Boky torolalana sy antso
26. Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly


“26. Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, (2020).

“26. Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
eveka manao tafa sy dinika amin’ny lehilahy iray

26.

Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

26.0

Teny fanolorana

Tombontsoa masina ny fidirana ny tranon’ny Tompo. Ireo mpitarika ao amin’ny paroasy sy ny tsatòka dia mamporisika ny mpikambana rehetra mba ho mendrika ny hihazona sy hanana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly na dia tsy mipetraka akaikin’ny tempoly aza izy ireo.

Ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia manao ny ezaka rehetra mba hakana antoka fa mendrika ny hanao izany ny olona rehetra miditra ny tranon’ny Tompo (jereo ny Salamo 24:3–5). Mpitarika ao amin’ny fisoronana manana fahefana no mitarika ireo tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy manome ireo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly an’ireo mpikambana izay mamaly araka ny tokony ho izy sy amin-kitsim-po ireo fanontaniana mandritra ny dinidinika (jereo ny 26.3 Mampanantena ny Tompo fa raha madio ireo izay miditra ny tranony, dia ho ao Izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:15–16).

Tsy maintsy manana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly ny mpikambana vao afaka miditra ny tempoly. Ireo ankizy latsaky ny 8 taona izay hofehezina amin’ny ray aman-dreniny na hijery ny famehezana ny iray tampo aminy amin’ny ray aman-drenin’izy ireo dia tsy mila fahazoan-dalana (jereo ny 26.4.4).

Ity fizarana ity dia manome torolalana ho an’ireo mpitarika manome ireo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Maka hevitra amin’ny filohan’ny tsatòkany ny eveka raha manana fanontaniana mikasika ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izay tsy voavaly ato amin’ity toko ity. Afaka mifandray amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany ny filohan’ny tsatòka raha manana fanontaniana.

26.1

Ireo karazana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Ny fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly dia hahafahan’ny mpikambana iray hiditra any amin’ny tempoly rehetra. Maka antoka ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana fa mahazo ny fahazoan-dalana mety tsara amin’ny toe-javatra iainan’izy ireo ny mpikambana. Misy karazany telo ny fahazoan-dalana:

  1. Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo mpikambana tsy mbola nandray ny fanafiana masina. Ireo fahazoan-dalana ireo dia ho an’ireo mpikambana tsy mbola nandray ny fanafiana masina izay hofehezina amin’ny ray aman-dreniny na hanatanteraka batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena. Omena amin’ny alalan’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) izany. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 26.4

  2. Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona. Ireo fahazoan-dalana ireo dia ho an’ireo mpikambana handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany na hofehezina amin’ny vadiny. Omena amin’ny alalan’ny boky lah. 2 ho an’ny fahazoan-dalana izany. Ny fahazoan-dalana hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona dia mipaingotra amin’ny fahazoan-dalana mahazatra hidirana ny tempoly (voafariparitra etsy ambany). Hazonin’ny tempoly ilay fahazoan-dalana hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona rehefa tanterahana ilay ôrdônansy. Hazonin’ilay mpikambana ilay fahazoan-dalana mahazatra dia ampiasainy rehefa miverina any amin’ny tempoly izy.

  3. Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo mpikambana efa nandray ny fanafiana masina. Natao ho an’ireo mpikambana efa nahazo fanafiana masina teo aloha ireo fahazoan-dalana ireo. Omena amin’ny alalan’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) izany. Ireo fahazoan-dalana ireo dia manome lalana ny mpikambana iray handray anjara amin’ireo ôrdônansy rehetra ho an’ny maty. Ampiasaina ihany koa izy ireo rehefa fehezina amina ray aman-dreny na zanaka efa maty ny mpikambana iray efa nahazo fanafiana masina. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 26.3.

26.2

Fitahirizana ireo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

26.2.1

Mpitarika ao amin’ny fisoronana mitahiry ireo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana izay nahazo lalana hihazona ireo bokin’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly dia tokony hitahiry tsara izany. Tsy tokony hisy olona hafa afaka mandray izany. Rehefa manavao ireo bokin’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ny Fiangonana dia potehin’ireo mpitarika ireo boky lany andro.

Maka antoka tsara koa ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana fa ireo olona tsy nahazo lalana dia tsy mahazo mijery fampahalalana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ao amin’ny DDG.

