Boky torolalana sy antso
Famintinana ireo fanavaozana farany


“Famintinana ireo fanavaozana farany,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2025).

“Famintinana ireo fanavaozana farany,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Famintinana ireo fanavaozana farany

Febroary 2025

Toko 6: Ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka

  • 6.2.1.7. Fifandraisana [Fifandraisana amin’ny any ivelany] (nampiana fanoroana ilay loharanom-pitaovana vaovao) Communication Councils: A Guide for Priesthood Leaders [Filankevitry ny fifandraisana: Toromarika ho an’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana])

Toko 8: Kôlejin’ny loholona

  • 8.3.4. Mpitantsoratra (nohazavaina fa tokony hampidirina ao anatin’ireo tatitra momba ny fanatrehana ireo rahalahy izay manompo any amin’ny Kilonga sy ny Zatovolahy)

  • 8.3.5. Antso sy asa ampiandraiketina fanampiny (lohateny nasiam-panovàna)

Toko 9: Fikambanana Ifanampiana

  • 9.3.3. Mpitantsoratra (nohazavaina fa tokony hampidirina ao anatin’ireo tatitra momba ny fanatrehana ireo rahavavy izay manompo any amin’ny Kilonga sy ny Zatovovavy)

  • 9.3.4. Antso sy asa ampiandraiketina fanampiny (lohateny nasiam-panovàna; nampiana ohatra momba ireo asa ampiandraiketina azo hatolotra)

Toko 12: Ny Kilonga

  • 12.1.4 Kilasy (novaina ho lasa hoe Maherifo 7 ny anaran’ny kilasy FNT 7)

  • 12.2.1.2 Fianarana ny filazantsara (nampiana fandaharam-potoana azo hampiharina ho an’ireo zaza madinika)

  • 12.2.1.3 Asa fanompoana sy fiaraha-mientana (nampiana toromarika momba ny fiaraha-mientana ho an’ireo ankizy ao amin’ny Kilonga rehetra, ka tafiditra ao anatin’izany ny asa fanompoana fanao isan-taona, sy ny fiaraha-mientan’ny Maherifo ho an’ny ankizy ao amin’ny kilasin’ny Maherifo 7–10 taona)

  • 12.3.6. Mpitarika misahana ny fiaraha-mientan’ny Maherifo (lohateny nasiam-panovàna)

Toko 14: Ireo mpikambana tokan-tena

  • 14.2.4. Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay (fiteny nohavaozina mba hahitana taratra fa ireo mpiasa sy mpilatsaka an-tsitrapo misahana ôrdônansy any amin’ny tempoly manomboka izao dia “mpiasa any amin’ny tempoly”)

Toko 15: Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara

  • 15.2. Institiota (nohazavaina fa ireo tanora tokan-tena dia amporisihina hanatrika kilasin’ny institiota, mahazo manatrika ireo tanora 18–35 taona efa manambady, ary takiana amin’ireo mpianatra amin’ny BYU–Pathway ny manatrika)

Toko 18: Fanatanterahana ireo ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana

  • 18.10.3. Fanolorana mpikambana iray hotohanana alohan’ny hanendrena azy ao amin’ny fisoronana (nohazavaina hoe iza no manolotra ny rahalahy iray mba hotohanana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo rehefa mila hotendrena ao amin’ny fisoronana izy mialoha ny hahafahana manolotra azy mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka)

Toko 20: Fiaraha-mientana

  • 20.5.5. Fiaraha-mientana amin’ny alina (fiteny nasiam-panovàna)

Toko 22. Manome ireo zavatra ilaina ara-batana ary manorina fizakan-tena

  • 22.0. Fampahafantarana (nampiana fanoroana ohatra sy horonan-tsary vaovao izay milazalaza momba ireo fotokevitra fototra ao amin’ny toko 22)

  • 22.3. Lamina ho an’ny fanorenana fizakan-tena sy ny fanompoana ho an’ireo izay sahirana (nampiana fanoroana ohatra sy horonan-tsary vaovao izay milazalaza momba ireo fotokevitra fototra ao amin’ny toko 22)

