Boky torolalana sy antso
38. Ireo fitsipika sy torolalan’ny Fiangonana


“38. Ireo fitsipika sy torolalan’ny Fiangonana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“38. Ireo fitsipika sy torolalan’ny Fiangonana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

38.

Ireo fitsipika sy torolalan’ny Fiangonana

38.1

Fandraisana anjara ao am-piangonana

Tian’ny Raintsika any An-danitra ny zanany rehetra. “Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra,” ary manasa ny rehetra Izy “hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny hatsaram-pony” (2 Nefia 26:33).

Matetika ireo mpitarika eo anivon’ny Fiangonana sy ireo mpikambana no anontaniana hoe iza no afaka manatrika ireo fivoriam-bavaky Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro, iza no afaka ny ho lasa mpikamban’ny Fiangonana, ary iza no afaka mankao amin’ny tempoly.

38.1.1

Fanatrehana ireo fivoriam-piangonana

Nampianatra ny Mpamonjy fa ireo mpianany dia tokony hitia ny namany (jereo ny Matio 22:39). Nanasa ireo mpikambana vao niova fo i Paoly “mba [tsy ho] vahiny sy mpivahiny intsony, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina” (Efesiana 2:19). Nampianatra ihany koa ny Mpamonjy fa ireo mpikamban’ny Fiangonana dia tsy tokony “handroaka na oviana na oviana ny olona hiala amin’ny fivoriana … ampahibemaso izay atao eo anoloan’izao tontolo izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:3).

Afaka manatrika soa aman-tsara ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo, sy ireo fivoriana isaky ny alahady, ary ireo hetsika sosialy ataon’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny olona rehetra. Ny mpiandraikitra mpiahy no tompon’andraikitra amin’ny fakana antoka fa ireo rehetra manatrika dia maneho fanajana ny fahamasinan’ny toerana.

Ireo izay manatrika dia tsy tokony hanao zavatra manapaka na manelingelina mifanohitra amin’ny fitsaohana na ireo tanjona hafa an’ilay fivoriana. Tokony hajaina avokoa ireo fe-taona sy fitondrantena takin’ireo fivoriam-piangonana sy hetsika samihafa. Izany dia mitaky ny tsy fanaovana fihetsika toy ny fifanorohana ela na fifampisafosafoana ary ny tsy fanaovana fitafy na fihaingo izay miteraka tsy fifantohana. Izany ihany koa dia mandrara ny fanaovana resaka ara-politika na firesahana momba ny fironana ara-pananahana na momba ny toe-tena manokana hafa amin’ny fomba izay mampiala ny fifantohana amin’ireo fivoriana izay mifantoka amin’ny Mpamonjy.

Raha misy fitondrantena tsy mendrika miseho dia manome torohevitra mitokana sy amim-pitiavana ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Mankahery ireo izay manana fitondrantena tsy mifanentana amin’ilay fivoriana izy mba hifantoka hanampy amin’ny fihazonana ilay toerana ho masina ho an’ireo rehetra manatrika ka antitranterina manokana amin’izany ny fitsaohana ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy.

Ireo trano fivoriana an’ny Fiangonana dia raisina ho fananana manokana iharan’ireo fitsipiky ny Fiangonana noho izany. Ireo rehetra izay tsy vonona ny hanaraka ireo torolalana ireo dia hangatahina amim-panajana tsy hanatrika ireo fivoriam-piangonana sy ireo hetsika karakarain’ny Fiangonana.

38.1.2

Fahatongavana ho mpikamban’ny Fiangonana

Ny olon-drehetra izay “manatona amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina,” “ary vonona ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy,” ary maniry ny hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanana masin’ny batisa dia afaka ny ho lasa mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany avokoa (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37).

Raha te hahalala ny mahakasika ny batisan’ny zaza 8 taona no ho miakatra, dia jereo ny 38.2.8.2.

38.1.3

Fankanesana any amin’ny Tempoly

Toerana masina fitsaohana izay natao handraisana ôrdônansy masina sy hanaovana fanekempihavanana tena manan-danja ny tempoly. Ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana, ireo tempoly dia tranon’ Andriamanitra. Ny mpikamban’ny Fiangonana izay mihazona fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly irery ihany no afaka mankao amin’ny tempoly noho izany fahamasinana izany sy ny fanekempihavanana izay atao ao. Afaka mahazo fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly ireo mpikambana rehefa mitandrina amim-pahatokiana ireo didy izay takina ary miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. (Jereo ny toko faha-26.)

38.1.4

Fandraisana anjara sy fitahiana ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana izay tsy manambady

Ireo mpikambana rehetra, na dia tsy nanambady mihitsy aza na tsy manana fianakaviana ato amin’ny Fiangonana, dia tokony hikatsaka ilay tarigetra hoe miaina ao anatin’ny fianakaviana mandrakizay. Izany dia midika ho fiomanana mba hofehezina ho vady mendrika sy ho lasa ray na reny feno fitiavana. Ho an’ny sasany dia tsy ho tanteraka ireo fitahiana ireo raha tsy amin’ny fiainana any an-koatra, fa ny tanjona farany dia mitovy ihany ho an’ny rehetra.

Hahazo ireo fitahiana rehetra nampanantenaina any amin’ny mandrakizay ireo mpikambana mahatoky izay miaina toe-javatra tsy ahafahany mandray ny fitahian’ny fanambadiana mandrakizay sy ny fananana zanaka eto amin’ity fiainana ity, raha toa ka mitandrina ireo fanekempihavanana izay nataony tamin’ Andriamanitra izy ireo (jereo ny Môzià 2:41).

38.1.5

Ray aman-dreny latsaky ny 18 taona tsy manambady

Ny zatovolahy iray latsaky ny 18 taona tsy manambady izay ho lasa raim-pianakaviana dia afaka mandray anjara ao amin’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna misy azy na ao amin’ny kôlejin’ny loholona. Ilay zatovolahy sy ny ray aman-dreniny ary ny eveka no mandray io fanapahan-kevitra io rehefa avy nivavaka.

Ny zatovovavy iray latsaky ny 18 taona tsy manambady izay ho lasa renim-pianakaviana dia afaka mandray anjara ao amin’ny Zatovovavy na ny Fikambanana Ifanampiana. Ilay zatovovavy sy ny ray aman-dreniny ary ny eveka no mandray io fanapahan-kevitra io rehefa avy nivavaka.

Rehefa mandray izany fanapahan-kevitra izany ilay zatovo sy ny ray aman-dreniny ary ireo mpitarika dia mandinika ireto zavatra manaraka ireto:

  • Raha toa ka mandray anjara ao amin’ireo kilasy sy fiaraha-mientana ho an’ny zatovo ilay zatovo dia tsy tokony hiaraka aminy ilay zaza.

  • Ireo zatovo efa lehibe izay misafidy ny hitaiza ilay zaza dia afaka mahazo tombony amin’ny fandraisana azy ao amin’ny kôlejin’ny loholona mba ho olona azo aroso ho loholona, na ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana.

38.2

Fitsipika mikasika ireo ôrdônansy sy tsodrano

Ity fizarana ity dia manome ireo fitsipika mikasika ireo ôrdônansy sy tsodrano. Ahitana toe-javatra iainana manokana ireo fitsipika ireo. Ny fampahalalana amin’ny ankapobeny momba ireo ôrdônansy sy tsodrano dia omena ao amin’ny toko faha-18. Ny fampahalalana momba ny ôrdônansin’ny tempoly dia omena ao amin’ny toko faha-27 sy 28.

38.2.1

Fandikana ireo ôrdônansy sy tsodrano amin’ny fiteny hafa

Zava-dehibe ny hahazoan’ny olona iray izay mandray ôrdônansy na tsodrano ny zavatra lazaina. Raha ilaina dia afaka mangataka olona iray ny mpitarika mpiahy iray mba handika teny ny fanatanterahana ôrdônansy na fanomezana tsodrano iray ho amin’ny fiteny izay azon’ilay mandray izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fandikanteny amin’ny fiteny tanana.

Raha toa ka marenina na lalodalovana ny olona mandray ôrdônansy, dia afaka mampiasa application mamadika feo ho soratra izy. Ny olona izay marenina na lalodalovana dia afaka mampiasa ihany koa ny fanampian’ny mpandika teny mahay fiteny tanana na application mamadika feo ho soratra mba hahatakarany ny tsodrano omena ny olona ao amin’ny fianakaviany.

Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fandikanteny an-tsoratra ny tsodranon’ny patriarika dia jereo ny 38.2.10.5. Mba hahitana fampahalalana momba ny fandikana ny tsodranon’ny patriarika amin’ny fiteny tanana dia jereo ny 38.2.10.6.

38.2.2

Sary, horonam-peo sy horonan-tsary, ary fandikana an-tsoratra ireo zavatra nambara nandritra ireo ôrdônansy sy tsodrano

Masina ireo ôrdônansy sy tsodrano. Noho izany antony izany dia tsy tokony hisy haka sary na hanao horonan-tsary ireo ôrdônansy na tsodrano na fotoam-batisa.

Afaka manao raki-peo sy fandikana an-tsoratra ireo tsodrano avy amin’ny raim-pianakaviana ny fianakaviana iray. Ireo tsodrano ireo dia fariparitana ao amin’ny 18.14.1.

Hadika an-tsoratra ny tsodranon’ny patriarika. Mba hanamorana izany dia manao raki-peon’ilay tsodrano ny patriarika sy ny mpitantsorany.

Tsy tokony halaina feo na hadika ireo ôrdônansy sy tsodrano hafa.

Raha te hahalala kokoa mikasika fampitana an-tsary ny fanatanterahana ireo ôrdônansy dia jereo ny 38.2.3.

38.2.3

Fampitana an-tsary ny fanatanterahana ireo ôrdônansy

Raha azo atao dia tokony hiezaka hanatrika mivantana ireo izay te hahita ny fanatanterahana ôrdônansy iray. Rehefa miara-mivory hanatrika fanatanterahana ôrdônansy iray ny mpikambana sy ny namana, dia mahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy izy ireo ary miombom-po.

Kanefa, rehefa misy olona akaiky ao amin’ny fianakaviana tsy afaka manatrika mivantana, dia mahazo manome lalana ny eveka na ny filohan’ny tsatòka mba hampitana an-tsary aminy ny fanatanterahana ilay ôrdônansy. Ahazoana lalana ny fampitana an-tsary ohatra, raha toa ilay olona akaiky ao amin’ny fianakaviana ka:

  • Mipetraka any amin’ny toerana lavitra be na tsy manana fahafahana hanao dia lavitra.

  • Manana olana ara-pahasalamana eo amin’ny ara-batana, na ara-tsaina, na ara-pihetseham-po.

  • Manana olana eo amin’ny hery fiarovana na any amin’ny toeram-pitazaina be antitra sy ny manan-kilema na any amin’ny hôpitaly.

  • Mila fandikan-teny amin’ny fiteny tanana.

  • Manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno. (Takina amin’izany ny fankatoavan’ny filohan’ny misiôna.)

Ny eveka dia mahazo manome lalana ny fampitana an-tsary ny fanatanterahana fitsofan-drano zaza, batisa, fandraisana ho mpikambana, ary fanendrena ho amin’ny fisoronana Aharôna. Ny filohan’ny tsatòka dia mahazo manome lalana ny hampitana mivantana ny fanendrena ho amin’ny fisoronana Melkizedeka sy ny fanokanana ny misiônera.

Tsy azo ampitaina mivantana ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo. Raha ampitaina mivantana ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo iray dia tokony haato izany fampitana izany mandritra ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo. Azon’ny eveka atao ny manome lalana ny mpisorona iray na ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka iray hanatanteraka mivantana ny fanasan’ny Tompo ho an’ireo olona izay tsy afaka manatrika ny fivoriana.

Tsy tokony hampiala ny fifantohana amin’ny Fanahy ny fampitana an-tsary ny fanatanterahana ireo ôrdônansy. Amin’ny ankapobeny dia fitaovana iray ihany no tokony hampiasaina amin’izany. Ny manam-pahaizana manokana momba ny teknôlôjia eo anivon’ny paroasy na ny tsatòka no mikirakira izany. Tsy tokony hanelingelina ny fifantohan’ny olona na ilay fitaovana na ilay olona mampiasa izany.

Tokony hofafana iray andro aorian’ny nanatanterahana ilay ôrdônansy ny fampitana an-tsary ny fanatanterahana ireo ôrdônansy.

38.2.4

Ôrdônansy ho an’ireo izay manana fahasembanana ara-tsaina

Rehefa mandinika ny amin’ny tokony hanatanterahana ireo ôrdônansy ho an’ny olona iray manana fahasembanana ara-tsaina na tsia, dia mifampidinika ilay olona sy ny ray aman-dreniny na ny mpiantoka azy (raha azo atao), ary ireo mpitarika. Dinihin’izy ireo ombam-bavaka ny fanirian’ilay olona sy ny halehiben’ny fahatakarany. Tsy tokony hosakanana ny fanatanterahana ireo ôrdônansy raha toa ilay olona ka mendrika sy maniry ny handray izany ary mampiseho fahavononana ampy tsara ny ho tompon’andraikitra sy ho tompon’antoka amin’izany.

Afaka mifampidinika amin’ny filohan’ny tsatòka ny eveka raha manana fanontaniana mikasika ny olona iray manokana. Afaka mifandray amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany ny filohan’ny tsatòka raha ilaina.

Ireo olona izay manana fahasembanana mahatonga azy ireo tsy ho tompon’andraikitra dia “voavonjy ao amin’ny fanjakana selestialin’ny lanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:10). Noho io antony io dia tsy misy ôrdônansy ilaina na tanterahina ho azy ireo. Ny hany tranga maningana dia ny famehezana amin’ny ray aman-dreniny ho an’ireo izay tsy teraka tao anatin’ny fanekempihavanana.

Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fanatanterahana ireo ôrdônansy ho an’ireo olona manana fahasembanana ara-tsaina dia jereo izao manaraka izao:

  • Ho an’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana, 38.2.8.1

  • Ho an’ny fanendrena ao amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana, 38.2.9.7

  • Ho an’ny tsodranon’ny patriarika, 38.2.10.1

  • Ho an’ny fanafiana masina sy ny famehezana any amin’ny tempoly, 27.2.1.3 sy ny 27.3.1.2

38.2.5

Ôrdônansy sy tsodrano tanterahin’ireo izay manana fahasembanana ara-batana na tanterahina ho an’ireo izay manana fahasembanana ara-batana

Ny olona izay manana fahasembanana ara-batana, toy ny tsy fisian’ny rantsam-batana, tsy fahafahan’ny tongotra aman-tanana mihetsika, na marenina, dia afaka manatanteraka sy mandray ôrdônansy sy tsodrano. Manao fandaminana ireo mpitarika mba hahafahan’ireo olona ireo mandray anjara araka izay azo atao. Raha manana fanontaniana izay tsy voavahan’izy ireo ny mpitarika, dia mifandray amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany ny filohan’ny tsatòka.

Afaka mifanerasera amin’ny alalan’ny fiteny tanana ny olona izay marenina na lalodalovana rehefa manatanteraka na mandray ôrdônansy na tsodrano iray. Ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izay manara-maso ny ôrdônansy iray dia maka antoka fa takatr’ilay olona mandray izany amin’ny alalan’ny mpandika teny iray na amin’ny alalan’ny fomba hafa ilay ôrdônansy (jereo ny 38.2.1).

38.2.6

Fanamarinana na fanekena ireo ôrdônansy

Ny fampahalalana etsy ambany dia manome ireo antony tsy mampanan-kery ny ôrdônansy iray. Mamariparitra ny fomba fanamarinana na fanekena ilay ôrdônansy ihany koa izany.

Amin’ny tranga sasantsasany dia tsy maintsy averina tanterahina ny ôrdônansy iray. Rehefa mitranga izany dia mirakitra ilay daty vaovao ao amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ny mpitamboky iray na dia tsy mifanaraka amin’ny filaharan’ny datin’ireo ôrdônansy hafa aza izany.

38.2.6.1

Tsy nisy firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana noforonina na tsy ao ny taona na tsy marina

Mba hampilamina ny fihazonana rejisitra, dia tsy raisina ho toy ny manan-kery ny ôrdônansy iray raha tsy voarakitra na diso ao anatin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ny taona nanatanterahana izany. Ho fanampin’izany dia tsy manan-kery ny batisa raha tsy nisy firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana noforonina. Azo hamarinina amin’ilay taratasy fanamarinana dika voalohany izay nomena tamin’ny fotoana nanatanterahana azy ilay ôrdônansy. Afaka manome lalana ny mpitamboky ny eveka mba hanavao amin’ny alalan’io taratasy fanamarinana io ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana.

Raha tsy hita ilay taratasy fanamarinana dia azo atao manan-kery amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona ataona olona roa izay nanatri-maso izany ilay ôrdônansy. Ireo vavolombelona anankiroa dia tokony:

  • Ho efa feno 8 taona no ho miakatra tamin’ny fotoana nanatanterahana ilay ôrdônansy.

  • Nahita maso an’ilay ôrdônansy na naheno izany.

  • Mpikamban’ny Fiangonana ao anatin’ny firaketana amin’ny fotoana izay hanomezany ny fijoroany ho vavolombelona.

  • Manome ny fijoroany ho vavolombelona an-tsoratra ka milaza na (1) ny daty marina nanatanterahana ilay ôrdônansy na (2) ny taona nanatanterahana izany sy ny olona nanatanteraka izany.

  • Manao sonia ny fijoroana ho vavolombelona nataon’izy ireo eo anatrehan’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpa na ny fiadidian’ny tsatòka.

Afaka manome lalana ny mpitamboky ny eveka mba hamorona na hanavao firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana amin’ny alalan’io fijoroana ho vavolombelona io. Aorian’izany dia tsy ilaina intsony ilay fijoroana ho vavolombelona an-tsoratra.

Raha tsy hita mihitsy ilay taratasy fanamarinana ary tsy misy fijoroana ho vavolombelona, dia tsy maintsy haverina tanterahina indray ilay ôrdônansy.

Raha toa ka nandray ôrdônansy hafa ilay mpikambana taorian’ilay ôrdônansy tsy manan-kery dia tsy maintsy ahazoana fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany izany. Mandefa taratasy any amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany ny filohan’ny tsatòka mba hanaovana izany fangatahana izany.

38.2.6.2

Ôrdônansy natao tsy nifanaraka tamin’ny fomba takina tokony hanaovana azy

Tsy manan-kery ny ôrdônansy iray raha toa ka nandray izany tamin’ny fomba tsy nanaraka ny fomba takina tokony hanaovana izany ny olona iray. Ohatra, tsy manan-kery ny fanafiana masina noraisin’ny lehilahy iray raha toa ka nandray izany talohan’ny nandraisany ny Fisoronana Melkizedeka izy. Na izany aza anefa, ny Fiadidiana Voalohany dia afaka mampanan-kery ny ôrdônansy toy izany. Mandefa taratasy any amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany ny filohan’ny tsatòka mba hanaovana izany fangatahana izany.

38.2.6.3

Notanterahina talohan’ny taona takina ahafahana manao izany ilay ôrdônansy

Tsy manan-kery ny ôrdônansy iray raha toa ka notanterahina talohan’ny taona takina tokony azo hanaovana izany. Ohatra, tsy manan-kery ny batisa iray raha toa ka notanterahina talohan’ny faha-8 taonan’ilay olona.

Raha tsy nisy ôrdônansy hafa noraisina taorian’ilay ôrdônansy tsy manan-kery dia tokony hotanterahina indray ilay ôrdônansy. Raha toa ka nisy ôrdônansy hafa noraisina, dia tsy maintsy ahazoana fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany ireo ôrdônansy ireo sy ilay ôrdônansy tsy manan-kery. Mandefa taratasy any amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany ny filohan’ny tsatòka mba hanaovana izany fangatahana izany.

38.2.6.4

Tsy notanterahina tamin’ny fahefana mifanaraka amin’izany ilay ôrdônansy

Tsy manan-kery ny ôrdônansy iray raha toa ka notanterahin’ny olona iray tsy nanana ny fahefan’ny fisoronana mifanaraka amin’izany. Ohatra, tsy manan-kery ny fandraisana ho mpikambana raha olona tsy mihazona ny Fisoronana Melkizedeka no nanatanteraka izany. Tahaka izany ihany, dia tsy manan-kery ilay izy raha toa ilay olona manatanteraka ilay ôrdônansy ka nandray ny Fisoronana Melkizedeka tamin’ny fomba tsy mifanaraka tamin’ny fomba tokony nanaovana izany na tsy nahazoana ny fankatoavana mifanaraka amin’izany (jereo ny 38.2.6.2; jereo koa ny 32.17).

Raha tsy nisy ôrdônansy hafa noraisina taorian’ilay ôrdônansy tsy manan-kery dia tokony hotanterahina indray amin’ny alalan’ny olona iray manana ny fahefana mifanaraka amin’izany ilay ôrdônansy. Raha toa ka nisy ôrdônansy hafa noraisina, dia tsy maintsy ahazoana fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany ireo ôrdônansy ireo sy ilay ôrdônansy tsy manan-kery. Mandefa taratasy any amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany ny filohan’ny tsatòka mba hanaovana izany fangatahana izany. Amin’ny tranga sasantsasany dia mety hanome toromarika ny Fiadidiana Voalohany fa tokony haverina indray ireo ôrdônansy.

38.2.7

Fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza

Mba hahitana fampahalalana ankapobeny momba ny fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza dia jereo ny 18.6.

38.2.7.1

Zazakely marary mafy

Ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray dia afaka manatanteraka ny fanomezana anarana sy fitsofan-drano any amin’ny hôpitaly na any an-trano raha toa ka misy zaza vao teraka marary mafy. Tsy mila fahazoan-dalana avy amin’ny eveka izy amin’izany. Rehefa avy manome ilay tsodrano izy dia ampahafantariny avy hatrany ny eveka mba hahafahana manamboatra firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ho an’ilay zaza.

38.2.7.2

Zanaka izay tsy nivady ny ray aman-dreniny (tafiditra ao anatin’izany ny ray aman-dreny izay nisara-panambadiana)

Azo tsofina rano ny zaza iray rehefa nahazo fahazoan-dalana am-bava avy amin’ny ray aman-dreny na ny mpiantoka ilay zaza ny eveka. Tsy takina ny fahazoan-dalana avy amin’ny ray na reny na ny mpiantoka izay tsy manana antony araka ny lalàna handavana ilay tsodrano.

38.2.7.3

Ankizy izay tsy mpikamban’ny Fiangonana ny ray aman-dreniny

Indraindray ny ray aman-dreny na ny mpiantoka ny zaza iray dia mangataka ny hitsofan-drano ilay zaza na dia tsy mpikamban’ny Fiangonana aza izy ireo. Rehefa mitranga izany, dia mangataka lalana am-bava avy amin’ny ray aman-dreny na ny mpiantoka ny eveka. Tsy takina ny fahazoan-dalana avy amin’ny ray na reny na ny mpiantoka izay tsy manana antony araka ny lalàna handavana ilay tsodrano.

Manazava ny eveka fa:

  • Hisy firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana hamboarina aorian’ny fitsofan-drano ilay zaza.

  • Hifandray amin’izy ireo matetika ny mpikambana ao amin’ny paroasy.

  • Handroso hevitra izy na ireo mpitarika hafa ao amin’ny paroasy fa tokony hiomana ny hatao batisa ilay zaza rehefa akaiky ny faha-8 taonany.

38.2.8

Ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana

Mba hahazoana fampahalalana ankapobeny momba ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana dia jereo ny 18.7 sy ny 18.8.

38.2.8.1

Olona manana fahasembanana ara-tsaina

Ny olona iray manana fahasembanana ara-tsaina dia azo atao batisa sy raisina ho mpikambana raha toa izy ka azo raisina ho tompon’andraikitra tsara araka ny tokony ho izy. Tokony ho afaka mahatakatra sy mitandrina ireo fanekempihavanana atao amin’ny batisa izy.

Ny eveka no mihazona ny fanalahidy hanaovana ny batisan’ilay olona raha toa izy ka:

  • Mpikambana ao anaty rejisitra 8 taona no ho miakatra.

  • Feno 8 taona ary mpikambana farafahakeliny ny iray amin’ny ray aman-dreniny na ny mpiantoka azy (jereo ny 18.7.1.1).

Mifampidinika ilay olona sy ny ray aman-dreniny na ny mpiantoka azy (raha azo atao), ary ny eveka mba hamaritana raha toa ka tokony hatao batisa sy horaisina ho mpikambana ilay olona.

Raha azo raisina ho toy ny olona niova fo ilay olona, dia ny filohan’ny misiôna no mihazona ny fanalahidy hanatanterahana ny batisany (jereo ny 18.7.1.2). Amin’izay tranga izay dia mampahafantatra ny filohan’ny misiôna ireo misiônera. Mifampidinika amin’ilay olona sy ny ray aman-dreniny na ny mpiantoka azy (raha azo atao) izy mba hamaritana raha toa ka tokony hatao batisa sy horaisina ho mpikambana ilay olona. Raha mahafantatra tsara an’ilay olona ny eveka dia afaka mangataka ny heviny koa ny filohan’ny misiôna.

Ireo izay tsy tompon’andraikitra dia tsy ilaina atao batisa na firy taona na firy taona (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:46–50 sy ny 38.2.4 ato amin’ity boky torolalana ity).

Mba hahitana fampahalalana momba ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ho an’ireo olona izay mety ho tsy tompon’andraikitra dia jereo ny 33.6.10.

38.2.8.2

Zaza tsy ampy taona

Azo atao batisa ny zaza iray tsy ampy taona, araka ny famaritan’ny lalàna eo an-toerana, rehefa feno ireto fepetra manaraka ireto:

  1. Manome lalana ny ray aman-dreny na ny mpiantoka ara-dalàna. Tsy takina ny fahazoan-dalana avy amin’ny ray na reny na ny mpiantoka izay tsy manana antony araka ny lalàna handavana ilay batisa. Ny tranga maningana dia ilàna ny fankatoavan’ny Fiadidiana Voalohany.

    Ny olona izay manatanteraka ilay tafa sy dinika momba ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana dia mangataka ny hanoratana ilay fankatoavana an-tsoratra raha tsapany fa hanampy amin’ny fisorohana izay mety ho fifandisoan-kevitra izany. Any amin’ny toerana sasany dia takina ny fanomezan-dalana an-tsoratra. Afaka manome torolalana momba izany ireo mpitarika ao amin’ny misiôna sy ny vondromparitra.

    Tokony hahatakatra ny fotopampianarana izay hampianarina ny zanany ny ray aman-dreny na ny mpiantoka. Tokony ho vonona ihany koa izy ireo ny hanohana ilay zaza amin’ny fanaovana sy ny fitandremana ny fanekempihavanan’ny batisa.

  2. Mahatsapa ilay olona manatanteraka ny tafa sy dinika fa mahatakatra ny fanekempihavanan’ny batisa ilay zaza. Tokony hahatsapa fatokian-tena izy fa hiezaka ny hitandrina io fanekempihavanana io ilay zaza amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy, ka isan’izany ny fanatrehana ireo fivoriam-piangonana.

Raha mitondra ny anaran’ny raikeliny ny zaza iray, dia azo atao batisa sy raisina ho mpikambana amin’izany anarana izany ilay zaza. Mitombina izany na dia tsy natsangana tamin’ny fomba ôfisialy aza izy. Na izany aza anefa dia tokony ho voarakitra ao amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana sy ny taratasy fanamarinana ho an’ny batisa ary ny fandraisana ho mpikambana ny anaran’ilay ankizy ara-dalàna, araka izay voalazan’ny lalàna na ny fomba amam-panao eo an-toerana.

38.2.8.3

Ireo olona izay manambady

Ny olona iray izay manambady dia tsy maintsy mahazo ny fankatoavan’ny vadiny alohan’ny hanaovana batisa azy.

38.2.8.4

Olona manao tokantranomaso

Ny olon-droa miara-mipetraka kanefa tsy mpivady ara-dalàna dia tsy maintsy manao fanoloran-tena hiaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izay vao azo atao batisa ny iray amin’izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana asa amim-pinoana ho amin’ny fibebahana araka ny voalazalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37. Tafiditra ao anatin’izany koa ny tsy fiarahana mipetraka intsony, na, raha lehilahy sy vehivavy, dia miroso amin’ny fanambadiana.

38.2.8.5

Ny olona izay nesorina amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy na nangataka ny hamafana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy

Azo averina amin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ny olona izay efa nesorina tsy ho mpikambana na nangataka ny hamafana ny maha-mpikambana azy. Tsy raisina ho toy ny niova fo izy ireo. Tsy manao tafa sy dinika amin’izy ireo momba ny batisa ny misiônera. Raha te hahita torolalana momba izany dia jereo ny 32.16.

38.2.8.6

Ireo toe-javatra izay mitaky fanomezan-dalana avy amin’ny filohan’ny misiôna na ny Fiadidiana Voalohany

Ilaina ny fanomezan-dalana avy amin’ny filohan’ny misiôna alohan’ny hahafahan’ny olona iray hatao batisa raha toa ilay olona ka efa:

  • Nahavita heloka bevava (jereo ny 38.2.8.7).

  • Nandray anjara tamina fanalan-jaza (jereo ny 38.6.1).

Amin’ireo tranga ireo dia ny filohan’ny misiôna no manao tafa sy dinika amin’ilay olona. Afaka manome lalana ny iray amin’ireo mpanolotsainy ny filohan’ny misiôna mba hanao an’io tafa sy dinika io raha toa ka ilaina. Omeny isaky ny misy tafa sy dinika atao io fanomezan-dalana io. Manao tatitra amin’ny filohan’ny misiôna ilay mpanolotsaina manao ilay dinidinika, ary aorian’izany dia mety hankatoavin’ny filohan’ny misiôna na tsia ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana.

Ilaina ny fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany alohan’ny ahafahan’ny olona iray hatao batisa raha toa ilay olona ka:

  • Efa namono olona (jereo ny 38.2.8.7).

  • Efa voaheloka tamin’ny heloka bevava mifandray amin’ny firaisana ara-nofo (jereo ny 38.2.8.7).

  • Nahazo fahafahana vonjimaika na famoahana arahina fepetra noho ny heloka bevava na fandikan-dalàna lehibe natao (matetika ahazoana sazy taona iray na mihoatra an-tranomaizina) na heloka bevava mifandray amin’ny firaisana ara-nofo (jereo ny 38.2.8.7).

  • Efa nandray anjara tamin’ny fanambadiana maro (jereo ny 38.2.8.8).

  • Efa nahavita ny fanovana ny taovam-pananahany ho lahy na ho vavy izay mifanohitra amin’ny maha-lahy na vavy azy ara-boajanahary tamin’ny nahaterahany (jereo ny 38.2.8.9).

Raha vao sambany ilay olona no mikatsaka ny hatao batisa, dia ny filohan’ny misiôna no manao ny tafa sy dinika aminy. Raha hitany fa mendrika ilay olona ka mampanao ny batisa izy dia mandefa fangatahana fankatoavana any amin’ny Fiadidiana Voalohany izy amin’ny fampiasana ny DDG.

Raha mpikambana teo aloha izay mikatsaka ny hiverina ho mpikambana ilay olona, dia ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka no manao tafa sy dinika aminy. Manaraka ireo torolalana ao amin’ny 32.16 izy ireo. Raha samy mahita izy ireo fa mendrika ilay olona ka mampanao ny batisa izy ireo dia mandefa fangatahana fankatoavana any amin’ny Fiadidiana Voalohany ny filohan’ny tsatòka amin’ny fampiasana ny DDG.

Tokony ahitana ireo antsipirian-javatra manan-danja rehetra araka izay notapahana nandritra ny tafa sy dinika ny fangatahana rehetra alefa any amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Jereo ny 6.2.3 momba ny andraikitry ny filohan’ny tsatòka (na misiôna) rehefa mandefa fangatahana any amin’ny Fiadidiana Voalohany.

38.2.8.7

Olona efa voaporofo ho nahavita heloka bevava

Tsy azo atao batisa ny olona efa voaporofo ho nahavita heloka bevava raha tsy efa nahavita tanteraka ny sazin’izy ireo tany am-ponja. Mitombona izany ho an’ireo olona niova fo sy ireo izay mikatsaka ny hiverina ho mpikamban’ny Fiangonana.

Tsy azo atao batisa sy raisina ho mpikambana ireo olona efa voaporofo fa nahavita heloka bevava na izay mety ho heloka bevava mifandray amin’ny firaisana ara-nofo raha tsy efa nahavita nanefa ihany koa ny saziny tamin’ny fanomezana azy fahafahana vonjimaika na ny famoahana azy arahina fepetra. Ny Fiadidiana Voalohany ihany no afaka manome izay ho atao tranga maningana (jereo ny 38.2.8.6). Amporisihina ireo olona ireo hiara-hiasa akaiky amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana. Miezaka izy ireo hanao izay rehetra azony atao mba hahazoana ny fanampian’ny Mpamonjy mba ho lasa mendrika ny hatao batisa sy horaisina ho mpikambana.

Tsy mampianatra olona any am-ponja ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno.

Tsy azo atao batisa ny olona iray efa voaporofo fa namono olona na nanao heloka bevava mifandray amin’ny firaisana ara-nofo raha tsy rehefa manome fankatoavana ny hanaovana izany ny Fiadidiana Voalohany (jereo ny 38.2.8.6). Mitombina izany ho an’ny olona iray izay nibaboka fa nahavita namono olona na dia natao mangingina tamina mpitarika iray ao amin’ny fisoronana aza izany fibabohana izany. Tsy tafiditra amin’ny famonoana olona resahina eto ny fanalan-jaza na ny zavatra ataon’ny pôlisy na ny miaramila eo am-panatanterahana ny asany.

Raha vao sambany ilay olona no mikatsaka ny hatao batisa, dia manaraka ireo toromarika ao amin’ny 38.2.8.6 ny filohan’ny misiôna. Raha mpikambana teo aloha izay mikatsaka ny hiverina ho mpikambana ilay olona, dia manaraka ireo toromarika ao amin’io fizarana io ihany ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka (jereo koa ny 32.16).

38.2.8.8

Olon-dehibe nandray anjara tamina fanambadiana maro

Tsy maintsy mahazo fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany ny olon-dehibe izay efa namporisika, nampianatra, na nandray anjara tamina fanambadiana maro izay vao azo atao batisa.

Raha vao sambany ilay olona no mikatsaka ny hatao batisa, dia manaraka ireo toromarika ao amin’ny 38.2.8.6 ny filohan’ny misiôna. Raha mpikambana teo aloha izay mikatsaka ny hiverina ho mpikambana ilay olona, dia manaraka ireo toromarika ao amin’ny 38.2.8.6 ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka (jereo ihany koa ny 32.16).

Tokony mamariparitra ny fandraisan’ilay olona anjara tamin’ny fanambadiana maro tany aloha tany ilay fangatahana. Tokony mamariparitra ihany koa ny fibebahany sy ny toe-javatra iainan’ny fianakaviany amin’izao fotoana izao izany.

38.2.8.9

Ireo olona izay mahatsapa ny tenany ho transgenres (olona izay tsy mitovy amin’ny namaritana azy ny fahatsapany ny maha-lahy na maha-vavy azy na ny fanehoany izany)

Ny olona “transgenre” dia azo atao batisa sy raisina ho mpikambana raha toa izy ka tsy manaraka fitsaboana na fandidiana tsy voatery hatao entina hiovana ho lahy na ho vavy izay mifanohitra amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy azy ara-boajanahary tamin’ny nahaterahany (“fanovana ny namaritana ho lahy na ho vavy tany am-pahaterahana”).

Ny filohan’ny misiôna dia tokony hifampidinika amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra mba hiresaka amim-pitandremana ny toe-javatra misy ny tsirairay avy.

Ny olona iray nahavita nanova tanteraka ny namaritana azy ho lahy na ho vavy tany am-pahaterahany tamin’ny alalan’ny fitsaboana na fandidiana tsy voatery hatao dia tsy maintsy mahazo fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany vao azo atao batisa. Afaka mangataka izany fankatoavana izany ny filohan’ny misiôna raha toa ka izy no nanao tafa sy dinika tamin’ilay olona ka hitany hoe mendrika ilay olona ankoatra izany ary afaka manolotra azy hatao batisa. Ilay olona dia tsy ho afaka ny handray ny fisoronana, na fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, na antso sasantsasany ao amin’ny Fiangonana. Na izany aza anefa, dia afaka mandray anjara ao amin’ny Fiangonana amin’ny fomba hafa izy.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 38.6.23.

38.2.9

Fanendrena ho amin’ny fisoronana

Raha mila fampahalalana ankapobeny momba ny fanendrena ho amin’ny fisoronana dia jereo ny 18.10.

38.2.9.1

Mpikambana vaovao

Rehefa atao batisa sy raisina ho mpikambana ny rahalahy iray, dia mahafeno fepetra mba hotendrena ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Aharôna raha toa ka feno 12 taona izy farafahakeliny alohan’ny fiafaran’ny taona. Manao tafa sy dinika aminy ny eveka fotoana fohy aorian’ny nandraisana azy ho mpikambana, izay ao anatin’ny herinandro nahavitana izany raha ny tokony ho izy. Manolotra azy ao amin’ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà mba hahafahan’ny mpikambana ao amin’ny paroasy manohana ny fanolorana ny fanendrena azy (jereo ny 18.10.3). Azo tendrena ho amin’ny anjara fanompoana mifanaraka amin’izay izy avy eo:

  • Diakona, raha ho feno 12 na 13 taona izy mialoha ny faran’ny taona

  • Mpampianatra, raha ho feno 14 na 15 taona izy mialoha ny faran’ny taona

  • Mpisorona, raha ho feno 16 na mihoatra izany izy mialoha ny faran’ny taona; ary raha 19 taona no ho miakatra izy, dia raisina ho azo aroso ho loholona ihany koa (jereo ny 38.2.9.3)

Mahafeno ny fepetra handraisana ny Fisoronana Melkizedeka sy hanendrena azy ho loholona ny mpikambana vaovao iray raha toa izy ka:

  • 18 taona no ho miakatra.

  • Efa mpisorona izy (tsy misy fe-potoana takina amin’izany).

  • Manana fahatakarana ampy momba ny filazantsara.

  • Naneho ny fahamendrehany.

Tsy tendrena amin’ny andro nanaovana batisa na nandraisana azy ho mpikambana ireo rahalahy vao vita batisa. Mila manao tafa sy dinika amin’ny eveka sy tohanan’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy aloha izy ireo.

Ny batisan’ny olona ao amin’ny fianakaviana dia tsy tokony hahemotra noho ny fiandrasana ilay raim-pianakaviana hahazo ny fisoronana Aharôna ka hahafahany manatanteraka mivantana ireo batisa.

38.2.9.2

Zatovolahy izay tsy nivady ny ray aman-dreniny (tafiditra ao anatin’izany ny ray aman-dreny izay nisara-panambadiana)

Azo tendrena ho amin’ny Fisoronana Aharôna ny zatovolahy iray rehefa nahazo fahazoan-dalana am-bava avy amin’ny ray aman-dreny na ny mpiantoka ny eveka. Tsy takina ny fahazoan-dalana avy amin’ny ray na reny na ny mpiantoka izay tsy manana antony araka ny lalàna handavana ilay fanendrena.

Raha mitondra ny anaran’ny raikeliny ilay zatovolahy, dia azo tendrena amin’izany anarana izany izy. Mitombina izany na dia tsy natsangana tamin’ny fomba ôfisialy aza izy. Tokony horaketina ao anatin’ny taratasy fanamarinana ny fanendrena anefa ny anarana ara-dalàn’ilay zatovolahy araka izay hamaritan’ny lalàna sy ny fomba eo an-toerana izany.

38.2.9.3

Olona mety ho azo aroso ho loholona

Ny olona mety ho azo aroso ho loholona dia mpikambana lehilahy ao amin’ny Fiangonana izay feno 19 taona no ho miakatra izay tsy mihazona ny Fisoronana Melkizedeka. Ireo rahalahy izay manambady kanefa latsaky ny 19 taona sy tsy mihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia antsoina koa hoe mety ho azo aroso ho loholona.

