Boky torolalana sy antso
16. Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy


“Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
mpivady mivavaka

16.

Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana dia mifantoka amina andraikitra efatra napetrak’ Andriamanitra (jereo ny 1.2). Voalohany amin’ireo ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Miaina ny filazantsara isika rehefa:

  • Mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy.

  • Mibebaka isan’andro.

  • Manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana.

  • Maharitra hatramin’ny farany amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana ireo.

Rehefa miaina ny filazantsara sy mahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina isika, dia maniry ny hanampy ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ny hafa handray ireo fitahiana avy amin’ Andriamanitra (jereo ny 1 Nefia 8:10–12). Mianatra sy mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao an-tokantrano sy any am-piangonana isika. Mikatsaka ihany koa ny ho lasa mizaka tena isika eo amin’ny fitadiavana ho an’ny tenantsika sy ny fianakaviantsika, na ara-panahy na ara-batana.

Ny fiainana ny filazantsara dia mahafaoka ireo lafiny hafa amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Izy ireny dia ahitana ny fikarakarana ireo sahirana, sy ny fanasana ny rehetra handray ny filazantsara ary ny fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay.