Boky torolalana sy antso
30. Ireo antso ao amin’ny Fiangonana


“30. Ireo antso ao amin’ny Fiangonana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“30. Ireo antso ao amin’ny Fiangonana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
olona manangana ny tanana havanana

30.

Ireo antso ao amin’ny Fiangonana

30.0

Teny fanolorana

Nanome andraikitra masina mba hotanterahin’i Jesoa Kristy ny Ray any An-danitra (jereo ny Lioka 4:18–19; Jaona 6:38; 3 Nefia 27:14–16). Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany, ny Mpamonjy dia nampiantsoroka andraikitra manan-danja an’ireo mpianany (jereo ny Lioka 10:1–9). Torak’izany koa, ny Tompo dia miantso lehilahy sy vehivavy mba hanompo ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny fanasana azo avy amin’ny fanentanam-panahy avy amin’ireo mpanompony. Antsoina hoe antso ireo fahafahana hanompo ireo.

Ny antso dia manome fahafahana an’ireo mpikambana mba hahatsapa ny fifaliana avy amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanompoana ny zanany (jereo ny Môzià 2:17). Ny antso koa dia manampy ireo mpikambana mba hampitombo ny finoan’izy ireo sy mba hanakaiky kokoa ny Tompo.

Tsy mety ny mitsiriritra antso iray manokana ao amin’ny Fiangonana (jereo ny Marka 10:42–45; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–37). Tsy “misondrotra” avy ao amin’ny antso iray mankany amin’ny antso iray hafa koa ny mpikamban’ny Fiangonana. Rehefa avy nanompo tao anatin’ny antso iray izy ireo dia tsy tokony hanantena ny handray antso izay mifono andraikitra lehibe kokoa na antso ambony kokoa. Ny fanompoana amim-pahatokiana ao anatin’ny antso iray dia manan-danja kokoa noho ny hoe inona ilay antso. Manaja ny fanolorantena asehon’ireo olona rehetra manompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo.

Ity toko ity dia manazava ny fomba fiantsoana ireo mpikambana mba hanompo ao amin’ny Fiangonana sy ny fomba fisaorana azy ireo amin’ny antsony. Ahitana tabilao mirakitra ireo antso koa izany izay manome fampahalalana momba ny fanomezana antso manokana, sy ny fanohanana ireo mpikambana amin’ny antson’izy ireo ary ny fanokanana azy ireo (jereo ny 30.8).

30.1

Fanapahan-kevitra ny amin’ny hoe iza no antsoina

30.1.1

Torolalana ankapobeny

Voantson’ Andriamanitra ireo izay manompo ao amin’ny Fiangonana (jereo ny Hebreo 5:4; Fanekem-pinoana 1:5). Mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy ireo mpitarika rehefa manapa-kevitra ny amin’izay olona ho antsoina (jereo koa ny 4.2.6). Dinihin’izy ireo koa:

  • Ny fahamendrehan’ilay mpikambana (izay fantarina mandritra ny tafa sy dinika).

  • Ireo fanomezam-pahasoavana sy fahaiza-manao ananan’ilay mpikambana na azony hananana mba hitahiana ny hafa.

  • Ny toe-javatra manokana iainan’ilay mpikambana, ka tafiditra ao anatin’izany ny fahasalamany sy ny asa fivelomany.

  • Ny mety ho fiantraikan’ilay antso eo amin’ny fiainam-panambadian’ilay mpikambana sy ny fianakaviany.

Tokony hitahy ireo olona tompoina ary ilay mpikambana manompo sy ny olona ao amin’ny fianakaviany ny antso tsirairay. Ny antso koa dia manome fahafahana an’ireo mpikambana mba hivoatra.

Voatahy ireo mpikambana noho ny fahafoizan-tenan’izy ireo manompo ao amin’ny Fiangonana. Na izany aza dia tsy tokony hampiantsoroka enta-mavesatra tafahoatra eo amin’ny olona tsirairay sy ny fianakaviana ny antso iray. Tsy tokony hampananosarotra ny fanatanterahan’ireo mpikambana ny andraikiny ao anatin’ny asa fivelomany koa ny antso.

Amin’ny ankapobeny dia antsoina hanompo amin’ny antso iray ihany ny mpikambana iray, ankoatra ny maha-rahalahy manompo na rahavavy manompo azy. Tokony hahalana ny tranga maningana ary dinihina ombam-bavaka. Tsy voatery tsy maintsy fenoina olona daholo akory izay anjara andraikitra mety hisy.

Rehefa manolotra antso amin’ny olona iray manambady, dia tokony haka antoka ny mpitarika fa mahafantatra sy manohana ilay antso ny vady.

Mialoha ny hanolorana antso amin’ny zatovolahy na zatovovavy iray dia mangataka fankatoavana avy amin’ny rainy na ny reniny na ny mpiantoka azy ny mpitarika.

Mialoha ny hanolorana antso iray dia miverina mijery tsara ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ilay olona ny eveka mba hanamarinana fa tsy misy fanamarihana ao amin’ilay firaketana na famerana ôfisialy ny zo maha-mpikambana. Raha toa ka ilaina atolotra mialoha ny hahatongavan’ilay firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ao amin’ny paroasy ilay antso, dia mifampiresaka amin’ny evekan’ilay mpikambana teo aloha ny eveka.

Raha toa ka manolotra antso iray ny mpitarika iray ao amin’ny tsatòka, dia anontaniana an’ny evekan’ilay olona ny momba ny fahamendrehan’ilay mpikambana sy ireo toe-javatra hafa izay mety hisy fiantraikany eo amin’ny asa fanompoany (toy ireo voalaza etsy ambony).

30.1.2

Antso ho an’ireo mpikambana vaovao

Manampy ireo mpikambana hivoatra ara-panahy ny fahafahana manompo. Afaka manampy ireo mpikambana hanorina fifandraisana akaiky koa ny fiarahana manompo. Tena zava-dehibe tokoa izany ho an’ireo mpikambana vaovao.