Eo ambany fitarihan’ny eveka no iarahan’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona miasa akaiky amin’ireo olona mety ho azo aroso ho loholona mba hanampiana azy ireo hiomana handray ny Fisoronana Melkizedeka. Raha toa ka tsy mpisorona ny olona mety ho azo aroso ho loholona iray, dia tokony hotendrena ho mpisorona izy raha vantany vao mendrika. Tsy voatery hotendrena ho diakona na mpampianatra izy mialoha izany. Azo tendrena ho loholona avy hatrany izy rehefa nahazo fahatakarana ampy mikasika ny filazantsara ary naneho ny fahamendrehany. Manao tafa sy dinika aminy ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka rehefa handray izany fanapahan-kevitra izany (jereo ny 31.2.6).

Ho fampahalalana misimisy kokoa momba ny fanampiana ireo olona mety ho azo aroso ho loholona hiomana handray ny Fisoronana Melkizedeka dia jereo ny 8.4.

38.2.9.4

Ireo rahalahy nifindra paroasy tamin’ny taona lasa

Indraindray ny rahalahy iray izay nipetraka tao amina paroasy iray nandritra ny herin-taona latsaka dia mila na maniry ny hotendrena ho amina anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Ao anatin’izany toe-javatra izany dia mifandray amin’ilay evekany teo aloha ny eveka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany mba hanontany raha misy olana mahakasika ny fahamendrehana mila jerena. Raha mahafantatra ny mpanolotsaina iray fa misy fampahalalana tsiambaratelo zarainy, dia faranany hatreo ilay fifampiresahana. Mampahafantatra ny evekany izy mba hifandray amin’ilay eveka teo aloha alohan’ny hanaovana ilay tafa sy dinika.

38.2.9.5

Ireo rahalahy any amin’ny paroasin’ny tanora tokan-tena sy ny paroasin’ny olon-dehibe tokan-tena

Tokony hotendrena ho loholona ireo rahalahy mendrika 18 taona no ho miakatra any amin’ireo paroasin’ny tanora tokan-tena sy ny paroasin’ny olon-dehibe tokan-tena. Ireo izay tsy mbola notendrena ho loholona dia isan’ny ao amin’ny kôlejin’ny loholona amin’ny maha-olona mety ho azo aroso ho loholona azy.

38.2.9.6

Ireo miaramila any amin’ny faritra misy ady na faritra mitoka-monina

Raha ny mahazatra dia manao tafa sy dinika ary mandray ny fanendrena any amin’ny paroasy izay misy ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana azy ny miaramila iray. Mety tsy azo tanterahina anefa izany raha toa ilay miaramila ka any an-dranomasina mandritra ny fotoana ela na manompo any amin’ny faritra misy ady na mitoka-monina. Mihaona amin’ny mpitarika ilay vondron’ny mpikambana manompo ao amin’ny tafika misy azy ilay miaramila raha ao anatin’ny toe-javatra toy izany. Raha toa ka mahatsapa ilay mpitarika ny vondrona fa efa vonona ny hotendrena ilay mpikambana manao asa miaramila dia manome fanolorana an-tsoratra any amin’ny mpitarika mpiahy eo anivon’ny rantsan’ny Fiangonana izay manara-maso ny vondron’ny mpikambana manao asa miaramila izy. (Raha tsy misy izany rantsan’ny Fiangonana izany, dia omeny an’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ilay fanolorana.) Mifampiresaka amin’ilay evekan’ny paroasy niavian’ilay miaramila io mpitarika io mba hanamarinana ny fahamendrehan’ilay lehilahy.

Ho an’ny fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Aharôna dia afaka manome lalana ny mpitarika ilay vondron’ny miaramila na ilay mpitondra fivavahana Olomasin’ny Andro Farany mba hanao tafa sy dinika amin’ilay olona sy hiandraikitra ilay fanendrena ny mpitarika mpiahy. Ho an’ny fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny loholona dia afaka manome lalana ilay mpitondra fivavahana Olomasin’ny Andro Farany mba hanao tafa sy dinika amin’ilay olona sy hanara-maso ilay fanendrena ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiôna, na ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Tokony hotohanana na hamarinina araka ny hazavaina ao amin’ny 18.10.3 ny fanendrena rehetra.

38.2.9.7

Ireo rahalahy izay manana fahasembanana ara-tsaina

Raha misy lehilahy mpikamban’ny Fiangonana izay manana fahasembanana ara-tsaina dia mifampidinika ny ray aman-dreniny (raha azo atao) sy ny eveka mba hamaritana raha toa ka tokony handray ny fisoronana izy. Mifampidinika momba ny faniriany izy ireo ary raha toa izy ka manana fahatakarana fototra mikasika ny fisoronana sy ny andraikiny.

Tokony hampiana ny mpihazona ny fisoronana izay manana fahasembanana toy izany mba hahafahan’izy ireo manatontosa feno araka izay azo atao ny adidin’izy ireo ao amin’ny fisoronana.

38.2.9.8

Ireo rahalahy izay niverina lasa mpikambana tamin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana

Rehefa naverina ho mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ny lehilahy iray izay tsy mbola nandray fanafiana masina teo aloha, dia mahazo mandray fanendrena avy hatrany izy aorian’izay. Tendrena ho amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana izay nohazoniny tamin’ny fotoana nanesorana na nangatahany ny hamafana ny maha-mpikambana azy izy.

Raha efa nandray fanafiana masina ilay lehilahy teo aloha, dia tsy tendrena ho amina anjara fanompoan’ny fisoronana izy. Ny anjara fanompoana nosahaniny teo aloha kosa dia averina amin’ny laoniny amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny famerenana amin’ny laoniny ireo tsodrano.

Mba hahazoana fampahalalana sy torolalana bebe kokoa dia jereo ny 32.17.

38.2.9.9

Ireo olona izay mahatsapa ny tenany ho transgenres (olona izay tsy mitovy amin’ny namaritana azy ny fahatsapany ny maha-lahy na maha-vavy azy na ny fanehoany izany)

Ny mpikambana izay efa nanao fitsaboana na fandidiana tsy voatery hatao entina hiovana ho lahy na ho vavy izay mifanohitra amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy azy ara-boajanahary tamin’ny nahaterahany (“fanovana ny namaritana ho lahy na ho vavy tany am-pahaterahana”) dia tsy mahazo mandray na mampiasa ny fisoronana. Toy izany koa, ny mpikambana izay nanova ny mombamomba ny tenany eo anivon’ny fiarahamonina mba hiova ho lahy na ho vavy izay mifanohitra amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy azy ara-boajanahary tamin’ny nahaterahany dia tsy mahazo mandray na mampiasa ny fisoronana.

Tokony hifandinika amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ny filohan’ny tsatòka mba hiresaka amim-pitandremana sy amin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy ny toe-javatra iainan’ny ny tsirairay avy.

Ny lehilahy mendrika iray mpikamban’ny Fiangonana izay tsy manaraka fitsaboana, fandidiana, na tsy manova ny mombamomba ny tenany eo anivon’ny fiarahamonina mba hiova ho lahy na ho vavy izay mifanohitra amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy azy ara-boajanahary tamin’ny nahaterahany dia afaka mandray sy mampiasa ny fisoronana.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 38.6.23.

38.2.10

Ny tsodranon’ny patriarika

Raha mila fampahalalana ankapobeny momba ny tsodranon’ny patriarika dia jereo ny:

  • Fizarana 18.17 ato amin’ity boky torolalana ity.

  • Information and Suggestions for Patriarchs (Fampahalalana sy soso-kevitra ho an’ireo patriarika).

  • Worldwide Leadership Training Meeting: The Patriarch (Fivoriana fanofanana mpitarika maneran-tany: Ny patriarika).

38.2.10.1

Ireo mpikambana izay manana fahasembanana ara-tsaina

Ny mpikambana iray izay manana fahasembanana ara-tsaina, ny ray aman-dreniny na ny mpiantoka azy (raha azo atao), ary ny eveka dia mifampidinika mba hamaritana raha toa ka tokony handray tsodranon’ny patriarika izy. Dinihin’izy ireo ny fanirian’ilay mpikambana ary raha toa ilay mpikambana ka manana fahaizana fototra hahatakatra ilay tsodrano. Raha izay no izy dia mahazo manome Fahazoan-dalana hahazoana tsodranon’ny patriarika ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà. Misy torolalana omena ao amin’ny 18.17.

38.2.10.2

Misiônera

Afaka ny ho loharano hanovozana tanjaka ara-panahy ho an’ny misiônera iray ny tsodranon’ny patriarika. Raha azo atao dia tokony handray tsodranon’ny patriarika ny mpikambana iray alohan’ny hanombohany ny asa fitoriana ny filazantsara. Raha tsy azo notanterahina izany dia afaka mandray ny tsodranon’ny patriarika izy mandritra ny asa fitoriana izay ataony. Manao tafa sy dinika amin’ilay misiônera ny filohan’ny misiôna ary manomana Fahazoan-dalana hahazoana tsodranon’ny patriarika. Misy torolalana omena ao amin’ny 18.17.

Tsy afaka mahazo tsodranon’ny patriarika ny misiônera iray ao amin’ny Ivon-toerana fanofanana misiônera raha tsy mihatra avokoa ireto manaraka ireto:

  • Ilay misiônera dia avy amina faritra izay tsy misy patriarika afaka manome azy tsodrano amin’ny fitenin-drazany.

  • Ilay misiônera dia hanompo any amina misiôna izay tsy misy patriarika afaka hanome azy tsodrano amin’ny fitenin-drazany.

  • Misy patriarika akaikin’ny Ivon-toerana fanofanana misiônera afaka hanome azy tsodrano amin’ny fitenin-drazany.

38.2.10.3

Ireo mpikambana mirotsaka ho miaramila

Afaka ny ho loharano hanovozana tanjaka ara-panahy ho an’ny mpikambana iray manompo any amin’ny miaramila ny tsodranon’ny patriarika. Raha azo atao dia tokony handray tsodranon’ny patriarika ny mpikambana mendrika iray alohan’ny hanaovany fanompoam-pirenena ambany faneva.

Raha tsy azo notanterahina izany dia mety ho afaka handray tsodranon’ny patriarika any amin’ny toby iasany maharitra ilay mpikambana. Manao tafa sy dinika amin’ilay mpikambana ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà any an-toerana ary manomana Fahazoan-dalana hahazoana tsodranon’ny patriarika. Misy torolalana omena ao amin’ny 18.17.

Raha mila fampahalalana fanampiny dia afaka mifandray amin’ny Biraon’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ao amin’ny Q12Patriarchs@ChurchofJesusChrist.org ny filohan’ny tsatòka.

38.2.10.4

Ireo mpikambana mipetraka any ivelan’ny tsatòka misy ilay patriarika

Raha ny tokony ho izy dia mandray ny tsodranon’ny patriarika avy amin’ny patriarika ao amin’ny tsatòkany ny mpikambana iray. Kanefa afaka mahazo tsodrano avy amin’ny patriarika ao amin’ny tsatòka iray hafa ny mpikambana iray raha toa izy ka:

  • Taranak’ilay patriarika mivantana (zanaka, zafikely, na zafiafy) tamin’ny alalan’ny fahaterahana na fananganan-jaza.

  • Mipetraka ao amina tsatòka izay tsy manana patriarika amperinasa.

  • Mipetraka any amin’ny distrika iray.

  • Tsy miteny ny fiteny ampiasain’ilay patriarika ao amin’ny tsatòka, ary miteny ny fitenin’ilay mpikambana ny patriarika iray ao amin’ny tsatòka iray eo akaiky eo.

Amin’ny tsirairay avy amin’ireo toe-javatra ireo dia mpikambana iray ao amin’ny episkôpà na ny filohan’ny sampana no manao tafa sy dinika ilay mpikambana araka izay voalaza ao amin’ny 18.17. Tsy maintsy ankatoavin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka misy ilay patriarika sy ny fiadidian’ny tsatòka na ny misiôna misy ilay mpisitraka ilay fahazoan-dalana, amin’ny alalan’ny Patriarchal Blessing System (Rafitra fanomezana ny tsodranon’ny patriarika).

38.2.10.5

Fanaovana dikan-teny ny tsodranon’ny patriarika

Sarotra ampitaina amin’ny fandikanteny ny fitaomam-panahy sy ny hevitra fonosin’ny tsodranon’ny patriarika. Noho io antony io dia tokony handray ny tsodranony amin’ny fiteny tena azony indrindra ireo mpikambana. Tsy manome ny dikan-tenin’ireo tsodranon’ny patriarika ny Fiangonana.

Tsy amporisihina ny mpikambana hanao dikan-tenin’ireo tsodranon’ny patriarika. Kanefa indraindray dia mila tsodrano voadika ho amin’ny fiteny izay azony ny mpikambana iray. Mahazo mitady mpikamban’ny Fiangonana azo itokisana sy mendrika afaka manao ilay fandikanteny ilay mpikambana. Tokony hifidy mpandika teny havanana amin’ny asany sy mahatakatra ilay toetra ara-panahy ananan’ilay tsodrano sy ny maha-tsiambaratelo izany izy. Ireo dikantenin’ny tahadikan’ny tsodrano dia tsy tehirizina any amin’ny foiben’ny Fiangonana.

Afaka mangataka ny tahadikan’ny tsodranon’ny patriarika an-tsoratra natao manokana ho an’ny jamba ny filohan’ny tsatòka. Mifandray amin’ny Biraon’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy ao amin’ny Q12Patriarchs@ChurchofJesusChrist.org.

38.2.10.6

Dikan-tenin’ny tsodranon’ny patriarika amin’ny fiteny tanana

Raha misy mpikambana marenina na lalodalovana, dia azo adika amin’ny fiteny tanana ny tsodranon’ny patriarika omena azy. Mitady mpandika teny ilay mpikambana. Tena tsara raha mpikamban’ny Fiangonana azo itokisana sy mendrika io olona io izay mahatakatra ny lanjan’ny fotopampianaran’ny tsodranon’ny patriarika. Kanefa rehefa tsy mahita mpikamban’ny Fiangonana hanao izany dia afaka manao ny fandikan-teny ny olona iray mahay manao izany.

38.2.10.7

Tsodranon’ny patriarika faharoa

Amin’ny toe-javatra izay tena mahalana dia afaka mangataka tsodranon’ny patriarika faharoa ny mpikambana mendrika iray. Na izany aza anefa dia tsy amporisihina izany ary mety ho lavina izany fangatahana izany. Raha manana antony lehibe hanaovana izany fangatahana izany ilay mpikambana dia miresaka momba izany amin’ny eveka izy. Raha mahatsapa ilay eveka fa ilaina ilay tsodrano faharoa, dia manomana Fahazoan-dalana hahazoana tsodranon’ny Patriarika izy. Misy torolalana omena ao amin’ny 18.17.

Aorian’izany dia manao tafa sy dinika sy mamaky ilay tsodrano voalohany amin’ilay mpikambana ny filohan’ny tsatòka. Raha mahatsapa izy fa ilaina ny hanomezana tsodrano faharoa, dia mangataka fankatoavana avy amin’ny Biraon’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ao amin’ny Q12Patriarchs@ChurchofJesusChrist.org izy.

Ampahafantarin’ny filohan’ny tsatòka an’ilay mpisitraka sy ilay patriarika ny fanapahan-kevitry ny Biraon’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Raha nankatoavina ilay fangatahana dia ankatoavin’ny filohan’ny tsatòka ao amin’ny Patriarchal Blessing System (Rafitra fanomezana ny tsodranon’ny patriarika) ilay fahazoan-dalana. Lazain’ny filohan’ny tsatòka an’ilay mpisitraka fa ilay tsodrano faharoa no misolo toerana ilay tsodrano voalohany. Aorian’izany dia afaka manome ny tsodranon’ny patriarika faharoa amin’izay ilay patriarika.

38.3

Fisoratam-panambadiana

Manentana ireo mpikambana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hanao izay hahamendrika azy ireo hanao fanambadiana any amin’ny tempoly ary hanambady sy hofehezina any amin’ny tempoly. Raha mamela izany ny lalàna eo an-toerana dia afaka manatanteraka fisoratam-panambadiana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’ny toe-javatra misy toy izao manaraka izao:

  • Miomana ny hivady any amin’ny tempoly ny mpivady iray, saingy tsy eken’ny lalàna ny fanambadiana any amin’ny tempoly.

  • Hivady any amin’ny tempoly ny mpivady iray, kanefa hanampy ireo ray aman-dreny na ireo havana akaiky hahatsapa ho tsy voailika ny fanaovana fisoratam-panambadiana.

  • Tsy azo idirana mandritra ny fotoana maharitra ny tempoly.

  • Tsy miomana ny hivady any amin’ny tempoly ny mpivady iray.

Ny fisoratam-panambadiana dia manan-kery raha mbola velona ilay mpivady. Tsy maharitra mihoatra ny fiainana an-tany izany.

Tsy maintsy atao mifanaraka amin’ny lalàna misy ao an-toerana hanatanterahana azy ny fisoratam-panambadiana ara-panjakana.

Ny fisoratam-panambadiana ara-panjakana sy ny fotoam-pivavahana mifandray amin’izany dia tsy azo atao ny andro Sabata. Tsy azo atao amin’ny ora tsy mahazatra ihany koa izany.

Maka hevitra amin’ny filohan’ny tsatòkany ny eveka raha manana fanontaniana mikasika ny fisoratam-panambadiana izay tsy voavaly ato amin’ity fizarana ity. Afaka mandefa fanontaniana any amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany ny filohan’ny tsatòka.

38.3.1

Iza no afaka manatanteraka ny fisoratam-panambadiana ara-panjakana

Raha avelan’ny lalàna misy eo an-toerana, ireto mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana eo am-panompoana ireto dia afaka manao ny antson’izy ireo mba hanatanteraka lanonam-pisoratam-panambadiana:

  • Ny Filohan’ny Misiôna

  • Ny Filohan’ny tsatòka

  • Ny Filohan’ny distrika

  • Ny Eveka

  • Ny Filohan’ny sampana

Ireo mpiandraikitra ireo dia tsy afaka manatanteraka afa-tsy fisoratam-panambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ihany. Tsy maintsy mihatra ihany koa ireto fepetra manaraka ireto:

  • Mpikamban’ny Fiangonana ilay vehivavy na ilay lehilahy mpanambady na manana datin’ny batisa.

  • Ao amin’ilay rantsan’ny Fiangonana izay ahin’ilay mpiandraikitra ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ilay vehivavy na ilay lehilahy mpanambady, na ho tafiditra ao aorian’ny batisa.

  • Nahazo lalana ara-dalàna ny hanatanteraka fisoratam-panambadiana ao anatin’ny faritra hanaovana ilay fanambadiana ilay mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana.

Ireo mpitondra fivavahana Olomasin’ny Andro Farany mamita adidy any amin’ny fanompoana ara-miaramila dia afaka manatanteraka fisoratam-panambadiana ara-panjakana ary tsy mila fankatoavana mialoha.

Ireo mpitondra fivavahana notendrena hisahana rantsana misy ireo Réservistes na Garde Nationale dia tsy maintsy mahazo fankatoavana mialoha avy amin’ny rantsana misahana ny fifandraisan’ny Fiangonana amin’ny miaramila sy ny fanompoana ho mpitondra fivavahana any amin’ny tafika alohan’ny hanatanterahany fanambadiana ara-panjakana. Jereo ao amin’ny 38.9.10 ny fampahalalana momba ny fomba ahafahana mifandray amin’izany.

Ireo mpitondra fivavahana sivily izay manompo ato amin’ireto fikambanana manaraka ireto dia tsy maintsy mahazo fankatoavana mialoha avy amin’ny rantsana misahana ny fifandraisan’ny Fiangonana amin’ny miaramila sy ny fanompoana ho mpitondra fivavahana any amin’ny tafika alohan’ny hanatanterahany fisoratam-panambadiana:

  • Hôpitaly

  • Fikambanana mpitaiza beantitra

  • Ivon-toerana fikarakarana olona manana fahasembanana sy beantitra

  • Fonja

  • Tafika mpiaro ny sisin-tany

  • Sampan-draharahan’ny pôlisy na ny mpamonjy voina

Ireo miaramila mpitondra fivavahana misotro ronono dia tsy mahazo lalana hanatanteraka fisoratam-panambadiana ara-panjakana amin’ny maha-mpitondra fivavahana azy ireo.

Ireo izay manatanteraka fanambadiana ka mampiasa ny antsony amin’ny maha-mpitarika azy ao amin’ny Fiangonana na mpitondra fivavahana any amin’ny tafika dia tokony hampiasa ny torolalana ato amin’ity fizarana ity. Manaraka ireo zavatra takin’ny lalàna rehetra ihany koa izy ireo.

Ireo mpitondra fivavahana Olomasin’ny Andro Farany any amin’ny tafika dia tsy raisina ho mpiandraikitra mpiahy ato amin’ny Fiangonana raha tsy hoe sady filohan’ny tsatòka, na eveka, na filohan’ny sampana izy. Rehefa manatanteraka fisoratam-panambadiana ara-panjakana ny mpitondra fivavahana iray any amin’ny tafika izay tsy mpiandraikitra mpiahy ao amin’ny Fiangonana, dia manatanteraka ny anjara asany amin’ny maha-solontenam-panjakana azy fotsiny izy. Noho izany dia miova kely ireo teny ampiasaina mandritra ilay lanonam-pisoratam-panambadiana ho an’ireo mpitondra fivavahana any amin’ny tafika araka ny haseho ao amin’ny 38.3.6.

Ireo mpitondra fivavahana Olomasin’ny Andro Farany any amin’ny tafika dia tsy afaka manatanteraka afa-tsy fisoratam-panambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ihany.

Ireo mpiandraikitra ato amin’ny Fiangonana sy ireo mpitondra fivavahana any amin’ny tafika izay manatanteraka fisoratam-panambadiana ara-panjakana dia tokony hanolotra ny fampahalalana ilaina mikasika ilay fanambadiana amin’ny mpitambokin’ny paroasy na sampana. Manova ny ao amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ny mpitamboky.

Ny mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana sy ireo mpitondra fivavahana any amin’ny tafika izay manatanteraka ny fisoratam-panambadiana ara-panjakana ao anatin’ny Fiangonana dia tsy mahazo mandray tambin-karama.

38.3.2

Fisoratam-panambadiana ara-panjakana ho an’ireo mpikambana avy any amin’ny rantsana hafa ao amin’ny Fiangonana

Ny mpiandraikitra iray ao amin’ny Fiangonana dia tsy mahazo manatanteraka fanambadiana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana raha toa ka samy tsy avy ao amin’ny rantsan’ny Fiangonana izay iadidiany na ilay vehivavy na ilay lehilahy mpanambady (jereo ny 38.3.1). Tranga maningana azo tanterahina kosa izany ho an’ireo mpitondra fivavahana Olomasin’ny Andro Farany any amin’ny tafika sy ireo mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana izay manam-pahefana eo anivon’ny fitondram-panjakana.

38.3.3

Fisoratam-panambadiana ho an’ireo olona izay tsy mpikamban’ny Fiangonana

Ny mpiandraikitra iray ao amin’ny Fiangonana dia tsy mahazo manatanteraka fanambadiana raha toa ka samy tsy mpikamban’ny Fiangonana na ilay vehivavy na ilay lehilahy mpanambady raha tsy hoe manana datin’ny batisa ny iray amin’izy ireo na izy roa. Tranga maningana azo tanterahina kosa izany ho an’ireo mpitondra fivavahana Olomasin’ny Andro Farany any amin’ny tafika sy ireo mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana izay manam-pahefana eo anivon’ny fitondram-panjakana.

38.3.4

Fisoratam-panambadiana ao amin’ireo tranon’ny Fiangonana

Azo atao ao amin’ny tranon’ny Fiangonana ny lanonam-panambadiana iray raha toa ka tsy manakorontana ny fandaharam-potoana efa mahazatra ao amin’ny Fiangonana izany. Tsy tokony hatao ny Sabata na ny alatsinainy hariva ireo fanambadiana ireo. Tokony ho tsotra sy mendrika ireo fanambadiana tanterahina ao amin’ireo tranon’ny Fiangonana. Tokony ho masina sy feno fanajana lalina ary mitondra fifaliana ireo hira.

Azo tanterahina ao amin’ny trano fiangonana, ao amin’ny efitrano ara-kolontsaina, na amin’ny efitrano hafa izay mety amin’izany ireo fanambadiana. Tsy tokony hatao ao amin’ny efitrano fivavahana ireo lanonana raha tsy hoe efitrano fampiasa amin’ny zavatra maro samihafa izany. Tokony hanaraka ireo torolalana mikasika ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny trano fivorian’ny Fiangonana ireo fanambadiana (jereo ny 35.5.3).

Ny Fiangonana dia tsy manome lalana ny hampiasana ireo trano fivoriana na ireo fananany ho ampiasaina amin’ny tanjona rehetra mifandray amin’ny fanambadiana eo amin’ny olon-droa mitovy fananahana, ny fanambadiana maro, ny fanambadiana tsy araka ny lalàna, na fanambadiana hafa izay tsy mifanaraka amin’ny fotopampianaran’ny Fiangonana na ny fitsipiny.

Amin’ireo toe-javatra misy tsy dia fahita firy, dia mahazo manome lalana ny hampiasana ny tranon’ny Fiangonana ny eveka ho an’ireo fanambadiana tanterahan’ny olona iray tsy mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana na ho an’ireo olona tsy mpikamban’ny Fiangonana. Maka hevitra amin’ny filohan’ny tsatòka aloha izy. Mifampidinika amin’ilay olona hanatanteraka ilay raharaha izy mba hakana antoka fa mahatakatra ireo torolalana ato amin’io fizarana io izy. Manatrika izany ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitry ny tsatòka na ny paroasy mba hakana antoka fa ampiasaina sy karakaraina araka ny tokony ho izy ilay trano.

Mahazo manome lalana ny fampitana an-tsary mivantana ny fanambadiana iray tanterahina ao amin’ny tranon’ny Fiangonana ny eveka (jereo ny 29.7).

38.3.5

Fisoratam-panambadiana izay tsy maintsy tanterahin’ny manampahefam-panjakana na amina toeram-panjakana.

Any amin’ny toerana sasany dia takin’ny lalàna ny hanatanterahan’ny manampahefam-panjakana ny lanonam-pisoratam-panambadiana. Ny sasany dia mitaky ny hanatanterahana ilay lanonana any amina tranom-panjakana iray na toeram-panjakana hafa. Amin’ireo toe-javatra ireo dia afaka manao fiaraha-mivavaka fohy ny mpiandraikitra iray ao amin’ny fisoronana izay nahazo lalana aorian’ilay fisoratam-panambadiana. Manome torohevitra an’ireo mpivady izy ao anatin’io fiaraha-mivory io.

38.3.6

Lanonam-pisoratam-panambadiana

Masina ny fanambadiana ka tokony hajaina sy omena hasina araka izany. Tokony ahitana taratra ny fanahin’ny fanoloran-tena sy fifaliana ireo fanambadiana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay tanterahina any ivelan’ny tempoly.

Ankoatra izay nanaovana fanamarihana, dia mihatra amin’ireo mpitondra fivavahana Olomasin’ny Andro Farany any amin’ny tafika sy amin’ireo mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana ny fampahalalana ato amin’ity fizarana ity.

Alohan’ny hanatanterahana fisoratam-panambadiana dia afaka manoro hevitra ilay mpivady mikasika ny fahamasinan’ny voady amin’ny fanambadiana ilay mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana. Mahazo manampy torohevitra hafa araka izay hitarihan’ny Fanahy azy izy.

Rehefa manatanteraka fisoratam-panambadiana ny mpiandraikitra iray ao amin’ny Fiangonana dia miresaka amin’ilay mpivady ary miteny hoe: “Aoka ianareo hifandray amin’ny tanana havana.” Avy eo izy dia milaza hoe: “[Anarana fenon’ilay lehilahy sy anarana fenon’ilay vehivavy], mifandray amin’ny tanana havanana ianareo ho marik’ireo voady izay hifanaovanareo amin’izao fotoana izao eo anatrehan’ Andriamanitra sy ireto vavolombelona ireto.” (Afaka mifidy na manendry ireo vavolombelona ireo mialoha ilay mpivady.)

Avy eo ilay mpiandraikitra dia mitodika amin-dralehilahy ary manontany hoe: “[Anarana fenon’ilay lehilahy], manaiky ve ianao, handray an’i [anarana fenon’ilay vehivavy], ho vadinao ara-dalàna, ary moa ve ianao manaiky an-tsitrapo sy noho ny safidinao tsy misy faneriterena ny ho namany sy ho vady andefimandriny ara-dalàna, fa ianao dia hifikitra aminy fa tsy amin’olon-kafa, fa ianao dia hitandrina ireo lalàna sy andraikitra ary adidy rehetra mifamatotra amin’ny fahamasinan’ny fanambadiana, ary ianao dia hitia sy hanaja ary hankamamy azy raha samy mbola velona koa ianareo roa?”

Mamaly ralehilahy hoe, “Eny” na “Manaiky aho.”

Avy eo ilay mpiandraikitra dia mitodika amin-dravehivavy ary manontany hoe: “[Anarana fenon’ilay vehivavy], manaiky ve ianao, handray an’i [anarana fenon’ilay lehilahy], ho vadinao ara-dalàna, ary moa ve ianao manaiky an-tsitrapo sy noho ny safidinao tsy misy faneriterena ny ho namany sy ho vady andefimandriny, fa ianao dia hifikitra aminy fa tsy amin’olon-kafa, fa ianao dia hitandrina ireo lalàna sy andraikitra, ary adidy rehetra mifamatotra amin’ny fahamasinan’ny fanambadiana, ary ianao dia hitia sy hanaja ary hankamamy azy raha mbola samy velona koa ianareo roa?”

Mamaly ravehivavy hoe, “Eny” na “Manaiky aho.”

Rehefa izany dia mitodika amin’ny mpivady ilay mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana ka miteny hoe: “Amin’ny alalan’ny fahefana ara-dalàna izay nomena ahy amin’ny maha-loholon’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ahy, no anambarako fa ianareo ry [anaran-dralehilahy] sy [anaran-dravehivavy], dia mpivady ara-dalàna mandritra ny fiainanareo eto an-tany.”

(Teny ampiasaina ho an’ny mpitondra fivavahana any amin’ny tafika izay tsy mpiandraikitra mpiahy ao amin’ny Fiangonana: “Amin’ny alalan’ny fahefana ara-dalàna izay nomena ahy amin’ny maha-mpitondra fivavahana ahy avy ao amin’ny [sampan’ny miaramila na fikambanana sivily], no anambarako fa ianareo ry [anaran-dralehilahy] sy [anaran-dravehivavy], dia mpivady ara-dalàna mandritra ny fiainanareo eto an-tany.”)

“Andriamanitra anie handrotsaka fifaliana eo amin’ny taranakareo ao anatin’ny fanambadianareo, sy hanome fiainana lava iarahana ao anatin’ny fahasambarana, ary Izy anie hitahy anareo mba hitandrina ho masina ireo voady izay nataonareo. Ireo tsodrano ireo no angatahiko hirotsaka aminareo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.”

Tsy voatery atao ny fanasana ny mpivady hifanoroka, fa arakaraka ny lamina ifanekena ara-kolontsaina.

38.4

Ireo fitsipika momba ny famehezana

Manao fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra ny mpikamban’ny Fiangonana eo am-pandraisany ireo ôrdônansin’ny tempoly. Mampitambatra ny fianakaviana ho mandrakizay ireo ôrdônansin’ny famehezana ao amin’ny tempoly rehefa miezaka manaja ny fanekempihavanana izay ataony ny mpikambana rehefa mandray ilay ôrdônansy. Ireo ôrdônansin’ny famehezana dia ahitana ny:

  • Famehezana ny mpivady.

  • Famehezana ny zanaka amin’ny ray aman-dreny.

Hihazona ireo fitahiana ho an’ny tena manokana nentin’ilay famehezana ireo izay mitandrina ny fanekempihavanany. Mitombina foana izany na dia efa nandika ireo fanekempihavanana aza ny iray amin’ireo mpivady na niala tamin’ilay fanambadiana.

Ireo zanaka mahatoky izay fehezina amin’ny ray aman-dreny na teraka tao anatin’ny fanekempihavanana dia mihazona ireo fitahian’ny maha-zanaka mandrakizay. Toy izany hatrany izany na dia manafoana ny famehezana ny fanambadiany aza ny ray aman-drenin’izy ireo, na nesorina tsy ho mpikamban’ny Fiangonana, na niala tamin’ny maha-mpikambana azy ireo.

Ireo mpikambana izay manana olana mikasika ny toetra mandrakizain’ireo ôrdônansin’ny famehezana sy ny fifandraisan’ny fianakaviany na ny fifandraisan’izy mivady izay mifandray amin’izany dia amporisihina mba hatoky ny Tompo sy hikatsaka ny fampiononany.

Tokony haka hevitra amin’ny evekany ireo mpikambana raha manana fanontaniana mikasika ireo fitsipika momba ny famehezana izay tsy voavaly ato amin’ity toko ity. Miresaka amin’ny filohan’ny tsatòka ny eveka raha manana fanontaniana. Ny filohan’ny tsatòka dia mahazo mifandray amin’ny fiadidiana misahana ny tempoly ao amin’ny distrikan’ny tempoly misy azy ireo, na ny Fiadidian’ny Vondromparitra, na ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany raha manana fanontaniana izy ireo.

38.4.1

Famehezana lehilahy iray sy vehivavy iray

Zavatra ilaina

Fizarana

Zavatra ilaina

Nanao fisoratam-panambadiana aho ary maniry ny hofehezina amin’ny vadiko.

Fizarana

38.4.1.1

Zavatra ilaina

Nisara-panambadiana tamin’ny vadiko teo aloha aho ary maniry ny hofehezina amin’ny vadiko amin’izao fotoana izao.

Fizarana

38.4.1.2

Zavatra ilaina

Nodimandry ilay vadiko nofehezina tamiko. Amin’iza izany aho izao no azo fehezina?

Fizarana

38.4.1.3

Zavatra ilaina

Mila manao fangatahana fanafoanana ny famehezana na fahazoan-dalana hofehezina indray aho.

Fizarana

38.4.1.4

Zavatra ilaina

Te hanaisotra famerana manakana ny famehezana any amin’ny tempoly aho.

Fizarana

38.4.1.5

Zavatra ilaina

Nivady ho amin’izao fiainana izao fotsiny ihany tao amin’ny tempoly izahay mivady. Azo fehezina miaraka ve izahay?

Fizarana

38.4.1.6

Zavatra ilaina

Azo fehezina amin’iza ireo olona ao amin’ny fianakaviako efa nodimandry?

Fizarana

38.4.1.7

Zavatra ilaina

Inona no vokatra ateraky ny fisaraham-panambadiana eo amin’ny famehezana nataoko?

Fizarana

38.4.1.8

Zavatra ilaina

Inona avy ireo vokatra ateraky ny fanafoanana famehezana iray?

Fizarana

38.4.1.9

Zavatra ilaina

Inona no vokatry ny fangatahana ny hamafana ny maha-mpikambana sy ny fanesorana tsy ho mpikambana amin’ny famehezana nataoko?

Fizarana

38.4.1.10

38.4.1.1

Famehezana ny mpikambana mbola velona aorian’ny fisoratam-panambadiana

Azo fehezina any amin’ny tempoly ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray nahavita fisoratam-panambadiana raha vantany vao mamela ny hanaovana izany ny toe-javatra misy raha feno ireto fepetra manaraka ireto:

  • Samy efa mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny herintaona farafahakeliny izy roa (jereo ny 27.3.1 sy ny 27.2.1).

  • Efa niomana sy mendrika izy ireo.

Rehefa manome fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ny mpivady hatao famehezana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana dia tokony haka antoka fa manan-kery araka ny lalàna ilay fisoratam-panambadiana. Jereo ny 26.3 sy ny 27.3.

38.4.1.2

Famehezana ny mpikambana mbola velona aorian’ny fisaraham-panambadiana

Vehivavy. Ny vehivavy mbola velona iray dia tsy azo fehezina afa-tsy amin’ny lehilahy iray ihany isak’izay mandeha. Raha nofehezina izy sy ny vadiny ka nisara-panambadiana taty aoriana, dia tsy maintsy mahazo ny fanafoanana izany famehezana izany izy vao azo fehezina amin’ny lehilahy iray hafa mandritra ny androm-piainany (jereo ny 38.4.1.4).

Ny vehivavy iray mbola velona izay tsy mbola manambady na tsy voafehy tamin’ny lehilahy iray hafa amin’izao fotoana izao dia azo fehezina amin’ny vadiny efa nodimandry izay efa nisara-panambadiana taminy nandritra ny androm-piainany. Tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana voasonian’ny vady navelan’ilay vadiny teo aloha (raha misy) aloha izy.

Jereo ny toko faha-28 mba hahitana fampahalalana mikasika ny fanatanterahana ôrdônansy ho an’ny vady efa maty.

Lehilahy. Raha efa nofehezina ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray mpivady ka nisara-panambadiana taty aoriana, dia tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana hofehezina indray ilay lehilahy vao azo fehezina amin’ny vehivavy iray hafa (jereo ny 38.4.1.4). Ilaina ny fahazoan-dalana hofehezina indray na dia (1) efa nofoanana aza ilay famehezana teo aloha, na koa (2) efa maty ilay vady teo aloha.

Ny hany fotoana ilana ny fahazoan-dalana hofehezina indray dia rehefa misara-panambadiana amin’ilay vehivavy nofehezina taminy farany indrindra ny lehilahy iray. Ohatra: raha toa ka mahazo fahazoan-dalana hofehezina indray ny lehilahy iray mba hofehizina amin’ny vady faharoa aorian’ny fisaraham-panambadiana, ka maty ilay vadiny faharoa, dia tsy mila fahazoan-dalana hafa mba hofehezina indray izy raha toa ka te hofehezina indray.

Ny lehilahy iray mbola velona dia azo fehezina amin’ny vadiny efa maty izay efa nisara-panambadiana taminy nandritra ny androm-piainany. Tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana voasonian’ny vady navelan’ilay vadiny teo aloha (raha misy) aloha izy. Tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana an-tsoratra avy amin’ny vadiny amin’izao fotoana izao koa izy raha toa izy ka manambady.

Jereo ny toko faha-28 mba hahitana fampahalalana mikasika ny fanatanterahana ôrdônansy ho an’ny vady efa maty.

38.4.1.3

Famehezana ny mpikambana mbola velona aorian’ny nahafatesan’ny vadiny

Vehivavy. Rehefa nofehezina ny mpivady iray ka maty ilay lehilahy, dia tsy azo fehezina amina lehilahy iray hafa ilay vehivavy raha tsy mahazo fanafoanana ilay famehezana voalohany izy (jereo ny 38.4.1.4).

Ny vehivavy iray mbola velona izay tsy mbola manambady na tsy voafehy tamin’ny lehilahy iray hafa amin’izao fotoana izao dia azo fehezina amin’ny vadiny efa nodimandry. Raha niafara tamin’ny fisaraham-panambadiana ilay fanambadiana, dia jereo ny 38.4.1.2.

Ny vehivavy iray mbola velona izay manambady ankehitriny dia tsy azo fehezina amin’ny vadiny efa nodimandry raha tsy efa nahazo fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Jereo ny toko faha-28 mba hahitana fampahalalana mikasika ny fanatanterahana ôrdônansy ho an’ny vady efa maty.

Lehilahy. Raha efa nofehezina ny mpivady iray ka maty ilay vehivavy, dia azo fehezina amin’ny vehivavy iray hafa ilay lehilahy raha toa ka tsy mbola nofehezina tamin’ny lehilahy iray hafa io vehivavy io. Amin’io tranga io, dia tsy mila fahazoan-dalana hofehezina indray avy any amin’ny Fiadidiana Voalohany ilay lehilahy raha tsy hoe efa nisara-panambadiana tamin’ilay vadiny teo aloha izy talohan’ny nahafatesan’io vehivavy io (jereo ny 38.4.1.2).

Azo fehezina amina vehivavy efa maty ny lahilahy iray mbola velona. Raha niafara tamin’ny fisaraham-panambadiana ilay fanambadiana, dia jereo ny 38.4.1.2. Alohan’ny hamehezana azy amina vehivavy efa maty dia tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana an-tsoratra avy amin’ny vadiny amin’izao fotoana izao ilay lehilahy raha toa izy ka manambady.

