Boky torolalana sy antso
37. Tsatòka sy paroasy ary sampana ho an’ny sokajin’olona manokana


“37. Tsatòka sy paroasy ary sampana ho an’ny sokajin’olona manokana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“37. Tsatòka sy paroasy ary sampana ho an’ny sokajin’olona manokana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
olona mihinana eny ivelany

37.

Tsatòka sy paroasy ary sampana ho an’ny sokajin’olona manokana

37.0

Teny fanolorana

Ny filohan’ny tsatòka dia afaka mandroso ny hananganana tsatòka sy paroasy ary sampana ho an’ny sokajin’olona manokana mba hanompoana ireo mpikambana araka izay voalaza ao anatin’ity toko ity. Jereo ny 36.3 ho an’ny fampahalalana mikasika ny fananganana rantsana ho an’ny sokajin’olona manokana ao anatin’ny misiôna.

Ao amin’ny Proposition de limites (Boundary and Leadership Proposals) ny filohan’ny tsatòka no manomboka fangatahana vaovao. Raha tsy afaka mampiasa ilay rafitra fanaovana izany ao amin’ny internet izy dia afaka misintona ireo taratasy ho fenoina amin’ny fikitihana ny rohy ho an’izany. Ny Fiadidiana Voalohany ihany no afaka manome fankatoavana amin’ilay fangatahana.

Ho fanampiana ho an’ireo any Etazonia sy Kanadà dia antsoy ny 1-801-240-1007. Raha any ivelan’i Etazonia sy Kanadà dia antsoy ny biraon’ny vondromparitra.

37.1

Paroasy sy sampana miteny amin’ny fiteny hafa

Ny filohan’ny tsatòka no afaka mandroso ny hananganana paroasy na sampana miteny amin’ny fiteny hafa ho an’ny mpikambana ao amin’ny tsatòka (1) izay tsy miteny ny fiteny eo an-toerana na (2) izay mampiasa fiteny tanana.

Ny filohan’ny tsatòka ihany koa dia afaka manao fangatahana hanangana paroasy na sampana miteny amin’ny fiteny hafa izay ahitana mpikambana avy amin’ny tsatòka iray na maromaro manodidina. Miara-manomana sy mandrindra ilay fangatahana ireo filohan’ny tsatòka voakasik’izany. Ny iray amin’ireo tsatòka mandray anjara amin’izany no tompon’andraikitra amin’ilay paroasy na sampana.

Ireo fepetra kely indrindra takina hahafahana manangana paroasy na sampana miteny amin’ny fiteny hafa ao anatin’ny tsatòka

Paroasy

Sampana

Isan’ny mpikambana (na mazoto na malaindaina)

Paroasy

125

Sampana

Tsy misy fetra

Isan’ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka mazoto sy mpandoa fahafolonkarena feno afaka manompo amina antsona mpitarika

Paroasy

1 isaky ny mpikambana 20 (na mazoto na malaindaina). Tsy maintsy misy 15 farafahakeliny.

Sampana

4

Ny sisin-tanin’ireo rantsana mampiasa fiteny hafa amin’ny ankapobeny dia manaraka ny sisin-tanin’ireo paroasy sy sampana ary tsatòka mahazatra.

Ny ankizy sy zatovo ao amin’ny rantsana iray mampiasa fiteny hafa dia azo atambatra kilasy amin’ireo rantsana mahazatra raha tiana (jereo ny 29.2.8).

Jereo ny 36.3 ho an’ireo sampana mampiasa fiteny hafa ao anatin’ny misiôna. Jereo ny 36.4.2 ho an’ny torolalana fanomezana anarana paroasy sy sampana.

Sary
tanora mifampiresaka

37.1.1

Mpikambana ao amin’ny paroasy na sampana mampiasa fiteny hafa

  • Tsy maintsy monina ao anatin’ny faritr’ilay paroasy na sampana mampiasa fiteny hafa ireo mpikambana.

  • Afaka misafidy ireo mpikambana na ho mpikambana ao amin’ilay rantsana mampiasa fiteny hafa na ao amin’ny rantsana mahazatra misy azy ireo.

  • Ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ny olona tsirairay dia tokony ho ao amin’izay rantsana hivavahany.

37.1.2

Ireo mpitarika ao amin’ny paroasy na sampana mampiasa fiteny hafa

  • Amin’ny ankapobeny ny eveka na ny filohan’ny sampana sy ireo mpanolotsainy dia antsoina avy ao anatin’ny faritr’ilay rantsana mampiasa fiteny hafa. Azo atao ihany ny tranga maningana ho an’ireo mpitarika izay tsy mipetraka ao anatin’ny faritr’ilay rantsana raha toa izy ireo ka mipetraka ao anatin’ilay tsatòka miandraikitra izany.

  • Takina ny fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany mialoha ny hiantsoana eveka.

  • Amin’ny ankapobeny ireo mpitarika sy mpampianatra hafa dia antsoina avy amin’ireo mpikambana ao amin’ilay paroasy na sampana.

37.2

Paroasy sy sampana ho an’ny tanora tokan-tena ao anatin’ny tsatòka mahazatra misy azy ireo

Ny filohan’ny tsatòka dia afaka manao fangatahana hanangana paroasy na sampana ho an’ny tanora tokan-tena (ho an’ireo mpikambana 18–30 taona) raha toa ampy ny isan’ny tanora tokan-tena mazoto ao amin’ilay tsatòka ka te hanatrika izany. Tokony hodinihina ireto zavatra manaraka ireto:

  • Ny vokatr’izany eo amin’ny fivoaran’ny tenan’ireo tanora tokan-tena manokana sy ny fivoaran’izy ireo ara-panahy. Tafiditra ao anatin’izany ny fahafahan’izy ireo mandray anjara eo amin’ireo sehatra rehetra ao amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny 1.2).

  • Ny vokatr’izany eo amin’ireo rantsana mahazatra misy azy ireo izay hisintonana mpikambana ho ao amin’ilay rantsana ho an’ny tanora tokan-tena.

  • Ny fotoana lanin’ireo tanora tokan-tena sy ireo mpitarika amin’ny dia mankany ary ny saran’izany.

Ireo filohan’ny tsatòka dia afaka ihany koa manao fangatahana ny hananganana paroasy na sampana izay iraisan’ireo mpikambana avy amin’ny tsatòka iray na maromaro mifanakaiky eo. Tokony hodinihin’ireo filohan’ny tsatòka raha toa ka mahavaly tsara kokoa ireo zavatra ilain’ireo tanora tokan-tena ny fiarahan’ny tsatòka maro manao fiaraha-mientana toy izay hanorina paroasy iray na sampana iray. Ny iray amin’ireo tsatòka mandray anjara amin’izany no tompon’andraikitra amin’ilay paroasy na sampana.

Ny tsatòka iray mahazatra izay mifanitsaka amin’ny an’ny tsatòka iray ho an’ny tanora tokan-tena ny faritr’ireo sisin-taniny dia tsy tokony hanana rantsana ho an’ny tanora tokan-tena ho azy manokana.

Ireo fepetra kely indrindra takina hahafahana manangana rantsana iray ho an’ny tanora tokan-tena ao anatina tsatòka

Paroasy

Sampana

Isan’ny mpikambana mazoto

Paroasy

125

Sampana

50

Isan’ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka mazoto sy mpandoa fahafolonkarena feno afaka manompo amina antsona mpitarika

Paroasy

1 isaky ny mpikambana 20 (na mazoto na malaindaina). Tsy maintsy misy 15 farafahakeliny.

Sampana

4

Raha ny mahazatra, ny paroasy ho an’ny tanora tokan-tena dia tsy tokony hisy mpikambana mazoto mihoatra ny 225.

Jereo ny 36.4.2 ho an’ny torolalana fanomezana anarana paroasy sy sampana.