Omen’ireo mpitarika ao amin’ny paroasy fahafahana hanompo ireo mpikambana vaovao raha vantany vao vita batisa sy noraisina ho mpikambana. Manana fahaiza-manao isan-karazany ireo mpikambana vaovao. Manasa azy ireo ombam-bavaka ny mpitarika mba hanompo amin’ny fomba izay hanampy azy ireo hivoatra manokana sy hitahy ny hafa. Ny mpikambana sasany dia vonona ny handray antso eo no ho eo. Ny hafa dia mety misafidy andraikitra sahanina mandritra ny fotoana tsy maharitra izay hanampy azy ireo hiomana handray antso. Jereo koa ny 23.2 sy ny 23.5.1.

30.1.3

Antso ho an’ireo tsy mpikambana

Ireo olona tsy mpikamban’ny Fiangonana dia azo antsoina hanao antso sasantsasany, toy ny mpitendry ôrga, na mpitarika hira, na antso mba hanampy amin’ny fandrafetana fiaraha-mietana. Na izany aza, dia tsy tokony hantsoina ho mpampianatra, na ho mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na fiadidian’ny rafitra, na ho mpitarika hira ao amin’ny Kilonga izy ireo.

Ny olona iray izay niharan’ny famerana ôfisialy ny zo maha-mpikambana na nesorina tsy ho mpikambana dia tsy azo omena antso (jereo ny 32.11.3 sy ny 32.11.4).

30.1.4

Ny fihazonana ny tsiambaratelo

Masina ireo antso sy ireo fisaorana. Noho izany dia mihazona ireo fampahalalana mikasika ireo antso atolotra sy ireo fisaorana ho tsiambaratelo ireo mpitarika. Ireo mpitarika dia mizara ny fampahalalana toy izany amin’ny fotoana sy any amin’ny toerana izay mifanaraka amin’ny toetra masin’izany.

Ohatra, ny olona iray izay kasaina hanao antso iray dia tsy ampahafantarina raha tsy amin’ny fotoana hanomezana azy ilay antso. Manampy amin’ny fisorohana fanalam-baraka izany raha toa ilay antso ka tsy atolotra indray.

Ankoatra izany, ireo izay mila mahafantatra izany ihany, toy ny vady sy ny fiadidian’ny rafitra izay miandraikitra ilay anjara asa sahanina, no ampahafantarina izany mialoha ny hampahafantarana ilay olona amin’ny besinimaro mba hotohanana.

30.1.5

Fanolorana anaran’olona homena antso sy fankatoavana izany

Ilay tabilao mirakitra ireo antso dia maneho hoe iza no afaka manolotra anarana ho an’ny antso tsirairay ary iza no manome fankatoavana (jereo ny 30.8). Amin’ny toe-javatra sasany, ireo mpitarika ao amin’ny kôlejy sy ao amin’ny rafitra no manolotra anaran’olona any amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny episkôpà. Ataon’izy ireo ombam-bavaka izany, hikatsahana fanentanam-panahy mikasika izay olona hatolotra. Afaka mifampidinika amin’ny episkôpà na ny fiadidian’ny tsatòka koa izy ireo.

Ireo eveka sy filohan’ny tsatòka dia tokony handanjalanja tsara ny anarana tsirairay izay atolotra, ary hahatsapa fa nodinihina ombam-bavaka izany. Ny episkôpà na ny fiadidian’ny tsatòka no manana andraikitra farany mba handray fanentanam-panahy mikasika izay olona ho antsoina. Raha ilaina dia afaka mangataka fanolorana anarana hafa izy ireo.

Raha mahatsapa ho entanim-panahy hiantso olon-kafa noho ilay olona natolotra ny eveka na ny filohan’ny tsatòka, dia tsy midika izany akory hoe tsy natao tamin’ny alalan’ny fikatsahana fanentanam-panahy ny fanolorana ilay olona. Mety nisy fampahalalana teo an-tanan’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka izay tsy nananan’ireo izay nanolotra ilay anaran’olona.

Sary
vehivavy iray mamaky ho an’ny ankizy iray

30.2

Fanomezana antso

Tokony ho zavatra iainana iray izay manan-danja ho an’ny mpikambana iray ny fandraisana antso. Tombontsoa masina sy mitondra fifaliana ny antso hanompo ny Tompo. Ampitain’ireo mpitarika izany amin’ny alalan’ny fomba fanolorana antso. Tsy tokony hanolotra antso amin’ny fomba tsy zarizary izy ireo.

Ilay tabilao mirakitra ireo antso dia maneho hoe iza no olona afaka manolotra ny antso tsirairay (jereo ny 30.8). Rehefa azo ny fankatoavana ilaina dia manao tafa sy dinika amin’ilay mpikambana ny mpitarika iray nahazo lalana mba hahatakarana raha toa ka manome fahafahana an’ilay mpikambana mba hanompo ny toe-javatra iainany. Ilay mpitarika koa dia mikatsaka ny hahatakatra raha toa ka mendrika sy vonona ny hanompo ilay mpikambana.

Rehefa manolotra antso iray ny mpitarika iray dia hazavainy fa avy amin’ny Tompo izany. Raha ilaina dia afaka manolotra fotoana an’ilay mpikambana izy mba handinika ombam-bavaka ilay antso, ka hikatsaka fanamafisana ara-panahy manokana ho azy.

Ilay mpitarika koa dia afaka:

  • Manazava ny tanjon’ilay antso sy ny lanjan’izany ary ireo andraikitra fonosin’izany.

  • Manampy ilay mpikambana mba hifantoka voalohany indrindra amin’ny olona hotompoiny. (Raha azo atao dia afaka manome ny lisitra ahitana ireo olona ireo avy ao amin’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers ilay mpitarika.)

  • Mamporisika ilay mpikambana hikatsaka ny Fanahin’ny Tompo eo amin’ny fanatanterahana ny antsony.

  • Mijoro ho vavolombelona fa ny Tompo dia hanampy sy hitahy azy noho ny fanompoana amim-pahatokiana.