Jereo ny toko faha-28 mba hahitana fampahalalana mikasika ny fanatanterahana ôrdônansy ho an’ny vady efa maty.

38.4.1.4

Fangatahana fanafoanana ny famehezana na fahazoan-dalana hofehezina indray

Jereo ny 38.4.1.2 mba hahitana fampahalalana momba ny famehezana ho an’ireo mpikambana mbola velona aorian’ny fisaraham-panambadiana. Jereo ny 38.4.1.3 mba hahitana fampahalalana momba ny famehezana ny mpikambana mbola velona aorian’ny nahafatesan’ny vadiny.

Ireo mpikambana na lahy izy na vavy dia afaka mangataka fanafoanana famehezana na dia tsy miomana ny hofehezina amin’ny vady hafa aza izy ireo. Ny lehilahy iray mpikamban’ny Fiangonana dia tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana hofehezina indray vao azo fehezina amin’ny vehivavy iray hafa aorian’ny fisaraham-panambadiana.

Hazavaina etsy ambany ny dingana arahina amin’ny fangatahana fanafoanana famehezana na fanomezan-dalana hofehezina indray.

  1. Miresaka amin’ny evekany momba ilay fangatahana ilay mpikambana.

  2. Maka antoka ny eveka fa:

    1. Efa manan-kery ilay fisaraham-panambadiana.

    2. Mahatontosa ara-dalàna tsara ireo fepetra rehetra takin’ny lalàna mikasika ny onitra aloa hanohanana ireo zanaka sy ny vady izay mifandray amin’ilay fisaraham-panambadiana ilay mpikambana.

  3. Raha mangataka ny hankatoavana ny fanafoanana famehezana na fanomezan-dalana hofehezina indray ny eveka dia izao no ataony:

    1. Mameno Fangatahana halefa any an’ny Fiadidiana Voalohany ho an’ilay mpikambana amin’ny alalan’ny fampiasana ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG). Ireo mpitarika tsy afaka miditra ao amin’ny DDG kosa dia mampiasa ilay taratasy Fangatahana halefa any amin’ny Fiadidiana Voalohany. Io taratasy fenoina io dia azo alaina ao amin’ny (Confidential Records Office) Birao mikirakira ireo firaketana mirakitra tsiambaratelo any amin’ny foiben’ny Fiangonana.

    2. Mandefa ilay fangatahana any amin’ny filohan’ny tsatòka.

  4. Mihaona amin’ilay mpikambana ny filohan’ny tsatòka. Hamarinin’ny filohan’ny tsatòka fa:

    1. Efa manan-kery ilay fisaraham-panambadiana.

    2. Mahatontosa ara-dalàna tsara ireo fepetra rehetra takin’ny lalàna mikasika ny onitra aloa hanohanana ireo zanaka sy ny vady izay mifandray amin’ilay fisaraham-panambadiana ilay mpikambana.

  5. Raha mangataka ny hankatoavana ny fanafoanana famehezana na ny fahazoan-dalana hofehezina indray ny filohan’ny tsatòka, dia mandefa ilay fangatahana any amin’ny foiben’ny Fiangonana izy amin’ny fampiasana ny DDG. Jereo ny 6.2.3 momba ny andraikitry ny filohan’ny tsatòka rehefa mandefa fangatahana any amin’ny Fiadidiana Voalohany.

  6. Raha ekena ilay fangatahana dia manome taratasy iray ny Fiadidiana Voalohany, izay milaza fa nankatoavina ilay fanafoanana famehezana na ilay fanomezan-dalana hofehezina indray.

  7. Aorian’ny nandraisany an’ilay taratasy dia afaka mamandrika fotoana hanaovana famehezana any amin’ny tempoly ilay mpikambana. Mampiseho io taratasy io ao amin’ny tempoly ilay mpikambana.

Jereo ny 38.4.1.9.

38.4.1.5

Fanesorana ny famerana manakana ny famehezana any amin’ny tempoly

Ny olona iray mijangajanga nefa manambady olona nofehezina taminy dia tsy azo fehezina amin’ilay olona niaraka nanao fijangajangana taminy raha tsy nahazo lalana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Afaka mangataka fahazoan-dalana ny mpivady iray raha efa nivady nandritra ny dimy taona farafahakeliny. Ny dingana arahina amin’ny fangatahana ny fanesorana ny famerana manakana ny famehezana any amin’ny tempoly dia hazavaina eto ambany.

  1. Mihaona amin’ny evekany sy ny filohan’ny tsatòka ilay mpivady.

  2. Raha mahatsapa ireo mpitarika ireo fa tokony ho esorina ilay famerana, dia manoratra taratasy ho an’ny Fiadidiana Voalohany ahitana ny fangatahana nataony izy ireo. Ilay taratasy dia tokony hilazalaza ny fahamendrehan’ireo mpangataka hiditra ny tempoly sy ny filaminan’ny fanambadian’izy ireo nandritra ny dimy taona farafahakeliny. Jereo ny 6.2.3 momba ny andraikitry ny filohan’ny tsatòka rehefa mandefa fangatahana any amin’ny Fiadidiana Voalohany.

  3. Manoratra taratasy fangatahana any amin’ny Fiadidiana Voalohany ihany koa ireo mpivady ireo.

  4. Mandefa ireo taratasy rehetra ireo any amin’ny Fiadidiana Voalohany ny filohan’ny tsatòka. Azony alefa miaraka amin’ny fangatahana fanafoanana famehezana na fahazoan-dalana hofehezina indray io fangatahana io (jereo ny 38.4.1.4).

  5. Raha ekena ilay fangatahana dia manome taratasy iray ny Fiadidiana Voalohany, izay milaza fa nesorina ilay famerana manakana ny famehezana any amin’ny tempoly.

  6. Aorian’ny nandraisan’izy ireo ilay taratasy dia afaka mamandrika fotoana hanaovana famehezana izy ireo. Mampiseho io taratasy io ao amin’ny tempoly izy ireo.

38.4.1.6

Famehezana aorian’ny fanambadiana any amin’ny tempoly ho amin’izao fiainana izao fotsiny ihany

Mazàna ireo mpivady izay nivady tany amin’ny tempoly ho amin’izao fiainana izao fotsiny ihany no tsy fehezina aty aoriana. Tsy maintsy mahazo fanafoanana famehezana tany aloha avy amin’ny Fiadidiana Voalohany aloha ilay vehivavy vao mahazo fehezina. Raha samy mahatsapa ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka fa voamarina ny fanafoanana, dia mandefa taratasy fangatahana any amin’ny Fiadidiana Voalohany ny filohan’ny tsatòka amin’ny fampiasana ny DDG. Jereo ny 6.2.3 momba ny andraikitry ny filohan’ny tsatòka rehefa mandefa fangatahana any amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Tsy misy intsony ny fanatanterahana fanambadiana ho amin’izao fiainana izao fotsiny ihany any amin’ny tempoly (jereo ny 27.3.3).

38.4.1.7

Famehezana olona efa maty

Ity fizarana ity dia mihatra amin’ireo olona efa maty fehezina amina vady izay efa maty ihany koa. Raha mbola velona ny iray amin’ireo mpivady dia jereo ny 38.4.1.3.

Vehivavy efa maty. Azo fehezina amin’ny lehilahy rehetra izay efa vadiny ara-dalàna nandritra ny fiainany ny vehivavy iray efa maty. Ity tabilao manaraka ity dia mampiseho hoe rahoviana ireo famehezana ireo no mitranga.

Tsy nofehezina tamina lehilahy vadiny izy fony mbola velona

Azo fehezina amin’ireo lehilahy rehetra velona na maty izay vadiny fony fahavelony izy. Raha velona ilay lehilahy, dia tsy maintsy manome fahazoan-dalana an-tsoratra ny vadiny (raha manambady izy). Raha maty ilay lehilahy, dia tsy maintsy manome fahazoan-dalana an--tsoratra ny vady navelany (raha misy).

Nofehezina tamina lehilahy vadiny izy fony mbola velona

Tsy maintsy efa maty avokoa ireo vadiny rehetra izay vao fehezina amin’ny lehilahy iray izay tsy mbola nofehezina taminy fony fahavelony izy. Ao anatin’izany ireo vadiny taloha izay mety efa nisara-panambadiana taminy. Tsy maintsy manome fahazoan-dalana an-tsoratra ny vady tsirairay navelan’ireo lehilahy ireo (raha misy).

Lehilahy efa maty. Azo fehezina amin’ny vehivavy rehetra izay novadiany ara-dalàna nandritra ny fahavelomany ny lehilahy iray, raha (1) efa maty izy ireo na (2) mbola velona ary tsy mbola nofehezina tamina lehilahy hafa.

Tsy maintsy manome fahazoan-dalana an-tsoratra ny vady navelan’ilay vehivavy (raha misy) vao azo fehezina amin’ilay lehilahy iray efa maty izay vadiny fony fahavelony izy.

Mpivady efa maty izay nisara-panambadiana. Ireo mpivady efa maty izay nisara-panambadiana dia azo fehezina amin’ny alalan’ny fisoloana tena mba hahafahana mamehy ireo zanany amin’izy ireo. Jereo ny 28.3.5 raha misy efa nesorina tsy ho mpikambana na nangataka ny hamafana ny maha-mpikambana azy ny iray tamin’ireo mpivady ary tsy mbola naverina natao batisa tamin’ny fotoana nahafatesany.

Ilana ny fankatoavan’ny Fiadidiana Voalohany alohan’ny hamehezana mpivady efa maty izay nahazo fanafoanana ny famehezana azy ireo fony fahavelony.

38.4.1.8

Vokatry ny fisaraham-panambadiana

Raha efa nofehezina ny mpivady iray ka nisara-panambadiana taty aoriana, dia mbola manan-kery hatrany ireo fitahiana avy amin’izay famehezana izany ho an’ireo olona izay mendrika raha tsy hoe nofoanana ilay famehezana (jereo ny 38.4.1.4 sy ny 38.4.1.9). Ny mpikambana iray izay mitoetra ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataony tany amin’ny tempoly dia handray ny fitahiana rehetra nampanantenaina tao amin’ny tempoly, na dia nandika ireo fanekempihavanana aza ny vadin’ilay olona na niala tamin’ilay fanambadiana.

Jereo ny 38.4.2.1 mba hahitana fampahalalana momba ireo zanaka teraka taorian’ny fisaraham-panambadiana.

38.4.1.9

Ireo vokatry ny fanafoanana ny famehezana

Raha vantany vao ankatoavin’ny Fiadidiana Voalohany ny fanafoanana ny famehezana dia tsy manan-kery intsony ireo fitahiana mifandray amin’izany famehezana izany. Tokony hifanakalo hevitra amin’ny mpikambana mikatsaka fanafoanana famehezana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hanampiana azy ireo hahatakatra ireo fitsipika ireo. Tokony hanaja ny fahafahana misafidin’ny mpikambana amin’ireo fanapahan-kevitra ireo ny mpitarika.

Ny zanaka rehetra nateraky ny vehivavy iray dia tsy teraka ao anatin’ny fanekempihavanana aorian’ny fanafoanana ny famehezana azy tamin’ny vadiny teo aloha raha tsy hoe nofehezina tamin’ny lehilahy iray hafa izy.

38.4.1.10

Vokatry ny fangatahana ny hamafana ny maha-mpikambana sy ny fanesorana tsy ho mpikambana

Raha misy mpivady efa nofehezina tany amin’ny tempoly, ka nangataka ny hamafana ny maha-mpikambana azy ao amin’ny Fiangonana na nesorina tsy ho mpikambana ny iray tamin’izy ireo, dia esorina ihany koa ireo tsodranon’ny tempoly ho azy. Mbola manan-kery anefa ireo fitahiana ho an’ny tena manokana avy amin’ilay ôrdônansin’ny famehezana ho an’ny vady aman-janak’ilay olona raha mijanona ho mahatoky izy ireo.

Ireo zanaka rehetra nateraky ny mpivady iray dia tsy teraka ao anatin’ny fanekempihavanana aorian’ny nangatahan’ny iray amin’ireo mpivady na izy roa ny hamafana ny maha-mpikambana azy na nanesorana azy tsy ho mpikamban’ny Fiangonana. Jereo ny 38.4.2.8.

38.4.2

Famehezana zanaka amin’ny ray aman-dreny

Tsy maintsy fehezina aloha ireo ray aman-dreny izay vao azo fehezina amin’izy ireo ny zanany (jereo ny 38.4.1).

38.4.2.1

Zanaka izay teraka tao anatin’ny fanekempihavanana

Ireo zanaka izay teraka taorian’ny namehezana ny ray aman-drenin’izy ireo tany amin’ny tempoly dia teraka ao anatin’ny fanekempihavanana. Tsy mila mandray ny ôrdônansin’ny famehezana amin’ny ray aman-dreny izy ireo.

Indraindray ny vehivavy iray izay efa nofehezina tamin’ny lehilahy iray dia miteraka amin’ny lehilahy iray hafa aty aoriana. Rehefa mitranga izany, dia teraka ao anatin’ny fanekempihavanan’ilay famehezana farany indrindra natao tamin’ilay vehivavy ireo zanany ireo raha tsy hoe (1) teraka taorian’ny fanafoanana ny famehezana izy ireo, na (2) taorian’ny nanesorana izany noho ny fangatahana famafana ny maha-mpikambana na fanesorana tsy ho mpikamban’ny Fiangonana.

38.4.2.2

Zanaka izay tsy teraka tao anatin’ny fanekempihavanana

Ny zanaka izay tsy teraka tao anatin’ny fanekempihavanana dia afaka ny ho tafiditra ao anatin’ny fianakaviana mandrakizay anankiray amin’ny alalan’ny famehezana azy amin’ny:

  • Ray aman-dreny niteraka azy.

  • Ray aman-dreny nanangana azy.

  • Ray na reny niteraka na nanangana sy ny raikeliny na renikeliny (jereo ny 38.4.2.5).

Ireo zanaka ireo dia mahazo fitahiana mitovy amin’izany toy ny hoe teraka tao anatin’ny fanekempihavanana izy ireo.

Jereo ny 27.4.1 mba hahitana fampahalalana mikasika ny fanomezana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo zanaka izay fehezina amin’ny ray aman-dreniny.

Ireo mpikambana feno 21 no ho miakatra dia tsy maintsy mandray fanafiana masina alohan’ny hamehezana azy amin’ny ray aman-dreniny.

Ireo mpikambana manambady izay latsaky ny 21 taona dia tsy mila mandray fanafiana masina mba hamehezana azy ireo amin’ny ray aman-dreniny. Tsy maintsy manana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly anefa izy ireo (Jereo ny 26.4.4).

Famehezana zanaka mbola velona amin’ny ray aman-dreny mbola velona. Ny zanaka iray mbola velona dia amin’ny ray aman-dreny roa tonta ihany no azo fehezina, dia amin’ny ray sy ny reny mpivady izany. Raha toa ka mbola velona ny ray aman-dreny roa tonta, dia tsy maintsy mpivady sy efa nofehezina izy ireo.

Famehezana zanaka mbola velona amin’ny ray aman-dreny efa maty. Ny zanaka iray mbola velona dia amin’ny ray aman-dreny tokana ihany no azo fehezina. Ity tabilao manaraka ity dia mampiseho ireo safidy amin’ny famehezana misy ho an’ireo mpikambana izay tsy mbola nofehezina tamin’ny ray aman-dreniny ka efa maty ny ray aman-dreniny.

Toe-javatra

Ireo safidy

Ankizy tsy ampy taona izay tsy tompon’andraikitra noho ny fahasembanana ara-tsaina

  • Fehezina amin’ny mpiantoka ara-dalàna na ny ray aman-dreny nanangana izay mitaiza azy

  • Miandry ho feno taona dia fehezina amin’ny ray aman-dreny efa maty rehefa tonga izany fotoana izany

Olon-dehibe

  • Fehezina amin’ny ray aman-dreny efa maty

  • Fehezina amin’ny mpiantoka ara-dalàna na ny ray aman-dreny nanangana izay nahalehibe azy

Famehezana zanaka efa maty amin’ny ray aman-dreny (mbola velona na efa maty). Ny olona iray izay efa maty dia mazàna fehezina amin’ny ray aman-dreny niteraka na nanangana azy. Ny zanaka efa maty anefa dia azo fehezina ihany koa amin’ny:

  • Reny niteraka azy sy ny raikely.

  • Ray niteraka azy sy ny renikely.

  • Ray aman-dreny mpitaiza na raibe sy renibe nanabe ilay zaza (jereo ny 38.4.2.4).

  • Ny mpivady izay nikasa ny hanangana ilay zaza kanefa tsy afaka nanatanteraka izany mialoha ny nahafatesan’ilay zaza (jereo ny 38.4.2.4).

Ireo famehezana ireo dia azo atao na dia efa nofehezina tamin’ny ray aman-dreny niteraka na nanangana azy aza ilay zaza efa maty. Mitaky fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany ny famehezana amin’ny olona tsy ray aman-dreny niteraka na nanangana amin’ny tranga ankoatra ireo voatanisa etsy ambony ireo.

38.4.2.3

Zaza mbola velona ka natsangana na napetraka hotezaina fianakaviana iray

Ireo zaza mbola velona izay teraka tao anatin’ny fanekempihavanana na nofehezina tamin’ny ray aman-dreniny dia tsy azo fehezina amin’ny ray aman-dreny hafa intsony, raha tsy nahazoana fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo zaza mbola velona izay natsangana ara-dalàna no sady tsy teraka tao anatin’ny fanekempihavanana na nofehezina tamin’ny ray aman-dreniny teo aloha dia azo fehezina amin’ny ray aman-dreny nanangana azy ireo rehefa vita tanteraka ilay fananganan-jaza. Tokony haseho any amin’ny tempoly ny dika mitovy amin’ny didim-pitsarana momba ilay fananganan-jaza raikitra. Ny didim-pitsarana manendry ho mpitaiza ara-dalàna dia tsy ampy hahazoana lalana hanaovana famehezana indray. Tsy misy fitakiana ny hamantarana ny ray aman-dreny niteraka an’ireo ankizy ireo.

Ilaina ny fankatoavan’ny Fiadidiana Voalohany ho an’ny mpikambana iray velona izay hofehezina amin’ny ray aman-dreny mpitaiza azy. Mihatra foana io fepetra io na dia tsy fantatra aza ny ray aman-dreny niteraka ilay zaza napetraka hotezain’ny fianakaviana iray. Ny filohan’ny tsatòka no manao ny fangatahana toy izany amin’ny fampiasana ny DDG (jereo ny 6.2.3).

38.4.2.4

Zaza natsangana na nomenahotezaina fianakaviana iray ka maty

Ny olona iray izay nisy nanangana ka maty dia mazàna fehezina amin’ny ray aman-dreny nanangana azy.

Ny zaza napetraka hotezain’ny fianakaviana iray ka maty dia mazàna fehezina amin’ny ray aman-dreniny niteraka azy.

38.4.2.5

Famehezana ireo zanaka velona amin’ny rainy na ny reniny niteraka azy sy ny raikeliny na ny renikeliny

Ireo zanaka tsy ampy taona sy ireo zanaka tsy tompon’andraikitra. Ireo zanaka tsy ampy taona sy ireo zanaka tsy tompon’andraikitra noho ny fahasembanana ara-tsaina dia azo fehezina amin’ny ray na ny reny niteraka azy na ny raikeliny na ny renikeliny raha feno ireto fepetra manaraka ireto:

  • Tsy teraka tao anatin’ny fanekempihavanana ilay zaza na efa nofehezina tany aloha tany.

  • Tsy nisy ray aman-dreny hafa efa nanangana ilay zaza.

  • Nanome taratasy fankatoavana voasonia hanatanterahana ilay famehezana ilay ray na reny niteraka izay tsy hofehezina amin’ilay zanaka. Ny didim-pitsarana manendry ho mpitaiza ara-dalàna dia tsy ampy hahazoana lalana hanaovana famehezana indray. Ilay taratasy fankatoavana dia tokony hampiasa teny toy izao manaraka izao: “Izaho [anaran’ilay ray na reny niteraka], dia manome lalana an’i [anaran’ilay na ireo zanaka] mba hofehezina any amin’ny tempoly amin’i [anaran’ny ray aman-dreny]. Takatro fa ny famehezana dia fombafomba ara-pivavahana ary tsy misy fiantraikany araka ny lalàna.” Haseho any amin’ny tempoly io taratasy io alohan’ilay famehezana.

Raha efa maty ilay ray na reny niteraka, na tapitra noho ny didy araka ny lalàna ny zo maha-ray aman-dreny azy, dia tsy ilaina ny fanomezana fankatoavana. Toy izany koa, tsy misy fahazoan-dalana takina raha toa ka raisina ho olon-dehibe ilay zaza araka ny lalàna izay misy ao amin’ny toerana ipetrahany.

Raha toa ka tsy hita ilay ray na reny niteraka ary tsy nahomby ny ezaka rehetra natao hitadiavana azy dia tsy ilaina ny fankatoavana. Amin’izany tranga izany, ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka dia manamarina mandritra ny dingan’ny fanamarinana fa tsy nahomby ny ezaka rehetra natao hitadiavana ilay ray na reny tsy hita. Raha tonga any aoriana any ilay ray na reny niteraka izay tsy hofehezina amin’ilay zaza dia averina dinihina indray ilay famehezana.

Zanaka efa olon-dehibe. Ny mpikambana olon-dehibe iray mbola velona dia azo fehezina amin’ny ray na ny reny niteraka azy sy amin’ny raikeliny na ny renikeliny raha tsy teraka tao anatin’ny fanekempihavanana ilay mpikambana na tsy mbola nofehezina tamina ray aman-dreny tany aloha tany.

Ireo mpikambana feno 21 taona no ho miakatra dia tsy maintsy mandray fanafiana masina alohan’ny hamehezana azy amin’ny ray na ny reny niteraka azy sy amin’ny raikeliny na ny renikeliny.

Ireo mpikambana manambady izay latsaky ny 21 taona dia tsy mila mandray fanafiana masina mba hamehezana azy ireo amin’ny ray na ny reny niteraka azy sy amin’ny raikeliny na ny renikeliny. Tsy maintsy manana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly anefa izy ireo mba hamehezana azy amin’ny ray aman-dreny (jereo ny 26.4.4).

38.4.2.6

Zanaka izay azo tamin’ny fampananahana amin’ny fomba artifisialy (insémination artificielle) na ny fampiraisan-tsela lahy sy vavy ao anatin’ny vata fitaratra (fécondation in vitro)

Ireo zanaka izay azo tamin’ny fampananahana amin’ny fomba artifisialy (insémination artificielle) na ny fampiraisan-tsela lahy sy vavy ao anatin’ny vata fitaratra (fécondation in vitro) dia teraka ao anatin’ny fanekempihavanana raha toa ka efa nofehezina ireo ray aman-drenin’izy ireo. Raha toa ka teraka talohan’ny namehezana ny ray aman-dreniny ireo zanaka dia azo fehezina amin’ny ray aman-dreniny izy ireo rehefa avy nofehezina ny ray aman-drenin’izy ireo.

38.4.2.7

Ireo zanaka nateraky ny reny mitondra vohoka ho an’olon-kafa

Raha nateraky ny reny iray mitondra vohoka ho an’olon-kafa ny zaza iray dia alefan’ny filohan’ny tsatòka any amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany ny mombamomba izany (jereo ny 38.6.22).

38.4.2.8

Ny toe-javatra misy an’ireo zanaka rehefa nofoanana na nesorina ny famehezana

Ireo zanaka izay teraka tao anatin’ny fanekempihavanana na nofehezina tamin’ny ray aman-dreniny dia mbola mijanona ho toy izany ihany na dia (1) nofoanana na (2) nesorina aza taty aoriana ny famehezana ny ray aman-dreny noho ny fangatahan’ny iray amin’ny ray aman-dreny ny hamafana ny maha-mpikambana azy na ny fanesorana azy tsy ho mpikamban’ny Fiangonana.

Ireo zanaka izay teraka taorian’ny nanafoanana na nanesorana ny famehezana ny ray aman-dreniny dia tsy teraka ao anatin’ny fanekempihavanana. Azo fehezina amin’ny ray aman-dreniny ireo zanaka ireo rehefa averina amin’ny laoniny ny tsodranon’ny tempoly an’ny ray aman-dreniny (raha azo ampiharina) ary raha afaka avokoa izay mety ho sakantsakana hafa rehetra.

38.5

Akanjo fitafy ao amin’ny tempoly sy garmentan’ny tempoly

38.5.1

Fitafiana fanao any amin’ny tempoly

Mandritra ny ôrdônansin’ny fanafiana masina sy ny famehezana ao amin’ny tempoly dia manao akanjo fotsy ny mpikamban’ny Fiangonana. Manao ireto akanjo fotsy manaraka ireto ny vehivavy: akanjo tohitena lava tanana na misy tanany manasaka ny lanton-tsandry (na zipo sy lobaka lava tanana na misy tanany manasaka ny lanton-tsandry), bakiraro fohy na lava, ary kiraro na kiraro lamba.

Manao ireto akanjo fotsy manaraka ireto ny lehilahy: lobaka lava tanana, karavato na “noeud papillon”, pataloha, bakiraro, ary kiraro na kiraro lamba.

Mandritra ny ôrdônansin’ny fanafiana masina sy ny famehezana dia manao fitafy fanampiny fanaovana ôrdônansy eo ivelan’ny akanjo fotsiny ireo mpikambana.

38.5.2

Ny fomba hahazoana ny akanjo fitafy ao amin’ny tempoly sy ny garmenta

Mamporisika ireo mpikambana efa nandray fanafiana masina ireo mpitarika ao amin’ny paroasy sy ny tsatòka mba hanao izay ananan’izy ireo ny fitafiana fanao any amin’ny tempoly izay azy ireo manokana. Ireo akanjo fitafy any amin’ny tempoly sy ireo garmentan’ny tempoly dia azo vidina ao amin’ny Sampan-draharaha mpaninjara an’ny Fiangonana na ao amin’ny store.ChurchofJesusChrist.org. Afaka manampy ireo mpikambana hanafatra ireo fitafiana ny mpitambokin’ny tsatòka sy paroasy.

Ny tempoly sasany ihany koa dia ahitana fitafiana fanao ao amin’ny tempoly ampanofaina. Raha tsy manana fitafiana azo ahofa ny tempoly dia mila mitondra fitafiana fanao any amin’ny tempoly ny mpikambana. Jereo ny temples.ChurchofJesusChrist.org mba hahafantarana raha manana fitafiana azo ampanofaina ny tempoly iray manokana na tsia.

Manana tahirina fitafiana fanao any amin’ny tempoly amin’ny isa voafetra izay azon’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno ampiasaina ny tempoly. Tsy misy saram-panofana aloa mandritra ny fotoana maha-ao amin’ny foibe fanofanana misiônera azy ireo, ary rehefa omena lalana izy ireo handray anjara amin’ny ôrdônansin’ny tempoly mandritra ny fanompoany any amin’ny sahan’ny misiôna. Raha ilaina dia azon’ireo misiônera mandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany manokana ampiasaina io fitafiana io.

Ho fampahalalana momba ireo lamban’ireo garmenta sy ny endriny, dia jereo ny store.ChurchofJesusChrist.org.

38.5.3

Garmenta sy akanjo fitafy any amin’ny tempoly ho an’ny mpikambana manana fahasembanana na tsy mahazaka karazana lamba ny hodiny

Misy garmenta manokana azo vidina ho an’ireo mpikambana mandamaka am-pandriana, na manana fahasembanana lehibe ara-batana, na tsy mahazaka karazana lamba na garmenta (jereo ny “Garments and Sacred Clothing,” store.ChurchofJesusChrist.org).

Misy akanjo tohitena fanao any amin’ny tempoly izay fohy kokoa natao ho an’ireo mpikambana mitondra seza misy kodiarana na izay manana filana hafa (jereo ny store.ChurchofJesusChrist.org).

38.5.4

Fanjairana aron’akanjo fanao any amin’ny tempoly

Afaka manamboatra ny aron’akanjo fanao ao amin’ny tempoly ireo mpikambana raha toa ka mampiasa ny iray amin’ireo amboaram-pitaovana natao ho an’ny aron’akanjo izay nahazoana fankatoavana. Ireo amboaram-pitaovana ireo dia hita ao amin’ny Sampan-draharaha mpaninjara an’ny Fiangonana na ao amin’ny store.ChurchofJesusChrist.org.

Tsy tokony hanjaitra akanjo fitafy amin’ny ôrdônansin’ny tempoly na garmentan’ny tempoly ankoatra izay efa misy ny mpikambana.

38.5.5

Fanaovana sy fikarakarana ny garmenta

Ireo mpikambana izay mandray ny fanafiana masina dia manao fanekempihavanana ny hitafy ny garmentan’ny tempoly mandritra ny androm-piainany.

Ny garmentan’ny tempoly dia mpampahatsiahy ireo fanekempihavanana natao tany amin’ny tempoly, ary rehefa tafina araka ny tokony ho izy izany mandritra ny fiainana, dia ho fiarovana hanoherana ny fakam-panahy sy ny ratsy. Ny garmenta dia tokony hanaovana ao anatin’ny akanjo tafina ety ivelany. Tsy tokony hoesorina izany rehefa manao zavatra izay azo atao tsara miaraka amin’ny fanaovana garmenta, ary tsy tokony hamboarina izany mba hifanaraka amin’ny endriky ny akanjo samihafa. Ireo mpikambana efa nandray ny fanafiana masina dia tokony hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hamaliana ireo fanontaniana manokana mikasika ny fanaovana garmenta.

Tombontsoa masina ny fanaovana garmenta ary ny fanaovana izany dia fanehoana ety ivelany ny fanolorantena ao anatinao fa hanaraka ny Mpamonjy Jesoa Kristy.

Safidy manokana ataon’ny olona iray ny hoe hanao atin’akanjo hafa na tsia eo ivelany na ao anatin’ny garmentan’ny tempoly.

Jereo ny 26.3.3.

38.5.6

Fanaovana ny garmenta any amin’ny tafika, na ny sampana mpamono afo, na ny mpitandro filaminana, na masoivoho hafa mitovy amin’izany

Ireo toromarika ato amin’ity fizarana ity dia mihatra amin’ireo mpikambana efa nahazo ny fanafiana masina izay takina ny hanaovany fanamiana voafaritra manokana eo am-panompoana:

  • Ao amin’ny tafika.

  • Amin’ny maha mpamono afo.

  • Amin’ny maha mpitandro filaminana.

  • Amin’ny maha mpiasa ao amina sampam-piarovana an’ny fanjakana.

Maka antoka ny eveka fa mahatakatra ireto torolalana manaraka ireto ireo mpikambana nandray fanafiana masina izay miasa amin’ireo sehatra ireo.

Raha azo atao dia tokony hanao ny garmenta toy ny mpikambana hafa rehetra izy ireo. Na izany aza dia tsy tokony hasehon’izy ireo ho hitan’ireo izay tsy mahatakatra ny dikany ny garmenta. Tokony hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy ny mpikambana ka hampiasa fahaiza-mandanjalanja sy hatam-bava ary hampiasa fahendrena. Mety ho tsara kokoa raha ampirimina mandritra ny fotoana fohy ny garmenta dia anaovana indray rehefa ahafahana manao izany ny toe-javatra miseho. Na izany aza anefa dia tsy manamarina ny tsy fiakanjoana izany ny haitraitran’ny tena manokana.

Indraindray ireo fitsipika mifehy ny asa dia manakana ny mpikambana iray tsy hanao garmenta. Amin’ireo tranga ireo dia tsy misy fiantraikany amin’ny sata ara-pinoan’ilay mpikambana izany, rehefa mitoetra ho mendrika izy. Mbola handray ireo fitahiana mifandray amin’ny fanaovana garmenta foana ilay mpikambana. Raha toa ka tsy afaka manao ny garmenta ireo mpikambana dia tokony hanao izany indray izy ireo raha vantany vao mamela ny hanaovana izany ny toe-javatra misy.

Ny mpikambana ao amin’ireo fikambanana ireo dia tokony haka hevitra amin’ny rafi-panompoana tsirairay misy azy ireo momba ny fepetra izay takina amin’ny atin’akanjo, toy ny loko na ny fomba fanaovana na endriky ny eo amin’ny vozona. Afaka mandefa akanjo ankatoavin’ny fikambanana izay mifanaraka amin’ireo toromarika momba ny garmenta any amin’ny Beehive Clothing ireo mpikambana ireo mba hanasiana marika izany ho garmenta nankatoavina. Ireo torolalana sy toromarika fanampiny dia omena ao amin’ny Taratasy famandrihana fametrahana marika amin’ny garmenta.

38.5.7

Fanariana ireo garmenta sy akanjo fitafy mandritra ny ôrdônansy ao amin’ny tempoly

Rehefa simba ireo garmentan’ny tempoly ka tsy hampiasa izany intsony ny mpikambana dia tokony hohetezan’izy ireo na hopotehiny ireo marika. Avy eo dia hetezana ilay lamba sisa tavela mba tsy hisy hahafantarana azy intsony hoe garmenta. Azo ariana ilay lamba sisa tavela.

Rehefa simba ireo akanjo fitafy mandritra ny ôrdônansy ao amin’ny tempoly ka tsy hanao izany intsony ny mpikambana dia tokony hohetezany ilay izy mba tsy hahafantarana intsony ny zavatra nampiasana izany tamin’ny voalohany. Aorian’izany dia tokony hariana ilay lamba.

Ny mpikambana dia afaka manome garmenta sy akanjo fitafy any amin’ny tempoly izay mbola tsara ho an’ny mpikambana hafa izay efa nandray fanafiana masina. Afaka mamantatra ireo izay mety mila izany fitafiana izany ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ny Fikambanana Ifanampiana. Ny mpikambana dia tsy tokony hanome garmenta na akanjo fitafy mandritra ny ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo tsena mpivarotra lamba tonta, na ho an’ny trano fitahirizan’ny eveka na any amin’ny tempoly, na ho an’ireny fikambanana mpanao asa fiantrana ireny.

38.5.8

Akanjo fitafy ao amin’ny tempoly ho an’ny fandevenana

Raha azo atao dia tokony hampitafiana ny akanjo fitafy ao amin’ny tempoly ireo mpikambana maty ka efa nandray fanafiana masina rehefa halevina na hodorana. Raha tsy mety na sarotra ny hanaovana izany noho ireo fomban-drazana ara-kolontsaina na ireo fomba amam-panao amin’ny fandevenana, dia azo avalona ilay fitafiana ary apetraka eo akaikin’ilay vata-mangatsiaka.

Ireo mpikambana nandray fanafiana masina fony fahavelony ihany no azo alevina na dorana miaraka amin’ireo akanjo fanao ao amin’ny tempoly. Ny olona iray efa nandray fanafiana masina izay nijanona tsy nanao garmenta intsony talohan’ny nahafatesany dia afaka milevina na doroina miaraka amin’ny akanjo fitafy ao amin’ny tempoly, raha toa ka mangataka izany ny fianakaviany.

Tsy azo alevina miaraka amin’ny akanjo fitafy ao amin’ny tempoly ireo olona izay tsy mbola voaverina amin’ny laoniny ireo tsodrano natolotra azy taorian’ny nanesorana azy tsy ho mpikambana na nialany tsy ho mpikamban’ny Fiangonana.

Ny olona iray izay nandray fanafiana masina fony fahavelony ka maty namono tena dia azo alevina na dorana miaraka amin’ny akanjo fanao ao amin’ny tempoly.

Tsy voatery ho vaovao ny akanjo fitafy ao amin’ny tempoly izay ampiasaina rehefa mandevina na mandoro faty, kanefa kosa tokony ho mbola tsara sy madio izany. Azo ampiasaina ny akanjo fanao ao amin’ny tempoly izay an’ilay olona manokana.

Ny mpikambana iray izay alevina na dorana miaraka amin’ny akanjo fanao ao amin’ny tempoly dia azon’ny lehilahy iray (raha lehilahy ilay maty) na ny vehivavy iray (raha vehivavy ilay maty) ao amin’ny fianakaviana na ny vadiny izay efa nandray ny fanafiana masina ampiakanjoana. Raha toa ka tsy misy olona ao amin’ny fianakaviana afaka mampiakanjo na te hampiakanjo ny vata-mangatsiakan’ny lehilahy iray efa nandray fanafiana masina, dia ny eveka no mangataka ny filohan’ny kôlejin’ny loholona mba hanasa lehilahy iray hampiakanjo ilay faty na hanara-maso mba ho araka ny tokony ho izy ny fampiakanjoana. Raha toa ka tsy misy olona ao amin’ny fianakaviana afaka mampiakanjo na te hampiankanjo ny vata-mangatsiakan’ny vehivavy iray efa nandray fanafiana masina, dia afaka mangataka ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana ny eveka mba hanasa vehivavy iray efa nandray fanafiana masina hampiakanjo ilay faty na hanara-maso mba ho araka ny tokony ho izy ny fampiakanjoana. Maka antoka ireo mpitarika fa omena olona iray izay tsy ho sorena amin’izany io andraikitra io.

Ny vata-mangatsiakan’ny lehilahy iray dia ampiakanjoana ny garmentan’ny tempoly sy ireto akanjo fotsy manaraka ireto: lobaka lava tanana, karavato na noeud papillon, pataloha, bakiraro, ary kiraro na kiraro lamba. Ny vata-mangatsiakan’ny vehivavy iray dia ampiakanjoana ny garmentan’ny tempoly sy ireto akanjo fotsy manaraka ireto: akanjo tohitena lava tanana na misy tanany manasaka ny lanton-tsandry (na zipo sy lobaka lava tanana na misy tanany manasaka ny lanton-tsandry), bakiraro fohy na lava, ary kiraro na kiraro lamba.

Ampanaovina ilay vatamangatsika araka ny torolalana mandritra ny fanafiana masina ny akanjo fanao mandritra ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly. Ilay akanjo lava dia apetraka eo amin’ny soroka havanana ary afatotra amin’ilay tady kely eo amin’ny valahana havia. Fatorana manodidina ny valahana ilay aron’akanjo. Ilay fehinkibo dia atao manodidina ny valahana ary afatotra asiana noeud (vona) eo ankavia. Ny satroky ny lehilahy matetika dia apetraka eo akaikin’ny vatamangatsiakany mandra-pahatongan’ny fotoana hamonosana azy na hanidiana ny vatampaty na izay zavatra asiana azy. Avy eo ilay satroka dia apetraka ka asiana vona eo ambonin’ny sofina havia. Ny voaly ho an’ny vehivavy dia azo apetraka tsotra eo amin’ny ondana ao ambanin’ny lohany. Ny fanaronana ny tarehin’ny vehivavy iray mialoha ny handevenana na handoroana azy dia tsy voatery atao ary ny fianakaviana no manapa-kevitra ny amin’izany.

Any amin’ny faritra sasany dia ny mpandraharaha miandraikitra ny fikarakarana fandevenana na ny mpiasan’io mpandraharaha io ihany no afaka mikirakira ny faty. Amin’izany tranga izany, dia olona iray efa nandray ny fanafiana masina ao amin’ny fianakaviana izay nasain’ny eveka na ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana no maka antoka fa nampitafiana tsara araka ny tokony ho izy an’ilay faty ireo akanjo fanao ao amin’ny tempoly.

Any amin’ny firenena sasantsasany dia takina ny hampitafiana ny maty amin’ny akanjo biodégradable (mety levona tanteraka) rehefa alevina. Misy fitafiana fanao any amin’ny tempoly mety levona tanteraka ao amin’ny store.ChurchofJesusChrist.org.

Any amin’ireo toerana izay sarotra ny hahazoana ny akanjo fanao ao amin’ny tempoly amin’ny fotoana fandevenana, dia tokony hitahiry farafahakeliny karazany roa feno amin’izany ny filohan’ny tsatòka, ka amin’ny habe antonontonony, an-dehilahy iray, ary am-behivavy iray.

Raha toa tsy misy ny akanjo fitafy ao amin’ny tempoly, dia tafina garmenta ilay mpikambana maty efa nandray fanafiana masina rehefa alevina, sy fitafy hafa sahaza ho an’izany.

38.6

Fitsipika mikasika ny fitondrantena

Mahakasika ireo zavatra izay “tsy amporisihin’ny Fiangonana hatao” ny fitsipika vitsivitsy ato amin’ity toko ity. Mazàna ireo mpikamban’ny Fiangonana no tsy iharan’ireo fepetra raisina mametra ny maha-mpikambana noho ny fanapahan-kevitra raisiny mahakasika ireo zavatra ireo. Kanefa dia tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra daholo ny olona amin’ny farany noho ny fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo.

38.6.1

Fanalan-jaza

Nandidy ny Tompo hoe: “Tsy … hamono olona [ianao], na hanao zavatra toy izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:6). Ny Fiangonana dia manohitra ny fampitsaharana an-tsitrapo ny fitondrana vohoka noho ny fikatsahana izay maha-metimety ny tena na maha-metimety eo amin’ny fiarahamonina. Ny mpikambana dia tsy mahazo manaiky ny ho alana zaza, na hanatanteraka izany, na hanao izay hahatontosana izany, na hanaiky ny hanaovana izany, na hamporisika ny fanaovana izany. Ny hany toe-javatra mety maningana amin’izany dia rehefa:

  • Vokatry ny fanararaotana ara-nofo na ny fivadiana amin’ny olom-pady (mpianaka na mpianadahy) ilay vohoka.

  • Manapa-kevitra ny mpitsabo iray manam-pahaizana manokana momba izany fa tandindomin-doza ny aina sy ny fahasalaman’ilay renim-pianakaviana.

  • Manapa-kevitra ny mpitsabo iray manam-pahaizana manokana momba izany fa misy fahasamponana lehibe eo amin’ilay zaza ao an-kibo ka tsy hahafahan’ilay zaza hiaina aorian’ny fahaterahany.

Kanefa na dia ireo toe-javatra maningana ireo aza dia tsy tonga dia manamarina avy hatrany ny fanalan-jaza. Tena zava-doza ny fanalan-jaza. Tsy tokony hoheverina ny hanaovana izany raha tsy efa nahazo fanamafisana tamin’ny alalan’ny vavaka ilay olona tompon’andraikitra. Afaka mifampidinika amin’ny evekany ireo mpikambana ao anatin’izany dingana izany.

Manadihady akaiky ny toe-java-mitranga ireo mpiandraikitra mpiahy raha toa ka nandray anjara tamin’ny fanalana zaza ny mpikambana iray. Mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha toa ka misy mpikambana iray manaiky, na manatanteraka, na mandrindra, na manohana ara-bola, na manome lalana, na mamporisika ny fanalana zaza (jereo ny 32.6.2.5). Saingy tsy tokony hisy filankevitra mandinika ny maha-mpikambana hatao raha toa ka talohan’ny batisa ny mpikambana iray no nandray anjara tamin’ny fanalana zaza. Sady tsy tokony hisy filankevitra mandinika ny maha-mpikambana na famerana zo hatao ho an’ireo mpikambana izay nandray anjara tamin’ny fanalana zaza noho ireo antony telo voafaritra tany aloha tato amin’ity fizarana ity.

Alefan’ny eveka any amin’ny filohan’ny tsatòka ireo fanontaniana mikasika ny tranga manokana. Afaka mandefa taratasy mivantana any amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany ny filohan’ny tsatòka raha ilaina.

Araka izay efa nambara hatreto dia afaka mibebaka sy ho voavela heloka amin’ny fanalan-jaza ny olona iray.

38.6.2

Ny herisetra

Ny hoe herisetra dia fihetraketrahana na fanaovana tsinontsinona ny hafa izay miteraka fahavoazana ara-batana, na ara-nofo, na ara-pihetsehampo, na ara-bola. Ny Fiangonana dia mihevitra fa tsy azo ekena ny fampiharana herisetra amin’ny endriny rehetra. Ireo izay mampihatra herisetra amin’ny vadiny, na ny zanany, na ny olona hafa ao amin’ny fianakaviana, na amin’ny olona hafa dia mandika ny lalàn’ Andriamanitra sy ny an’olombelona.

Ny mpikambana rehetra, indrindra fa ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika, dia amporisihina mba ho malina tsara sy hazoto ary hanao izay azon’izy ireo atao mba hiarovana ny zanaka sy ny olona hafa amin’ny fampiharana herisetra. Raha toa ny mpikambana ka lasa mahafantatra mikasika ny fisian’ny fampiharana herisetra dia tokony hitatitra izany any amin’ny manampahefana ara-panjakana sy hifampidinika amin’ny eveka. Tokony handray amim-pahamatorana ireo tatitra mombana herisetra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ka tsy hanamaivana azy ireny na oviana na oviana.

Ny olon-dehibe rehetra izay miara-miasa amin’ny ankizy na ny zatovo dia tsy maintsy mamita ilay fiofanana momba ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana aorian’ny nanohanana azy ireo (jereo ny ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org). Tsy maintsy mamerina ilay fiofanana izy ireo isaky ny telo taona aorian’izay.

Rehefa misy herisetra mitranga, ny andraikitra voalohany raisin’ny Fiangonana dia ny manampy ireo izay nianjadian’ny herisetra sy miaro ireo izay mila fiarovana amin’ny herisetra ho avy. Ireo mpitarika dia tsy tokony hamporisika ny olona iray hijanona ao amin’ny tokantrano na toe-javatra iray isian’ny herisetra na mampidi-doza.

38.6.2.1

Laharan-tariby hanomezana fanampiana amin’ny herisetra

Any amin’ny firenena sasany dia nanokana laharan-tariby manokana hanomezana fanampiana amin’ny herisetra ny Fiangonana mba hanampiana ireo filohan’ny tsatòka sy ireo eveka. Tokony hiantso avy hatrany ny laharan-tariby hanomezana fanampiana amin’ny herisetra ireo mpitarika ireo hiresahana momba ny toe-javatra rehetra izay mety nampiharana herisetra tamin’ny olona iray, na ahiana ho mety iharan’izany. Tokony hiantso izany ihany koa izy ireo raha toa ka mahafantatra mpikambana iray mijery, na mividy, na mizara pôrnôgrafia ahatafidiran’ankizy.

Misokatra 24 ora isan’andro sy 7 andro isan-kerinandro ho an’ireo eveka sy ireo filohan’ny tsatòka ny laharan-tariby hanomezana fanampiana amin’ny herisetra. Aseho etsy ambany ireo laharan-telefaonina.

  • Etazonia sy Kanadà: 1-801-240-1911 na 1-800-453-3860, poste 2-1911

  • Royaume Uni: 0800 970 6757

  • Irlandy: 1800 937 546

  • Frantsa 0805 710 531

  • Australie: 02 9841 5454 (antso avy eo an-toerana)

  • Nouvelle Zélande: 09 488 5592 (antso avy eo an-toerana)

Ireo eveka sy filohan’ny tsatòka dia tokony hiantso ny laharan-tariby hahazoana fanampiana rehefa manao tatitra momba ny toe-javatra ahitana herisetra amin’ny endriny rehetra. Mpahay lalàna sy mpitsabo manam-pahaizana manokana no hamaly ny fanontanian’izy ireo. Ireo manam-pahazaina manokana ireo ihany koa dia hanome torolalana azy ireo ny amin’ny fomba:

  • Hanampiana ireo lasibatra sy hanampiana amin’ny fiarovana azy ireny amin’ny herisetra.

  • Hanampiana ireo izay mety ho lasibatra.

  • Hanarahana ireo fepetra takin’ny lalàna amin’ny fanaovana tatitra momba ny herisetra.

Vonona ny hanaraka ireo lalàna mifehy ny fanaovana tatitra momba ny herisetra ny Fiangonana (jereo ny 38.6.2.7). Miovaova araka ny toerana ny lalàna ary maro amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana no tsy manam-pahaizana manokana momba ny lalàna. Ny fiantsoana ny laharan-tariby fanomezana fanampiana amin’ny herisetra dia ilain’ireo eveka sy ireo filohan’ny tsatòka mba hanatontosana ny andraikitr’izy ireo amin’ny fanaovana tatitra momba ny herisetra.

Ireo eveka dia tokony hampandre ny filohan’ny tsatòka mikasika ireo trangana herisetra.

Any amin’ireo firenena izay tsy manana laharan-tariby hanomezana fanampiana, ny eveka izay mahalala ny fisian’ny fampiharana herisetra dia tokony hifandray amin’ny filohan’ny tsatòkany. Ny filohan’ny tsatòka dia tokony hikatsaka tari-dalana any amin’ny mpanoro hevitra momba ny lalàna ao amin’ny biraon’ny vondromparitra. Amporisihina ihany koa izy ny hifampidinika amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Sampan-drahaharaha misahana ny fianakaviana na ny mpitantana ny resaka fifanampiana sy fizakan-tena ao amin’ny biraon’ny vondromparitra.

38.6.2.2

Filana hevitra rehefa misy trangana herisetra

Matetika ireo nianjadian’ny herisetra no ampijalian’ny fikorontanana anaty lehibe. Maneho fangorahana sy fahatakarana avy amin’ny fo ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka. Manome torohevitra ara-panahy sy fanohanana izy ireo mba hanampiana ireo niharan’ny herisetra handresy ireo voka-dratsin’ny herisetra izay manimba.

Indraindray ny olona niharam-pahavoazana dia manana fahatsapana ho menatra na meloka. Tsy meloka amin’ny fahotana ireny olona niharam-pahavoazana ireny. Manampy azy ireny sy ny fianakaviany ireo mpitarika mba hahatakatra ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fahasitranana avy amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany (jereo ny Almà 15:8; 3 Nefia 17:9).

Ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka dia tokony hanampy ireo izay nahavanona herisetra mba hibebaka sy hanatsahatra ny fitondran-tena tia herisetra. Raha nahavanona fahotana avy amin’ny firaisana ara-nofo amin’ny ankizy ny olon-dehibe iray dia mety ho tena sarotra ovaina izany fitondrantena izany. Mety ho lava dia lava ny dingan’ny fibebahana. Jereo ny 38.6.2.3.

Tokony hikarakara tsara sy hahay mihaino ihany koa ireo filohan’ny tsatòka sy eveka rehefa miara-miasa amin’ny fianakavian’ireo nianjadian’ny herisetra sy ny fianakavian’ireo nahavanon-doza.

Ny tari-dalana ho an’ny fanoroana hevitra ireo nianjadian’ny herisetra sy ireo olo-meloka dia omena ao amin’ny Abuse: How to Help.

Ankoatra ny fahazoana fanampiana nentanim-panahy avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia mety ho mila torohevitra avy amin’ny matihanina ihany koa ireo niharan’ny herisetra sy ireo nahavanon-doza ary ny fianakaviany. Ho fampahalalana momba izany dia jereo ny 31.3.6.

Ho an’ny fampahalalana mikasika ny zavatra tokony hataon’ireo eveka sy ireo filohan’ny tsatòka rehefa mahalala herisetra na toa inona na toa inona endriny dia jereo ny 38.6.2.1 Ho fampahalalana mikasika ny filana torohevitra rehefa misy trangana herisetra ara-nofo, fanolanana, na izay mety ho endrika herisetra ara-nofo, dia jereo ny 38.6.18.2.

Jereo ihany koa ny FamilyServices.ChurchofJesusChrist.org.

38.6.2.3

Herisetra atao amin’ny ankizy na ny zatovo

Fahotana lehibe tokoa ny herisetra atao amin’ny ankizy sy ny zatovo (jereo ny Lioka 17:2). Araka ny ampiasana azy etoana, ny herisetra atao amin’ny ankizy na ny zatovo dia ahitana ireto manaraka ireto:

  • Herisetra ara-batana: Fampiharana fampijaliana ara-batana amin’ny alalan’ny fampiasan-kery. Mety tsy hiharihary ny fahavoazana sasany.

  • Herisetra ara-nofo na fanararaotana ara-nofo: Fampiharana izay mety ho endrika filana ara-nofo amin’ny ankizy na zatovo na fanomezana lalana an-tsitrapo na fanampiana ny hafa hanao toy izany. Araka ny ampiasana azy etoana dia tsy tafiditra ao anatin’ny herisetra ara-nofo ny firaisana ara-nofo nifanarahana ataon’ny zaza roa tsy ampy taona izay mitovitovy taona.

  • Herisetra ara-pihetsehampo: Fampiasana fihetsika na teny atao amin’ny ankizy na zatovo iray mba hanimbana tanteraka ny fahatsapany ho mendri-kaja na ny fahatsapany ho manana lanjan’ny tena manokana. Matetika izany no ahitana fanambaniana miverimberina sy mitohy, sy fanaovana azy ho fitaovana, ary ireo fitsikerana manala baraka sy manetry. Mety tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanaovana tsinontsinona an-kitsirano.

  • Pôrnôgrafia ahatafidiran’ankizy: jereo ny 38.6.6.

Raha toa ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ka mahalala na miahiahy ny fisiana herisetra atao amin’ny ankizy na zatovo dia manaraka avy hatrany ireo torolalana ao amin’ny 38.6.2.1 izy. Maka fepetra ihany koa izy mba hanampiana amin’ny fiarovana amin’ny fiomboan’ny herisetra.

Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana sy ny hanisiana fanamarihana eo amin’ny firaketana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana raha misy olon-dehibe mpikambana iray mahavanona herisetra amin’ny ankizy na zatovo araka ny voafaritra ato amin’ity fizarana ity. Jereo ihany koa ny 32.6.1.1 sy ny 38.6.2.5.

Ny hetraketraka ampiasana herim-batana na ny hetraketraka ara-pihetsehampo eo amin’ny samy ankizy na zatovo mitovitovy taona dia tokony horaisin’ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy an-tanana. Tsy misy filankevitra mandinika ny maha-mpikambana tanterahina.

38.6.2.4

Herisetra atao amin’ny vady na olon-dehibe hafa

Fomba maro no mety hitrangan’ny herisetra atao amin’ny vady na olon-dehibe hafa. Tafiditra ao anatin’izany ny herisetra ara-batana, ara-nofo, sy ara-pihetsehampo, ary ny fanararaotana ara-bola. Matetika ireo olon-dehibe nahazo taona, marefo, na manana fahasembanana no atahorana indrindra hianjadian’ny herisetra.

Tsy dia misy loatra teny tokana hamaritana ny herisetra izay afaka ampiasaina amin’ny toe-javatra rehetra. Fa misy sokajiny arakaraka ny halehibeny kosa ny fihetsika feno herisetra. Izany sokajy izany dia manomboka amin’ny fampiasana teny mahery tsindrindray ka hatramin’ny fampijaliana miteraka fahavoazana lehibe.

Raha toa ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ka mahalala fisiana herisetra atao amin’ny vady na olon-dehibe hafa dia manaraka avy hatrany ireo torolalana ao amin’ny 38.6.2.1 izy. Maka fepetra ihany koa izy mba hanampiana amin’ny fiarovana amin’ny fiomboan’ny herisetra.

Mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy ireo mpitarika mba hamaritana raha toa ka fanomezana torohevitra manokana na fanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana no fomba mety indrindra entina andraisana an-tanana ny herisetra. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mifampidinika mivantana amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana an’ireo olona tafiditra ao amin’ilay herisetra ny amin’ny fomba mety andraisana an-tanana ny herisetra. Kanefa izay mety ho herisetra atao amin’ny vady na olon-dehibe hafa ka mahakasika ireo fitondrantena na fihetsika voasoritsoritra etsy ambany dia mitaky ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana.

  • Herisetra ara-batana: Fampiharana fampijaliana ara-batana amin’ny alalan’ny fampiasan-kery. Mety tsy hiharihary ny fahavoazana sasany.

  • Herisetra ara-nofo: Jereo ireo toe-javatra voafaritra ao amin’ny 38.6.18.3.

  • Herisetra ara-pihetsehampo: Fampiasana fihetsika na teny atao amin’ny olona iray mba hanimbana tanteraka ny fahatsapany ho mendri-kaja na ny fahatsapany ho manana lanjan’ny tena manokana. Matetika izany no ahitana fanambaniana miverimberina sy mitohy, sy fanaovana azy ho fitaovana, ary ireo fitsikerana manala baraka sy manetry.

  • Fanararaotana ara-bola: Manararaotra ara-bola ny olona iray. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana tsy ara-dalàna na tsy nahazoan-dalana ny fananana, vola, na zava-tsarobidy hafa an’ny olona iray. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fisolokiana fahefana amin’ny fampiasana ny volan’olon-kafa. Mety ho tafiditra amin’izany ny fanamparana fahefana ara-bola entina hanerena na hampitahorana olona. Jereo ihany koa ny 32.6.1.3.

38.6.2.5

Antso ao amin’ny Fiangonana, sy ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, ary ny fanamarihana eo amin’ny firaketana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana

Ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nahavanona herisetra tamin’ny hafa dia tsy tokony homena antso ao amin’ny Fiangonana ary tsy afaka mihazona fahazoan-dalana hidirana ny tempoly raha tsy rehefa afaka ireo famerana zo amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana.

Raha toa ny olona iray ka nanao herisetra ara-nofo tamin’ny ankizy na zatovo, na nahavanona herisetra ara-batana na ara-pihetseham-po goavana tamin’ny ankizy na zatovo dia hasiana fanamarihana ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana azy. Tsy azo omena antso na andraikitra misy ifandraisany amin’ny ankizy na zatovo mihitsy izy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanendrena amin’ny fanompoana fianakaviana ka ahitana zatovo na ankizy ao amin’ilay tokantrano. Anisan’izany ihany koa ny tsy fananana zatovo ho mpiara-manompo. Ireo famerana ireo dia manan-kery raha tsy hoe ny Fiadidiana Voalohany no manome lalana ny hanesorana ny fanamarihana. Jereo ny 32.14.5 ho fampahalalana momba ny fanamarihana eo amin’ny firaketana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana.

38.6.2.6

Filankevitry ny tsatòka sy paroasy

Ao anatin’ny filankevitry ny tsatòka sy paroasy dia jeren’ny filohan’ny tsatòka sy ny episkôpà matetika ireo fitsipiky ny Fiangonana sy torolalana momba ny fisorohana ny herisetra sy ny zavatra atao hiatrehana izany. Mampianatra ny hafatra tena manan-danja ao amin’ny fizarana Sévices ao amin’ny Faire face aux défis de la vie ao amin’ny Médiathèque de l’évangile izy ireo. Manasa ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra izy ireo hanao fifanakalozan-kevitra. Ny mpitarika sy ny mpikambana ao amin’ilay filankevitra dia tokony hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mampianatra sy miresaka momba io zavatra saropady io.

Tokony hamita ilay fanofanana momba ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra (jereo ny 38.6.2).

38.6.2.7

Raharaha ara-pitsarana mifandray amin’ny herisetra

Raha toa ireo fihetsika feno herisetra nataon’ny mpikambana iray ka nandika ny lalàna velona dia tokony hanainga azy ny eveka na ny filohan’ny tsatòka mba hanambara ilay resaka any amin’ny sampan-draharaha misahana ny fampiharana lalàna na manampahefam-panjakana hafa mifanandrify amin’izany. Ny eveka na ny filohan’ny tsatòka dia afaka mahazo fampahalalana momba ireo fepetra takina eo an-toerana amin’ny fanaovana tatitra momba ny herisetra amin’ny alalan’ny fiantsoana ny laharan-tariby an’ny Fiangonana izay hanomezana fanampiana amin’ny herisetra (jereo ny 38.6.2.1). Raha manana fanontanina momba ireo fepetra takina amin’ny fanaovana tatitra ireo mpikambana dia mamporisika azy ireo izy hanatona mpanoro hevitra ara-pitsarana mahefa.

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ireo mpikambana dia hanatontosa ireo adidy takin’ny lalàna amin’ny fanaovana tatitra momba ny herisetra amin’ireo manam-pahefana ara-panjakana. Any amin’ny firenena sasany ireo mpitarika sy mpampianatra miara-miasa amin’ny ankizy sy zatovo dia raisina ho toy ny “mpanao tatitra mahazo lalana” (rapporteurs mandatés) ka tsy maintsy manao tatitra ny herisetra amin’ireo manam-pahefana ara-dalàna. Sahala amin’izany koa any amin’ny firenena maro, izay olona mahalala mombana herisetra dia takina hanao tatitra izany amin’ny manam-pahefam-panjakana. Ireo eveka sy filohan’ny tsatòka dia tokony hiantso ny laharan-tariby hahazoana fanampiana mba hahazoana ny antsipiriany momba ireo mpanao tatitra mahazo lalana sy ireo fepetra takin’ny lalàna amin’ny fanaovana tatitra momba ny herisetra. Ny fitsipiky ny Fiangonana dia ny hankatò ny lalàna.

38.6.3

Insémination artificielle (Fampananahana amin’ny fomba artifisialy)

Jereo ny 38.6.9.

38.6.4

Fandrindrana ny fiterahana

Ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady dia natao ho tsara sy masina. Tendrin’ Andriamanitra izany mba hahariana ireo zanaka sy ho fanehoam-pitiavana eo amin’ny mpivady (jereo ny 2.1.2).

Tombontsoa lehibe ho an’ireo mpivady vita mariazy izay afaka miteraka ny manome vatana mety maty ho an’ireo zanaka ara-panahin’ Andriamanitra, ka izy ireo noho izany no tompon’andraikitra amin’ny fitaizana azy ireo (jereo ny 2.1.3). Ny fanapahan-kevitra mikasika ny isan’ny zanaka tiana hananana sy ny fotoana hananana azy ireo dia an’ny tena manokana tanteraka sy tena saropady. Tokony ny mpivady sy ny Tompo ihany no hanapa-kevitra ny amin’izany. Tsy tokony hifampitsaratsara mikasika izany zavatra izany ny mpikamban’ny Fiangonana.

Ny Fiangonana dia tsy mamporisika ny fampitsaharana ny fiterahana amin’ny alalan’ny fandidiana ho toy ny fomba handrindrana ny fiterahana. Ny fandidiana mba tsy hiterahana intsony dia ahitana zavatra atao toy ny vasectomie (famatorana ireo fantsona handehanan’ny ranon’aina) sy ny ligature du trompe (famatorana ny fantson’ny tranon-jaza). Na izany aza dia zavatra mahakasika ny tena manokana io fanapahan-kevitra io ka an’ireo mpivady ihany ny fanapahan-kevitra ny amin’izany rehefa avy nandinika izany tamim-bavaka izy ireo. Tokony hifampidinika amim-piraisam-po ireo mpivady ary hikatsaka fanamafisana avy amin’ny Fanahy rehefa mandray io fanapahan-kevitra io.

Indraindray dia ilaina noho ny antony ara-pahasalamana ny fandidiana mba tsy hahafahana miteraka intsony. Afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny fakana hevitra any amin’ireo matihanina eo amin’ny lafiny fitsaboana ireo mpikambana.

38.6.5

Fahadiovam-pitondrantena sy fahatokiana amin’ny vady

Ny lalàn’ny Tompo mikasika ny fahadiovam-pitondrantena dia ny:

  • Tsy fanaovana firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana ara-dalàna eo amin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray.

  • Fahatokiana ao anatin’ny fanambadiana.

Ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady dia natao ho tsara sy masina. Tendrin’ Andriamanitra izany mba hahariana ireo zanaka sy ho fanehoam-pitiavana eo amin’ny mpivady.

Ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray mivady ara-dalàna ihany amin’ny maha-mpivady azy ireo no tokony hanao firaisana ara-nofo. Eo imason’ Andriamanitra dia tena manan-danja ny fahadiovam-pitondrantena. Tena zava-doza ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena (jereo ny Eksodosy 20:14; Matio 5:28; Almà 39:5). Ireo izay mandika izany dia tsy mampiasa araka ny tokony ho izy ny fahefana masina hamoronana aina nomen’ Andriamanitra antsika.

Mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha toa ny mpikambana iray ka:

  • Manao firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana ara-dalàna eo amin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray, toy ny fanitsakitsaham-bady, ny fijangajangana, ny fanambadian’ny olon-droa mitovy fananahana, ary ny fifaneraserana mifandray amin’ny firaisana ara-nofo amin’ny Internet na an-telefaona (jereo ny 32.6.2).

  • Anatina endrika fanambadiana na fiarahana izay ivelan’ny fanambadiana ara-dalàna eo amin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray, toy ny tokantrano maso, fanambadiana sivily sy fifamatorana ara-nofo eo amin’olon-droa tsy mpivady, ary fanambadian’ny olon-droa mitovy fananahana.

  • Mahery mampiasa ny pôrnôgrafia na miankin-doha amin’ny pôrnôgrafia ka mampitondra takaitra goavana ny olona iray ao amin’ny fanambadiana na ny fianakaviana (jereo ny 38.6.13).

Ny fanapahan-kevitra momba ny fanantanterahana na tsia ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana amin’ireo toe-javatra ireo dia miankina amin’ny trangan-javatra maro (jereo ny 32.7). Ohatra, tsy dia isalasalana fa ilaina ny filankevitra mba hanampiana mpikambana iray hibebaka raha nandika ireo fanekempihavana natao tany amin’ny tempoly izy na niverimberina ilay fahotany.

Jereo ny fisolokiana 32.6.1.2mikasika ny fotoana itakinany hanatanterahana filankevitra ho an’ny fahotana avy amin’ny firaisana ara-nofo.

Amin’ny toe-javatra sasany, ny fanomezana torohevitra manokana sy ny famerana tsotsotra ny zo amin’ny maha-mpikambana dia ampy (jereo ny 32.8).

38.6.6

Pôrnôgrafia ahatafidiran’ankizy

Ny Fiangonana dia manameloka ny pôrnôgrafia ahatafidiran’ankizy amin’ny endriny rehetra. Raha toa ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ka mahalala fa misy mpikambana iray mandray anjara amin’ny pôrnôgrafia ahatafidiran’ankizy, dia manaraka avy hatrany ireo toromarika ao amin’ny 38.6.2.1 izy.

Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana sy ny hanisiana fanamarihana eo amin’ny firaketana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana raha toa ny mpikambana iray ka manao, na mizara, na manana, na mijery imbetsaka sary pôrnôgrafika ahatafidiran’ankizy (jereo ny 32.6.1.2 sy ny 32.14.5). Amin’ny ankapobeny io torolalana io dia tsy mihatra amin’ireo ankizy na zatovo mitovitovy taona izay mifampizara sary vetaveta ahitana azy ireo na olon-kafa. Ny fanomezana torohevitra manokana sy ny famerana tsotsotra ny zo amin’ny maha-mpikambana no mety hifanentana amin’ny toe-javatra toy ireny.

Mba hahazoana tari-dalana misimisy kokoa dia jereo ny 38.6.13.

38.6.7

Fanomezana na fivarotana ranonaina na tsirivavy

Tendrin’ Andriamanitra ilay lamina hoe ny mpivady no manome vatana ireo fanahy zanak’ Andriamanitra (jereo ny 2.1.3). Noho io antony io dia tsy mamporisika ny fanomezana ranonaina na tsirivavy ny Fiangonana. Na izany aza dia zavatra mahakasika ny tena manokana izany ka an’ilay olona afaka manome ihany ny fanapahan-kevitra ny amin’izany rehefa avy nandinika izany tamim-bavaka izy. Jereo ny 38.6.9. Ny Fiangonana dia tsy mamporisika ihany koa ny fivarotana ranonaina na tsirivavy.

38.6.8

Famorana ny taovam-pananahan’ny vehivavy

Ny Fiangonana dia manameloka ny famorana ny taovam-pananahan’ny vehivavy.

38.6.9

Fitsaboana mba hahafahana miteraka

Tendrin’ Andriamanitra ilay lamina hoe ny mpivady no manome vatana ireo fanahy zanak’ Andriamanitra (jereo ny 2.1.3). Raha ilaina dia afaka manampy ny lehilahy sy vehivavy mpivady amin’ny faniriana tsara ananan’izy ireo mba hanan-janaka ny teknôlojia fampananahana. Tafiditra ao anatin’io teknôlojia io ny fampananahana amin’ny fomba artifisialy (insémination artificielle) sy ny fampiraisan-tsela lahy sy vavy ao anatin’ny vata fitaratra (fécondation in vitro).

Ny Fiangonana dia tsy mamporisika mihitsy ny fampananahana amin’ny fomba artifisialy na ny fampiraisan-tsela lahy sy vavy anaty vata fitaratra amin’ny alalan’ny fampiasana tsirilahy avy amin’ny lehilahy hafa ankoatra ny vady na tsirivavy avy amin’ny vehivavy hafa ankoatra ny vady. Na izany aza dia zavatra mahakasika ny tena manokana izany ka an’ireo lehilahy sy vehivavy vita fanambadiana ara-dalàna ihany ny fanapahan-kevitra ny amin’izany rehefa avy nandinika izany tamim-bavaka izy ireo.

Jereo koa ny “Adoption” (Sujets de l’Evangiles, topics.ChurchofJesusChrist.org).

38.6.10

Firaisana amin’olom-pady

Ny Fiangonana dia manameloka ny firaisana amin’olom-pady amin’ny endriny rehetra. Araka ny ampiasana azy etoana, ny firaisana amin’olom-pady dia firaisana ara-nofo eo amin’ny:

  • Mpianaka.

  • Ray be na reny be sy ny zafikely.

  • Mpiray tampo.

  • Dadatoa na nenitoa sy zanakavavy na zanakalahin’ny iray tampo.

Araka ny ampiasana azy etoana dia tafiditra ao anatin’ny hoe zanaka, zafikely, mpiray tampo, zanakavavina iray tampo ary ny zanakalahina iray tampo ireo izay nateraka, natsangana, zana-bady, na havana notezaina. Ny firaisana ara-nofo amin’olom-pady dia mety hitranga eo amin’ny zaza tsy ampy taona roa, olon-dehibe iray sy zaza tsy ampy taona iray, na olon-dehibe roa. Raha misy filohan’ny tsatòka manana fanontaniana raha toa ka fanambadian’olom-pady ny fiarahana iray eo anatrehan’ny lalàna eo an-toerana, dia mikatsaka fitarihana avy amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany izy.

Raha zaza tsy ampy taona no lasibatry ny firaisana ara-nofo amin’olom-pady, ny eveka na ny filohan’ny tsatòka dia miantso ny laharan-tariby an’ny Fiangonana hanomezana fanampiana amin’ny herisetra any amin’ireo firenena ahafahana miantso izany (jereo ny 38.6.2.1). Any amin’ireo firenena hafa kosa, ny filohan’ny tsatòka dia tokony hikatsaka tari-dalana avy amin’ny mpanoro hevitra momba ny lalàna ao amin’ny biraon’ny vondromparitra. Amporisihina ihany koa izy ny hifampidinika amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Sampan-drahaharaha misahana ny fianakaviana na ny mpitantana ny resaka fifanampiana sy fizakan-tena ao amin’ny biraon’ny vondromparitra.

Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana sy ny hanisiana fanamarihana eo amin’ny firaketana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana raha toa ny mpikambana iray nahavanona firaisana ara-nofo amin’olom-pady (jereo ny 32.6.1.2 sy ny 32.14.5). Saika amin’ny ankapobeny ny firaisana ara-nofo amin’olom-pady no mitaky ny hanalan’ny Fiangonana ny olona iray tsy ho mpikambana.

Raha zaza tsy ampy taona no mahavanona firaisana ara-nofo amin’olom-pady dia mifandray amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany ny filohan’ny tsatòka mba hahazoana torolalana.

Matetika ireo nianjadian’ny firaisana ara-nofo amin’ny olom-pady no ampijalian’ny fikorontanana anaty lehibe. Maneho fangorahana sy fahatakarana avy amin’ny fo ireo mpitarika. Manome fanohanana sy torohevitra ara-panahy izy ireo mba hanampiana azy ireo handresy ireo voka-dratsin’ny firaisana ara-nofo amin’ny olom-pady izay manimba.

Indraindray ny olona niharam-pahavoazana dia manana fahatsapana ho menatra na meloka. Tsy meloka amin’ny fahotana ireny olona niharam-pahavoazana ireny. Manampy azy ireny sy ny fianakaviany ireo mpitarika mba hahatakatra ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fahasitranana avy amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany (jereo ny Almà 15:8; 3 Nefia 17:9).

Ankoatra ny fahazoana fanampiana nentanim-panahy avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia mety ho mila torohevitra avy amin’ny matihanina ireo niharam-pahavoazana sy ny fianakaviany. Ho fampahalalana momba izany dia jereo ny 38.6.18.2.

38.6.11

Fécondation in vitro (Fampiraisan-tsela lahy sy vavy anaty vata fitaratra)

Jereo ny 38.6.9.

38.6.12

Ny fikambanana miafina

“Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24). Ny fikambanana miafina dia mifantoka amin’ny haizina ary mitarika amin’ny fahadisoam-panantenana. Manimba ny finoana an’i Kristy izany.

Tafiditra ao anatin’ny fikambanana miafina ny fiderana an’i Satana. Tafiditra ao anatin’izany koa ireo zavatra atao ao amin’ny miafina izay tsy mifanaraka amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny zavatra atao toy izany dia ahitana (kanefa tsy voafetra amin’izany) ny fanandroana na ny fahitana zavatra, ny ozona, ary ireo fanaovana fanasitranana izay maka tahaka ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra (jereo ny Môrônia 7:11–17).

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tsy tokony hirotsaka amin’izay mety ho endrika isehoan’ny fiderana an’i Satana na handray anjara ao anatin’ny fikambanana miafina na amin’ny fomba ahoana izany na ahoana. Tsy tokony hifantoka amin’ny haizina toy izany izy ireo mandritra ireo fifampiresahana na ireo fivoriam-mpiangonana.

38.6.13

Ny pôrnôgrafia

Ny Fiangonana dia manameloka ny pôrnôgrafia amin’ny endriny rehetra. Ny fampiasana ny pôrnôgrafia amin’ny karazany rehetra dia manimba ny fiainan’ny olona tsirairay sy ireo fianakaviana ary ny fiarahamonina. Izany koa dia mandroaka ny Fanahin’ny Tompo. Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tokony hiala amin’ireo soratra na sary pôrnôgrafika amin’ny endriny rehetra ary hanohitra ny famokarana sy ny fandefasana ary ny fampiasana izany.

Manome ireto loharanon-kevitra manaraka ireto ny Fiangonana hanampiana ny olona izay manana fiainana iantraikàn’ny pôrnôgrafia:

Ireo filohan’ny tsatòka sy ireo eveka ihany koa dia manome fanohanana araka izay ilaina ireo olona ao amin’ny fianakaviana.

Mety ho tsy nahy ny fahitana pôrnôgrafia. Ny fampiasana amin’ny nahim-po ny pôrnôgrafia dia manimba—na tsindraindray izany na matetika be.

Ny fanoroana hevitra manokana sy ny famerana tsotsotra ny zo amin’ny maha-mpikambana matetika dia ampy rehefa manampy olona iray hibebaka amin’ny fampiasana ny pôrnôgrafia (jereo ny 32.8). Amin’ny ankapobeny dia tsy anatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana izany. Saingy mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ho an’ny fampiasana be na fiankinan-doha amin’ny pôrnôgrafia ka nampitondra takaitra goavana ny olona iray ao amin’ny fanambadiana na ny fianakaviana (jereo ny 38.6.5). Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana sy ny hanisiana fanamarihana eo amin’ny firaketana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana raha toa ny mpikambana iray ka manao, na mizara, na manana, na mijery imbetsaka sary pôrnôgrafika ahatafidiran’ankizy (jereo ny 38.6.6).

Ankoatra ny fanampiana entanim-panahy avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ireo dia mety ho ilain’ireo mpikambana sasany ny torohevitra avy amin’ny manam-pahaizana manokana. Ireo mpitarika dia afaka mifandray amin’ny Sampan-draharaha misahana ny Fianakaviana mba hahazoana fanampiana raha ilaina. Jereo ny 31.2.6mba hahitana ny fomba ahafahana mifandray.

38.6.14

Fitsarana an-tendrony

Zanak’ Andriamanitra ny olona rehetra. Mpirahalahy sy mpirahavavy ao anatin’ny fianakaviany masina ny olona rehetra” (jereo ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”). Andriamanitra dia nanao “ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany” (Asan’ny Apostoly 17:26). “Mitovy ny rehetra” ho Azy (2 Nefia 26:33). Ny olona tsirairay dia “sarobidy eo imasony tahaka ny iray hafa” (Jakôba 2:21).

Tsy mifanaraka amin’ny tenin’ Andriamanitra nambara ny fitsarana an-tendrony. Ny hoe ankasitrahana na tsy ankasitrahan’ Andriamanitra dia miankina amin’ny fanoloran-tena Aminy sy amin’ny didiny, fa tsy amin’ny volonkoditry ny olona iray na ireo toetra hafa.

Miantso ny olona rehetra ny Fiangonana mba hahafoy ny fihetsika sy ny zavatra atao izay mifono fitsarana an-tendrony atao amina vondrona na olona na iza na iza. Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tokony ho lohalaharana amin’ny famporisihana ny fanehoana fanajana ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Mitandrina ilay didin’ny Mpamonjy mba hitia ny hafa ny mpikambana (jereo ny Matio 22:35–39). Miezaka ny ho olona mangoraka ny rehetra izy ireo, ka mitsipaka izay mety ho karazana fitsarana an-tendrony. Tafiditra ao anatin’izany ny fitsarana an-tendrony mifototra amin’ny firazanana, ny foko, ny zom-pirenena, ny maha-lahy na ny maha-vavy, ny taona, ny fahasembanana, ny toe-javatra iainana eo amin’ny fiarahamonina ara-piarian-karena, ny fivavahana inoana sy ny tsy finoana fivavahana, ary ny fironana ara-pananahana.

38.6.15

Fifanintonana misy eo amin’ny olon-droa mitovy fananahana sy ny fitondran-tena eo amin’ny olon-droa mitovy fananahana

Mitaona ny fianakaviana sy ny mpikambana mba hanolo-tanana ombam-pitandremana sy amim-pitiavana ary amim-panajana ireo olona izay tratran’ny fifanintonana eo amin’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy ny Fiangonana. Ny Fiangonana ihany koa dia mampivelatra ny fahatakarana ao amin’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny izay hita taratra amin’ny fampianarany momba ny hatsaram-panahy, ny tsy fanavakavahana, ny fitiavana ny hafa ary ny fanajana ny olombelona rehetra. Tsy manana hevitra ijoroana mikasika ny antony mahatonga ny fifanintonana eo amin’ny olon-droa mitovy fananahana ny Fiangonana.

Mandrara ny fitondran-tena tsy madio rehetra ireo didin’ Andriamanitra, na ny eo amin’ny fiarahan’ny olona lahy sy vavy na ny olon-droa mitovy fananahana. Manoro hevitra ireo olona izay nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ny mpitarika eo anivon’ny Fiangonana. Manampy azy ireo ny mpitarika mba hahatakatra tsara ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny dingan’ny fibebahana, ary ny tanjon’ny fiainana an-tany. Mety ho antony hanaovana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny Fiangonana ny fitondran-tena izay tsy mifanaraka amin’ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena (jereo ny 38.6.5). Afaka ny ho voavela amin’ny alalan’ny fibebahana marina izany.

Tsy fahotana ny fahatsapana fifanintonana eo amin’ny olon-droa mitovy fananahana. Ny mpikambana izay manana ireo fahatsapana ireo kanefa tsy manaraka na tsy manatanteraka izany dia miaina araka ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany sy ny fotopampianaran’ny Fiangonana. Manohana sy mankahery azy ireo amin’ny fahavononany hiaina araka ny didin’ny Tompo ny mpitarika. Afaka mahazo antso ao amin’ny Fiangonana sy manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ary mandray ireo ôrdônansin’ny tempoly ireo mpikambana izay manana ireo fahatsapana ireo. Mahazo mandray sy mampiasa ny fisoronana ireo lehilahy mpikamban’ny Fiangonana.

Ny mpikambana rehetra mitandrina ny fanekempihavanany dia handray ireo fitahiana rehetra any amin’ny mandrakizay na mamela azy ireo handray ireo fitahiana avy amin’ny fanambadiana mandrakizay sy ny fahafahana hanan-janaka eto amin’ity fiainana ity ny toe-javatra iainan’izy ireo na tsia (jereo Môzià 2:41).