37.2.1

Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy na sampana iray ho an’ny tanora tokan-tena ao amin’ny tsatòka mahazatra misy azy ireo

  • Ny mpikambana dia tsy maintsy tanora tokan-tena (18–30 taona) izay mipetraka ao anatin’ny faritr’ilay paroasy na sampana ho an’ny tanora tokan-tena.

  • Afaka misafidy ireo tanora tokan-tena raha te ho mpikambana ao amin’ny rantsana ho an’ny tanora tokan-tena na ao amin’ny rantsana mahazatra misy azy ireo.

  • Ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ny olona tsirairay dia tokony ho ao amin’izay rantsana hivavahany.

  • Azon’ny filohan’ny tsatòka atao ny manao fankatoavana ny famindrana ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ny tanora tokan-tena iray malaindaina ao amin’ny tsatòka sahaniny, avy ao amin’ilay rantsana mahazatra mankany amin’ilay rantsana ho an’ny tanora tokan-tena, raha tsapany fa hanampy azy izany. Rehefa lasa mazoto ilay mpikambana malaindaina dia afaka misafidy ilay tanora tokan-tena na hanatrika ilay rantsana ho an’ny tanora tokan-tena na ilay rantsana mahazatra.

  • Ny tanora tokan-tena (18–30 taona) izay ray aman-dreny ary manan-janaka ao an-trano dia mijanona ao amin’ny rantsana mahazatra misy azy. Ireo ray aman-dreny ireo dia afaka manatrika ireo fiaraha-mientana karakarain’ilay rantsana ho an’ny tanora tokan-tena.

  • Tsy manatrika ao amin’ilay rantsana ho an’ny tanora tokan-tena intsony ireo mpikambana rehefa manambady na rehefa feno 31 taona. Jereo ny 37.5 ho an’ny mpikambana olon-dehibe tokan-tena 31–45 taona.

37.2.2

Ireo mpitarika ao amin’ny paroasy na sampana ho an’ny tanora tokan-tena ao amin’ny tsatòka mahazatra misy azy ireo

  • Ny eveka na filohan’ny sampana dia tokony ho lehilahy manambady manana fandanjalanjana sy traikefa matotra. Takina ny fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany mialoha ny hiantsoana eveka. Amin’ny ankapobeny ny eveka na filohan’ny sampana dia monina ao anatin’ny faritr’ilay rantsana ho an’ny tanora tokan-tena. Azo atao ny tranga maningana ho an’ireo rantsana ho an’ny tanora izay miandraikitra oniversite sy sekoly ambony.

  • Mety ho mpikambana ao amin’ilay rantsana ireo mpanolotsain’ny eveka. Na mety ho lehilahy tokan-tena na manambady izay mipetraka ao anatin’ny faritr’ilay rantsana izy ireo. Tsy maintsy mpisorona avo izy ireo. Raha tsy mpisorona avo ny lehilahy iray voantso ho mpanolotsaina ao amin’ny episkôpà dia ataon’ny filohan’ny tsatòka izay hanendrena azy ho mpisorona avo mialoha ny hanokanana azy.

  • Ny filohan’ny sampana sy ireo mpanolotsainy dia mety na mpisorona avo na loholona.

  • Ireo mpitarika hafa sy mpampianatra dia antsoina avy amin’ireo tanora tokan-tena izay mpikambana ao amin’ilay rantsana.

37.3

Ireo tsatòka ho an’ny tanora tokan-tena sy ireo paroasy sy sampana ao anatiny

Any amin’ny faritra iray ahitana tanora tokan-tena maro dia maro monina ao, mazàna eo akaikina oniversite na sekoly ambony, dia azo atao ny manangana tsatòka maromaro ho an’ny tanora tokan-tena.

Fepetra kely indrindra takina hahafahana manangana tsatòka na paroasy na sampana ho an’ny tanora tokan-tena

Tsatòka ho an’ny tanora tokan-tena

  • mpikambana 1.500 (na mazoto na malaindaina)

  • paroasy 5

Paroasy ho an’ny tanora tokan-tena ao anatina tsatòka ho an’ny tanora tokan-tena

  • mpikambana 125 (mazoto)

  • Mpihazona Fisoronana Melkizedeka mpandoa fahafolonkarena 1 mazoto, izay afaka manompo amin’ny toerana mpitarika isaky ny mpikambana 20 (na mazoto na malaindaina). Tsy maintsy misy 15 farafahakeliny.

Sampana ho an’ny tanora tokan-tena ao anatina tsatòka ho an’ny tanora tokan-tena

  • mpikambana 50 (mazoto)

  • Mpihazona Fisoronana Melkizedeka mpandoa fahafolonkarena 4 mazoto, izay afaka manompo amin’ny toerana mpitarika

Ny tsatòka iray mahazatra izay mifanitsaka faritra sisin-tany amin’ny an’ny tsatòka iray ho an’ny tanora tokan-tena dia tsy tokony hanana rantsana ho an’ny tanora tokan-tena ho azy manokana.

Ny rantsana iray ho an’ny tanora tokan-tena izay ao anatina tsatòka mahazatra iray dia tsy azo afindra ho ao anatina tsatòka ho an’ny tanora tokan-tena raha tsy hoe:

  • Mifanila amin’ilay tsatòka ho an’ny tanora tokan-tena ny faritra misy azy.

  • Samy mangataka ny famindrana ireo filohan’ny tsatòka roa tonta.

Jereo ny 36.4.1 sy ny 36.4.2 ho an’ny torolalana mikasika ny fanomezana anarana tsatòka sy paroasy.

37.3.1

Ireo mpikambana ao amina tsatòka ho an’ny tanora tokan-tena sy ireo paroasy sy sampana ao anatiny

  • Ny mpikambana dia tsy maintsy tanora tokan-tena (18–30 taona) izay mipetraka ao anatin’ny faritr’ilay paroasy na sampana ho an’ny tanora tokan-tena.

  • Ireo tanora tokan-tena rehetra na mavitrika na malaindaina izay ao anatin’ny faritr’ilay tsatòka ka tsy miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny dia mpikambana ao amin’ilay tsatòka ho an’ny tanora tokan-tena raha tsy hoe misafidy ny hanatrika ao amin’ny rantsany mahazatra misy azy izy.

  • Ireo tanora tokan-tena izay miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny dia afaka misafidy ny ho mpikambana ao amin’ilay rantsana ho an’ny tanora tokan-tena na ao amin’ny rantsana mahazatra misy azy ireo.

  • Ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ny olona tsirairay dia tokony ho ao amin’izay rantsana hivavahany.

  • Ny tanora tokan-tena (18–30 taona) izay ray aman-dreny ary manan-janaka ao an-trano dia mijanona ao amin’ny rantsana mahazatra misy azy. Ireo ray aman-dreny ireo dia afaka manatrika ireo fiaraha-mientana karakarain’ilay rantsana ho an’ny tanora tokan-tena.

  • Tsy manatrika ao amin’ilay rantsana ho an’ny tanora tokan-tena intsony ireo mpikambana rehefa manambady na rehefa feno 31 taona. Jereo ny 37.5 ho an’ny mpikambana olon-dehibe tokan-tena (31–45 taona).

37.3.2

Mpitarika ao amin’ny tsatòka ho an’ny tanora tokan-tena sy ireo paroasy sy sampana ao anatiny

  • Ny filohan’ny tsatòka, ny patriariky ny tsatòka, ny eveka ary ny filohan’ny sampana dia tokony ho lehilahy manambady manana fandanjalanjana sy traikefa matotra. Takina ny fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany mialoha ny hiantsoana eveka. Izy ireo dia mety ho olona mipetraka any ivelan’ny faritr’ilay tsatòka no nantsoina, araka izay fanapahan-kevitry ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Ireo izay manolotra ireo antso ireo dia mifanakalo hevitra amin’ny filohan’ny tsatòkan’ilay olona aloha mba hahazoana fankatoavana. Raha mila torolalana dia jereo ny toko 30.

  • Mety ho lehilahy tokan-tena na manambady ireo mpanolotsain’ny filohan’ny tsatòka, ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo, sy ireo mpanolotsaina ao amin’ny episkôpà ary ireo mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny sampana. Mety ho vehivavy tokan-tena na manambady ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka sy ny mpanolotsainy. Mety ho lehilahy tokan-tena na manambady ny filohan’ny Sekoly Alahady sy ireo mpanolotsainy. Mety ho mpikambana ao amin’ilay tsatòka ireo mpitarika ireo. Na mety ho olona mipetraka any ivelan’ny faritr’ilay tsatòka izy ireo no nantsoina, araka izay fanapahan-kevitry ny Fiadidian’ny Vondromparitra.

  • Tsy maintsy mpisorona avo ireo mpanolotsain’ny eveka. Raha tsy mpisorona avo ny lehilahy iray voantso ho mpanolotsaina ao amin’ny episkôpà dia ataon’ny filohan’ny tsatòka izay hanendrena azy ho mpisorona avo mialoha ny hanokanana azy. Ny filohan’ny sampana sy ireo mpanolotsainy dia mety na mpisorona avo na loholona.

  • Takina ny fankatoavan’ny kôlejin’ny Roambinifololahy mialoha ny hiantsoana patriarika.

  • Any amin’ireo paroasy sy sampana dia amin’ireo tanora tokan-tena izay mpikambana ao amin’ilay rantsana no hiantsoana ireo mpitarika hafa sy mpampianatra.

37.4

Tsatòka sy paroasy ho an’ny mpianatra manambady

Azo atao ny manangana tsatòka sy paroasy ho an’ny mpianatra manambady hanompoana ireo mpikambana izay mpianatra manambady monina eo akaikina oniversite na sekoly ambony.

Fepetra kely indrindra takina ahafahana manangana tsatòka na paroasy ho an’ny mpianatra manambady

Tsatòka ho an’ny mpianatra manambady

  • mpikambana 1.500 (na mazoto na malaindaina)

  • paroasy 5

Paroasy ho an’ny mpianatra manambady

  • mpikambana 125 (na mazoto na malaindaina)

  • Mpihazona Fisoronana Melkizedeka mpandoa fahafolonkarena 1 mazoto, izay afaka manompo amin’ny toerana mpitarika isaky ny mpikambana 20 (na mazoto na malaindaina). Tsy maintsy misy 15 farafahakeliny.

Jereo ny 36.4.1 sy ny 36.4.2 ho an’ny torolalana mikasika ny fanomezana anarana tsatòka sy paroasy.

37.4.1

Ireo mpikambana ao amin’ny tsatòka sy sampana ho an’ny mpianatra manambady

  • Ireo mpikambana dia tsy maintsy mpianatra manambady izay monina ao anatin’ny faritr’ilay paroasy ho an’ny mpianatra manambady.

  • Ireo mpianatra manambady dia afaka misafidy ny ho mpikambana ao amin’ilay paroasy ho an’ny mpianatra manambady na ao amin’ny paroasy mahazatra misy azy ireo.

  • Ny taratasy firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana dia tokony ho any amin’ny rantsana izay hivavahan’ilay fianakaviana.

37.4.2

Ireo mpitarika ao amin’ny tsatòka sy paroasy ho an’ny mpianatra manambady

Jereo ny 37.3.2 ary ireo torolalana ireo ihany no ampiharina.

37.5

Paroasy ho an’ny olon-dehibe tokan-tena

Amin’ny ankapobeny, ireo olon-dehibe tokan-tena (31–45 taona) dia voakarakara tsara kokoa ao anatina rantsana mahazatra. Ho tranga maningana, dia azon’ny filohan’ny tsatòka iray atao ny mandroso hevitra ny hananganana paroasy ho an’ny olon-dehibe tokan-tena.

Azon’ny filohan’ny tsatòka atao koa ny mandroso hevitra ny hananganana paroasy ho an’ny olon-dehibe tokan-tena izay ahitana mpikambana avy amina tsatòka iray na maromaro mifanila. Miara-manomana sy mandrindra ilay fangatahana ireo filohan’ny tsatòka voakasik’izany. Iray amin’ireo tsatòka voakasika no ho tompon’andraikitra amin’ilay paroasy.

Fepetra kely indrindra takina hahafahana manangana paroasy ho an’ny olon-dehibe tokan-tena ao anatina tsatòka

Isan’ny mpikambana (na mazoto na malaindaina)

125

Isan’ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka mazoto sy mpandoa fahafolonkarena feno afaka manompo amina antsona mpitarika

1 isaky ny mpikambana 20 (na mazoto na malaindaina). Tsy maintsy misy 15 farafahakeliny.

Jereo ny 36.4.2 mba hahitana torolalana hanomezana anarana ny paroasy.

37.5.1

Mpikambana ao amin’ny paroasy ho an’ny olon-dehibe tokan-tena

  • Ireo mpikambana dia tsy maintsy olon-dehibe tokan-tena (31–45 taona) izay mipetraka ao anatin’ny faritr’ilay paroasy ho an’ny olon-dehibe tokan-tena.

  • Ireo olon-dehibe tokan-tena dia afaka misafidy ny ho mpikambana ao amin’ny paroasy ho an’ny olon-dehibe tokan-tena na ao amin’ny rantsana mahazatra misy azy ireo.

  • Ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ny olona tsirairay dia tokony ho ao amin’izay rantsana hivavahany.

  • Ny olon-dehibe tokan-tena (31–45 taona) izay ray aman-dreny ary manan-janaka ao an-trano dia mijanona any amin’ny rantsana mahazatra misy azy ireo. Azon’ireo ray aman-dreny ireo atao ny manatrika ireo fiaraha-mientana ao amin’ilay paroasy ho an’ny olon-dehibe tokan-tena.

  • Tsy manatrika ao amin’ny paroasy ho an’ny olon-dehibe tokan-tena ny mpikambana rehefa manambady izy ireo na rehefa feno 46 taona.

37.5.2

Ireo mpitarika ao amin’ny paroasy ho an’ny olon-dehibe tokan-tena

  • Ny eveka dia tokony ho mpisorona avo manambady manana fandanjalanjana sy traikefa matotra. Takina ny fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany mialoha ny hiantsoana eveka.

  • Mety ho mpikambana ao amin’ilay rantsana ireo mpanolotsain’ny eveka. Na mety ho lehilahy tokan-tena na manambady izay mipetraka ao anatin’ny faritr’ilay rantsana izy ireo. Tsy maintsy mpisorona avo izy ireo. Raha tsy mpisorona avo ny lehilahy iray voantso ho mpanolotsaina ao amin’ny episkôpà dia ataon’ny filohan’ny tsatòka izay hanendrena azy ho mpisorona avo mialoha ny hanokanana azy.

  • Ireo mpitarika hafa sy mpampianatra dia antsoina eo anivon’ireo olon-dehibe tokan-tena izay mpikambana ao anatin’ilay paroasy.

37.6

Paroasy sy sampana ho an’ireo mpikambana miaina toe-javatra manokana

Afaka mandroso sosokevitra ny filohan’ny tsatòka ny hananganana paroasy na sampana ho an’ireo mpikambana miaina toe-javatra manokana, toa an’ireo ao amina ivon-toerana fikarakarana olona, na manaraka fitsaboana na any am-ponja.

Amin’ny ankapobeny ireo mpitarika izay antsoina hanompo ao amin’ireo rantsana ireo dia tokony ho monina ao amin’ilay tsatòka tompon’andraikitra amin’ilay rantsana.

Jereo ny 36.3 ho fampahalalana mikasika ireo sampana ho an’ny tanora tokan-tena na ho an’ny olon-dehibe tokan-tena ao anatina misiôna, na ho an’ireo mpikambana tsy miteny ny fiteny eo an-toerana, ho an’ireo mpikambana izay ao anatina ivon-toerana fikarakarana olona, na manaraka fitsaboana na any am-ponja na mpikambana ao amin’ny tafika.

Jereo ny 36.4.2 ho an’ny torolalana fanomezana anarana paroasy sy sampana.

Sary
zatovovavy mitsiky

37.7

Vondrona ao anatina tsatòka sy misiôna ary vondromparitra

Ny vondrona dia andiana mpikambana vitsivitsy nahazo lalana hivondrona eo ambany fanaraha-mason’ny eveka iray na filohana sampana na filohan’ny misiôna. Ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiôna dia afaka mangataka ny hananganana vondrona iray amin’ireto toe-javatra manaraka ireto:

  • Sarotra ho an’ireo izay mety ho mpikambana ao aminy ny fandehanana any amin’ny paroasy na sampana iray.

  • Misy mpikambana vitsivitsy miteny amin’ny fiteny hafa ankoatra ny fiteny ampiasaina ao amin’ilay sampana na paroasy.

  • Ireo mpikambana ao amin’ny tafika dia voakarakara kokoa rehefa ao anatina vondrona (jereo ny 38.9.4).

Rehefa handroso ny hananganana vondrona iray ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiôna dia mandefa fangatahana any amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Ny Fiadidian’ny Vondromparitra ihany no afaka manome fankatoavana an’ilay fangatahana.

Tsy maintsy misy mpikambana roa farafahakeliny ao amin’ny vondrona iray. Ny anankiray dia tsy maintsy mpisorona mendrika ao amin’ny Fisoronana Aharôna na mpihazona Fisoronana Melkizedeka mendrika.

Ao anatin’ny tsatòka dia ny filohan’ny tsatòka no manome andraikitra eveka na filohan’ny sampana iray hanokatra sy hanara-maso ilay vondrona. Ao anatin’ny misiôna dia ny filohan’ny misiôna no manome andraikitra ny filohan’ny sampana handrindra sy hanara-maso izany.

Amin’ny ankapobeny dia azo atao ny manangana vondrona mba hikarakarana ireo mpikambana izay mipetraka amin’ny rantsana iray na maromaro ao anatin’ny tsatòka na distrika iray. Ny fahafahana ho lasa mpikambana ao anatin’ny vondrona dia voafetra ho an’ireo izay mipetraka ao anatin’ny faritry ny sisin-tany misy ilay rantsana na ireo rantsana tafiditra ao anatin’izany ihany. Ny faritry ny vondrona dia tsy tokony hihoatra ivelan’ny sisin-tanin’ny tsatòka na ny distrika.

Ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiôna na ny eveka na ny filohan’ny sampana no miantso mpitarika ny vondrona sy manokana azy. Ny mpitarika ny vondrona no mandrindra sy mitarika ireo fivorian’ny vondrona, izay ahitana fikarakarana ny fanasan’ny Tompo.

Tsy mihazona fanalahidin’ny fisoronana ny mpitarika ny vondrona ary tsy mahazo lalana ny:

  • Handray fahafolonkarena sy fanatitra.

  • Hanoro hevitra ireo mpikambana mikasika ny fahotana goavana.

  • Hanome famerana tsotsotra na ôfisialy ny zo maha-mpikambana.

  • Hanatanteraka andraikitra hafa izay ilana fanalahidin’ny fisoronana.

Raha ny tokony ho izy, ny vondrona dia mampiasa ny Fandaharam-pampianarana fototra ho an’ny rantsana (jereo ny 36.6).

Ny taratasy firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ireo mpikambana ao amin’ny vondrona dia tazonina ao amin’ny paroasy na sampana izay manara-maso ilay vondrona.

Ny foiben’ny Fiangonana dia tsy manome laharana rantsana ho an’ireo vondrona.

Rehefa mahafeno fepetra ny vondrona iray dia azon’ny filohan’ny tsatòka na filohan’ny misiôna atao ny mangataka ny hanovana izany ho lasa sampana.

37.8

Rantsan’ny Fiangonana any amin’ny tobin’ny miaramila

Raha mila torolalana mikasika ny fananganana sampana sy paroasy ary vondrona ho an’ny mpikambana manompo ao amin’ny tafika izay miangona ao anatin’ny tobin’ny miaramila, dia jereo ny 38.9.4.