  • Miteny an’ilay mpikambana momba izay olona hanome fanofanana sy fanohanana mahakasika ilay antso.

  • Miteny an’ilay mpikambana momba izay olona hanaovana tatitra mikasika ireo ezaka ataony.

  • Mampahafantatra an’ilay mpikambana mikasika izay fivoriana tokony hatrehany sy izay loharanom-pitaovana misy.

  • Manampy ilay mpikambana hahafantatra ny mety ho habetsaky ny fotoana hotakin’ilay antso.

  • Miresaka mikasika izay mety ho olana manokana fonosin’ilay antso.

  • Mamaly izay fanontaniana ananan’ilay mpikambana.

Raha toa ka manambady ilay mpikambana dia asain’ilay mpitarika ny vadiny mba hanatrika rehefa hatolotra ilay antso.

Raha toa ilay antso ka ahitana fiarahana miasa amin’ny ankizy na zatovo, dia hazavain’ilay mpitarika fa mila mamita ilay fiofanana momba ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ilay mpikambana. Ao amin’ny ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org no ahitana ilay fanofanana. Ilay mpikambana dia tokony hamita izany ao anatin’ny iray volana aorian’ny fanohanana azy ary tokony hanao izany isaky ny telo taona aorian’izay.

30.3

Fanohanana ireo mpikambana amin’ireo antso

Ireo izay voantso hanompo ao amin’ny ankamaroan’ireo antso ao amin’ny Fiangonana dia tokony haroso mba hotohanana mialoha ny hanombohan’izy ireo manompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:13; 42:11). Amin’ny alalan’ny fanohanana ireo izay voantso hanompo dia manome toky ireo mpikambana fa hanohana sy vonona ny hanampy.

Ilay tabilao mirakitra ireo antso dia maneho raha ilaina atao ny fanohanana na tsia ary maneho izay olona tokony handray anjara amin’izany (jereo ny 30.8). Ilay mpitarika izay niandraikitra ny fanolorana ilay antso, na ny mpitarika iray ao amin’ny fisoronana izay omeny lalana, no mampahafantatra ilay olona amin’ny daholobe mba hotohanana.

Ambaran’ilay olona mitarika ny fanohanana aloha ny fisaorana ilay olona nihazona ilay anjara andraikitra (raha azo atao izany). Manasa ireo mpikambana izy mba haneho fankasitrahana ny asa fanompoana nataon’ilay olona (jereo ny 30.6).

Rehefa mampahafantatra olona iray hotohanana ny mpitarika iray ao amin’ny fisoronana izay nomena lalana dia mangataka azy hitsangana izy. Afaka mampiasa teny toy izao manaraka izao ilay mpitarika:

“[Anarana] dia nantsoina ho [andraikitra sahanina]. Ireo izay manaiky ny hanohana azy dia afaka maneho izany amin’ny alalan’ny fananganana ny tanana. [Miato kely.] Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany koa. [Miato kely.]”

Ilay olona atolotra dia tokony handray anjara amin’ny fanohanana. Raha mihoatra ny iray ny olona atolotra dia azo tohanana miaraka izy ireo.

Raha misy mpikambana iray izay tsara laza maneho tsy fanohanana ilay fanolorana antso, dia miresaka manokana aminy aorian’ny fivoriana ilay mpitarika mpiahy na ny mpitarika iray hafa ao amin’ny fisoronana izay nomena andraikitra hanao izany. Mikatsaka ny hahatakatra ny antony nanoheran’ilay mpikambana ilay mpitarika. Anontaniany ilay mpikambana raha toa ka mahafantatra fitondran-tena izay mety tsy hahamendrika ilay olona hanompo ao amin’ilay anjara andraikitra. Raha toa ka tsy mahafantatra fitondran-tena tahaka izany ilay mpikambana nanohitra dia amporisihina izy mba hanohana ilay olona ao amin’ilay antso.

Mpikambana tsara laza ihany no afaka mandray anjara amin’ilay fanohanana. Saingy raha toa ka misy olona iray tsy mpikambana na olona iray ratsy laza izay manana ahiahy mikasika ilay zavatra naroso, dia afaka mizara izany amin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka izy aorian’ilay fivoriana.

30.4

Ny fanokanana ny mpikambana hanompo amin’ireo antso

Ireo izay voantso hanompo ao amin’ny ankamaroan’ireo antso ao amin’ny Fiangonana dia tokony hatokana. Ilay tabilao mirakitra ireo antso dia maneho hoe iza no olona afaka manao ny fanokanana (jereo ny 30.8). Amin’ny ankapobeny dia tanterahina izany rehefa avy notohanana ireo mpikambana ary mialoha ny hanombohan’izy ireo manompo.

Ny atao hoe manokana mpikambana iray ho amin’ny antso iray dia midika hoe manome azy ny fahefana handraisana andraikitra ao anatin’izany antso izany (jereo ny 3.4.3.1). Ny fanokanana koa dia ahitana tsodrano sy fampanantenana izay azo avy amin’ny fitarihan’ny Fanahy. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 18.11.

Sary
vehivavy iray mandray tsodranon’ny fisoronana

30.5

Faharetan’ny fotoana hanompoana

Ireo mpitarika dia manome fahafahana araka izay azo atao an’ireo mpikambana, hanompo maharitraritra ao amin’ny antson’izy ireo mba hanorenana fifandraisana mafy orina amin’ireo izay tompoin’izy ireo. Mety mila fotoana hianarana ny andraikiny sy hivoarana ao anatin’izany ireo mpikambana. Mety ho manan-danja manokana izany ho an’ireo mpitarika ny zatovo sy ny ankizy ary koa ho an’ireo filohan’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny an’ny kôlejin’ny loholona. Miovaova ny halavam-potoana tena tsara hanompoana, saingy ampy matetika ny roa ka hatramin’ny dimy taona.