Manome ireto loharanon-kevitra manaraka ireto ny Fiangonana mba hahatakarana tsara kokoa sy hanohanana ny olona izay iantraikàn’ny fifanintonana eo amin’ny olon-droa mitovy fananahana:

  • Same-Sex Attraction,” (Ireo lohahevitra momba ny filazantsara) Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org

  • Same-Sex Attraction,” Life Help, ChurchofJesusChrist.org

Ankoatra ny fanampiana nentanim-panahy avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia mety hahazo tombontsoa avy amin’ny torohevitra omen’ny matihanina ireo mpikambana. Ireo mpitarika dia afaka mifandray amin’ny Sampan-draharaha misahana ny Fianakaviana mba hahazoana fanampiana. Jereo ny 31.2.6 mba hahitana ny fomba ahafahana mifandray.

38.6.16

Ny fanambadian’ny olon-droa mitovy fananahana

Ny Fiangonana dia manambara, amin’ny maha-fitsipiky ny fotopampianarana mifototra amin’ny soratra masina an’izany, fa ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy iray dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany. Ny Fiangonana ihany koa dia manambara fa ny lalàn’ Andriamanitra dia mamaritra ny fanambadiana ho fiarahana ara-dalàna eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray.

Ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray mivady ara-dalàna ihany amin’ny maha-mpivady azy ireo no tokony hanao firaisana ara-nofo. Ny firaisana ara-nofo rehefa atao amin’ny fomba hafa, ao anatin’izany ireo firaisana ara-nofo eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy, dia fahotana ary manimba ny rafitra masin’ny fianakaviana izay noharian’ Andriamanitra.

38.6.17

Fampianarana mikasika ny fananahana

Ny ray aman-dreny no olona voalohany manana andraikitra hampianatra mikasika ny fananahana an’ireo zanany. Tokony hiresaka foana amin-kitsim-po sy mazava amin’ireo zanany mikasika ny zavatra rehetra manodidina ny fananahana izay mahasoa sy mendrika ny ray aman-dreny. Ireo fifampiresahana ireo dia tokony:

  • Hifanaraka amin’ny taona sy ny fahamatoran’ilay ankizy.

  • Hanampy ny zanaka hiomana ho amin’ny fahasambarana ao anatin’ny fanambadiana sy hanaraka ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena (jereo ny 2.1.2).

  • Hiresaka ny loza ateraky ny pôrnôgrafia, ny tokony hisorohana izany, ary ny zavatra tokony hataon’izy ireo raha mahita pôrnôgrafia.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny “Sex Education and Behavior (Fampianarana mikasika ny fananahana sy ny fitondran-tena)” (Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org).

Isan’ny andraikitr’ireo ray aman-dreny amin’ny fampianarany ny zanany ny tokony hahafantarany izay fampianarana momba ny fananahana atao any an-tsekoly sy ny hikatsahany hampiditra ihany koa ny fampianarany amin’izany. Mampianatra fitsipika marina sy manohana ny fampianarana any an-tsekoly izay mifanaraka amin’ny filazantsara ny ray aman-dreny.

38.6.18

Herisetra ara-nofo, fanolanana, ary ireo endrika hafa hisehoan’ny herisetra ara-nofo

Ny Fiangonana dia manameloka ny herisetra ara-nofo amin’ny endriny rehetra. Araka ny ampiasana azy etoana, ny herisetra ara-nofo dia faritana ho izay mety ho fanerena hanao firaisana ara-nofo amin’olona iray hafa izay tsy maniry izany. Ny firaisana ara-nofo amin’ny olona iray izay tsy manome na tsy afaka manome fankatoavana ara-dalàna dia raisina ho herisetra ara-nofo. Mety hitranga amin’ny vady na mandritra ny fifaneraseran’ny olon-droa vao mifankafantatra ihany koa ny herisetra ara-nofo. Mba hahitana fampahalalana momba ny herisetra ara-nofo atao amin’ny ankizy na zatovo dia jereo ny 38.6.2.3.

Ny herisetra ara-nofo dia mahafaoka zavatra atao isan-karazany, miainga amin’ny fihetsika sy fiteny mamporisika ny fanaovana firaisana ara-nofo ka tonga hatrany amin’ny fanolanana sy ireo endrika hafa hisehoan’ny herisetra ara-nofo. Mety hitranga ara-batana, sy ara-pitenenana, ary amin’ny fomba maro hafa izany. Ho fampahalalana mikasika ny fanomezana torohevitra ireo mpikambana izay niaina herisetra ara-nofo, na fanolanana, na izay mety ho endrika hisehoan’ny herisetra ara-nofo, dia jereo ny 38.6.18.2.

Raha miahiahy na mahafantatra mombana herisetra ara-nofo ireo mpikambana dia mandray andraikitra avy hatrany hiarovana ireo niharam-pahavoazana sy ny hafa faran’izay haingana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana tatitra amin’ny manampahefana eo anivon’ny fanjakana sy ny fampahafantarana ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Raha misy ankizy niharan’ny herisetra ara-nofo dia tokony harahin’ny mpikambana ireo torolalana ao amin’ny 38.6.2.

38.6.18.1

Laharan-tariby hanomezana fanampiana amin’ny herisetra

Raha mahalala mombana herisetra ara-nofo, fanolanana, na izay endrika hafa hisehoan’ny fanararaotana ara-nofo ny eveka na ny filohan’ny tsatòka dia miantso ny laharan-tariby an’ny Fiangonana hanomezana fanampiana amin’ny herisetra any amin’ireo firenena ahafahana miantso izany izy (jereo ny 38.6.2.1 mba hijerena ny laharan-telefaonina sy ny adiresy ahafahana mifandray). Mpahay lalàna sy mpitsabo manam-pahaizana manokana no hamaly ny fanontaniany. Ireo manam-pahazaina manokana ireo ihany koa dia hanome torolalana azy ireo ny amin’ny fomba:

  • Hanampiana ireo niharam-pahavoazana sy hanampiana amin’ny fiarovana azy ireny amin’ny loza hafa.

  • Hanampiana ireo izay mety ho lasibatra.

  • Hanarahana ireo fepetra takin’ny lalàna amin’ny fanaovana tatitra.

Any amin’ireo firenena izay tsy manana laharan-tariby hanomezana fanampiana, ny eveka izay mahafantatra ny fisian’ireo fandikan-dalàna ireo dia tokony hifampiresaka amin’ny filohan’ny tsatòkany. Ny filohan’ny tsatòka dia tokony hikatsaka tari-dalana any amin’ny mpanoro hevitra momba ny lalàna ao amin’ny biraon’ny vondromparitra. Amporisihina ihany koa izy ny hifampidinika amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Sampan-drahaharaha misahana ny fianakaviana na ny mpitantana ny resaka fifanampiana sy fizakan-tena ao amin’ny biraon’ny vondromparitra.

38.6.18.2

Fanomezana torohevitra ireo niharan’ny herisetra ara-nofo, fanolanana, ary ireo endrika hafa hisehoan’ny herisetra ara-nofo

Matetika ireo niharan’ny herisetra ara-nofo, na fanolanana, na izay endrika hafa hisehoan’ny herisetra ara-nofo no ampijalian’ny fikorontanana anaty lehibe. Rehefa mamboraka izany amin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka izy ireo dia maneho fangorahana sy fahatakarana avy amin’ny fo izy. Manome torohevitra ara-panahy sy fanohanana izy mba hanampiana ireo niharam-pahavoazana handresy ireo voka-dratsin’ny herisetra izay manimba. Antsoiny ihany koa ny laharan-tariby an’ny Fiangonana hanomezana fanampiana amin’ny herisetra mba hahazoana fitarihana any amin’ireo firenena ahafahana miantso izany (jereo ny 38.6.18.1).

Indraindray ny olona niharam-pahavoazana dia manana fahatsapana ho menatra na meloka. Tsy meloka amin’ny fahotana ireny olona niharam-pahavoazana ireny. Tsy manome tsiny ilay niharam-pahavoazana ny mpitarika. Manampy ireo niharam-pahavoazana sy ny fianakaviany izy ireo mba hahatakatra ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fahasitranana avy amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany (jereo ny Almà 15:8; 3 Nefia 17:9).

Raha toa ireo mpikambana ka misafidy ny hizara ny mombamomba ilay herisetra dia tsy tokony hifantoka be loatra amin’ireo antsipirian-javatra ireo mpitarika. Mety handratra ilay niharam-pahavoazana izany.

Ankoatra ny fahazoana fanampiana nentanim-panahy avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia mety ho mila torohevitra avy amin’ny matihanina ireo niharam-pahavoazana sy ny fianakaviany. Ho fampahalalana momba izany dia jereo ny 31.2.6.

38.6.18.3

Filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

Mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ho an’ny olona iray izay nihetraketraka na nanararaotra ara-nofo ny olona iray. Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha toa ka nahavanona fanolanana na voaheloka tamin’ny endrika hafa hisehoan’ny herisetra ara-nofo ny mpikambana iray (jereo ny 32.6.1.1).

Tsy maintsy ihany koa manatanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ho an’ny firaisana ara-nofo atao amin’ny olon-dehibe marefo. Araka ny ampisana azy etoana, ny olon-dehibe marefo dia olona iray izay, noho ny kilema ara-batana na ara-tsaina, dia sady tsy afaka ny manaiky na mandà ilay zavatra atao na mahatakatra ny toetoetr’izany.

Mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy ireo mpitarika mba hamaritana raha toa ka fanomezana torohevitra manokana na fanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana no fomba mety indrindra entina andraisana an-tanana ireo endrika herisetra ara-nofo hafa (jereo ny 32.6.2.2 sy ny 32.8). Amin’ireo tranga goavana dia takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana. Azon’ireo mpitarika atao ihany koa ny mifampidinika amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana mivantana amin’ireo olona tafiditra ao amin’ilay herisetra ny amin’ny fomba mety andraisana an-tanana ny herisetra.

Raha toa ireo famerana zo amin’ny maha-mpikambana ka vokatry ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana izay notanterahana ho ana olona iray nahavanona herisetra ara-nofo dia hasiana fanamarihana eo amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ilay olona voakasika.

Ho fampahalalana mikasika ny filana torohevitra rehefa misy trangana herisetra dia jereo ny 38.6.2.2. Ho fampahalalana mikasika ny fanomezana torohevitra ireo olona niharan’ny herisetra ara-nofo dia jereo ny 38.6.18.2.

38.6.19

Ireo ho lasa ray na reny tokan-tena

Ireo mpikamban’ny Fiangonana izay tokan-tena sy mitondra vohoka dia amporisihina mba hihaona amin’ny evekan’izy ireo. Ao Etazonia sy i Kanadà, ny Sampan-draharaha misahana ny Fianakaviana dia afaka manampy amin’ny:

  • Firesahana amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

  • Famporisihana ny fifampiresahana eo amin’ny zatovovavy mitondra vohoka sy ny fianakaviany.

Tsy ilana ny fampahafantarana avy amin’ny eveka ny fisitrahana ity fanampiana ity. Tsy andoavam-bola izany. Jereo ny 31.2.6 mba hahitana ny laharan-telefaonina sy ny adiresy hifandraisana amin’ny Sampan-draharaha misahana ny Fianakaviana.

Any amin’ireo toerana hafa, ireo mpitarika dia afaka mifandray amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Sampan-drahaharaha misahana ny Fianakaviana na ny mpitantana ny resaka fifanampiana sy fizakan-tena amin’ny alalan’ny biraon’ny vondromparitra raha mila hevitra.

Misy tari-dalana ho an’ny fanoroana hevitra ireo tokan-tena mitondra vohoka ihany koa ao amin’ny “Unwed Pregnancy” (Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org).

38.6.20

Famonoan-tena

Fanomezana sarobidy avy amin’ Andriamanitra ny fiainana an-tany, fanomezana izay tokony homena lanja sy harovana. Ny Fiangonana dia manohana mafy ny fisorohana ny famonoan-tena. Mba hahazoana fampahalalana mikasika ny fomba hanampiana olona mikasa ny hamono tena na olona izay voatohintohina noho ny famonoan-tena, dia jereo ny suicide.ChurchofJesusChrist.org.

Maro amin’ny olona izay nieritreritra ny hamono tena no maniry ny hohamaivanina amin’ny fijaliana ara-batana, na ara-tsaina, na ara-pihetseham-po, na ara-panahy. Mila fitiavana sy fanampiana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary matihanina manam-pahaizana manokana momba ny famonoan-tena ny olona toy izany.

Manome fanampiana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny eveka raha misy mpikambana mihevitra ny hamono tena na efa nanandrana nanao izany. Manampy avy hatrany ilay mpikambana koa izy mba hahazo fanampiana avy amina manam-pahaizana manokana momba izany. Mamporisika ireo olona akaiky an’ilay olona izy mba hikatsaka fanampiana avy amina manam-pahaizana manokana momba izany raha ilaina.

Na dia eo aza ny ezaka tsara indrindra ataon’ireo olona akaiky ny fo sy ireo manam-pahaizana manokana, dia tsy voatery ho voasoroka foana ny famonoan-tena. Mamela ratram-po lalina sy fikorontanana eo amin’ny fihetseham-po, ary fanontaniana tsy voavaly eo amin’ireo havan-tian’ilay olona sy ny hafa izany. Tokony hanoro hevitra sy hampionona ilay fianakaviana ireo mpitarika. Manolokolo sy manohana izy ireo. Mety mila fanampiana sy torohevitra avy amina manam-pahaizana manokana ihany koa ilay fianakaviana.

Tsy mety ny hanalan’ny olona iray ny ainy amin’ny tenany. Kanefa Andriamanitra irery ihany no afaka mitsara ny eritreritra sy ny asa ary ny halehiben’ny maha-tompon’andraikitra ilay olona (jereo ny 1 Samoela 16:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9).

Ny fianakaviana no manapa-kevitra ny amin’ny toerana sy ny toetoetran’ny fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana ho an’ny olona iray izay nodimandry tao anatin’ny toe-javatra toy izany, rehefa avy niresaka tamin’ny eveka. Afaka misafidy ny hampiasa ny tranon’ny Fiangonana ilay fianakaviana. Raha efa nahazo fanafiana masina ilay olona fony fahavelony dia azo alevina na dorana misalotra ny akanjo fitafy ao amin’ny tempoly izy.

Ireo izay namoy olona akaikin’ny fo noho ny famonoan-tena dia afaka mahazo fanantenana sy fanasitranana ao amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

Ho fampahalalana momba ny fisorohana ny famonoan-tena sy ny fanaovana asa fanompoana momba izany, dia jereo ny suicide.ChurchofJesusChrist.org.

38.6.21

Fampitsaharana ny fiterahana amin’ny alalan’ny fandidiana (ao anatin’izany ny vasectomie na ny fandidiana ny fantsona mitondra ny tsirinaina)

Jereo ny 38.6.4.

38.6.22

Reny mitondra vohoka ho an’olon-kafa

Tendrin’ Andriamanitra ilay lamina hoe ny mpivady no manome vatana ireo fanahy zanak’ Andriamanitra (jereo ny 2.1.3). Noho io antony io dia tsy mamporisika ny reny mitondra vohoka ho an’olon-kafa ny Fiangonana. Na izany aza dia zavatra mahakasika ny tena manokana izany ka an’ireo mpivady ihany ny fanapahan-kevitra ny amin’izany rehefa avy nandinika izany tamim-bavaka izy ireo.

Ireo zanaka izay nateraky ny reny mitondra vohoka ho an’olon-kafa dia tsy teraka ao anatin’ny fanekempihavanana. Rehefa teraka izy ireo dia tsy azo fehezina amin’ireo ray aman-dreniny raha tsy efa nahazoana fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany (jereo ny 38.4.2.7). Manoratra taratasy any amin’ny Fiadidiana Voalohany ny ray aman-dreny ka omeny ny filohan’ny tsatòka izany. Raha tohanany ilay fangatahana dia alefany miraka amin’ny taratasiny manokana ilay taratasy.

38.6.23

Ireo olona transgenres (olona izay tsy mitovy amin’ny namaritana azy ny fahatsapany ny maha-lahy na maha-vavy azy na ny fanehoany izany)

Miaina olana saro-bahana ireo olona transgenres. Ireo mpikambana na tsy mpikambana izay mahatsapa ny tenany ho transgenres, mbamin’ny fianakaviana sy ny naman’izy ireo, dia tokony horaisina tsara omban’ny fiezahana hahatakatra ny fihetseham-po mety hananan’izy ireo, amin-katsaram-panahy, amim-pangorahana, ary amin’ny fitiavana sesehena toa ny an’i Kristy. Afaka manatrika soa aman-tsara ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo, sy ireo fivoriana isaky ny alahady, ary ireo hetsika sosialy ataon’ny Fiangonana ny olona rehetra (jereo ny 38.1.1).

Toetra tena manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra ny maha-lahy na maha-vavy. Ny hevitra tiana avoitra momba ny maha-lahy na maha-vavy voalaza ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana dia ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy tamin’ny nahaterahana. Misy olona sasany miaina fahasorenana noho ny fahatsapana tsy fitoviana eo amin’ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy azy sy ny fahatsapany ny maha-lahy na maha-vavy ny tenany. Noho izany izy ireo dia mety hahatsapa ny tenany ho transgenres. Tsy manana hevitra ijoroana mikasika ireo antony mahatonga ny olona miantso ny tenany ho transgenres ny Fiangonana.

Tsy mifidy na lahy na vavy ny ankabeazan’ny fandraisana anjara ao am-piangonana sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Ireo olona transgenres dia azo atao batisa sy raisina ho mpikambana araka izay voalaza ao amin’ny 38.2.8.9. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mandray ny fanasan’ny Tompo sy mandray tsodranon’ny fisoronana. Saingy ny fanendrena ho amin’ny fisoronana sy ireo ôrdônansin’ny tempoly kosa dia raisina arakaraka ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy tamin’ny nahaterahany.

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia manohitra ny fanarahana fitsaboana na fandidiana tsy voatery hatao entina hiovana ho lahy na ho vavy izay mifanohitra amin’ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy tamin’ny nahaterahana (“fanovana fananahana”). Mampahafantatra ireo mpitarika fa ny fanaovana ireny dia hitarika amin’ny famerana zo amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana.

Ireo mpitarika ihany koa dia tsy mandrisika ny fanovana ny mombamomba ny tena. Tafiditra ao anatin’ny fanovana ny mombamomba ny tena ny fanovana ny fomba fitafy na fihaingo, na fanovana anarana na solon’anarana entina hanehoana ny tena ho olona hafa amin’ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy tamin’ny nahaterahana. Mampahafantatra ireo mpitarika fa ireo izay manova ny mombamomba ny tenany dia hiaina famerana ny sasany amin’ireo zo amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana mandritra ny fotoana isian’izany fanovana izany.

Ireo famerana zo ireo dia ahitana ny famerana amin’ny fandraisana na fampiasana ny fisoronana, fandraisana na fampiasana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, ary fandraisana antso sasantsasany ao amin’ny Fiangonana. Na dia noferana aza ireo tombontsoa sasantsasany amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana dia azo atao tsara kosa ny fandraisana anjara amin’ny fomba hafa ao am-piangonana.

Ireo olona transgenres izay tsy manaraka fitsaboana, na fandidiana na ny fanovana ny mombamomba ny tena entina hiovana ho lahy na hiovana ho vavy ka mendrika dia afaka mandray antso ao amin’ny Fiangonana, sy fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, ary ireo ôrdônansin’ny tempoly.

Misy ankizy, sy zatovo, ary olon-dehibe sasany izay asain’ny mpitsabo manam-pahaizana manokana nahazo lalana hanaraka fitsaboana ampiasana hôrmônina hampitoniana ny fijaliana ateraky ny fahatsapana tsy fitoviana eo amin’ny fahitany ny maha-lahy na maha-vavy azy amin’ny toetra maha-lahy na maha-vavy azy tamin’ny nahaterahany, na hampihenana ny eritreritra te hamono tena. Mialoha ny hanombohan’ny olona iray fitsaboana toy izany dia manan-danja ny hahatakarany (sy ireo ray aman-drenina zaza tsy ampy taona) ireo loza mety hitranga sy ireo soa mety ho azo avy amin’izany. Raha toa ireny mpikambana ireny ka tsy manandrana ny hiova ho lahy na hiova ho vavy, ka mendrika, dia afaka mandray antso ao amin’ny Fiangonana, sy fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, ary ireo ôrdônansin’ny tempoly.

Raha toa ny mpikambana iray manapa-kevitra ny hanova ny anarana na solon’anarana tiany hiantsoana azy dia afaka soratana eo amin’ny faritra ho an’ny anarana tiana iantsoana eo amin’ny firaketana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana izany. Azo antsoina amin’ilay anarana tiany iantsoana azy ilay olona ao amin’ny paroasy.

Tsy mitovy mihitsy ny toe-java-mitranga isaky ny rantsana sy isaky ny olona. Mila mifampila hevitra amim-bavaka ny mpikambana sy ny mpitarika sady mila hevitra amin’ny Tompo. Ireo Fiadidian’ny Vondromparitra dia hanampy ireo mpitarika eo an-toerana mba handray an-tanana amim-pitandremana tsara ny toe-javatra misy ny isam-batan’olona. Ireo eveka dia mila hevitra amin’ny filohan’ny tsatòka. Tsy maintsy mila hevitra amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ireo filohan’ny tsatòka sy ireo filohan’ny misiôna (jereo ny 32.6.3 sy ny 32.6.3.1).

Ho fampahalalana misimisy kokoa momba ny fahatakarana sy fanohanana ireo olona transgenres dia jereo ny “Transgender” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

38.7

Ireo fitsipika mikasika ny fitsaboana sy ny fahasalamana

38.7.1

Autopsies (Fandidiam-paty)

Azo atao ny manatanteraka fandidiam-paty raha manome lalana ny hanaovana izany ny fianakavian’ilay maty, ary raha mifanaraka amin’ny lalàna ny fanaovana ilay fandidiam-paty. Amin’ny tranga sasantsasany dia takin’ny lalàna ny hanaovana fandidiam-paty.

38.7.2

Fandevenana na fandoram-paty

Ny fianakavian’ny olona maty no manapa-kevitra raha halevina na hodorana ilay vatana mangatsiaka. Manaja ny fanirian’ilay olona izy ireo.

Any amin’ny firenena sasany dia fandorana faty no takin’ny lalàna. Amin’ny tranga hafa dia tsy azo tanterahina sy tsy takatry ny volan’ny fianakaviana ny fandevenana. Amin’ny tranga rehetra dia tokony homena hasina sy hajaina ilay vatana mangatsiaka. Tokony homena toky ny mpikambana fa mihatra foana ny herin’ny Fitsanganana amin’ny maty (jereo ny Almà 11:42–45).

Raha azo atao dia tokony hampanaovina fitafiana fanao mandritra ny ôrdônansy any amin’ny tempoly ny vatan’ny mpikambana iray nodimandry izay efa nahazo fanafiana masina rehefa halevina na dorana (jereo ny 38.5.8).

Ny fotoam-pandevenana na fivoriana fahatsiarovana ny maty dia manolotra fahafahana ho an’ny fianakaviana mba hivondrona sy hampaharitra ny fifandraisana sy ny soatoavin’ny fianakaviana (jereo ny 29.5.4).

38.7.3

Ireo zaza maty alohan’ny hahaterahany

Mijaly noho ny alahelo sy ny famoizana aina ireo ray aman-dreny izay manana zanaka maty talohan’ny nahaterahany. Manolotra fanampiana ara-pihetseham-po sy ara-panahy ireo mpitarika sy ny fianakaviana ary ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo.

Afaka manapa-kevitra ny ray aman-dreny raha toa ka hanao fivoriana ho fahatsiarovana na fiaraha-mivory eo akaikin’ny fasana.

Ny ray aman-dreny dia mampiditra ny mombamomba ilay zaza mba horaketina ao amin’ny FamilySearch.org. Misy torolalana omena ao amin’io tranonkala io.

Tsy ilaina ny manatanteraka ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo zanaka maty talohan’ny nahaterahany. Tsy mandà ny mety hahafahan’ireo zaza ireo ho ao anatin’ilay fianakaviana izany amin’ny mandrakizay. Amporisihina ireo ray aman-dreny hatoky ny Tompo sy hikatsaka ny fankaherezany.

38.7.4

Euthanasie (Fanamoram-pahafatesana)

Fanomezana sarobidy avy amin’ Andriamanitra ny fiainana an-tany. Ny fanamoram-pahafatesana dia fanaovana fanahy iniana manapitra ny ain’ny olona iray izay mijaly noho ny aretina tsy azo sitranina na toe-javatra hafa. Ny olona iray izay mandray anjara amin’ny fanaovana fanamoram-pahafatesana, ao anatin’izany ny fanampiana olona iray ho faty amin’ny alalan’ny famonoan-tena, dia mandika ny didin’ Andriamanitra ary mety mandika ny lalàna misy eo an-toerana.

Ny fampitsaharana na ny fanakanana ny fandraisana fepetra hitazonana aina amin’ny fomba artifisialy amin’ny fomba tafahoatra rehefa tena ho faty ny olona iray dia tsy raisina ho toy ny fanaovana fanamoram-pahafatesana (jereo ny 38.7.11).

38.7.5

Mitondra ny tsimokaretina VIH sy voan’ny SIDA

Ny mpikambana izay mitondra ny tsimokaretina VIH (virus de l’immunodéficience humaine) na voan’ny SIDA (syndrome immunodéficitaire acquise) dia tokony horaisina an-tanan-droa amin’ireo fivorian’ny Fiangonana sy ireo fiaraha-mientana. Tsy atahorana hanimba ny fahasalaman’ny hafa ny fanatrehan’izy ireo.

38.7.6

Hypnose (Fampatoriana)

Ho an’ny olona sasany, ny fampatoriana dia mety hanimba ny fahafahana misafidy. Ny mpikambana dia tsy amporisihina handray anjara amin’ny fampatoriana mba hatao fanandramana na hialana voly.

Mandritra ny fifampiresahana amin’ny manam-pahaizana manokana momba izany no tokony hanapahana hevitra mahakasika ny fampiasana fampatoriana mba hitsaboana ireo aretina na fikorontanana ara-tsaina.

38.7.7

Olona izay tsy nazava hoe lehilahy sa vehivavy tamin’ny nahaterahany

Amin’ny tranga izay tena mahalana dia misy zaza teraka izay tsy fantatra mazava tsara na lahy izy na vavy (tsy hay fantarina ny taovam-pananahany noho ny tsy fahatomombanan’izany). Ny ray aman-dreny na olon-kafa miaraka amin’ny fitarihan’ny manam-pahaizana ara-pitsaboana no afaka hisafidy ny hamaritana ny maha lahy na vavy an’ilay zaza. Ao anatin’ny herinandro vitsivitsy nahaterahan’ilay zaza matetika no handraisana fanapahan-kevitra momba ny hanaovana fandidiana na fitsaboana. Na izany aza anefa dia azo hahemotra izy ireny raha tsy hoe ilaina amin’ny fitsaboana.

Takina ny fangorahana sy ny fahendrena manokana rehefa tsy hay nofantarina ny fitaovam-pananahan’ny zatovo na ny olon-dehibe tamin’ny nahaterahany noho ny tsy fahatomombanan’izany ka misedra fifandirana ara-pihetseham-po momba ny fanapahan-kevitra natao tamin’ny fotoana nahaterahany na fahazazany sy ny maha lahy na vavy amin’ny maha izy azy izy.

Ireo fanontaniana momba ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana, ny fanendrena ho amin’ny fisoronana, sy ny ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny zatovo na olon-dehibe izay tsy hay fantarina ny taovam-pananahany noho ny tsy fahatomombanan’izany hany ka tsy fantatra mazava tsara izy na lahy na vavy dia tokony halefa any amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany.

38.7.8

Fikarakarana ara-pitsaboana sy ara-pahasalamana

Miara-miasa mba hahazoana fanasitranana, araka ny sitrapon’ny Tompo, ny fikatsahana fanampiana ara-pitsaboana avy amin’ny manam-pahaizana manokana sy ny fampiharana finoana ary ny fandraisana ireo tsodranon’ny fisoronana.

Ny mpikambana dia tsy tokony hampiasa na hanindrahindra ireo fomba amam-panao hoentina mitsabo sy hitandroana ny fahasalamana izay mampiahiahy eo amin’ny fitondrantena na ara-panahy na eo anatrehan’ny lalàna. Ireo izay tsy salama dia tokony hanatona ireo mpitsabo matihanina manam-pahaizana manokana izay manana fahazoan-dalana hanao izany asa izany ao amin’ireo faritra izay hiasan’izy ireo.

Ankoatra ny fikatsahana ny fanampian’ny mpitsabo manam-pahaizana manokana dia amporisihina ny mpikamban’ny Fiangonana mba hanaraka ilay didy ao amin’ny soratra masina ao amin’ny Jakoba 5:14 mba “hampaka ny loholon’ny fiangonana, ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy.” Ny tsodranon’ny fisoronana ho an’ny fanasitranana dia omen’ireo izay mihazona ny anjara fanompoan’ny fisoronana ilaina amin’izany. Izy ireny dia omena rehefa misy mangataka ary tsy misy sarany aloa (jereo ny 18.13).

Tsy amporisihina ny mpikamban’ny Fiangonana mba hikatsaka fanasitranana mahagaga na amin’ny fomba tsy mahazatra avy amina olona iray na vondrona izay milaza fa manana fomba manokana hahazoana hery manasitrana ankoatra ny vavaka sy ireo tsodranon’ny fisoronana izay tanterahina araka ny tokony ho izy. Matetika ireny fomba fanao ireny no antsoina hoe “fanasitranana amin’ny alalan’ny angovo.” Misy anarana hafa ampiasaina ihany koa. Ny fampanantenana fahasitranana tahaka ireny dia matetika no atakalo vola.

38.7.9

Fitsaboana amin’ny alalan’ny marijuana

Ny Fiangonana dia manohitra ny fampiasana marijuana amin’ny zavatra hafa ankoatra ny fitsaboana. Jereo ny 38.7.14.

Azo ampiasaina mba hoentina hitsaboana kosa anefa ny marijuana rehefa voahaja ireto fepetra manaraka ireto:

  • Voafaritry ny mpitsabo iray manana fahazoan-dalana hanao izany asa izany na mpitsabo iray nahazo fankatoavana ara-dalàna fa ilaina eo amin’ny fitsaboana ny fampiasa azy.

  • Manaraka ny fatra asaina raisiny sy ny fomba fampiasana izany izay nomen’ny dokotera na mpitsabo hafa nahazo lalana ilay olona. Tsy ankatoavin’ny Fiangonana ny fievohana marijuana raha tsy manome lalana ny hanaovana izany ny mpitsabo iray raha ilaina amin’ny fitsaboana izany.

Tsy ankatoavin’ny Fiangonana ny fifohana marijuana, na dia entina hitsaboana aza.

38.7.10

Ny fanomezana sy ny famindrana taova sy kambantsela

Ny fanomezana taova sy kambantsela dia fihetsika maneho fitiava-namana izay matetika no miteraka vokatsoa lehibe ho an’ireo olona manana olana ara-pahasalamana.

Ny fanapahan-kevitry ny olona velona iray hanome taova olona iray hafa na handray taova nomena dia tokony hatao miaraka amin’ny mpitsabo iray manam-pahaizana manokana momba izany sy dinihina ombam-bavaka.

Ny fanapahan-kevitra mba hanome lalana ny hamindrana taova na kambantsela avy amin’ny olona iray izay nodimandry dia raisin’ilay olona na ny fianakaviany.

38.7.11

Fanalavana ny andro iainana (anisan’izany ny fitazonana aina amin’ny fomba artifisialy)

Rehefa tratran’ny aretina mafy dia tokony hampihatra finoana ny Tompo ireo mpikambana ary hitady ny fanampian’ireo mpitsabo manam-pahaizana manokana momba izany. Kanefa rehefa tsy voasakana intsony ny hiavian’ny fahafatesana dia tokony horaisina ho toy ny fitahiana sy ampahany tena misy antony ilàna azy amin’ny fisiana mandrakizay izany (jereo ny 2 Nefia 9:6Almà 42:8).

Tsy tokony hahatsapa ho voatery hanalava ny andro iainana eto an-tany amin’ny alalan’ireo fomba tafahoatra ny mpikambana. Ny tsara indrindra dia ilay olona na ny olona ao amin’ny fianakaviany no mandray ireo fanapahan-kevitra ireo. Tokony hikatsaka torohevitra avy amin’ny mpitsabo manam-pahaizana manokana momba izany sy hikatsaka fitarihana avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka izy ireo.

Ireo mpitarika dia manolotra fanohanana ho an’ireo izay manapa-kevitra na hotohizana na tsia ny fitazonana amin’ny fomba artifisialy ny ain’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany.

38.7.12

Ireo vondrona mampianatra ny olona hanana fahatsiarovan-tena

Maro ireo vondrona tsy miankina sy ireo fikambanana ara-barotra no manana fandaharan’asa izay lazain’izy ireo fa manatsara ny fahatsiarovan-tena sy ny fankamamiana ny tena ny toe-tena ara-panahy, na ny fifandraisan’ny fianakaviana. Ireo vondrona ireo matetika dia mampanantena vahaolana haingana amin’ireo olana maro izay, raha ny tokony ho izy, dia mitaky fotoana sy vavaka ary ezaky ny tena manokana mba hamahana izany. Na dia mety hahatsapa ho maivamaivana na hahatsapa fiadanana ao anatin’ny fotoana fohy aza ireo mpandray anjara dia matetika no miverina ireo olana teo aloha, izay mitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana sy fahakiviana fanampiny.

Ny sasany amin’ireo vondrona ireo dia milaza na manao izay hieritreretan’ny olona fa nahazo fankatoavana avy amin’ny Fiangonana na ny Manampahefana Ambony ny fandaharan’asan’izy ireo. Na izany aza dia tsy marina ireo filazana ireo.

Omena fampitandremana ny mpikamban’ny Fiangonana fa ny sasany amin’ireo vondrona ireo dia manindrahindra ireo petra-kevitra sy mampiasa ireo fomba izay mety hanimba. Vondrona maro koa no mampandoa sarany lafo be sy mamporisika ny olona hirotsaka ao anatin’izany vondrona izany ao anatin’ny fotoana maharitra. Ny sasany dia mampifangaro ireo petra-kevitr’izao tontolo izao amin’ireo fitsipiky ny filazantsara amin’ny fomba izay mety mampihozongozona ny fiainam-panahy sy ny finoana.

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia tsy tokony handoa ny saran’ny zavatra ataon’ny vondrona toy izany, na hampahafantatra na hanohana izany. Ireo trano sy fitaovan’ny Fiangonana dia tsy azo ampiasaina amin’ireo zavatra atao ireo.

Ny mpikambana manana olana eo amin’ny lafiny ara-piarahamonina na ara-pihetsehampo dia afaka miresaka amin’ireo mpitarika mba hahazo fitarihana amin’ny famantarana ireo loharanom-panampiana izay mifanaraka amin’ireo fitsipiky ny filazantsara. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 22.3.4.

38.7.13

Fanaovana vakisiny

Ny vakisiny ataon’ireo mpitsabo manam-pahaizana manokana momba izany dia miaro ny fahasalamana sy miaro ny aina. Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia amporisihina mba hiaro ny tenany sy ny zanany ary ny fiarahamonina misy azy ireo amin’ny alalan’ny fanaovana vakisiny.

Ny olona tsirairay amin’ny farany no tompon’andraikitra amin’ny fanapahan-keviny manokana mikasika ny fanaovana vakisiny. Raha manana olana ny mpikambana dia tokony haka hevitra amin’ireo mpitsabo manam-pahaizana manokana izy ireo ary hikatsaka ihany koa ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Ho voafetra ho ao amin’ny firenena niaviany ny andraikitra omena ireo miomana ho misiônera izay tsy vita vakisiny.

38.7.14

Tenin’ny Fahendrena sy ireo fomba amam-panao mahasalama

Ny Tenin’ny Fahendrena dia didin’ Andriamanitra. Nambarany izany mba ho tombontsoa ara-batana sy ara-panahin’ireo zanany. Nanazava ireo mpaminany fa ny fampianarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89 dia ahitana ny tsy fifohana sigara sy tsy fihinana paraky, tsy fisotroana zava-pisotro mahery (zava-pisotro misy alikaola), ary zava-pisotro mahamay (dite sy kafe).

Nampianatra ny mpikambana ihany koa ireo mpaminany mba hisoroka ny fandraisana ireo zavatra manimba, na tsy ara-dalàna, na mampiankin-doha, na manimba ny fahafahana misafidy.

Misy zavatra sy fomba fanao hafa manimba izay tsy voalaza manokana ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena na tsy voalazan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Tokony hampiasa fahendrena sy fandanjalanjana ombam-bavaka ny mpikambana rehefa manao safidy mba hanatsara ny fahasalaman’izy ireo ara-batana, sy ara-panahy ary ara-pihetseham-po.

Hoy ny Apôstôly Paoly hoe: “Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’ Andriamanitra? Ka tsy tompon’ny tenanareo hianareo? Fa olom-boavidy hianareo; ka dia mankalazà an’ Andriamanitra amin’ny tenanareo” (1 Korintiana 6:19–20).

Mampanantena fitahiana ara-panahy sy ara-nofo ho an’ireo izay mankatò ny Tenin’ny Fahendrena sy ny fitarihan’ireo mpaminany velona ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21).

38.8

Fitsipika mifehy ny fitantanana

38.8.1

Ny fananganan-jaza sy ny fitaizana zanak’olona ao an-trano

Ny fananganan-jaza sy ny fitaizana zanak’olona ao an-trano dia afaka mitahy ny ankizy sy ny fianakaviana. Azo atao ny mamorona fianakaviana feno fitiavana sy mandrakizay amin’ny alalan’ny fananganan-jaza. Na amin’ny alalan’ny fananganan-jaza na amin’ny alalan’ny fahaterahana no ahatongavan’ireo zanaka ao amin’ny fianakaviana iray, dia samy fitahiana sarobidy avokoa izy ireo.

Ireo mpikambana izay maniry ny hanangana na hitaiza ankizy ao an-trano dia tokony hanaja amin’ny fomba hentitra ireo fitakian’ny lalàna ao amin’ireo firenena sy fitondran-panjakana voakasik’izany.

Tsy miditra an-tsehatra amin’ny fanamorana fananganan-jaza ny Fiangonana. Na izany aza, ho an’i Etazonia sy i Kanadà, dia afaka mandefa ireo mpikambana any amin’ireo Sampan-draharaha misahana ny fianakaviana ireo mpitarika mba ho loharan-kevitra ho azy ireo. Mba hahafantarana ny fomba ahafahana mifandray amin’izany dia jereo ny 31.2.6.

Raha te hahalala mikasika ireo ho lasa ray na reny tokan-tena, dia jereo ny 38.6.19.

Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa dia jereo ny “Adoption (Fanaganan-jaza)” (Lohahevitra ara-pilazantsara), topics.ChurchofJesusChrist.org).

38.8.2

Fisolokiana amin’ny fanararaotam-pitokisana

Mitranga ny fisolokiana amin’ny fanararaotam-pitokisana rehefa manararaotra ny fitokisan’ny olona hafa mba hamitahana azy ny olona iray. Mety hitranga izany rehefa samy ao anatin’ny vondrona iray, toy ny Fiangonana ohatra, izy roa tonta. Mety hitranga ihany koa izany amin’ny alalan’ny fanararaotana ny andraikitra iray ahafahana minamana aman’olona na hametrahan’olona fitokisana, toy ny antso ao amin’ny Fiangonana na ny fifandraisan’ny fianakaviana. Mazàna ny fisolokiana amin’ny fanararaotam-pitokisana no atao mba hitadiavam-bola.

Tokony ho marin-toetra ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ny fifampiraharahany aman’olona ary tokony hanao zavatra amim-pahamarinana. Fivadiham-pitokisana mahamenatra ny fisolokiana amin’ny fanararaotam-pitokisana. Mety iharan’ny fitoriana araka ny lalàn’ny ady heloka ny olona manao izany. Mety hiatrika ihany koa famerana ny zo maha-mpikamban’ny Fiangonana na fanesorana tsy ho mpikambana ny mpikamban’ny Fiangonana manao fisolokiana amin’ny fanararaotam-pitokisana. Jereo ny 32.6.1.3 sy ny 32.6.2.3 mba hahitana torolalana momba ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ho an’ny fisolokiana.

Ny mpikambana dia tsy mahazo manambara na milaza an-kolaka fa tohanan’ny Fiangonana na ankatoavin’ny Fiangonana na hoe misolo tena ny Fiangonana na ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny asa fandraharahana ataon’izy ireo.

38.8.3

Fitaovana henoina sy jerena

Afaka manampy amin’ny fanasana ny Fanahy sy ny fanatsarana ny fampianarana ao amin’ireo fotoam-pianarana sy fivoriana ataon’ny Fiangonana ireo fitaovana henoina sy jerena. Isan’ny ohatra an’ireo fitaovana ireo ny horonan-tsary, ny sary, ary ny raki-kira. Ny fampiasana ireo fitaovana ireo dia tsy tokony, na oviana na oviana, ho lasa fanelingelenana na ho zavatra lehibe indrindra hifantohana mandritra ny fotoam-pianarana na ny fivoriana.

Tsy tokony hampiasa fitaovana henoina sy jerena mandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo na mandritra ny fivorian’ny daholobe amin’ny fihaonamben’ny tsatòka ny mpikambana. Na izany aza dia azo atao ny mampiasa feon-kira voarakitra mandritra ireo fivoriana ireo raha ilaina mba ho ampiarahana amin’ireo hira ao amin’ny fihirana.

Tokony hanaja ireo lalana rehetra mahakasika fameran-jo ny mpikambana rehefa mampiasa fitaovana henoina sy jerena (jereo ny 38.8.11). Tsy tokony hampiasa afa-tsy ireo fitaovana mifanaraka amin’ny filazantsara sy manampy amin’ny fanasana ny Fanahy izy ireo.

38.8.4

Sora-tanana sy sarin’ireo Manampahefana Ambony sy ireo Mpiandraikitra Ambony ary ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tsy tokony hangataka ny sora-tanan’ireo Manampahefana Ambony na ireo Mpiandraikitra Ambony, na ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra. Tsy tokony hangataka ihany koa amin’ireo mpitarika ireo mba hanisy sonia ny soratra masin’izy ireo, na ny boky fihiranany, na fandaharam-piangonana ny mpikambana. Ny fanaovana izany dia manimba ny antso masin’izy ireo sy ny fanahin’ny fivoriana. Mety hanakana azy ireo tsy hiarahaba ireo mpikambana hafa ihany koa izany.

Tsy tokony haka sary an’ireo Manampahefana Ambony na ireo Mpiandraikitra Ambony na ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ao amin’ireo trano fiangonana ny mpikambana.

38.8.5

Fandraharahana

Ireo trano fivorian’ny Fiangonana sy ireo trano hafa, ireo fivoriam-piangonana sy ireo kilasy, ary ireo tranonkalan’ny Fiangonana sy ireo tambajotran-tserasera dia tsy azo ampiasaina mba hanampiana tosika izay mety ho orinasa na fikambanana ivelan’ny Fiangonana.

Tsy tokony omena an’ny orinasa na fikambanana ivelan’ny Fiangonana, na inona izany na inona, ny lisitr’ireo vondrona ao amin’ny Fiangonana na ireo fampahalalana hafa mikasika ireo mpikambana. Tafiditra ao anatin’ireo (kanefa tsy voafetra amin’izay ihany) ireo izay manao dokam-barotra momba ny fifankafantaran’olon-droa misimisy kokoa, ny fanabeazana, ary ireo tolotr’asa. Jereo ny 38.8.31.

38.8.6

Ireo Mpiasan’ny Fiangonana

Tokony hiaina sy hanohana ireo fenitry ny Fiangonana amin’ny fotoana rehetra ireo mpiasan’ny Fiangonana. Tokony hanaja ireo lalàna momba ny asa eo an-toerana ihany koa izy ireo.

Tsy maintsy mendrika ny hanana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ny mpikambana raha hanomboka hiasa na hanohy hiasa ho an’ny Fiangonana. Matetika no miantso ny filohan’ny tsatòka na ny eveka mba hanamarina ny fahamendrehana hidirana ny tempoly ho an’ny olona izay miasa na mety ho lasa mpiasan’ny Fiangonana ireo solontenan’ny Departemanta misahana ny fandrindrana ny mombamomba ny asa sy ny mpiasa. Tokony hamaly izany avy hatrany ireo mpitarika.

38.8.7

Gazetibokin’ ny Fiangonana

Isan’ny gazetibokin’ny Fiangonana ny:

Ny Fiadidiana Voalohany dia mamporisika ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra hamaky ireo gazetibokin’ny Fiangonana. Ireo gazetiboky dia afaka manampy ny mpikambana hianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, handalina ny fampianaran’ireo mpaminany velona, hahatsapa fifandraisana amin’ny fianakaviamben’ny Fiangonana maneran-tany, hiatrika ireo fanamby amim-pinoana, ary hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra.

Manampy ny mpikambana hahazo ireo gazetiboky araka izao manaraka izao ny mpitarika:

  • Manampy ny mpikambana hisoratra anarana mba hahazo ireo gazetiboky vita printy sy hanavao ny fisoratan’izy ireo anarana.

  • Mampiseho amin’ny mpikambana ny fomba hahazoana ny votoatin’ny gazetiboky ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, ny application Bibliothèque de l’Évangile, ary ny application Vivre l’Évangile. Maimaim-poana io votoatiny amin’ny endriny nomerika io.

  • Mampiseho amin’ireo mpikambana vaovao, fotoana fohy aorian’ny batisan’izy ireo, ny fomba hahazoana amin’ny endriny nomerika ireo gazetibokin’ny Fiangonana. Raha gazetiboky vita printy no ilain’izy ireo dia manome azy ireo fisoratana anarana mandritra ny herintaona izay ampiasana ny teti-bolan’ny rantsana.

  • Manolotra fisoratana anarana mitohy ho an’ny ankizy sy ny zatovo rehetra izay tonga mivavaka kanefa tsy manana ray aman-dreny na mpitaiza. Mampiasa ny teti-bolan’ny rantsana.

Afaka miantso mpiandraikitra ny gazetiboky ny eveka mba hanampiana ireo mpikambana hahazo ireo gazetiboky. Na afaka manome andraikitra ny mpitantsoratra mpanatanteraky ny paroasy izy ireo mba hanampy amin’izany (jereo ny 7.3).

Ilay mpiandraikitra ny gazetiboky, na ilay mpitantsoratra mpanatanteraka dia afaka manampy ihany koa amin’ny fanangonana zavatra niainana mamporisika ny finoana sy fijoroana ho vavolombelona avy amin’ireo mpikambana mba hozaraina any amin’ireo gazetiboky.

Ny fisoratana anarana mba hahazoana gazetiboky vita printy dia azo jerena ao amin’ny store.ChurchofJesusChrist.org, ny département du Centre mondial d’assistance, ary ny ireo ivontoerana mpaninjara. Any amin’ny faritra sasany dia ny rantsana no manao ny famandrihana ho an’ireo mpikambana ao aminy ary mizara ireo gazetiboky any amin’ny trano fivorian’izy ireo. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa dia mifandraisa amin’ny département du Centre mondial d’assistance na amin’ny ivon-toerana mpaninjara iray.

38.8.8

Anaran’ny Fiangonana sy teny famantarana ny Fiangonana ary sary famantarana ny Fiangonana

Sary
Ny soratra sy ny sary famantarana ny Fiangonana

Ny anarana sy ny teny famantarana ary ny sary famantarana ny Fiangonana dia singa fototra hahafantarana ny Fiangonana. Marika voasoratra ara-panjakana izy ireo na voaron’ny lalàna amin’ny fomba hafa manerana izao tontolo izao. Ampiasaina izy ireny mba hamantarana ireo boky sy vaovao ary hetsika ôfisialin’ny Fiangonana.

Ireo singa fototra hahafantarana ny Fiangonana dia tsy azo ampiasaina raha tsy araka ireto torolalana omena eto ambany ireto ihany.

Ny anaran’ny Fiangonana an-tsoratra Afaka mampiasa ny anaran’ny Fiangonana an-tsoratra (fa tsy ny soratra famantarana na ny sary famantarana) ireo rantsana eo an-toerana rehefa voahaja ireto fepetra manaraka ireto:

  • Tohanan’ilay vondrona amin’ny fomba ôfisialy ny zavatra atao na ny fivoriana izay hampiasana ilay anarana (ohatra, ny fandaharam-potoan’ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo).

  • Ampiasaina ao alohan’ilay anaran’ny Fiangonana ny anaran’ilay rantsana eo an-toerana (ohatra hoe Sampana Campo Rosa an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany).

  • Tsy maka tahaka na mitovy amin’ny soratra famantarana ôfisialin’ny Fiangonana ny endriky ny soratra ampiasaina.

Ny teny sy ny sary famantarana ny Fiangonana. Ny teny famantarana sy ny sary famantarana ny Fiangonana (jereo ilay sary fanehoana etsy ambony) dia tsy natao ho ampiasaina raha tsy araka ny fomba nankatoavan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy. Tsy azo ampiasaina hatao haingon-javatra izy ireo. Tsy azo atao ihany koa ny mampiasa azy ireny amin’ny zavatra mahakasika ny tena manokana, na eo amin’ny lafiny ara-barotra, na amin’ny endrika dokam-barotra.

Ny fanontaniana dia tokony halefa any amin’ny:

Intellectual Property Office

50 East North Temple Street

Salt Lake City, UT 84150-0005

Telefaonina: 1-801-240-3959 na 1-800-453-3860, poste 2-3959

Fax: 1-801-240-1187

Email: cor-intellectualproperty@ChurchofJesusChrist.org

38.8.9

Fifandraisana amin’ireo filohan’ny tsatòka sy eveka avy amin’ireo mpiasa sy mpirotsaka an-tsitrapo an’ny Fiangonana

Rehefa mila mifandray amin’ny filohan’ny tsatòka na eveka iray ireo mpiasa sy mpirotsaka an-tsitrapo an’ny Fiangonana dia any amin’ny mpitantsoratra mpanatanterak’ilay mpitarika izy ireo no mifandray raha tsy hoe maika be na tsiambaratelo ilay olana. Izany dia manome fahafahana ireo filohan’ny tsatòka sy eveka hifantoka amin’ireo andraikitra maro izay izy ireo ihany no afaka manatanteraka azy.

Tafiditra ao amin’ireo mpiasa sy mpirotsaka an-tsitrapo an’ny Fiangonana ireo solontenan’ireo departemanta, fandaharanasam-pampianarana sy sekoly, ny asa fifanampiana sy fizakan-tena an’ny Fiangonana, ary sehatr’asa mifandray amin’ny Fiangonana rehetra.

Raha tsy misy mpitantsoratra mpanatanteraka voantso na miasa feno dia azo atao ny mifandray mivantana amin’ny mpitarika iray.

38.8.10

Solosaina

Ny foiben’ny Fiangonana na ny biraon’ny vondromparitra no manome sy mitantana ireo solosaina sy rindrambaiko (logiciel) ampiasaina ao amin’ireo trano fivorian’ny Fiangonana. Mampiasa ireo fitaovana ireo ny mpitarika sy ny mpikambana mba hanohanana ireo asa ataon’ny Fiangonana, anisan’izany ny asa momba ny tantaram-pianakaviana.

Ny rindrambaiko rehetra ao amin’ireo solosaina ireo dia tsy maintsy nahazoana fahazoan-dalana araka ny tokony ho izy ho an’ny Fiangonana.

Ny filohan’ny tsatòka no manara-maso ny toerana hametrahana ireo solosaina ao amin’ny tsatòka, ka isan’izany ireo izay ao amin’ny ivontoeran’ny FamilySearch. Maka antoka ny manam-pahaizana manokana momba ny teknôlôjian’ny tsatòka fa izy ireny dia mandalo fanavaozan-drafitra sy voakolokolo tsara araka ny tokony ho izy araka izay voalaza ao amin’ny 33.10.

38.8.11

Ireo asa famoronana misy fameran-jo

Ny zon’ny mpamorona dia fiarovana omen’ny lalàna ireo mpamorona zavatra miavaka tsy misy mitovy aminy izay haseho amin’ny endrika azo tsapain-tanana (tafiditra ao anatin’izany ny endrika nomerika), ka anisan’izany ny:

  • Asasoratra, mozika, filalaovana an-tsehatra, ary ireo dihy mirindra.

  • Ireo hosodoko, sary ary sary sokitra.

  • Ireo vokatra azo henoina sy jerena (ohatra, ireo horonan-tsary, CD, ary DVD).

  • Ireo prôgrama sy ireo lalao amin’ny solosaina.

  • Ny internet sy ireo bases de données hafa.

Ireo lalàna izay mifehy ireo asa famoronana sy ny fahafahana mampiasa azy ireo dia miovaova isaky ny firenena. Ireo fitsipiky ny Fiangonana izay voalaza ato amin’ity fizarana ity dia mifanaraka amin’ireo fifanarahana maneran-tany izay mihatra ao amin’ny ankamaroan’ireo firenena. Mba hanatsoran-javatra dia ny andian-teny hoe “zo ahafahana mandika” no ampiasain’ity fizarana ity mba hilazana ny zon’ny mpamorona. Na izany aza dia mety ho fantatra amin’ny alalan’ny anarana hafa ny sasany amin’ireo zo ireo any amin’ireo firenena sasany.

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tokony hanaja amin’ny fomba hentitra ireo lalàna rehetra mikasika ny zon’ny mpamorona. Amin’ny ankapobeny dia ireo olona manana ny zo ahafahana mandika no afaka manome lalana an’ireto fomba manaraka hampiasana ny asa novokarin’izy ireo ireto:

  • Fanaovana dika mitovy (fanaovana tahadika)

  • Fizarana ny boky

  • Fampisehoana an-tsehatra

  • Fanehoana eny imasom-bahoaka

  • Famoronana zavatra avy amin’ny asa novokarin’ny mpamorona

Ny fampiasana asa famoronana amin’ny iray amin’ireo fomba ireo kanefa tsy nahazoana lalana avy amin’ny tompon’ny zon’ny mpamorona dia mifanohitra amin’ny fitsipiky ny Fiangonana. Ny fampiasana toy izany koa dia mety hahatonga ny Fiangonana sy ilay mpampiasa hiharan’ny andraikitra ara-keloka.

Ny olona iray mampiasa asa famoronana dia tokony hiaiky fa arovan’ny zon’ny mpamorona izany. Ireo asa famoronana navoaka mazàna dia ahitana teny fanamarihana ny zon’ny mpamorona, toy ny hoe “© 1959 nataon’i John Doe.” (Ho an’ireo raki-peo dia ℗ no marika famantarana.) Na izany aza anefa dia tsy voatery hoe asiana teny fanamarihana ny zon’ny mpamorona mba hahazoana ny fiarovan’ny lalàna. Mitovy amin’izany ihany, fa na dia efa voatonta printy na efa navoaka tao amin’ny Internet aza ny zavatra iray dia tsy midika izany fa tsy arovan’ny zon’ny mpamorona izany. Izany ihany koa dia tsy manamarina ny fanaovana dika mitovy, na ny fizarana, na ny fanehoana izany an-tsehatra, na ny fanehoana izany eny imasom-bahoaka, na ny findramana zavatra avy amin’ny asa novokarin’ny mpamorona iray kanefa tsy nahazoana lalana.

Ny Birao misahana ny fanomezana zo hampiasa ny asa famoronana an’ny Fiangonana (Intellectual Property Office na IPO) dia manampy amin’ny fanaovana ireo fangatahana mba hampiasa ireo zavatra na fandaharan’asan’ny Fiangonana izay misy zo ahafahana mandika, ka anisan’izany ireo zavatra izay misy zo ahafahana mandika avy amin’ny Intellectual Reserve, Inc. (IRI). Ny IRI dia orinasa tsy miankina sy tsy maka tombontsoa izay manana ny zo hampiasana ny asa famoronana izay ampiasain’ny Fiangonana. Mba hahazoana fampahalalana mikasika ny fangatahana hampiasa ireo asa famoronana an’ny Fiangonana dia jereo ny “Terms of Use” (Ireo lalàna mifehy ny fampiasana) ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ireto fanontaniana sy valin-teny manaraka ireto dia mety manampy ireo mpikambana hahatakatra sy hanaja ireo lalàna mifehy ny zo ahafahana mandika rehefa mampiasa ireo zavatra misy zo ahafahana mandika any am-piangonana na any an-trano. Raha manana fanontaniana tsy voavaly ato amin’ireto torolalana ireto ny mpikambana dia azon’izy ireo atao ny mifandray amin’ny IPO:

Intellectual Property Office

50 East North Temple Street

Salt Lake City, UT 84150-0005

Telefaonina: 1-801-240-3959 na 1-800-453-3860, poste 2-3959

Fax: 1-801-240-1187

Email: cor-intellectualproperty@ChurchofJesusChrist.org

Afaka mandika ireo boky na lahatsoratra navoaka izay an’ny Fiangonana ve aho? Raha tsy misy fanamarihana hafa voalaza, dia azo adika ireo asa novokarin’ny Fiangonana raha ampiasaina amin’ny zavatra tsy hitadiavam-bola ao am-piangonana sy any an-trano ary ao amin’ny fianakaviana. Ireo fitsipika momba ny fampiasana nampiarahana amin’ny tranonkala iray na ny application iray an’ny Fiangonana dia milaza ny fomba azo ampiasana ireo asa novokarina ao amin’ireo tranonkala sy application ireo. Tsy azo atao ny mampiasa ireo bokin’ny Fiangonana eo amin’ny lafiny ara-barotra raha tsy nahazo fanomezan-dalana manokana an-tsoratra avy amin’ny IPO.

Afaka mandika hira ve aho? Lalàna manokana mikasika ny zo ahafahana mandika no mihatra amin’ny hira. Mahazo mandika hira avy amin’ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto ny olona iray raha ampiasaina amin’ny zavatra tsy hitadiavam-bola ao am-piangonana sy any an-trano ary ao amin’ny fianakaviana, afa-tsy rehefa misy fandraràna voasoratra mazava tsara eo amin’ilay hira ao amin’ny fihirana na ilay hira:

Ny fandikana hira efa voatonta na ao anaty raki-peo, kanefa tsy nahazoana lalana avy amin’ny tompon’ny zo ahafahana mandika dia mifanohitra amin’ny fitsipiky ny Fiangonana.

Afaka mandika ireo zavatra novokarina tsy an’ny Fiangonana ve aho? Tsia amin’ny ankapobeny. Mifehy ny fampiasana ireo zavatr’olona manokana ireo lalàna momba ny zon’ny mpamorona. Mazàna no misy ireo fandraràna izay manome ireo fepetra tsy maintsy arahan’ny olona alohan’ny handikana ireo zavatra tsy an’ny Fiangonana. Ireo fandrarana ireo mazàna dia voasoratra eo akaikin’ny fiandohan’ny asa famoronana iray navoaka. Tokony hanaraka amin’ny fomba hentitra ireo lalàna rehetra momba ny zo ahafahana mandika ny mpikambana.

Afaka mampiseho vokatra fihaino sy fijery tokony handoavam-bola ve aho mandritra ireo fivoriam-piangonana? Tsia amin’ny ankapobeny. Tsy tokony handika ireo fampitandremana sy ireo fandrarana izay hita eo amin’ireo vokatra fihaino sy fijery tokony handoavam-bola ny mpikamban’ny Fiangonana. Tafiditra ao anatin’izany ny sarimihetsika, ireo horonan-tsary hafa, ary ny hira. Ny fampiasana mandritra ireo fivoriam-piangonana ireo vokatra fihaino sy fijery tokony handoavam-bola, amin’ny ankapobeny, dia mitaky fanomezana lalana avy amin’ireo tompon’ny zo ahafahana mandika.

Afaka misintona na mandika logiciel fampiasa amin’ny solosaina sy ireo prôgrama hafa mba ho ampiasaina amin’ny zavatra atao ao am-piangonana ve aho? Tsia amin’ny ankapobeny. Tsy azo atao ny mandika na misintona ireo prôgrama sy logiciel hafa fampiasa amin’ny solosaina raha tsy efa novidiana araka ny tokony ho izy ireo fanomezan-dalana rehetra hampiasa izany.

Inona no fanomezan-dalana ilaina mba hanehoana an-tsehatra ireo hira sy tantara an-tsehatra izay novokarina? Ireo vokatra an’ny Fiangonana na an’ny IRI dia azo aseho an-tsehatra amin’ny zavatra atao ao am-piangonana ary tsy mila fankatoavana avy amin’ny foiben’ny Fiangonana. Raha tsy an’ny Fiangonana ny vokatra iray izay misy zo ahafahana mandika dia tsy maintsy manao izay hahazoana lalana avy amin’ny tompon’ny zo ahafahana mandika ny mpikambana mba hahafahana mampiseho an-tsehatra izany manontolo na amin’ny ampahany amin’ny zavatra atao ao am-piangonana. Raha ny mahazatra ilay tompon’ny zo ahafahana mandika dia mitaky vola aloa na saran’ny asa famoronana na dia maimaim-poana aza ny fampisehoana. Ny fampisehoana an-tsehatra rehetra dia tokony hahazoana ny fankatoavan’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana.

38.8.12

Ireo boky sy fitaovana momba ny fandaharam-pampianarana

Ny Fiangonana dia manome boky sy fitaovana mba hanampiana ny mpikambana hianatra sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Isan’izany ny soratra masina, ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, gazetiboky, boky torolalana, boky, ary loharanom-pitaovana hafa. Mamporisika ny mpikambana ny mpitarika mba hampiasa ny soratra masina sy ireo loharanom-pitaovana hafa araka izay ilaina mba handalinana ny filazantsara ao an-tokantrano.

Tokony hifantoka amin’ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany ny fianarana sy ny fampianarana ny filazantsara. Mba hihazonana io fifantohana io mandritra ireo fotoam-pianarana ao am-piangonana, dia maka antoka ireo mpitarika fa mampiasa ireo boky sy fitaovana nankatoavina ireo mpampianatra. Ho an’ny fanazavana mikasika ireo boky sy fitaovana nahazoana fankatoavana dia jereo ny Instructions for Curriculum (Torolalana momba ny fandaharam-pampianarana).

38.8.13

Fizahana adiresy sy nomeraon-telefaonina

Amporisihina ireo mpikambana sy ireo mpitarika mba hampiasa ny fizahana adiresy sy nomeraon-telefaonina atolotry ny Fiangonana. Ireo fizahana adiresy sy nomeraon-telefaonina ireo dia azo jerena ao amin’ny Ward Directory and Map (Fizahana adiresy sy nomeraon-telefaonina sy sarin-tanin’ny paroasy) ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org sy ao amin’ny application Outils pour les membres. Manome fampahalalana fototra mombamomba ny mpikambana ho an’ireo mpikambana izany. Afaka mahita fampahalalana fanampiny izay manampy azy ireo amin’ny antsony ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka sy ny paroasy. Afaka mahita ihany koa io fampahalalana io ao amin’ny Documents pour les dirigeants et les greffiers ireo mpitarika.

Afaka mametra ny fahitana ireo fampahalalana amin’ny endrika nomerika mombamomba azy ireo ny mpikambana. Manao izany izy ireo amin’ny alalan’ny fisafidianana ny halehiben’ny fanajana ny tsiambaratelo (niveau de confidentialité) ao amin’ny pejy misy ny mombamomba azy ireo (profil).

Tokony hanaja ny lamina mikasika ny fanajana ny tsiambaratelo izay nosafidin’ny mpikambana ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka sy ny paroasy. Maka antoka ihany koa ireo mpitarika ireo fa ireo fampahalalana ireo dia ampiasaina hanaovana zavatra nahazoana lalana ao amin’ny Fiangonana fotsiny ihany.

Amin’ny ankapobeny dia tsy ilaina ny fizahana adiresy sy nomeraon-telefaonina vita printy. Raha manapa-kevitra ireo mpitarika fa tena ilaina izany, dia azo atao ny mamorona fizahana adiresy sy nomeraon-telefaonina vita printy amin’ny alalan’ny fampiasana ny Ward Directory and Map ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Tsy tafiditra ao amin’ireo fizahana adiresy sy nomeraon-telefaonina ireo ny maha-lahy na ny maha-vavy, ny taona, na ny tsingerin-taona nahaterahan’ireo mpikambana.

Tsy tokony hatonta printy hanaovana zavatra any ivelan’ny Fiangonana ny lisitry ny mpikambana.

38.8.14

Fomba fitafy sy bika aman’endrika

Ny lehilahy sy ny vehivavy dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra (jereo ny Genesisy 1:26–27; Abrahama 4:27). Fanomezana masina ny vatan’olombelona.

Amporisihina ny mpikamban’ny Fiangonana mba haneho fanajana ny vatana amin’ny safidiny mahakasika ny fomba fitafy sy ny bika aman’endrika izay mety. Ny hoe mety dia miovaova arakarak’ireo kolontsaina sy ireo fotoana isan-karazany izay vonjena. Ohatra, ho an’ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo, ny olona tsirairay dia manao ny akanjo fitondra alahady izay tsara indrindra ananany mba hanehoana fanajana ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo (jereo ny 18.9.3). Mihatra amin’ny fankanesana any amin’ny tempoly io fitsipika io (Jereo ny 27.1.5). Ho fantatr’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ny fomba tsara indrindra hampitafiana sy hikarakarana ny tenany.

Tsy tokony hitsara ny hafa amin’ny fomba fitafy sy ny bika aman’endrika ny mpikambana sy ny mpitarika. Tokony ho tia ny olona rehetra izy ireo, tahaka ny nandidian’ny Mpamonjy (jereo ny Matio 22:39; Jaona 13:34–35). Tokony horaisina an-tanan-droa any amin’ireo fivoriana sy fiaraha-mientan’ny Fiangonana ny rehetra (jereo ny 38.1.1).

Rehefa manome fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy antso eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka ireo mpitarika dia mihevitra ny fahamendrehana sy manome lanja ny fitarihan’ny Fanahy (jereo ny 26.3, 30.1.1, sy ny 31.1.1).

38.8.15

Fiomanana mafy na fiezahana ho tafita velona amin’ny loza ahiana hiseho

Mamporisika ny olona hanana fizakan-tena ny Fiangonana. Amporisihina ireo mpikambana mba ho vonona ara-panahy sy ara-batana amin’ireo olana eo amin’ny fiainana. Jereo ny 22.1.

Na izany aza, dia tsy mamporisika ny hanaovana fiomanana faran’izay mafy na diso tafahoatra hiatrehana ireo trangan-javatra mampidi-doza mety hiseho ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Indraindray dia antsoina hoe fiezahana ho tafita velona amin’ny loza ahiana hiseho ny ezaka toy izany. Tokony ho ny finoana fa tsy ny tahotra no mamporisika ny ezaka atao mba hiomanana.

Efa nanoro hevitra ny mpikambana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba tsy hanao trosa hamoronana fitehirizan-tsakafo. Ny mpikambana kosa dia tokony hanangona vatsy hotehirizina ao an-trano sy hanao tahirim-bola tsikelikely eny. Jereo ny 22.1.4 sy ny “Food Storage (Fitehirizan-tsakafo)” (Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org).

38.8.16

Andro fifadian-kanina

Afaka mifady hanina amin’ny fotoana rehetra ny mpikambana. Kanefa raha ny mahazatra dia manaja ny Sabata voalohan’ny volana izy ireo ho andro fifadian-kanina.

Amin’ny ankapobeny ny andro fifadian-kanina dia ahitana vavaka, tsy fihinanana sakafo na zava-pisotro mandritra ny fe-potoana 24 ora (raha mahazaka izany ny vatany), ary fanomezana fanatitra amin’ny fifadian-kanina amin-kalalahan-tanana. Ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina dia fanomezana mba hanampiana ireo sahirana (jereo ny 22.2.2).

Indraindray dia atao ny Sabata voalohan’ny volana ireo fivoriana maneran-tany na eo an-toerana izay ataon’ny Fiangonana. Rehefa mitranga izany dia manapaka Sabata hafa hatao andro fifadian-kanina ny fiadidian’ny tsatòka.

38.8.17

Ny filokana sy ny lôteria

Ny Fiangonana dia manohitra ary tsy mamporisika ny filokana amin’ny endriny rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ny filokana ara-panatanjahan-tena sy ireo lôteria tohanan’ny fitondram-panjakana.

38.8.18

Ireo vahiny mpandaha-teny na mpampianatra

Ho an’ny ankamaroan’ireo fivoriana sy fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana dia tokony ho avy ao amin’ny paroasy na ny tsatòka eo an-toerana ireo mpanao lahateny sy mpampianatra.

Ny vahiny mpanao lahateny na mpampianatra dia olona tsy avy ao amin’ilay paroasy na ilay tsatòka. Ilaina ny fankatoavan’ny eveka alohan’ny hanasana ny vahiny mpanao lahateny iray hanatrika fivoriana na fiaraha-mientana ataon’ny paroasy. Takina ny hanomezan’ny filohan’ny tsatòka ny fankatoavany mba hanasana ireo vahiny mpanao lahateny hanatrika ireo fivoriana na fiaraha-mientana ataon’ny tsatòka.

Mandinika tsara ny amin’ireo vahiny mpanao lahateny na mpampianatra ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny firesahana amin’ny evekan’ilay olona.

Ny eveka na ny filohan’ny tsatòka dia maka antoka fa:

  • Mifanaraka amin’ireo fotopampianaran’ny Fiangonana ilay famelabelarana.

  • Tsy ahitana lohahevitra tsy mari-pototra ilay famelabelarana (tokony hifanaraka amin’ireo izay omena amin’ny fihaonamben’ny fiangonana maneran-tany ireo lohahevitra).

  • Tsy omena vola sy tsy maka mpandray anjara hiara-hiasa aminy ary tsy mitady olona hanakarama azy ireo vahiny mpandaha-teny na mpampianatra.

  • Tsy haloa amin’ny alalan’ny vola ho an’ny fandanian’ny rantsana eo an-toerana na amin’ny alalan’ireo fanampiana avy amin’olon-tsotra ny vola lanin’ilay olona amin’ny dia ataony.

  • Mifanaraka amin’ireo torolalana mikasika ny fampiasana ireo trano sy fitaovan’ny Fiangonana ireo famelabelarana atao (jereo ny 35.5).

38.8.19

Fifindra-monina

Ireo mpikambana mijanona any amin’ny tany nahaterahany no matetika manana fahafahana hampiorina sy hampatanjaka ny Fiangonana any an-toerana. Na izany aza anefa dia safidin’ny tena manokana ny fifindra-monina any amin’ny firenena iray hafa.

Ireo mpikambana izay mifindra any amin’ny firenena iray hafa dia tokony hankatò ny lalàna manan-kery rehetra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:21).

Tsy tokony hanolo-tena hanohana ny fifindra-monina ataon’ny hafa ireo misiônera. Tsy tokony hangataka ny ray aman-dreniny, na ireo havany, na ireo olona hafa hanao izany koa izy ireo.

Ny Fiangonana dia tsy manohana ny fifindra-monina amin’ny alalan’ny asa ao amin’ny Fiangonana.

Manolotra ny fotoanany, ny talentany, ary ny finamanany mba handraisana ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana ho isan’ny mpikambana ao amin’ny fiarahamonina misy azy ireo ny mpikamban’ny Fiangonana (jereo ny Matio 25:35; jereo koa ny 38.8.35 ato amin’ity boky torolalana ity).

38.8.20

Internet

38.8.20.1

Ireo loharanom-pitaovana ôfisialin’ny Fiangonana ao amin’ny internet

Ny Fiangonana dia manana tranonkala ôfisialy sy blaogy ary pejy kaonty amin’ny tanbajotran-tserasera. Ireo loharanom-pitaovana ireo dia ekena ho ôfisialy amin’ny alalan’ny fampiasana ny teny na ny sary famantarana ny Fiangonana (jereo ny 38.8.8). Izy ireo ihany koa dia mifanaraka amin’ireo zavatra takian’ny lalàna sy ireo fitsipika mifehy ny fanomezana zo hampiasa ny asa famoronana an’ny Fiangonana sy ny fanajana ny fiainan’olona manokana.

38.8.20.2

Ny fampiasan’ny mpikambana ny internet amin’ireo antso ao am-piangonana

Ny mpikambana dia tsy mahazo mamorona tranonkala, na blaogy, na kaonty amin’ny tambajotran-tserasera amin’ny anaran’ny Fiangonana na hisoloana tena amin’ny fomba ôfisialy ny Fiangonana sy ny fomba fijeriny, ny fotopampianarany, ny fitsipika ao aminy, ary ireo dingana fanaovan-javatra arahany. Na izany aza anefa dia afaka mamorona tranonkala, na blaogy, na kaonty amin’ny tambajotran-tserasera izy ireo mba hanampiany ny tenany amin’ny antsony. Tokony hanaraka tsara ireto torolalana manaraka ireto ny mpikambana rehefa manao izany:

  • Ny famoronana tranonkala, na blaogy, na kaonty amin’ny tambajotran-tserasera dia tsy maintsy ankatoavin’ny filohan’ny tsatòka (ho an’ireo pejy ho an’ny tsatòka) na ny eveka (ho an’ireo pejy ho an’ny paroasy).

  • Tsy azo ampiasaina na alaina tahaka ny teny na ny sary famantarana ny Fiangonana (jereo ny 38.8.8).

  • Ilay pejy an-jotra dia tokony hanana ary omena anarana araka izany. Azo ampidirana anarana paroasy na tsatòka ilay anarana. Na izany aza anefa dia tsy azo ampidirina ao anatin’izany ny anarana ôfisialy fiantsoana ny Fiangonana.

  • Ny mpikambana dia tsy mahazo manambara na milaza an-kolaka fa tohanan’ny Fiangonana na ankatoavin’ny Fiangonana na misolo tena ny Fiangonana amin’ny fomba ôfisialy na amin’ny fomba ahoana na ahoana ny votoatin’ny zavatra soratan’izy ireo an-jotra, na ireo sary, na ireo zavatra hafa. Fa tokony ahitana fandavana kosa ao anatin’izany izay milaza fa tsy vokatra ôfisialy tohanan’ny Fiangonana izany.

  • Ny votoatin-javatra rehetra ao anatin’izany dia tokony hifanandrify tsara amin’izay ilain’ireo olona kendrena hamaky izany ary tokony hosakanana hatrany ireo votoatin-javatra mety hanafintohina.

  • Tokony hahitana ny fampahalalana ahafahana mifandray amin’ny mpitantana izany ao amin’ilay pejy an-jotra.

  • Mpitantana mihoatra ny iray no tokony hiandraikitra ilay fampitam-baovao an-jotra. Ahafahana manohy ny fampandehanana ilay pejy izany rehefa miova ny antso na ny andraikitra ampanaovina ny olona iray. Mahatonga ny olona iray tsy hahatsapa ho vesaran’andraikitra ihany koa izany amin’ny fanavaozana sy ny fanaraha-maso ny votoatin’javatra ao anatin’ilay pejy.

  • Ireo sary sy hosodoko, horonan-tsary, hira ary fitaovana hafa an’ny Fiangonana dia tsy tokony hapetaka ao amin’izany pejy izany raha tsy mahazo lalana mazava tsara avy amin’ny Terms of Use (Ireo lalàna mifehy ny fampiasana) ao amin’ny tranonkala ôfisialin’ny Fiangonana ny fampiasana toy izany, na avy amin’ny Birao misahana ny fanomezana zo hampiasa ny asa famoronana an’ny Fiangonana. Tsy tokony hampiasaina ireo votoatin-javatra misy fameran-jo avy amin’ny loharano hafa raha tsy hoe efa nanome fanomezan-dalana an-tsoratra aloha ny tompon’ilay votoatin-javatra. Mba hahazoana fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny fampiasana asa novokarina misy fameran-jo dia jereo ny 38.8.11.

  • Rehefa mampiasa sary, horonan-tsary, na fampahalalana momba ny tena manokana, dia takina ny fanekena avy amin’ny tompon’ilay votoatin-javatra na ireo olona voakasik’izany. Ny fanekena dia afaka ny ho azo amin’ny alalan’ny taratasy fanomezan-dalana, fanambarana ampahibemaso, fametahana mari-pamantarana momba ny hetsika iray manokana, na fanomezan-dalana an-tsoratra raha ilaina. Tokony arahina ny lalàna misy eo amin’ilay firenena momba ny fanajana ny tsiambaratelo.

  • Ireo pejy an-jotra dia tsy tokony hanao tahadika ireo fitaovana sy ireo fitaovana fampandehanan-javatra efa misy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, ny Outils pour les membres, na ireo pejy hafa an’ny Fiangonana.

  • Tokony hifandamina ireo mpitarika sy ireo misiônera mba hisorohana ny fampitam-baovao iray miverimberina.

  • Tokony hofoanana ireo pejy an-jotra rehefa tsy ilaina intsony. Tokony hotahirizina ao amin’ny tantaran’ny paroasy na ny tsatòka ireo haino vaky jery manan-danja (toy ny sary sy horonan-tsary).

Raha mila torolalana fanampiny dia jereo ny internet.ChurchofJesusChrist.org.

38.8.20.3

Ny fampiasan’ny tena manokana ny Internet sy ny tambajotran-tserasera

Maro be ny fomba tsara azo ampiasana ny internet sy ny tambajotran-tserasera. Isan’izany ireo fahafahana mizara fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany naverina amin’ny laoniny. Ireo blaogy sy ireo tambajotran-tserasera ary ireo teknôlojia hafa ao amin’ny internet dia mamela ny mpikambana hanandratra avo ireo hafatra mitory fiadanana sy fanantenana ary fifaliana izay miaraka amin’ny finoana an’i Kristy.

Amporisihina ny mpikambana mba hizara votoatin-javatra mankahery. Tokony ho ohatra ihany koa izy ireo amin’ny fanehoana fahalalam-pomba amin’ireo fifaneraserana an-jotra rehetra, ka isan’izany ny tambajotran-tserasera. Tokony hisoroka ny fifandirana izy ireo (jereo ny 3 Nefia 11:29–30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:23).

Tokony hisoroka ny fanaovana fitsarana an-tendrony amin’ny hafa ny mpikambana (jereo ny 38.6.14). Miezaka izy ireo ny haneho toetra tahaka ny an’i Kristy amin’ny hafa amin’ny fotoana rehetra, tafiditra amin’izany ny fanaovana zavatra an-jotra, ary ahitana taratra ny fanajana amin-kitsim-po ny zanak’ Andriamanitra rehetra.

Tsy tokony hampiasa fiteny na sary an-jotra izay mandrahona, mampijaly, manala baraka, mahery setra, na koa feno fanararaotana ny mpikambana. Raha misy fandrahonana an-jotra hanao zavatra tsy mifanaraka amin’ny lalàna, dia tokony ho antsoina avy hatrany ny mpitandro ny filaminana.

Ny mpikambana dia tsy tokony hilaza an-kolaka fa misolo tena ny Fiangonana na tohanan’ny Fiangonana ny hafatra zarain’izy ireo.

38.8.21

Ny fitaovana miasa miaraka amin’ny internet, ny zanabolana ary ny horonan-tsary

Ny fitaovana miasa miaraka amin’ny internet sy ny zanabolana ary ny horonan-tsary an’ny Fiangonana dia tsy azo ampiasaina afa-tsy amin’ireo asa ataon’ny Fiangonana izay tsy hitadiavam-bola ihany. Tsy maintsy ahazoana lalana avy amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny episkôpà ny fampiasana izany na amin’ny inona na amin’ny inona.

Io fitaovana io dia tsy azo ampiasaina mba hijerena na hiraketana fandaharana izay tsy tohanan’ny Fiangonana. Tsy azo ampiasaina hijerena na hiraketana fandaharana toy izany koa ireo fitaovan’ny Fiangonana toy ny connexion internet.

Ireo olona nofanina mba hampiasa ilay fitaovana ihany no afaka manao izany. Tokony hidiana tsara izany rehefa tsy ampiasaina. Tsy azo entina mivoaka ilay trano mba ho ampiasain’ny tena manokana ireo fitaovana.

38.8.22

Ireo lalàn’ny tany

Ny mpikambana dia tokony hankatò sy hanaja ary hanohana ireo lalàna ao amin’ny firenena rehetra izay hipetrahan’izy ireo na handehanan’izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:21–22; Fanekem-pinoana 1:12). Tafiditra ao anatin’izany ireo lalàna mandrara ny fitoriana filazantsara.

38.8.23

Mpahay lalàna misahana ireo raharaham-piangonana

Rehefa mila fanampiana ara-pitsarana ho an’ireo raharaham-piangonana dia tokony hifandray amin’ny mpahay lalàna an’ny Fiangonana ireo mpitarika. Any Etazonia sy Kanadà dia mifandray amin’ny biraon’ny Fiangonana misahana ny torohevitra ankapobeny ny filohan’ny tsatòka:

1-800-453-3860, poste 2-6301

1-801-240-6301

Ho an’ny ivelan’i Etazonia sy i Kanadà dia mifandray amin’ny mpanoro hevitra momba ny lalàna ao amin’ny biraon’ny vondromparitra ny filohan’ny tsatòka.

38.8.23.1

Fandraisana anjara na fanomezana antontan-taratasy amin’ny raharaha ara-pitsarana

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia tsy tokony handray anjara amin’ny raharaha ady madio na raharaha ady heloka bevava ho an’ireo mpikambana ao amin’ny rantsana misy azy ireo raha tsy efa nifandinika tamin’ny mpahay lalàna an’ny Fiangonana aloha. Io fitsipika io dia mihatra ihany koa amin’ny firesahana amin’ireo mpisolovava na ireo mpiasan’ny fitsarana na ny fanoratana amin’izy ireo, ka tafiditra ao anatin’izany ny fifandraisana amin’ny alalan’ny mailaka.

Ny mpitarika dia tokony hiresaka amin’ireo mpahay lalàna an’ny Fiangonana raha toa izy ireo, ao anatin’ny andraikitra sahaniny ao amin’ny Fiangonana, ka:

  • Mino fa tokony hanao vavolombelona na hifandray aman’olona ao anatin’ny raharaham-pitsarana iray.

  • Takin’ny lalàna hanao vavolombelona na hifandray aman’olona ao anatin’ny raharaham-pitsarana iray.

  • Mahazo baiko ny hanome porofo.

  • Angatahana mba hanome antsitrapo antontan-taratasy na fampahalalana.

  • Angatahana mba hifandray amin’ireo mpisolovava na ireo manampahefam-panjakana mikasika ireo raharaham-pitsarana, anisan’izany ny fanamelohana sy ny fitsarana famoahana olona arahina fepetra.

Kanefa ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay manam-pikasana tsara mizara fampahalalana mandritra ireo raharaham-pitsarana dia mety hisy handika vilana ary mety hanimba zavatra. Ny fizarana zavatra toy izany dia mety tena hanimba ireo niharam-pahavoazana sy ny fianakaviany. Ny fanarahana ny fitsipiky ny Fiangonana dia manampy ihany koa amin’ny fiarovana ny Fiangonana tsy ho voarohirohy amin’ny ratsy amin’ireo raharaham-pitsarana.

38.8.23.2

Fijoroana ho vavolombelana amin’ny raharaha ara-pitsarana

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia tsy afaka mizara tenivavolombelona amin’ny anaran’ny Fiangonana na inona na inona karazana raharaham-pitsarana mialoha ny fankatoavana avy amin’ny Biraon’ny filankevitra foibe momba ny lalàna. Mihatra amin’ny fanamelohana sy ny famoahana arahina fepetra koa io fitsipika io. Tsy afaka manome porofo am-bava na an-tsoratra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’ny andraikitra maha mpitarika azy ireo raha tsy mahazo io fankatoavana io.

Ireo mpitarika dia tsy tokony handroso hevitra na hilaza an-kolaka fa ny tenivavolombelona omen’izy ireo mandritra ny raharaham-pitsarana iray dia maneho ny hevitra ijoroan’ny Fiangonana.

Ireo mpitarika dia tsy tokony hiezaka ny hampanova hevitra vavolombelona iray na amin’ny raharaham-pitsarana toy inona na toy inona.

Omena ao amin’ny 38.8.23 ny fampahalalana mikasika ny fomba ahafahana mifandray amin’ny mpahay lalàna an’ny Fiangonana.

38.8.24

Fampiasana ny vatakely fasiana taratasy

Any amin’ny firenena maro dia fandikana ireo fitsipi-pifehezana mikasika ny paositra ny mametraka zavatra tsy misy hajia ao anatin’ny vatakely fasiana taratasy any an-tranon’olona na eo ambonin’izany. Io famerana io dia mihatra amin’ireo fitaovana rehetra mifandray amin’ny Fiangonana, toy ny taratasy kely fizara, ny gazety, na ireo filazana. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia tokony hampianatra ny mpikambana sy ireo misiônera tsy hametraka zavatra ao anatin’ireo vatakely fasiana taratasy na eo amboniny.

38.8.25

Ny fifandraisan’ny mpikambana amin’ny foiben’ny Fiangonana

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tsy tokony hiantso, na handefa mailaka, na hanoratra taratasy amin’ireo Manampahefana Ambony momba ireo fanontaniana momba ny fotopampianarana, ny olan’ny tena manokana, na fangatahana. Hanasarotra ny fanatanterahan’ireo Manampahefana Ambony ny adidin’izy ireo ny famaliana ny olona tsirairay. Amporisihina ny mpikambana mba hanatona ireo mpitarika azy ireo eo an-toerana, isan’izany ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana na ny filohan’ny kôlejin’ny loholona misy azy ireo, rehefa mikatsaka fitarihana ara-panahy izy ireo (jereo ny 31.3).

Amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia haverina any amin’ireo mpitarika eo an-toerana ny taratasy alefan’ireo mpikambana ho an’ireo Manampahefana Ambony. Ny filohan’ny tsatòka izay mila fanazavana mikasika ireo zavatra momba ny fotopampianarana na ireo zavatra hafa momba ny Fiangonana dia afaka manoratra eo amin’ny toeran’ireo mpikambana ho an’ny Fiadidiana Voalohany.

38.8.26

Ny asan’ireo mpikambana

Tokony hitady asa izay mifanaraka amin’ny fitsipiky ny filazantsara ny mpikamban’ny Fiangonana izay ahafahan’izy ireo mangataka amim-pilaminan-tsaina ireo fitahian’ny Tompo. Zavatra mahakasika ny tena manokana izany ka an’ilay mpikambana ihany ny fanapahan-kevitra ny amin’izany rehefa avy nandinika izany tamim-bavaka izy.

38.8.27

Mpikambana manana fahasembanana

Amporisihina ireo mpitarika sy ny mpikambana mba hamaly ny filan’ireo rehetra izay mipetraka ao amin’ny rantsana misy azy ireo. Omena lanja ary afaka mitondra anjara biriky amin’ny fomba manan-danja ireo mpikambana manana fahasembanana. Mety ho ara-tsaina, ara-piarahamonina, ara-pihetseham-po, na ara-batana ireo fahasembanana.

Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia amporisihina mba hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fanolorana fanantenana sy fahatakarana ary fitiavana ho an’ireo izay manana kilema. Tokony hamantatra tsara ireo izay manana fahasembanana ny mpitarika ary haneho fahalianana sy firaharahiana tena avy amin’ny fo.

Ireo mpitarika ihany koa dia mamantatra ireo mpikambana izay mety mila fikarakarana fanampiny satria manana fahasembanana ny rainy na ny reniny, na ny zanany, na ny mpiray tampo aminy. Mety sady hitondra valisoa no hanahirana ny fikarakarana olona iray ao amin’ny fianakaviana izay manana fahasembanana.

Ny mpitarika dia mitady sy manompo ireo mpikambana manana fahasembanana izay monina any amin’ireo trano fitaizana ny olona manana fahasembanana na ireo toerana hafa lavitra ny olona ao amin’ny fianakaviany.

38.8.27.1

Fampitomboana ny fanentanana sy ny fahatakarana

Mikatsaka ny hahatakatra ny mahazo ny olona tsirairay izay manana fahasembanana sy ny tanjany ary ny zavatra ilainy ny mpitarika sy ny mpampianatra ary ny mpikambana hafa. Afaka mampitombo ny fahatakaran’izy ireo amin’ny alalan’ny firesahana amin’ilay olona sy ireo olona ao amin’ny fianakaviany izy ireo. Misy loharanon-kevitra azo ampiasaina ao amin’ny disability.ChurchofJesusChrist.org.

38.8.27.2

Fanomezana fanampiana

Ireo mpitarika dia manao tombantombana mikasika ny zavatra ilain’ireo olona manana fahasembanana sy ireo olona mikarakara azy ireo. Ireo mpitarika ireo no manapa-kevitra ny amin’ny fomba hampiasana ireo loharanom-pitaovan’ny paroasy na ny an’ny tsatòka mba hanomezana izay zavatra ilaina araka ny tokony ho izy. Mamporisika ny mpikambana ireo mpitarika mba hanampy sy hanolo-tanana amim-pitiavana sy amin’ny finamanana.

Afaka miantso manampahaizana manokana misahana ny olona manana fahasembanana ny episkôpà sy ny fiadidian’ny tsatòka mba hanampy ireo olona, ny fianakaviana, ny mpampianatra, ary ireo mpitarika hafa (jereo ny 38.8.27.9).

Afaka mitady ireo olona sy loharanom-pitaovana mety amin’izany eo anivon’ny fiarahamonina izay afaka manampy ireo olona manana fahasembanana sy ireo fianakaviany ihany koa ireo mpitarika.

Raha hijery fampahalalana bebe kokoa momba ny fanampiana ireo olona manana fahasembanana, dia jereo ny disability.ChurchofJesusChrist.org. Afaka mifandray amin’ny Family Services (Sampan-draharaha misahana ny Fianakaviana) ihany koa ireo mpitarika (raha misy eo an-toerana; jereo ny 31.3.6 mba hahitana ny fomba ahafahana mifandray).

Ireo mpitarika sy mpikambana dia tsy tokony hanandrana hanazava ny antony nahatonga ny olona iray nanana fahasembanana na ny antony hananan’ny fianakaviana iray zanaka manana fahasembanana. Tsy tokony hilaza izy ireo fa famaizana avy amin’ Andriamanitra ny fahasembanana (jereo ny Jaona 9:2–3) na tombontsoa manokana.

38.8.27.3

Fanatanterahana ireo ôrdônansy

Jereo ny 38.2.4.

38.8.27.4

Fanomezana fahafahana hanompo sy handray anjara

Maro ireo mpikambana manana fahasembanana no afaka manompo amin’ny ankamaroan’ireo asa ampanaovina ao am-piangonana. Mieritreritra ombam-bavaka ny fahaiza-manao sy ny toe-javatra iainana ary ny fanirian’ny olona tsirairay ireo mpitarika ary aorian’izany dia manome ireo fahafahana hanompo sahaza azy. Mifampidinika ihany koa amin’ilay olona sy ny fianakaviany ireo mpitarika. Mieritreritra ireo fiantraikan’ny antso iray ao amin’ny Fiangonana eo amin’ilay olona sy ny fianakaviany na ilay olona mpikarakara azy izy ireo. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:15.)

Rehefa mieritreritra ireo asa ampanaovina ao am-piangonana na ireo antso ho an’ireo mpikarakara ireo olona manana fahasembanana ireo mpitarika dia manombantombana ny toe-javatra iainan’ireo mpikarakara izy ireo.

Ireo mpitarika sy mpampianatra dia tokony hampandray anjara feno araka izay azo atao ireo mpikambana manana fahasembanana ao amin’ireo fivoriana sy kilasy ary fiaraha-mientana. Ireo fomba fanaovana lesona sy fanaovana lahateny ary fampianarana dia tokony hasiana fanamboarana mba hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ilay olona. Raha te hahazo fampahalalana mikasika ny fampifanarahana ireo lesona araka ny zavatra ilaina dia jereo ny disability.ChurchofJesusChrist.org.

Ny episkôpà dia afaka manasa mpikambana iray ao amin’ny paroasy mba hanampy olona iray manana fahasembanana mandritra ny fivoriana na ny fiaraha-mientana iray. Afaka miantso mpampianatra maromaro ny episkôpà ho an’ny kilasy iray izay ahitana mpikambana manana fahasembanana. Miara-miasa ireo mpampianatra mba hanomezana ny zavatra ilain’ny mpianatra rehetra.

Raha tsy afaka mandray anjara amin’ny fivoriana, na ao amin’ny kilasy, na amin’ny fiaraha-mientana ny olona iray dia tokony hiresaka amin’ilay mpikambana sy ny fianakaviany mikasika ny fomba hanomezana ny zavatra ilain’ilay mpikambana ny mpitarika sy ny mpampianatra. Ny filohan’ny tsatòka na ny eveka dia afaka manome lalana ny hananganana kilasy manokana na fandaharan’asa ho an’ireo mpikambana manana fahasembanana (jereo ny 38.8.27.5). Raha tsy afaka manatrika ireo fivoriana ao amin’ny Fiangonana ny olona iray dia mahazo manome tahirin-kevitra ho an’ny lesona, na raki-peo na raki-tsary, na fampitana ny lesona an-tsary ny mpitarika sy ny mpampianatra.

Ny fampitana an-tsary ireo zavatra atao, isan’izany ireo fivorian’ny fanasan’ny Tompo sy ny fotoam-pandevenana, dia natao ho an’ireo izay tsy afaka manatrika mivantana irery ihany (jereo ny 29.7). Ho fampahalalana misimisy kokoa momba ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia jereo ny 18.9.3.

Mamporisika ireo mpihazona ny fisoronana izay manana fahasembanana ireo mpitarika mba handray anjara amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansy rehefa mety ny hanaovana izany. Manomboka ny volana janoary amin’ny taona mahafeno 12 taona azy ireo, ireo mpihazona ny fisoronana sy ireo zatovovavy izay vita batisa sy noraisina ho mpikambana ary mendrika dia azo atao batisa sy raisina ho mpikambana any amin’ny tempoly ho an’ireo olona nodimandry. Mba hahitana torolalana mikasika ireo mpikambana manana fahasembanana izay mandray ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny tenany dia jereo ny 27.2.1.3 sy ny 27.3.1.2.

38.8.27.5

Fananganana Kilasy, na fandaharan’asa, na rantsana manokana

Ireo mpikambana izay manana fahasembanana na manana filàna manokana dia amporisihina mba hanatrika ireo fivoriana isaky ny alahady ao amin’ireo paroasiny raha tsy hoe mipetraka any amin’ny trano fikarakarana ny olona manana fahasembanana izy ireo na any amin’ny toeram-pitsaboana fampivoarana ny olona manana fahasembanana izay hanaovana ireo fandaharan’asan’ny Fiangonana izy ireo (jereo ny 37.6).

Ireo rantsana sy vondrona. Azo atao ny mamorona paroasy na sampana ho an’ireo mpikambana izay manana filàna mitovy, toy ireo olona marenina na mampiasa fiteny tanana (jereo ny 37.1). Ny Fiadidiana Voalohany ihany no manome fankatoavana hanaovana izany.

Azo atao ny mangataka paroasy iray handray vondrona iray natao ho an’ireo olona manana fahasembanana toy ireo izay mampiasa fiteny tanana. Mba hahitana fampahalalana momba ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ireo izay manatrika ny rantsana na vondrona toy izany dia jereo ny 33.6.11.

Ireo mpikambana marenina izay mipetraka amin’ny toerana lavitra loatra ny rantsana iray ho an’ny marenina dia afaka manatrika izany amin’ny alalan’ny fampitana an-tsary. Tokony hahazo lalana avy amin’ireo mpitarika ao amin’izany rafitra izany izy ireo. Maka antoka ireo mpitarika ao amin’ny paroasy eo an-toerana fa voakarakara sy manana fahafahana handray tsy tapaka ny fanasan’ny Tompo ireo mpikambana marenina.

Ireo kilasy. Ireo mpikambana manana fahasembanana dia manatrika ireo kilasy isaky ny alahady miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasin’izy ireo. Kanefa raha ilaina mba hanomezana izay ilain’ireo mpikambana olon-dehibe sy zatovo izay mitovy fahasembanana, dia afaka manangana kilasin’ny Sekoly Alahady manokana ny paroasy na ny tsatòka iray (jereo ny 13.3.2).

Fandaharan’asa hanaovana fiaraha-mientana ho an’ny olona manana fahasembanana Rehefa ilaina mba hanomezana izay ilain’ireo mpikambana olon-dehibe manana fahasembanana ara-tsaina, dia afaka mandamina fandaharan’asa hanaovana fiaraha-mientana ho an’ny olona manana fahasembanana ny paroasy, ny paroasy nivondrona, ny tsatòka, na ny tsatòka nivondrona. Io fandaharan’asa io dia manampy amin’ny fanompoana, ireo fivoriana ataon’ny Fiangonana isaky ny alahady, ary ireo fiaraha-mientana ao amin’ilay rantsana eo an-toerana.

Raha ny mahazatra dia mikarakara olona 18 taona no ho miakatra ny fandaharan’asa hanaovana fiaraha-mientana ho an’ny olona manana fahasembanana. Tokony hatao ny ezaka rehetra mba handraisan’ireo mpikambana latsaky ny 18 taona anjara mavitrika ao amin’ny paroasy sy ny tsatòka misy azy ireo. Amin’ireo toe-javatra misy tsy mahazatra dia afaka manao fiaraha-mientana fanampiny ho an’ny zatovo ireo mpitarika manomboka ny taona izay mahafeno 12 taona azy ireo.

Rehefa mandray anjara amin’ny fandaharan’asa hanaovana fiaraha-mientana ho an’ny olona manana fahasembanana iray ny paroasy maromaro dia manome andraikitra ny eveka mpiandraikitra iray ny filohan’ny tsatòka mba hanara-maso izany. Rehefa mandray anjara amin’izany ny tsatòka maromaro dia manome andraikitra ny filohan’ny tsatòka mpiandraikitra iray ny Fiadidian’ny Vondromparitra mba hanara-maso izany.

Mifampidinika amin’ireo eveka na filohan’ny tsatòka mpandray anjara hafa ilay eveka mpiandraikitra na ilay filohan’ny tsatòka mpiandraikitra mba hanapahana hevitra ny amin’ny fomba hamatsiana ara-bola ireo fandaharan’asa ireo.

Ireo mpitarika misahana ny fiaraha-mientana ho an’ny olona manana fahasembanana Azo atao ny miantso mpikambana olon-dehibe ho mpitarika misahana ny fiaraha-mientana ho an’ny olona manana fahasembanana. Manomana sy manatanteraka ilay fandaharan’asa hanaovana fiaraha-mientana ho an’ny olona manana fahasembanana ireo mpitarika ireo. Mifampidinika amin’ireo tompon’andraikitra manokana misahana ny olona manana fahasembanana eo anivon’ny tsatòka izy ireo (jereo ny 38.8.27.9) mba hanasana ireo mpikambana manana fahasembanana handray anjara. Mifanakalo hevitra momba ny fomba hanomezana izay ilain’ireo mpikambana ireo izy ireo.

Ireo mpitarika misahana ny fiaraha-mientana ho an’ny olona manana fahasembanana dia antsoina sy atokana eo ambany fitarihan’ilay eveka mpiandraikitra na ilay filohan’ny tsatòka mpiandraikitra. Ny filohan’ny tsatòka dia afaka ihany koa manome andraikitra ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo mba ho mpitarika misahana ny fiaraha-mientana ho an’ny olona manana fahasembanana.

Ireo mpitarika manompo ireo olona amin’ny sokajin-taona rehetra izay manana fahasembanana dia mamita ilay fiofanana ao amin’ny ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org. Mba hahitana ireo zavatra takina momba ny fiarovana amin’ny loza ho an’ireo mpitarika dia jereo ny Fiaraha-mientana ho an’ireo mpikambana manana fahasembanana.

Rehefa asaina ireo mpitarika misahana ny fiaraha-mientana ho an’ny olona manana fahasembanana dia afaka manatrika ireo fivoriana ho an’ny mpitarika eo anivon’ny tsatòka na ny paroasy izy ireo.

Torolalana mikasika ny fandaharan’asa hanaovana fiaraha-mientana ho an’ny olona manana fahasembanana. Ireo fandaharan’asa hanaovana fiaraha-mientana ho an’ny olona manana fahasembanana dia nokarakaraina mba hanampiana ireo mpandray anjara hivoatra ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana ary ara-tsaina (jereo ny Lioka 2:52). Ny mpitarika no manapa-kevitra ny amin’ny hatetik’ireo fiaraha-mientana. Eritreretin’izy ireo ny isan’ny mpandray anjara, ny halaviran’ny dia atao, ary ireo toe-javatra iainana hafa.

Mety tsy ho afaka ny handray anjara ny olona sasany noho ny fahasarotan’ny toe-javatra iainana ara-pitsaboana, ara-batana, ara-tsaina, ary ara-pitondran-tena. Mitady fomba hafa hanompoana mba hanomezana izay ilain’izy ireo ny mpitarika.

Ireo fenitra momba ny fandraisana anjara sy ny fiarovana amin’ny loza. Tokony hisy olon-dehibe roa farafahakeliny hanatrika ny fiaraha-mientana rehetra. Mety ho lehilahy roa, na vehivavy roa, na mpivady ireo olon-dehibe anankiroa ireo. Amin’ny ankapobeny dia olon-dehibe maro no ilaina mba hanara-maso ireo fiaraha-mientana ho an’ireo mpikambana manana fahasembanana raha oharina amin’ireo fiaraha-mientana hafa.

Ireo olon-dehibe izay manampy amin’ny fanatanterahana ireo fiaraha-mientana dia mamita ilay fampiofanana ao amin’ny ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org. Tsy maintsy mahazo fanomezan-dalana avy amin’ny evekany izy ireo vao mahazo mandray anjara. Mba hahitana ireo zavatra takina momba ny fiarovana amin’ny loza dia jereo ny “Fiaraha-mientana ho an’ireo mpikambana manana fahasembanana.”

Raha misy fitondran-tena tsy mendrika mitranga dia ny miaro sy manampy ilay olona marefo no andraikitra raisin’ireo mpitarika avy hatrany. Mba hahitana fampahalalana momba ny ahiahy fa nisy fanararaotana nitranga dia jereo ny 38.6.2.1 sy ny abuse.ChurchofJesusChrist.org.

38.8.27.6

Mpandika teny ho an’ireo mpikambana izay marenina na lalodalovana

Mandray andraikitra mba hiara-hiasa amin’ireo mpitarika ireo mpikambana izay marenina na lalodalovana mba hanampiana azy ireo amin’ny lafiny fifandraisana. Miara-miasa ireo mpikambana sy ireo mpitarika mba hakana antoka fa misy mpandika teny afaka hanampy.

Tokony ho eny amin’ny toerana ahitan’ireo mpikambana azy sy ilay olona miteny no misy an’ireo mpandika teny.

Mandritra ny fanatanterahana ôrdônansy na ny tafa sy dinika iray dia mipetraka na mijoro eo akaikin’ilay olona manatanteraka ilay ôrdônansy na mitarika ny tafa sy dinika ilay mpandika teny. Mba hahitana fampahalalana momba ny fandikana ny fanatanterahana ireo ôrdônansy sy fitsofandrano dia jereo ny 38.2.1.

Raha ampy ny mpandika teny afaka manao izany dia mifandimby tokotokony ho isaky ny 30 minitra izy ireo mba hisorohana ny havizanana.

Rehefa miomana amin’ny toe-javatra saropady toy ny tafa sy dinika ataon’ny tena manokana na ireo filankevitra mandinika ny maha-mpikambana dia miresaka amin’ilay mpikambana marenina ireo mpitarika. Raha maniry izany ilay mpikambana dia mitady mpandika teny tsy avy ao amin’ny fianakaviana ireo mpitarika mba hanajana ny tsiambaratelo.

Ireo fitsipika ireo dia mihatra ihany koa ho an’ireo mpikambana izay marenina na lalodalovana kanefa tsy mampiasa fiteny tanana fa mila fandikan-teny am-bava mba hanampiana azy ireo hamaky ny teny mivoaka eo amin’ny molotra.

Afaka manangana kilasy ao amin’ny paroasy na ny tsatòka ireo mpitarika mba hampianarana ny fiteny tanana izay ampiasaina ao amin’ny faritra misy azy ireo. Loharanom-pitaovana manampy amin’izany ny Dictionary of Sign Language Terms for The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints (Rakibolana misy ireo teny fampiasana amin’ny fiteny tanana ho an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany).

38.8.27.7

Fanajana ny tsiambaratelo

Tokony hanaja ny tsiambaratelon’ireo mpikambana manana fahasembanana ireo mpitarika mandritra sy aorian’ireo fivorian’ny mpitarika izay hiresahana ireo zavatra ilain’ny olona. Tsy mizara ny famaritana sori-traretina nolazain’ny mpitsabo na fampahalalana hafa ireo mpitarika raha tsy nahazo lalana hanao izany.

38.8.27.8

Biby mpanampy

Ireo eveka sy filohanʼny tsatòka dia afaka mamaritra raha toa ka hanome lalana na tsia ireo olona manana fahasembanana hampiasa alika mpanampy voaofana ao aminʼny trano fiangonana. Aminʼny ankapobeny ireo karazam-biby hafa, anisanʼizany ireo biby manampy aminʼny olana ara-pihetseham-po, dia tsy azo entina ao anaty trano fiangonana na entina aminʼireo hetsika karakarainʼny Fiangonana, raha tsy hoe takinʼny lalàna manokana izany. (Aminʼny ankapobeny any Etazonia, ny Fiangonana dia tsy terenʼny lalàna hampiditra alika mpanampy na biby manampy aminʼny olana ara-pihetseham-po ao anatinʼny trano fivavahana.) Mandray fanapahan-kevitra mifandraika amin’ny filàna eo an-toerana ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka. Mieritreritra ny zavatra ilainʼireo olona manana fahasembanana sy ny zavatra ilain’ireo olona hafa ao am-piangonana izy ireo.

Ho fitarihana fanampiny mahakasika ny fampidirana biby mpanampy ao amin’ny tranon’ny Fiangonana dia jereo ny 27.1.3 sy ny disability.ChurchofJesusChrist.org.

38.8.27.9

Tompon’andraikitra manokana misahana ny olona manana fahasembanana

Afaka miantso tompon’andraikitra manokana misahana ny olona manana fahasembanana eo anivon’ny paroasy na ny tsatòka ny episkôpà na ny fiadidian’ny tsatòka. Manampy ireo mpikambana manana fahasembanana sy ny mpikarakara azy ireo ilay tompon’andraikitra manokana mba handray anjara amin’ireo fivoriana sy fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana ary hahatsapa ho tsy voailikilika.

Manompo ireo mpikambana sy ireo mpitarika amin’ireto fomba manaraka ireto ilay tompon’andraikitra manokana:

  • Miezaka mamantatra ireo olona manana fahasembanana sy ny fianakavian’izy ireo.

  • Mamaly ireo fanontaniana sy ireo olana mifandray amin’ny fahasembanana izay apetrak’ireo mpikarakara ireo olona manana fahasembanana, ny mpitarika ary ny hafa.

  • Manampy ireo olona mba ho afaka hampiasa ireo boky sy fitaovana ampiasain’ny Fiangonana sy hanatrika ireo fivoriana ary fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana. Izany dia azo atao amin’ny alalan’ny fampiasana teknôlôjia sy amin’ny fomba hafa (jereo ny 38.8.27.10).

  • Mamantatra ireo fahafahana hanompo azo araraotina azo omena ny mpikambana manana fahasembanana.

  • Mamantatra ny zavatra manokana ilain’ireo fianakaviana, ary raha mety amin’ny toe-javatra misy, dia mamantatra ireo loharanom-panampiana eo anivon’ny fiarahamonina, ny paroasy ary ny tsatòka.

Afaka manampy ireo mpikambana manana fahasembanana sy ny mpikarakara azy ireo ilay tompon’andraikitra manokana mba hizara fampahalalana momba ny fahasembanana amin’ny hafa.

38.8.27.10

Loharanom-pitaovana

Ireo loharanom-pitaovana ho an’ireo mpikambana manana fahasembanana sy ho an’ireo fianakaviany sy mpikarakara azy, ary ho an’ireo mpitarika sy mpampianatra dia azo jerena ao amin’ny disability.ChurchofJesusChrist.org. Io tranonkala io dia manome:

  • Fampahalalana mba hampitomboana ny fahatakarana ireo olana atrehin’ireo izay manana fahasembanana.

  • Loharanon-kevitra hanampiana ireo olona manana fahasembanana sy ny fianakavian’izy ireo hahazo fankaherezana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Fitanisana ireo fitaovana ao amin’ny Fiangonana amin’ny endriny azon’ny olona manana fahasembanana ampiasaina (jereo koa ny store.ChurchofJesusChrist.org).

Azo atao ny mandefa ireo fanontaniana any amin’ny:

Members with Disabilities

50 East North Temple Street

Salt Lake City, UT 84150-0024

Laharan-telefaonina: 1-801-240-2477 na 1-800-453-3860, poste 2-2477

Mailaka: disability@ChurchofJesusChrist.org

38.8.28

Fanompoana ireo mpikambana izay nianjadian’ny heloka bevava sy nogadraina

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia amporisihina mba hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fanolorana fanantenana sy fahatakarana ary fitiavana ho an’ireo izay nianjadian’ny heloka bevava sy nogadraina (jereo ny Matio 25:34–36, 40).

Ny filohan’ny tsatòka no mitarika ireo ezaka amin’ny fanompoana atao any am-ponja. Tafiditra ao anatin’ireo ezaka ireo ny fanohanana ireo olon-dehibe sy zatovo voatana any am-ponja na vao avy nivoaka ny fonja. Tafiditra ao anatin’io asa io ihany koa ny fikarakarana ireo fianakaviana sy ankizy manana ray na reny na olona akaikin’ny fo voafonja.

Ireo mpitarika izay manana fonja ao anatin’ny faritry ny rantsana misy azy ireo dia tokony hanao ireo dingana hahafantarana ireo lalana misokatra ahafahana manompo sy manome izay ilain’ireo olona. Mba hahazoana fampahalalana sy torolalana dia afaka mifandray amin’ny Sampan-draharaha misahana ny asa fanompoana any am-ponja an’ny Fiangonana ireo mpitarika:

Email: PrisonMinistry@ChurchofJesusChrist.org

Laharan-telefaonina: 1-801-240-2644 na 1-800-453-3860, poste 2-2644

38.8.29

Ireo antokom-pinoana hafa

Hita any amin’ireo antokom-pinoana hafa maro ireo zavatra maro izay manentana ny fanahy sy tena tsara ary mendrika ny homena fanajana tena lehibe. Tsy maintsy maneho firaharahiana sy fanajana ny finoana sy ny fomban-drazan’ny hafa ny misiônera sy ny mpikambana hafa. Tsy maintsy misoroka ny fanafintohinana olona ihany koa izy ireo.

Ireo filohan’ny tsatòka sy misiôna izay manana fanontaniana mikasika ireo fifandraisana amin’ireo finoana hafa dia tokony hifandray amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Ireo mpitarika hafa eo an-toerana izay manana fanontaniana toy izany dia tokony hifandray amin’ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiôna.

38.8.30

Ireo hetsika ara-pôlitika sy mahakasika ny maha-olom-pirenena

Amporisihina ireo mpikamban’ny Fiangonana mba handray anjara amin’ireo raharaha mahakasika ny pôlitika sy ny fitondram-panjakana. Any amin’ny firenena maro dia mety ho tafiditra ao anatin’izany ny:

  • Fandraisana anjara amin’ny fifidianana.

  • Fidirana na fanompoana ao anatin’ireo antoko pôlitika.

  • Fanomezana fanampiana ara-bola.

  • Fifaneraserana amin’ireo manampahefana sy mpirotsaka hofidiana ao anatin’ilay antoko.

  • Fandraisana anjara amin’ny fitakiana amim-pilaminana sy ara-dalàna.

  • Fanompoana amin’ireo toeram-pitantanana ao amin’ireo raharaham-panjakana amin’ny alalan’ny fifidianana na ny fanendrena ao amin’ny governemanta eo an-toerana sy ao amin’ny firenena.

Amporisihina ihany koa ireo mpikambana mba handray anjara amin’ireo asa mendri-piderana mba hahatonga ny fiaraha-monin’izy ho lasa toerana tsara hiainana sy hanorenana fianakaviana.

Araka ny lalàna eo an-toerana dia amporisihina ny mpikambana mba hisoratra anarana hifidy sy handinika tsara ireo olana sy ny mombamomba ireo mpirotsaka hofidiana. Betsaka ireo fitsipika mifanaraka amin’ny filazantsara mety ho hita ao amin’ireo antoko pôlitika isan-karazany. Ny Olomasin’ny Andro Farany dia manana adidy manokana ny hitady sy hanohana mpitarika izay marin-toetra, tsara, ary hendry (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:10).

Tsy momba ny atsy na ny aroa ny Fiangonana mikasika ireo antoko pôlitika sy ireo foto-kevitra hijoroan’izy ireo ary ireo mpirotsaka ho fidina ho amin’ireo toerana ara-pôlitika. Tsy manohana antoko pôlitika na mpanao pôlitika hirotsaka hofidiana ny Fiangonana. Tsy manoro hevitra ny mpikambana hoe iza na inona no hofidina ihany koa izy.

Amin’ireo tranga maningana, izay ahatafidiran’ireo olana mahakasika ny ara-môraly na ny fomba fanaon’ny Fiangonana, dia afaka maneho ny foto-keviny mahakasika ireo raharaha pôlitika ny Fiangonana. Amin’ny toe-javatra toy izany dia mahazo manao fifanakalozan-kevitra ara-pôlitika ny Fiangonana mba hanehoana ny fomba fijeriny. Ny Fiadidiana Voalohany ihany no afaka manome lalana ny:

  • Filazana ny fotokevitra ijoroan’ny Fiangonana momba ny olana mahakasika ny ara-môraly.

  • Fampandraisana anjara ny Fiangonana mba hanohana na hanohitra lalàna iray manokana.

  • Fizarana ny fomba fijerin’ny Fiangonana mahakasika ireo raharaham-pitsarana.

Tsy tokony hampivondrona mpikambana handray anjara amin’ireo raharaha ara-pôlitika ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana. Tsy tokony hanandrana handresy lahatra ny mpikambana amin’ny fomba handraisan’izy ireo anjara amin’izany koa ny mpitarika.

Ireo mpikamban’ny Fiangonana maniry ny hitantanana raharaham-panjakana amin’ny alalan’ny fifidianana na ny fanendrena dia tsy tokony hilaza an-kolaka fa tohanan’ny Fiangonana na ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izy ireo. Ireo mpitarika sy ireo mpikambana ihany koa dia tsy tokony hilaza teny na haneho fihetsika izay mety horaisin’ny olona ho toy ny fanohanan’ny Fiangonana ny antoko pôlitika iray, na ny tsangan-kevitra iray, na ny lalàna iray, na ny mpirotsaka hofidiana iray.

Na dia rehefa maneho ny heviny mahakasika ny raharaha ara-pôlitika iray aza ny Fiangonana, dia tsy mangataka ireo manampahefana voafidy izy mba hifidy amin’ny fomba iray na hiandany amina hevitra iray. Mandray ny fanapahan-keviny manokana ireo mpikambana izay manampahefana olom-boafidy. Mety tsy hitovy hevitra ireo manampahefana ireo na tsy hanaiky ny hevitra iray nambaran’ny Fiangonana ampahibemaso fa ijoroany. Tsy miteny ho an’ny Fiangonana izy ireo.

Tsy tokony hatao lohahevitra amin’ny fampianarana na ny fanomezana torohevitra rehetra ao amin’ny Fiangonana ny safidy ara-pôlitika sy ny fidirana ao anatina antoko pôlitika. Maka antoka ireo mpitarika fa mifantoka amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ireo fivoriana sy fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana.

Tsy tokony hifampitsara mahakasika ny raharaha ara-pôlitika ny mpikambana. Ireo Olomasin’ny Andro Farany mahatoky dia afaka miditra ho mpikambana ao amin’ireo antoko pôlitika isan-karazany sy mifidy mpirotsaka hofidiana isan-karazany. Tokony hahatsapa ho voaray tsara daholo ny rehetra ao am-piangonana.

Tsy azo ampiasaina noho ny antony ara-pôlitika ireo firaketan’ny Fiangonana sy ireo fizahana adiresy sy nomeraon-telefaonina ary ireo fitaovana mitovy amin’izany.

Tsy azo ampiasaina noho ny antony ara-pôlitika ireo tranon’ny Fiangonana. Azo ampiasaina hanaovana ny fifidianana sy ny fanoratana anaran’ny mpifidy anefa ireo tranon’ny Fiangonana raha toa ka tsy misy toerana hafa azo heverina fa azo hanaovana izany (jereo ny 35.5.6.3).

38.8.31

Fiainan’ireo mpikambana manokana

Manana adidy hiaro ny fiainan’ireo mpikambana manokana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Tsy azo ampiasaina noho ny antony mikasika ny tena manokana, na ara-barotra, na ara-pôlitika ireo rejisitry ny Fiangonana sy ny fizahana adiresy sy nomeraon-telefaonina ary ireo tahirin-kevitra mitovy amin’izany (jereo koa ny 38.8.13).

Ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka dia tsy tokony hitahiry na hizara fampahalalana tsiambaratelo an’ny Fiangonana amin’ny zavatra hafa ankoatra ireo application, na rafitra na ireo fitaovana azo iasana amin’ny internet izay omen’ny Fiangonana. Ohatra amin’ireo fampahalalana tsiambaratelo an’ny Fiangonana ny zavatra mahakasika olona iray toy ny:

  • Sata maha-mpikambana.

  • Zavatra ilaina eo amin’ny lafiny ara-batana.

  • Fampahalalana hafa momba ny tena manokana izay tsy azon’ny olona rehetra jerena.

Ireo taratasy avy amin’olona na birao ara-panjakana izay miresaka momba ireo lalàna mikasika ny fanajana ny tsiambaratelo mahakasika ireo angon-drakitra dia tokony halefa avy hatrany any amin’ny Birao misahana ny fanajana ny tsiambaratelo mahakasika ireo angon-drakitra an’ny Fiangonana.

Mailaka: DataPrivacyOfficer@ChurchofJesusChrist.org.

Tsy tokony hamaly ireo fangatahana ireo ny mpitarika eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka.

Mba hahitana ny fanamarihana momba ny fanajana ny tsiambaratelo ao amin’ny Fiangonana dia jereo ny “Privacy Notice (Fanamarihana momba ny fanajana ny tsiambaratelo)” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Azon’ny mpikambana atao koa ny mangataka ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka na ny paroasy mba hanampy azy ireo hahita ireo fitsipika.

38.8.32

Ireo asa soratra navoakan’ny tena manokana

Ny mpikambana dia tsy tokony hangataka ireo Manampahefana Ambony na Mpiandraikitra Ambony, na Fitopololahin’ny Vondromparitra mba hiara-hanoratra na hanohana boky momba ny Fiangonana na asasoratra hafa mikasika ny Fiangonana.

38.8.33

Firaketana na fandraisana an-tsoratra na fampitana an-tsary ireo hafatra avy amin’ireo Manampahefana Ambony, sy ireo Mpiandraikitra Ambony ary ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra

Tsy tokony hirakitra, na handray an-tsoratra, na hampita an-tsary ireo hafatra avy amin’ireo Manampahefana Ambony, sy ireo Mpiandraikitra Ambony ary ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ny mpikambana. Na izany aza anefa dia azo ampitaina an-tsary eo ambany fitarihan’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ny fivoriana sasany izay itenenan’ireo mpitarika ireo. Ho fampahalalana momba izany dia jereo ny 29.7.

Azon’ny mpikambana atao ny mandrakitra ny fampitana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany amin’ireo fitaovana ao an-trano mba ho ampiasain’izy ireo manokana ary tsy hitadiavam-bola.

38.8.34

Anarana fiantsoana ny Fiangonana sy ireo mpikambana ao aminy

Nomena an’i Joseph Smith tamin’ny alalan’ny fanambarana tamin’ny 1838 ny anaran’ny Fiangonana: “Satria toy izany no hiantsoana ny fiangonako amin’ny andro farany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4). Ny fiantsoana ny Fiangonana sy ny mpikambana ao aminy amin’ireo fomba voalazalaza etsy ambany dia ahitana ny fifandraisana eo amin’i Jesoa Kristy sy ny mpikamban’ny Fiangonany.