26.2.2

Fahazoan-dalana very na nisy nangalatra

Mangataka amin’ny mpikambana ny eveka mba hampandre azy avy hatrany raha very na nisy nangalatra ny fahazoan-dalan’izy ireo. Mampiasa ny DDG izy na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany na ny mpitamboky mba hanafoana faran’izay haingana ilay fahazoan-dalana. Raha toa ka tsy misy io rafitra io dia mifandray amin’ny biraon’ny tempoly ny eveka mba hanafoanana ilay fahazoan-dalana.

Manao tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly amin’ilay mpikambana ny eveka na ny mpanolotsaina iray voatendry. Raha toa ka mendrika ilay mpikambana, dia na manao printy ilay fahazoan-dalanaindray na manome fahazoana-dalana iray vaovao ny eveka na ny mpanolotsaina iray voatendry.

26.2.3.

Ireo mpihazona fahazoan-dalana tsy miaina ny fenitry ny fahamendrehana

Rehefa voafaritry ny eveka fa tsy miaina ny fenitry ny fahamendrehena ny mpikambana iray manana fahazoan-dalana manan-kery (jereo ny 26.3), dia alainy any amin’ilay mpikambana ilay fahazoan-dalana. Mampiasa ny DDG izy mba hanafoana ilay fahazoan-dalana. Raha toa ka tsy misy io rafitra io dia mifandray amin’ny biraon’ny tempoly ny eveka mba hanafoanana ilay fahazoan-dalana.

26.3

Torolalana ankapobeny rehefa manome fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Manao ny tafa sy dinika ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana izay nahazo lalana alohan’ny ahafahan’ny mpikambana iray mandray fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Misy torolalana omena ao amin’ny DDG. Tsy tokony hanome fahazoan-dalana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana raha tsy rehefa mamaly araka ny tokony ho izy ireo fanontaniana ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ilay mpikambana.

Ny tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly dia mamela ny mpikambana hampiseho fa manana fijoroana ho vavolombelona izy ireo ary miezaka mankatò ny didin’ Andriamanitra sy manaraka ireo mpaminaniny. Milaza ihany koa ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, amin’ny alalan’ny tafa sy dinika, fa mendrika ilay mpikambana. Jereo ny 26.3.3 mba hahitana fampahalalana fanampiny mikasika ny fanaovana tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

Eo anivon’ireo tsatòka dia mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na mpitamboky eo anivon’ny tsatòka no mampanan-kery ilay fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ao amin’ny DDG aorian’ny nanomezana izany. Eo anivon’ny distrika dia mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny misiôna na mpitamboky eo anivon’ny misiôna no mampanan-kery ny fahazoan-dalana. Lasa manan-kery ireo fahazoan-dalana hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena rehefa manonta printy izany ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà na ny filohan’ny sampana. Mampiasa ny DDG izy mba hanontana printy ireo fahazoan-dalana.

26.3.1

Tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy sy ny sampana

Ao amin’ny paroasy iray dia ny eveka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany no manao ny tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly amin’ireo izay mendrika. Ao amin’ny sampana iray dia ny filohan’ny sampana ihany no manao ny tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy manome ireo fahazoan-dalana.

Ao amin’ny paroasy iray, ny eveka dia manao tafa sy dinika mivantana amin’ireo mpikambana izay:

  • Mandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany (jereo ny 27.1 sy ny 27.2).

  • Fehezina amin’ny vadiny (jereo ny 27.3).

Raha misy fahamehana rehefa tsy eo ny eveka dia afaka manome lalana ny iray amin’ireo mpanolotsainy izy mba hanao ireo tafa sy dinika ireo.

Ao amin’ireo paroasy lehibe ho an’ny tanora tokan-tena dia azon’ny eveka atao ny manome lalana mpanolotsaina efa manana traikefa mba hanao ireo tafa sy dinika ireo.

Mialoha ny hanomezana fahazoan-dalana eo anatrehan’ny iray amin’ireo toe-javatra voatanisa etsy ambony ireo, dia mijery firaketana ny mombamomba ilay mpikambana ny eveka mba hanamarinana fa tsy misy fanamarihana mikasika ny famerana ny zo maha-mpikamban’ny Fiangonana ao anatin’izany. Ho an’ireo mpikambana mandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany na fehezina amin’ny vadiny, dia maka antoka ihany koa izy fa:

  • Voarakitra ao amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana an’ilay olona.