  • 22.3.4 Manompo ireo izay manana olana ara-pihetseham-po (nampiana fiteny izay mamela ireo filohan’ny Fikambanana Ifanampiana sy kôlejin’ny loholona hanomboka ny fandefasana fanafaran’entana hoenti-manampy any amin’ny Family Services, any amin’ny toerana izay misy izany)

  • 22.4 Fitsipika momba ny fanomezana fanampiana avy amin’ny Fiangonana (nampiana fanoroana ohatra sy horonan-tsary vaovao izay milazalaza momba ireo fotokevitra fototra ao amin’ny toko 22)

  • 22.13. Loharanom-panampian’ny Fiangonana (nampiana fiteny izay mamela ireo filohan’ny Fikambanana Ifanampiana sy kôlejin’ny loholona hanomboka ny fandefasana fanafaran’entana hoenti-manampy any amin’ny Family Services, any amin’ny toerana izay misy izany)

Toko 24: Fandefasana fangatahana hanao asa fitoriana sy Asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana

  • 24.3.5 Anjara asan’ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ny mpitarika amin’ny fanomanana misiônera (nampiana fampahalalana momba ny loharanom-panampiana iray izay ampiasaina ao amin’ny fandaharam-pianarana fiomanana ho misiônera)

Toko 32: Fibebahana sy ireo filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana

  • 32.6.3.4. Fampiasana tsy ara-dalàna fampahalalana izay an’ny tenan’olona manokana (fizarana vaovao; ny fizarana 32.6.3.4 taloha dia lasa 32.6.3.5 amin’izao)

  • Tabilao. Rahoviana no takiana na mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (nampiana fanoroana ny zana-pizarana 32.6.3.4, “Fampiasana tsy ara-dalàna fampahalalana izay an’ny tenan’olona manokana”)

  • 32.15. Manohy manompo (nitarina ny hoe “firaketana faobe” mba hampidirana ireo fomba hafa hirotsahana ho mpilatsaka an-tsitrapo amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana)

Toko 33: Rejisitra sy tatitra

  • 33.9.1. Fiarovana (nampiana fiteny momba ny hoe mety ilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana amin’ny tranga goavana mahakasika ny fampiasana tsy ara-dalàna fampahalalana izay an’ny tenan’olona manokana)

Toko 37: Tsatòka sy paroasy ary sampana ho an’ny sokajin’olona manokana

  • 37.1. Paroasy sy sampana mampiasa fiteny hafa (nampiana fampahalalana hahafahana mahazo fanampiana amin’ny famoronana tsatòka mampiasa fiteny hafa)

Toko 38. Ireo fitsipika sy torolalan’ny Fiangonana

  • 38.2.6. Fankatoavana na fanamafisana fahavitan’ny ôrdônansy (nohazavaina ny toromarika momba ny famerenana ny fanatanterahana ôrdônansy iray)

  • 38.2.6.1. Tsy nisy firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana noforonina na tsy ao na tsy marina ny taona (nohazavaina ny fitsipika momba ny fankatoavana ny fahavitan’ny batisa, sy ny fandraisana ho mpikambana, ary ireo fanendrena ao amin’ny fisoronana)

  • 38.2.6.2. Tsy marina na tsy ao amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ny olona mbola velona iray ny fampahalalana iray momba ny ôrdônansin’ny tempoly (fizarana vaovao; lasa niova laharana avokoa ireo fizarana hafa ao amin’ny 38.2.6)

  • 38.2.6.3. Tsy araka ny filaharana tokony ho izy no nandraisana ireo ôrdônansy (naseho ny laharana vaovao ahitana ny fizarana; nohazavaina fa ny filohan’ny tsatòka dia mampiasa ny Loharanom-pitaovana ho an’ny Mpitarika sy ny Mpitamboky (LMM) mba handefasana fangatahana any amin’ny Fiadidiana Voalohany)

  • 38.2.6.4. Notanterahina talohan’ny taona takina ahafahana manao izany ilay ôrdônansy (naseho ny laharana vaovao ahitana ny fizarana; nohazavaina ny fitsipika)