Fahalavoana dia afaka manampy antsika handroso mankany amin’ny “tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay” (Mosesy 1:39).
-
Amin’ny fomba ahoana ny famelan’ Andriamanitra an’i Adama sy i Eva ho lavo no maneho ny fahendreny sy ny fitiavany ho an’ny zanany?
Saintsaino hoe inona amin’ireo vokatry ny Fahalavoana no hitanao sarotra indrindra eo amin’ny fiainanao.
Hazavao amin’ny mpianatra fa hamita ny bokilekiny izy ireo mandritra ny lesona manaraka rehefa eo am-pandalinana ny lesona momba ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny fandresena ny voka-dratsin’ny Fahalavoana.
Ny anjara asa lehiben’ny Fahalavoana
I Lehia mpaminaniny ao amin’ny Bokin’ny Môrmôna dia nanazava ny hevitry ny Fahalavoana.
Halalino ny 2 Nefia 2:22–25, ka tadiavo ny antony nahatonga ny Fahalavoana ho zavatra tsara.
-
Inona no nianaranao momba ny Fahalavoana?
Mety hilaza fahamarinana maromaro ny mpianatra, saingy ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa zava-dehibe ho an’ny fivoarantsika ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny Fahalavoana.
Mety ho tianao ihany koa ny hanampy ny mpianatrao hahita fa ny Ray any An-danitra dia namela an’i Adama sy i Eva sy ny taranany hiaina fifaliana tamin’ny alalan’ny Fahalavoana. Asao izy ireo hanoratra ny teny hoe “fifaliana” ao amin’ny bokikeliny eo ambanin’ny hoe “Ireo vokatry ny Fahalavoana.” Anontanio ny mpianatrao raha misy afaka manao tsianjery ny 2 Nefia 2:25 .
Ny Filoha Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny antony maha-zava-dehibe ny Fahalavoana eo amin’ny fiainantsika:
Ampahany manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra ny Fahalavoana. Raha tsy nisy azy io dia tsy ho nisy zanaka mety maty naterak’i Adama sy i Eva, ary tsy ho nisy fianakavian’olombelona mba hiaina ny fifanoherana sy ny fitomboana, ny safidim-pitondran-tena, ny fifaliana avy amin’ny fitsanganana amin’ny maty, sy ny fanavotana, ary ny fiainana mandrakizay. (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 207)
Avereno jerena ny bokikelinao ao amin’ny pejy misy ilay hoe “Ny vokatry ny Fahalavoana.”
-
Amin’ny fomba ahoana no miantraika amin’ny fomba tsara eo amin’ny fivoaranao mandrakizay ny Fahalavoana?
-
Inona amin’ny vokatry ny Fahalavoana no ilaintsika mba hanavotana antsika?
Ampio hahatakatra ny mpianatra fa, ankoatra ny maro hafa, dia tsy afaka manavotra ny tenantsika amin’ny fahafatesana ara-batana na ny fahafatesana ara-panahy isika.
Vakio ny fehezan-teny voalohany ao amin’ny 2 Nefia 2:26, ka tadiavo ny vaovao mahafaly ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra.
-
Inona no hitanao?
Ampahafantaro ny mpianatra fa ny lesona manaraka dia hifantoka amin’ny anjara asan’ny Mesia amin’ny fanavotana antsika noho ny voka-dratsin’ny Fahalavoana.
Asao ireo mpianatra hitadidy ilay sahanasa fandaharana tany am-piandohan’ny lesona. Eto dia anontanio azy ireo ny fomba hanombanan’izy ireo ny fahalavoan’i Adama sy i Eva amin’ny mari-drefy 1–10. Afaka manazava amin’ny manoddina azy ny mpianatra avy eo hoe nahoana no zavatra tsara ny Fahalavoana sy ny fomba fiantraikan’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo sy ny fandrosoan’izy ireo ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.
Farano ny sahanasa amin’ny fijoroanao hovavolombelona momba ny fahendren’ny Ray any An-danitra sy ny fitiavany antsika, izay nasehony tamin’ny nandefasany ny Zanany mba hanavotra antsika tamin’ny Fahalavoana.
(Lazao ny mpianatra mba hitahiry ny bokikeliny, na hamerina izany any aminao, mba hahafahan’izy ireo mamita ny famoronana izany amin’ny lesona manaraka.)