  • Nandray ny Fisoronana Melkizedeka ireo rahalahy.

Indraindray dia tsy voarakitra ny datin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana na ny fanendrena ny mpikambana iray ho amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Amin’ireo toe-javatra ireo dia tsy maintsy hamarinina na raketina ary nahazona fanekena ireo ôrdônansy, na averina tanterahina (jereo ny 38.2.6).

Aorian’ny tafa sy dinika ataon’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà na ataon’ny filohan’ny sampana, dia mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka no manao tafa sy dinika amin’ireo mpikambana izay mipetraka ao amin’ny tsatòka iray. Asiany sonia ny fahazoan-dalan’ireo izay mendrika. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny misiôna no manao ny tafa sy dinika faharoa ho an’ireo mpikambana mipetraka ao amin’ny distrika iray. Izy ihany koa no manao sonia ny fahazoan-dalan’ireo izay mendrika. Tsy manao tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ny filohan’ny distrika raha tsy rehefa nahazo lalana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiôna dia manao tafa sy dinika mivantana amin’ireo mpikambana izay:

  • Mandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany.

  • Fehezina amin’ny vadiny.

Raha tsy eo ny filohan’ny tsatòka dia afaka manome lalana ny iray amin’ireo mpanolotsainy izy mba hanao ireo tafa sy dinika ireo.

Afaka manome lalana ny iray amin’ireo mpanolotsainy ny filohan’ny misiôna mba hanao ireo tafa sy dinika ireo raha ilaina.

Ao amin’ny tsatòka iray ho an’ny tanora tokan-tena dia azon’ny filohan’ny tsatòka atao ny manome lalana ireo mpanolotsainy hanao ireo tafa sy dinika ireo.

26.3.2

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana amin’ny zava-misy
Tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo mpikambana any amin’ny faritra mitokana

Ny mpikambana sasany dia mipetraka any amin’ny faritra izay mitaky ny hanaovany dia andaniam-bola be na mampananosarotra ny fahafahany mihaona amin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny misiôna. Amin’ireo toe-javatra ireo dia afaka manao tafa sy dinika amin’ilay olona sy manisy sonia ilay fahazoan-dalana ny filohan’ny tempoly. Mifandray amin’ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiôna izy alohan’ny hanaovana ilay tafa sy dinika. Tokony ho efa avy nanao tafa sy dinika tamin’ilay mpikambana aloha ny eveka na ny mpanolotsaina iray efa nahazo lalana, na ny filohan’ny sampana, ary efa nanao sonia ilay fahazoan-dalana.

Mihatra amin’ireo mpikambana izay any amin’ny tafika any amin’ny faritra mitoka-monina ihany koa io fitsipika io. Tokony ho efa nanao tafa sy dinika tamin’ny eveka ao amin’ny paroasy niaviany na ny rantsana izay miandraikitra ny toby izay hanompoany izy ireo.

Sary
zatovo eo ivelan’ny tempoly

26.3.3

Fanaovana tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo. Tombontsoa masina ny fidirana ny tempoly sy ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansy any. Io tombontsoa io dia natokana ho an’ireo izay vonona ara-panahy ary miezaka ny miaina ireo fenitry ny Tompo, ka ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana nahazo lalana no mamantatra izany.

Mba hanaovana io famantarana io dia manao tafa sy dinika amin’ilay mpikambana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fanontaniana etsy ambany. Tsy tokony hanampy na hanala na inona na inona amin’ireo fepetra takina ny mpitarika. Na izany aza, dia azon’izy ireo amboarina hifanaraka amin’ny taona sy ny toe-javatra iainan’ilay mpikambana ireo fanontaniana.

Indraindray ny mpikambana dia manana fanontaniana mandritra ny tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Afaka manazava fitsipika fototry ny filazantsara ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana. Afaka manampy ireo mpikambana hahatakatra ireo fanontaniana ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly koa izy raha ilaina. Tsy tokony hanolotra ny zavatra inoany manokana, na ny zavatra tiany kokoa, na ny fomba andraisany hevitra iray anefa izy.

Tsy tokony hatao kimaimaika ny tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Tokony hatao mitokana izany. Afaka manasa vady, na ray na reny, na olon-dehibe iray hafa hanatrika eo anefa ilay olona.

26.3.3.1

Fanontaniana apetraka mandritra ny tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

  1. Moa ve ianao manana finoana an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, sy ny Zanany, Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina ary manana fijoroana ho vavolombelona momba azy ireo?

  2. Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra Azy?

  3. Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny?

  4. Moa ve ianao manohana ny Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara, ary ho hany olona eto an-tany nahazo lalana hampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra?

    Moa ve ianao manohana ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara?

    Moa ve ianao manohana ireo Manampahefana Ambony hafa sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eto an-toerana?

  5. Niteny ny Tompo fa ny zavatra rehetra dia tokony “hatao amin’ny fahadiovana” eo anatrehany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:41).

    Moa ve ianao miezaka ny hanana fahadiovan-tsaina amam-panahy ao anatin’ny eritreritrao sy eo amin’ny fitondrantenanao?

    Moa ve ianao manaja ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

  6. Moa ve ianao manaraka ireo fampianaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fitondrantena asehonao amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao sy ireo olon-kafa rehefa tsy misy mahita na misy mahita?

  7. Moa ve ianao manohana na mampiely fampianarana, na fomba fanao, na fotopampianarana izay mifanohitra amin’ireo izay hita ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?

  8. Moa ve ianao miezaka ny mitandrina ny andro Sabata ho masina any an-tokantrano sy any am-piangonana, manatrika ireo fivorianao, miomana amin’ny fanasan’ny Tompo sy mandray izany amim-pahamendrehana, ary miaina fiainana izay mifanaraka amin’ireo lalàna sy ireo didin’ny filazantsara?

  9. Moa ve ianao miezaka ny ho marin-toetra amin’ny zavatra rehetra ataonao?

  10. Moa ve ianao mpandoa fahafolonkarena feno?

    Ho an’ireo mpikambana vaovao mikatsaka fahazoan-dalana hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena: Vonona ve ianao hankatò ilay didy hoe handoa ny fahafolonkarena?

  11. Moa ve ianao mahatakatra sy manaja ny Tenin’ny Fahendrena?

  12. Moa ve ianao manana adidy ara-bola na adidy hafa amin’ny vadinao taloha na amin’ny zanaka?

    Raha eny, moa mahatontosa tsara ireo adidy ireo ve ianao?

  13. Moa ve ianao manaja ireo fanekempihavanana nataonao tany amin’ny tempoly, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana ny garmentan’ny tempoly araka ny torolalana nomena nandritra ny fanafiana masina? (Vakio amin’ny mpikambana tsirairay ilay fanambarana momba ny “Fanaovana ny garmentan’ny tempoly.”)

  14. Moa ve misy fahotana goavana eo amin’ny fiainanao izay tokony hovahana miaraka amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, izay tafiditra ao anatin’ny fibebahana ataonao?

  15. Moa ve ianao mihevitra ny tenanao ho mendrika ny hiditra ny tranon’ny Tompo sy handray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly?

26.3.3.2

Fanaovana ny garmentan’ny tempoly

Ny garmentan’ny tempoly dia mpampahatsiahy ireo fanekempihavanana natao tany amin’ny tempoly, ary rehefa tafina araka ny tokony ho izy izany mandritra ny androm-piainana, dia ho tonga fiarovana hanoherana ny fakam-panahy sy ny ratsy. Ny garmenta dia tokony hanaovana ao anatin’ny akanjo tafina ety ivelany. Tsy tokony hoesorina izany rehefa manao zavatra izay azo atao tsara ny manao garmenta rehefa manao izany, ary tsy tokony hamboamboarina izany hifanaraka amin’ny didin’akanjo samihafa. Ireo mpikambana efa nandray ny fanafiana masina dia tokony hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hamaliana ireo fanontaniana manokana mikasika ny fanaovana garmenta.

Tombontsoa masina ny fanaovana garmenta ary ny fanaovana izany dia fanehoana ety ivelany ny fanolorantena ao anatinao fa hanaraka an’i Jesoa Kristy Mpamonjy.

Raha manana fanontaniana momba ny fanaovana garmenta ny mpikambana dia asaivo mamaky ny 38.5.5 izy ireo.

26.3.3.3

Torolalana fanampiny

Antitranterin’ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana amin’ilay mpikambana ny tokony hitehirizana tsara ny fahazoan-dalany. Tsy tokony hampindramina olon-kafa na oviana na oviana izany ary tokony hanaovana tatitra avy hatrany any amin’izay olona nanome azy raha toa ka very na nisy nangalatra.

26.4

Fanomezana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo mpikambana tsy mbola nandray ny fanafiana masina

26.4.1

Torolalana ankapobeny

Ao amin’ny paroasy iray dia ny eveka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany no manao tafa sy dinika ireo mpikambana tsy mbola nandray fanafiana masina ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Ao amin’ny sampana iray dia ny filohan’ny sampana ihany no manao ny tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Manaraka ireo fitsipika izay voalaza ao amin’ny 26.3 ny mpitarika. Manome fahazoan-dalana izy raha mendrika ilay olona.

Ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly dia omena an’ireo mpikambana tsy mbola nandray fanafiana masina araka izao manaraka izao:

  • Ho an’ireo mpikambana 11 taona no ho miakatra izay hatao batisa sy horaisina ho mpikambana ho an’ny maty. (Ny zatovolahy efa notendrena tao amin’ny fisoronana sy ny zatovovavy dia afaka mahazo fahazoan-dalana manomboka ny volana janoary amin’ny taona izay handraisan’izy ireo 12 taona.)

  • Ho an’ireo mpikambana 8 taona ka hatramin’ny 20 taona izay hofehezina amin’ny ray aman-dreniny. Ireo ankizy latsaky ny 8 taona dia tsy mila fahazoan-dalana raha ho fehezina amin’ny ray aman-dreniny (Jereo ny 26.4.4).

  • Ho an’ireo mpikambana 8 taona ka hatramin’ny 20 taona izay hanatrika ny famehezana ny iray tampo, na ny iray ray, na ny iray reny aminy izay mbola velona amin’ny ray aman-dreniny.

Ireo mpikambana izay efa nandray ny fanafiana masina tany aloha dia tsy omena amin’ireo fahazoan-dalana nohazavaina ato amin’ity fizarana ity mihitsy.

Ny lehilahy iray mpikamban’ny Fiangonana izay ampy taona mba hihazona ny fisoronana dia tsy maintsy aroso ho amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana iray izay vao afaka mahazo fahazoan-dalana.

Rehefa manome fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà na ny filohan’ny sampana dia manao tafa sy dinika mitokana amin’ilay olona. Afaka manasa ray na reny na olon-dehibe iray hafa hanatrika eo anefa ilay olona.

26.4.2

Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo mpikambana vao vita batisa

Ataon’ny eveka tafa sy dinika ireo mpikambana vaovao ao anatin’ny taona ahafahana mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly mba hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena fotsiny. Manao izany tafa sy dinika izany izy fotoana fohy aorian’ny fandraisana ilay olona ho mpikambana, izay ao anatin’ny herinandro nahavitana izany raha ny tokony ho izy (jereo ny 26.4.1). Ho an’ireo rahalahy dia mety azo tanterahina miaraka amin’ny tafa sy dinika handraisana ny Fisoronana Aharôna io tafa sy dinika io. Ny lehilahy iray mpikamban’ny Fiangonana dia tsy maintsy tendrena ho amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana iray izay vao afaka mahazo fahazoan-dalana.

Afaka mandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany ireo mpikambana olon-dehibe mendrika rehefa feno herintaona katroka ny nandraisana azy ireo ho mpikamban’ny Fiangonana (jereo ny 27.2.1.1).

26.4.3.

Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly mba hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena fotsiny

Ireo fahazoan-dalana izay omena mba hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena dia tsy azo ampiasaina raha tsy ho amin’izany tanjona izany ihany. Atonta printy amin’ny alalan’ny fampiasana ny DDG ireo fahazoan-dalana ireo. Ny sonian’ilay mpikambana sy ny sonian’ilay mpikambana iray ao amin’ny episkôpà na ny filohan’ny sampana ihany no takina amin’izany.

Mba hahitana fampahalalana mikasika ny famandrihana fotoana hanaovana batisa sy fandraisana ho mpikambana ho an’ireo maty, dia jereo ny 28.2.1.

26.4.4

Fahazoan-dalana ho an’ny famehezana ireo zanaka mbola velona amin’ny ray aman-dreny

Ireo mpikambana tsy mbola nandray fanafiana masina izay 8 ka hatramin’ny 20 taona dia omena fahazoan-dalana mba handray anjara amin’ireo famehezana araka izao manaraka izao:

  • Mba hofehezina amin’ireo ray aman-dreniny

  • Mba hanatrika ny famehezana ny iray tampo, na ny iray ray, na iray reny aminy izay mbola velona amin’ireo ray aman-dreniny.

Ireo izay omena fahazoan-dalana mba handray anjara amin’ireo famehezana dia ataon’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà na ny filohan’ny sampana tafa sy dinika. Ataon’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny misiôna tafa sy dinika koa izy ireo.

Ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà na ny filohan’ny sampana no manonta printy ireo fahazoan-dalana ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ny DDG. Azo atao ny manome fahazoan-dalana hidirana ny tempoly hanaovana famehezana ho an’ny ankizy tsirairay na ho an’ny vondron’ankizy izay ao anatin’ny fianakaviana iray ihany. Azo atao ny mampiasa io fahazoan-dalana tokana io hitanisana ireo zanaka izay hofehezina sy ireo zanaka izay hanatrika.

Ireo ankizy latsaky ny 8 taona dia tsy mila fahazoan-dalana raha hofehezina amin’ny ray aman-dreniny. Tsy mila fahazoan-dalana ihany koa izy ireo raha hanatrika ny famehezana ny iray tampo, na ny iray ray, na ny iray reny aminy amin’ireo ray aman-dreniny.

Ireo mpikambana 21 taona no ho miakatra dia tsy azo fehezina amin’ny ray aman-dreniny ary tsy afaka manatrika ny famehezana raha tsy efa (1) nandray ny fanafiana masina sy (2) manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery.

Jereo ny 27.4.4 sy ny 38.4.2 mba hijerena ireo fitsipika fanampiny mikasika ny fanatrehana ireo famehezana sy ny famehezana amin’ny ray aman-dreny.

Sary
zatovo mihazona fahazoan-dalana eo ivelan’ny tempoly

26.5

Fanomezana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ao anatina toe-javatra manokana

26.5.1

Mpikambana handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany

Hita ao anatin’ny bokin’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly lah. 2 ny torolalana ho an’ny fanomezana fahazoan-dalana ho an’ny olona izay handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany. Afaka mandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany ireo mpikambana mendrika izay maniry ny handray izany rehefa mahafeno ireto fepetra rehetra manaraka ireto:

  • 18 taona izy ireo farafahakeliny.

  • Nahavita ny fianarana tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa izy ireo na efa tsy mianatra any amin’ny lisea, na sekoly ambaratonga faharoa, na izay mitovy amin’izany intsony.

  • Efa feno herintaona katroka ny nandraisana azy ireo ho mpikambana.

  • Manana faniriana ny handray sy hanaja ireo fanekempihavanana atao any amin’ny tempoly mandritra ny fiainany izy ireo.

Ankoatra izay dia tsy maintsy mihazona ny Fisoronana Melkizedeka ny lehilahy iray alohan’ny handraisany ny fanafiana masina ho an’ny tenany. Ho fampahalalana mikasika ireo mpikambana miomana handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany, dia jereo ny 25.2.8. Ho fampahalalana momba ny olona afaka mandray ny fanafiana masina, dia jereo ny 27.2.1.

26.5.2

Mpikambana vao vita batisa

Afaka mandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany ireo mpikambana olon-dehibe mendrika rehefa feno herintaona katroka ny nandraisana azy ireo ho mpikamban’ny Fiangonana (jereo ny 27.2.1.1). Maka antoka ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana fa herintaona katroka farafahakeliny aorian’ny daty nandraisana ilay olona iray ho mpikambana, fa tsy ny daty nanaovana batisa azy, ny daty handraisan’ny mpikambana iray ilay fanafiana masina. Ny Fiadidiana Voalohany ihany no afaka manome fahazoan-dalana ho an’ny tranga maningana.

Ny mpikambana vaovao izay mendrika dia tokony homena fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ny fanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena fotsiny ihany (jereo ny 26.4.2).

26.5.3.