30.6

Fisaorana ireo mpikambana amin’ireo antso

Amin’ny ankapobeny, dia isaorana amin’ny antso ireo mpikambana rehefa taomin’ny Tompo ireo mpitarika mba hisaotra azy ireo. Matetika ireo mpikambana sasany toy ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiôna dia isaorana aorian’ny fe-potoana iray efa napetraka. Azo isaorana koa ny olona iray noho ireo antony hafa, toy ny toe-javatra iainan’ny tena manokana sy iainan’ny fianakaviana.

Rehefa isaorana ny filoha iray na eveka iray dia isaorana ho azy ireo mpanolotsaina. Ireo olona hafa ao amin’ilay rafitra, toy ireo mpitamboky, mpitantsoratra, ary mpampianatra dia tsy isaorana ho azy.

Ireo fisaorana amin’ny antso ao amin’ny Fiangonana dia ataon’ny olona manana fahefana mitovy amin’ny fahefana nananan’ilay nanolotra ireo antso. Ohatra, raha toa ka mpikambana iray ao amin’ny episkôpà no nanolotra ilay antso, dia mpikambana iray ao amin’ny episkôpà no manao ny fisaorana.

Ny fanolorana fisaorana dia fahafahana iray izay manan-danja ho an’ny mpitarika iray mba hanehoana fankasitrahana ary mba hankasitrahana ny fiasan’ny tanan’ny Tompo tao anatin’ny asa fanompoana nataon’ilay mpikambana. Mihaona manokana amin’ilay mpikambana ilay mpitarika mba hampahafantatra azy ilay fisaorana mialoha ny hanambarana izany ampahibemaso. Afaka misafidy ny hanasa ilay mpikambana izy mba hizara ny zavatra nianarany tamin’ny fanompoana nataony tao amin’ilay antso. Ireo izay tokony hahafantatra izany ihany no hampahafantarina ny fisaorana olona iray mialoha ny hanambarana izany amin’ny daholobe.

Mpitarika iray ao amin’ny fisoronana izay nomena lalana no manambara ny fisaorana ao amin’ilay toerana izay nanohanana ilay olona ihany. Afaka mampiasa teny toy izao manaraka izao ilay mpitarika:

“[Anarana] dia nisaorana tamin’ny naha-[andraikitra sahanina] azy. Ireo izay te haneho fisaorana noho ny asa fanompoana nataony dia afaka maneho izany amin’ny alalan’ny fananganana ny tanana.

Tsy mangataka ny fanehoan-kevitr’ireo izay manohitra raha misy ilay mpitarika.

30.7

Ny fiantsoana sy ny fanendrena ary ny fanokanana ireo eveka

Ny fiadidian’ny tsatòka no manolotra ny anaran’ireo rahalahy ho antsoina ho eveka na hisaorana amin’izany antso izany. Alefa any amin’ny Fiadidiana Voalohany amin’ny alalan’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) ireo anarana atolotra. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, na mpitamboky iray, na ny mpitantsoratra mpanatanteraka no afaka manomana ilay fanolorana anarana. Ny filohan’ny tsatòka ihany anefa no afaka mandefa izany.

Tena manan-danja ny andraikitry ny eveka (jereo ny 7.1). Mitaky lehilahy manana fahamarinan-toetra, fahadiovana ara-pitondrantena, fahamatorana ara-panahy ary fahatokiana ny Mpamonjy izany. Mikatsaka fanamafisana avy amin’ny Fanahy ny fiadidian’ny tsatòka mikasika izay olona ho atolotra. Rehefa manolotra anaran’olona antsoina ho eveka dia mandinika tsara ny 1 Timoty 3:2–7 izy ireo. Tsy mangataka sosokevitra any amin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy izy ireo. Misy fampahalalana fanampiny omena momba ny fepetra takina mahakasika ny eveka ao amin’ny DDG.

Mialoha ny hahafahan’ny filohan’ny tsatòka iray miantso eveka vaovao iray, dia tsy maintsy mahazo fankatoavana an-tsoratra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany mikasika ilay olona natolony aloha izy. Rehefa mahazo io fankatoavana io ny filohan’ny tsatòka dia afaka manendry sy manokana eveka iray rehefa avy notohanan’ireo mpikambana nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo izy. Takina ihany koa ny fankatoavan’ny Fiadidiana Voalohany mialoha ny hisaoran’ny filohan’ny tsatòka eveka iray. Tsy azon’ny filohan’ny tsatòka atao ny manome andraikitra olona hafa hanao ireo andraikitra ireo.

Raha tsy mpisorona avo ny lehilahy iray antsoina ho eveka dia ataon’ny filohan’ny tsatòka izay hanendrena azy ho mpisorona avo mialoha ny hanendrena azy ho eveka. Raha efa eveka ilay lehilahy teo aloha dia ny fanokanana azy ho evekan’ilay paroasy sisa no ilainy. Raha tsy mpisorona avo ireo lehilahy izay voantso ho mpanolotsain’ny eveka dia tendrena ho mpisorona avo izy ireo alohan’ny hanokanana azy ireo.

Rehefa avy nanome ny fankatoavany ny anaran’ny lehilahy iray mba ho eveka ny Fiadidiana Voalohany dia manome lalana ny filohan’ny tsatòka izy ireo mba hanendry sy hanokana io lehilahy io. Ny filohan’ny tsatòka dia:

  1. Miantso ilay lehilahy amin’ny anarany feno.

  2. Manambara fa amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka no anaovany izany.

  3. Manendry ilay lehilahy ho eveka (raha tsy efa voatendry ho amin’izany izy teo aloha).

  4. Manokana azy mba hiahy ny paroasy sy ho lasa filohan’ny Fisoronana Aharôna sy ny kôlejin’ny mpisorona, ary manantitrantitra ireo andraikiny eo anatrehan’ireo mpihazona Fisoronana Aharôna sy ny zatovovavy ao amin’ny paroasy (jereo ny 7.1.2).

  5. Manome azy ireo fanalahidy rehetra, ny zo, ny hery, ary ny fahefana ao amin’ny anjara fanompoan’ny eveka, ary milaza mazava tsara ny andraikitry ny eveka amin’ny maha-mpitsara tsotra azy ao Isiraely sy amin’ny maha-mpisorona avo mpiahy azy ao amin’ny paroasy (jereo ny 7.1.1 sy ny 7.1.3).

  6. Manome tsodrano araka izay hitarihan’ny Fanahy.

  7. Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

Ny Fitopololahin’ny Vondromparitra iray na ny Manampahefana Ambony iray dia afaka miantso sy manendry ary manokana eveka iray rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany.

30.8

Tabilao mirakitra ireo antso

Ity tabilao manaraka ity dia mitanisa ireo antso ao amin’ny paroasy sy tsatòka izay nofantenina. Ireo antso sy ireo fahafahana manompo hafa dia voafaritra any amin’ny toerana hafa ato amin’ity boky torolalana ity.

Tsy voatery hofenoin’ny paroasy na tsatòka olona ny antso rehetra voatanisa ato amin’ity tabilao ity. Ireo mpitarika no mamaritra izay antso tokony hasiana olona izay mifototra amin’ireo zavatra ilain’ilay rantsana sy ireo olona afaka manompo.

30.8.1

Ireo antso ao amin’ny paroasy

Antso

Atolotry ny

Ankatoavin’ny

Tohanan’ny1

Antsoina sy atokan’ny

Antso

Eveka2

Atolotry ny

Fiadidian’ny tsatòka, mampiasa ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG)

Ankatoavin’ny

Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy

Antsoina sy atokan’ny

Ny filohan’ny tsatòka rehefa avy nahazo fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany (jereo ny 30.7)

Antso

Ireo mpanolotsaina ao amin’ny episkôpà2

Atolotry ny

Eveka

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hanao izany

Antso

Mpitamboky eo anivon’ny paroasy (sy mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy raha ilaina)

Atolotry ny

Ny episkôpà

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka, na mpanolotsaina iray na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo nomena andraikitra hanao izany

Antso

Mpitantsoratra mpanatanteraka eo anivon’ny paroasy (sy mpitantsoratra mpanatanteraka mpanampy eo anivon’ny paroasy raha ilaina)

Atolotry ny

Ny episkôpà

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka, na mpanolotsaina iray na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo nomena andraikitra hanao izany

Antso

Ny filohan’ny kôlejin’ny loholona

Atolotry ny

Fiadidian’ny tsatòka (rehefa avy niresaka tamin’ny eveka)

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny Tsatòka

Antso

Ireo mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona

Atolotry ny

Filohan’ny kôlejy (rehefa avy niresaka tamin’ny eveka)

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka, na mpanolotsaina iray na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo nomena andraikitra hanao izany

Antso

Ireo antso hafa ao amin’ny kôlejin’ny loholona

Atolotry ny

Fiadidian’ny kôlejy

Ankatoavin’ny

Ny episkôpà

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy (atolotry ny filohan’ny kôlejy na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany mandritra ny fivoriana iray ataon’ny kôlejy)

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny kôlejy na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany

Antso

Ireo filohan’ny rafitra ao amin’ny paroasy (Fikambanana Ifanampiana, Zatovovavy, Kilonga, ary Sekoly Alahady)

Atolotry ny

Ny episkôpà

Ankatoavin’ny

Ny episkôpà

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy

Antsoina sy atokan’ny

Ny eveka

Antso

Ireo mpanolotsaina ao amin’ireo fiadidian’ireo rafitra ao amin’ny paroasy

Atolotry ny

Filohan’ny rafitra

Ankatoavin’ny

Ny episkôpà

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy

Antsoina sy atokan’ny

Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany

Antso

Ireo antso hafa ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, Zatovovavy sy Kilonga ary Sekoly Alahady eo anivon’ny paroasy

Atolotry ny

Fiadidian’ny rafitra

Ankatoavin’ny

Ny episkôpà

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy

Antsoina sy atokan’ny

Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany

Antso

Ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy (ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona dia afaka misahana io anjara asa io. Raha izany no izy dia tsy ilaina antsoina na tohanana na atokana manokana izy)

Atolotry ny

Episkôpà (rehefa avy niresaka tamin’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana)

Ankatoavin’ny

Ny episkôpà

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy

Antsoina sy atokan’ny

Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany

Antso

Misiôneran’ny paroasy

Atolotry ny

Episkôpà na ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana

Ankatoavin’ny

Ny episkôpà

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy

Antsoina sy atokan’ny

Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany

Antso

Ny mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa momba ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy (ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona dia afaka misahana io anjara asa io. Raha izany no izy dia tsy ilaina antsoina na tohanana na atokana manokana izy)

Atolotry ny

Episkôpà (rehefa avy niresaka tamin’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana)

Ankatoavin’ny

Ny episkôpà

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy

Antsoina sy atokan’ny

Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany

Antso

Ireo mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy

Atolotry ny

Episkôpà na ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana

Ankatoavin’ny

Ny episkôpà

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy

Antsoina sy atokan’ny

Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany

Antso

Ireo mpanampy ny filohan’ny kôlejin’ny mpisorona

Atolotry ny

Eveka (amin’ny maha-filohan’ny kôlejin’ny mpisorona azy)

Ankatoavin’ny

Ny episkôpà

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy (atolotry ny eveka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany mandritra ny fivoriana iray ataon’ny kôlejy)

Antsoina sy atokan’ny

Ny eveka

Antso

Ireo filohan’ny kôlejin’ny mpampianatra sy ny diakona

Atolotry ny

Ny episkôpà

Ankatoavin’ny

Ny episkôpà

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy (atolotry ny eveka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany mandritra ny fivoriana iray ataon’ny kôlejy)

Antsoina sy atokan’ny

Antsoin’ny eveka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany; atokan’ny eveka

Antso

Ireo mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny mpampianatra sy ny diakona ary ireo mpitantsoratry ny kôlejy

Atolotry ny

Filohan’ny kôlejy

Ankatoavin’ny

Ny episkôpà

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy (atolotry ny eveka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany mandritra ny fivoriana iray ataon’ny kôlejy)

Antsoina sy atokan’ny

Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany

Antso

Ireo filohan’ny kilasin’ny Zatovovavy

Atolotry ny

Episkôpà (rehefa avy niresaka tamin’ny fiadidian’ny Zatovovavy)

Ankatoavin’ny

Ny episkôpà

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny kilasy (atolotry ny eveka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany mandritra ny fivoriana iray ataon’ny Zatovovavy)

Antsoina sy atokan’ny

Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany

Antso

Ireo mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy sy ireo mpitantsoratra ao amin’ny kilasy

Atolotry ny

Filohan’ny kilasy

Ankatoavin’ny

Ny episkôpà

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny kilasy (atolotry ny eveka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany mandritra ny fivoriana iray ataon’ny Zatovovavy)

Antsoina sy atokan’ny

Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany

Antso

Tompon’andraikitra manokana misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena eo anivon’ny paroasy raha ilaina

Atolotry ny

Ny episkôpà

Ankatoavin’ny

Ny episkôpà

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy

Antsoina sy atokan’ny

Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany

Antso

Manam-pahaizana manokana momba ny ivon-toerana misahana ny loharanom-pitaovana eo anivon’ny paroasy raha ilaina

Atolotry ny

Filohan’ny Sekoly Alahady

Ankatoavin’ny

Ny episkôpà

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy

Antsoina sy atokan’ny

Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany

Antso

Mpandrindra ny hira ao amin’ny paroasy

Atolotry ny

Ny episkôpà

Ankatoavin’ny

Ny episkôpà

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy

Antsoina sy atokan’ny

Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany

Antso

Ireo antso hafa ao amin’ny paroasy

Atolotry ny

Ny episkôpà

Ankatoavin’ny

Ny episkôpà

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy

Antsoina sy atokan’ny

Eveka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany

  1. Ao anatin’ireo toe-javatra izay tsy dia fahita firy dia mety mila manomboka manompo ao amin’ny antso iray ny mpikambana iray ao amin’ny paroasy mialoha ny ahafahana manolotra azy mba hotohanana. Rehefa mitranga izany dia atolotry ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà ilay olona mba hanaovana fanamafisana ny fanohanana faran’izay haingana azo atao. Ampifanarahany amin’ny dingana voafaritra ao 30.3 ny zavatra atao. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana fahafahana ireo mpikambana ao amin’ny paroasy hanohitra ilay zavatra aroso.

  2. Ireo mpanao famehezana am-perinasa any amin’ny tempoly dia tsy tokony hantsoina mba hanompo ao amin’ny episkôpà. Ireo mpanao famehezana dia antsoina eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fiangonana.

Sary
Kilasin’ny Sekoly Alahady

30.8.2

Antso eo anivon’ny sampana

Antso

Atolotry ny

Ankatoavin’ny

Tohanan’ny

Antsoina sy atokan’ny

Antso

Filohan’ny sampana1

Atolotry ny

Fiadidian’ny tsatòka, na misiôna, na distrika

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy filankevitra avo na fiadidian’ny misiôna

Tohanan’ny

Ireo mpikambana ao amin’ny sampana

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka na misiôna (na ny filohan’ny distrika raha nomena andraikitra hisahana izany)

Antso

Mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny sampana1

Atolotry ny

Ny Filohan’ny sampana

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy mpikambana ao amin’ny filankevitra avo na fiadidian’ny misiôna (na ny fiadidian’ny distrika rehefa nahazo lalana avy amin’ny filohan’ny misiôna)

Tohanan’ny

Ireo mpikambana ao amin’ny sampana

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka, na filohan’ny misiôna, na filohan’ny distrika, na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany

Antso

Mpitamboky, mpitamboky mpanampy, ary mpitantsoratra mpanatanteraka eo anivon’ny sampana

Atolotry ny

Fiadidian’ny sampana

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy mpikambana ao amin’ny filankevitra avo na fiadidian’ny misiôna (na ny fiadidian’ny distrika rehefa nahazo lalana avy amin’ny filohan’ny misiôna)

Tohanan’ny

Ireo mpikambana ao amin’ny sampana

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka, na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany, na mpikambana ao amin’ny filankevitra avo (ho an’ireo sampana ao anatina tsatòka); filohan’ny distrika na mpitarika iray ao amin’ny fisoronana izay tendreny hisahana izany (ho an’ireo sampana ao anatina misiôna)

Antso

Filohan’ny kôlejin’ny loholona

Atolotry ny

Fiadidian’ny tsatòka na distrika na misiôna (rehefa avy niresaka tamin’ny filohan’ny sampana)

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy mpikambana ao amin’ny filankevitra avo na fiadidian’ny misiôna (na ny fiadidian’ny distrika rehefa nahazo lalana avy amin’ny filohan’ny misiôna)

Tohanan’ny

Ireo mpikambana ao amin’ny sampana

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka na misiôna (na ny filohan’ny distrika raha nomena andraikitra hisahana izany)

Antso

Ireo mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona

Atolotry ny

Filohan’ny kôlejy (rehefa avy niresaka tamin’ny filohan’ny sampana)

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy mpikambana ao amin’ny filankevitra avo na fiadidian’ny misiôna (na ny fiadidian’ny distrika rehefa nahazo lalana avy amin’ny filohan’ny misiôna)

Tohanan’ny

Ireo mpikambana ao amin’ny sampana

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka na filohan’ny misiôna na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany, na mpikambana ao amin’ny filankevitra avo (na ny filohan’ny distrika na mpitarika iray hafa ao amin’ny fisoronana raha nomena andraikitra hisahana izany)

Antso

Ireo antso hafa ao amin’ny sampana

Atolotry ny

Jereo ny 30.8.1 ary ovao filohan’ny sampana ny eveka ary sampana ny paroasy.

Ankatoavin’ny

Jereo ny 30.8.1 ary ovao filohan’ny sampana ny eveka ary sampana ny paroasy.

Tohanan’ny

Jereo ny 30.8.1 ary ovao filohan’ny sampana ny eveka ary sampana ny paroasy.

Antsoina sy atokan’ny

Jereo ny 30.8.1 ary ovao filohan’ny sampana ny eveka ary sampana ny paroasy.

  1. Ireo mpanao famehezana am-perinasa any amin’ny tempoly dia tsy tokony hantsoina mba hanompo ao amin’ny fiadidian’ny sampana. Ireo mpanao famehezana dia antsoina eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fiangonana.

30.8.3.

Ireo antso ao amin’ny tsatòka

Antso

Atolotry ny

Ankatoavin’ny

Tohanan’ny1

Antsoina sy atokan’ny

Antso

Filohan’ny tsatòka2

Atolotry ny

Manampahefana Ambony na Fitopololahin’ny Vondromparitra nomena andraikitra hanao izany

Ankatoavin’ny

Manampahefana Ambony na Fitopololahin’ny Vondromparitra nomena andraikitra hanao izany

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana manatrika ny fihaonamben’ny tsatòka

Antsoina sy atokan’ny

Manampahefana Ambony na Fitopololahin’ny Vondromparitra nomena andraikitra hanao izany

Antso

Ireo mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka iray vaovao2

Atolotry ny

Filohan’ny Tsatòka

Ankatoavin’ny

Manampahefana Ambony na Fitopololahin’ny Vondromparitra nomena andraikitra hanao izany

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana manatrika ny fihaonamben’ny tsatòka

Antsoina sy atokan’ny

Manampahefana Ambony na Fitopololahin’ny Vondromparitra nomena andraikitra hanao izany

Antso

Mpanolotsaina vaovao ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka iray efa misy2

Atolotry ny

Filohan’ny tsatòka, mampiasa ny DDG

Ankatoavin’ny

Fiadidiana Voalohany

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana manatrika ny fihaonamben’ny tsatòka

Antsoina sy atokan’ny

Ny filohan’ny tsatòka rehefa avy nahazo fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Antso

Mpitamboky eo anivon’ny tsatòka (sy mpitamboky mpanampy eo anivon’ny tsatòka raha ilaina)

Atolotry ny

Fiadidian’ny tsatòka

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana manatrika ny fihaonamben’ny tsatòka

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hanao izany

Antso

Mpitantsoratra mpanatanteraka eo anivon’ny tsatòka (sy mpitantsoratra mpanatanteraka mpanampy eo anivon’ny tsatòka raha ilaina)

Atolotry ny

Fiadidian’ny tsatòka

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana manatrika ny fihaonamben’ny tsatòka

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hanao izany

Antso

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo

Atolotry ny

Fiadidian’ny tsatòka

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana manatrika ny fihaonamben’ny tsatòka

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hanao izany

Antso

Patriarika eo anivon’ny tsatòka, ka tafiditra ao anatin’izany ny patriarika iray izay efa voatendry tany amin’ny tsatòka iray hafa

Atolotry ny

Fiadidian’ny tsatòka, mampiasa ny DDG

Ankatoavin’ny

Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana manatrika ny fihaonamben’ny tsatòka

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka rehefa avy nahazo fankatoavana avy amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo; na mpikambana iray ao amin’ny Fiadidiana Voalohany na mpikambana iray ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy.

Antso

Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka

Atolotry ny

Fiadidian’ny tsatòka

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana manatrika ny fihaonamben’ny tsatòka

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka

Antso

Filohan’ny Zatovovavy sy filohan’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka

Atolotry ny

Fiadidian’ny tsatòka

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana manatrika ny fihaonamben’ny tsatòka

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hanao izany

Antso

Filohan’ny Zatovolahy sy filohan’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka

Atolotry ny

Miantso mpikambana ao amin’ny filankevitra avo ny fiadidian’ny tsatòka mba hisahana ireo anjara andraikitra ireo

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka (tokony ho sady tohanana amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny filankevitra avo azy izy ireo no tohanana amin’ny maha-filohan’ireo rafitra ireo azy ireo)

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany (tokony ho sady antsoina sy atokana amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny filankevitra avo azy izy ireo no antsoina sy atokana amin’ny maha-filohan’ireo rafitra ireo azy ireo)

Antso

Ireo mpanolotsaina ao amin’ireo fiadidian’ny rafitra eo anivon’ny tsatòka, ary ireo hafa raha ilaina

Atolotry ny

Filohan’ny rafitra eo anivon’ny tsatòka (rehefa avy niresaka tamin’ny fiadidian’ny tsatòka na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay nomena andraikitra hisahana izany)

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana manatrika ny fihaonamben’ny tsatòka

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka, na mpanolotsaina iray na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo nomena andraikitra hanao izany

Antso

Ireo mpanara-maso ao amin’ny tsatòka

Atolotry ny

Filohan’ny kômitin’ny fanamarinam-bola ao amin’ny tsatòka (mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka)

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo

Tohanan’ny1

Tsy tohanana

Antsoina sy atokan’ny

Ny filohan’ny tsatòka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany (ny filohan’ny tsatòka no manapa-kevitra raha toa ka ilaina ny fanokanana na tsia)

Antso

Ireo mpampianatra seminera sy institiota eo anivon’ny tsatòka ary ireo mpanara-maso raha ilaina

Atolotry ny

Fiadidian’ny tsatòka (rehefa avy nifampiresaka tamin’ny eveka sy ny tompon’andraikitra misahana ny seminera sy institiota)

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana manatrika ny fihaonamben’ny tsatòka

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka, na mpanolotsaina iray na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo nomena andraikitra hanao izany

Antso

Tompon’andraikitra manokana misahana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena (raha ilaina)

Atolotry ny

Fiadidian’ny tsatòka

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana manatrika ny fihaonamben’ny tsatòka

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka, na mpanolotsaina iray na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo nomena andraikitra hanao izany

Antso

Ny tale sy ireo tale mpanampy ary ireo tompon’andraikitra misahana ny fifandraisana eo anivon’ny tsatòka

Atolotry ny

Fiadidian’ny tsatòka

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana manatrika ny fihaonamben’ny tsatòka

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka, na mpanolotsaina iray na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo nomena andraikitra hanao izany

Antso

Ireo antso hafa ao amin’ny tsatòka3

Atolotry ny

Fiadidian’ny tsatòka

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo

Tohanan’ny1

Ireo mpikambana manatrika ny fihaonamben’ny tsatòka

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka, na mpanolotsaina iray na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo nomena andraikitra hanao izany

  1. Ho tranga maningana, rehefa mila manomboka ny asa fanompoany ireo mpiandraikitra vaovao eo anivon’ny tsatòka mialoha ny fihaonamben’ny tsatòka manaraka, dia tokony hotohanana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo izy ireo. Tokony hatao fohy araka izay azo atao ireo fanohanana ireo. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo no manolotra ireo fanohanana.

    Amin’ny toe-javatra tsy dia fahita firy, dia mety ilaina ny hanombohan’ny mpikambana iray ao amin’ny tsatòka ny asa fanompoany mialoha ny ahafahana manolotra azy mba hotohanana mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka na mandritra ireo fivoriana fanasan’ny Tompo. Rehefa mitranga izany dia atolotra faran’izay haingana azo atao ilay olona mba hanaovana fanamafisana ny fanohanana, ka ampifanarahana amin’ny dingana voafaritra ao amin’ny 30.3 ny zavatra atao. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana fahafahana ireo mpikambana ao amin’ny tsatòka mba hanohitra ny zavatra aroso.

  2. Ireo mpanao famehezana am-perinasa any amin’ny tempoly dia tsy tokony hantsoina mba hanompo ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka. Ireo mpanao famehezana dia antsoina eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fiangonana.

  3. Ny filohan’ny komity misahana ireo fiaraha-mientana eo anivon’ny tsatòka (raha ilaina) sy ny tompon’andraikitry ny trano fiangonana eo anivon’ny tsatòka dia tendren’ny fiadidian’ny tsatòka amin’ny alalan’ny mpikambana ao amin’ny filankevitra avo. Tsy antsoina na tohanana na atokana izy ireo.

Sary
mpivady miresaka amin’ny eveka

30.8.4.

Ireo antso ao amin’ny distrika

Antso

Atolotry ny

Ankatoavin’ny

Tohanan’ny

Antsoina sy atokan’ny

Antso

Filohan’ny disitrika1

Atolotry ny

Ny Filohan’ny Misiôna

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny Vondromparitra

Tohanan’ny

Ireo mpikambana manatrika ny fihaonamben’ny distrika

Antsoina sy atokan’ny

Ny Filohan’ny Misiôna

Antso

Ireo mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny distrika1

Atolotry ny

Filohan’ny distrika

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny misiôna

Tohanan’ny

Ireo mpikambana manatrika ny fihaonamben’ny distrika

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny misiôna na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany

Antso

Mpikambana ao amin’ny filankevitry ny distrika

Atolotry ny

Ny Filohan’ny distrika

Ankatoavin’ny

Fiadidian’ny misiôna (na ny fiadidian’ny distrika rehefa nahazo lalana avy amin’ny filohan’ny misiôna)2

Tohanan’ny

Ireo mpikambana manatrika ny fihaonamben’ny distrika

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny misiôna na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany (na ny fiadidian’ny distrika rehefa nahazo lalana avy amin’ny filohan’ny misiôna)2

Antso

Ireo antso hafa ao amin’ny distrika

Atolotry ny

Jereo ny 30.8.3 ary ovao filohan’ny distrika ny filohan’ny tsatòka ary distrika ny tsatòka.

Ankatoavin’ny

Jereo ny 30.8.3 ary ovao filohan’ny distrika ny filohan’ny tsatòka ary distrika ny tsatòka.

Tohanan’ny

Jereo ny 30.8.3 ary ovao filohan’ny distrika ny filohan’ny tsatòka ary distrika ny tsatòka.

Antsoina sy atokan’ny

Jereo ny 30.8.3 ary ovao filohan’ny distrika ny filohan’ny tsatòka ary distrika ny tsatòka.

  1. Ireo mpanao famehezana am-perinasa any amin’ny tempoly dia tsy tokony hantsoina mba hanompo ao amin’ny fiadidian’ny distrika. Ireo mpanao famehezana dia antsoina eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fiangonana.

  2. Any amin’ireo vondromparitra tsy misy misiôna dia ny Fiadidian’ny Vondromparitra no misahana io anjara toerana io.

30.8.5.

Ireo antso ao amin’ireo vondron’ny mpikambana manao fanompoana ara-miaramila

Antso

Atolotry ny

Ankatoavin’ny

Tohanan’ny

Antsoina sy atokan’ny

Antso

Mpitarika ny vondron’ny mpikambana manao fanompoana ara-miaramila

Atolotry ny

Mpitondra fivavahana Olomasin’ny Andro Farany, talen’ny fifandraisana amin’ny miaramila, na mpitarika ny vondrona mivoaka

Ankatoavin’ny

Eveka na filohan’ny sampana ary filohan’ny tsatòka na filohan’ny misiôna (any amin’ny paroasy na sampana sy tsatòka na misiôna izay niavian’ilay mpikambana)

Tohanan’ny

Ireo mpikambana ao amin’ny vondrona

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka na filohan’ny misiôna na solontena omena andraikitra hisahana izany (afaka miasa na dia tsy natokana aza raha ilaina)

Antso

Ireo mpanampy ny mpitarika ny vondron’ny mpikambana manao fanompoana ara-miaramila

Atolotry ny

Mpitarika ny vondrona

Ankatoavin’ny

Eveka na filohan’ny sampana ary filohan’ny tsatòka na filohan’ny misiôna (any amin’ny paroasy na sampana sy tsatòka na misiôna izay niavian’ilay mpikambana)

Tohanan’ny

Ireo mpikambana ao amin’ny vondrona

Antsoina sy atokan’ny

Filohan’ny tsatòka na filohan’ny misiôna na solontena omena andraikitra hisahana izany (afaka miasa na dia tsy natokana aza raha ilaina)