Rehefa milaza ny anaran’ny Fiangonana dia tokony ho tafiditra ao avokoa ny anarany iray manontolo isak’izay afaka manao izany. Aorian’ny nanononana ny anarana fenon’ny Fiangonana, raha toa ka ilaina ny hampiasana anarana fohy hiantsoana izany, dia marina ireto teny manaraka ireto ary amporisihina ny hampiasana izany:

  • Ny Fiangonana

  • Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

  • Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny

Rehefa miresaka ireo mpikamban’ny Fiangonana, dia marina sy tiana raha ampiasaina ireto teny manaraka ireto:

  • Mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

  • Olomasin’ny Andro Farany (anarana nomen’ny Tompo ireo vahoakan’ny fanekempihavanany amin’izao andro farany izao izany)

  • Mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

Tsy amporisihina ny fiantsoana ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny anarana hafa toy ny hoe “Môrmôna” na “LDS” (OAF).

Mety tsara ny fampiasana ny hoe Môrmôna rehefa milaza anaran-tsamirery toy ny hoe ny Bokin’i Môrmôna. Mety tsara ihany koa ny fampiasana izany rehefa ampiasaina ho toy ny mpamari-toe-javatra ao anatin’ny fomba fiteny toy ny hoe “Dia Môrmôna” ohatra.

Tsy marina ary tsy amporisihina ny teny hoe Mormonisme (maha-Môrmôna). Marina sy tiana kokoa ny fehezan-teny hoe “ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny” rehefa manoritsoritra fotopampianarana na kolontsaina na fomba amam-panao manokana an’ny Fiangonana.

38.8.35

Mpitsoa-ponenana

Olona maro no nitsoaka ny toeram-ponenany mba hitady fialofana tamin’ny herisetra, ady, fanenjehana ara-pivavahana, ary toe-javatra iainana izay mampidi-doza ny aina. Ao anatin’ny andraikitr’izy ireo hikarakara ireo sahirana (jereo ny Mozià 4:26), dia manolotra ny fotoany sy ny talentany ary ny finamanany ireo mpikamban’ny Fiangonana mba handraisana ireo mpitsoa-ponenana ho isan’ireo mpiara-monina amin’izy ireo. Jereo ny Matio 25:35; ChurchofJesusChrist.org/refugees.

38.8.36

Fangatahana fanampiana ara-bola avy amin’ny Fiangonana

Ilay fandaharan’asa napetraky ny Fiangonana dia manome fanampiana ara-bola ho an’ireo olona sahirana sy noho ny antony mifanaraka tsara amin’ny fitsipika mikasika izany.

Ny eveka no mitantana ny fanampian’ny Fiangonana ireo mpikambana sahirana (jereo ny 22.3.2). Manaraka fitsipika sy lalàna efa napetraka ny eveka mba hakana antoka fa ampiasaina araka ny tokony ho izy ny volan’ny Fiangonana (jereo ny 22.4 sy ny 22.5).

Amporisihina ireo mpikambana sahirana mba hiresaka amin’ireo evekany fa tsy hifandray amin’ny foiben’ny Fiangonana na hangataka vola avy amin’ireo mpitarika na mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana. Mety hangataka ireo mpitarika avy ao amin’ny kôlejin’ny Loholona na ny Fikambanana Ifanampiana ny eveka mba hanombantombana ireo zavatra ilaina.

38.8.37

Fanadihadiana ao amin’ny Fiangonana

Ny tanjon’ny fanadihadiana ataon’ny Fiangonana dia ny hanangona fampahalalana azo antoka mba hanampiana ireo mpitarika maneran-tany ato amin’ny Fiangonana amin’ny fanapahan-kevitra horaisiny. Ny Correlation Research Division (CRD) no hany sampan-draharaha mpanao fikarohany nahazo lalana avy amin’ny Fiangonana. Afaka manao fifanarahana amina sampan-draharaha tsy miankina ihany koa ny CRD mba hanao ny fanadihadiana.

Rehefa mifandray amin’ireo mpikambana na ireo mpitarika ireo mpanao fanadihadiana nahazo lalana avy amin’ny Fiangonana, dia manome ny mombamomba ny mpiasa iray ao amin’ny CRD mba hahafahana mifandray aminy izy ireo. Afaka mamaly fanontaniana momba ilay fanadihadiana io mpiasa io.

Ny CRD dia manao izay hiarovana ny mombamomba ireo mpandray anjara amin’ireo fanadihadiana sy ny valinteny nomen’izy ireo. Mety handà ny tsy handray anjara amin’izany amin’ny fotoana rehetra ny olona sasany. Mety hisafidy ny tsy hamaly ny fanontaniana rehetra izy ireo.

Tsy maintsy manome ny fanekeny ireo ray aman-dreny na ireo mpiantoka izay vao azo asaina handray anjara amin’ny fanadihadiana iray ireo ankizy latsaky ny 18 taona.

Tsy tokony hanome lalana ny hanaovana fanadihadiana mifandray amin’ny Fiangonana ireo mpitarika eo an-toerana. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana ireo mpikambana ho fitaovana ahafahana manao ny fanadihadiana.

Manaja ny lalàna rehetra mahakasika ny fanajana ny tsiambaratelo amin’ny angon-drakitra ny CRD. Tokony hanaja ihany koa ireo lalana ireo ny mpitarika eo an-toerana ary tsy tokony hanome ny mombamomba ireo mpikambana manokana an’ireo mpanao fanadihadiana sy sampan-draharaha mpanao fanadihadiana tsy nahazo lalana.

Mitaky ny hanangonana fampahalalana mandritra ireo fivoriana ataon’ny Fiangonana ny fanadihadiana sasany. Tena mitombina izany raha ilay fivoriana no iompanan’ilay fanadihadiana. Amin’ny toe-javatra toy izany dia hiara-hiasa amin’ireo mpitarika eo an-toerana ny CRD mba hakana antoka fa tsy manelimgelina mandritra ilay fivoriana ny fisian’ireo mpanao fanadihadiana ao.

Mba hanamarinana ireo fangatahana rehetra hanao fanadihadiana dia mifandraisa amin’ny Correlation Research Division:

Laharan-telefaonina: 1-801-240-2727 na 1-800-453-3860, poste 2-2727

Email: research@ChurchofJesusChrist.org

38.8.38

Fanajana ireo famerana eo an-toerana eo amin’ny fizarana ny filazantsara

Ny Fiangonana dia miasa mba hanatanteraka ny didin’i Jesoa Kristy hampiely ny filazantsara manerana izao tontolo izao (jereo ny Matio 28:19). Any amin’ireo firenena izay haneken’ny fitondram-panjakana eo an-toerana azy ireo amin’ny fomba ôfisialy sy handraisan’izy ireo azy ireo tsara ihany no hanompoan’ny misiônera.

Ny Fiangonana sy ireo mpikambana ao aminy dia manaja ny lalàna sy ny zavatra takina rehetra mahakasika ny asa fitoriana ny filazantsara. Ohatra, any amin’ny faritra sasany maneran-tany dia irahina manao asa fanompoana olona na mamita iraka manokana fotsiny ihany ny misiônera. Tsy mitory ny filazantsara ireo misiônera ireo. Tsy mandefa misiônera any amin’ny firenena sasany ny Fiangonana.

38.8.39

Fomba fiarovana amin’ny loza any amin’ireo toeram-piasana misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena ao amin’ny Fiangonana

Toeram-piasana maro misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena ao amin’ny Fiangonana no ahitana fitaovana sy milina izay mety handratra raha tsy ampiasaina araka ny tokony ho izy. Tokony hanao izay hiarovana ireo mpiasa sy mpilatsaka an-tsitrapo ireo filohan’ny tsatòka mpitantan-draharaha (na ireo olona omen’izy ireo andraikitra) sy ireo tale misahana ny fanpandehanana ireo raharaha ireo.

Tokony hahazo torolalana tsy tapaka momba ny fomba fanao ho fiarovana amin’ny loza ny mpiasa. Tokony hozahana matetika ny toeram-piasana. Tokony hosorohina ireo toe-javatra miteraka loza ara-pahasalamana sy ara-piarovana. Tokony hisy hatrany ny fanaraha-maso araka ny tokony ho izy mba hakana antoka fa manaraka ireo torolalana sy mampiasa ireo fitaovana araka ny tokony ho izy ary misoroka ny fihetsika mety hampitera-doza azy ireo ny mpiasa.

Raha ny tokony ho izy dia tokony ho 16 taona no ho miakatra ireo olona manao ireo asa ireo. Tokony ho matotra sy efa nahazo fiofanana sahaza ary manana traikefa amin’ny fampiasana ireo fitaovana ny olona izay mampiasa ny fitaovana. Olon-dehibe ihany no tokony hikirakira fitaovana elektrika.

Raha misy loza mitranga dia mitatitra izany amin’ity voalaza manaraka ity ny tale misahana ny fampandehanan-draharaha:

  • Sampan-draharaha misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena: 1-801-240-3001 na 1-800-453-3860, extension 2-3001

  • Sampan-draharaha mitantana ny fiarovana amin’ny loza any amin’ny foiben’ny Fiangonana (jereo ny 20.7.6.3 mba hahitana ny fomba ifandraisana amin’izy ireo)

38.8.40

Ny soratra masina

38.8.40.1

Ireo edisiônan’ny Baiboly masina

Ny Fiangonana dia mamantatra ireo edisiônan’ny Baiboly izay mifanaraka tsara amin’ny fotopampianaran’ny Tompo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny fanambarana maoderina (jereo ny Fanekem-pinoana 1:8). Noho izany dia misy edisiônan’ny Baiboly tena mety amin’ny Fiangonana izay nofidiana ho an’ny fiteny maro ampiasain’ireo mpikamban’ny Fiangonana.

Amin’ny fiteny sasany dia mamoaka ny edisiônan’ny Baiboly azy manokana ny Fiangonana. Ireo edisiôna navoakan’ny Fiangonana dia miorina amin’ireo lahatsoratry ny Baiboly manaraka ny fenitra nifanarahana. Isan’ny ohatra amin’izany ireto:

  • Ny Baiboly King James amin’ny teny Anglisy.

  • Ny Baiboly Reina-Valera (2009) amin’ny teny Espaniôla.

  • Ny Baiboly Almeida (2015) amin’ny teny Pôrtogey.

Ireo edisiônan’ny Baiboly navoakan’ny Fiangonana dia ahitana fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy, lohahevitra manaraka ny abidia, ary fanampiana hafa hoenti-mandalina.

Raha azo atao dia tokony hampiasa edisiônan’ny Baiboly tena mety amin’ny Fiangonana na navoakan’ny Fiangonana ny mpikambana mandritra ireo fotoam-pianarana sy fivoriana ao amin’ny Fiangonana. Izany dia manampy amin’ny fihazonana ireo fifanakalozan-kevitra mba hazava sy hahafahana mahatakatra amin’ny fomba mitovy ny fotopampianarana. Mety hanampy amin’ny fandalinana ataon’ny tena manokana na any am-pianarana ireo edisiôna hafa an’ny Baiboly.

38.8.40.2

Fandikana ny soratra masina

Nanome didy an’ireo mpaminaniny sy apôstôliny ny Tompo mba hitahiry ny soratra masina amin’ny toerana azo antoka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:56). Ny filankevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no manara-maso akaiky ny fandikana ireo soratra masin’ny Fiangonana. Manampy mba hiantohana ny fahamarinan’ny fotopampianarana sy hitahirizana ny porofon’ny fiavian’ilay lahatsoratra ny fampiasana dingana arahina nahazoana fankatoavana.

Ny Fiadidian’ny Vondromparitra dia mandefa fangatahana ôfisialy mba hanaovana fandikan-teny vaovao ho an’ny soratra masina any amin’ny Departemanta misahana ny fandrindrana ao amin’ny Fiangonana.

38.8.40.3

Soratra masina amin’ny fomba fiteny maoderina

Ny filankevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia tsy nanome lalana ny hanaovana ireo ezaka handika na hamerina hanoratra ny lahatsoratry ny soratra masina ho amin’ny fomba fiteny maoderina na fiteny andavan’andro. Tsy mihatra amin’ireo vokatra avoakan’ny Fiangonana ho an’ny ankizy io torohevitra io.

38.8.40.4

Fahafahana mampiasa ny soratra masina

Ireo boky natonta amin’ireo edisiônan’ny Baiboly izay nahazoana lalana ny fampiasana azy dia azo vidina ao amin’ireo Sampandaraharaha misahana ny fanapariahana an’ny Fiangonana. Ireo edisiônan’ny Baiboly tena mety amin’ny Fiangonana dia mety ho hita ihany koa any amin’ireo mpivarotra boky eo an-toerana, an-jotra, na ao amin’ireo application Baiboly ho an’ny finday. Ireo lahatsoratra elektrônika sy ireo raki-peon’ny edisiôna navoakan’ny Fiangonana ary ny sasany amin’ireo edisiôna tena mety amin’ny Fiangonana dia hita ao amin’ny application Médiathèque de l’évangile sy ao amin’ny scriptures.ChurchofJesusChrist.org. Ireo loharanom-pitaovana ireo dia manome ihany koa ireo lisitry ny soratra masinaizay misy isaky ny fiteny.

38.8.41

Fikatsahana fampahalalana avy amin’ny loharano azo antoka

Mora ny mahazo sy mizara fampahalalana eto amin’ity izao tontolo izao ankehitriny ity. Mety ho fitahiana lehibe ho an’ireo izay mikatsaka ny hianatra sy hahafanta-javatra izany. Kanefa loharanom-pahalalana maro no tsy azo antoka sy tsy manabe amin’ny tsara. Ny loharanon-kevitra sasany dia mamporisika ny hatezerana, na ny fifandirana, na ny tahotra, na manome vahana ny foto-kevitra mifono tsikombakomba izay tsy misy fotony (jereo ny 3 Nefia 11:30; Môzià 2:32). Noho izany dia zava-dehibe ny hananan’ny mpikamban’ny Fiangonana fahendrena eo am-pikatsahany ny fahamarinana.

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tokony tsy hitady sy tsy hizara afa-tsy loharanom-pahalalana azo antoka, azo ianteherana, ary marina. Tokony hialan’izy ireo ny loharanon-kevitra izay tsy voaporofo na mifototra amin’ny tsaho. Ny fitarihan’ny Fanahy Masina miaraka amin’ny fandalinana amim-pitandremana tsara dia afaka manampy ny mpikambana hanavaka ny marina sy ny diso (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12; 45:57). Mahakasika ny fotopampianarana sy ny fitsipiky ny Fiangonana, ny loharanom-pitaovana nahazo fankatoavana dia ny soratra masina, sy ny fampianaran’ireo mpaminany velona, ary ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

38.8.42

Ireo fivoriambe ifanakalozana hevitra sy ireo fivoriana mitovy amin’izany

Ny Fiangonana dia mampitandrina ireo mpikambana amin’ireo fivoriambe ifanakalozana hevitra sy ireo fivoriana mitovy amin’izany izay ahitana famelabelaran-kevitra ka:

  • Tsy manome lanja, maneso, na manao tsinontsinona ireo zava-masina amin’ny fomba tsy mendrika.

  • Mety hanimba ny Fiangonana, na hanelingelina ny Fiangonana amin’ny iraka ampanaovina azy, na hanimba ireo mpikambana na ireo mpitarika.

Ny mpikambana dia tsy tokony hamela ny hampiasana ny toerana tanany amin’ny antsony na ny asany ao amin’ny Fiangonana mba hampahafantarana ny fivoriana toy izany amin’ny olona maro na hanao izay hinoan’ny olona fa manohana ny fivoriana toy izany izy ireo.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 35.5, 38.6.12, ary ny 38.7.8. Jereo ihany koa ny Jakôba 6:12

38.8.43

Fanohanana ireo mpikambana any amin’ny hôpitaly sy any amin’ireo toeram-pikarakarana hafa

Manohana ireo mpikambana any amin’ny hôpitaly sy any amin’ireo toeram-pikarakarana ao anatin’ny faritry ny rantsana sahanin’izy ireo ny mpitarika. Manaraka ireo toromarika apetraka ao amin’ireo toeram-pitsaboana izy ireo.

Mba hahitana fampahalalana momba ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo ho an’ireo mpikambana ao amin’ireo toeram-pitsaboana ireo dia jereo ny 18.9.1. Mba hahitana fampahalalana momba ny fananganana paroasy na sampana dia jereo ny 37.6.

38.8.44

Ireo fiaraha-mientana handoavan-ketra

Ireo mpitarika ao amin’ny paroasy sy tsatòka dia manao izay tsy hanimban’ireo fiaraha-mientana eo an-toerana ny satan’ny Fiangonana amin’ny tsy fandoavana hetra. Raha mila torolalana, dia jereo ny 34.8.1.

38.8.45

Hetra

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tokony hankatò ireo lalàna mifehy ny fandoavan-ketra ao amin’ilay firenena hipetrahan’izy ireo (jereo ny Fanekem-pinoana 1:12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:5). Ireo mpikambana izay tsy manaiky ireo lalàna mifehy ny fandoavan-ketra dia afaka manohitra izany raha mamela ny hanaovana izany ny lalàna ao amin’ny firenen’izy ireo.

Manohitra ilay lalàna sy manohitra ny fampianaran’ny Fiangonana ireo mpikamban’ny Fiangonana raha toa izy ireo ka:

  • Minia tsy mandoa na mandà ny handoa ireo hetra takina.

  • Manao adihevitra tsy misy dikany momba ny lalàna mba tsy handoavana ireo hetra.

  • Mandà ny hanaraka ny didim-pitsarana farany tamin’ny fanamarinana ny fandoavan-ketra izay natao ka mitaky ny handoavan’izy ireo hetra.

Mety ho tsy mendrika ny hahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ireo mpikambana ireo. Tsy tokony homena antso amin’ny toeran’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izy ireo.

Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha toa ka nahavanona heloka bevava vokatry ny tsy fanarahana ny lalàn’ny hetra ny mpikambana iray (jereo ny 32.6.1.5).

38.8.46

Ireo fitsipika mikasika ny fanaovana dia lavitra

Ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tsy tokony hiara-handeha irery amin’ireo fiaraha-mientana, na fivoriana, na asa ampanaovin’ny Fiangonana raha tsy hoe mpivady izy ireo na samy tsy mbola manambady. Mba hahitana fitsipika hafa momba ny fanaovana dia, dia jereo ny 20.7.7.

38.9

Fifandraisana amin’ny miaramila sy fanompoana ho mpitondra fivavahana any amin’ny tafika

Ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka dia manampy hahafahana mitondra ny fitahiana azo avy amin’ny fandraisana anjara ao am-piangonana hositrahan’ireo mpikambana izay manao fanompoana ho miaramila. Ny fandaharan’asa fifandraisana amin’ny miaramila sy ny fanompoana ho mpitondra fivavahana any amin’ny tafika an’ny Fiangonana dia ahitana ny:

  • Fanohanana avy amin’ireo tsatòka sy paroasy.

  • Fanofanana omen’ny Fiangonana ny mpikambana izay miditra ho miaramila.

  • Rafitry ny paroasy, ny sampana, na fotoam-bavaka ataon’ny vondrona mpikambana Olomasin’ny Andro Farany.

  • Fankatoavana sy fanohanana avy amin’ireo mpitondra fivavahana Olomasin’ny Andro Farany any amin’ny tafika.

  • Fampahalalana momba ny fanaovana ny garmenta any amin’ny tafika.

  • Fanohanana avy amin’ireo misiônera mpivady izay nomena andraikitra hisahana tobina miaramila voafidy.

38.9.1

Mpitarika eo amin’ny fifandraisana amin’ny miaramila eo anivon’ny tsatòka

Raha ao amina tsatòka iray ny tobin’ny miaramila na tafiditra ao amin’ny tsatòka iray ny mpikambana izay manao fanompoana ho miaramila dia manana ireo andraikitra izay nasongadina ato amin’ity toko ity ny fiadidian’ny tsatòka. Raha ao amina misiôna iray ny tobin’ny miaramila fa tsy ao amin’ny tsatòka iray dia manatanteraka ireo andraikitra ireo ny fiadidian’ny misiôna.

Ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka dia manara-maso ny fanofanana mialoha atolotry ny Fiangonana ho an’ireo mpikambana hirotsaka ho miaramila alohan’ny hanombohan’ny fanompoana ho miaramila ao amin’ilay tsatòka. Maka antoka izy fa ilay fanofanana dia atolotra ny mpikambana rehetra izay hirotsaka ho miaramila. Afaka mandrindra io fanofanana io ny mpitantsoratra mpanatanteraky ny tsatòka. (Jereo ny 38.9.3.)

38.9.1.1

Fotoam-bavaka any amin’ny tobin’ny miaramila

Raha misy fotoam-bavaka atao any amin’ny tobin’ny miaramila dia manangana ny iray amin’ireto manaraka ireto ho an’ireo mpiasa eo anivon’ny tafika sy ny fianakaviany ny filohan’ny tsatòka ao amin’ny toerana misy ilay toby (jereo ny 38.9.4):

  • Paroasy ahitana episkôpà (rehefa nahazoana lalana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany)

  • Sampana ahitana fiadidian’ny sampana

  • Vondrona ho an’ny mpikambana manompo ao amin’ny tafika ahitana mpitarika sy mpanampy ao amin’ny vondrona ho an’ny mpikambana manompo ao amin’ny tafika

Ny filohan’ny tsatòka no miantso sy manokana ary manara-maso ireo mpitarika ao amin’ireo rantsana ireo. Omeny an’ny Sampan-draharaha misahana ny fifandraisana amin’ny miaramila sy ny fanompoana ho mpitondra fivavahana any amin’ny tafika an’ny Fiangonana ny mombamomba ireo mpitarika ireo mba hahafahana mifandray aminy. Afaka manendry paroasy iray mba hanohana ny vondrona mpikambana manompo ao amin’ny tafika izy.

Miara-miasa amin’ny Sampan-draharaha misahana ny fifandraisana amin’ny miaramila sy ny fanompoana ho mpitondra fivavahana any amin’ny tafika an’ny Fiangonana ny filohan’ny tsatòka mba hanome taratasy fanendrena ho an’ny eveka, ny filohan’ny sampana, na ny mpitarika vondrona tsirairay avy. Io taratasy io dia mitanisa ireo andraikiny ary manome fahefana azy hiahy ilay rantsana sy hitarika fotoam-pivavahana. Tokony homena dika mitovy amin’io taratasy io ilay mpitondra fivavahana ao amin’ilay toby.

Takin’ny tafika ao Etazonia ny hiandraiketan’ny miaramila mpitondra fivavahana iray ny fiahiana ny fitantanan-draharaha ara-panjakana mandritra izay fotoam-pivavahana rehetra tanterahina ao amin’ny toby miaramila iray. Raha toa ka misy miaramila mpitondra fivavahana Olomasin’ny Andro Farany iray ao amin’ilay toby, dia izy raha ny tokony ho izy no miandraikitra ny fitantanana toy izany ao amin’ny rantsana iray an’ny Fiangonana izay mivory ao. Tsy miahy mandritra ilay fotoam-pivavahana ilay miaramila mpitondra fivavahana raha tsy hoe eveka, na filohan’ny sampana, na mpitarika vondrona izy. Na izany aza anefa dia antenaina hanatrika sy handray anjara amin’izany izy.

Mifandrindra amin’izay miaramila mpitondra fivavahana ela niasana indrindra ao amin’ny toby miaramila tsirairay ao anatin’ny tsatòka ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka. Maka antoka izy fa manao toy izany koa ireo evekan’ny paroasy izay ahitana toby miaramila ny faritra sahaniny. Ireo mpitarika ireo dia mampahafantatra ilay mpitondra fivavahana ao amin’ny tafika ny fandaharam-potoan’ny fivoriam-bavaky ny paroasy, ny toerana hanaovana izany, sy ny olona tokony hifandraisana. Afaka manome io fampahalalana io an’ireo mpikambana ao amin’ilay toby ilay miaramila mpitondra fivavahana.

38.9.1.2

Ireo miaramila mpitondra fivavahana Olomasin’ny Andro Farany ao amin’ireo tsatòka

Manao tafa sy dinika isan-taona amin’ny miaramila mpitondra fivavahana Olomasin’ny Andro Farany tsirairay izay mipetraka ao amin’ny tsatòka ny filohan’ny tsatòka. Izy no manapaka mikasika ny hatsaram-piainan’ilay miaramila mpitondra fivavahana sy ny fahamendrehany hanompo. Ny filohan’ny tsatòka ihany koa dia mampanao tafa sy dinika mitokana isan-taona ny vadin’ny miaramila mpitondra fivavahana tsirairay.

Tokony hanana antso ao amin’ny paroasy na ao amin’ny tsatòka ireo miaramila mpitondra fivavahana sy ny vadiny avy. Ny miaramila iray mpitondra fivavahana izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia afaka manompo amina antso ho mpitarika, toy ny hoe mpikambana amin’ny filankevitra avo na miahy paroasy na sampana ho an’ny miaramila na vondrona ho an’ny mpikambana manompo ao amin’ny tafika. Tsy tokony hanohintohina ny andraikiny ao amin’ny tafika anefa io antso io.

Afaka manampy ny filohan’ny tsatòka amin’ireto fomba manaraka ireto ireo miaramila mpitondra fivavahana:

  • Manao tatitra mandritra ireo fivoriana filankevitry ny tsatòka mikasika ireo fivorian’ireo rantsan’ny Fiangonana ao amin’ireo toby miaramila. Tokony ho tafiditra ao anatin’ireo tatitra ireo ny fampahalalana momba ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika.

  • Mitana andraikitra ho mpampifandray ireo mpitarika ao amin’ny tafika amin’ny filohan’ny tsatòka.

  • Manampy ny filohan’ny tsatòka hitady mpikambana ao amin’ny tafika mba homena antso ho mpitarika ny vondron’ny mpikambana manompo ao amin’ny tafika.

  • Manampy amin’ny ezaka fanamafisana orina ireo mpikamban’ny Fiangonana vaovao sy niverina navitrika ao amin’ny tafika.

  • Manampy amin’ny fanomanana ireo mpikambana ao amin’ny tafika mba handray ireo ôrdônansy masina sy hitandrina ny fanekempihavanan’izy ireo.

38.9.2

Mpitarika eo amin’ny fifandraisana amin’ny miaramila eo anivon’ny paroasy

Mihaona amin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà alohan’ny handehanany hanompo any amin’ny tafika. Maka antoka izy fa manana fahafahana izy ireo ny hanatrika ny fanofanana atolotry ny Fiangonana alohan’ny hirotsahana ho miaramila (jereo ny 38.9.3).

Mba hahitana fampahalalana momba ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ho an’ireo mpikambana hirotsaka any amin’ny tafika dia jereo ny 33.6.9. Ny mpikambana sasany dia omena andraikitra any amin’ny toerana lavitra be na mitoka-monina na alefa mankany amin’ny faritra misy ady. Amin’ireo toe-javatra ireo dia mifandray amin’ny Sampan-draharaha misahana ny fifandraisana amin’ny miaramila sy ny fanompoana ho mpitondra fivavahana any amin’ny tafika an’ny Fiangonana ny eveka mba hahazoana tari-dalana momba ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana (jereo ny 38.9.10).

Tokony hanoratra tsy tapaka amin’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny paroasy izay lasa nanao miaramila ny mpitarika ao amin’ny paroasy niavian’izy ireo.

Mifandrindra amin’izay miaramila mpitondra fivavahana ela niasana indrindra ao amin’ny toby miaramila tsirairay ao amin’ilay paroasy ny eveka.

38.9.3

Fanofanana atolotry ny Fiangonana alohan’ny hirotsahana ho miaramila

Ny fanofanana atolotry ny Fiangonana alohan’ny hirotsahana ho miaramila dia manampy ireo mpikambana mirotsaka ho miaramila hahafantatra ny zavatra miandry azy ireo mikasika ireo fotoam-pivavahana sy asa atao any amin’ny tafika. Azo atao eo anivon’ny tsatòka na ny paroasy ilay fanofanana.

Miantso mpampianatra iray hampianatra alohan’ny hirotsahana ho miaramila ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny episkôpà mba hampanao ilay fiofanana. Tsara kokoa raha efa nanompo vao haingana tao amin’ny tafika io mpampianatra io. Raha tsy misy mpampianatra mahafeno ny fepetra, dia mifandray amin’ny Sampan-draharaha misahana ny fifandraisana amin’ny miaramila sy ny fanompoana ho mpitondra fivavahana any amin’ny tafika ny filohan’ny tsatòka na ny eveka mba hahazoana fitarihana.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny “Pre–Military Service Church Orientation (Fanofanana atolotry ny Fiangonana alohan’ny hirotsahana ho miaramila)” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

38.9.4

Rantsan’ny Fiangonana ho an’ny mpikambana manompo ao amin’ny tafika

Raha ny tokony ho izy dia mandray anjara ao amin’ireo paroasy eo akaikin’ny toby miaramila misy azy ireo ny mpikambana ao amin’ny tafika. Na izany aza anefa dia afaka manangana paroasy na sampana na vondrona ho an’ny mpikambana manompo ao amin’ny tafika sy ny fianakaviany ao amin’ilay toby ny filohan’ny tsatòka na ny misiôna ao anatin’ireto toe-javatra misy manaraka ireto :

  • Tsy misy paroasy tsy ilàna manao dia lavitra be eny akaikin’ilay toby.

  • Tsy mahazo ny fiteny ampiasaina ao amin’ilay paroasy eo an-toerana ireo miaramila.

  • Tsy afaka miala ao amin’ilay toby miaramila ireo miaramila noho ireo zavatra takina amin’ny fiofanana na ireo fepetra hafa.

  • Ny vondron-tafika misy ireo mpikambana dia any amin’ny toerana iray izay tsy iharan’ny iray amin’ireto manaraka ireto na hafindra any:

    • Tsy misy Fiangonana natsangana any.

    • Tsy afaka mandray ireo mpikambana ny rantsan’ny Fiangonana eo an-toerana noho ny tsy fitovian’ny fiteny.

    • Mananosarotra ny hanatrehana ireo fivoriana eo an-toerana.

  • Ao anatin’ny vondrona misy ireo Réservistes na Garde Nationale ireo mpikambana ka mandray anjara amin’ny fanaovana fampiharana ny fahaiza-manao mandritra ny faran’ny herinandro na amin’ny fanazaran-tena fanao isan-taona.

Ny fananganana paroasy sy sampana ao amina toby miaramila dia manaraka ny dingana voalaza ao amin’ny toko 37.

Mazàna ireo paroasy sy sampana no hatsangana mba hanohanana ireo mpikambana ao amin’ny tafika sy ny fianakavian’izy ireo. Azo atao koa ny manangana paroasy sy sampana ho an’ireo mpikambana ao amin’ny tafika ihany fa tsy miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo. Azo atao ny manangana paroasy toy izany ho an’ireo mpikambana manatrika fampiofanana fototra na avo lenta na nomena andraikitra any amin’ny toerana lavitra be. Raha ny tokony ho izy dia tsy avelan’ny tafika ireo mpikamban’ny Fiangonana izay tsy mpiasan’ny tafika hanatrika paroasy na sampana iray izay mampiasa ny trano ao amin’ny toby.

Raha toa ny isan’ny mpikambana na raha toa ireo toe-javatra misy hafa ka tsy manamarina ny hanorenana paroasy na sampana ao amin’ny toby miaramila iray, dia manorina vondrona ho an’ny mpikambana manompo ao amin’ny tafika ny filohan’ny tsatòka na misiôna. Ny vondrona ho an’ny mpikambana manompo ao amin’ny tafika dia rantsana kelin’ny Fiangonana izay manao fivoriam-piangonana sy mikarakara ireo mpikambana. Tsy manana ny fanalahidin’ny fisoronana ilay mpitarika vondrona. Noho izany antony izany dia tsy mahazo lalana handray ny fahafolonkarena sy ny fanatitra izy, na manoro hevitra ireo mpikambana mikasika ny fandikan-dalàna goavana, na mametra ny tombontsoan’ny mpikambana, na manatanteraka ireo andraikitra hafa izay ilana fanalahidy (jereo ny 37.7). Mba hahitana fampahalalana mikasika ny vondrona ho an’ny mpikambana manompo ao amin’ny tafika dia jereo ny “Service Member Groups and Responsibilities of Group Leaders (Vondrona ho an’ny mpikambana manompo ao amin’ny tafika sy andraikitra sahanin’ireo mpitarika vondrona)” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Rehefa misy rantsan’ny Fiangonana apetraka ao amin’ny toby miaramila iray dia mifandrindra amin’ny mpitondra fivavahana ao amin’ny tafika izay ela niasana indrindra ilay mpitarika vondrona mba handaminana ireo fotoana hivoriana sy ny fampiasana ireo trano sy fitaovana ao amin’ny toby. Raha toa ka tsy misy toerana voatokana hanaovana fotoam-bavaka ao amin’ilay toby dia maka hevitra amin’ny lehibe manamboninahitra mpiandraikitra ny filohan’ny tsatòka.

38.9.5

Mpitarika vondrona any amin’ny faritra mitokana na any amin’ny faritra misy ady

Ny filohan’ny tsatòka na misiôna raha ny tokony ho izy no miantso sy manokana ireo mpitarika ny vondron’ny mpikambana manao fanompoana ao amin’ny tafika. Mety tsy ho azo tanterahina anefa izany any amin’ireo toerana lavitra andriana na ireo faritra misy ady. Satria tsy omena fanalahidin’ny fisoronana ny mpitarika ny vondrona rehefa antsoina dia azo atao ny manome andraikitra azy ka tsy ilaina atokana. Ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana izay tompon’andraikitra amin’ilay toerana dia afaka manome andraikitra mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka mendrika iray mba ho mpitarika vondrona. Manamarina ny fahamendrehan’ilay lehilahy miaraka amin’ny evekany sy ny filohan’ny tsatòkany aloha izy. Raha toa ka misy miaramila mpitondra fivavahana Olomasin’ny Andro Farany iray ao amin’ilay faritra dia afaka manome lalana azy ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hiantso sy hanokana mpitarika vondrona iray.

Ireo mpitarika vondrona ho an’ny mpikambana manompo ao amin’ny tafika izay any amin’ny toerana mitoka-monina dia afaka mahazo vatsy sy fitaovana avy amin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ny Sampan-draharaha misahana ny ny fifandraisana amin’ny miaramila sy ny fanompoana ho mpitondra fivavahana any amin’ny tafika (jereo ny 38.9.10).

Indraindray ny mpikambana iray manompo ao amin’ny tafika izay nafindra toerana dia mitoka-monina amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana. Raha toa ilay mpikambana manompo ao amin’ny tafika ka mihazona ny Fisoronana Melkizedeka na mpisorona ao amin’ny Fisoronana Aharôna, dia mahazo manome lalana azy ny evekany mba hanatanteraka sy handray ny fanasan’ny Tompo. Raha toa ka mihoatra ny iray ny mpikambana any amin’ny toerana nandefasana ireo miaramila dia tokony miantso mpitarika vondrona iray.

Tokony hampahafantarina ny Sampan-draharaha misahana ny fifandraisana amin’ny miaramila sy ny fanompoana ho mpitondra fivavahana any amin’ny tafika an’ny Fiangonana rehefa misy mpitarika vondrona antsoina. Hisy taratasy fanendrena halefa any aminy (jereo ny 38.9.1.1).

38.9.6

Asa fitoriana sy fanompoam-pirenena

Ho an’ireo firenena izay takin’ny lalàna ao aminy ny tsy maintsy hanaovana fanompoana ao amin’ny tafika, dia tsy maintsy mamita ny fanompoan’izy ireo ao amin’ny tafika aloha amin’ny ankapobeny ireo mpikamban’ny Fiangonana izay vao afaka manao asa fitoriana. Ny firenena sasany dia mety hamela ny hanemorana ilay fanompoana ao amin’ny tafika izay tsy maintsy atao hatramin’ny fotoana ahavitana asa fitoriana ny filazantsara. Tokony hiezaka hahafantatra tsara ireo zavatra takina ao amin’ny fireneny ireo filohan’ny tsatòka sy ny eveka mba hahafahan’izy ireo manoro hevitra ireo mpikambana araka ny tokony ho izy. Ireo mpikambana manompo ao amin’ny Réservistes na Garde Nationale dia afaka ny hanao asa fitoriana rehefa nahavita ny fanofanana fototra sy avo lenta kokoa.

Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa dia jereo ny “Missionary Service and Military Obligations (Asa fitoriana sy fanompoam-pirenena)” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

38.9.7

Miaramila mpitondra fivavahana Olomasin’ny Andro Farany

Ny Rantsan’ny Fiangonana misahana ny fifandraisana amin’ny tafika sy ny sampana misahana ny fitaizam-panahy any amin’ny tafika dia manolotra fankatoavana avy any amin’ny foibe ho an’ireo mpitondra fivavahana lahy na vavy izay manompo amin’ny sehatra maro samihafa an’ny fanjakana sy tsy miankina. Isan’izany sehatra izany:

  • Ny tafika.

  • Ireo hôpitaly.

  • Ireo fikambanana mpitaiza beantitra.

  • Ireo fonja.

  • Ireo toby famonjana.

  • Ireo sampan-draharahan’ny pôlisy na ny mpamonjy voina.

  • Ireo tafika mpiaro ny sisin-tany.

  • Ireo fikambanana miaro ny zo maha-olona sy mikarakara ny beantitra.

  • Ireo oniversite sy anjery manontolo.

Ny fikambanana tsirairay no mametraka ireo fepetra takina ho an’ireo miaramila mpitondra fivavahana mikasika ny fanabeazana sy ny fanompoana. Ny ankamaroan’ireo fikambanana dia mitaky fankatoavana avy amin’ny Fiangonana izay vao afaka mitana ny andraikitry ny miaramila mpitondra fivavahana Olomasin’ny Andro Farany ny olona iray. Ny Sampan-draharaha misahana ny fifandraisana amin’ny miaramila sy ny fanompoana ho mpitondra fivavahana any amin’ny tafika an’ny Fiangonana dia manome fankatoavana ho an’ireo mpitondra fivavahana Olomasin’ny Andro Farany. Tsy ampy ny taratasy fankatoavana avy amin’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka ary tsy tokony homena.

Ireo miaramila mpitondra fivavahana Olomasin’ny Andro Farany dia:

  • Manompo ny olona avy amin’ny finoana rehetra ka ao anatin’izany ireo Olomasin’ny Andro Farany.

  • Maka antoka fa omena fahalalahana ara-pivavahana ny olona.

  • Manampy amin’ny fanamorana na fanomezana fahafaham-po an’ireo filana ara-pivavahana an’ireo izay tompoiny.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny “Latter-day Saint Chaplains (Miaramila mpitondra fivavahana Olomasin’ny Andro Farany)” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

38.9.8

Fanaovana ny garmenta any amin’ny tafika

Jereo ny 38.5.6.

38.9.9

Misiônera mpivady zokiolona

Azo atao ny miantso ireo miaramila mpivady efa misotro ronono mba ho misiônera misahana ny fifandraisana amin’ny tafika any amin’ireo toby miaramila nosafidiana. Manampy ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana izy ireo amin’ny fanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika. Manome fanohanana ny fianakavian’ny mpikambana izay manao miaramila ihany koa izy ireo mandritra ny fotoam-pisarahan’ny fianakaviana.

38.9.10

Fampahalalana hafa

Mba hahitana fampahalalana momba ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ho an’ireo mpikambana manompo any amin’ny tafika dia jereo ny 33.6.9.

Mba hahitana fampahalalana momba ny tsodranon’ny patriarika ho an’ireo mpikambana manompo any amin’ny tafika dia jereo ny 38.2.10.3.

Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fanendrena ireo mpikambana manompo any amin’ny tafika any amin’ireo toerana mitoka-monina dia jereo ny 38.2.9.6.

Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fanomezana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly any amin’ireo toerana mitoka-monina dia jereo ny 26.3.2.

Raha manana fanontaniana ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana mikasika ny fifandraisana amin’ny miaramila dia azon’izy ireo atao ny mifandray amin’ny:

Military Relations and Chaplain Services Division

50 East North Temple Street, Room 2411

Salt Lake City, UT 84150-0024

Telefaonina: 1-801-240-2286

Email: pst-military@ChurchofJesusChrist.org