Misiônera tanora niverina avy nanao asa fanompoana tany an-tany lavitra

Mialoha ny hahatontosan’ny misiônera tanora iray izay manao asa fanompoana any an-tany lavitra ny asa fanompoany dia manao tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ny filohan’ny misiôna. Raha mendrika ilay misiônera dia omeny fahazoan-dalana. Asian’ny filohan’ny misiôna daty ilay fahazoan-dalana ary ampidiriny mba hanan-kery ilay fahazoan-dalana, ka ho lany daty izany telo volana aorian’ny daty handehanan’ilay misiônera mody.

Manao tafa sy dinika amin’ireo misiônera nahavita asa fanompoana ny eveka mba hanomezana fahazoan-dalana vaovao hidirana ny tempoly rehefa akaiky ho tapitra ilay telo volana haha lany daty ilay fahazoan-dalana. Raha misy fahamehana rehefa tsy eo ny eveka dia afaka manome lalana ny iray amin’ireo mpanolotsainy izy mba hanao ireo tafa sy dinika ireo.

Ao amin’ireo paroasy lehibe ho an’ny tanora tokan-tena dia azon’ny eveka atao ny manome lalana mpanolotsaina efa manana traikefa mba hanao ireo tafa sy dinika ireo.

Avy eo ireo misiônera nahavita asa fanompoana dia mihaona amin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòkany mba hanao tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

Mandritra ireo tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ireo dia mamerina mijery ihany koa ireo torohevitra nomena nandritra ny tafa sy dinika nisaorana ilay misiônera ny eveka sy ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka (jereo ny 24.8.2). Resadresahan’izy ireo ao anatin’izany ny fivoaran’ilay misiônera nahavita asa fanompoana sy izay mahasoa azy ary ny antso tontosainy ao amin’ny Fiangonana. Amporisihin’izy ireo koa izy hanohy hizotra eo amin’ny lalana feno fivoarana ara-panahy sy fanompoana mandritra ny androm-piainana.

Raha tsy manana antso ao amin’ny Fiangonana ilay misiônera nahavita asa fanompoana dia ataon’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka izay hanomezana azy antso iray. Azo atao ny manolotra ireo misiônera nahavita asa fanompoana hanompo mba ho mpanatanteraka ôrdônansy ao amin’ny tempoly na ho mpirotsaka an-tsitrapo raha akaiky eo ny tempoly (jereo ny 25.5).

26.5.4

Mpikambana izay latsaky ny herintaona no nonenany tao amin’ny paroasy

Raha tsy nipetraka tao amin’ny paroasy iray nandritra ny herintaona tsy tapaka farafahakeliny ny mpikambana iray dia mijery ny firaketana ny mombamomba ilay mpikambana ny eveka mba hanamarinana fa tsy misy fanamarihana mikasika ny famerana ny zo maha-mpikamban’ny Fiangonana ao anatin’izany.

Mifandray amin’ilay eveka teo aloha ny eveka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany alohan’ny hanaovana tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Raha mahafantatra ny mpanolotsaina iray fa misy fampahalalana tsiambaratelo zarainy, dia faranany hatreo ilay fifampiresahana. Mampahafantatra ny evekany izy mba hifandray amin’ilay eveka teo aloha alohan’ny hanaovana tafa sy dinika.

26.5.5

Aorian’ny fisaraham-panambadiana na ny fisarahana na ny fanafoanana fanambadiana

Mety hahatsapa ho taomim-panahy ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka mba hanao tafa sy dinika amin’ny mpikambana iray izay nisara-panambadiana na nisara-toerana araka ny lalàna na nofoanana ny fanambadiany hatramin’ny fotoana farany nahazoany fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Mandritra io tafa sy dinika io dia mitondra fanampiana mba hampatanjaka ilay mpikambana ara-panahy izy ireo. Hamarinin’izy ireo koa raha toa ka mbola mendrika hatrany ny hiditra ny tempoly ilay mpikambana.

26.5.6

Mpikambana izay manana havana akaiky manohitra ampahibemaso ny Fiangonana na mikambana amina vondrona ao anatin’ny apôstazia

Mila mitandrina ny eveka sy ny mpanolotsainy rehefa manome fahazoan-dalana ho an’ireo mpikambana izay manana havana akaiky manohitra ampahibemaso ny Fiangonana na mpikambana amina vondrona izay ao anatin’ny apôstazia. Ny mpikambana miaina ao anatin’ireo toe-javatra ireo dia tsy tokony hatao mahatsapa fa tsy afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izy ireo noho ireo fikambanana misy ny fianakaviany. Tokony hamporisihana izy ireo hitazona fifandraisana amim-pitiavana amin’ireo havany akaiky. Azo omena fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izy ireo raha mamaly araka ny tokony ho izy sy amin-kitsimpo ireo fanontaniana ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

26.5.7

Ireo mpikambana izay mahatsapa ny tenany ho transgenres (olona izay tsy mitovy amin’ny namaritana azy ny fahatsapany ny maha-lahy na ny maha-vavy azy na ny fanehoany izany)

Ny mpikambana mendrika izay mamaritra ny tenany ho transgenre kanefa tsy manaraka fitsaboana, na fandidiana, na manova ny mombamomba ny tena mba ho lasa lahy na vavy izay mifanohitra amin’ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy azy tamin’ny nahaterahany (“fanovana ny namaritana ho lahy na ho vavy tany am-pahaterahana”) dia afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy ireo ôrdônansin’ny tempoly.

Ireo ôrdônansin’ny tempoly dia raisina arakaraka ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy ny olona iray tamin’ny nahaterahany. Noho io antony io, ireto mpikambana manaraka ireto dia tsy afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, tafiditra ao anatin’izany ny fahazoan-dalana hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena:

  • Ny mpikambana izay nandray amin-kitsimpo fitsaboana na fandidiana mba hiovana ho lahy na ho vavy

  • Ny mpikambana izay nanova ny mombamomba ny tenany ara-piarahamonina mba ho lasa lahy na vavy izay mifanohitra amin’ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy azy tamin’ny nahaterahany

Ny filohan’ny tsatòka dia tokony hifandinika amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra mba hiatrehana amim-pitandremana sy ao anatin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy ny toe-javatra mahazo ny olona manokana (jereo ny 38.6.23 sy ny 38.7.7).

26.5.8

Mpikambana izay nahavita fandikan-dalàna goavana

Ny mpikambana iray izay nahavita fahotana goavana dia tsy afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly raha tsy efa nibebaka (jereo ny 32.6). An’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka manokana ny andraikitra handray fanapahan-kevitra momba ny faharetan’ny fe-potoana manelanelana ilay fahotana sy ny fanomezana fahazoan-dalana. Tokony ho ampy tsara izany mba hakana antoka fa tena efa nibebaka tamin-kitsimpo tokoa ilay olona.

26.5.9

Mpikambana izay naverina noraisina ho mpikambana taorian’ny fanesorana azy tsy ho mpikambana na ny fialany tsy ho mpikambana

26.5.9.1

Mpikambana izay tsy mbola nandray fanafiana masina tany aloha

Rehefa misy mpikambana tsy mbola nandray fanafiana masina tany aloha ka averina raisina amin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana dia afaka manao tafa sy dinika amin’ny eveka izy, mba hahazoany fahazoan-dalana hidirana ny tempoly hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena (jereo ny 26.4.2). Io tafa sy dinika io raha ny tokony ho izy dia atao herinandro aorian’ny fandraisana ilay olona ho mpikambana. Ny lehilahy mpikamban’ny Fiangonana dia tsy maintsy tendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny fisoronana izay vao afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

Ireo mpikambana ireo dia tsy azo omena fahazoan-dalana handraisana ny fanafiana masina ho an’ny tenan’izy ireo manokana raha tsy herintaona katroka aorian’ny datin’ny namerenana azy ireo tato amin’ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny batisa sy ny nandraisana azy ireo ho mpikambana.

26.5.9.2

Ireo mpikambana izay efa nandray ny fanafiana masina tany aloha

Ny mpikambana izay efa nandray ny fanafiana masina tany aloha dia tsy afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly na inona na inona karazany raha tsy voaverina amin’ny laoniny ireo fitahian’ny tempoly ho azy ireo amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny famerenana ireo fitahiana amin’ny laoniny (jereo ny 32.17.2). Rehefa tafaverina ireo fitahiana ho azy ireo dia azo omena fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ny mpikambana efa nandray fanafiana masina izy ireo.